The Holy See
back up
Search
riga

ANDALANA 2

Ny faha-samihafa litorzika sy ny maha-iray ny mistery

 

Lovam-panahy litorzika sy maha-kat˘lika ny Fiangonana

1200.Nanomboka tamin’ny Ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema ka mandra-pahatongan’ny Fiverenan’i Kristy amim-boninahitra amin’ny farandro, na aiza na aiza, dia ny misterin’ny Paka iray ihany no ankalazain’ ireo Fiangonan’Andriamanitra tsy mivadika amin’ny finoana ap˘st˘lika. Iray ihany ny mistery ankalazaina amin’ny litorzia, fa ny endriky ny fankalazana azy no maro samihafa. 

1201.Tsy hita noanoa ny haren’ny misterin’i Kristy, hany ka tsy misy lovam-panahy litorzika na dia iray aza afaka hahatapitra ny fanehoana izany. Ny tantaran’ny fisehoana amam-pivelaran’ireny fombam-pivavahana ireny dia manaporofo fifamenoana mampitolagaga. Rahefa niaina ireny lovam-panahy litorzika ao anatin’ny fiombonana amin’ny finoana sy ny sakramentan’ny finoana iombonana ireny ny Fiangonana samihafa, dia nanjary nitombo harem-panahy tao amin’izy ireo samy izy ireo izany ary nitombo tao anatin’ny tsy fivadihana amin’ny Lovam-pampianarana sy amin’ny fanirahana iombonan’ny Fiangonana manontolo[1]

1202.Ny lovam-panahy samihafa ara-litorzia dia nipoitra arakaraka ny fanirahana ny Fiangonana ihany. Ireo Fiangonana iray faritra ara-je˘grafia sy ara-kolontsaina dia tonga mankalaza ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanehoan-tandindona hafa kely, nasiana endrika ara-kolontsaina : ao amin’ny lovam-panahin’ny tahirim-pinoana[2], eo amin’ny fanehoana an’ ohatra litorzika, eo amin’ny fandaminana ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, eo amin’ny fahaizana amam-pahalalana ara-te˘l˘jian’ny mistery ary eo amin’ny m˘delim-pahamasinana. Amin’izany, i Kristy, Fahazavana sy Vonjin’ny firenen-drehetra, no asehon’ny fiainana litorzikan’ny Fiangonana iray, amin’ny vahoaka sy amin’ny kolontsaina izay amin’izany no anirahana azy ary ao amin’izany izy no miorim-paka. Kat˘lika ny Fiangonana, ka vitany ny mampiditra manontolo ao anatin’ny maha-iray azy, ny harena ara-kolontsaina rehetra tena izy, amin’ny fanadiovana an’ireny[3].

1203.Ny lovam-panahy litorzika, na fombam-pivavahana, ampiasaina ankehitriny ao amin’ny Fiangonana, dia ny fombam-pivavahana latinina (voalohany indrindra ny fombam-pivavahana r˘manina, fa eo koa ireo fombam-pivavahan’ny Fiangonana sasany eo an-toerana toy ny fombam-pivavahana ambr˘zianina, na ny fombam-pivavahan’ireo fikambanan-drelijiozy sasany) sy ny fombam-pivavahana bizantinina, aleksandrinina na k˘pta, siriÓka, armenianina, mar˘nita ary kaldeanina. “Amin’ny fankatoavana amim-pitokiana ny lovam-panahy, ambaran’ny K˘nsily masina fa ny Fiangonana Reny masina dia mihevitra ny satam-pivavahana rehetra nankatoavina ara-dalÓna ho mitovy zo aman-kasina, ary tiany, ho an’ny hoavy, ny mitahiry ireny sy mampiroborobo ireny amin’ny fomba rehetra”[4].

 

Litorzia sy kolontsaina  

1204. Noho izany, tokony hifanandrify amin’ny toetra mampiavaka ny firenena samihafa sy ny kolontsainy, ny fankalazana amin’ny litorzia[5]. Mba “hahafantaran’ny firenena rehetra” ny misterin’i Kristy, “ka hitarihana azy ireo hanaiky ny finoana” (R˘m 16,26), dia tokony hotorýna, hankalazaina ary hivelomana ao amin’ny kolontsaina rehetra io misteriny io, saingy tsy foanana akory ireny kolontsaina ireny fa havotana sy hotanterahina amin’ny alalany[6]. Miaraka sy amin’ny alalan’ny kolontsaina maha-olombelona an’ireo vahoaka be zanak’Andriamanitra, kolontsaina nozakain’i Kristy ao Aminy sy novÓny endrika, no hanatonan’izy ireo eo akaikin’ny Ray, mba hankalaza Azy, ao amin’ny Fanahy iray ihany.  

1205. “Amin’ny litorzia, indrindra ny an’ny Sakramenta, dia misy ampahany tsy azo ovÓna - satria fanorenana avy amin’Andriamanitra izany –, izay ny Fiangonana no mpitahiry, sy ampahany maro azo ovÓna, izay ananan’ny Fiangonana fahefana, ary indraindray aza ananany adidy, ny mampisahaza azy amin’ny kolontsain’ny firenena nitorýna ny Evanjely tsy ela”[7].

1206.“Ny faha-samihafa ara-litorzia dia mety ho loharanon-karem-panahy, mety koa hahatonga fifanolanana, na tsy fifankahazoan’ny andaniny sy ny ankilany, na ho fisaraham-bazana mihitsy aza. Ao amin’ity sehatra ity, dia mazava fa tsy tokony hanimba ny maha-iray ny faha-samihafa. Tsy mety ho voazava izy raha tsy ao anatin’ny fifikirana amin’ny finoana iombonana, amin’ireo famantarana ara-tsakramenta izay noraisin’ny Fiangonana tamin’i Kristy, ary amin’ny fiombonana amin’ny ambaratongam-pitondrana. Ny fampisahaza amin’ireo kolontsaina dia mitaky fiovÓn’ny fo, ary, raha ilaina, fialana amin’ny fomban-drazana tsy afa-miaraka amin’ny finoana kat˘lika”[8].

 

FAMINTINANA

1207. Tokony ho ezahina ny mampiseho ny fankalazana ny litorzia amin’ny kolontsain’ny vahoaka izay misy ny Fiangonana ; tsy tokony hilefitra anefa izy, eo anatrehan’ilay kolontsaina. Ankoatra izany, ny litorzia dia miteraka kolontsaina sy mamolavola izany.

1208.Ny lovam-panahy samihafa ara-litorzia, na fombam-pivavahana, nekena fa ara-dalÓna, satria mampahalala sy mampita ny misterin’i Kristy rahateo ihany, no maneho ny maha-kat˘lika ny Fiangonana.

1209.Ny mari-pitsarÓna izay miantoka ny firaisana ao anatin’ny fahamaroan’ endriky ny lovam-panahy litorzika, dia ny tsy fivadihana amin’ny Lovam-panahy avy amin’ny ap˘st˘ly, izany hoe : ny fiombonana amin’ny finoana sy ireo sakramenta noraisina tamin’ny ap˘st˘ly, fiombonana izay ambara sy iantohan’ny fifandimbiasana maha- ap˘st˘ly.

 

 

SAMPANA FAHAROA

Ny sakramenta fito an’ny Fiangonana

1210. I Kristy no nanorina ireo sakramentan’ny LalÓna vaovao, ary fito no isany, ka ireto avy izany : ny Batemy, ny Fankaherezana, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana ny marary, ny Filaharana ary ny Fanambadiana. Mahakasika ny dingana rehetra sy ny fotoan-dehibe rehetra amin’ny fiainan’ny kristianina ireo sakramenta fito ireo : ny fiterahana sy ny fitomboana, ny fanasitranana sy ny fanirahana eo amin’ny fiainam-pinoan’ny kristianina. Amin’izany, misy fifanahafana marina eo amin’ny dingam-piainana voa-Janahary sy ny dingam-piainana ara-panahy[9]

1211. Amin’ny fanarahana io fifanahafana io, dia hovelabelarina aloha ny sakramenta telo firosoana ho kristianina (toko voalohany), manaraka izany ny sakramenta fanasitranana (toko faharoa), farany ny sakramenta izay fiandraiketana ny fiombonana sy ny fanirahana ny mpino (toko fahatelo). Marina, fa tsy io fandaminana io ihany tsy akory no hany azo atao, kanefa ahafahana mahita io fa ny sakramenta dia mirafitra ho lamina iray miara-miasa, izay ao aminy ny sakramenta tsirairay manokana no manana ny anjara toerany maha-fototry ny aina azy. Ao amin’io lamina io, ny Eokaristia no mitana toerana tsy manam-paharoa amin’ny maha-“sakramentan’ny sakramenta” azy : “Ny sakramenta hafa rehetra dia alamina amin’izy io, araka ny zava-kinendrin’izy ireo avy”[10].

 

TOKO VOALOHANY 

Ny sakramenta firosoana ho kristianina

 

1212. Amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia, no iorenan’ny fototry ny fiainana kristianina manontolo. “Ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra, omena ny olombelona amin’ny alalan’ny faha-soavan’i Kristy, dia misy fifanahafana marina amin’ny fiandohana, ny fitomboana ary ny fiahiana ny fiainana voa-Janahary. Nateraka amin’ny fiainam-baovao tamin’ny Batemy ny mpino, noho izany, dia ankaherezina amin’ny sakramentan’ny Fankaherezana ary mandray amin’ny Eokaristia ny mofon’ny fiainana mandrakizay. Araka izany, amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina ireo, no andraisan’izy ireo bebe kokoa hatrany ny harem-piainan’Andriamanitra sy irosoany ho amin’ny fahalavorarian’ny  fifankatiavana”[11].

 

 

ANDALANA 1 

Ny sakramentan’ny Batemy

 

1213. Ny Batemy masina no fototry ny fiainana kristianina manontolo, tokonam-baravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy (vitae spiritualis ianua), sy varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo sakramenta hafa. Tamin’ny Batemy isika no  nafahana tamin’ny fahotana sy nateraka indray ho zanak’Andriamanitra, manjary rantsambatan’i Kristy sy voakambana ho vatana iray amin’ny Fiangonana ary natao ho mpandray anjara amin’ny fanirahana azy[12] : “Ny Batemy no sakramentan’ny  fahateraham-baovao amin’ny alalan’ny rano sy amin’ny teny”[13].

 

I. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ? 

1214. Antsoina hoe Batemy izy araka ny fombam-pivavahana fototra izay anatanterahana azy : ny manao batemy (baptizein amin’ny teny grika), dia midika hoe “ mandentika ao anaty rano”, “manatsoboka ao anaty rano” ; ny “fanatsobohana ao anaty rano”, dia maneho an’ohatra ny fandevenana ny katekomena ao amin’ny fahafatesan’i Kristy, izay avy ao izy no mivoaka amin’ny fitsanganan-ko velona miaraka Aminy[14], ho “zavaboary vaovao” (2 K˘r 5,17 ; Gal 6,15). 

