The Holy See
back up
Search
riga

ANDALANA 3 

Ny sakramentan’ny Eokaristia

 

1322.Ny Eokaristia Masina no manatomombana ny firosoana ho kristianina. Ireo izay nasandratry ny Batemy amin’ny fahambonian’ny maha-mpisorona manjaka, sy nataon’ny Fankaherezana  mifanahaka amin’i Kristy, no ampandraisan’ny Eokaristia anjara amin’izay, miaraka amin’ny anko-honam-piangonana manontolo, amin’ny soron’ny Tompo ihany koa.

1323. “Ny Tompontsika, tamin’ny Sakafo farany, ny alina izay nanolorana Azy, no nanorina ny soron’ny Eokaristia tamin’ny Vatana aman-dRany, mba hampaharitra ny sorona teo amin’ny Hazofijaliana mandritra ny taona rehetra mifandimby, mandra-piveriny, ary mba hanankinana amin’ny Fiangonana Vady malalany, ny tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona : sakramentam-pitiavana, famantaram-piraisana, fatoram-pifankatiavana, fanasam-ben’ny Paka izay ao amin’izany i Kristy no raisina ho sakafo, ny fanahy no heni-pahasoavana ary ny antoky ny voninahitra hoavy no omena antsika”[1]

 

I. Ny Eokaristia – loharano sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana

 1324. “Loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo” ny Eokaristia[2]. “Ireo sakramenta hafa ary koa ireo andraiki-panompoana rehetra ao amin’ ny Fiangonana sy ny lahasa maha-ap˘st˘ly dia voafehy avokoa ao amin’ny Eokaristia sy voahasina aminy. Satria ny Eokaristia masina no misy ny rakitra rehetra ara-panahin’ny Fiangonana, izany hoe ny Tenan’Izy Kristy mihitsy, ilay Pakantsika”[3]

1325. “Ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny Vahoakan’Andriamanitra, izay amin’izany no maha-izy ny Fiangonana, dia ny Eokaristia no mampahafantatra izany sy manatanteraka izany. Ao aminy no hita ny tampon’ny asa, izay amin’izany no anamasinan’ Andriamanitra an’izao tontolo izao, ao amin’i Kristy, no sady tampon’ny fanompoam-pivavahana izay ao amin’ny Fanahy Masina no anoloran’ny olombelona izany amin’i Kristy, ary amin’ny Alalany, amin’ny Ray”[4].

1326.Farany, amin’ny alalan’ny fankalazana ny Eokaristia no efa iraisantsika sahady amin’ny litorzia any an-danitra sy isantarantsika ny fiainana mandrakizay, rahefa “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” Andriamanitra (1 K˘r 15,28).

1327.Amin’ny teny fohy, ny Eokaristia no famintinana sy fitambaran’ny finoantsika : “Mifanaraka amin’ny Eokaristia ny fomba fihevitsika, ary ho valin’izany manamafy ny fomba fihevitsika ny Eokarisita”[5]

 

II. Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?

1328.Ny harena tovozin-tsy ritra avy amin’ity sakramenta ity, dia ambara amin’ny anarana samihafa izay omena azy. Samy milaza ny lafiny sasantsasany ny tsirairay amin’ireo anarana ireo. Antsoina izy hoe :

Eokaristia satria fisaorana an’Andriamanitra izy. Ny teny hoe eucharistein (Lk 22,19 ; 1 K˘r 11,24) sy ny hoe eulogein (Mt 26,26 ; Mk 14,22) dia mampahatsiaro ny vavaka fisaorana jody izay manambara – indrindra mandritra ny sakafo – ny tsanganasan’Andriamanitra : ny fahariana, ny fanavotana ary ny fanamasinana. 

1329.Sakafon’ny Tompo[6], satria mahakasika ny Sakafo farany izay niarahan’ny Tompo tamin’ireo mpianany ny andro mialohan’ny fijaliany, sy fanaovana mialoha ny sakafo amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ Ondry[7] ao amin’ilay Jerosalema any an-danitra. 

Famakiana ny mofo, satria ity fombam-pivavahana ity, izay fanao manokana amin’ny sakafo jody, dia nampiasain’i Jesoa rahefa nitsodrano sy nizarazara ny mofo amin’ny maha-tompon’ny fanasana Azy Izy[8], indrindra tamin’ny Sakafo farany[9]. Amin’izany fihetsika izany no hahalalan’ny mpianatra Azy aorian’ny fitsanganany ho velona[10], ary avy amin’io fombam-pitenenana io no hanondroan’ny kristianina voalohany ny fiaraha-miangona ataon’izy ireo amin’ny Eokaristia[11]. Ny ambaran’izy ireo amin’izany dia hoe : ireo rehetra izay mihinana ny mofo tokana novakýna, i Kristy, dia miditra amin’ny fiombonana Aminy ary tsy mamorona afa-tsy vatana iray ihany ao Aminy[12].

Fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia (synaxis) satria ny Eokaristia dia ankalazaina amin’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino, fanehoana hita maso ny Fiangonana[13].

1330.Tsangambato fahatsiarovana ny fijaliana sy ny fitsanganan’ny Tompo ho velona.

Sorona Masina, satria izy no mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ny sorona tokan’i Kristy Mpamonjy sy manatsofoka ny fanatitry ny Fiangonana ; na koa hoe : sorona masin’ny lamesa, “sorom-piderana” (Heb 13,15)[14], sorona ara-panahy[15], sorona madio[16] sady masina, satria izy no manatontosa sy mihoatra noho ny sorona rehetra tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha.

Litorzia masina sy mahagaga, satria ao amin’ny fankalazana ity sakramenta ity no mahita ny foibeny sy ny fanehoany mafonja indrindra ny litorzia manontolo ny Fiangonana ; mbola amin’izany hevitra izany no iantsoana azy koa hoe fankalazana ny mistery Masina. Lazaina koa hoe Sakramenta Masina Indrindra, satria izy no sakramentan’ny sakramenta. Izany no anarana ilazana ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia tahirizina ao amin’ny tabernakla.

1331.K˘monio, satria amin’ny alalan’ity sakramenta ity no iraisantsika amin’i Kristy, izay mahatonga antsika ho mpandray anjara amin’ny Vatany sy ny Rany, mba hirafitra ho vatana iray[17] ; mbola antsoina hoe zava-masina izy: ta hagia ; sancta[18] – izany no dikany voalohany amin’ny hoe “fiombonan’ny olomasina” izay lazain’ny Sembolin’ny ap˘st˘ly - , mofon’ny anjely, mofo avy any an-danitra, fanafodin’ny tsy fahafatesana[19], vatsy masina

1332.Lamesa Masina, satria ny litorzia izay tanteraka amin’izany ny misterim-pamonjena, dia miafara amin’ny fanirahana ny mpino (missio) mba hanatanterahan’izy ireo ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany andavanandro.

 

III. Ny Eokaristia ao amin’ny fitantanam-pamonjena

Ny famantarana ny mofo sy ny divay

1333.Eo anivon’ny fankalazana ny Eokaristia, dia misy ny mofo sy ny divay, izay nanjary Vatana sy Ran’i Kristy, amin’ny alalan’ny tenin’i Kristy sy amin’ny alalan’ny fiantsoana ny Fanahy Masina. Manaraka ny didin’ny Tompo ny Fiangonana ka manohy amin’ny fanaovana hatrany izay nataony ny andro mialohan’ny fijaliany, ho fahatsiarovana Azy, mandra-piveriny amim-boninahitra :  “Nandray mofo Izy … ” “Nandray ny kalisy feno divay Izy…” Amin’ny fahatongavana amim-pomba mistery ho Vatana sy ho Ran’ i Kristy, ny famantaran’ny mofo sy ny divay dia manohy maneho koa ny hatsaran’ny zavaboary. Araka izany, amin’ny Fanolorana no isaorantsika ny Mpahary, noho ny mofo sy ny divay[20] vokatry “ny asa tanan’ny olombelona”, nefa “vokatry ny tany” sy “ny voaloboka” aloha, fanomezan’ ny Mpahary. Hitan’ny Fiangonana amin’ny fihetsik’i Melkisedeka, Mpanjaka sady mpisorona, izay “nitondra mofo sy divay” (Jen 14,18), ny tandindon’ny fanatitra natolotry ny tenany[21]

1334.Tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, anisan’ireo santa-bokatry ny tany natolotra ho sorona ny mofo sy ny divay, ho mari-pankasitrahana ny Mpahary. Kanefa nahazo dikany vaovao koa izy ireny ao amin’ny hevitra manodidina ny Eksaody : Ny mofo tsy misy lalivay, izay hanin’i Israely isan-taona amin’ny Paka no ankalazana ny fahatsiarovana ny hamaikan’ ny fiaingam-panafahana tao Ejipta ; ny fahatsiarovana ny mana tany an’efitra no hampahatsiahy lalandava an’i Israely fa mivelona amin’ny mofon’ny Tenin’Andriamanitra izy[22]. Farany, ny  mofo hanina isan’andro dia vokatry ny Tany nampanantenaina, antoky ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fampanantenany. Ny “kalisim-pisaorana” (1 K˘r 10,16), amin’ny faran’ny sakafo Pakan’ny Jody, dia manampy fivelaran-kevitra momba ny any am-parany any amin’ny hafalian’ny fety avy amin’ny divay, dia ny an’ny fiandrasana ny Mesia ho amin’ny fanarenana indray an’i Jerosalema. Nanorina ny Eokaristiany i Jesoa tamin’ny nanomezana azy hevitra vaovao sy raikitra, tamin’ny fitsofan-drano ny mofo sy ny kalisy.

