The Holy See
back up
Search
riga

TOKO VOALOHANY

Ny misterin’ny Paka
ao amin’ny vanim-potoanan’ny Fiangonana

 

ANDALANA 1
Ny litorzia – tsanganasan’ny Trinite Masina

 

I. Ny Ray, loharano ipoirana sy tanjona iafaran’ny litorzia

1077.”Hisaorana anie Andriamanitra sady Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nitsodrano antsika tamin’ny tsodrano rehetra ara-panahy, any an-danitra, ao amin’i Kristy. Tamin’izany Izy no nifidy antsika tao Aminy, talohan’ny fanorenana an’izao tontolo izao, mba ho masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany, ao amin’ny fitiavana, tamin’ny nanendreny antsika mialoha, mba ho zanaka hatsangana ho Azy amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy isika. Izany no safidin’ny sitrapony, amin’ny fiderana ny voninahitry ny fahasoavany izay nanomezany ny soa ho antsika ao amin’Ilay Malalany” (Efez 1,3-6).

1078.Ny mitsodrano dia asan’Andriamanitra izay manome ny fiainana ka ny Ray no loharano ipoiran’izany. Ny tsodranony dia sady teny no fanomezana (bene-dictio, eu-logia). Io teny io, rahefa ampiharina amin’ ny olombelona, dia hanana dikany hoe fitsaohana sy fanolorana ao anatin’ny fisaorana ny Mpahary azy.

1079.Hatramin’ny fiandohana ka mandra-pahatapitra ny fotoana rehetra, ny tsanganasan’Andriamanitra manontolo dia tsodrano. Manomboka amin’ny tononkalo litorzikan’ny fahariana voalohany ka hatramin’ny tonon-kiran’i Jerosalema any an-danitra, ny mpanoratra nahazo fitsilovan-tsaina dia manambara ny fandaharam-pamonjena ho tsodrano tsy misy fetra avy amin’Andriamanitra.

1080.Nanomboka tany am-piandohana Andriamanitra no nitsodrano ireo zavamananaina, singanina manokana ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny fanekem-pihavanana tamin’i N˘e sy tamin’ireo zavamananaina no nanavaozana izany tsodranom-piterahana amam-pahavokarana izany, na dia teo aza ny fahotan’ny olombelona izay nahatonga ny tany ho “voaozona”. Kanefa, nanomboka tamin’i Abrahama ny tsodranon’ Andriamanitra no naninteraka ny tantaran’ny olombelona, izay mandeha ho any amin’ny fahafatesana, mba hamerina azy hiakatra ho amin’ny fiainana, any amin’ny loharano nipoirany : amin’ny alalan’ny finoan’ilay “rain’ny mpino” izay nandray ny tsodrano no nisantarana ny tantaram-pamonjena.

1081.Ny tsodranon’Andriamanitra dia miharihary amin’ny zava-dehibe tsy fahita andavanandro mampitolagaga sy mahavonjy : ny nahaterahan’i Isaaka, ny fialana tao Ejipta (Paka sy Eksaody), ny fanomezana ny Tany nampanantenaina, ny fifidianana an’i Davida, ny maha-ao an-tempoly an’ Andriamanitra, ny sesitany mpanadio ary ny fiverenan’ny “Sisa kely”. Ny LalÓna, ny Mpaminany ary ny Salamo izay mandrafitra ny litorzian’ny Vahoaka voafidy, dia sady mampahatsiaro ireny tsodranon’Andriamanitra ireny no mamaly izany amin’ny tsodranom-piderana sy fisaorana.

1082.Ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana ny tsodranon’Andriamanitra no ambara sy ampitaina manontolo : ny Ray no ekena marina sy tsaohina ho Loharano ipoirana sy Tanjona iafaran’ny tsodrano rehetra amin’ny fahariana sy ny famonjena; ao amin’ny Teniny, tonga nofo, maty sy nitsangan-ko velona ho antsika, no amenoany ao amintsika ny tsodranony mitafotafo, ary amin’ny Alalany no androtsahany ao am-pontsika ny Fanomezana izay misy ny fanomezana rehetra : ny Fanahy Masina. 

1083.Mazava Óry izany ny lafin-kevitra roa amin’ny litorzia kristianina ho valim-pinoana sy fitiavana amin’ireo “tsodrano ara-panahy” izay anomezan’ny Ray ny soa ho antsika. Etsy an-daniny, ny Fiangonana, miray amin’ny Tompony sy “entanin’ny Fanahy Masina” (Lk 10,21), dia mankalaza ny Ray “noho ny Fanomezany tsy hay ambara” (2 K˘r 9,15) amin’ny alalan’ny fitsaohana, ny fiderana ary ny fisaorana. Etsy an-kilany, mandra-pahatontosa ny fandaharan’Andriamanitra, tsy mitsahatra ny Fiangonana manolotra amin’ny Ray “ny fanatitra avy amin’ny fanomezany manokana” ary mitalaho Aminy mba handrotsaka ny Fanahy Masina eo amin’ilay fanatitra, eo amin’ny tenan’izy Fiangonana, eo amin’ny mpino ary eo amin’izao tontolo rehetra izao, ka noho ny fiombonana amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy-Mpisorona ho velona sy noho ny herin’ny Fanahy, dia hisy vokany amin’ny fiainana ireny tsodranon’ Andriamanitra ireny, “amin’ny fiderana ny voninahitry ny fahasoavany” (Efez 1,6).

