The Holy See
back up
Search
riga

Teny mialoha

 

 

“RAY ď, (…) izao ny fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa-Kristy irakao” (Jo 17,3). “Andriamanitra Mpamonjy antsika (…) dia tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavan’izy ireo amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,3-4). “Tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, hahazoantsika famonjena” (Asa 4,12) afa-tsy ny anaran’i JESOA.

 

I. Ny fiainan’ny olombelona – mahalala sy mitia an’ Andriamanitra

1.  Andriamanitra, Lavorary indrindra sy Sambatra tanteraka ao amin’ny Tenany ihany, araka ny fandaharany feno hatsaram-panahy madio tsy misy pentina, dia nahary an-kalalahana ny olombelona mba hanana anjara amin’ny fiainany sambatra. Izany indrindra no anakaikezany ny olombelona, amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra. Antsoiny izy, ampiany hitady Azy, hahalala Azy ary ho tia Azy amin’ny heriny manontolo. Antsoiny ny olombelona rehetra naparitaky ny fahotana mba hiray ao anatin’ny Fiangonana fianakaviany. Mba hahatanteraka izany, dia naniraka ny Zanany Izy ho Mpanavotra sy Mpamonjy, nony feno ny fotoana. Ao amin’io Zanany io sy amin’ny Alalany no iantsoany ny olombelona hanjary zanaka atsangany, ao amin’ny Fanahy Masina, ka ho mpandova ny fiainany sambatra.

2.  Mba hanakoako manerana ny tany izany antso izany, dia nirahin’i Kristy ny ap˘st˘ly izay nofidýny tamin’ny nanomezany azy ireo fahefana hitory ny Evanjely : “Mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo lalandava ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao” (Mt 28,19-20). Nahazo hery tamin’izany iraka izany ny ap˘st˘ly, ka “lasa nitory hatraiza hatraiza, ary niara-niasa tamin’izy ireo ny Tompo, sady nanome hery ny Teny tamin’ny famantarana nomba azy” (Mk 16,20).

3.  Ireo izay nandray ny antson’i Kristy noho ny fanampian’Andriamanitra, sy namaly izany tamin-kalalahana, dia noteren’ny fitiavan’i Kristy koa avy eo, hitory ny Evanjely hatraiza hatraiza manerana ny tany. Voatahirin’ny dimbin’ izy ireo araka ny tena izy, izany raki-tsoa voaray avy amin’ireo ap˘st˘ly izany. Ny mpino rehetra an’i Kristy no antsoina hampita izany amin’ny taranaka mifandimby, amin’ny fanambarÓna ny finoana, amin’ny fivelomana izany ao anatin’ny fifampizarÓna maha-mpiray tam-po ara-pinoana ary amin’ ny fankalazana izany amin’ny litorzia sy ny fivavahana[1].

II. Mampita ny finoana – ny katesezy

4.  Vetivety dia nantsoina hoe katesezy ny asa manontolo ezahina atao ao amin’ny Fiangonana mba hahatonga ny olona ho mpianatr’i Jesoa, mba hanampy azy ireo hino fa Izy no Zanak’Andriamanitra, ka hananan’izy ireo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana, mba hanabe azy ireo sy hampianatra azy ireo amin’io fiainana io ary handrafetana amin’izany ny Vatan’i  Kristy[2].

5. “Ny katesezy dia fanabeazana ara-pinoana ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe, izay mifantoka manokana amin’ny fampianarana ny fitambaram-pinoana kristianina, omena ankapobeny amin’ny fomba mirindra sy mitohy, mba hirosoana amin’ny hafenoam-piainana kristianina[3]”.

6. Ny katesezy, izay tsy mifangaro amin’ny past˘raly sy ny fanirahana ny Fiangonana, dia mifandray amin’ny singafototra vitsivitsy momba ny andraikitra past˘ralin’ny Fiangonana, izay ananan’izy ireny endrika katesezy, izay anomanan’izy ireny katesezy, na izay vokatr’izany : fitoriana voalohany ny Evanjely na asam-pitoriana maha-misi˘nera mba hiteraka finoana ; fikarohana ny antony inoana ; fahalalana azo tamim-pahazarana momba ny fiainana kristianina ; fankalazana ny sakramenta ; fampidirana manontolo ho isan’ny ankohonam-piangonana ; fijoroana vavolombelona maha-ap˘st˘ly sy maha-misi˘nera[4].

7. “Mifamatotra mafy amin’ny fiainan’ny Fiangonana manontolo ny katesezy. Tsy ny fiitaran’ny Fiangonana ara-je˘grafia sy ny fitomboany isa ihany no tena iankinany amin’ny katesezy, fa eo koa, ary mbola bebe kokoa aza, ny fitombony anaty sy ny fifandraisany amin’ny fandaharan’Andriamanitra”[5].