1215.Ity sakramenta ity dia antsoina koa hoe : “fampandroana ho amin’ny fahateraham-baovao sy ho amin’ny fanavaozana ao amin’ny Fanahy Masina” (Tito 3,5), satria izy no mampahafantatra sy manatanteraka io fiterahana amin’ny rano sy amin’ny Fanahy io, ka raha tsy misy azy “tsy misy na iray aza afa-miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra” (Jo 3,5).

1216.“Antsoina hoe fanazavana io fandroana io, satria ireo izay mandray ity fampianarana [momba ny katesezy] ity, dia manana fanahy voazava…”[15]. Ny vita batemy, noho izy nandray tamin’ny Batemy an’ilay Teny “izay fahazavana marina, manazava ny olona rehetra” (Jo 1,9), nony efa nohazavaina izy[16] dia manjary zanaky ny mazava[17], ary “fahazavana” mihitsy (Efez 5,8) :

Ny Batemy no tsara indrindra sy mahafinaritra indrindra amin’ireo fanomezan’Andriamanitra (…). Antsointsika izy hoe : fanomezana, famelan-keloka, fanosorana, fanazavana, fitafiana ny tsy fahalovana, fampandroana amin’ny fahateraham-baovao, fitomboka, ary izay rehetra misy ny sarobidy indrindra. Fanomezana, satria omena ho an’ireo izay tsy mitondra na inona na inona izy ;  famelan-keloka, satria omena azy na dia ireo meloka aza ; Batemy, satria alevina ao anaty rano ny fahotana ; fanosorana, satria masina izy sy maha-mpanjaka (manjary toy ireo izay voahosotra) ;  fanazavana, satria fahazavana mamirapiratra izy ;  fitafiana, satria manarona ny henatrantsika izy ; fandroana, satria manasa izy ;  fitomboka, satria miaro antsika izy ary famantarana ny maha-tompom-pahefana an’Andriamanitra[18].

 

II. Ny Batemy ao amin’ny fitantanam-pamonjena

Ireo tandindon’ny Batemy ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha

1217. Ny Fiangonana, amin’ny litorzian’ny Alin’ny Paka, rahefa manao ny fanamasinana ny rano fanaovana Batemy, dia mampahatsiaro amin’ny fomba manetriketrika ireo zava-dehibe niseho teo amin’ny tantaram-pamonjena izay efa nanambara mialoha sahady ny misterin’ny Batemy :

Tamin’ny herinao, ry Tompo, no nanaovanao zava-mahagaga tao amin’ny sakramentanao, ary nandritra ny tantaram-pamonjena no nampiasanao ny rano, zavaboarinao, mba hampahalala anay ny fahasoavan’ny Batemy[19].

1218. Hatrany am-piandohan’izao tontolo izao, ny rano, izay zavaboary tsotra sy mahagaga, no loharanon’ny aina sy ny fiterahana amam-pahavokarana. Ny Soratra Masina dia mahita azy ho toy ny “fikotrehana” amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra[20] :

Tamin’ny fiandohan’izao tontolo izao, ny Fanahinao no nisonenika teo ambonin’ny rano mba handraisan’ny rano ny foto-piandohan’ny hery izay hanamasinana[21].

1219.Hitan’ny Fiangonana tao amin’ny Sambofiaran’i N˘e ny tandindon’ny famonjena amin’ny Batemy. Satria, tamin’ny alalany ny “olona vitsy, valo monja ny fitambarany, no voavonjy tamin’ny rano” (1 Pi 3,20).

Tamin’ny fisondrotry ny safo-drano, no nanambarÓnao ny Batemy izay mahatonga ho velona indray, satria ny rano tamin’ny safo-drano dia sady nanambara mialoha ny fahafatesana amin’ny fahotana no nanambara mialoha koa ny fahaterahan’ny fahamarinana rehetra[22].

1220.Raha ny ranon’ny loharano no maneho an’ohatra ny fiainana, ny ranon’ny ranomasina kosa no maneho an’ohatra ny fahafatesana. Izany no antony ahafahan’ny fanehoana an’ohatra mampiseho an-tsary ny misterin’ny Hazofijaliana. Avy amin’io fanehoana an’ohatra io, ny Batemy dia midika hoe fiombonana amin’ny fahafatesan’i Kristy.

1221.Fa indrindra tamin’ny fiampitÓna ny ranomasina mena, fanafahana marina an’i Israely tamin’ny fanandevozana tao Ejipta, no manambara ny fanafahana ataon’ny Batemy :

Nampitainao teo amin’ny ranomasina Mena nandia tany maina ny zanak’i Abrahama, mba ho tandindon’ny vahoakan’ny vita batemy ilay vahoaka nafahanao tamin’ny fanandevozana[23].

1222.Farany, nambara mialoha teo amin’ny fiampitÓna ny onin’i Jordany ny Batemy, izay tamin’ny alalan’izany ny Vahoakan’Andriamanitra no nahazo ny fanomezana ny Tany nampanantenaina tamin’ny taranak’i Abrahama, sarin’ny fiainana mandrakizay. Ny fampanantenana io lovam-paha-sambarana io dia tanteraka ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao.

Ny Batemin’i Kristy

1223.Ny tandindona rehetra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia ao amin’i Kristy Jesoa no ahitana ny fahatanterahany. Nanomboka ny fiainany ampahibemaso Izy taorian’ny nanaovan’i Joany-Batista batemy Azy tao amin’ny onin’i Jordany[24], ary, taorian’ny fitsanganany ho velona, izao no iraka nomeny ny ap˘st˘ly : “Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo” (Mt 28,19-20)[25]

1224.Nanaiky an-tsitrapo ny Tompontsika handray ny Batemin’i Md Joany-Batista, izay voatokana ho an’ny mpanota, mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15). Io fihetsik’i Jesoa io dia fanehoana ny fanetren-tenany[26]. Ny Fanahy izay nisonenika teo ambonin’ny ranon’ny fahariana voalohany no nidina teo ambonin’i Kristy tamin’izay, ho fambara mialoha ny fahariana vaovao, ary ny Ray no nampiseho an’i Jesoa fa “Zanany malalany” (Mt 3,16-17).

1225.Tamin’ny Pakany i Kristy no nanokatra ho an’ny olona rehetra ny loharanon’ny Batemy. Satria, efa niteny Izy ny amin’ny fijaliany izay hiaretany any Jerosalema ho toy ny “Batemy” izay tsy maintsy hanaovana batemy Azy[27]. Ny Ra sy ny rano izay nikoriana teo amin’ny lanivoan’i Jesoa nolefonina fony Izy nifantsika teo amin’ny Hazofijaliana[28] no tandindon’ny Batemy sy ny Eokaristia, sakramentan’ny fiainam-baovao[29] : nanomboka tamin’izay, azo atao “ny ateraky ny rano sy ny Fanahy” mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra (Jo 3,5).

Diniho hoe : taiza ianao no natao batemy, avy aiza ny Batemy, raha tsy avy amin’ny Hazofijalian’i Kristy, avy amin’ny fahafatesan’i Kristy. Ao amin’izany ny mistery manontolo : Nijaly ho anao Izy. Tao Aminy no voavotra ianao, tao Aminy no voavonjy ianao[30].

Ny Batemy ao amin’ny Fiangonana 

1226.Nanomboka tamin’ny andro Pantek˘ty no nankalaza sy nanome ny Batemy masina ny Fiangonana. Satria, hoy i Md Piera nanambara tamin’ny vahoaka voatohin’ny toriteniny : “Mibebaha ianareo, ary aoka ianareo samy hatao batemy amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy mba hahazo ny famelana ny fahotana, dia handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianareo” (Asa 2,38). Ny ap˘st˘ly sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo dia nanome ny Batemy na tamin’iza na tamin’iza nino an’i Jesoa :  jody, matahotra an’Andriamanitra, mpanompo sampy[31]. Hita lalandava fa mifamatotra amin’ny finoana ny Batemy : “Minoa an’i Jesoa Tompo ; ho voavonjy ianao amin’izay, dia ianao sy ny ao an-tranonao rehetra”, hoy ny nambaran’i Md Paoly tamin’ny mpiambina azy tao an-tranomaizina tao Filipy. Hoy ny tohin’ny tantara : “Nandray ny Batemy ilay mpiambina ny tranomaizina, tamin’ izay ora izay ihany, dia izy sy ny tao an-tranony rehetra” (Asa 16,31-33).

1227.Araka an’i Md Paoly ap˘st˘ly, amin’ny alalan’ny Batemy ny mpino no miombona amin’ny fahafatesan’i Kristy ; nalevina miaraka Aminy ilay mpino ary nitsangan-ko velona miaraka Aminy koa :

Isika rehetra natao batemy ao amin’i Kristy Jesoa, dia natao batemy tao amin’ny fahafatesany. Koa niara-nalevina Taminy tamin’ny Batemy tao amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona avy amin’ny maty, tamin’ny voninahitry ny Ray, no hivelomantsika koa amin’ny fiainam-baovao (R˘m 6,3-4)[32].

“Mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27) ny vita batemy. Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Batemy dia fandroana izay manadio, manamasina ary manamarina[33].

1228.Noho izany, fandroana amin’ny rano  ny Batemy, izay amin’izany “ny voa mamoa tsy mety lo ” dia ny Tenin’Andriamanitra no miteraka ny vokany mpamelon’aina[34]. Hoy i Md Augustin taty aoriana ny amin’ny Batemy : “Mikambana amin’ny singafototry ny zavatra manam-batana ny teny ka manjary sakramenta izany”[35].

III. Ahoana ny fomba ankalazana ny sakramentan’ny Batemy ?

Ny firosoana ho kristianina

1229.Manjary kristianina, tanteraka izany nanomboka tamin’ny andron’ny ap˘st˘ly, amin’ny alalan’ny fizotra sy ny firosoana misy dingana maromaro. Mety ho haingana na mety ho miadana no izorana amin’io lalana io. Tsy maintsy misy lalandava anefa ireto singafototra sasany tena ilaina ireto : ny fitoriana ny Teny, ny fandraisana ny Evanjely izay mitarika ho amin’ny fibebahana, ny fiekem-pinoana, ny Batemy, ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, ny fandraisana ny k˘monion’ny Eokaristia. 

1230.Niovaova be ihany ity firosoana ity nandritra ny taonjato nifandimby sy araka ny toe-javatra  niseho. Tany amin’ny taonjato voalohandohan’ny Fiangonana, nisy fivelarana be tokoa ny firosoana ho kristianina, tamin’ny fotoana lava fiomanana amin’ny Batemy (katekomenÓ) sy ny filahatry ny fombam-pivavahana sava ranonando izay nanoritra ara-litorzia ny lalam-piomanana amin’ny Batemy sy niafara tamin’ny fankalazana ny sakramenta firosoana ho kristianina. 