 

II. Ny tsanganasan’i Kristy ao amin’ny litorzia

 

I Kristy nomem-boninahitra … 

1084. “Amin’ny fipetrahan’i Kristy eo an-kavanan’ny Ray” sy amin’ny  fandrotsahana ny Fanahy Masina ao amin’ny Vatany, izay ny Fiangonana izany, dia miasa Izy hatramin’izao amin’ny alalan’ireo sakramenta, noforonin’ny Tenany mba hampitana ny fahasoavany. Ny sakramenta dia famantarana ren’ny fandrenesana (teny sy asa), mora azon’ny maha-olona antsika izao. Ireo sakramenta ireo no manatanteraka amim-pomba mandaitra ny fahasoavana izay ampahafantariny, noho ny asan’i Kristy sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. 

1085.Ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana, i Kristy no mampahafantatra sy manatanteraka voalohany indrindra ny misterin’ny Pakany. Nandritra ny fiainany teto an-tany, nambaran’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fampianarany sy nataony mialoha tamin’ny alalan’ny asany ny misterin’ny Pakany. Nony tonga ny Orany[1], dia niainany ny zava-miseho tokana aman-tany teo amin’ny tantara izay tsy mihelina fotsiny : maty i Jesoa, dia nalevina, nitsangana tamin’ny maty ary mipetraka eo an-kavanan’ny Ray “indray mandeha monja dia ampy” (R˘m 6,10; Heb 7,27; 9,12). Tena zava-niseho marina izany, tonga tsy nampoizina teo amin’ny tantarantsika, nefa dia tokana aman-tany : ny zava-miseho hafa rehetra eo amin’ny tantara dia miseho indray mandeha, dia miserana, ary dia atelin’ny lasa. Ny misterin’ny Pakan’i Kristy kosa tsy mety hivalona fotsiny ho lasa, satria tamin’ny alalan’ny Fahafatesany no nandravany ny fahafatesana, ary izay rehetra maha-Kristy an’i Kristy, sy izay rehetra nataony ary niaretany fijaliana ho an’ny olombelona rehetra, dia miombona anjara amin’ny mandrakizain’Andriamanitra sy mihoatra ny fotoana rehetra amin’izany, ary eo lalandava. Ny Zava-niseho teo amin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganan-ko velona dia maharitra ary manintona ny rehetra ho any amin’ny Fiainana.

 

 

… nanomboka tamin’ny Fiangonan’ny ap˘st˘ly … 

1086.”Tahaka ny nanirahan’ny Ray an’i Kristy no nanirahan’ny Tenan’Izy Kristy koa ny ap˘st˘liny, fenon’ny Fanahy Masina, tsy hoe mba hanambarÓn’izy ireo fotsiny, amin’ny fitoriana ny Evanjely amin’ny voary rehetra, fa ny Zanak’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, no nanafaka antsika tamin’ny fahefan’i Satana sy tamin’ny fahafatesana, ary namindra antsika ho ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy, fa koa mba hampiasan’izy ireo izany tsanganasam-pamonjena nambarany izany, amin’ny alalan’ny Sorona sy ny sakramenta izay ifantohan’ny fiainana litorzika manontolo”[2].

1087.Araka izany, i Kristy nitsangan-ko velona, tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ny ap˘st˘ly, dia nanankina tamin’izy ireo ny fahefam-panamasinany[3] : manjary famantarana ara-tsakramentan’i Kristy izy ireo. Tamin’ny alalan’ny herin’io Fanahy Masina io ihany, nankinin’izy ireo tamin’ny dimbiny io fahefana io. Izany “fifandimbiasana maha-ap˘st˘ly” izany no mandrafitra ny fiainana litorzika manontolo iainan’ny Fiangonana; ara-tsakramenta rahateo izany, ampitaina amin’ny alalan’ny sakramentan’ ny Filaharana.
 

… dia eo amin’ny litorzia eto an-tany … 

1088. “Ho fanatanterahana izany tsanganasa lehibe loatra izany” - ny fizarazarana na fampitana ny tsanganasam-pamonjen’i Kristy -, “dia eo amin’ny Fiangonany lalandava Izy, indrindra amin’ny asa litorzika. Eo Izy amin’ny Soron’ny Lamesa, sy ao amin’ny tenan’ny mpandraharaha masina, “ka amin’ny fisoronany ihany no nataony maharitra amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, ny nanolorany ny Tenany mihitsy teo amin’ ny Hazofijaliana”, ary eo Izy, amin’ny fara tampony indrindra, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. Eo Izy amin’ny alalan’ny hasiny ao amin’ny sakramenta, hany ka rahefa misy olona iray manao batemy, dia ny Tenan’Izy Kristy mihitsy no manao batemy. Eo Izy ao amin’ny teniny, satria Izy no miteny rahefa vakýna ao amin’ny Fiangonana ny Soratra Masina. Farany, eo Izy rahefa mivavaka sy mihira ny salamo ny Fiangonana, Izy izay nampanantena hoe: “Na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo Aho, eo afovoan’izy ireo” (Mt 18,20)”[4]

1089.”Ho fanatanterahana io tsanganasa lehibe io izay ankalazana tanteraka an’Andriamanitra sy anamasinana ny olombelona, dia miara-miasa lalandava i Kristy sy ny Fiangonana Vady malalany, izay miantso Azy ho Tompony sy mampanolotra amin’ny Alalany ny fivavahany amin’ny Ray mandrakizay”[5].

 

… izay mandray anjara amin’ny litorzia any an-danitra

1090.“Amin’ny litorzia eto an-tany no andraisantsika anjara amin’ny santatry ny litorzia any an-danitra ankalazaina ao an-tanÓna masin’i Jerosalema izay mankany aminy no izorantsika mpivahiny, izay any no ipetrahan’i Kristy eo an-kavanan’Andriamanitra, amin’ny maha-mpandraharaha Azy ny toerana masina sy ny tabernakla tena izy ; miaraka amin’ny tafiky ny lanitra tontolo no ihirantsika ny antsa fanomezam-boninahitra ny Tompo ; amin’ny fanajam-pahatsiarovana ny olomasina no anantenantsika ny fiombonana anjara amin’ny fikambanan’izy ireo ; andrasantsika amin’ny maha-Mpamonjy Azy i Jesoa-Kristy Tompontsika, mandra-pahatongan’ny fisehoan’ny Tenany mihitsy, Izy izay fiainantsika, ary amin’izay isika no hiseho miaraka Aminy ao amin’ny voninahitra”[6].