1335.Ny zava-mahagaga tamin’ny fampitomboana ny mofo, rahefa nitsodrano ny Tompo, namaky ny mofo sy nizara izany tamin’ny mpianany mba hamahanana ny vahoaka maro be, dia maneho mialoha ny fahabetsahana mihoa-pampana avy amin’ity mofo tokan’ny Eokaristiany ity[23]. Ny famantarana momba ny rano voaova ho divay tao KanÓ[24] dia manambara sahady ny Oran’ny fanomezam-boninahitra an’i Jesoa. Maneho ny fahatanterahan’ny sakafon’ny fampakaram-bady any amin’ny Fanjakan’ny Ray izany, izay any ny mpino no  hisotro  ny divay vaovao[25] tonga Ran’i Kristy.

1336.Nampisara-kevitra ny mpianatra ny fanambarÓna voalohany momba ny Eokaristia, tahaka ny fanambarÓna ny fijaliana izay nanafintohina azy ireo : “Sarotra izany teny izany ! Iza no mahahaino izany ? ” (Jo 6,61). Ny Eokaristia sy ny Hazofijaliana dia vato mahatafintohina. Mistery iray ihany izany, ary tsy mitsahatra miteraka fisaraham-bazana izy. “Ianareo koa va mba te hiala ?” (Jo 6,68) : manako eny am-pamakivakiana ny taona maro mifandimby eny io fanontanian’ny Tompo io, fiangaviam-pitiavany hamborahana fa Izy irery ihany no manana “ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jo 6,69) ary ny mandray amim-pinoana ny fanomezana ny Eokaristiany, dia mandray Azy Tenany ihany.

Ny fanorenana ny Eokaristia

1337.Ny Tompo, rahefa tia ny azy, dia tia azy ireo hatramin’ny farany. Fantany fa tonga ny ora hialany amin’izao tontolo izao mba hiverenany any amin’ny Rainy, ka teo am-pisakafoana, dia nanasa ny tongotr’izy ireo Izy sy nanome azy ireo ny didim-pitiavana[26]. Mba hamelany ho azy ireo ny antok’io fitiavana io, mba tsy hanalavirany na oviana na oviana ireo azy ary mba hanaovany azy ireo ho mpandray anjara amin’ny Pakany, dia nanorina ny Eokaristia Izy ho tsangambato fahatsiarovana ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, ary nibaiko ny ap˘st˘liny Izy mba hankalaza izany ambara-piveriny, “koa noho izany natsangany ho mpisoron’ny Testamenta Vaovao izy ireo”[27].

1338.Ny Evanjely telo sin˘ptika sy i Md Paoly no nampita amintsika ny tantaran’ny fanorenana ny Eokaristia ; etsy an-kilany, i Md Joany dia mamerina milaza ny tenin’i Jesoa tao amin’ny sinag˘gan’i Kafarnaoma, teny izay manomana ny fanorenana ny Eokaristia : manondro ny Tenany ho ny mofon’ny fiainana, nidina avy any an-danitra i Kristy[28].

1339.Nifidy ny fotoanan’ny Paka i Jesoa mba hanatanterahana izay nambarany tao Kafarnaoma : manome ny Vatany sy ny Rany ho an’ny mpianany :

Dia tonga ny andron’ny Azima izay tsy maintsy hamonoana ny zanak’ondrin’ny Paka. Koa naniraka an’i Piera sy Joany [i Jesoa] nanao hoe : “MandehÓna, hoy Izy, mamboatra ny Paka hohanintsika.” (…) Dia lasa Óry izy ireo (…) ary nanomana ny Paka. Nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy niaraka tamin’ny ap˘st˘liny ary hoy Izy tamin’izy ireo : “Naniry dia naniry hiara-mihinana ity Paka ity aminareo Aho alohan’ny hijaliako ; satria lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana azy intsony Aho mandra-pahatanterany any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra.” (…) Rahefa izany, dia nandray ny mofo Izy, ka nony efa nisaotra, dia namaky azy sy nanome azy ho azy ireo, nanao hoe : “Ity no Vatako, izay atolotra ho anareo ; ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy.” Dia nataony toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo, ka hoy Izy : “Ity kalisy ity no Fanekem-pihavanana Vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo” (Lk 22,7-20)[29].

1340.Tamin’ny fankalazana ny Sakafo farany niarahany tamin’ny ap˘st˘liny nandritra ny sakafon’ny Paka no nanomezan’i Jesoa ny tena dikany raikitra ny Paka jody. Satria, ny fandalovan’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona ho any amin’ny Rainy, dia ny Paka vaovao izany, no natao mialoha tamin’ny Sakafo farany sy nankalazaina tamin’ny Eokaristia izay manatontosa ny Paka jody sy manao mialoha ny Paka faran’ny Fiangonana any amin’ny voninahitry ny Fanjakan’Andriamanitra.

“Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy”

1341.Ny didin’i Jesoa mba hamerina ny fihetsiny sy ny teniny “mandra-piveriny” dia tsy mitaky fotsiny ny hahatsiarovana an’i Jesoa sy izay nataony. Ny kendreny dia ny fankalazana litorzika, amin’ny alalan’ny ap˘st˘ly sy ny dimbin’izy ireo, ny tsangambato fahatsiarovana an’i Kristy, ny fiainany, ny fahafatesany, ny fitsanganany ho velona ary ny fanalalana ataony eo akaikin’ny Ray.

1342.Hatrany am-piandohana ny Fiangonana no tsy nivadika tamin’ny baikon’ny Tompo. Izao no voalaza ny amin’ny Fiangonan’i Jerosalema :

Nazoto izy ireo tamin’ny fampianaran’ny ap˘st˘ly, naharitra tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny famakiana ny mofo ary tamin’ny fivavahana. (…) Isan’andro isan’andro, tamin’ny fo iray, nazoto niara-nankao an-Tempoly izy ireo sy namaky ny mofo tao an-tranony, ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po (Asa 2,42.46).

1343. “Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro” indrindra, izany hoe andro alahady, andron’ny nitsanganan’ i Jesoa ho velona, no nivorian’ ny kristianina “mba hamaky ny mofo” (Asa 20,7). Nanomboka tamin’izany fotoana izany ka hatramin’izao androntsika izao, mitohy maharitra ny fankalazana ny Eokaristia, hany ka ankehitriny, hitantsika hatraiza hatraiza ao amin’ny Fiangonana izany, mbola araka ny firafitra fototra tsy miova. Ny fankalazana ny Eokaristia no ivon’ny fiainan’ny Fiangonana.

1344. Arak’izany, ny Vahoakan’Andriamanitra ety am-pivahiniana, amin’ny fankalazana mifandimby, anambarÓna ny misterin’ny Pakan’i Jesoa “mandra-piaviny” (1 K˘r 11,26), dia “mandroso amin’ny vavahady ety ny Hazofijaliana”[30], mankany amin’ny fanasam-be any an-danitra, fa any ny olom-boafidy rehetra no hipetraka hihinana eo amin’ny latabatry ny Fanjakan’Andriamanitra.

 

IV. Ny fankalazana ara-litorzia ny Eokaristia

Ny lamesan’ny taonjato nifandimby

1345. Hatrany amin’ny taonjato faharoa, no nananantsika ny soratra vavolombelon’i Md Justin le Martyr ny amin’ireo soritsoritra vaventy amin’ny fizotran’ny fankalazana ny Eokaristia. Maharitra tsy niova amin’ny maha-izy azy ireo soritsoritra ireo hatramin’izao androntsika izao, ho an’ny fianakaviamben’ny litorzia manontolo. Toy izao no nosoratany, sahabo ho tamin’ny taona 155, mba hanazavana amin’i Antonin le Pieux amperora mpanompo sampy (138-161), ny amin’izay ataon’ny kristianina :

“Amin’ny andro antsoina hoe andron’ny masoandro, no anaovana amin’ny toerana iray tsy miova, ny fivorian’ireo rehetra monina an-tanan-dehibe na ambanivohitra.