1231.Tany amin’ny toerana izay ny Batemin-jaza no nanjary betsaka  ny endrika mahazatra fankalazana an’ity sakramenta ity, dia nanjary asa tokana izany fankalazana  izany, izay  nampidirana  manontolo  ny dingana rehetra mialoha ny firosoana ho kristianina, amin’ny fomba tena mifintina. Araka ny fombany mihitsy, ny Batemin-jaza dia mitaky katekomenÓ aorian’ny Batemy. Tsy hoe filana fampianarana aorian’ny Batemy ihany tsy akory izany, fa filana ny fivelaran’ny fahasoavan’ny Batemy araka ny fitomboan’ny olona koa. Izany no sehatra sahaza indrindra ny fampianarana katesizy

1232.Ny K˘nsily faharoa tao Vatikana dia nanavao, ho an’ny Fiangonana latinina, “ny fiomanana amin’ny Batemin’olon-dehibe, notsinjaraina ho dingana maromaro”[36]. Ao amin’ny Ordo initiationis christianae adultorum (Boky fandaharana ny fombam-pivavahana rehetra amin’ny firosoan’ny olon-dehibe ho kristianina) (1972) no ahitana ny fombam-pivavahana amin’izany. Ankoatra izany, nanome lalana ny K˘nsily fa “ankoatra ireo singafototry ny firosoana nomen’ny lovam-panahy kristianina”, dia azo raisina, any amin’ny tanin’ny misi˘na, “ireo singafototra hafa amin’ny firosoana izay voamarina ny fampiasana azy any amin’ny firenena tsirairay any, raha hita fa azo ampifanarahina amin’ny fombam-pivavahana kristianina”[37]

1233.Ankehitriny Óry, amin’ny fombam-pivavahana rehetra latinina sy tatsinanana, ny firosoan’ny olon-dehibe ho kristianina dia manomboka raha vantany vao miditra amin’ny katekomenÓ izy ireo, mba hahatratra ny fara tampony amin’ny fankalazana iray ihany ny sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia[38]. Amin’ny fombam-pivavahana tatsinanana, ny firosoan’ny ankizy ho kristianina dia manomboka amin’ny Batemy arahin’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia eo no ho eo avy hatrany, fa amin’ny fombam-pivavahana r˘manina kosa, dia mitohy izany mandritra ny taona maro ianarana ny katesezy, mba ho vita aty aoriana amin’ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, fara tampony amin’ny firosoan’izy ireo ho kristianina[39].

 

Ny dikan’ny famantarana ampiasaina amin’ny fankalazana

1234.Amin’ny fombam-pivavahana ankalazana azy no hita mazava tsara ny hevitra sy ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Batemy. Amin’ny fanarahana ireo fihetsika sy ireo teny mandritra ny fankalazana izany, omban’ny fandraisana anjara amim-pifantohana, no andraisan’ny mpino ny harem-pahalalana izay ampahafantarin’io sakramenta io sy tanterahiny ao amin’ny vao vita batemy tsirairay. 

1235.Ny famantarana ny Hazofijaliana, eo am-panombohana ny fankalazana, no ampisehoana ny marik’i Kristy eo amin’ny tenan’izay mpianany sy ampahafantarana ny fahasoavam-panavotana izay nampahazoan’i Kristy antsika tamin’ny alalan’ny Hazofijaliany. 

1236.Ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra no manazava ny fahamarinana nambara amin’ny mpangataka batemy sy ny mpiangona, ary mahatonga ny valim-pinoana, tsy azo sarahina amin’ny Batemy. Satria, ny Batemy, amin’ ny fomba manokana, no “sakramentan’ny finoana” noho izy fidirana ara-tsakramenta ao amin’ny fiainam-pinoana. 

1237.Satria ny Batemy midika fanafahana amin’ny fahotana sy ny mpandrisika amin’izany, ny devoly, dia anaovana tonom-bavaka iray (na maro) fandroahana demony  ilay mpangataka batemy. Hosorana ny menaky ny katekomena izy na koa mametra-tanana aminy ny mpitarika ny fanompoam-pivavahana, ary izy kosa mandÓ an-kitsirano an’i Satana. Vita izany, dia azony atao ny manambara ny finoan’ny Fiangonana, izay amin’izany no “hanankinana” azy amin’ny Batemy[40]

1238.Hamasinina amin’izay ny rano fanaovana batemy, amin’ny alalan’ny vavaka epikilezy (na amin’io fotoana io ihany, na amin’ny alin’ny Paka). Angatahin’ny Fiangonana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Zanany, ny hirotsahan’ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’io rano io, mba “hateraky ny rano sy ny Fanahy” (Jo 3,5) ireo izay hatao batemy ao.

1239.Manaraka izany, ny votoatin’ny fombam-pivavahana amin’ny sakramenta : ny tena Batemy, izay mampahafantatra sy manatanteraka ny fahafatesana noho ny fahotana sy ny fidirana ao amin’ny fiainan’ny Trinite Masina Indrindra, amin’ny alalan’ny fanahafana ny misterin’ny Pakan’i Kristy. Amin’ny fanatsobohana intelo ao anaty rano an’ilay atao batemy no tanteraka amin’ny fomba miharihary ny Batemy. Kanefa, hatry ny fahagola, dia mety koa ny anomezana izany, amin’ny fandrotsahana intelo ny rano eo an-dohan’ilay atao batemy.

1240.Amin’ny Fiangonana latinina, io fanatsobohana intelo io, dia arahin’ny tenin’ny mpandraharaha masina hoe : “R… izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina”. Amin’ny litorzia tatsinanana, rahefa voatodika any Atsinanana ny katekomena, dia hoy ny Pretra : “Ny mpanompon’ Andriamanitra, R…, dia atao batemy amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina”. Ary amin’ny fiantsoana ny anaran’ny olona tsirairay ny Trinite Masina Indrindra, dia alentiny ao anaty rano ilay atao batemy sy atsangany avy ao.

1241.Ny fanosorana diloilo masina, diloilo nasiana zava-manitra sy nohamasinin’ny Eveka, dia midika ny fanomezana ny Fanahy Masina an’ilay vao vita batemy. Tonga kristianina izy, izany hoe : “voahosotry” ny Fanahy Masina, voakambana amin’i Kristy, izay voahosotra ho mpisorona, mpaminany ary mpanjaka[41]

1242.Amin’ny litorzian’ireo Fiangonana Tatsinanana, ny fanosorana aorian’ny Batemy no sakramentan’ny Fanosorana masina (K˘nfirmasi˘na). Amin’ny litorzia r˘manina, io no manambara ny fanosorana fanindroany amin’ny diloilo masina izay homen’ny Eveka : ny sakramentan’ny Fankaherezana, izay azo lazaina hoe “manamafy” ary mamarana ny fanosorana amin’ny Batemy. 

1243.Ny akanjo fotsy no ampisehoana an’ohatra, fa ny vita batemy dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27) : natsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy. Ny jiro, arehitra amin’ny jiron’ny Paka, dia midika fa i Kristy no manazava ny zazavao amin’ny finoana. Ao amin’i Kristy, ireo vita batemy, no “fahazavan’izao tontolo izao” (Mt 5,14)[42]

Tonga zanak’Andriamanitra ao amin’ny Zanany Lahitokana amin’izay ilay vao vita batemy. Afaka manambara ilay vavaky ny zanak’ Andriamanitra izy : ny “Rainay”. 

1244.Ny fandraisana k˘monio voalohany amin’ny Eokaristia. Noho ilay zazavao amin’ny finoana tonga zanak’Andriamanitra, mitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia voaray “ao amin’ny fanasam-be amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” izy, ary mandray ny sakafon’ ny fiainam-baovao, dia ny Vatana aman-dRan’i Kristy. Ireo Fiangonana tatsinanana dia mitana amim-pahamalinana tokoa ny firaisan’ny firosoana ho kristianina, amin’ny fanomezana ny k˘monio masina an’ izay rehetra vao vita batemy sy fankaherezana, na dia amin’ny ankizy madinika aza, amin’ny fahatsiarovana ny tenin’ny Tompo hoe : “Avelao ny ankizy madinika hanatona Ahy, fa aza rarÓnareo” (Mk 10,14). Ny Fiangonana latinina, izay manokana ny fahazoana mandray ny k˘monio masina ho an’ireo izay tonga amin’ny taona maha-vory saina, dia mampiseho ny fivelaran’ny Batemy ao amin’ny Eokaristia, amin’ny fampanatonana eo amin’ny ˘tely ny ankizy vao vita batemy amin’ny vavaka Rainay.

1245.Ny tsodrano manetriketrika no mamarana ny fankalazana ny Batemy. Amin’ny fotoana fanaovana Batemin-jaza vao teraka, dia mitana toerana manokana ny fitsofan-drano ny reny.

IV. Iza no mahazo mandray ny Batemy ?

1246. “Ny olombelona rehetra tsy mbola vita batemy, ary izy ihany, no mahazo mandray ny Batemy”[43].

Ny Batemin’olon-dehibe

1247.Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, ny Batemin’olon-dehibe dia toe-javatra mahazatra indrindra teo amin’ny toerana izay mbola vao haingana no nitorýna ny Evanjely. Koa ny katekomenÓ (fiomanana amin’ny Batemy) no nitana toerana lehibe tamin’izay. Amin’ny maha-fampahalalana ny finoana sy ny fiainana kristianina azy, dia tsy maintsy nalamina izany amin’ny fandraisana ny fanomezan’Andriamanitra ao amin’ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia.

1248.Ny katekomenÓ, na fampianarana amam-panabeazana ny katekomena, dia mikendry ny hahafahan’ireo katekomena mitondra ny fibebahan’izy ireo sy ny finoan’izy ireo ho amin’ny fahamatorana, ho valin’ny fanaovan’ Andriamanitra dingana mialoha sy ho firaisana amin’ny ankohonam-piangonana. Ny atao amin’izany dia “fampianarana amam-panabeazana ho amin’ny fiainana kristianina tsy misy tomika (…) izay amin’ny alalan’izany no iraisan’ny mpianatra amin’i Kristy Mpampianany. Noho izany, ny katekomena dia tsy maintsy tarihina hahalala (…) ny misterim-pamonjena sy ny fampiharana eo amin’ny fiainana ny Vaovao Mahafaly, sy hampidirina  amin’ny fiainana ny finoana, ny litorzia ary ny fitiavana ny Vahoakan’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fombam-pivavahana masina, ankalazaina amin’ny fotoana mifandimbidimby”[44].

1249.Ny katekomena “dia efa tafaray amin’ny Fiangonana, efa anisan’ny ao an-tranon’i Kristy, ka tsy mahagaga raha miaina ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana izy ireo”[45]. “Efa mambomba azy ireo ho toy ny ankohonany ao anatin’ny fitiavany amin’ny fikarakarana azy ireo, ny Fiangonana Reny”[46].