 

III. Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana ao amin’ny litorzia 

1091. Ny Fanahy Masina, amin’ny litorzia, no mpanabe ny Vahoakan’ Andriamanitra amin’ny finoana, mpiasa tanan’ny “sangan’asan’ Andriamanitra”, dia ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao izany. Ny faniriana sy ny tsanganasan’ny Fanahy eo anivon’ny Fiangonana, dia ny hivelomantsika amin’ny ain’i Kristy nitsangan-ko velona. Rahefa mifanojo Aminy ao anatintsika ny valim-pinoana izay Izy no nahatonga izany, dia tanteraka ny tena farimbon’asa marina. Amin’ny alalan’izany, manjary tsanganasa iombonan’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana ny litorzia.

1092. Ny Fanahy Masina, amin’ity fizarazarana ara-tsakramenta ny misterin’i Kristy ity, dia miasa amin’ny fomba mitovy ao amin’ny fotoan-tsamihafa ny fitantanam-pamonjena : Izy no manomana ny Fiangonana hihaona amin’ny Tompony; Izy no mampahatsiahy sy mampiseho an’i Kristy amin’ny finoan’ny mpiangona; Izy no mahatonga eo sy mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny heriny manova ; farany, ny Fanahin’ny fiombonana no mampiray ny Fiangonana amin’ny fiainana sy amin’ny fanirahana an’i Kristy.

 

Ny Fanahy Masina no manomana ny handraisana an’i Kristy 

1093.Ny Fanahy Masina no manatanteraka ao amin’ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta ny tandindona ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Noho ny Fiangonan’i Kristy “nomanina tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ny tantaran’ny vahoaka Israely sy tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha”[7], dia notahirizin’ny litorzian’ny Fiangonana ho ampahany tsy azo esorina sy tsy azo soloana, amin’ny fanaovana ireny ho an’ny tenany, ireo singafototry ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha : 
- alohan’ny rehetra, ny famakiana ny Testamenta Taloha ;
- ny vavaka Salamo ;
- ary indrindra ny fahatsiarovana ireo zava-niseho lehibe nahavonjy sy ireo zava-nisy miharihary izay ao amin’ny misterin’i Kristy no ahitana ny fahatanterahan’izy ireny (ny fampanantenana sy ny fanekem-pihavanana, ny Eksaody sy ny Paka, ny Fanjakana sy ny Tempoly, ny Sesitany sy ny Fiverenana).  

1094.Amin’izany firindran’ny Testamenta roa izany[8]no itohizan’ny katesezin’ ny Pakan’ny Tompo[9], manaraka izany ny an’ny ap˘st˘ly sy ny Aban’ny Fiangonana. Izany katesezy izany dia mampiseho an’izay niafina tao amin’ ny soratry ny Testamenta Taloha : ny misterin’i Kristy. Nantsoina hoe “ara-pisantaram-panehoana” (“typologique”) izany satria mampiseho ny zava-baovaon’i Kristy niainga avy amin’ireo “tandindona” (soritr’ endrika) izay nanambara izany tamin’ny zava-niseho, ny teny ary ny fanehoana an’ohatra tao amin’ny fanekem-pihavanana voalohany. Amin’ny alalan’ny famakiana izany indray ao amin’ny Fanahin’ny Fahamarinana manomboka amin’i Kristy, no voala sarona ny tandindona[10]. Araka izany, ny safo-drano sy ny Sambofiaran’i N˘e no nanambara mialoha ny famonjena amin’ny alalan’ny Batemy[11], torak’izany ny Andry rahona sy ny fiampitÓna ny ranomasina Mena, ary ny rano avy ao amin’ny vatolampy no tandindon’ny fanomezana ara-panahy avy amin’i Kristy[12] ; ny mana tany an’efitra no nanambara mialoha ny Eokaristia, “ilay Mofo tena izy avy any an-danitra” (Jo 6,32).  

1095.Izany no mahatonga ny Fiangonana, singanina manokana ny amin’ny fotoanan’ny Fahatongavan’ny Tompo, ny Karemy ary indrindra amin’ny alin’ny Paka, mamaky indray sy miaina indray ireo zava-dehibe rehetra niseho teo amin’ny tantaram-pamonjena ao amin’ny “anio ” ny litorziany. Izany anefa dia mitaky koa ny mba hanampian’ny katesezy ny mpino hisokatra amin’io fahalalana “ara-panahy” ny fitantanam-pamonjena io, araka izay ampisehoan’ny litorzian’ny Fiangonana izany sy amelomany antsika amin’izany. 