Vakýna ny tahirim-pampianaran’ny ap˘st˘ly sy ny bokin’ny mpaminany, araka ny fisian’ny fotoana.

Rahefa nitsahatra ny mpamaky teny, ilay izay mitarika no mandray ny fitenenana, mba hitaona sy hamporisika haka tahaka an’ireny zavatra tsara ireny.

Avy eo, miara-mitsangana izahay rehetra ary manao vavaka”[31]  “ho an’ny tenanay (…) sy ho an’ny hafa rehetra, na aiza na aiza misy azy, mba ho hita fa olo-marina izahay amin’ny fiainanay sy ny asanay, ary olo-mahatoky amin’ny didy, mba hahazoana amin’izany ny famonjena mandrakizay.

Rahefa vita ny fivavahana dia mifanoroka izahay rehetra.

Avy eo, entina atolotra amin’izay mitarika ny mpiray tam-po ara-pinoana ny mofo sy ny kalisy misy rano sy divay mifangaro.

Raisiny ireo, dia manondrotra vavaka fiderana sy fanomezam-boninahitra any amin’ilay Rain’izao tontolon’ny zava-drehetra izao izy, amin’ny anaran’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, ary misaotra (eucharistian, amin’ny teny grika) maharitra ela izy amin’izay heverinay fa mendrika an’ireo fanomezana ireo.

Rahefa namarana ny vavaka sy ny fisaorana izy, miredon-kafaliana ny vahoaka rehetra manatrika eo manao hoe : Amen. 

Rahefa nahavita ny fisaorana ilay izay nitarika ary nahavaly izany ny vahoaka, dia ireo izay antsoina hoe Diakra eo aminay no mizara ny mofo, ny divay ary ny rano  "nanjary Eokaristia" amin’izay rehetra manatrika eo sy mitondra izany koa any amin’ireo tsy tonga teo”[32].

1346. Ny litorzian’ny Eokaristia dia mizotra araka ny rafitra fototra izay voatahiry nandritry ny taonjato maro hatramin’ny androntsika izao. Mivelatra ho fizaram-potoana anankiroa lehibe izy, nefa mirafitra ho tokana ihany ny votoatiny :
- ny famoriana, ny litorzian’ny Teny, miaraka amin’ny vakiteny, ny toriteny ary ny ranombavaky ny mpino ;
- ny litorzian’ny Eokaristia, miaraka amin’ny fanolorana ny mofo sy ny divay, ny vavaka fisaorana fankamasinana ary ny k˘monio.

Mitambatra ho “asa fanompoam-pivavahana iray tsy mivaky”[33] ny litorzian’ ny Teny sy ny litorzian’ny Eokaristia miaraka ; satria, ny latabatra voa-omana ho antsika ao amin’ny Eokaristia dia sady an’ny Tenin’ Andriamanitra no an’ny Vatan’ny Tompo[34].

1347.Moa tsy io ihany no fizotran’ny sakafon’ny Pakan’i Jesoa nitsangan-ko velona niarahany tamin’ny mpianany ? Niaraka teny an-dalana sy nanazava ny Soratra Masina tamin’izy ireo Izy, avy eo, nony nipetraka hiara-misakafo tamin’izy ireo, dia nandray ny mofo Izy, notsofiny rano, nozarazarainy ary nomeny azy ireo[35].

Ny fizotran’ny fankalazana 

1348. Mivory izy rehetra. Midodododo mankeo amin’ny toerana iray ny kristianina hamonjy ny fiaraha-miangona amin’ny  Eokaristia. Ny Tenan’ i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben’ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Ny Tenany mihitsy no mitarika amin’ny fomba tsy hita maso ny fankalazana manontolo ny Eokaristia. Amin’ny fanoloana tena Azy no mahatonga ny Eveka na ny Pretra (manao ny asa ao amin’ny Tenan’i Kristy Loha) hitarika ny mpiangona, handray ny teny aorian’ny vakiteny, handray ny fanatitra sy hanonona ny vavaka fisaorana. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny rehetra amin’ny fankalazana, araka ny fanaony avy : mpamaky teny, mpanatitra ny tolotra, mpizara k˘monio, ary ny vahoaka manontolo, ka ny valy hoe : Amen, no anehoany ny fandraisany anjara.

1349. Ny litorzian’ny Teny dia misy “ny bokin’ny mpaminany”, izany hoe ny Testamenta Taloha, sy “ny tahirim-pampianaran’ny ap˘st˘ly”, izany hoe ny Taratasin’izy ireo sy ireo Evanjely ; aorian’ny toriteny izay fampirisihana handray izany Teny izany ho tena Tenin’Andriamanitra tokoa[36], sy hanatanteraka izany an’asa, no aroso ny fangatahana ho an’ny olona rehetra, araka ny tenin’ny ap˘st˘ly hoe : “Ny angatahiko voalohany indrindra Óry, dia ny hanaovana fangatahana, fivavahana, fitalahoana, fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka ary ho an’ireo rehetra nametrahana ny fahefana” (1 Tim 2,1-2).

1350. Ny fanolorana ny fanatitra (fanolorana) : entina amin’izay, indraindray entina amim-pilaharana, eo amin’ny ˘tely ny mofo sy ny divay izay ho atolotry ny Pretra amin’ny anaran’i Kristy ao amin’ny sorona Eokaristika, izay eo ireo no hanjary Vatana aman-dRan’i Kristy. Mitovy amin’ny fihetsik’i Kristy tamin’ny sakafo farany ihany no anaovana izany, dia “amin’ny fandraisana ny mofo sy ny kalisy”. “Ny Fiangonana irery ihany no manolotra io fanatitra madio io, amin’ny Mpahary, amin’ny fanolorana azy amim-pisaorana an’izay avy amin’ny zavaboariny”[37]. Ny fanolorana ireo fanatitra ireo eo amin’ny ˘tely no anaovana ny fihetsik’i Melkisedeka sy anankinana eo am-pelatanan’i Kristy ny fanomezana avy amin’ny mpahary. Izy, amin’ny soron’ny Tenany no mahatonga ho amin’ny fahalavorarian’ny fiezahana rehetra ataon’ny olombelona manolotra sorona.

1351. Hatrany am-piandohana, ny kristianina no manolotra, miaraka amin’ny mofo sy ny divay ho an’ny Eokaristia, ny fanomezan’izy ireo mba hozaraina amin’ireo izay ao anatin’ny tsy fahampiana. Ity fomba fanangonana (rakitra)[38]ity, mitohy hatramin’izao, dia nalaina avy amin’ny ohatra nomen’i Kristy izay nanjary mahantra mba hampanankarena antsika[39] :

Ireo izay manankarena sy izay te hanao, dia nanome araka izay noeritreretin’ny tenany avy ; izay voangona dia napetraka teo amin’ izay nitarika, ka izy io no nanampy ny kamboty sy ny mananotena,  ireo izay tsy manana antom-pivelomanana noho ny aretina na antony hafa, ny voafonja, ny mpifindra monina, ary amin’ny teny indraim-bava dia hoe : novonjeny daholo ireo izay tao anatin’ny tsy fahampiana[40].

1352. Ny vavaka fisaorana : amin’ny vavaka Eokaristika, vavaka fisaorana sy fankamasinana, no tonga eo amin’ny ivo sy tampon’ny fankalazana isika:

Amin’ny prefasy ny Fiangonana no misaotra ny Ray, amin’ny alalan’i Kristy, ao amin’ny Fanahy Masina, noho ny tsanganasany rehetra, noho ny fahariana, ny fanavotana ary ny fanamasinana. Ny mpiara-miangona manontolo no manakambana amin’izay ilay fiderana sesilany izay hirain’ny Fiangonana any an-danitra, ny anjely ary ny olomasina rehetra, an’Andriamanitra : Masina, Masina, Masina.
1353.Amin’ny epikilezy, mangataka amin’ny Ray ny Fiangonana handrotsaka ny Fanahiny Masina (na ny herin’ny tsodranony[41]) eo amin’ny mofo sy ny divay, mba ho zary Vatana sy Ran’i Jesoa-Kristy ireo, amin’ny alalan’ny heriny, ary ireo izay mandray anjara amin’ny Eokaristia dia mba ho vatana iray sy fanahy iray ihany (ny lovam-panahy litorzika sasantsasany dia mametraka ny epikilezy aorian’ny anaminezy). 

Ao amin’ny tantaran’ny namoronana ny Eokaristia, ny herin’ny teny sy ny asan’i Kristy, ary ny herin’ny Fanahy Masina, no maha-misy eo ara-tsakramenta, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ny Vatany sy ny Rany, ny sorona natolony indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana.