Ny Batemin-jaza

1250. Ny zaza, noho izy teraka miaraka amin’ny fomba aman-toetra maha-olombelona lavo sy voaloton’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mila koa ny fahateraham-baovao amin’ny Batemy[47], mba ho afaka amin’ny herin’ ny maizina sy ho afindra ao amin’ny toeram-pahafahan’ny zanak’ Andriamanitra[48], izay ho amin’izany no iantsoana ny olombelona rehetra. Ny fanomezana tena maimaim-poana tokoa ny fahasoavam-pamonjena dia miseho manokana ao amin’ny Batemin-jaza. Koa noho izany, ny Fiangonana sy ny ray aman-dreny dia manesotra ny zaza amin’ny fahasoavana tsy voavidim-bola hahatongavana ho zanak’Andriamanitra, raha tsy manome ny Batemy azy ao aoriana kely ny nahaterahany[49].

1251.Ho fantatry ny ray aman-dreny kristianina fa io fomba fanao io dia mifanaraka koa amin’ny andraikitra maha-mpamelona azy ireo amin’ny fiainana izay nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo[50].

1252.Lovam-panahin’ny Fiangonana efa fahagola ny fanaovana Batemin-jaza. Voamarina mazava tsara izany hatramin’ny taonjato faharoa. Kanefa, azo inoana fa nanomboka tany am-piandohan’ny fitorian-tenin’ny ap˘st˘ly, rahefa nandray ny Batemy ny “iray trano” manontolo[51], dia natao batemy koa ny zaza[52].

Finoana sy Batemy 

1253.Sakramentan’ny finoana ny Batemy[53]. Mila ankohonan’ny mpino anefa ny finoana. Tsy misy afa-tsy amin’ny finoan’ny Fiangonana ihany ny mpino tsirairay no afaka mino. Ny finoana izay ilaina amin’ny Batemy dia finoana tsy lavorary sy tsy matotra, fa fanombohana ihany izay ilaina hitombo. Ny katekomena na ny mpiantoka azy dia anontaniana hoe : “Inona no angatahinareo amin’ny Fiangonan’Andriamanitra ? Dia valiany hoe : Ny finoana !” 

1254.Eo amin’ny vita batemy rehetra, na ankizy na olon-dehibe, tokony hitombo hery ny finoana aorian’ny Batemy. Izany indrindra no ankalazan’ny Fiangonana isan-taona, amin’ny Alin’ny Paka, ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy. Ny fanomanana amin’ny Batemy dia tsy mitondra afa-tsy eo amin’ny tokonam-baravaran’ny fiainam-baovao. Ny Batemy no loharanon’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy izay avy amin’izany no ipoiran’ny fiainana kristianina manontolo.

1255.Mba hahafahan’ny fahasoavan’ny Batemy mivelatra, zava-dehibe ny fanampian’ireo ray aman-dreny. Eo koa ny anjara toeran’ny ray na ny reny mpiantoka, izay tsy maintsy ho mpino marim-pototra, afaka sy vonona hanampy ny vao vita Batemy, na ankizy na olon-dehibe, eny an-dalany amin’ny fiainana kristianina[54]. Tena asam-piangonana tokoa (officium)[55] ny lahasan’izy ireo. Ny ankohonam-piangonana manontolo dia samy miantso-roka ny anjara andraikitra amin’ny fampivelarana sy ny fitahirizana ny fahasoavana noraisina tamin’ny Batemy.

V.Iza no mahazo manao batemy ? 

1256.Ny mpandraharaha masina manam-pahefana andavanandro hanao batemy dia ny Eveka sy ny Pretra, ary, ao amin’ny Fiangonana latinina, ny Diakra koa[56]. Raha toa ka an-kamehana, ny olona rehetra, na dia tsy vita batemy aza, raha manana ny fikasana ilaina, dia afaka manao batemy, amin’ny fampiasana ny rijan-teny fanaovana batemy amin’ny anaran’ny Trinite[57]. Ny fikasana ilaina, dia ny finiavana hanao izay ataon’ny Fiangonana amin’ny fanaovana batemy, sy mampiasa ny rijan-teny fanaovana batemy amin’ny Anaran’ny Trinite. Tsapan’ny Fiangonana ny anton’io fahazoan’ ny olona rehetra manao batemy io amin’ny sitrapon’Andriamanitra hamonjy ny daholobe[58] sy amin’ny ilana ny Batemy ho amin’ny famonjena[59].

VI. Ny ilana ny Batemy

1257.Ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no manamafy fa ilaina ho amin’ny famonjena ny Batemy[60]. Koa nandidy ny mpianany Izy hitory ny Evanjely sy hanao batemy ny firenen-drehetra[61]. Ilaina amin’ny famonjena ny Batemy ho an’ireo izay nitorýna ny Evanjely sy izay afaka mangataka io sakramenta io[62]. Tsy mahafantatra fomba hafa afa-tsy ny Batemy ny Fiangonana mba hiantohana ny fidirana any amin’ny hasambarana mandrakizay ; izany no antony itandremany tsy hanao an-tsirambina ny iraka noraisiny avy amin’ny Tompo mba hahatonga izay rehetra mety hatao batemy ho “ateraka amin’ny rano sy ny Fanahy”. Nakamban’Andriamanitra amin’ny sakramentan’ny Batemy ny famonjena, nefa ny Tenan’Izy Andriamanitra tsy voafatotry ny sakramentany.

1258.Hatramin’ny ela ny Fiangonana no mitana ny finoana tsy voahozongozona fa ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, tsy nandray akory ny Batemy, dia vita batemy tamin’ny alalan’ny fahafatesan’izy ireo ho an’i Kristy sy miaraka Aminy. Io Batemy amin’ny ra io, toy ny faniriana ny Batemy, dia mitondra ny vokatry ny Batemy, na dia tsy sakramenta aza. 

1259.Ho an’ny katekomena izay maty alohan’ny Batemin’izy ireo, ny fanirian’izy ireo miharihary mazava handray izany miaraka amin’ny nenina noho ny fahotan’izy ireo sy amin’ny fifankatiavana, no miantoka ny famonjena ho azy ireo izay tsy afaka noraisiny tamin’ny alalan’ny sakramenta.

1260. “Satria maty ho an’ny olona rehetra i Kristy, ary tena tokana tokoa ny fiantsoana farany ny olombelona, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra, dia tsy maintsy heverintsika fa ny Fanahy Masina no manolotra ho an’ny olona rehetra, araka izay fomba fantatr’Andriamanitra, ny fahazoan’izy ireo miombona amin’ny misterin’ny Paka”[63]. Ny olona rehetra mikatsaka ny fahamarinana sy manao ny sitrapon’Andriamanitra araka izay fantany amin’izany, na dia tsy mahalala ny Evanjelin’i Kristy sy ny Fiangonany aza, dia mety ho voavonjy. Azo heverina fa ny olona toy izany dia ho naniry ny Batemy tamin’ny fomba mazava tsara raha toa ka fantatr’izy ireo ny ilana izany. 

1261.Raha ny amin’ny zaza maty tsy vita batemy, tsy misy azon’ny Fiangonana atao afa-tsy ny manankina azy ireo amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra, tahaka ny anaovany izany amin’ny fombam-pivavahana fandevenana azy ireo. Satria, ny halehiben’ny famindram-pon’ Andriamanitra “izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra” (1 Tim 2,4), sy ny fanehoam-pitiavan’i Jesoa ny zaza, izay nahatonga Azy niteny hoe : “Avelao ny zaza hanatona Ahy, fa aza rarÓnareo” (Mk 10,14), no ahafahantsika manantena fa mety hisy ny lalam-pamonjena ho an’ny zaza maty tsy vita batemy. Izany indrindra koa no manery mafy ny Fiangonana hanao antso avo mba tsy hanakana ny zaza hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanomezana ny Batemy masina.

VII. Ny fahasoavana amin’ny Batemy 

1262.Ny vokatra samihafa amin’ny Batemy dia ampahafantarina amin’ny alalan’ireo singafototry ny zavatra tsapan’ny fandrenesana amin’ny fombam-pivavahana ara-tsakramenta. Ny fandentehana ao anaty rano dia ilazana ny fanehoana an’ohatra ny fahafatesana sy ny fanadiovana, nefa koa ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana. Ny vokatra roa lehibe indrindra amin’ny Batemy Óry dia ny fanadiovana ny fahotana sy ny fahateraham-baovao ao amin’ny Fanahy Masina[64].

Ho famelana ny fahotana … 

1263.Amin’ny alalan’ny Batemy, voavela avokoa ny fahotana rehetra, ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’ olona ary koa ny sazy rehetra vokatry ny fahotana[65]. Satria, eo amin’ireo izay nateraka indray, tsy misy mihitsy antony izay misakana azy ireo tsy hiditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, na ny fahotan’i Adama, na ny fahotan’ny olona tsirairay, na ny vokatry ny fahotana, izay ny fisarahana amin’Andriamanitra no mamohehatra indrindra. 

1264. Mitoetra ihany anefa, ao amin’ny vita batemy, ny vokatra misy fetra sasantsasany tamin’ny fahotana, toy ny fijaliana izany, ny aretina, ny fahafatesana, na ny faharefo zary raiki-tampisaka amin’ny fiainana, toy ny fahalemen-toetra, sns., tahaka izany koa ny fironana amin’ny fahotana izay antsoin’ny Lovam-pampianarana hoe fanirian-dratsy, na, ara-panoharana, “foibem-pahotana” (fomes peccati). “Ny fanirian-dratsy, na tavela ho an’ny ady ataontsika aza, dia tsy afaka hanimba ireo izay tsy mankato izany, amin’ny fanoherana azy amin-kerim-po amin’ny alalan’ ny fahasoavan’i Kristy. Fanampin’izany, “izay hiady araka ny fitsipika no hosatroham-boninahitra (2 Tim 2,5) ”[66].

“Zavaboary vaovao”

1265.Tsy hoe manadio fotsiny ny fahotana rehetra ny Batemy, fa mahatonga koa ny zazavao amin’ny finoana ho “zavaboary vaovao” (2 K˘r 5,17), ho zanaka atsangan’Andriamanitra[67] izay tonga mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra[68], rantsambatan’i Kristy[69] sy mpiray lova Aminy[70], tempolin’ny Fanahy Masina[71]

1266.Omen’ny Trinite Masina Indrindra an’ilay vita batemy ny fahasoavana mahamasina, ny fahasoavam-panamarinana izay :
- mahatonga azy ho afaka mino an’Andriamanitra, manantena Azy ary tia Azy amin’ny alalan’ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra ;
- manome azy ny fahazoa-mivelona sy fahafaha-miasa eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina ;
- ahafahany mitombo amin’ny hatsarana amin’ny alalan’ny herim-panahy enti-mitondra tena.

Araka izany, ao amin’ny Batemy masina no misy ny fakan’ny foto-javatra rehetra momba ny fiainana mihoatra ny natoraly eo amin’ny kristianina.

Voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy

1267. Mahatonga antsika ho  rantsambatan’ny Vatan’i Kristy ny Batemy. “Koa noho izany, (…) moa va tsy mifampirantsambatana avokoa isika rehetra?” (Efez 4,25). Mampikambana amin’ny Fiangonana ny Batemy. Avy ao amin’ny dobo fanaovana batemy no teraka ilay Vahoaka tokan’ Andriamanitry ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay mihoatra ny fetra rehetra voa-Janahary na maha-olon’ny firenena, ny kolontsaina, ny firazanana ary ny maha-lahy sy maha-vavy : “Moa tsy Fanahy iray ihany va no nanaovana batemy antsika rehetra, mba hirafitra ho vatana iray ihany isika ?” (1 K˘r 12,13). 

1268. Manjary “vato velona” mba ho “fananganana ny tempoly fanahy, ho mpisorona masina” (1 Pi 2,5) ireo vita batemy. Amin’ny alalan’ny Batemy no mandray anjaran’ny maha-mpisorona an’i Kristy, amin’ny fanirahana maha-mpaminany sy maha-mpanjaka Azy izy ireo, ka manjary “taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitory ny hatsaran’Ilay izay niantso azy (ireo) hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” (1 Pi 2,9). Manome anjara amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino ny Batemy.

1269. Ny vita batemy, noho izy manjary rantsambatan’ny Fiangonana, dia tsy azy intsony ny tenany[72], fa an’Ilay izay maty sy nitsangan-ko velona ho antsika[73]. Koa noho izany, voantso izy hankato ny hafa[74], hanompo azy ireo[75] ao anatin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana, sy ho olona “fatra-panaiky sy mora anarin’ ” ireo filoha mpitondran’ny Fiangonana[76] ary mandray azy ireo amim-panajana sy amim-pitiavana[77]. Tahaka ny maha-loharanon’ andraikitra sy adidy ny Batemy, dia tahaka izany koa no ananan’ny vita batemy zo eo anivon’ny Fiangonana : mandray ireo sakramenta, velomina amin’ny tenin’Andriamanitra ary tohanana amin’ ny fanampiana hafa ara-panahy avy amin’ny Fiangonana[78].  

1270. “Noho izy ireo manjary zanak’Andriamanitra tamin’ny fiterahana indray [tamin’ny Batemy], (ireo vita batemy) dia tsy maintsy manambara eo anatrehan’ny olona, ny finoana izay noraisiny avy amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fiangonana”[79], ary mandray anjara amin’ny raharaha maha-ap˘st˘ly sy maha-misi˘nera ny Vahoakan’Andriamanitra[80].

Ny fatotra ara-tsakramenta mahairay ny kristianina 

1271. Ny Batemy no iorenan’ny fototry ny fiombonana eo amin’ny kristianina rehetra, ary koa amin’ireo izay tsy mbola miombona tanteraka amin’ny Fiangonana kat˘lika : “Satria, ireo izay mino an’i Kristy sy izay nandray ara-dalÓna ny Batemy dia misy fiombonana ihany, na dia tsy lavorary aza, amin’ny Fiangonana kat˘lika. (…) Noho izy ireo nohamarinina tamin’ny finoana noraisina tamin’ny Batemy, voakambana amin’i Kristy, dia ara-drariny no itondran’izy ireo ny anarana hoe kristianina, ary ny zanaky ny Fiangonana kat˘lika dia tena manaiky marina azy ireo ho havana ao amin’ny Tompo”[81]. “Noho izany, ny Batemy no fatotra ara-tsakramenta mahairay, misy ao amin’ireo izay nateraka indray taminy”[82].

Marika ara-panahy tsy maty vonoina … 

1272. Mitovy endrika amin’i Kristy[83] ny vita batemy, noho izy voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy. Mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina (character) ao amin’ny kristianina ny Batemy, avy amin’ny maha-an’i Kristy azy. Tsy voafafan’ny fahotana na oviana na oviana io marika io, na dia ny fahotana aza no manakana ny Batemy tsy hitondra ny vokatry ny famonjena[84]. Araka izany, izay vita batemy dia tsy azo atao intsony.

1273.Noho ireo mpino nakamban’ny Batemy amin’ny Fiangonana, dia mahazo marika ara-tsakramenta izy ireo, izay manokana azy ireo ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina[85]. Ny fitomboky ny Batemy no mahatonga ny kristianina ho afaka sy hirotsaka hanompo an’Andriamanitra amin’ny fandraisana anjara maharitra amin’ny litorzia masin’ny Fiangonana, sy hampiasa ny maha-mpisorona azy ireo avy amin’ny Batemy, amin’ny fanehoam-piainana masina sy fifankatiavana mahomby[86].

1274. Ny “fitomboky ny Tompo” (“Dominicus character[87]) dia ny fitomboka izay nanamarihan’ny Fanahy Masina antsika “ho amin’ny andron’ny fanavotana” (Efez 4,30)[88]. “Ny Batemy, araka izany, no fitomboky ny fiainana mandrakizay”[89]. Ny mpino izay “hahatahiry ny fitomboka” hatramin’ny farany, izany hoe izay haharitra tsy mivadika amin’ny zavatra takýn’ny Bateminy, no afaka “homarihina amin’ny famantaram-pinoana”[90], miaraka amin’ny finoana tamin’ny Bateminy, eo am-piandrasana ny fahitana amim-pahasambarana an’Andriamanitra – fahatontosan’ny finoana - sy amin’ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona.

 

FAMINTINANA

1275. Tanteraka amin’ny fitambaran’ny sakramenta telo ny firosoana ho kristianina : ny Batemy izay fiantombohan’ny fiainam-baovao ; ny Fankaherezana izay fanamafisana orina an’izany ; ary ny Eokaristia izay mamelona ny mpianatra amin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy mba hanova ny fiainany ho fiainan’i Kristy.

1276. “Koa mandehana ianareo, ataovy tonga mpianatro ny firenena rehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary ampianaro izy ireo hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo (Mt 28,19-20).

1277.Ny Batemy no iorenan’ny fahaterahana amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Araka ny sitrapon’ny Tompo, ilaina amin’ny famonjena ny Batemy, ilaina tahaka ny Fiangonana ihany, izay ao aminy no idirana amin’ny Batemy.

1278.Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny Batemy dia ny manatsoboka ao anaty rano ilay mpangataka batemy na mandraraka ny rano eo amin’ny lohany sady manonona ny anaran’ny Trinite Masina Indrindra, izany hoe ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

1279.Ny vokatry ny Batemy na fahasoavan’ny Batemy dia tena fisiana sarobidy tokoa izay ahazoana an’ ireto : ny famelana ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’olona ; ny fahaterahana amin’ny fiainam-baovao, izay mahatonga ny olona ho zanaka atsangan’ ny Ray, rantsambatan’i Kristy, tempolin’ny Fanahy Masina. Araka izany, ny vita batemy dia voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy, ary manjary mpandray anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy.

1280.Mampisy famantarana ara-panahy tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy ny Batemy, marika izay manokana ny vita batemy ho amin’ny fanompoam-pivavahana kristianina. Noho io marika io dia tsy azo averina intsony ny Batemy, amin’izay efa vita batemy[91].

1281.Ireo izay niharan’ny fahafatesana noho ny finoana, ireo katekomena ary ny olona rehetra izay mitady an’Andriamanitra amin-kitsim-po sy miezaka hanatanteraka ny sitrapony, noho ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fahasoavana, nefa tsy mahalala ny Fiangonana, dia mety ho voavonjy na dia tsy nandray ny Batemy aza izy ireo[92].

1282.Hatramin’ny ela no efa nanomezana Batemy ny zaza, satria fahasoavana sy fanomezan’Andriamanitra izany, izay tsy mifono hevitra ny mahamendri-balisoa ny olombelona ; atao batemy amin’ny finoan’ny Fiangonana ny zaza. Mitondra ho amin’ny lalan’ny tena fahafahana marina ny fidirana ao amin’ny fiainana kristianina.

1283.Raha ny amin’ny zaza maty tsy vita batemy, dia manainga antsika hanam-pitokiana ny famindram-pon’Andriamanitra ny litorzian’ny Fiangonana, sy hivavaka ho amin’ny famonjena azy ireo.

1284.Raha an-kamehana, dia mahazo manao batemy ny olona rehetra, raha toa ka mihevitra ny hanao izay fanaon’ny Fiangonana izy, ary mandrotsaka ny rano eo amin’ny lohan’ilay hatao batemy sady miteny hoe : Izaho manao batemy anao amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

 

ANDALANA 2

   Ny sakramentan’ny Fankaherezana

 

1285. Miaraka amin’ny Batemy sy ny Eokaristia, no mitambatra ho vondron’ “ireo sakramenta firosoana ho kristianina” ny sakramentan’ny Fanka-herezana, izay tokony harovana ny mahairay azy. Noho izany, tsy maintsy hazavaina amin’ireo mpino, fa ny fandraisana ity sakramenta ity dia ilaina amin’ny fahatanterahan’ny fahasoavan’ny Batemy[93]. Satria, “amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fankaherezana, mihalavorary kokoa ny fatotra mampiray an’ireo vita batemy amin’ny Fiangonana ; nampitomboina hery manokana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo, ary voadidy araka izany amin’ny fomba hentitra kokoa hampiely sy hiaro ny finoana amin’ny teny sy amin’ny asa tena fijoroana ho vavolombelon’i Kristy tokoa”[94].

 

I. Ny Fankaherezana ao amin’ny fitantanam-pamonjena

1286. Ao amin’ny Testamenta Taloha, nambaran’ireo mpaminany fa ny Fanahin’ny Tompo dia hitoetra ao amin’ilay Mesia antenaina[95], ho amin’ny fanirahana maha-mpamonjy Azy[96]. Ny fidinan’ny Fanahy Masina teo ambonin’i Jesoa tamin’ny fotoana nanaovan’i Joany batemy Azy no famantarana fa Izy no Ilay tsy maintsy ho avy, Izy no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra[97]. Noforonin’ny Fanahy Masina Izy ka ny fiainany manontolo sy ny iraka manontolo nampanaovina Azy, dia tontosa tamin’ny firaisana feno amin’ny Fanahy Masina, izay omen’ny Ray Azy “tsy misy fetrany” (Jo 3,34).

1287.Ary izany hafenoan’ny Fanahy izany dia tsy tokony hijanona fotsiny ho an’ny Mesia irery ihany, fa tokony hampitaina amin’ny Vahoakan’ny Mesia manontolo [98]. Imbetsaka i Kristy no nampanantena an’io firotsahan’ny Fanahy io[99], fampanantenana izay notanterahiny tamin’ny andron’ny Paka aloha[100], ary tato aoriana, tamin’ny fomba manetriketrika ny andron’ny Pantek˘ty[101]. Fenon’ny Fanahy Masina ny ap˘st˘ly ka nanomboka nitory “ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra” (Asa 2,11), ary i Piera koa nanambara fa io firotsahan’ny Fanahy io no famantarana ny fotoanan’ny Mesia[102]. Tamin’izany, ireo izay nino tamin’ny toritenin’ny ap˘st˘ly sy natao batemy, dia nandray koa ny fanomezana ny Fanahy Masina[103].