1096.Litorzia Jody sy litorzia kristianina. Ny fahalalana tsara indrindra ny finoana sy ny fiainam-pivavahan’ny vahoaka jody, araka ny mbola iekena sy iainana azy ankehitriny, dia afaka manampy hahazoana tsaratsara kokoa ny endrika sasantsasany amin’ny litorzia kristianina. Ho an’ny jody sy ho an’ny kristianina ny Soratra Masina dia ampahany tsy azo avela amin’ny litorzian’izy ireo : amin’ny fanaovana antso avo ny tenin’Andriamanitra,  ny valy amin’izany Teny izany, ny vavaka fiderana sy fitalahoana ho an’ny velona sy ny maty, ny fangataham-bonjy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny litorzian’ny Teny, amin’ny firafiny manokana, dia niandoha avy amin’ny fivavahana  jody. Ny Vavaka isan’Andro sy ny lahatsoratra hafa ary ny rijan-teny ara-litorzia dia misy mifandrindra amin’ny azy ireo, tahaka izany koa ny rijan-tenin’ny tena fivavahantsika manan-kasina indrindra, izay ny “Rainay any an-danitra”. Ny vavaka fisaorana amin’ny Eokaristia dia notakarina koa avy amin’ny m˘delin’ny lovam-panahy jody. Ny fitoviana misy eo amin’ny litorzia jody sy ny litorzia kristianina, nefa koa ny tsy fitovian’ny votoatin’izy ireo, dia hita  indrindra ao amin’ireo fety lehibe amin’ny taona litorzika, toy ny Paka. Ny kristianina sy ny jody dia mankalaza ny Paka : Pakan’ny tantara, mandroso mankamin’ny hoavy, ho an’ny jody ; Paka tanteraka tamin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona,  ho an’ny kristianina, na dia eo am-piandrasana lalandava ny fahataperan’izany tanteraka aza.

1097.Amin’ny litorzian’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ny asa litorzika rehetra, singanina manokana ny fankalazana ny Eokaristia sy ireo sakramenta, dia fihaonan’i Kristy sy ny Fiangonana. Ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia dia mitana ny firaisany amin’ny “fiombonana amin’ny Fanahy Masina” izay mamory ny zanak’Andriamanitra ao amin’ny Vatana tokan’i Kristy. Mihoatra ny fifandraisana maha-olombelona, ara-poko, ara-kolontsaina ary ara-piaraha-monina izany.  

1098.Tsy maintsy miomana hihaona amin’ny Tompony ny mpiangona, ho “vahoaka vonona tsara” (Lk 1,17). Izany fanomanana ny fo izany dia tsanganasa iombonan’ny Fanahy Masina sy ny mpiangona, singanina manokana ny mpandraharahany masina.  Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina no manetsika ny finoana, ny fiovÓn’ny fo ary ny firaiketana amin’ny sitrapon’ny Ray. Ireo toe-panahy ireo dia heverina ho mialohan’ ny fandraisana ny fahasoavana hafa atolotra ao amin’ilay fankalazana ihany sy ny vokatry ny Aim-baovao izay natao hamokatra ao aoriana.

 

Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro ny misterin’i Kristy

1099.Ny Fanahy sy ny Fiangonana no mifarimbona hampiseho an’i Kristy sy ny tsanganasam-pamonjeny ao amin’ny litorzia. Amin’ny Eokaristia indrindra aloha, ary tahaka izany ny amin’ireo sakramenta hafa, ny litorzia dia Tsangambato fahatsiarovana ny misterim-pamonjena. Ny Fanahy Masina no fitadidiana velon’ny Fiangonana[13]

1100.Ny Tenin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no mampahatsiaro mialoha ny mpiangona amin’ny litorzia ny dikan’ny zava-niseho tamin’ny famonjena amin’ny fanomezana aina amin’ny Tenin’Andriamanitra izay torýna mba ho raisina sy hivelomana :  

Ny Soratra Masina, ao anatin’ny fankalazana amin’ny litorzia, dia manan-danja aoka izany. Avy aminy no akana ireo lahatsoratra izay ho vakýna sy ho hazavaina amin’ny toriteny, tahaka izany ireo salamo izay ho hiraina ; avy amin’ny fitarihan-keviny sy ny fihetseham-po avy aminy, ny fitalahoana, ny vavaka am-po sy ny antsa litorzika no mipoitra, ary avy aminy koa ny asa sy ny fanehoana an’ohatra no mandray ny hevitra raketin’izy ireo[14].
1101.Ny Fanahy Masina no manome ny mpamaky teny sy ny mpihaino, araka ny toe-pon’izy ireo, ny fahatakarana ara-panahy ny Tenin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny teny, ny asa ary ny fanehoana an’ohatra izay mamorona ny soritsoritry ny fankalazana, Izy no mampisy fifandraisana velona eo amin’ny mpino sy ny mpandraharaha masina amin’i Kristy, Teny sy Endriky ny Ray, mba hahafahan’izy ireo mampita ao amin’ny fiainan’izy ireo ny dikan’izay zavatra henon’izy ireo, banjininy ary ataony ao amin’ny fankalazana. 

1102.“Ny Tenim-pamonjena no mamelona ny finoana ao am-pon’ny kristianina : izy no miteraka sy mampitombo ny fiombonan’ny kristianina”[15]. Tsy mijanona amin’ny fampianarana ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra : mila valy amin’ny finoana izany, ho fankatoavana sy firotsahana, eo anatrehan’ny fanekem-pihavanana ifanaovan’Andriamanitra sy ny vahoakany. Mbola ny Fanahy Masina no manome ny fahasoavan’ny finoana, manamafy izany sy mampitombo izany ao amin’ny ankohonam-piangonana. Ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia izany dia fiombonana amin’ny finoana. 

1103.Ny “Anaminezy”. Miankina lalandava amin’ny firotsaham-pamonjen’ Andriamanitra eo amin’ny tantara ny fankalazana litorzika. “Atao amin’ny alalan’ny asa sy ny teny, mifamatotra lalina amin’izy samy izy, ny fitantanam-panambarÓna (…). Ny teny no manambara ny tsanganasa sy manala sarona ny mistery izay raketiny ao amin’izany”[16]. Amin’ny litorzian’ ny Teny ny Fanahy Masina no “mampahatsiaro” ny mpiangona amin’izay rehetra nataon’i Kristy ho antsika. Araka ny toetran’ny asa litorzika sy ny lovam-panahy amin’ny fombam-pivavahan’ny Fiangonana, ny fankalazana no “mampahatsiaro” ao amin’ny Anaminezy somary novelabelarina, ireo zava-mahagaga nataon’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina, izay mamoha-foha tahaka izany ny fahatsiarovan’ny Fiangonana, no mahatonga amin’ izay ny fisaorana sy ny fiderana (Tenim-boninahitra; Doxologie).

