The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHAROA

Ny fankalazana ara-tsakramenta ny misterin’ny Paka.

 

 

1135.Ny fahazoana an-tsaina momba ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta aloha no nampahafantarin’ny katesezy momba ny litorzia (tao amin’ny toko voalohany). Tamin’izany fahaizana izany no nihariharian’ny zava-baovaon’ny fankalazana azy. Ny horesahina amin’ity toko ity Óry izao, dia ny fankalazana ny sakramentan’ny Fiangonana. Hodinihina aloha, amin’ny alalan’ny hamaroan’ny lovam-panahy amin’ny litorzia, izay iombonana amin’ny fankalazana ireo sakramenta fito ; fa izay toetra manokana an’ny tsirairay amin’izy ireo dia haseho any aoriana. Ity katesezy fototra amin’ny fankalazana ara-tsakramenta ity no hamaly ireo fanontaniana voalohany izay apetraky ny mpino amin’ireto foto-dresaka ireto :

- Iza no mankalaza ?
- Atao ahoana ny fankalaza ?
- Rahoviana no mankalaza ?
- Aiza no mankalaza ?

 

ANDALANA  1  

Mankalaza ny litorzian’ny Fiangonana.

 

I. Iza no mankalaza ? 

1136.“Asan’ ” i “Kristy manontolo”  (Christus Totus) ny litorzia.  Ireo izay mankalaza izany ankehitriny tsy amin’ny famantarana, dia efa ao amin’ny litorzian’ny lanitra sahady, izay tena fiombonana sy Fety tanteraka ny fankalazana atao any.

 

Ireo mankalaza amin’ny litorzia any an-danitra 

1137.Ny Ap˘kalipsan’i Md Joany, vakýna ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana, dia mampiseho amintsika aloha, ny seza fiandrianana iray miorina any an-danitra, ary Olona iray mipetraka eo ambonin’io seza fiandrianana io[1] : “ny Tompo Andriamanitra” (Iz 6,1)[2]. Manaraka izany, ny Zanak’ Ondry,  “tahaka ny voavono sy nitsangana” (Ap˘k 5,6)[3]: i Kristy voafantsika  sy nitsangan-ko velona, Mpisorombe tokana ny tena toerana masina tokoa[4], sady “ilay manolotra no ilay atolotra, ilay manome no ilay nomena”[5]. Farany, “ilay onin-dranon’ny Fiainana izay miboiboika avy ao amin’ilay seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’Ondry” (Ap˘k 22,1), iray amin’ireo fanehoana an’ohatra kanto indrindra ilazana ny Fanahy Masina[6].  

1138.Ireto avy “ireo navondrona” ao amin’i Kristy, mandray anjara amin’ny fanompoam-piderana an’Andriamanitra sy amin’ny fanatanterahana ny fandaharany : ny Herin’ny lanitra[7], ny voary manontolo (ny Zavamananaina efatra), ireo mpanompon’ny Fanekem-pihavanana Taloha sy ny Vaovao (ireo Anti-dahy efatra amby roapolo), ny vahoaka vaovao an’Andriamanitra (ireo efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy[8]), singanina manokana ireo martiry “novonoina noho ny Tenin’ Andriamanitra” (Ap˘k 6,9), ary ilay hany Reny Masin’Andriamanitra (ilay Vehivavy[9]; ilay Vadin’ny Zanak’ Ondry[10]), ary farany, “vahoaka maro dia maro, tsy tambo isaina, avy amin’ ny firenena rehetra, fokom-pirenena, vahoaka mbamin’ny olona samihafa fiteny rehetra” (Ap˘k 7,9).

1139.Amin’izany litorzia maharitra mandrakizay izany no ampandraisan’ny Fanahy sy ny Fiangonana anjara antsika rahefa mankalaza ny misterim-pamonjena ao amin’ireo sakramenta isika.

 

Ireo mankalaza amin’ny litorzia ara-tsakramenta.

1140.Ny Ankohonam-piangonana manontolo, dia ny Vatan’i Kristy miray amin’ ny Filohany, no mankalaza. “Ny asa litorzika rehetra dia tsy asan’olon-drery, fa fankalazan’ny Fiangonana, izay "sakramentan’ny firaisana", izany hoe ny vahoaka masina voavory sy voalamina eo ambany fahefan’ny Eveka. Noho izany, ny asa litorzika rehetra dia asan’ ny Fiangonana-Vatana iray manontolo, sady manambara azy manontolo sy manokana azy  manontolo ; kanefa mahakasika ny tsirairay amin’ny rantsambatany ireny, amin’ny fomba samihafa, araka ny faha-samihafa ny laharana, ny anjara raharaha ary ny fandraisana anjara an’asa”[11]. Noho izany koa, “rahefa misy fankalazana iombonana, izay mazava ho azy fa samy manana ny maha-izy azy manokana avy ny fombam-pivavahana atao amin’izany, fanao matetika sy andraisan’ny mpino anjara amim-pahavitrihana, dia hamafisina fa  io fankalazana iombonana io, araka izay azo atao, no tokony hihoatra ny fankalazana ataon’izy ireo tsirairay sy ny saika ataony manokana”[12].

1141.Ny mpiangona izay mankalaza dia fiombonan’ireo vita batemy, izay “tamin’ny alalan’ny fanavaozana sy ny fanosorana tamin’ny Fanahy Masina izy ireo no voatokana mba ho tempoly ara-panahy sy ho mpisorona masina, mba hanolotra fanatitra ara-panahy, amin’ny tsanganasa rehetra ataon’ny kristianina”[13]. Izany “fisoronana iombonana” izany dia ilay an’i Kristy, Mpisorona tokana, andraisan’ny rantsambatany rehetra anjara[14]

Maniry fatratra ny Fiangonana Reny mba ny mpino rehetra no ho voatarika amin’izany fandraisana anjara feno, amim-pahatsiarovan-tena sy amim-pahavitrihana amin’ny fankalazana litorzika izany, izay angatahin’ ny fomban’ny litorzia rahateo, ary noho ny Bateminy, dia zo sy adidy izany ho an’ny vahoaka kristianina “taranaka voafidy, vahoaka manjaka, firenena masina, vahoaka navotana (1 Pi 2,9) ”[15].[16].