1288. “Ny ap˘st˘ly, hatramin’io fotoana io, mba hanatanterahana ny sitrapon’i Kristy, dia nampita tamin’ireo zazavao amin’ny finoana, tamin’ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ny fanomezana ny Fanahy izay mitondra any amin’ny fanaperan’ny fahasoavan’ny Batemy[104]. Izany no antony anomezan’ ny Taratasy ho an’ny Hebrio anjara toerana ny fitambaram-pampianarana momba ny Batemy ary koa momba ny fametrahan-tanana, ho anisan’ireo singafototry ny fampianarana voalohany ho an’ny kristianina[105]. Ara-drariny ny fankatoavan’ny lovam-pampianarana kat˘lika fa ny fametrahan-tanana no fiandohan’ny sakramentan’ny Fankaherezana izay mampaharitra, amin’ ny fomba toy izany,  ao amin’ny Fiangonana, ny fahasoavana amin’ny Pantek˘ty”[106].

1289.Tsy ela taty aoriana, mba hahafantarana tsaratsara kokoa ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia nampiana  fanosorana diloilo manitra (chrŕme) ny fametrahan-tanana. Manazava ny anarana hoe “kristianina” ity fanosorana ity, izay midika hoe “voahosotra” ary ny fiandohany dia avy amin’ny an’ny Tenan’Izy Kristy ihany, Izy izay “nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina” (Asa 10,38). Ary io fombam-pivavahana fanosorana io dia misy hatramin’izao androntsika izao, na any amin’ny Fiangonana Tatsinanana na any amin’ny Fiangonana Tandrefana. Izany no antony iantsoan’ny Tatsinanana ity sakramenta ity hoe fanosorana masina, fanosorana diloilo, na  myron, izay midika hoe “diloilo masina”. Amin’ny Tandrefana ny anarana hoe Fankaherezana no manome hevitra fa io sakramenta io dia sady manamafy ny finoana tamin’ny Batemy no manamafy orina ny fahasoavan’ny Batemy.

Lovam-pampianarana anankiroa : ny Tatsinanana sy ny Tandrefana 

1290.Tamin’ny taonjato voalohandohany, mazÓna ny Fankaherezana dia natambatra tamin’ny fankalazana tokana niaraka tamin’ny Batemy, ka nahatonga miaraka amin’ity ho “sakramenta roa sosona”[107], araka ny fomba fitenin’i Md Cyprien. Anisan’ireo antony hafa, ny fitomboan’ny Batemin-jaza, ary mandavantaona izany, sy ny fitomboan’ny paroasy (ambanivohitra) izay nampiitatra ny di˘sezy, tsy nahafahan’ny Eveka ho tonga intsony tamin’ny fankalazana ny Batemy rehetra. Tany amin’ny Tandrefana, satria nirina atokana ho an’ny Eveka ny fanatontosana ny Batemy, dia nasiana fanasarahana ara-potoana ny sakramenta roa. Ny Tatsinanana dia nitana ho iray ny sakramenta anankiroa, hany ka ny Pretra izay manao ny batemy ihany no manome koa ny Fankaherezana. Tsy azon’ilay Pretra atao anefa izany afa-tsy amin’ny “myron” (“diloilo masina”) nohamasinin’ny Eveka[108]

1291.Nisy fomba iray nahazatra tao amin’ny Fiangonan’i R˘ma nanamora ny fiitaran’ny fanao tandrefana, noho ny fanosorana indroa miantoana amin’ny diloilo masina aorian’ny Batemy : izay efa nataon’ny Pretra tamin’ilay zazavao amin’ny finoana, tamin’ny famoahana azy avy tao amin’ny fandroana amin’ny Batemy, dia tanterahin’ny Eveka amin’ny fanosorana fanindroany eo amin’ny handrin’ny tsirairay amin’ireo vao natao batemy[109]. Ny fanosorana voalohany amin’ny diloilo masina, ilay izay omen’ny Pretra, dia mijanona ho mikambana amin’ny fombam-pivavahana fanaovana batemy ; midika ho fandraisan’ anjaran’ny vita batemy izany, amin’ny anjara raharaha maha-mpaminany, maha-mpisorona ary maha-mpanjaka an’i Kristy. Raha olon-dehibe no omena ny Batemy, tsy misy afa-tsy fanosorana iray ihany aorian’ny Batemy : ny an’ny Fankaherezana. 

1292.Ny fanaon’ny Fiangonana Tatsinanana dia manamafy bebe kokoa ny mahairay ny firosoana ho kristianina. Ny an’ny Fiangonana latinina kosa, dia mampiseho mazavazava kokoa ny fiombonan’ilay vao tonga kristianina amin’ny Evekany, izay antoka sy mpanompon’ny maha-iray ny Fiangonany, ny maha-kat˘lika azy sy ny maha-ap˘st˘lika azy, ary amin’ny alalan’izany, ny fifamatorana amin’ny fiandohan’ny Fiangonan’i Kristy avy amin’ny ap˘st˘ly.

 

II.Ireo famantarana sy ny fombam-pivavahana amin’ny Fankaherezana

1293.Ao amin’ny fombam-pivavahan’ity sakramenta ity, tsara ny mamakafaka ny famantarana amin’ny fanosorana sy izay ambaran’ny fanosorana sy araikiny : ny fitomboka ara-panahy. Ny fanosorana, ao amin’ny fanehoana an’ohatra ara-baiboly sy fahagola, dia manana dikany maro : ny menaka dia famantarana ny fahavokaram-be[110] sy ny hafaliana[111]; manadio izy (fanosorana aloha sy aorian’ny fandroana) sy manalefaka (fanosorana ny mpanao fanatanjahan-tena sy ny mpitolona); famantarana ny fanasitranana izy, satria manalefaka ny ratra sy ny fery[112], ary mampamirapiratra amin’ny hatsaran-tarehy, mahamiramirana amin’ny fahasalamana, mampisandrahaka ny hery. 

1294.Hita eo amin’ny fiainana ara-tsakramenta daholo ny dikan’ireo fanosorana diloilo rehetra ireo. Ny fanosorana alohan’ny Batemy amin’ny menaky ny katekomena dia midika fanadiovana sy fampatanjahana; ny fanosorana ny marary dia maneho fanasitranana sy fampaherezana. Ny fanosorana amin’ny diloilo masina aorian’ny Batemy, amin’ny Fankaherezana ary amin’ny Filaharana, dia famantarana ny fanamasinana. Amin’ny Fankaherezana, ny kristianina, izany hoe ireo izay voahosotra, dia mandray anjara bebe kokoa amin’ny fanirahana an’i Jesoa-Kristy sy amin’ny hafenoan’ny Fanahy Masina izay manenika Azy, mba ho ny fiainan’izy ireo manontolo no hamoaka “ny hanitra mameroveron’i Kristy”[113]

1295.Amin’io fanosorana io no andraisan’ilay ankaherezina “ny marika”, ny fitomboky ny Fanahy Masina. Ny fitomboka dia fanehoana an’ohatra ny olona[114], famantarana ny fahefany[115], ny maha-tompon’ny zavatra iray azy[116] - tahaka izany no nanamarihana an’ireo miaramila tamin’ny fitomboky ny lehiben’izy ireo ary koa ireo andevo tamin’ny an’ny tompon’izy ireo - ; ny fitomboka no manamarina ny taratasy iray momba ny fitsarÓna[117] na taratasy fanamarinana iray[118] ary mety mahatonga izany ho tsiambaratelo[119]

1296.Ny Tenan’i Kristy mihitsy no manambara fa voamariky ny fitomboky ny Rainy Izy[120]. Ny kristianina koa dia nasiana fitomboka : “Ilay izay manamafy anay miaraka aminareo ao amin’i Kristy sy izay nanome anay ny fanosorana, dia Andriamanitra izany, Izy no nanisy ny fitombokany tao amintsika, ary nametraka ao am-pontsika ny antoky ny Fanahy” (2 K˘r 1,21-22)[121]. Io fitomboky ny Fanahy Masina io no manamarika ny maha-an’i Kristy manontolo, ny fametrahana amin’ny fanompoany mandrakizay, nefa koa ny fampanantenana ny fiarovan’Andriamanitra amin’ny fitsapan-dehibe any amin’ny andro farany any[122].

Ny fankalazana amin’ny Fankaherezana 

1297.Ny fotoan-dehibe izay mialoha ny fankalazana ny Fankaherezana, nefa raha ny marina, anisany ihany, dia ny fanamasinana ny diloilo. Ny Eveka no manamasina ny diloilo ho an’ny di˘seziny manontolo, ny Alakamisy Masina, mandritra ny Lamesa fanamasinana diloilo. Any amin’ny Fiangonana Tatsinanana, io fanamasinana io dia natokana ihany ho an’ny Patriarka :

Toy izao no ambaran’ny litorzia tao Anti˘kia amin’ny epikilezy fanamasinana ny diloilo (myron) : “[Ry Ray ˘ (…), iraho ny Fanahinao Masina] ho eto aminay sy ho eto amin’ity diloilo izay manoloana anay ity ary hamasino izy, ho an’ireo rehetra izay hohosorana sy homarihina amin’izany, mba ho : diloilo masina, diloilo maha-mpisorona, diloilo maha-mpanjaka, fanosoram-pifaliana, fitafiam-pahazavana, akanjom-pamonjena, fanomezana ara-panahy, fanamasinana ny fanahy amam-batana, hasambarana maharitra lalandava, fitomboka tsy maty vonoina, ampingan’ny finoana ary fiarovan-doha mahery dia mahery hanoherana ny tsanganasa rehetra ataon’ilay Mpanohitra”[123].

1298.Rahefa ankalazaina misaraka amin’ny Batemy ny Fankaherezana, toy ny fanao amin’ny fombam-pivavahana r˘manina, dia ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy sy ny fiekem-pinoan’ireo mpiomana handray ny Fankaherezana no anombohana ny litorzian’ny sakramenta. Hita mazava amin’izany fa milahatra manaraka ny Batemy ny Fankaherezana[124]. Raha olon-dehibe no atao batemy, dia mandray eo no eo avy hatrany ny Fankaherezana izy, ary mandray anjara amin’ny Eokaristia[125].

1299.Amin’ny fombam-pivavahana r˘manina, manatsotra ny tanana eo amin’ ireo rehetra atao Fankaherezana ny Eveka, fihetsika izay, hatramin’ny andron’ny ap˘st˘ly no famantarana ny fanomezana ny Fanahy. Ary hoy ny Eveka mitalaho ny firotsahan’ny Fanahy :

Ry Andriamanitra tsara fo indrindra, Rain’i Jesoa-Kristy Tomponay ˘, topazo maso ireto vita batemy izay ametrahanay tanana  ireto : tamin’ny Batemy no nanafahanao azy ireo tamin’ny fahotana, niterahanao azy ireo indray tamin’ny rano sy ny Fanahy. Araka ny nampanantenainao, arotsahy eo amin’izy ireo ankehitriny ny Fanahinao Masina; omeo azy ireo feno ny Fanahy izay mitoetra ao amin’i Jesoa Zanakao : fanahy fahendrena sy fahazavan-tsaina, fanahy fifidianana sy faherezana, fanahy fahalalana sy fitiavana  maha-zanaka; fenoy fanahy fahatahorana an’Andriamanitra izy ireo. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay[126].