 

Ny Fanahy Masina no mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny misterin’i Kristy 

1104.Ny litorzia kristianina dia tsy mampahatsiaro fotsiny ny zava-niseho izay namonjena antsika, fa mampihatra azy ireny amin’ny fiainana ankehitriny, mahatonga ny fisian’izy ireny ho eo. Ankalazaina ny misterin’ny Pakan’i Kristy fa tsy hoe averimberina ; ny fankalazana no miverimberina ; ao amin’ny litorzia tsirairay no tonga tsy ampoizina ny firotsahan’ny Fanahy Masina, izay mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny mistery tokana. 

1105.Ny “Epikilezy” (“fiantsoana an’ny”) no vavaka fitalahoana izay italahoan’ ny Pretra amin’ny Ray handefa ny Fanahy Mpanamasina mba ho zary vatana sy ran’i Kristy ny fanatitra ary amin’ny fandraisana izany ireo mpino mihitsy no manjary fanatitra velona amin’Andriamanitra.

1106.Ny votoatin’ny fankalazana atao amin’ny sakramenta tsirairay, indrindra ny Eokaristia, dia ny “Epikilezy”, miaraka amin’ny “Anaminezy” :  

Manontany ianao hoe : ahoana no ahatongavan’ny mofo ho Vatan’i Kristy, sy ny divay (…) ho Ran’i Kristy ? Izaho, milaza aminao hoe : ny Fanahy Masina no mirotsaka sy manatanteraka izany, izay mihoatra ny teny rehetra sy ny hevitra rehetra (…). Aoka ho ampy ho anao ny mandre fa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, toy ny avy amin’ilay Virjiny Masina sy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nahatonga ny Tompo ho  nofo amin’ny alalan’ ny Tenany ihany sy ao amin’ny Tenany ihany[17].
1107. Manafaingana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahatanterahan’ny misterim-pamonjena, ny herim-panavaozan’ny Fanahy Masina amin’ny litorzia. Eo am-piandrasana sy ao anatin’ny fanantenana no mahatonga antsika manatanteraka mialoha marina tokoa ny fiombonana manontolo amin’ny Trinite Masina. Ny Fanahy izay irahin’ny Ray manaiky ny Epikilezin’ny Fiangonana no manome ny aina an’ireo izay mandray izany, ary mamboatra ho azy ireo, manomboka izao, ny “antoky” ny lovan’izy ireo[18]

 

Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina 

1108.Ny fiafaran’ny fanirahana ny Fanahy Masina ao amin’ny asa litorzika manontolo dia ny mampiray antsika amin’i Kristy mba handrafitra ny Vatany. Ny Fanahy Masina no toy ny ranon-kazon’ny Foto-boaloboky ny Ray izay mitondra ny voany ao amin’ny sampana[19]. Ao amin’ny litorzia no tanteraka ny farimbon’asa lalina indrindra eo amin’ny Fanahy Masina sy ny Fiangonana. Izy, Fanahy mampiray, dia mitoetra amin’ny fomba maharitra ao amin’ny Fiangonana, ka noho izany ny Fiangonana no sakramenta lehibe mampiombona amin’Andriamanitra, izay anangonana ny zanany niparitaka. Ny vokatry ny asan’ny Fanahy ao amin’ny litorzia dia tsy azo sarahina amin’ny firaisana amin’ny Trinite Masina sy ny firaisana maha-mpiray tam-po ara-pinoana[20].

1109. Ny “Epikilezy” koa dia vavaka ho amin’ny vokatra feno fatra amin’ny firaisan’ny mpiangona ao amin’ny misterin’i Kristy. “Ny fahasoavan’i Jesoa-Kristy Tompontsika, ny fitiavan’Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina” (2 K˘r 13,13) dia tokony hitoetra lalandava ao amintsika sy hamokatra aorian’ny fankalazana ny Eokaristia. Mitalaho amin’ny Ray Óry ny Fiangonana haniraka ny Fanahy Masina mba hampanjariany ho sorona velona ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanovÓna ara-panahy hitovy endrika amin’i Kristy, ao amin’ny fiainan’ny mpino, ny fiahiam-piraisan’ny Fiangonana, sy ny fandraisana anjara amin’ny fanirahana azy amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona, ary ny asam-pitiavana ny hafa.
 

FAMINTINANA

1110.Amin’ny litorzian’ny Fiangonana, Andriamanitra Ray no isaorana sy tsaohina ho loharanon’ny tsodrano rehetra amin’ny fahariana sy ny famonjena, izay anasoavany antsika ao amin’ny Zanany, mba hanomezana antsika ny Fanahim-pananganan-janaka.

1111.Ny tsanganasan’i Kristy amin’ny litorzia dia ara-tsakramenta satria ny misterim-pamonjeny dia misy ao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny Masina; satria ny Vatany, izay tsy inona fa ny Fiangonana, dia toy ny sakramenta (famantarana sy fitaovana) izay ao amin’izany no izarazaran’ny Fanahy Masina ny misterim-pamonjena; satria amin’ny alalan’ireo asany litorzika, ny Fiangonana mivahiny ety an-tany dia efa mandray anjara sahady, amin’ny fisantarana, ny litorzia any an-danitra.

1112.Ny andraikitry ny Fanahy Masina ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana dia ny manomana ny mpiangona hihaona amin’i Kristy ; ny mampahatsiaro ny momba an’i Kristy sy ny maneho Azy amin’ny finoan’ ny mpiangona ; ny mahatonga ho eo sy ny mampihatra amin’ny fiainana  ankehitriny ny tsanganasam-pamonjen’i Kristy amin’ny heriny manova, ary ny mampamokatra ny fanomezam-pahasoavana mampiray ao amin’ny Fiangonana.