1142.Kanefa “tsy mitovy raharaha ny rantsambatana rehetra” (R˘m 12,4). Ny rantsambatana sasany dia antsoin’Andriamanitra, ao amin’ny Fiangonana sy amin’ny alalany, ho amin’ny fanompoana manokana ny fiombonan’ny mpino. Ireo mpanompo ireo dia voafidy sy voatokana tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, izay amin’izany no ataon’ny Fanahy Masina manjary afaka miasa amin’ny Tenan’i Kristy-Loha mihitsy izy ireo, ho fanompoana ny rantsambatan’ny Fiangonana manontolo[17]. Ny mpandraha-raha voahosotra dia mova tsy “sarimasin’ ” i Kristy Mpisorona. Satria ao amin’ny Eokaristia no miharihary manontolo ny sakramentan’ny Fiangonana, ka dia amin’ny fitarihana ny Eokaristia no miseho aloha ny andraiki-panompoan’ny Eveka, ary amin’ny fiombonana aminy, ny an’ny Pretra sy ny Diakra. 

1143.Mba hampiasana ny anjara asam-pisoronana iombonan’ny mpino, misy koa ny andraiki-panompoana hafa manokana, tsy nohamasinana tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana, ka ny Eveka no mamaritra ny anjara asa manandrify izany araka ny lovam-pampianarana litorzika sy araka izay ilaina amin’ny past˘raly. “Koa ny mpiservy, ny mpamaky teny, ny mpivaofy ary ireo antoko-mpihira dia samy manatontosa andraiki-panompoana litorzika marina tokoa”[18].

1144.Araka izany, amin’ny fankalazana ny sakramenta, ny mpiangona manontolo no “mpilitorzia”, ny tsirairay araka ny anjara raharaha manandrify azy, nefa ao amin’ny “firaisana amin’ny Fanahy” izay miasa ao amin’ny rehetra. “Amin’ny fankalazana litorzika, ny tsirairay, mpandraharaha masina na mpino, amin’ny fanatontosana ny anjara raharahany avy, ny hany hataony ary hataony manontolo, dia izay anjara natao ho azy ihany araka ny toetran’ny zavatra sy ny fitsipika litorzika”[19].

 

II. Atao ahoana ny fankalaza ?

Famantarana sy fanehoana an’ohatra 

1145.Narafitra amin’ny famantarana sy fanehoana an’ohatra maro ny fankalazana ara-tsakramenta iray. Araka ny fanabeazan’Andriamanitra eo amin’ny famonjena, ny hevitra raketin’izy ireny dia miorim-paka ao anatin’ny tsanganasa fahariana sy ao amin’ny kolontsain’ny olombelona, mihamazava eo amin’ireo zava-niseho tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha ary miharihary manontolo ao amin’ny Tenan’i Kristy sy ny tsanganasany. 

1146.Famantarana amin’ny tontolon’ny olombelona. Mitana toerana lehibe ny famantarana sy fanehoana an’ohatra, eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Ny olombelona, noho izy natao ho manana vatana sady manana fanahy, dia maneho sy mahatsapa ny zava-misy ara-panahy amin’ny alalan’ny famantarana sy ny fanehoana an’ohatra amin’ny zavatra hita maso, tsapan’ny tanana. Noho ny olombelona natao hiara-monina, dia mila famantarana sy fanehoana an’ohatra izy mba hifandray amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny teny, amin’ny alalan’ny fihetsika, amin’ny alalan’ny asa. Torak’izany koa ny fifandraisany amin’Andriamanitra.

1147.Miteny amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny zavaboary hita maso Andriamanitra. Ny tontolon’ny zavaboary voarindra hita maso, tsapan’ny tanana, no miseho ao an-tsain’ny olombelona mba hahafahany mamaky ao ireo mariky ny Mpahary azy[20]. Ny hazavana sy ny alina, ny rivotra sy ny afo, ny rano sy ny tany, ny hazo sy ny voankazo dia miteny an’ Andriamanitra, sy maneho an’ohatra ny maha-ambony Azy sady maha-akaiky Azy.

1148.Amin’ny maha-zavaboary  ireny zava-misy tsapan’ny fandrenesana ireny, dia mety ho zary fototra fanehoana ny asan’Andriamanitra izay manamasina  ny olombelona, sy ny asan’olombelona izay hanomezan’ izy ireo voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ireny. Toy izany koa ireo famantarana sy fanehoana an’ohatra eo amin’ny fiainam-piaraha-monin’ny olombelona : manasa amin’ny rano sy manosotra amin’ny menaka, manapatapaka ny mofo sy mizara ny kalisy izay mety manambara ny fisiam-panamasinan’Andriamanitra sy ny fankasitrahan’ny olona eo anatrehan’ny Mpahary azy. 

1149.Ny antokom-pivavahana lehibe  arahin’ny olona dia manaporofo amin’ny fombam-pivavahany, matetika amin’ny fomba mampitolagaga, io hevitra araka ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ara-panehoana an’ohatra io. Ny litorzian’ny Fiangonana dia mandray rahateo sy mampiditra ary manamasina ireo singafototry ny zavaboary sy ny kolontsain’ny olombelona amin’ny fanomezana azy ireo ny hasin’ny famantaram-pahasoavana sy ny fahariana vaovao, ao amin’i Jesoa-Kristy.

1150.Famantarana ny fanekem-pihavanana. Ny vahoaka voafidy dia nandray tamin’Andriamanitra ny famantarana sy ny fanehoana an’ohatra miavaka izay manamarika ny fiainany ara-litorzia : tsy fankalazana fotsiny intsony amin’ny fihodinan’ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ny fihetsika ara-piaraha-monina izany, fa famantarana ny fanekem-pihavanana, sy fanehoana an’ohatra ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany. Azo singanina amin’ireny famantarana litorzikan’ny Fanekem-pihavanana  Taloha ireny ny famorÓna, ny fanosorana sy ny fanamasinana mpanjaka sy mpisorona, ny fametrahan-tanana, ny sorona, ary indrindra ny Paka. Hitan’ny Fiangonana ao amin’ireny famantarana ireny ny tandindon’ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao. 

1151.Famantarana nampiasain’i Kristy. Matetika, nampiasa famantarana maro avy amin’ny zavaboary i Jesoa Tompo, tamin’ny toriteniny, mba hampahafantarana ny misterin’ny Fanjakan’Andriamanitra[21]. Tamin’ny famantarana hita maso sy tsapan’ny tanana, na tamin’ny fihetsika an’ ohatra no nanatanterahany ny fanasitranany na nanamafisany ny toriteniny[22]. Nomeny hevitra vaovao ireo zava-niseho sy ireo famantarana tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, indrindra ny tamin’ny Eksaody sy ny tamin’ny Paka[23], satria Izy Tenany mihitsy no ambaran’ireny famantarana rehetra ireny.