1300. Manaraka izany ny votoatin’ny fombam-pivavahan’ity sakramenta ity Amin’ny fombam-pivavahana latinina, “ny sakramenta Fankaherezana dia omena amin’ny alalan’ny fanosorana diloilo masina eo amin’ny handrina, atao amin’ny fametrahan-tanana, sy amin’ny alalan’ireto teny ireto : "Accipe signaculum doni Spiritus Sancti" ("Raiso ny fitomboka anomezana anao ny Fanahy Masina"[127].)” Any amin’ny Fiangonana tatsinanana, atao aorian’ny vavaka epikilezy ny fanosorana diloilo, amin’ny faritra mibaribary indrindra eo amin’ny vatana : ny handrina, ny maso, ny orona, ny sofina, ny molotra, ny tratra, ny lamosina, ny tanana ary ny tongotra, isaky ny fanosorona dia arahina amin’izao rijan-teny izao : “Sfragiz  dwreaz  Pneumatoz  Agiou” (“Signaculum doni Spiritus Sancti”, “Fitomboky ny fanomezana ny Fanahy Masina”[128]).

1301.Ny oroka fanomezam-piadanana izay mamarana ny fombam-pivavahan’ ity sakramenta ity dia mampahafantatra sy maneho ny fiombonan’ny Fiangonana amin’ny Eveka sy amin’ny mpino rehetra[129].

III. Ny vokatry ny Fankaherezana

1302.Hita amin’ny fankalazana fa ny vokatry ny sakramenta Fankaherezana dia ny firotsahan’ny Fanahy Masina manokana, tahaka ny nanomezana izany fahiny tamin’ny ap˘st˘ly ny andron’ny Pantek˘ty. 

1303.Araka izany, ny Fankaherezana no mampitombo sy mandalina ny fahasoavan’ny Batemy :
- izy no mampiorim-paka antsika lalindalina kokoa amin’ny maha-zanak’Andriamanitra izay mahatonga antsika hiantso hoe : “Aba, Ray” (R˘m 8,15) ;
- izy no mampiray antsika mafimafy kokoa amin’i Kristy ;
- izy no mampitombo ao amintsika ny fanomezan’ny Fanahy Masina ;
- izy no mahatonga ny fifamatorantsika amin’ny Fiangonana ho lavorary kokoa[130] ;
- izy no manome antsika ny hery manokana avy amin’ny Fanahy Masina mba hampielezana sy hiarovana ny finoana amin’ny alalan’ny teny sy amin’ny alalan’ny asa ho tena vavolombelon’i Kristy tokoa, mba hanambarÓna ampahibemaso amin-kerim-po ny anaran’i Kristy ary mba tsy hahatsiaro henatra na oviana na oviana ny amin’ny Hazofijaliana[131] :

Tsarovinao Óry fa nandray ny famantarana ara-panahy ianao, ny Fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny Fanahin’ny fifidianana sy ny faherezana, ny Fanahin’ny fahalalana sy ny fitiavam-bavaka, ny Fanahin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, ary tano izay noraisinao. Andriamanitra Ray no nanamarika anao tamin’ny famantarany, i Kristy Tompo no nankahery anao ary Izy no nametraka ao am-ponao ny antoky ny Fanahy[132].

1304.Tahaka ny Batemy izay ny Fankaherezana no manatomombana azy, dia indray mandeha ihany no omena ny Fankaherezana. Satria, mampisy marika ara-panahy tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy ny Fankaherezana, “marika”[133], izay famantarana nanamarihan’i Jesoa-Kristy ny kristianina iray amin’ny fitombokan’ny Fanahiny, amin’ny fanafiana azy ny hery avy any ambony mba hijoroany ho vavolombelona[134].

1305.Ny “marika” no mandavorary ny fisoronana iombonan’ny mpino, noraisina tamin’ny Batemy, ary “ny vita Fankaherezana dia mandray ny hery hanambarÓna ampahibemaso ny finoana an’i Kristy, sy mba hizakana adidy aman’andraikitra (quasi ex officio)”[135]

IV. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ? 

1306.Ny vita batemy rehetra tsy mbola nankaherezina no mahazo ary tokony handray ny sakramentan’ny Fankaherezana[136]. Satria ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia dia mirafitra ho tokana ihany, koa “manana adidy ny mpino handray io sakramenta io amin’ny fotoana mahamety izany”[137], satria raha tsy misy ny Fankaherezana sy ny Eokaristia, dia marina fa manan-kery sy mandaitra ny sakramentan’ny Batemy, kanefa mijanona ho tsy tomombana ny firosoana ho kristianina.

1307. Ny fomba mahazatra ny latinina, hatramin’ny taonjato maro nifandimby, dia manondro ny “taona mahavory saina” ho taona azo handraisana ny Fankaherezana. Eo ambavahoanan’ny fahafatesana anefa, dia adidy ny manome ny Fankaherezana ny zaza na mbola tsy tonga amin’ny taona mahavory saina aza izy[138]

1308. Ny firesahana indraindray ny Fankaherezana ho “sakramentan’ny fahamatorana kristianina”, dia tsy tokony hampifangaro ny taona maha-lehibe ara-pinoana sy ny taona maha-lehibe ara-pitomboana voa-Janahary, na hanadino fa ny fahasoavana amin’ny Batemy, dia fahasoavana avy amin’ny safidy maimaim-poana sy tsy miankina amin’ ny mahamendri-balisoa, izay tsy mila “fanamafisana” mba hanjary hitera-bokatra. Mampahatsiaro izany i Md T˘mÓ  hoe :

“Tsy mampisy fahavoazana ny fanahy maha-olona ny taonan’ny vatana”. Araka izany, na amin’ny fahazazana aza, mety hahazo ny fahalavorariana amin’ny taona ara-panahy ny olona, izay lazain’ny Fahendrena (4,8) hoe : “Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin’ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan’ny taona.” Avy amin’izany no mahamaro ny ankizy, noho ny herin’ny Fanahy Masina noraisin’izy ireo, mitolona amin-kerim-po, ary hatramin’ny fandatsahany ny rany ho an’i Kristy[139].

1309. Ny fanomanana amin’ny Fankaherezana, dia tsy maintsy mikendry hitondra ny kristianina mankamin’ny firaisana lalindalina kokoa amin’i Kristy, mankamin’ny fifankahazarana miaina bebe kokoa amin’ny Fanahy Masina, ny asany, ireo fanomezany ary ireo antsony, mba hahafahana miantsoroka tsaratsara kokoa ny andraikitra maha-ap˘st˘lin’ny fiainana kristianina. Amin’izany, hezahin’ny katesezin’ny Fankaherezana ny manaitaitra ny fahatsiarovan-tenan’ny maha-anisan’ny Fiangonan’i Jesoa-Kristy, na amin’ny Fiangonana manerana ny tany tontolo izany na amin’ny ankohonan’ny mpino eo amin’ny paroasy. Ity farany moa no miantsoroka ny andraikitra manokana amin’ny fanomanana ireo hankaherezina[140].

1310. Mba handraisana ny Fankaherezana, tsy maintsy ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka ny kristianina. Tokony hidodododo izy hanatona ny sakramentan’ny Fivalozana, mba hodiovina ho amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny vavaka mafimafy kokoa no tokony hanomanana ny fandraisana amim-pankatoavana sy amim-kahalalahana ny hery sy ireo fahasoavan’ny Fanahy  Masina[141].

1311. Amin’ny Fankaherezana, toy ny amin’ny Batemy, tokony hitady fanampiana ara-panahy amin’ny ray na reny mpiantoka ny mpirotsaka ho amin’ny Fankaherezana. Mety raha ny mpiantoka azy tamin’ny Batemy ihany izany, mba hanamarika  tokoa ny firaisan’ireo sakramenta roa ireo[142].

V. Ny mpandraharaha masin’ny Fankaherezana

1312. Ny mpandraharaha masina hatrany am-piandohan’ny Fankaherezana dia ny Eveka[143]

Any amin’ny Tatsinanana, mazÓna ny Pretra izay manao ny batemy no manome eo no eo avy hatrany koa ny Fankaherezana, ao anatin’io fankalazana iray io ihany. Ny anaovany izany anefa, dia amin’ny diloilo  masina nohamasinin’ny Patriarka na ny Eveka, izay maneho ny firaisan’ ny Fiangonana amin’ny ap˘st˘ly, izay ny sakramentan’ny Fankaherezana no manamafy ny fifamatorana amin’izany. Ao amin’ny Fiangonana latinina, io fitsipika io ihany no ampiharina amin’ny Batemin’olon-dehibe, na rahefa raisina ho amin’ny fiombonana feno ao amin’ny Fiangonana ny vita batemy iray tao amin’ny fiangonana kristianina hafa izay tsy manan-kery aminy ny sakramentan’ny Fankaherezana[144].

1313. Amin’ny fombam-pivavahana latinina, ny Eveka no mpandraharaha masina andavanandro manam-pahefana manome ny Fankaherezana[145]. Raha amin’ny toe-javatra tsy ahafahan’ny Eveka mihitsy, na azony atao aza ny manome fahefana ara-dalÓna ny Pretra hanome ny Fankaherezana[146], dia mety raha izy tenany ihany no manome izany, amin’ny tsy fanadinoana fa ho amin’izany antony izany no nanasarahana ara-potoana ny fankalazana ny Fankaherezana amin’ny Batemy. Ireo Eveka no dimbin’ny ap˘st˘ly, izy ireo no nandray ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana. Ny fanome-zana ity sakramentan’ny Fankaherezana ity amin’ny alalan’izy ireo no manamarika tokoa fa manan-kery izy ity hampiray mafimafy kokoa ireo izay nandray azy amin’ny Fiangonana, amin’ny fiandohany tamin’ny ap˘st˘ly ary amin’ny fanirahana azy hijoro ho vavolombelon’i Kristy.

1314. Raha misy kristianina iray eo ambavahoanan’ny fahafatesana, rahefa Pretra dia afaka manome azy ny Fankaherezana[147]. Satria, irin’ny Fiangonana mba tsy hisy na iray aza amin’ireo zanany, na mbola zaza bitika aza, hiala amin’ity tany ity tsy nolavorarian’ny Fanahy Masina miaraka amin’ny fanomezana ny hafenoan’i Kristy.

 

FAMINTINANA

1315. “Henon’ny ap˘st˘ly tao Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny tao Samaria, dia nirahiny hankany i Piera sy i Joany. Nony tonga tao amin’ireo Samaritanina izy roa lahy, dia nivavaka ho azy ireo mba handraisany ny Fanahy Masina ; satria vita batemy tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo ihany izy ireo, fa tsy mbola nisy nidinan’ny Fanahy Masina na dia iray aza. Dia nametrahan’i Piera sy i Joany tanana izy ireo, ka nandray ny Fanahy Masina (Asa 8,14-17).