 

ANDALANA 2
Ny misterin’ny Paka ao amin’ny sakramentan’ny Fiangonana

 

1113.Ny fiainana litorzika rehetra iainan’ny Fiangonana dia miompana amin’ny Soron’ny Eokaristia sy ireo sakramenta[21]. Misy fito ny sakramenta ao amin’ny Fiangonana : ny Batemy, ny Fankaherezana na Fanosorana masina, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana ny marary, ny Filaharana, ny Fanambadiana[22]. Amin’ity andalana ity no iresahana an’izay iombonan’ny sakramenta fito an’ny Fiangonana, ny amin’ny lafin’ny fitambaram-pampianarana. Izay iombonan’izy ireo amin’ny endriky ny fankalazana no hovelabelarina amin’ny toko faha-II, ary izay manokana an’ny tsirairay amin’ireo no ho fototry ny sampana faha-II.

 

I. Ny sakramentan’i Kristy

1114.“Miraiki-po amin’ny fitambaram-pampianaran’ny Soratra Masina, amin’ ny lovam-panahy ap˘st˘lika (…) ary amin’ny hevitra iraisan’ny Aba”[23]isika, ka manambara ampahibemaso fa “ireo sakramentan’ny LalÓna vaovao dia naorin’i Jesoa-Kristy Tompontsika daholo”[24].

1115.Ny teny sy ny asan’i Jesoa nandritra ny fiainany miafina sy ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso dia efa  ahazoam-pamonjena sahady. Nialoha ny herin’ny misterin’ny Pakany izy ireny. Nilaza sy nanomana izay homeny ny Fiangonana izy ireny rahefa ho tanteraka ny zavatra rehetra. Ny misterin’ny fiainan’i Kristy no fototr’izay zarazarain’i Kristy ao amin’ny sakramenta, hatramin’ izao, amin’ny alalan’ny mpandraharaha masin’ny Fiangonany, satria “izay hita maso tao amin’ny Mpamonjy antsika dia miampita ao amin’ny misteriny”[25].  

1116.Ny sakramenta, “hery izay mivoaka” avy amin’ny Vatan’i Kristy[26], velona sy mamelombelon’aina lalandava, asan’ny Fanahy Masina am-perinasa ao amin’ny Vatany izay tsy inona fa ny Fiangonana, no “sangan’asan’ Andriamanitra” ao amin’ny fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay.

 

II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana

1117.Amin’ny alalan’ny Fanahy izay mitari-dalana azy “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13), ny Fiangonana dia nahafantatra tsikelikely io harena sarobidy noraisina avy amin’i Kristy io ary nanoritra mazava ny “fizarazarana” ny amin’izany, toy ny nataony mikasika ny fitsipika namerana ny Soratra Masina sy ny fitambaram-pampianaram-pinoana, amin’ny maha-mpiandraiki-draharaha mahatoky momba ny misterin’ Andriamanitra azy[27]. Araka izany, nandritra ny taonjato mifandimby no nandanjalanjan’ny Fiangonana, fa amin’ireo fankalazana litorzika ataony, ny fito amin’izany, araka ny hevitra fototry ny teny, dia ireo sakramenta naorin’ny Tompo. 

1118. “An’ny Fiangonana” ireo sakramenta ireo, araka izao heviny mandray roa maha-izy azy izao : “amin’ny alalany” sy “ho azy”. “Amin’ny alalan’ny Fiangonana”, satria ny Fiangonana no sakramentan’ny asan’i Kristy miasa ao aminy noho ny fanirahana ny Fanahy Masina. Ary “ho an’ny Fiangonana”, satria ireo no “sakramenta mamorona ny Fiangonana”[28], ary  ireo, fa indrindra ny Eokaristia, no mampiseho sy mampita amin’ny olombelona ny misterin’ny firaisan’Andriamanitra Fitiavana, Tokana Olona telo. 

1119.Amin’ny fiforonana miaraka amin’i Kristy-Loha “ho olona mistika tokana aman-tany”[29], ny Fiangonana dia miasa ao amin’ireo sakramenta ho “ankohonana mpisorona”, “voarindra ara-drafitra”[30] : amin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, afaka mahavita mankalaza ny litorzia ny vahoaka mpisorona ; etsy ankilany, ny mpino sasany, “misalotra ny Filaharana masina, dia natsangana amin’ny anaran’i Kristy mba hamahana ny Fiangonana amin’ny teny sy ny fahasoavan’ Andriamanitra”[31]

1120.Ny andraiki-panompoana masina na ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra[32] dia fanompoana avy amin’ny maha-mpisorona tamin’ny Batemy. Izy no miantoka, ao amin’ny sakramenta, fa i Kristy mihitsy no miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonana. Ny fanirahana hamonjy nankinin’ny Ray tamin’ny Zanany tonga nofo dia nankinina tamin’ny ap˘st˘ly ary tamin’ny alalan’izy ireo no nanankinany izany kosa tamin’ny dimbin’izy ireo : mandray ny Fanahin’i Jesoa izy ireo mba hiasana amin’ny anarany sy amin’ny tenany mihitsy[33]. Araka izany, ny mpandraharaha voahosotra no fifamatorana ara-tsakramenta izay itohizan’ ny asa litorzika amin’izay nolazain’ny ap˘st˘ly sy nataony, ary, amin’ny alalan’izy ireo, amin’izay nolazain’i Kristy sy nataony, loharano sy fototry ny sakramenta. 