1152.Famantarana ara-tsakramenta. Nanomboka tamin’ny Pantek˘ty, dia amin’ ny alalan’ny famantarana ara-tsakramentan’ny Fiangonany no anaovan’ny Fanahy Masina ny tsanganasa fanamasinana. Ny sakramentan’ny Fiangonana dia tsy manafoana, fa manadio sy mampiditra manontolo ao aminy ny harena rehetra amin’ny famantarana sy ny fanehoana an’ohatra ny tontolon’ny zavaboary voarindra sy ny fiainam-piaraha-monina. Afa-tsy izany, ny sakramentan’ny Fiangonana no manatanteraka ireo tandindona sy ireo sary an’ohatra tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, mampahafantatra sy manatontosa ny famonjena nataon’i Kristy, ary manambara mialoha sy mampisantatra ny voninahitry ny lanitra.

Teny sy asa 

1153.Ny fankalazana ara-tsakramenta dia fihaonan’ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo, ao amin’i Kristy sy ny Fanahy Masina, ary io fihaonana io dia zary resaka ifanaovana, amin’ny alalan’ny asa sy ny teny. Marina fa ny asa an’ohatra dia efa fitenenana rahateo, kanefa tsy maintsy manampy sy mamelombelon’aina ireny asa ireny ny Tenin’Andriamanitra sy ny valim-pinoana, mba hamokatra ao amin’ny tany tsara ny voa mamoa ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny asa litorzika no mampahafantatra an’izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra : etsy an-andaniny, ny fanomboham-panambarÓna ataon’Andriamanitra maimaim-poana, ary  etsy an-kilany, ny valim-pinoana ataon’ny vahoakany. 

1154.Ampahany tsy azo esorina amin’ireo fankalazana ara-tsakramenta, ny litorzian’ny Teny. Mba hampitombo ny finoan’ny mpino, tokony hasongadina ireo mari-pamantarana ny Tenin’Andriamanitra : ny boky mirakitra ny Teny (boky litorzika mirakitra ny vakiteny masina na boky litorzika mirakitra ny evanjely), ny fanajana azy (pr˘sesi˘, emboka, jiro), ny toerana fanambarÓna azy (polipitra), ny famakiana azy ho heno tsara sy ho mora azo an-tsaina, ny toritenin’ny mpandraharaha masina izay manohy ny fanambarÓna azy, ny valy ataon’ny mpiangona (fihobiana, salamo fandinihana, litania, fiekem-pinoana). 

1155.Tsy azo saratsarahina ny teny sy ny asa litorzika amin’ny maha-famantarana sy fampianarana azy, dia toy izany koa, amin’ny maha-mpanatanteraka azy ny zavatra izay ampahafantariny. Tsy ny manome fotsiny ny fahafaha-mahazo ao an-tsaina ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fampitsiriana ny finoana no ataon’ny Fanahy Masina, fa Izy koa no manatanteraka amin’ny alalan’ny sakramenta ireo “zava-mahagaga” ataon’ Andriamanitra ambaran’ny Teny : Izy no mahatonga ny fisiana eo sy mampita ny tsanganasan’ny Ray notontosain’ny Zanaka malala.

Hira sy mozika

1156. “Ny lovam-panahy momba ny mozika teo amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo dia nihary raki-tsoa tsy voavidy vola izay mampisongadina azy amin’ireo zavakanto hafa, indrindra, fa amin’ny maha-hira masina azy miaraka amin’ny tonony, dia manjary ampahany tena ilaina na ampahany tsy azo esorina amin’ny litorzia manetriketrika izy”[24]. Ny famoronana sy ny fihirana ny Salamo masina, matetika narahina zavamaneno, dia efa nifamatotra mafy tamin’ireo fankalazana ara-litorzian’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Tohizin’ny Fiangonana sy ampiroboroboiny izany lovam-panahy izany : “Salamo, antsa ary tonon-kira masina no ifampitanisaonareo ; hirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19)[25]. “Izay mihira dia mivavaka indroa”[26].

1157.Ny hira sy ny mozika dia manao ny anjara asa maha-famantarana azy, sady amin’ny fomba miharihary izay “ifandraisan’izy ireny bebe kokoa amin’ny asa litorzika”[27], araka ireto mari-pitsarÓna lehibe telo ireto : ny fanehoam-pankafizana fivavahana, ny firaisam-pon’ny mpiangona mandray anjara amin’ireo fotoana voalamina ary ny toetra manetriketriky ny fankalazana. Ny hira sy ny mozika, araka izany, dia manampy tosika ho amin’ny tanjom-piafaran’ny teny sy ny asa litorzika : ny Voninahitr’Andriamanitra sy ny fanamasinana ny mpino[28] :

Endre ! izany izaho nitomany raha nandre ny antsanareo, ny tonon-kiranareo, ny fireondreony mahafinaritra izay nampanakoako ny Fiangonanareo ! Fiontanam-po manao ahoana no nahazo ahy tamin’izany ! Nikoriana tato an-tsofiko izy ireny, nampiely ny fahamarinana tato am-poko. Hetsi-panahy lehibe ho amin’ny fitiavam-bavaka no nanainga ahy, ary nijoy namonto ny takolako ny ranomaso, nefa nahasoa ahy izy ireny[29].

1158.Ny firindran’ireo famantarana (hira, mozika, teny ary asa) eto dia sady maneho mazava sy mamokatra, no manazava ny ao anatin’ny harena ara-kolontsaina manokana an’ny Vahoakan’Andriamanitra izay mankalaza[30]. Noho izany, “hamporisihana sy hotohanana amim-pahendrena ny famoronan-kiram-pivavahana mora hain’ny vahoaka, mba hahafahan’ny mpino miara-manandra-peo, amin’ny fanazaran-tena ho tia vavaka sy ho masina, sy amin’ny asa litorzika rahateo, araka ny fitsipiky ny Fiangonana”[31]. Kanefa, “ny tonony natokana ho an’ny hira masina dia hifanaraka amin’ny fitambaram-pampianarana kat˘lika ary tsaratsara kokoa aza raha halaina avy amin’ny Soratra Masina sy avy amin’ny loharano litorzika izy ireny”[32]

Ny sary masina

1159. I Kristy no asehon’ny sary masina, ny Sarimasina litorzika, ambonin’ny rehetra. Ny sary anefa tsy afaka hampiseho an’ilay Andriamanitra tsy hita maso sy tsy takatry ny saina ; ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo no nisantarana ny “fitantanana” vaovao mikasika izany :

Fahiny Andriamanitra izay tsy hita vatana, tsy hita bika, dia tsy azo naseho an-tsary mihitsy. Kanefa ankehitriny, rahefa naseho teo amin’ny nofo Izy sy niara-niaina tamin’ny olombelona, dia afaka manao sary an’izay hitako teo amin’Andriamanitra aho. (…) Miharihary ny endrika, ka afaka mibanjina ny voninahitry ny Tompo isika[33].