8.  Fotoan-dehibe koa ho an’ny katesezy ny fotoam-pihavaozana teo amin’ny Fiangonana. Hita izany tamin’ny vaninandro lehibe faha-Aban’ny Fiangonana, fa nanokanan’ireo Eveka masina ampahany betsaka izany tamin’ny andraiki-panompoana nosahanin’izy ireo. Tahaka an-dry Md Cyrille de JÚrusalem sy Md Jean Chrysostome, ry Md Ambroise sy Md Augustin, sy ny Aba maro hafa, izay maharitra ho m˘delin’ny asa soratra momba ny katesezy nataon’izy ireo.

9.  Ao amin’ireo K˘nsily no anovozan’ny  andraiki-panompoana amin’ny katesezy ny hery vaovao lalandava. Anisan’ny ohatra anamafisana izany ny K˘nsily tao Trente : nataony loha laharana tamin’ireo lalÓm-panorenana sy sori-dalana navoakany ny katesezy ; izy no “vy nahitana sy angady nananana” ny Katesizy R˘manina izay nampitondraina koa ny anarany, sady sangan’asa zary famintinana ny fitambaram-pampianarana kristianina ; izy no nahatonga tao amin’ny Fiangonana ny fandaminan-drafitra mampitolagaga momba ny katesezy ; izy no nitarika ny famoaham-boky katesizy maro be, noho ny ezaka amam-piniavan’ireo Eveka masina sy te˘l˘jianina, toa an’i Md Pierre Canisius, i Md Charles BorromÚe, i Md Toribio de Mogrovejo na i Md Robert Bellarmin.

10. Tsy mahagaga, noho izany, fa tamin’ireo hetsika taorian’ny K˘nsily faharoa tao Vatikana dia noheverin’ny Papa Paoly VI (ho katesizy lehibe amin’ny androm-piainana ankehitriny) fa nisarika indray ny saina aman’eritreritra ny katesezin’ny Fiangonana. Ny “Torolalana ankapobeny momba ny Katesezy” tamin’ny taona 1971, ny fotoam-pivorian’ny Sin˘dan’ny Eveka natokana tamin’ny fitoriana ny Evanjely (taona 1974) sy tamin’ny katesezy (taona 1977), ny taratasy famporisihana ap˘st˘lika mifandraika amin’izany, “Evangelii nuntiandi” (taona 1975) sy “Catechesi tradendae” (taona 1979), no manaporofo izany. Ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Sin˘dan’ny Eveka tamin’ny taona 1985 no nangataka “mba hanoratra boky katesizy na famintinana ny fitambaram-pampianarana kat˘lika rehetra momba ny finoana sy ny m˘raly”[6]. Niombon-kevitra tamin’io faniriana nipoitra tao amin’ny Sin˘dan’ny Eveka io ny Ray Masina Joany Paoly II sady niaiky fa “mamaly tanteraka ny zavatra tena ilain’ny Fiangonana manontolo sy ny Fiangonana tsirairay izany hetaheta izany”[7]. Nandray an-tanana ny raharaha ny tenany ho fanatanterahana izany fanirian’ireo Eveka mpandray anjara tamin’ny Sin˘da izany.

III. Ny kendrena sy ny olona andefasana ity Katesizy ity

11. Ny kendren’ity Katesizy ity dia ny manolotra famelabelarana voarindra sy voafintina, ny votoaty sy ny fototry ny fitambaram-pampianarana kat˘lika momba ny finoana sy ny m˘raly, avy amin’ny fitsilovan’ny K˘nsily Vatikana faharoa sy ny fitambaran’ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana. Ny Soratra Masina, ny Aba masina, ny litorzia ary ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, no loharano lehibe nanovozana azy. Natao ampiasaina izy ity “ho fanovozan-kevitra amin’ny famoronam-boky katesizy na famintinam-pampianaram-pinoana eo amin’ny firenena samihafa”[8].

12. Natokana indrindra ho an’ny mpiandraikitra katesezy ity Katesizy ity : loha laharana amin’izany ny Eveka, noho ny maha-mpampianatra finoana sy ny maha-mpitondra Fiangonana azy ireo. Atolotra azy ireo ity ho fitaovam-piasana amin’ny fanatontosana ny adidy iantsorohan’izy ireo hampianatra ny Vahoakan’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny Eveka kosa no andefasana azy amin’ireo mpanoratra boky katesizy, ireo Pretra ary ireo Katesista. Mahasoa ny mpino kristianina hafa rehetra koa ny mamaky azy.

IV. Ny firafitr’ity Katesizy ity

13. Ny drafitr’ity Katesizy ity dia notakarina avy amin’ny fomba lehibe nifandovÓna amin’ny fandrafetana katesizy izay mampiray ny katesezy amin’ireto “andry” efatra ireto : ny fiekem-pinoana ilaina amin’ny Batemy (ny Semboly), ny sakramentan’ny finoana, ny fivelomana ny finoana (ireo Didy), ny fivavahan’ny mpino (ny Rainay).