1354.Manaraka izany, amin’ny anaminezy, mahatsiaro ny fijalian’i Jesoa-Kristy, ny fitsanganany ho velona ary ny fiverenany amim-boninahitra ny Fiangonana ; atolony amin’ny Ray ny fanatitry ny Zanany izay mampihavana antsika Aminy indray.

Amin’ny vavaka fitalahoana (intercessions), asehon’ny Fiangonana fa ny Eokaristia dia ankalazaina amin’ny fiombonana miaraka amin’ny Fiangonana manontolo any an-danitra sy eto an-tany, ny velona sy ny nodimandry, ary amin’ny fiombonana miaraka amin’ny mpitondra ny Fiangonana, dia ny Papa, ny Evekan’ny di˘sezy, ny fivondronan’ny Pretrany sy ny Diakrany, ary ny Eveka rehetra manerana ny tany miaraka amin’ny Fiangonan’izy ireo. 

1355.Amin’ny k˘monio, ialohavan’ny vavaky ny Tompo sy ny famakiana ny mofo, mandray ny “mofon’ny lanitra” sy “ny kalisim-pamonjena” ny mpino, dia ny Vatana sy ny Ran’i Kristy, izay nanolo-tena “ho fiainan’ izao tontolo izao” (Jo 6,52) :
Satria io mofo io sy io divay io dia “nanjary Eokaristia”[42] araka ny fiteny tranainy, dia “antsointsika hoe : Eokaristia io sakafo io ary tsy misy olona mahazo mandray anjara aminy, raha tsy mino ny fahamarinan’izay ampianarina aty aminay izy, raha tsy nandray ny fandroana ho famelana ny fahotana sy ny fahateraham-baovao izy, ary raha tsy miaina araka ny didin’i Kristy izy”[43].

 

V. Ny sorona ara-tsakramenta : fisaorana, tsangambato fahatsiarovana, fisiana maha-eo

1356.Raha mankalaza ny Eokaristia hatrany am-piandohana ny kristianina, sy amin’ny endrika izay tsy niova, tao anatin’ny fisia-maha-izy azy, teo am-pamakivakiana ny faha-samihafa lehibe ny taona sy ny litorzia dia satria fantatsika fa voafehin’ny baikon’ny Tompo, nomena ny andro mialohan’ ny fijaliany izy ireo : “Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy” (1 K˘r 11,24-25).

1357.Ity baikon’ny Tompo ity, dia tanterahintsika amin’ny fankalazana ny tsangambato fahatsiarovana ny sorona natolony. Izany no atao dia ny anolorantsika amin’ny Ray izay ny Tenan’Izy ihany no nanome azy antsika : ny fanomezana avy amin’ny zavaboariny, dia ny mofo sy ny divay izay manjary Vatana sy Ran’i Kristy noho ny herin’ny Fanahy Masina sy noho ny tenin’i Kristy : amin’izany no maha-misy eo marina sy amin’ny fomba mistery an’i Kristy.

1358.Noho izany, tsy maintsy hodinihintsika ny Eokaristia :
- amin’ny maha-fisaorana sy fiderana ny Ray azy ;
- amin’ny maha-tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Vatany azy ;
- amin’ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahiny.

Ny fisaorana sy ny fiderana ny Ray

1359.Ny Eokaristia, sakramentam-pamonjena antsika notanterahin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana, dia sorom-piderana amin’ny fisaorana noho ny asa fahariana koa. Amin’ny sorona Eokaristika, ny zavaboary manontolo tian’Andriamanitra dia natolotra ny Ray tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona. Amin’ny alalan’i Kristy, azon’ny Fiangonana atao ny manolotra sorom-piderana amin’ny fisaorana noho ny soa, ny kanto ary ny marina nataon’Andriamanitra tao amin’ny zavaboary sy tao amin’ny olombelona.

1360.Sorom-pisaorana ny Ray ny Eokaristia, fisaorana izay anehoan’ny Fiangonana ny fankasitrahany an’Andriamanitra noho ny soa rehetra avy Aminy, noho izay rehetra notanterahiny tamin’ny alalan’ny fahariana, ny fanavotana, ary ny fanamasinana. Ny Eokaristia rahateo dia midika hoe : “fisaorana”. 

1361.Sorom-piderana koa ny Eokaristia, izay hihiran’ny Fiangonana ny Voninahitr’Andriamanitra amin’ny anaran’ny voary manontolo. Amin’ny alalan’i Kristy ihany no azo atao izany sorom-piderana izany : Izy no mampiray ny mpino amin’ny Tenany, amin’ny fiderany sy amin’ny fitalahoany, hany ka ny sorom-piderana ny Ray dia atolotra amin’ny alalan’i Kristy sy miaraka Aminy mba hankatoavina ao Aminy.

Ny tsangambato fahatsiarovana ny soron’i Kristy sy ny Fiangonana - Vatany

1362.Ny Eokaristia no tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, fampiharana amin’ny fiainana ankehitriny ary fanatitra ara-tsakramentan’ ny sorona tokana aman-tany nataony, ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana izay Vatany. Ao amin’ny vavaka fisaorana rehetra no ahitantsika, aorian’ ireo teny famoronana, ny vavaka antsoina hoe anaminezy na tsangambato fahatsiarovana.

1363.Araka ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, ny hoe tsangambato fahatsiarovana dia tsy fahatsiarovana fotsiny ny zava-niseho tamin’ny lasa, fa fanaovana antso avo ny zava-mahagaga izay notanterahin’Andriamanitra ho an’ny olombelona[44]. Amin’ny fankalazana ara-litorzian’ireny zava-niseho ireny, dia manjary eo sy ankehitriny amin’ny fomba tsy isalasalana izy ireny. Avy amin’izany fomba izany no ahatakaran’i Israely ny fanafahana azy tany Ejipta : isaky ny ankalazaina ny Paka, dia mitamberina ao an-tsain’ny mpino ireo zava-niseho tamin’ny Eksaody mba hampifanarahan’ izy ireo ny fiainany amin’izany. 

1364.Mahazo hevitra vaovao ny tsangambato fahatsiarovana ao amin’ny Testamenta Vaovao. Rahefa mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mampahatsiaro ny Pakan’i Kristy, ary mahatonga azy ity ho eo : ny sorona izay natolotr’i Kristy indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana dia mijanona lalandava ho ankehitriny[45] : “Isaky ny ankalazaina eo ambony ˘tely ny soron’ny Hazofijaliana izay tamin’izany no nanaovana sorona an’i Kristy Pakantsika, dia tanterahina ny tsanganasam-panavotana antsika”[46]

1365.Noho izy tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy, ny Eokaristia dia sorona koa. Ny toetra manokana maha-sorona ny Eokaristia dia miseho amin’ireo teny nanorenana azy ihany : “Ity no Vatako izay atolotra ho anareo” sy “Ity kalisy ity no Fanekem-pihavanana Vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo” (Lk 22,19-20). Amin’ny Eokaristia i Kristy no manome io vatana iray io ihany amin’izay natolony ho antsika teo amin’ny Hazofijaliana, io ra iray io ihany amin’izay “nalatsany ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).

1366.Noho izany, sorona ny Eokaristia, satria izy no mampiseho (maha-misy eo) ny soron’ny Hazofijaliana, satria izy no tsangambato fahatsiarovana an’izany, satria izy no mampihatra ny vokatra avy amin’izany :

[I Kristy] Andriamanitsika sady Tompo, dia nanolotra indray mandeha monja ny Tenany mihitsy tamin’Andriamanitra Ray, tamin’ny nahafatesany  ho mpanalalana eo amin’ny ˘telin’ny Hazofijaliana, mba hanatontosa ho azy ireo (ny olombelona) ny fanavotana mandrakizay. Kanefa,  noho ny fahafatesany tsy naha-tapitra ny maha-mpisorona Azy (Heb 7,24.27), tamin’ny Sakafo farany, “ny alina izay nanolorana Azy” (1 K˘r 11,23), dia sitrany ny mamela ao amin’ny Fiangonana, vady malalany, ny sorona hita maso (araka ny takýn’ny fomba maha-olombelona), izay isehoan’ny sorona alatsa-dra tanteraka indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana, izay hitohy hatramin’ny faran’ny taonjato mifandimby ny fahatsiarovana izany (1 K˘r 11,23) ary hihatra amin’ny fanavotana noho ny fahotana ataontsika isan’andro vaky ny herim-pamonjena avy aminy[47].