1160.Ny angontsarimasina kristianina no mandika amin’ny alalan’ny sary ny hafatry ny Evanjely izay ampitain’ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny teny. Mifanazava ny sary sy ny teny :

Mba hilazana amin’ny teny fohy ny fiekem-pinoantsika, dia tahirizintsika ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana rehetra voasoratra na tsy voasoratra izay nampitaina tamintsika tsy misy fanovÓna. Anankiray amin’ireny ny fampisehoana amin’ny sary hoso-doko, izay mifanaraka amin’ny fitoriana ny tantara momba ny Evanjely, amin’ny finoana fa ilay Andriamanitra Teny dia tonga olombelona marina tokoa fa tsy araka ny hita ety ivelany, izay ilaina koa sy mampahazo tombon-tsoa koa, satria ny zavatra izay mifanazava dia manana hevitra mitovy tsy misy mampisalasala mihitsy[34].

1161. Misy ifandraisana amin’i Kristy  avokoa ny famantarana rehetra amin’ny fankalazana litorzika ; toy izany koa ny sary masin’ny Reny masin’ Andriamanitra sy ireo olomasina. Satria, izy ireny no mampahafantatra an’i Kristy izay omem-boninahitra ao amin’izy ireny. Izy ireny no mampiseho “ny vavolombelona zavon-tany ” (Heb 12,1) izay manohy mandray anjara amin’ny famonjena izao tontolo izao, ary miombona amin’izy ireo isika, indrindra amin’ny fankalazana ara-tsakramenta. Amin’ny alalan’ny sarimasin’izy ireo, dia ny olombelona “natao mitovy endrika amin’ Andriamanitra”, ary tamin’ny farany voaova endrika “hifanahaka Aminy”[35], no miseho amin’ny finoantsika, ary na ireo anjely aza dia navondrona koa ao amin’i Kristy :

Araka ny fampianarana nitsilovan’Andriamanitra ny sain’ireo Abantsika masina sy ny lovam-panahin’ny Fiangonana kat˘lika, izay fantatsika fa lova nampitain’ny Fanahy Masina izay monina ao aminy, dia soritanay tsy amim-pisalasalana sy amim-pahamarinana tanteraka fa ny sary mendri-kaja sy masina, tahaka ireo sary mampiseho ny Hazofijaliana sarobidy sy mamelombelon’aina, na natao hoso-doko izany, na natao rafi-bato madinika samihafa volo, na natao tamin’ny foto-javatra hafa sahaza azy, dia tokony homena toerana ao am-piangonana masin’Andriamanitra, eo amin’ny fitaovana ampiasaina sy ny fanamiana masina, eo amin’ny rindrina sy ny tabilao fametahan-tsary, ao an-trano sy eny an-dalana ; tahaka izany koa ny sarin’ny Tompontsika, Andriamanitra sy Mpamonjy, dia i Jesoa-Kristy, na ny an’ny Tompovavintsika, ilay Reny madio indrindra sy masin’ Andriamanitra, ny an’ny anjely masina, ny olomasina sy ny olo-marina rehetra[36].

1162.“ Manaitaitra ny fivavahako ny hakanto sy ny lokon’ny sary. Fety ho an’ny masoko izany, tahaka ny zavatra hita eny an-tsaha mandrisika ny foko hanome voninahitra an’Andriamanitra”[37]. Ny fibanjinana ny sarimasina, ampiraisina amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fihirana ny antsa litorzika, dia tonga mampirindra ny famantarana amin’ny fankalazana, mba horaiki-tadidy ao am-po ny mistery ankalazaina, ary aorian’izay hanazava ny heviny eo amin’ny fiainam-baovaon’ny mpino.

 

III. Rahoviana no mankalaza ?

Ny fotoana litorzika 

1163. “Mihevitra tokoa ny Fiangonana Masina Renintsika fa adidiny ny mankalaza ny tsanganasam-pamonjen’ilay Andriamanitra Vadiny, amin’ ny alalan’ny fahatsiarovana masina, atao andro raikitra, mandavantaona. Isan-kerinandro, ny andro antsoina hoe "Andron’ny Tompo", dia atao ho fahatsiarovana ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona, izay mbola ankalazaina indray mandeha isan-taona, miaraka amin’ny fijaliany mahasambatra, amin’ny alalan’ny fankalazana manetriketrika ny Paka.  Ary asehony mandritra ny fihodinan’ny taona ny misterin’i Kristy manontolo. (…) Eo am-pankalazany araka izany ireo misterin’ny fanavotana ny Fiangonana, dia manokatra ho an’ny mpino ireo haren’ny hatsaram-panahy sy ny soa avy amin’ny Tompony ; amin’ny fomba toy izany, ireny mistery ireny dia toy ny hoe hita eo mandritra ny fotoana manontolo, ka ifampikasohan’ny mpino amin’izy ireny sy hameno azy ny fahasoavam-pamonjena”[38].

1164.Ny Vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny lalÓnan’i M˘izy, dia nahalala ireo fety raikitra nanomboka tamin’ny Paka, mba hahatsiarovana ny asa mahagaga nataon’Andriamanitra Mpamonjy, hisaorana Azy amin’ izany, hampaharitra ny fahatsiarovana sy hampianarana ny taranaka vaovao mba hampifanarahan’izy ireo ny fitondran-tenany amin’izany. Amin’ny vanim-potoanan’ny Fiangonana, eo anelanelan’ny Pakan’i Kristy, izay efa tanteraka indray mandeha ihany, sy ny fahataperany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny litorzia ankalazaina amin’ny andro raikitra dia manamarika manontolo ny zava-baovaon’ny misterin’i Kristy. 

1165.Rahefa mankalaza ny misterin’i Kristy ny Fiangonana, misy teny iray izay manoritra ny fivavahany: “Anio!”, avy amin’ny akon’ny vavaka izay nampianarin’ny Tompony[39] azy sy ny antson’ny Fanahy Masina[40]. Io “ anio” an’Andriamanitra velona io izay iantsoana ny olombelona hiditra ao no “Oran’ ”ny Pakan’i Jesoa izay mamakivaky sy mitondra ny tantara manontolo :

Voavelatra eo amin’ny fisiana manontolo ny fiainana ary heniky ny hazavana lehibe ny rehetra ;  ilay Fahazavana avy any atsinanana dia manenika an’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, ary Ilay izay “talohan’ny kintana fitarik’ andro” sy talohan'ny zava-misy rehetra eny an’habakabaka, tsy mety maty sy tsy manam-petra, ilay Kristy Lehibe dia mamirapiratra eo amin’ny zavatra rehetra mihoatra noho ny masoandro. Izany no antony, ho antsika mino Azy, ipoiran’ny andron’ny fahazavana, lava, mandrakizay, izay tsy mety maty : ny Paka mistika[41].