1121.Ireo sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana masina, ampian’ny fahasoavana, dia mampisy marika manokana ara-tsakramenta na “fitomboka” izay andraisan’ny kristianina anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy sy mahatonga azy ho anisan’ny Fiangonana araka ny lalam-piainana arahina sy ny anjara asa samihafa. Izany fanahafana eo amin’i Kristy sy ny Fiangonana izany, izay tontosain’ny Fanahy, dia tsy maty vonoina[34] sy tsy miala mandrakizay ao amin’ny kristianina mba ho fepetra azo antoka amin’ny fahasoavana, ho fampanantenana sy fiantohana amin’ny fiarovan’Andriamanitra ary ho fiantsoana hanompo an’Andriamanitra sy hanompo ny Fiangonana. Koa, izay efa nandray ireo sakramenta ireo dia tsy azo omena izany intsony.

 

III. Ny sakramentan’ny finoana

1122. Naniraka ny ap˘st˘liny i Kristy mba ho “amin’ny anarany no hitorian’izy ireo amin’ny firenen-drehetra ny fibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). “Ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28, 19). Ny fanirahana hanao batemy, izay fanirahana ara-tsakramenta izany, dia ao anatin’ny fanirahana hitory ny Evanjely, satria ny sakramenta dia omanina amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny finoana izay fankatoavana io Teny io :

Ny amoriana ny Vahoakan’Andriamanitra aloha, dia ny Tenin’ilay Andriamanitra velona. (...) Ny amin’ny raharaha ara-tsakramenta kosa, ilaina ny fanambarÓna ny Teny, satria mikasika ny sakramentan’ny finoana izany, ary ny finoana rahateo mila mitsiry sy mivelona amin’ny Teny[35].

1123. “Ny zava-kendrena amin’ny sakramenta dia ny hanamasina ny olombelona, ny handrafitra ny Vatan’i Kristy, ary farany, ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ; kanefa, amin’ny maha-famantarana azy ireny, dia manana anjara asa amin’ny fampianarana koa izy ireny. Tsy hoe finoana fotsiny no takýn’izy ireny, fa mbola mamelona sy mankahery ary maneho izany finoana izany, amin’ny alalan’ny teny sy amin’ny alalan’ny zavatra izy ireny ; izany no antony ilazana azy ireny hoe sakramentan’ny finoana[36]

1124. Ny finoan’ny Fiangonana  no alohan’ny finoan’ny mpino, ka ny finoan’ ny Fiangonana no asaina ifikiran’ny mpino. Rahefa mankalaza ny sakramenta ny Fiangonana, dia manambara ampahibemaso ny finoana noraisina tamin’ny ap˘st˘ly. Avy amin’izany ilay ohabolana tranainy hoe: “Lex orandi, lex credendi” (na: “Legem credendi lex statuat supplicandi”, araka ny voalazan’i Prosper d’Aquitaine[37] [taonjato faha-5]). Ny lalÓnan’ny fivavahana no lalÓnan’ny finoana, mino ny Fiangonana tahaka azy mivavaka. Ny litorzia dia singafototra iray maha-izy ny Lovam-pampianarana masina sy velona[38].

1125.Noho izany, tsy misy fombam-pivavahana ara-tsakramenta na dia iray aza azo ovÓna na amboarina araka izay tian’ny mpandraharaha masina na ny ankohonam-piangonana. Na dia ny manam-pahefana fara tampony ao amin’ny Fiangonana aza dia tsy mahazo manova ny litorzia araka izay tiany, raha tsy ao anatin’ny fanekem-pinoana sy ao anatin’ny fanajana ara-pivavahana ny misterin’ny litorzia ihany.

1126.Ankoatra izany, satria ny sakramenta no maneho sy mamelabelatra ny fiombonam-pinoana ao amin’ny Fiangonana, dia iray amin’ireo mari-pitsarÓna ilaina amin’ny fifanakalozan-kevitra izay itadiavana ny famerenana ny firaisan’ny kristianina, ny lex orandi[39] (lalÓnan’ny fivavahana).

 

IV. Ny sakramentam-pamonjena 

1127.Manome ny fahasoavana izay ambarany ireo sakramenta ankalazaina amim-pahamendrehana amin’ny finoana[40]. Mandaitra ireo satria ao amin’ ireo  ny Tenan’i Kristy mihitsy no miasa : Izy no manao batemy, Izy no miasa ao amin’ireo sakramentany mba hampita ny fahasoavana izay ambaran’ny sakramenta. Ny Ray dia mankato lalandava ny vavaky ny Fiangonan’ny Zanany izay maneho ny finoany amin’ny herin’ny Fanahy, amin’ny epikilezin’ny sakramenta tsirairay. Tahaka ny anovÓn’ny afo ao aminy an’izay rehetra mikasika azy, no anovÓn’ny Fanahy Masina amin’ny Ain’Andriamanitra an’izay mankato ny heriny. 

1128.Ao amin’izany ny dikan’ny teny fanamafisan’ny Fiangonana[41] hoe : ny sakramenta dia miasa ex opere operato (ara-bakiteny : “avy amin’ny asa natao dia tanteraka izany”), izany hoe tanteraka indray mandeha ihany, noho ny tsanganasam-pamonjen’i Kristy. Koa, “tsy noho ny fahamarinan’ ny olona manome na mandray ny sakramenta no mahatanteraka ilay sakramenta, fa noho ny herin’Andriamanitra”[42]. Manomboka amin’ny fotoana ankalazana ny sakramenta iray mifanaraka amin’ny hevitry ny Fiangonana, dia ny herin’i Kristy sy ny Fanahiny no miasa ao aminy sy amin’ny alalany, fa tsy miankina amin’ny fahamasinan’ny tenan’ny mpandraharaha masina. Kanefa, ny vokatry ny sakramenta dia miankina kosa amin’ny toe-po amam-toe-panahin’ilay izay mandray azy. 