Fizarana voalohany : Ny fiekem-pinoana

14. Ireo izay an’i Kristy tamin’ny finoana sy ny Batemy, dia tsy maintsy manambara ny finoan’izy ireo tamin’ny Batemy, eo anatrehan’ny olona[9]. Araka izany, velabelarin’ny Katesizy aloha ny hoe : inona no maha-izy ny FanambarÓna, izay amin’izany no itenenan’Andriamanitra sy anolorany ny Tenany amin’ny olombelona, sy ny hoe : inona no maha-izy ny finoana, izay amin’izany no ampifanarahan’ny olombelona ny valin-teniny amin’ Andriamanitra (sampana voalohany). Ny sembolin’ny finoana no milaza ny fotopototry ny fanomezan-tsoa omen’Andriamanitra ny olombelona, noho Izy Mpanao ny soa rehetra,  noho Izy Mpanavotra, noho Izy Mpanamasina, sy mampifandray an’ireo amin’ny “toko telo”  maneho ny Batemintsika – ny finoana an’Andriamanitra tokana : Ray Mahefa ny zavatra rehetra, Mpahary; sy i Jesoa-Kristy, Zanany, Tompontsika sy Mpamonjintsika ; ary ny Fanahy Masina, ao amin’ny Fiangonana Masina (sampana faharoa).

Fizarana faharoa : Ny sakramentan’ny finoana

15. Ny fizarana faharoa amin’ity Katesizy ity no mamelabelatra ny hoe : ahoana ny maha-misy ao amin’ny asa masin’ny litorzian’ny Fiangonana (sampana voalohany), indrindra ao amin’ny sakramenta fito (sampana faharoa), ny famonjen’Andriamanitra, tontosa indray mandeha ihany tamin’ny alalan’i Jesoa-Kristy sy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ?

Fizarana fahatelo: Ny fivelomana ny finoana

16. Ny fizarana fahatelo amin’ity Katesizy ity no mampiseho ny tanjom-piafarÓn’ny olombelona noarýn’Andriamanitra mitovy endrika  Aminy : ny hasambarana sy ny lalana hahatongavana amin’izany : amin’ny asa amam-pitondran-tena mahitsy sy tsy voafatopatotra, miaraka amin’ny fanampian’ ny lalÓna sy ny fahasoavan’Andriamanitra (sampana voalohany); amin’ny asa amam-pitondran-tena izay anatanterahana ny didim-pitiavana roa, voavelabelatra ao amin’ny Didy folon’Andriamanitra (sampana faharoa).

Fizarana fahefatra : Ny vavaka amin’ny fivelomana ny finoana

17. Ny fizarana farany amin’ity Katesizy ity no mamelabelatra ny hevitra sy ny havesa-danjan’ny fivavahana eo amin’ny fiainan’ny mpino (sampana voalohany). Ny famoaboasana fohy ireo fangatahana fito amin’ny vavaky ny Tompo no mamarana izany (sampana faharoa). Satria, ao amin’ireo no ahitantsika ny fitambaran’ny soa izay tsy maintsy antenaintsika sy tian’ny Raintsika any an-danitra homena antsika.

V. Torolalana arahina amin’ny fampiasana ity Katesizy ity

18. Novolavolaina ho famelabelarana voarindra momba ny finoana kat˘lika manontolo ity Katesizy ity. Noho izany, ilaina ny mamaky azy ho toy ny iray tsy mivaky. Ny fampahatsiahivana maro be averina eny an-tsisin’ny lahatsoratra (mari-daharana natao sora-mandry manondro ireo paragrafy hafa mifandraika amin’ny hevitra resahina) sy ny tondro ara-poto-kevitra any amin’ny faran’ny boky, no ahafahana mahita ny fifandraisan’ny foto-kevitra tsirairay amin’ny fitambaram-pinoana.

19. Matetika, tsy naverina ara-bakiteny ny lahatsoratry ny Soratra Masina, fa miaraka fotsiny amin’ny fanondroana ny boky, ny toko ary ny andininy nanovozana azy ireny amin’ny naoty hoe (“jer.”). Mba hahaizana mandalina ny andalan-tSoratra Masina toy izao sy toy izao, dia tsara ny mijery ifotony ilay tena lahatsoratra feno. Ireo filazana tondromarika ao amin’ny Baiboly ireo dia fitaovana iray ampiasaina ho an’ny katesezy.

20. Ny fampiasana ny tarehin-tsoratra madinika amin’ny tsongan-dahatsoratra sasantsasany no anondroana izay mikasika ny filazana momba ny tantara, ny  fiarovam-pinoana na famelabelarana ara-pitambaram-pampianarana famenony.