 

Ny Andron’ny Tompo  

1166.“Mankalaza ny misterin’ny Paka ny Fiangonana, araka ny lovam-pampianaran’ny ap˘st˘ly efa hatramin’ny andro nitsanganan’i Kristy ho velona mihitsy, isaky ny andro fahavalo, izay tena antsoina marina hoe Andron’ny Tompo, na alahady”[42]. Ny andro Nitsanganan’i Kristy ho velona dia sady ilay “andro voalohany amin’ny herinandro”, tsangambato fahatsiarovana ny andro voalohan’ny fahariana, no  “andro fahavalo” izay nisantaran’i Kristy, taorian’ny “fitsaharany” tamin’ny Sabata lehibe, ilay Andro “izay nataon’ny Tompo”, ho andro “tsy mahalala hariva”[43]. Ny “sakafon’ny Tompo” no foibeny, satria eo ny ankohonana manontolo ny mpino no mihaona amin’ ny Tompo nitsangan-ko velona izay manasa azy ireo amin’ny fanasam-beny[44] :

Ny Andron’ny Tompo, andron’ny Fitsanganan-ko velona, andron’ny kristianina, no androntsika. Ho amin’izany no niantsoana azy hoe andron’ny Tompo : satria tamin’izany andro izany ny Tompo no niakatra tamin’ny maha-mpandresy Azy eo anilan’ny Ray. Raha antsoin’ny jentily hoe andron’ny masoandro izany, isika koa, miaiky izany an-tsitrapo : fa androany no niposahan’ny fahazavan’izao tontolo izao, androany no nisehoan’ny masoandron’ny fahamarinana izay mitondra famonjena ny tarany[45].

1167.Ny alahady no andro ambony indrindra amin’ny fiaraha-miangona amin’ny litorzia, izay hiangonan’ny mpino “ka amin’ny fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny Eokaristia, no hanaovan’izy ireo ny fahatsiarovana ny fijaliana, ny Fitsanganan-ko velona ary ny Voninahitr’i Jesoa Tompo, amin’ny fisaorana an’ Andriamanitra izay nanavao azy ireo ho amin’ny fanantenana velona amin’ny alalan’ny Fitsanganan’i Jesoa-Kristy tamin’ny maty”[46] :

Ry Kristy ˘ ! rahefa mandinika izahay, ny zava-mahagaga izay tanteraka tamin’ity andro alahadin’ny Fitsanganan-ko velonao masina ity, dia hoy izahay hoe : Voahasina ny andro alahady, satria taminy no nanombohan’ ny fahariana (…) ny famonjena an’izao tontolo izao (…) ny fanavaozana ny taranak’olombelona (…). Taminy ny lanitra sy ny tany no nifaly ary nahafeno fahazavana ny tontolon’ny zava-drehetra. Voahasina ny andro alahady, satria taminy no nisokafan’ny varavaran’ ny paradisa mba tsy hatahotra  hiditra ao  i Adama sy ny voasesitany rehetra[47].

Ny taona litorzika

1168.Manomboka amin’ny Hateloan’andron’ny Paka, araka ny maha-loharanom-pahazavany azy, ny andro vaovao ny Fitsanganan-ko velona no mameno ny taona litorzika manontolo amin’ny famirapiratany. Tsikelikely, avy amin’ny andaniny sy ny ankilan’io loharano io, no nanovÓn’ny litorzia endrika ny taona. Tena “taom-pahasoavan’ny Tompo”[48] tokoa izany. Miasa ao anatin’ny fe-potoana ny fitantanam-pamonjena, kanefa hatramin’ny fahatanterahany tamin’ny Pakan’i Jesoa sy ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fahataperan’ny tantara dia niroso mialohan’ny fotoana, “nosantarina mialoha”, ary miditra ao amin’ny fotoanantsika ny Fanjakan’ Andriamanitra.  

1169.Noho izany, tsy fety fotsiny eo anivon’ny hafa ny Paka : izy no “Fety fara tampon’ny fety rehetra”, “Manetriketrika indrindra amin’ny manetri-ketrika”, tahaka ny Eokaristia izay sakramentan’ireo sakramenta (ilay Sakramenta lehibe). “Ilay alahady Lehibe”[49] no iantsoan’i Md Athanase azy, tahaka ny Herinandro Masina antsoin’ny any Atsinanana hoe “Herinandro lehibe”. Ny misterin’ny Fitsanganan-ko velona, izay tamin’izany no nandravan’i Kristy ny fahafatesana, no maninteraka ny fotoana tranainintsika tamin’ny fahefany mahery, mandra-pahatonga ny zavatra rehetra ho eo ambany fahefany.

1170.Tamin’ny K˘nsilin’i NicÚe (taona 325) ny Fiangonana rehetra dia nifanara-kevitra fa ny Paka kristianina dia ho ankalazaina ny alahady izay manaraka ny volana fenomanana (14 Nisan), aorian’ny andro itovian’ny halavan’ny andro sy alina amin’ny lohataona. Noho ny tsy fitovian’ny fomba fikajiana ny 14 Nisan, tsy mifanojo lalandava ny datin’ny Paka ao amin’ny Fiangonana Tandrefana sy ny Tatsinanana.  Izany no mahatonga ireo Fiangonana ireo ankehitriny, mikaroka fifanarahana, mba hahatongavana indray amin’ny fankalazana ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny daty iraisana.

1171.Ny taona litorzika no famelarana ny endrika maro samihafa ny mistery tokan’ny Paka. Torak’izany indrindra koa ny momba ireo fety manodidina ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo (Filazana, Noely, Epifania) izay ankalazana ny fahatsiarovana ny fiandohan’ny famonjena antsika sy ampitana amintsika ny santatra ny misterin’ny Paka.

Ny fanajana ny Olomasina ao amin’ny taona litorzika 

1172. “Ny Fiangonana Masina, amin’ny fankalazana ny misterin’i Kristy mandritra ny fihodinan’ny taona, dia manaja amim-pitiavana manokana an’i Maria sambatra, Renin’Andriamanitra, izay niombona tamin-Janany teo amin’ny tsanganasam-pamonjena tamin’ny alalan’ny fifamatorana tsy azo sarahina. Ao amin’i Maria ny Fiangonana dia migaga sy midera ny vokatry ny tsara indrindra avy amin’ny fanavotana, ary, toy ny ao amin’ny sary iray madio dia madio izy no mibanjina amin-kafaliana, izay irýn’ny tenany rahateo sy antenainy ho izy manontolo”[50]

1173.Rahefa mahatsiaro ny martiry sy ny olomasina sasany ny Fiangonana, ao anatin’ny fihodinan’ny taona, dia “manambara ny misterin’ny Paka” ao amin’izy ireo na lehilahy na vehivavy “izay nijaly niaraka tamin’i Kristy sy nomem-boninahitra niaraka Taminy, ary manolotra ho an’ny mpino ny oha-piainan’izy ireo izay nitarika azy rehetra ho any amin’ny Ray amin’ny alalan’i Kristy, ary amin’ny mahamendri-balisoa azy ireo, no ahazoan’ny Fiangonana ny soa avy amin’Andriamanitra”[51].