1367.Sorona tokana ihany ny soron’i Kristy sy ny soron’ny Eokaristia : “Tokana sady mitovy ihany Ilay  atao sorona, iray ihany Ilay manolotra sorona ankehitriny amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, Ilay nano-lotra ny Tenany mihitsy tamin’izay teo amin’ny Hazofijaliana. Ny fomba fanolotra fotsiny no tsy mitovy”[48] : “Ary satria ao amin’izany sorona lavorary sady masina izay tanteraka amin’ny lamesa izany, io Kristy io ihany, izay nanolotra ny Tenany indray mandeha monja tamin’ny fomba nalatsa-dra teo ambony ˘telin’ny Hazofijaliana, no votoaty sy atolotra amin’ny fomba tsy alatsa-dra, koa tena sorom-panonerana marina io sorona io”[49]

1368.Soron’ny Fiangonana koa ny Eokaristia. Ny Fiangonana, izay Vatan’i Kristy, dia mandray anjara amin’ny fanatitry ny Filohany. Miaraka Aminy, ny tenany mihitsy no atolony manontolo. Miray amin’ny fanalalana ataon’i Kristy eo akaikin’ny Ray ho an’ny olombelona rehetra ny Fiangonana. Amin’ny Eokaristia, manjary soron’ny rantsambatan’ny Vatany koa ny soron’i Kristy. Ny fiainan’ny mpino, ny fideran’izy ireo, ny fijalian’izy ireo, ny fivavahan’izy ireo, ny asan’izy ireo, dia voakambana amin’ny an’i Kristy sy amin’ny fanatitra manontolony, ary mahazo soatoavina vaovao amin’izany. Ny soron’i Kristy eo ambony ˘tely no manome amin’ny taranaky ny kristianina rehetra ny fahazoana miray amin’ny fanatitra atolony.

Any anatin’ireo zohim-pasana, matetika ny Fiangonana dia aseho ho toy ny vehivavy mivavaka, ny sandry mivelatra be araka ny fihetsika atao hoenti-mivavaka. Tahaka an’i Kristy izay naninjitra ny sandriny teo amin’ny Hazofijaliana, amin’ny Alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy, ny Fiangonana no manolo-tena sy mitalaho ho an’ny olombelona rehetra.

1369.Ny Fiangonana manontolo dia miray amin’ny fanatitra sy amin’ny fanalalan’i Kristy. Noho ny Papa miantsoroka ny andraiki-panompoan’i Piera ao amin’ny Fiangonana, dia akambana amin’ny fankalazana manontolo ny Eokaristia  izy, izay amin’izany no anononana ny anarany ho famantarana sy mpanompon’ny firaisan’ny Fiangonana Manerana ny tany tontolo. Ny Eveka eo an-toerana no mpiandraikitra lalandava ny Eokaristia, na dia ny Pretra aza no mitarika izany ; tononina ao ny anarany mba hampahafantarana ny fiadidiany ny Fiangonana eo an-toerana, eo anivon’ny fivondronan’ny maha-pretra sy miaraka amin’ny fanampian’ny Diakra. Ny mpiara-miangona dia mitalaho koa ho an’ny mpandraharaha masina rehetra izay manolotra ny soron’ny Eokaristia, ho azy sy miaraka aminy :

Mba ho ity Eokaristia ity ihany anie no heverina ho ara-dalÓna, izay atao eo ambany fiadidian’ny Eveka na izay nampiandraiketiny izany[50].

Amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny Pretra no tanteraka ny sorona ara-panahin’ny kristianina, mikambana amin’ny soron’i Kristy, hany Mpanalalana, atolotra amin’ny anaran’nyFiangonana manontolo ao amin’ny Eokaristia amin’ny alalan’ny tanan’ny Pretra, amin’ny fomba tsy alatsa-dra sy ara-tsakramenta, mandra-piavin’ny Tenan’Izy Tompo[51].

1370.Amin’ny fanatitr’i Kristy, tsy ny rantsambatana mbola ety an-tany ihany no mikambana ao, fa koa ireo izay efa any amin’ny voninahitry ny lanitra : amin’ny fiombonana amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra sy amin’ny fahatsiarovana azy, ary koa amin’ny olomasina rehetra lehilahy sy vehivavy, no anoloran’ny Fiangonana ny soron’ny Eokaristia. Amin’ny Eokaristia ny Fiangonana, miaraka amin’i Maria, dia toy ny eo am-pototry ny Hazofijaliana, miombona amin’ny fanatitra sy amin’ny fanalalana ataon’i Kristy. 

1371.Ny sorona Eokaristika dia atolotra koa ho an’ny mpino efa nodimandry “izay maty tao amin’i Kristy ary tsy mbola voadio manontolo”[52], mba hahazoan’izy ireo miditra any amin’ny fahazavana sy ny fiadanan’i Kristy :

Aleveno any amin’izay toerana tianareo handevenana azy ity vatana ity ! Aza mikorontan-tsaina na manana ahiahy kely akory ny aminy ianareo ! Ny hany angatahiko aminareo, dia ny hahatsiarovanareo ahy eo amin’ny ˘telin’ny Tompo na aiza na aiza misy anareo[53].

Manaraka izany, mivavaka isika [ao amin’ny vavaka fisaorana (anaphore)] ho an’ireo Ray masina sy Eveka nodimandry, ary ankapobeny ho an’ireo rehetra izay nodimandry talohantsika, amim-pinoana fa hisy tombon-tsoa lehibe dia lehibe ho an’ny fanahy, ho an’ireo izay anolorana ny fitalahoana, raha mbola tsaroana eo ilay sorona masina sy mahatahotra tokoa. (…) Amin’ny fanolorana amin’Andriamanitra ny fitalahoantsika ho an’ireo izay nodimandry, na dia mpanota aza izy ireo, (…) manolotra an’i Kristy natao sorona noho ny fahotantsika isika, ka mahatonga fitahiana, ho azy ireo sy ho antsika, ilay Andriamanitra sakaizan’ny olombelona[54].

1372.Tamim-pomba mampitolagaga no namintinan’i Md Augustin ity fitambaram-pampianarana ity izay mandrisika antsika amin’ny fandraisana anjara feno mitombo hatrany hatrany amin’ny soron’ny Mpanavotra antsika izay ankalazaintsika amin’ny Eokaristia :

Ity tanÓna  navotana manontolo ity, izany hoe ny fiangonana sy ny fikambanan’ny olomasina, dia atolotra an’Andriamanitra ho sorona manenika an’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny Mpisorombe, naka ny endriky ny mpanompo, izay nandeha hatramin’ny nanolorany tena ho antsika tamin’ny fijaliany, mba hahatonga antsika ho vatan’ilay Filoha lehibe aok’izany. (…) Toy izao ny soron’ny kristianina : “Na maro aza, tsy misy afa-tsy vatana tokana ihany ao amin’i Kristy” (R˘m 12,5). Ary io sorona io, tsy mitsahatra mamerina izany ny Fiangonana ao amin’ny sakramentan’ny ˘tely fantatry ny mpino tsara, izay eo no ampisehoany azy fa ao amin’izay atolony, dia ny tenany mihitsy no atolotra[55].

Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Teniny sy ny Fanahy Masina

1373. “I Kristy Jesoa izay maty, nitsangan-ko velona, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, manalalana ho antsika” (R˘m 8,34), dia eo amin’ny Fiangonany amin’ny fomba maro[56] : ao amin’ny Teniny, ao amin’ny vavaky ny Fiangonany, eo amin’izay “iangonan’ny olona roa na telo amin’ny anarako” (Mt 18,20), ao amin’ny mahantra, ny marary, ny voafonja[57], ao amin’ny sakramentany izay Izy no mpamorona, ao amin’ny soron’ny lamesa sy ao amin’ny tenan’ny mpandraharaha masina. Nefa “amin’ny fara tampony indrindra, eo Izy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia[58]

1374. Tokana aman-tany ny fomba fisiana maha-eo an’i Kristy, amin’ny endriky ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. Asandrany ho ambonin’ny sakramenta rehetra ny Eokaristia ary ataony “ho fandavorariana ny fiainana ara-panahy sy ho tanjom-piafarana izay amin’izany no iompanan’ny sakramenta rehetra”[59]. Amin’ny sakramenta masina indrindra ny Eokaristia no “misy marina tokoa, tena izy tokoa ary ara-pisia-maha-izy tokoa ny Vatana sy ny Ra miaraka amin’ny fanahy sy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa-Kristy Tompontsika, koa noho izany, i Kristy iray manontolo[60]. “Antsoina hoe "tena misy marina " io fisiana maha-eo io, tsy hoe fiantsoana manokana, tahaka ny hoe tsy "tena misy marina" ny maha-eo hafa, fa amin’ny fomba ambony dia ambony satria fisia-maha-izy manontolo izany, ary amin’ny alalan’izany i Kristy, Andriamanitra sady olombelona, no eo manontolo tanteraka”[61].