1316.Manatomombana ny fahasoavana tamin’ny Batemy ny Fankaherezana ; izy no sakramenta izay manome ny Fanahy Masina mba hampiorim-paka antsika lalindalina kokoa amin’ny maha-zanak’Andriamanitra, hampi-kambana antsika mafimafy kokoa amin’i Kristy, hanamafy bebe kokoa ny fifamatorantsika amin’ny Fiangonana, hampiombona antsika bebe kokoa amin’ny fanirahana azy ary hanampy antsika hijoro ho vavolombelon’ny finoana kristianina amin’ny alalan’ny teny arahina tsanganasa.

1317.Ny Fankaherezana, tahaka ny Batemy, dia mampisy  famantarana ara-panahy na marika tsy maty vonoina, ao amin’ny fanahin’ny kristianina ; izany no tsy ahazoana mandray ity sakramenta ity afa-tsy indray maka eo amin’ny fiainana.

1318.Any amin’ny Tatsinanana, omena eo no eo avy hatrany aorian’ny Batemy ity sakramenta ity ; arahin’ny fandraisana anjara amin’ny Eokaristia, lovam-panahy izay mampisongadina ny firaisan’ny sakramenta telo firosoana ho kristianina. Ao amin’ny Fiangonana latinina, omena ity sakramenta ity rahefa mahatratra ny taona mahavory saina, ary mazÓna atokana ho an’ny Eveka ny fanomezana azy, ho fampahafantarana araka izany fa ity sakramenta ity no manamafy ny fifamatorana amin’ny Fiangonana.

1319.Ny mpirotsaka ho amin’ny Fankaherezana izay mahatratra ny taona mahavory saina dia tsy maintsy manambara ampahibemaso ny finoana, ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka, manana fikasana handray ny sakramenta ary vonona hizaka ny anjara asa maha-mpianatra azy sy maha-vavolombelon’i Kristy azy, ao amin’ny ankohonam-piangonana sy eo amin’ny raharaha andavanandro.

1320.Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny Fankaherezana dia ny fanosorana amin’ny diloilo masina eo amin’ny handrin’ny vita batemy, (sady eo amin’ny taovam-pandrenesana hafa koa ny any amin’ny Tatsinanana), miaraka amin’ny fametrahan-tanan’ny mpandraharaha masina sy ny teny hoe : Accipe signaculum doni Spiritus Sancti (Raiso ny fitomboka anomezana anao ny Fanahy Masina), araka ny fombam-pivavahana r˘manina ; Signaculum doni Spiritus Sancti (Fitomboky ny fanomezana ny Fanahy Masina), araka ny fombam-pivavahana bizantinina.

1321.Raha ankalazaina misaraka amin’ny Batemy ny Fankaherezana, dia ny fanavaozana ny toky tamin’ny Batemy no anehoana amin’ny fomba manokana ny fifamatorany amin’ny Batemy. Ny fankalazana ny Fankaherezana mandritra ny Eokaristia dia manasongadina ny mahairay ny sakramenta firosoana ho kristianina.

  


 
[1] jer. EN 63-64.
[2] jer. 2 Tim 1,14.
[3] jer. FF 23 ; EK 4.
[4]L 4.
[5] jer. L  37-40.
[6] jer. CT 53.
[7] Joany Paoly II, l. ap."Vicesimus quintus annus" 16; jer. L 21.
[8] Joany Paoly II, l. ap. "Vicesimus quintus annus" 16.
[9] jer. Md. Thomas d’A., s. th. 3, 65, 1.
[10] S. Thomas d’A., s. th. 3, 65, 3.
[11] Paul VI, const. Ap. ź Divinae consortium naturae ╗ ; jer. OICA praenotanda 1-2.
[12] jer. K˘ns. Florence : DS 1314 ; CIC, can. 204, ž 1 ; 849 ; CCEO, can. 675, ž 1.
[13] Catech. R. 2, 2, 5.
[14] jer. R˘m 6,3-4 ; K˘l 2,12.
[15] Md Justin, apol. 1, 61.
[16] jer. Heb 10,32.
[17] jer. 1 Tes 5,5.
[18] Md GrÚgoire de Naz., or. 40, 3-4.
[19]MR, Fiaretan-tory amin’ny fankalazana ny Paka 42 : fanamasinana ny rano fanaovana Batemy.
[20] jer. Jen 1,2.
[21]MR, Fiaretan-tory amin’ny fankalazana ny Paka 42 : fanamasinana ny rano fanaovana Batemy.
[22]Ibid.
[23]Ibid.
[24] jer. Mt 3,13.
[25] jer. Mk 16,15-16.
[26] jer. Filip 2,7.
[27] jer. Mk 10,38 ; Lk 12,50.
[28] jer. Jo 19,34.
[29] jer. 1 Jo 5,6-8.
[30]Md Ambroise, sacr. 2,2,6.
[31] jer. Asa 2,41 ; 8,12-13 ; 10,48 ; 16,15.
[32] jer. K˘l 2,12.
[33] jer. 1 K˘r 6,11 ; 12,13.
[34] jer. 1 Pi 1,23 ; Efez 5,26.
[35] Augustin in Ev. Jo. 80,3.
[36]L 64.
[37]L 65 ; jer. L 37-40.
[38] jer. AFF 14 ; CIC, can. 851 ; 865 ; 866.
[39] jer. CIC, can. 851, 2░ ; 868.
[40] jer. R˘m 6,17.
[41] jer. OBP 62.
[42] jer. Filip 2,15.
[43] CIC, can. 864 ; CCEO, can. 679.
[44]AFF 14 ; jer. OICA 19 sy 98.
[45]AFF 14.
[46]FF 14 ; jer. CIC, can. 206 ; 788.
[47] jer. DS 1514.
[48] jer. K˘l 1,12-14.
[49] jer. CIC, can. 867 ; CCEO, can. 686, ž1.
[50] jer. FF 11 ; 41 ; AFF 48 ; CIC, can. 774, ž 2 ; 1136.
[51] jer. Asa 16,15.33 ; 18,8 ; 1 K˘r 1,16.
[52] jer. CDF, instr. "Pastoralis actio".
[53] jer. Mk 16,16.
[54] jer. CIC, can. 872-874.
[55] jer. L 67.
[56] jer. CIC, can. 861, ž 1 ; CCEO, can. 677, ž 1.
[57] jer. CIC, can. 861, ž 2.
[58] jer. 1 Tim 2,4.
[59] jer. Mk 16,16.
[60] jer. Jo 3,5.
[61] jer. Mt 28,20 ; jer. DS 1618 ; FF 14 ; AFF 5.
[62] jer. Mk 16,16.
[63]FAA 22 ; jer. FF 16 ; AFF 7.
[64] jer. Asa 2,38 ; Jo 3,5.
[65] jer. DS 1316.
[66]K˘ns. Trente : DS 1515.
[67] jer. Gal 4,5-7.
[68] jer. 2 Pi 1,4.
[69] jer. 1 K˘r 6,15 ; 12,27.
[70] jer. R˘m 8,17.
[71] jer. 1 K˘r 6,19.
[72] jer 1 K˘r 6,19.
[73] jer. 2 K˘r 5,15.
[74] jer. Efez 5,21; 1 K˘r 16,15-16.
[75] jer. Jo 13,12-15.
[76] jer. Heb 13,17.
[77] jer. 1 Tes 5,12-13.
[78] jer. FF 37 ; CIC, can. 208-223 ; CCEO, can. 675,2.
[79] FF 11.
[80] jer. FF 17 ; AFF 7;  23.
[81] EK 3.
[82] EK 22.
[83] jer. R˘m 8,29.
[84] jer. DS 1609-1619.
[85] jer. FF 11.
[86] jer. FF 10.
[87] Md Augustin, ep. 98,5.
[88] jer. Efez 1,13-14 ; 2 K˘r 1, 21-22.
[89] Md IrÚnÚe, dem. 3.
[90] MR, Canon Romain.
[91] jer. DS 1609 sy 1624.
[92] jer. FF 16.
[93] jer. OCf praenotanda 1.
[94] FF 11 ; jer. OCf praenotanda 2.
[95] jer. Iz 11,2.
[96] jer. Lk 4,16-22 ; Iz 61,1.
[97] jer. Mt 3,13-17 ; Jo 1,33-34.
[98] jer. Ezek 36,25-27 ; Joely 3,1-2.
[99] jer. Lk 12,12 ; Jo 3,5-8 ; 7,37-39 ; 16,7-15 ; Asa 1,8.
[100] jer. Jo 20,22.
[101] jer. Asa 2,1-4.
[102] jer. Asa 2,17-18.
[103] jer. Asa 2,38.
[104] jer. Asa 8,15-17 ; 19,5-6.
[105] jer. Heb 6,2.
[106] Paoly VI, const. Ap. "Divinae consortium naturae".
[107] jer. Md Cyprien, ep. 73,21.
[108] jer. CCEO, cann. 695,1 ; 696,1.
[109] jer. Md Hippolyte, trad. ap. 21.
[110] jer. Det 11,14, ets.
[111] jer. Sal 23,5 ; 104,15.
[112] jer. Iz 1,6 ; Lk 10,34.
[113] jer. 2 K˘r 2,15.
[114] jer. Jen 38,18 ; Ton 8,6.
[115] jer. Jen 41,42.
[116] jer. Det 32,34.
[117] jer. 1 Mpanj 21,8.
[118] jer. Jer 32,10.
[119] jer. Iz 29,11.
[120] jer. Jo 6,27.
[121] jer. Efez 1,13 ; 4,30.
[122] jer. Ap˘k 7,2-3 ; 9,4 ; Ezek 9,4-6.
[123]Pontificale iuxta ritum Ecclesiae Syrorum Occidentalium id est Antochiae, pars I.
[124] jer. L 71.
[125] jer. CIC, can. 866.
[126]OCF 25.
[127] jer. Paul VI : Divinae consortium naturae.
[128]Rituale per le chiese orientali di rito bizantino in lingua greco, pars Ia.
[129] jer. Md Hippolyte, trad. ap. 21.
[130] jer. FF 11.
[131] jer. DS 1319 ; FF 11 ; 12.
[132]Md Ambroise, myst. 7,42.
[133] jer. DS 1609.
[134] jer. Lk 24,48-49.
[135]Md Thomas d’A., s. th. 3,72,5, ad 2.
[136] jer. CIC, can. 889,ž 1.
[137]CIC, can. 890.
[138] jer. CIC, can. 891; 883,3.
[139] Md. Thomas d’A., s. th. 3, 72, 8, ad 2.
[140] jer. OCf praenotanda 3.
[141] jer. Asa 1, 14.
[142] jer. OCf  praenotanda 5 ; 6 ; CIC, can. 893, ž 1. 2.
[143] jer. FF 26.
[144] jer.  CIC, can. 883, ž 2.
[145] jer. CIC, can. 882.
[146] jer. CIC, can. 884, ž 2.
[147] jer. CIC, can. 883, ž 3.
 

 

top