Ny Vavaka isan’Andro

1174.Ny misterin’i Kristy, ny Fahatongavany ho nofo sy ny Pakany, izay ankalazaintsika amin’ny Eokaristia, singanina manokana ny amin’ny fiangonana alahady, dia maninteraka sy manova endrika ny fotoana isan’andro amin’ny alalan’ny fankalazana amin’ny Vavaka isan’Andro, “Fankalazana an’Andriamanitra isan’andro”[52]. Izany fankalazana izany, tsy mivaona amin’ny hafatrafatry ny ap˘st˘ly ny amin’ny hivavahana lalandava[53], “no natambatra mba hanamasinana ny fisosan’ny andro sy ny alina amin’ny fiderana an’Andriamanitra”[54]. Izy no “vavaky ny daholobe ao amin’ny Fiangonana”[55] izay amin’izany ny mpino (mpandraharaha voahosotra, relijiozy ary lahika) no manatanteraka ny maha-mpisorona manjaka ny vita batemy. Rahefa ankalazaina “araka ny fomba ankatoavin’ ”ny Fiangonana ny Vavaka isan’Andro, “dia tena feon’ilay Ampakarina mihitsy izay miantefa amin’ilay Mpampakatra azy ; ary azo lazaina koa hoe vavaka amin’ny Ray ataon’i Kristy miaraka amin’ny Vatany”[56].

1175.Voatokana hanjary ho vavaky ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo ny Vavaka isan’Andro. “Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manohy ny anjara raharaha  maha-mpisorona Azy amin’ny alalan’ny Fiangonany”[57], amin’ny Vavaka isan’andro ; mandray anjara amin’izany ny tsirairay, arakaraka ny toerana misy azy eo amin’ny Fiangonana sy ny toe-java-miseho eo amin’ny fiainany : ny Pretra, araka ny fanoloran-tenany amin’ny andraiki-panompoana ara-past˘raly, satria voantso izy hazoto amin’ny fivavahana sy amin’ny asa fanompoana ny Teny[58]; ny relijiozy lehilahy sy vehivavy, araka ny fanomezam-pahasoavan’ny fanokanam-piainan’izy ireo[59]; ny kristianina rehetra, araka izay fahafahan’izy ireo manao izany : “Ny mpitondra ny Vahoakan’Andriamanitra dia hitandrina, mba hankalazaina miaraka ao am-piangonana, ireo Fotoam-bavaka lehibe, indrindra ny Vavaka hariva, ny alahady ary ny andro fety manetriketrika. Amporisihana ny samy lahika hanao vavaka fankalazana an’Andriamanitra isan’andro, na miaraka amin’ny Pretra, na rahefa izy samy izy miara-mivory, na izy irery aza”[60].

1176.Tsy ny mampirindra ny feo miaraka amin’ny fo izay mivavaka ihany no takýna amin’ny mankalaza ny Vavaka isan’Andro, fa koa “ny manao izay ahazoana fahalalana be dia be momba ny litorzia sy ny Baiboly, indrindra ny salamo”[61].

1177.Ny antsa sy ny litanian’ny Vavaka isan’Andro dia manatsofoka ny vavaka salamo ao anatin’ny fotoanan’ny Fiangonana, amin’ny fanambarÓna ara-panehoana an’ohatra ny fotoana ao anatin’ny iray andro, ny taona litorzika na ny fety ankalazaina. Fanampin’izany, ny famakiana ny Tenin’ Andriamanitra isaky ny Fotoam-bavaka (miaraka amin’ny valin-kira na ny sasin-kira izay manaraka izany), ary, amin’ny Fotoam-bavaka sasany, ny famakiana ny bokin’ny Aba sy ny mpampianatra ara-panahy, no manambara lalindalina kokoa ny dikan’ny mistery ankalazaina, manampy amin’ny fahalalana ny salamo sy manomana amin’ny vavaka am-po tsy miloa-bava. Ny famakiana ny tenin’Andriamanitra (lectio divina), izay ao no vakina sy dinihina ny Tenin’Andriamanitra mba ho zary vavaka, dia miorim-paka araka izany amin’ny fankalazana litorzika.

1178.Ny Vavaka isan’Andro, izay toy ny fitohizan’ny fankalazana ny Eokaristia, dia tsy manavaka fa mitaky amin’ny fomba mifameno ny fitiavam-bavaka samihafa ataon’ny Vahoakan’Andriamanitra, singanina manokana ny fitsaohana sy ny fanajana am-bavaka ny Sakramenta Masina.

IV.Aiza no mankalaza ?

1179. Tsy voafehy amin’ny toerana iray manokana, ny fivavahana amin’ny “fanahy sy ny fahamarinana” (Jo 4,24), araka ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Masina ny tany tontolo ary nankinina amin’ny zanak’olombelona. Ny voalohany, raha miangona amin’ny toerana iray ny mpino, dia izy ireo no “vato velona”, miangona mba “hanangana trano ara-panahy” (1 Pi 2,5). Ny Vatan’i Kristy nitsangan-ko velona no tempoly ara-panahy izay ao no ipoiran’ny loharano velona miboiboika. Noho isika voakambana amin’i Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia “isika no tempolin’ Andriamanitra velona” (2 K˘r 6,16). 

1180.Rahefa tsy voasakantsakana ny fampiasana ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana[62], dia afaka manorina trano lehibe natokana hanompoana an’ Andriamanitra amin’ny vavaka, ny kristianina. Tsy toeram-pivoriana tsotra fotsiny ireny fiangonana hita maso ireny, fa mampahafantatra sy mampiseho ny Fiangonana velona eo amin’io toerana io, izay fonenan’ Andriamanitra miaraka amin’ny olombelona tafahavana sy tafaray ao amin’i Kristy.