1375.Amin’ny fiovÓn’ny mofo sy divay ho Vatana sy ho Ran’i Kristy no manjary amin’io sakramenta io ny fisiana maha-eo an’i Kristy. Nanantitrantitra mafy ny finoan’ny Fiangonana ny Aban’ny Fiangonana ny amin’ny fandairan’ny Tenin’i Kristy sy ny asan’ny Fanahy Masina mba hanatanteraka io fiovÓna io. Izany no anambarÓn’i Md Jean Chrysostome hoe :

Tsy ny olombelona no mahatonga ireo zavatra atolotra ho zary Vatana sy Ran’i Kristy, fa  Izy Kristy mihitsy izay nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana ho antsika. Ny Pretra, endrik’i Kristy, no manonona ireo teniny, fa ny fandairany sy ny fahasoavana dia avy amin’ Andriamanitra. Ity no Vatako, hoy Izy. Io teny io no manova ireo zavatra atolotra[62].

Ary izao no nolazain’i Md Ambroise ny amin’io fiovÓna io :

Aoka isika hiaiky “fa tsy toy ny namoronana ny zavaboary izy ity, fa izay nohamasinin’ny vavaka fisaorana, ary ny herin’ny vavaka fisaorana no mandresy ny an’ny zavaboary, satria amin’ny alalan’ny vavaka fisaorana no miova ny tenan’ny zavaboary (…)”[63]. Moa ve ny tenin’i Kristy izay afaka namorona avy amin’ny tsy misy an’izay tsy nisy akory, tsy ho afaka koa manova ny zavatra misy amin’izay tsy mbola misy ao aminy ? Satria tsy lehibe noho ny mampisy amin’ny zavatra ny toetrany voalohany ny manova azy[64].

1376.Mamintina ny finoana kat˘lika ny K˘nsily tao Trente amin’ny fanambarÓna hoe : “Satria i Kristy, Mpanavotra antsika, nilaza fa izay natolony tamin’ny endriky ny mofo dia Vatany marina tokoa, ka tanana lalandava ao amin’ny Fiangonana izany fiekena izany, izay ambaran’ny K˘nsily masina indray fa : amin’ny alalan’ny fanamasinana ny mofo sy ny divay no tanteraka ny fiovÓn’ny fisia-maha-izy manontolo ny mofo ho amin’ny fisia-maha-izy ny Vatan’i Kristy Tompontsika, ary ny fisia-maha-izy manontolo ny divay ho amin’ny fisia-maha-izy ny Rany ; io fiovÓna io no antsoin’ny Fiangonana kat˘lika ara-drariny sy tena marina hoe : fiovÓm-pisia-maha-izy[65].

1377.Ny fisiana maha-eo an’i Kristy amin’ny Eokaristia dia manomboka amin’ny fotoanan’ny fankamasinana, ary maharitra ela izany raha mbola maharitra koa ny fisia-maha-izy ny mofo sy ny divay amin’ny Eokaristia. I Kristy dia amin’ny fisia-maha-izy manontolo ny tsirairay amin’ny mofo sy ny divay, sy amin’ny fisia-maha-izy manontolo ny tsirairay amin’ny sombiny avy,  hany ka tsy manasaraka an’i Kristy ny famakiana ny mofo[66].

1378. Ny fanajana am-bavaka ny Eokaristia. Ao amin’ny litorzian’ny lamesa no anehoantsika ny finoantsika ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, ohatra amin’izany, amin’ny fandohalihana, na amin’ny fiondrehana ambany dia ambany ho famantarana ny fitsaohana ny Tompo. “Naverin’ny Fiangonana kat˘lika ary tohizany averina io fomba fitsaohana izay tsy maintsy ataony amin’ny sakramentan’ ny Eokaristia io, tsy mandritra ny lamesa ihany fa koa ivelan’ny fankalazana azy : amin’ny fitahirizana amim-pitandremana fatratra ny h˘stia voahasina, amin’ny fampisehoana azy amin’ny mpino mba hanajan’ izy ireo azy amin’ny fomba manetriketrika, amin’ny fitondrana azy amin’ny vavaka eny am-pandehanana”[67].

1379. Ny fitahirizana masina (tabernakla) dia voalohany indrindra natao hitahirizana amim-panajana ny Eokaristia mba hahafahana mitondra azy ivelan’ny lamesa ho an’ireo marary sy ireo tsy tonga. Noho ny fandalinana ny finoana ny amin’ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny Eokaristiany, no nahalalan’ny Fiangonana ny hevitry ny fitsaohana mangina ny Tompo ao amin’ny endrika Eokaristika. Izany no tokony hametrahana ny tabernakla eo amin’ny toerana manokana mendrika ao am-piangonana ; tokony haorina izy mba hitarika ny saina sy hampiseho ny fahamarinan’ny fisiana maha-eo marina tokoa an’i Kristy amin’ny sakramenta masina.

1380. Mendrika mihitsy ny nanirian’i Kristy hitoetra ao amin’ny Fiangonany amin’ity fomba tokana aman-tany ity. Noho i Kristy nandao ireo mpianany amin’ny endrika hita maso, dia sitrany ny nanome antsika ny fisiana maha-eo Azy ara-tsakramenta ; noho Izy nanolo-tena teo amin’ny Hazofijaliana mba hamonjy antsika, dia sitrany ny hananantsika ny tsangambato fahatsiarovana ny fitiavana izay nitiavany antsika “hatramin’ny farany” (Jo 13,1), hatramin’ny fahafoizany ny ainy. Noho izany, amin’ny fisiana maha-eo Azy amin’ny Eokaristia, dia mitoetra amin’ny fomba mistery eo anivontsika Izy, tahaka ilay izay nitia antsika sy nanolo-tena ho antsika[68], ary mitoetra amin’izany ao amin’ireo famantarana, izay mampiseho sy mampita izany fitiavana izany Izy :
Ny Fiangonana sy izao tontolo izao dia mila tokoa ny fanajana am-bavaka ny Eokaristia. Miandry antsika ao amin’izany sakramentan’ny fitiavana izany i Jesoa. Aza lavintsika ny fotoana mba handehanana hihaona Aminy amin’ny fitsaohana, amin’ny fibanjinana feno finoana sy mivelatra hanonitra ny fahotana lehibe sy ny fandikan-dalÓnan’izao tontolo izao. Enga anie ka tsy hitsahatra na oviana na oviana ny fitsaohantsika Azy[69].
1381. “Ny fisian’ny Vatana marin’i Kristy sy ny Ra marin’i Kristy amin’ity sakramenta ity, dia "tsy amin’ny fandrenesana velively no ahafatarana izany, hoy i Md Thomas, fa amin’ny alalan’ny finoana irery, izay miankina amin’ny fahefan’Andriamanitra". Noho izany, amin’ny fanazavana ny lahatsoratr’i Md Lioka 22,19 hoe : "Ity no vatako izay hatolotra ho anareo", dia manambara i Md Cyrille hoe : "Aza manontany tena raha marina izany, fa aleo mandray amim-pinoana ireo tenin’ny Tompo ireo, satria Izy, ilay Fahamarinana, tsy mba mandainga"[70]” :

Mitsaoka Anao fatratra aho, ry Andriamanitra miafina,
misy eo marina tokoa amin’ireo endri-javatra ireo ;
Aminao no itokian’ny foko manontolo
satria amin’ny fibanjinana Anao, reraka manontolo izy.

Ny fahitana, ny fandrenesan-tsiro,  ny fahatsapana, tsy mahatratra Anao :
amin’izay teny heno ihany no tsy maintsy hitokiana ;
mino izay rehetra nolazain’ny Zanak’Andriamanitra aho ;
tsy misy marina tokoa na iray aza noho io tenin’ny Fahamarinana io.

 

VI. Ny fanasam-be momba ny Paka 

1382.Ny lamesa dia sady tsangambato fahatsiarovana ny sorona izay ao amin’izany no hitohizan’ny sorona teo amin’ny Hazofijaliana, sy ny fanasam-be masin’ny fiombonana amin’ny Vatana sy amin’ny Ran’ny Tompo ; tsy azo sarahina ireo. Kanefa ny fankalazana amin’ny sorona Eokaristika dia mitodika manontolo any amin’ny firaisana lalin’ny mpino amin’i Kristy amin’ny alalan’ny k˘monio. Ny mandray k˘monio dia ny mandray ny Tenan’i Kristy mihitsy izay nanolo-tena ho antsika.