21. Ny tenin’olona tsahivina, natao amin’ny tarehin-tsora-madinika, notovozina tamin’ ny loharano samihafa : araka ny Aban’ny Fiangonana, ara-litorzia, ara-toniam-pampianarana na ara-tantaran’olomasina, dia natao hanatevenana ny famelabelarana ny fitambaram-pampianarana. Matetika no tsongaina ireny lahatsoratra ireny, mba hoentina ampiasaina mivantana amin’ny katesezy.

22. Isaky ny famaranana lohahevi-dehibe iray, dia nasiana andian-dahatsoratra fohy maromaro, mamintina amin’ny rijan-teny manambatra ny votoatin’ny fampianarana. Ny kendrena amin’ireny “FAMINTINANA” ireny, dia ny hanome tolo-kevitra amin’ny katesezy eo an-toerana, amin’ny alalan’ny rijan-teny voaravona sy azo atao tsianjery.

VI. Ny fampisahaza ilaina

23. Aompana ao amin’ny famelabelarana ny fitambaram-pampianarana, ny fanamafisana ity Katesizy ity. Satria, irin’izy ity ny hanampy amin’ny fandalinam-pahalalana momba ny finoana. Amin’izany koa no itarihany ho amin’ny fahamatoran’io finoana io, ny fiorenany faka eo amin’ny fiainana sy ny fivelarany amin’ny fijoroana vavolombelona[10].

24. Ity Katesizy ity, raha araka ny tanjona hotratrariny, dia tsy mikendry hanatanteraka ny fampisahaza amin’ny famelabelarana sy ny fomba ampitana ny katesezy takýn’ny tsy fitoviana eo amin’ny kolontsaina, ny taona, ny fahamatoram-panahy, ny toe-javatra misy na miseho ara-ts˘sialy sy ara-piangonana iainan’ireo izay iantefan’ny katesezy. Anjaran’ny katesizy eo an-toerana, ary indrindra ireo mpampianatra ny mpino, no manoritra izay fampisahaza ilaina :

Izay mampianatra dia tsy maintsy  “ho tonga toa azy rehetra amin’ny olona rehetra” (1 K˘r 9,22), mba hahazoan’izy rehetra an’i Jesoa-Kristy. (…) Indrindra, aoka izy tsy hieritreritra hoe antokon’olona iray ihany no ankinina aminy, ka noho izany dia hoe azony atao mitovy ny mampianatra sy manabe ny mpino rehetra amin’ny tena fitiavam-bavaka tokoa, amin’ny fomba tokana sy “volan-kakafotra ka ny omaly tsy miova” ! Aoka ho fantany tsara fa ao amin’i Jesoa-Kristy, ny sasany dia toy ny zaza vao teraka, ny hafa dia toy ny tanora, ary farany, ny sasantsasany dia toy ny manana ny heriny manontolo. (…) Ireo izay voantso ho amin’ny andraiki-panompoana amin’ny fitorian- teny, dia tsy maintsy mampifanaraka ny tenin’izy ireo amin’ny toe-tsaina sy ny fahaizan’ny mpihaino azy ireo[11], eo am-pampitana ny fampianarana ny mistery, ny finoana ary ny fitsipiky ny fomba fiainana amam-pitondran-tena.

 

Ambonin’ny zavatra rehetra – ny Fitiavana

25. Ho fehin’ity teny fanolorana ity, dia tsara ny mampahatsiaro ilay fitsipika past˘raly izay voalazan’ny Katesizy R˘manina hoe :

Ao anatin’ny fitiavana izay tsy manam-pahataperana no tsy maintsy hametrahana ny tanjona hotratrarina manontolo amin’ny fitambaram-pahalalam-pinoana sy ny fampianarana. Satria azo atao tsara ny mampiseho izay tsy maintsy hinoana, hantenaina na hatao ; fa indrindra ilaina lalandava ny mampiharihary ny Fitiavan’ny Tompontsika mba hahazoan’ny tsirairay fa ny fanehoana rehetra ny tena hatsaram-panahy kristianina tokoa dia tsy manana fiandohana afa-tsy ny Fitiavana, ary tsy manana fiafarana afa-tsy ny Fitiavana[12].


 

[1] jer. Asa 2,42.

[2] jer. CT 1.

[3] jer. CT 18.

[4] jer. CT 18.

[5] CT 13.

[6] Tatitra farany II B a 4.

[7] Lahateny tamin’ny faha-7 desambra 1985.

[8] Sin˘dan’ny Eveka 1985, tatitra farany II B a 4.

[9] jer. Mt 10,32;  R˘m 10,9.

[10] jer. CT 20-22 ; 25.

[11] Kat. R. sasin-teny 11.

[12] Kat. R. sasin-teny 10.

 

top