1181. “Ny trano fivavahana izay ao ny Eokaristia no ankalazaina sy tahirizina, izay ao ny mpino no miangona, izay ao ny Zanak’Andriamanitra Mpamonjintsika no atolotra ho antsika eo amin’ny ˘tely fanaovan-tsorona, dia hajaina mba ho fanohanana sy ho fankaherezana ny kristianina; tokony ho tsara tarehy sy sahaza ny fivavahana mbamin’ny fankalazana ny Eokaristia io trano io”[63]. Ao amin’io “tranon’ Andriamanitra io”, ny fahamarinana sy ny firindran’ny famantarana izay manorina azy dia tsy maintsy maneho an’i Kristy izay eo sy miasa ao amin’io toerana io[64] :

1182.Ny ˘telin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao dia ny Hazofijalian’ny Tompo[65] izay avy eo no ipoiran’ny sakramentan’ny misterin’ny Paka. Eo ambonin’ny ˘tely izay ivon’ny trano fiangonana, no mahatonga ny fisiana eo ny soron’ny Hazofijaliana amin’ny alalan’ny famantarana ara-tsakramenta. Ny ˘tely koa no Latabatry ny Tompo, izay eo amin’izany no anasana ny Vahoakan’ Andriamanitra hihinana[66]. Ao amin’ny litorzia sasantsasany Tatsinanana, ny ˘tely koa no fanehoana an’ohatra ny Fasana (maty tokoa sy nitsangan-ko velona tokoa i Kristy).

1183.Ny tabernakla dia tsy maintsy apetraka “ao am-piangonana eo amin’ny toerana mendrika indrindra, ombam-panajana lehibe indrindra”[67]. Ny fahamboniana, ny fahazoana  mampiasa ary ny fahazoana antoka ny tabernakla misy ny Eokaristia[68] dia tokony hampirisika sy hampandroso ny fitsaohana ny Tompo izay tena eo tokoa ao amin’ny Sakramenta Masin’ny ˘tely.

Ny diloilo masina (myron), izay ny fanosorana no famantarana ara-tsakramenta amin’ny fitomboky ny fanomezana ny Fanahy Masina, araka ny lovam-panahy, dia tahirizina sy hajaina eo amin’ny toerana azo antoka misy ny toerana masina. Azo ampiarahina ao ny diloilon’ny katekomena sy ny an’ny marary. 

1184.Ny seza fiketrahan’ny Eveka (cathŔdre) na ny fitoeran’ny Pretra dia “tokony hampiseho ny anjara raharahan’ilay izay miandraikitra ny fiangonana sy mitarika ny fivavahana”[69].

Ny polipitra : “Ny fahambonian’ny Tenin’Andriamanitra dia ilana toerana manokana ao am-piangonana izay manampy amin’ny fitoriana izany Teny izany, ka eny no itodihan’ny mason’ny mpino sy ifantohan’ny saina aman’eritreriny, mandritra ny Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra”[70].

1185.Manomboka amin’ny Batemy ny famoriana ny Vahoakan’Andriamanitra ; noho izany, ny fiangonana dia tokony hanana  toerana fankalazana ny Batemy (toerana fanaovana batemy) sy hanampy amin’ny fahatsiarovana ny toky nomena tamin’ny Batemy (rano voahasina).

Mitaky fivalozana ny fanavaozam-piainana ny Batemy. Noho izany, ny trano fiangonana dia tokony ho sahaza ny fanehoam-panenenana sy ny fandraisana ny famelan-keloka, ka mila toerana sahaza amin’ny fandraisana ny mpivalo.

Ny fiangonana koa dia tokony ho toerana malalaka izay mahasarika ho amin’ny fanombenan-tsaina sy ho amin’ny vavaka tsy miloa-bava izay manohy sy mampiditra ao anaty ny vavaka Fisaorana lehibe.

1186.Farany, mirakitra hevitra momba ny any am-parany any ny fiangonana. Mba hidirana ao an-tranon’Andriamanitra, tsy maintsy mandingana ny tokonana, izay fanehoana an’ohatra ny fandalovan’ny tontolo voaratran’ny fahotana ho amin’ny tontolon’ny Fiainam-baovao iantsoana ny olombelona rehetra hankao. Ny fiangonana hita maso no maneho an’ ohatra ny tranon’ny Ray izay mankany no izoran’ny Vahoakan’ Andriamanitra ary ao ny Ray no “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo” (Ap˘k 21,4). Noho izany koa no maha-tranon’ny zanak’Andriamanitra rehetra ny fiangonana, mivoha midanadana sy mpandray olona.

 

FAMINTINANA

1187.Tsanganasan’i Kristy manontolo, Loha sy Vatana, ny litorzia. Mankalaza izany tsy an-kijanona amin’ny litorzia any an-danitra ny Mpisorombe-ntsika, miaraka amin’ny Reny Masin’Andriamanitra, ny ap˘st˘ly, ny olomasina rehetra ary ireo olona tsy tambo isaina izay efa tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

1188. Amin’ny fankalazana litorzika, ny Mpiangona manontolo no mpilitorzia, ny tsirairay arakaraka ny anjara asa manandrify azy. Ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy dia an’ny Vatan’i Kristy manontolo. Misy anefa mpino sasantsasany nohamasinina tamin’ny sakramentan’ny Filaharana mba hisolo tena an’i Kristy ho Lohan’ny Vatana.

1189.Ny fankalazana litorzika dia mirakitra famantarana sy fanehoana an’ohatra izay misy avy amin’ny zavaboary (hazavana, rano, afo), misy avy amin’ny fiainan’ny olombelona (manasa amin’ny rano, manosotra menaka, manapatapaka mofo) ary misy avy amin’ny tantaram-pamonjena (ny fombam-pivavahana amin’ny Paka). Natsofoka ao anatin’ny tontolon’ny finoana sy tohanan’ny herin’ny Fanahy Masina ireny singafototra momba ny tontolon’ny zavaboary voarindra ireny, ireny fombam-pivavahan’ny olombelona ireny, ireny fihetsika ahatsiarovana an’Andriamanitra ireny, dia manjary mpitondra ny asam-pamonjena amam-panamasinan’i Kristy.

1190.Ny litorzian’ny Teny dia ampahany tsy azo esorina ao anatin’ny fankalazana manontolo. Ny hevitra raketin’ny fankalazana dia ambara amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra izay torýna sy amin’ny alalan’ny firotsahana amin’ny finoana izay amaliana izany.

1191.Misy fifandraisana mafy amin’ny asa litorzika ny hira sy ny mozika. Toy izao ny mari-pitsarÓna amin’ny fampiasana tsara azy ireny : ny fanehoam-pankafizana ny fivavahana, ny firaisam-pon’ny mpiangona  mandray anjara, ary ny fanehoana ny toetra masin’ny fankalazana.