1129.Milaza marina ny Fiangonana fa ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ho an’ny mpino, dia ilaina amin’ny famonjena[43]. Ny “fahasoavana ara-tsakramenta” dia ny fahasoavan’ny Fanahy Masina omen’i Kristy sy araka ny hasina manokana ananan’ny sakramenta tsirairay. Ny Fanahy no manasitrana sy manova ireo izay mandray ny sakramenta amin’ny fampitoviana azy ireo amin’ny Zanak’ Andriamanitra. Ny vokatry ny fiainana ara-tsakramenta dia ny fanandratan’ny Fanahim-pananganan-janaka ny mpino ho Andriamanitra[44]amin’ny fampiraisan’aina azy ireo amin’ny Zanaka Lahitokana, ilay Mpamonjy.

 

V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay

1130.Ny Fiangonana dia mankalaza ny misterin’ny Tompony “mandra-piaviny” (1 K˘r 11,26) sy mandra-pahatonga “an’Andriamanitra ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 K˘r 15,28). Nanomboka tamin’ny andron’ny ap˘st˘ly ny litorzia no notarihana mankany amin’ny fiafarany amin’ny alalan’ny fitarainan’ny Fanahy ao amin’ny Fiangonana hoe : “Marana tha !” (Avia, ry Tomponay !) (1 K˘r 16,22). Mandray anjara amin’ny fanirian’i Jesoa toy izao ny litorzia : “Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho (…) mandra-pahatanterany any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra” (Lk 22,15-16). Ao amin’ireo sakramentan’i Kristy, ny Fiangonana dia efa mandray sahady ny antoky ny lovany, efa mandray anjara sahady amin’ny fiainana mandrakizay, “eo am-piandrasana ny hasambarana antenaina sy ny andro isehoan’ny voninahitry ny Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa” (Tito 2,13). “Hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina : Avia! (…) Avia, ry Jesoa Tompo! ” (Ap˘k 22,17.20).        

Fintinin’i Md Thomas toy izao ny lafiny samihafa amin’ny famantarana ara-tsakramenta : “Ny sakramenta no famantarana mampahatsiaro an’izay teo aloha, izany hoe ny fijalian’i Kristy ; mampiharihary an’izay tanteraka ao amintsika noho ny fijalian’i Kristy, izany hoe ny fahasoavana ; maminavina, izany hoe milaza mialoha, ny Voninahitra hoavy”[45].

 

FAMINTINANA

1131.Ny sakramenta dia famantarana mandaitra andraisam-pahasoavana, naorin’i Kristy sy nankininy amin’ny Fiangonana, izay izarazarana amintsika ny ain’Andriamanitra. Ny fombam-pivavahana hita maso izay ankalazana ny sakramenta, no mampahafantatra sy mampahazo ny fahasoavana manokana an’ny sakramenta tsirairay. Mamokatra ao amin’ ireo izay mandray amin’ny toe-panahy ilaina handraisana azy ny sakramenta.

1132.Manao fankalazana ara-tsakramenta ny Fiangonana noho izy ankohonana mpisorona mirafitra amin’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy sy ny an’ny mpandraharaha voahosotra.

1133.Ny Fanahy Masina no manomana ny olona hiroso amin’ny sakramenta, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny finoana, ho an’izay mandray ny Teny amin’ny fo vonona tsara. Noho izany, sady manamafy no manambara ny finoana ny sakramenta.

1134.Ny vokatry ny fiainana ara-tsakramenta dia sady ao amin’ny isam-batan’olona no ao amin’ny Fiangonana manontolo. Etsy an-daniny, io vokatra io  dia fiainana ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa, ho an’ny mpino rehetra ; etsy an-kilany, io vokatra io, ho an’ny Fiangonana, dia fitomboana ao anatin’ny fifankatiavana sy amin’ny iraka fijoroany ho vavolombelona.

 


 
[1] jer. Jo 13,1 ; 17,1.
[2]L.6.
[3] jer. Jo 20,21-23.
[4]L.7.
[5]L.7.
[6]L.8 ; jer. FF 50.
[7]FF2.
[8] jer. FA 14-16.
[9] jer. Lk 24,13-49.
[10] jer. 2 K˘r 3,14-16.
[11] jer. 1 Pi 3,21.
[12] jer. 1 K˘r 10,1-6.
[13] jer. Jo 14,26.
[14]L.24.
[15] RFP 4.
[16] FA 2.
[17]Md Jean DamascŔne, f.o. 4,13.
[18] jer. Efez 1,14 ; 2 K˘r 1,22.
[19] jer. Jo 15,1-17 ; Gal 5,22.
[20] jer. 1 Jo 1,3-7.
[21] jer. L.6.
[22] jer. DS 860 ; 1310 ; 1601.
[23]DS 1600.
[24]DS 1601.
[25]Md LÚon le Grand, serm. 74,2.
[26] jer. Lk 5,17 ; 6,19 ; 8,46.
[27] jer. Mt 13,52 ; 1 K˘r 4,1.
[28]Md Augustin, civ. 22,17 ; jer. Md Thomas d’A., s.th.3,64,2,ad 3.
[29]Pie XII, enc. "Mystici Corporis".
[30]FF 11.
[31]FF 11.
[32]FF 10.
[33] jer. Jo 20,21-23 ; Lk 24,47 ; Mt 28,18-20.
[34]K˘ns. Trente : DS 1609.
[35]RFP 4.
[36]L.59.
[37]Ind. c8 : DS 246.
[38] jer. FA 8.
[39] jer. EK 2 sy 15.
[40] jer. K˘ns.Trente : DS  1605 sy 1606.
[41] jer. K˘ns.Trente : DS 1608.
[42] Md Thomas d'A., s. th. 3,68,8.
[43] jer. K˘ns.Trente : DS 1604.
[44] jer. 2 Pi 1,4.
[45] S. th. 3,60,3.
 

 

top