1383. Ny ˘tely, izay manodidina izany ny Fiangonana no miara-miangona amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia maneho  ireo endrika roa an’ny mistery iray ihany : ny ˘telin-tsorona sy ny latabatry ny Tompo, sady izao indrindra, ny ˘tely kristianina dia fanehoana an’ohatra ny Tenan’i Kristy mihitsy, eo anivon’ny fiaraha-miangona ataon’ny mpino Azy, ka sady tena sorona atolotra ho an’ny fampihavanana antsika no tena sakafo any an-danitra izay manolo-tena ho antsika. “Koa inona izany fa tsy sarin’ny Vatan’i Kristy ny ˘telin’i Kristy ?”, hoy i Md Ambroise[71], ary ankoatra izany : “Mampiseho an-tsary ny Vatan’ [i Kristy] ny ˘tely, ary ny Vatan’i Kristy no eo ambony ˘tely”[72]. Mampiseho io firaisan’ny sorona sy ny k˘monio io ao amin’ny vavaka maro be ny litorzia. Ny Fiangonan’i R˘ma dia mivavaka toy izao ao amin’ny vavaka fisaorany :

Mitalaho an-tanan-droa Aminao izahay, ry Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra : [ity fanatitra ity] anie hoentin’ny anjelinao eo anatrehan’ny voninahitrao, eo amin’ny ˘telinao any an-danitra, ka amin’ny fandraisana eto, amin’ny alalan’ny k˘monio eo amin’ny ˘tely, ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, dia hoheniky ny fahasoavanao sy ny tsodranonao izahay[73].

“Samia mandray sy mihinana amin’ity ianareo rehetra” : ny k˘monio 

1384.Miangavy antsika amin’ny fanasana maika ny Tompo  mba handray Azy amin’ny  sakramentan’ny Eokaristia: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy hanana ny fiainana ao aminareo” (Jo 6,54). 

1385.Mba hamaliana io fanasana io, dia tsy maintsy miomana isika amin’izany fotoan-dehibe tokoa sy masina indrindra izany. Mamporisika antsika handinin-tena i Md Paoly : “Na zovy na zovy mihinana ity mofo ity na misotro ity kalisin’ny Tompo ity tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo. Aoka Óry handinin-tena ny olona, izay vao hihinana ity mofo ity sy hisotro ity kalisy ity ; fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny Vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany” (1 K˘r 11,27-29). Koa izay mahatsiaro tena fa manam-pahotana lehibe, dia tsy maintsy mandray ny sakramentan’ ny Fampihavanana alohan’ny hirosoana amin’ny k˘monio.

1386.Eo anatrehan’ny fiambonian’ity sakramenta ity, ny mpino dia tsy afa-manao na inona na inona afa-tsy ny mamerina amim-panetren-tena sy miaraka amin’ny finoana mirehidrehitra ny tenin’ilay Tomponjato[74] hoe : “Domine, non sum dignus, ut intres sub tectum meum, sed tantum dic verbum, et sanabitur anima mea” (“Tompo ˘, tsy mendrika hidiranao Anao ato amiko aho, fa manon˛na teny iray ihany, dia ho sitrana ny fanahiko”[75]). Ary ao amin’ny litorzia Masin’i Md Jean Chrysostome, mivavaka ao anatin’ny fiombonam-panahy ny mpino hoe :

Ry Zanak’Andriamanitra ˘ ! ataovy miombona anjara amin’ny sakafonao mistika aho anio ! Satria tsy hanambara ny Tsiambaratelo amin’ny fahavalonao aho, na hanome Anao ny orok’i Jodasy. Fa tahaka ilay jiolahy, dia miteny Aminao aho hoe : Tompoko, tsarovy aho, any amin’ny fanjakanao[76].
1387.Mba hiomanana amin’ny fomba mendrika handray ity sakramenta ity, ny mpino dia hitandrina ny fifadian-kanina voadidy ao amin’ny Fiangonan’izy ireo[77]. Ny fihetsika aseho  (fihetsiky ny tena, fitafiana) no haneho ny fanajana, ny fanetriketrehana, ny hafaliana amin’io fotoana izay i Kristy no tonga mpampiantrano antsika io.

1388.Mifanaraka amin’ny hevitra raketin’ny Eokaristia rahateo, ireo mpino, raha manana ny toe-panahy ilaina, mandray k˘monio rahefa mandray anjara amin’ny lamesa izy ireo[78] : “Hafarana mafy ny mpino mba handray anjara amin’ny Lamesa amin’ny fomba lavorary kokoa, amin’ny fandraisana koa ny Vatan’ny Tompo amin’io sorona io ihany, aorian’ny k˘monion’ny Pretra”[79]

1389.Didian’ny Fiangonana ny mpino handray anjara amin’ny litorzia masina, ny alahady sy ny andro fety[80] ary handray ny Eokaristia fara fahakeliny indray maka  isan-taona, ary raha azo atao, amin’ny fotoanan’ny Paka[81], rahefa voaomana tamin’ny fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana. Kanefa amporisihan’ny Fiangonana mafy ny mpino mba handray ny Eokaristia masina ny alahady sy ny andro fety, na mbola matetika kokoa, na isan’andro aza.

1390.Noho ny fisiana maha-eo ara-tsakramenta an’i Kristy, amin’ny iray amin’ireo endrika, ny fandraisana k˘monio amin’ny endriky ny mofo ihany dia ahafahana mandray ny vokatra manontolo ny fahasoavan’ny Eokaristia. Noho ny antony ara-past˘raly, ity fomba fandraisana k˘monio ity, dia efa noraiketina ho ara-dalÓna, ho ny fomba mahazatra ao amin’ny fombam-pivavahana latinina. “Ny k˘monio masina dia manatanteraka amin’ny fomba feno fatra ny endrika maha-famantarana azy, rahefa raisina amin’ny endriny roa izy. Satria amin’io endrika io, ny famantarana ny fanasam-be amin’ny Eokaristia dia mihamazava manontolo kokoa”[82]. Izany no fomba mahazatra  handraisana ny k˘monio any amin’ny fombam-pivavahana tatsinanana.

Ny vokatry ny k˘monio 

1391.Mampitombo mafy ny firaisantsika amin’i Kristy ny k˘monio. Ny mandray ny Eokaristia amin’ny k˘monio, no mampamokatra be ny firaisana lalina amin’i Kristy Jesoa. Satria hoy ny Tompo : “Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ato Anatiko ary Izaho ao anatiny” (Jo 6,57). Ao amin’ny fanasam-be Eokaristika no ahitana ny fototra iorenan’ ny fiainana ao amin’i Kristy : “Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray ; toy izany koa no hahavelona Amiko izay mihinana Ahy” (Jo 6,58).

Rahefa mandray ny Vatan’ny Zanaka amin’ny fetin’ny Tompo ny mpino, dia mifampilaza ny Vaovao Mahafaly izy ireo, izay ny antoky ny fiainana no nomena, tahaka ny rahefa nilaza tamin’i Maria Madelenina ny anjely hoe : “Nitsangan-ko velona i Kristy !” Indro fa ankehitriny koa ny fiainana sy ny fitsanganan-ko velona no omena an’ilay izay mandray an’i Kristy[83].

1392.Tahaka ny hamokaran’ny  ventin-tsakafo eo amin’ny fiainantsika ara-batana, no hanatanterahan’ny k˘monio izany amin’ny fomba mahagaga ao amin’ny fiainantsika ara-panahy. Ny fiombonana amin’ny Nofon’i Kristy nitsangan-ko velona, “velomin’ny Fanahy Masina sy mamelon’aina”[84] no mitahiry tsy ho simba, mampitombo hery ary manavao ny aim-pahasoavana noraisina tamin’ny Batemy. Izany fitombon’ny fiainana kristianina izany dia mila hovelomina amin’ny alalan’ny k˘monion’ny Eokaristia, mofon’ny fivahiniantsika, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny fahafatesana, izay homena antsika ho vatsy masina eny an-dalana. 

1393.Ny k˘monio manasaraka antsika amin’ny fahotana. Ny Vatan’i Kristy izay raisintsika amin’ny k˘monio dia “natolotra ho antsika”, ary ny Ra izay sotrointsika dia “nalatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana”. Noho izany, ny Eokaristia tsy afaka hampiray antsika ao amin’i Kristy raha tsy sady manadio antsika amin’ny fahotana natao no miaro antsika amin’ny fahotana ho avy :

“Isaky ny mandray Azy isika, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo”[85]. Raha manambara ny fahafatesan’ny Tompo isika, dia manambara ny famelana ny fahotana. Raha, isaky ny latsaka ny Rany, latsaka izy ho famelana ny fahotana, tokony handray azy lalandava aho, mba hamelany lalandava ny fahotako. Izaho izay manota lalandava, dia tokony hanana fanafody lalandava[86].