1192.Ny sary masina, fahita ao am-piangonantsika sy ao an-tranontsika, dia natao hamohafoha sy hamelombelon’aina ny finoantsika ao amin’ny misterin’i Kristy. Amin’ny alalan’ny Sarimasin’i Kristy sy ny tsanganasam-pamonjeny, dia Izy no tsaohintsika. Amin’ny alalan’ny sary masin’ny Reny masin’Andriamanitra, ny Anjely sy ny Olomasina, dia ilay tena olona izay asehon’ny sary no hajaintsika.

1193.Ny  alahady, Andron’ny Tompo, no andro lehibe indrindra fankalazana ny Eokaristia, satria io no andron’ny Fitsanganan-ko velona. Andro soa indrindra amin’ny andro iangonan’ny mpino amin’ny fankalazana litorzika, andron’ny fianakaviana kristianina, androm-pifaliana sy fialan-tsasatra amin’ny asa. Io no fototra sy votoatin’ny taona litorzika manontolo[71].

1194.“Asehon’ny Fiangonana mandritra ny fihodin’ny taona ny misterin’i Kristy manontolo, manomboka amin’ny Fahatongavany ho nofo sy ny Fahaterahany ka hatramin’ny Fiakarany any an-danitra sy ny Pantek˘ty sy ny fiandrasana ny hasambarana nampanantenaina ary ny Fahatongavan’ ny Tompo amim-boninahitra amin’ny farandro[72].

1195.Amin’ny fahatsiarovana ny Olomasina, loha laharana amin’izany ny Reny masin’Andriamanitra, manaraka izany ireo ap˘st˘ly, ireo martiry ary ireo Olomasina hafa, amin’ny andro noraiketina amin’ny taona litorzika, no ampisehoan’ny Fiangonana eto an-tany fa miombona amin’ny litorzia any an-danitra izy ; manome voninahitra an’i Kristy nahatontosa ny famonjeny an’ireo rantsambatany efa enim-boninahitra izy ; ny oha-piainan’izy ireo no mandrisika azy eny an-dalany mizotra mankany amin’ny Ray.

1196.Ireo mpino izay mankalaza ny Vavaka isan’Andro dia miombona amin’i Kristy, Mpisorombentsika be fiandrianana, amin’ny alalan’ny vavaka salamo, ny fandinihana masina ny Tenin’Andriamanitra, ny tonon-kira ary ny tsodrano, mba hikambanan’izy ireo amin’ny fivavahany tsy an-kijanona sy ho an’ny rehetra, izay anomezam-boninahitra ny Ray sy italahoana ny fanomezan’ny Fanahy Masina ho an’izao tontolo rehetra izao.

1197.I Kristy no tena Tempolin’Andriamanitra tokoa, toerana izay ao no onenan’ny voninahiny; noho ny fahasoavan’Andriamanitra, manjary Tempolin’ny Fanahy Masina koa ny kristianina, vato velona izay iorenan’ny Fiangonana.

1198. Amin’ny maha-eto an-tany ny Fiangonana, mila toerana izy, izay ao no  ahazoan’ny ankohonan’ny mpino miangona : ny fiangonantsika hita maso, toerana masina, sarin’ny TanÓna masina, ilay Jerosalema any an-danitra izay mankany no izorantsika mpivahiny ety.

1199.Any amin’ireny trano fiangonana ireny no ankalazan’ny Fiangonana ny fivavahana  ampahibemaso ho voninahitry ny Trinite Masina, ihainoany ny Tenin’Andriamanitra sy ihirÓny ny fiderana Azy, anandratany ny fivavahany, ary anolorany ny Soron’i Kristy, eo anivon’ny mpiangona amin’ny alalan’ny sakramenta. Ireny trano fiangonana ireny koa no toerana anaovana fieritreretana sy vavaka irery.

 

  
 
[1] jer. Ap˘k 4,2.
[2] Jer. Ezek 1,26-28.
[3] jer. Jo 1,29.
[4] jer. Heb 4,14-15; 10,19-21 sns.
[5] Litorzian’i Md Jean Chrysostome, Anaphore.
[6] jer. Jo 4,10-14; Ap˘k 21,6.
[7] jer. Ap˘k 4-5; Iz 6,2-3.
[8] jer. Ap˘k 7,1-8 ; 14,1.
[9] jer. Ap˘k 12.
[10] jer. Ap˘k 21,9.
[11] L 26.
[12] L 27.
[13] FF 10.
[14] jer. FF 10; 34; RFP 2.
[15] jer. 1 Pi  2,4-5.
[16]L 14.
[17] jer. RFP 2 sy 15.
[18]L 29.
[19]L 28.
[20] jer. Fah 13,1 ; R˘m 1,19-20 ; Asa 14,17.
[21] jer. Lk 8,10.
[22] jer. Jo 9,6 ; Mk 7,33-35 ; 8,22-25.
[23] jer. Lk 9,31 ; 22,7-20.
[24]L 112.
[25] jer. K˘l 3,16-17.
[26] jer. Md Augustin, Psal. 72,1.
[27]L 112.
[28] jer. L 112.
[29]Md Augustin, conf. 9,6,14.
[30] jer. L 119.
[31]L 118.
[32]L 121.
[33]Md Jean DamascŔne, imag. 1,16.
[34]K˘ns. NicÚe II, tamin’ny 787 : COD 135.
[35] jer.R˘m 8,29 ; 1 Jo 3,2.
[36] K˘ns. NicÚe II : DS 600.
[37] Md Jean DamascŔne, imag. 1,47.
[38] L 102.
[39] jer. Mt 6,11.
[40] jer. Heb 3,7- 4,11; Sal  95,8.
[41] Pseudo-Hippolyte, in sanctum Pasche 1,1-2.
[42] L 106.
[43] Litorzia bizantinina.
[44] jer. Jo  21,12; Lk 24,30.
[45] Md JÚr˘me, pasch.
[46] L 106.
[47] Fanqţth, Office syriaque d'Antioche, Vol 6, La partie de l'ÚtÚ, p. 193b.
[48] jer. Lk 4,19.
[49] Ep. Fest I (tamin’ny 329), 10.
[50]L 103.
[51]L 104 ; jer. L 108 sy 111.
[52] jer. L IV, 83-101.
[53] jer. 1 Tes 5,17 ; Efez 6,18.
[54]L 84.
[55]L 98.
[56]L 84.
[57]L 83.
[58] jer. L 86 ; 96 ; RFP 5.
[59] jer. L 98.
[60]L 100.
[61]L 90.
[62] jer. DH 4.
[63]RFP 5 ; jer L 122-127.
[64] jer. L 7.
[65] jer. Heb 13,10.
[66] jer. IGMR 259.
[67]MF.
[68] jer. L 128.
[69]IGMR 271.
[70]IGMR 272.
[71]L 106.
[72]L 102.
 

 

top