1394.Tahaka ny sakafom-batana ilaina mba hamerina ny fahaverezan-kery, dia toy izany koa, ny Eokaristia no manamafy ny fifankatiavana izay mitady hihaosa, eo amin’ny fiainana andavanandro ; ary izany fifankatiavana mamelon’aina izany no mamafa ny fahotana madinika[87]. Tamin’ny nanomezany ny Tenany ho antsika i Kristy no mamelombelona ny fitiavantsika sy mahatonga antsika ho afaka mandrava ny firaiketam-po tsy mandeha amin’ny laoniny amin’ny zavaboary ary hampiorim-paka antsika ao Aminy :

Satria maty ho antsika noho ny fitiavana i Kristy, rahefa mahatsiaro ny fahafatesany isika amin’ny fotoanan’ny sorona dia mangataka mba homena antsika amin’ny alalan’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina ny fitiavana ; mangataka amin’ny alalan’ny fivavahana isika mba hananantsika ilay fitiavana izay nahatonga an’i Kristy nanaiky hofantsihana ho antsika. Isika koa, noho ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, dia afaka mihevitra fa ny tenantsika mihitsy no voafantsika ho an’izao tontolo izao, ary ny an’izao tontolo izao ho toy ny voafantsika ho antsika. (…) Noho isika nandray ny fanomezam-pitiavana, aoka isika ho faty ny amin’ny fahotana ary ho velona ho an’Andriamanitra[88].

1395.Amin’izany fifankatiavana izany ihany izay ampirehetiny ao amintsika no iarovan’ny Eokaristia antsika amin’ny fahotana mahafaty ho avy. Arakaraka ny andraisantsika anjara amin’ny fiainan’i Kristy sy arakaraka ny androsoantsika amin’ny fisakaizana Aminy, no mahasarotra ho antsika ny misaraka Aminy amin’ny fanaovana fahotana mahafaty. Tsy natokana ho famelana ny fahotana mahafaty tsy akory ny Eokaristia. Natokana ho an’ny sakramentan’ny Fampihavanana izany. Ny toetra manokana an’ny Eokaristia dia ny maha-sakramentan’ireo izay ao anatin’ny fiombonana tanteraka amin’ny Fiangonana.

1396.Ny maha-iray ny Vatana mistika : maha-Fiangonana ny Eokaristia. Ireo izay mandray ny Eokaristia dia miray bebe kokoa amin’i Kristy. Amin’ izany koa, i Kristy no mampiray azy ireo amin’ny mpino rehetra ho vatana iray ihany : ny Fiangonana. Ny k˘monio no manavao, manamafy, mandalina izany fampikambanana amin’ny Fiangonana izany izay efa tanteraka tamin’ny Batemy. Tamin’ny Batemy isika no voantso hiforona ho vatana iray ihany[89]. Ny Eokaristia no manatanteraka io antso io : “Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va ? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Vatan’i Kristy va ? Satria tsy misy afa-tsy iray ihany ny mofo, ka dia vatana iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra” (1 K˘r 10,16-17) : 

Raha ianareo no Vatan’i Kristy sy rantsambatany, dia ny sakramentanareo izany no ilay apetraka eo ambonin’ny latabatry ny Tompo, ny sakramentanareo no raisinareo. “Amen” (“Eny, marina izany !”) no avalinareo an’izay raisinareo, ary izany no ekenareo amin’ny fanomezana valin-teny. Maheno ity teny ity ianao hoe : “Ny Vatan’i Kristy” ary mamaly ianao hoe : “Amen.” Aoka Óry ho rantsambatan’i Kristy ianao mba ho marina ny Amen avalinao[90].
1397.Miteraka adidy aman’andraikitra manoloana ny mahantra ny Eokaristia. Mba handraisana amim-pahamarinana ny Vatana aman-dRan’i Kristy natolotra ho antsika, tsy maintsy mamantatra an’i Kristy eo amin’ireny mahantra indrindra rahalahiny ireny isika[91] :

Nankafy ny Ran’ny Tompo ianao fa tsy mahafantatra akory na dia ny rahalahinao aza. Manala baraka io latabatra io mihitsy ianao, amin’ny fiheveranao fa tsy mendrika hiombona sakafo aminao ilay izay heverina ho mendrika handray anjara amin’io latabatra io. Nanafaka anao tamin’ny fahotanao rehetra Andriamanitra sy nanasa anao hankao. Nefa izato ianao kosa, tsy mba niezaka akory ho antra olona[92].

1398.Ny Eokaristia sy ny firaisan’ny kristianina. Manoloana ny halehiben’izany mistery izany, loa-bava i Md Augustin hoe : “Ry sakramentan’ny fitiavam-bavaka ˘ ! Ry famantarana ny firaisana ˘ ! ry fehin’ny fitiava-namana ˘ ![93] Mampandre mangirifiry indrindra ny fisaraham-bazana misy eo amin’ny Fiangonana izay mandrava ny fandraisana anjara iombonana amin’ny latabatry ny Tompo, ka maika dia maika indrindra koa ny vavaka amin’ny Tompo mba hiverenan’ny androm-piraisana tanteraka iraisan’ireo rehetra izay mino Azy.

1399.Ny Fiangonana tatsinanana izay tsy dia miombona tanteraka amin’ny Fiangonana kat˘lika dia mankalaza ny Eokaristia amim-pitiavana lehibe tokoa. “Ireny Fiangonana ireny,  na dia tafasaraka aza, dia manana sakramenta marina tokoa, - indrindra indrindra, noho ny fifandimbiasana maha-ap˘st˘ly : ny maha-Mpisorona sy ny Eokaristia, - izay mampiray lalina azy ireo amintsika”[94]. Izay iombonana marina amin’ny zava-masina (in sacris), ao amin’ny Eokaristia izany, dia “tsy hoe azo tanterahina fotsiny, fa amporisihana mihitsy, amin’ny toe-javatra manamora  izany, miaraka amin’ny fankatoavan’ny manam-pahefan’ ny Fiangonana”[95]

1400.Ny vondrom-piangonana nipoitra avy amin’ny Fanavaozana, tafasaraka tamin’ny Fiangonana kat˘lika, “indrindra noho ny tsy fisian’ny sakramentan’ny Filaharana, dia tsy mitahiry ny fisia-maha-izy manokana sy manontolo ny mistery Eokaristika”[96]. Noho izany antony izany, ho an’ny Fiangonana kat˘lika, tsy mety ny fiombonana k˘monio amin’ny Eokaristia miaraka amin’ireny vondrom-piangonana ireny. Kanefa, ireny vondrom-piangonana ireny, “rahefa manao fahatsiarovana ao amin’ny Sakafo masin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny Tompo ho velona, dia manambara ampahibemaso fa mifototra amin’ny fiombonana amin’i Kristy ny fiainana ary miandry ny fiverenany amim-boninahitra”[97].

1401.Raha misy anton-javatra lehibe manery dia manery, araka ny fahaiza-mandanjalanjan’ny manam-pahefana andavanandro eo an-toerana, ny mpandraharaha masina kat˘lika dia mahazo manome ny sakramenta (Eokaristia, Fivalozana, Fanosorana ny marary) ho an’ny kristianina hafa izay tsy miombona tanteraka amin’ny Fiangonana kat˘lika, nefa mangataka izany araka ny nahim-pony izy ireo : raha izany, tsy maintsy maneho ny finoana kat˘lika mikasika ireo sakramenta ireo izy ireo ary tsy maintsy mahatsiaro tena hanatanteraka ny fepetra ilaina[98].

VII. Ny Eokaristia – “antoky ny voninahitra ho avy” 

1402.Ao amin’ny vavaka tranainy iray, manambara an-kafaliana ny misterin’ny Eokaristia ny Fiangonana hoe : “Ry fanasam-be masina ˘, ianao no misy an’i Kristy sakafonay, ianao no mamelombelona ny fahatsiarovana ny fijaliany, ianao no mameno ny fahasoavana ny fanahinay, ianao no manome anay  ny  antoky ny fiainan-ko avy”[99]. Raha tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo ny Eokaristia, raha noho ny fiombonantsika eo amin’ny ˘tely no mahahenika antsika ny “tsodrano rehetra any an-danitra sy ny fahasoavana”[100], dia fisantarana koa ny voninahitry  ny lanitra ny Eokaristia.

1403.Tamin’ny Sakafo farany, ny Tenan’Izy Tompo mihitsy no nampitodika ny fijerin’ny mpianany ho amin’ny fahatanterahan’ny Paka any amin’ny fanjakan’Andriamanitra : “Lazaiko aminareo, tsy hisotro intsony avy amin’ity vokatry ny voaloboka ity Aho mandra-pahatongan’ny andro izay hisotroako miaraka aminareo ny divay vaovao any amin’ny Fanjakan’ny Raiko” (Mt 26,29)[101]. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia ny Fiangonana, dia mahatsiaro izany fampanantenana izany ary mampitodika ny fijeriny any amin’Ilay “izay ho avy” (Ap˘k 1,4). Amin’ny fivavahany, miantso ny fahatongavany izy : “Marana tha” (1 K˘r 16,22), “Tongava, ry Jesoa Tompo” (Ap˘k 22,10), “Ho tonga anie ny fahasoavanao ary handalo anie izao tontolo izao!”[102] 

1404.Mahafantatra ny Fiangonana, hatramin’izao, fa tonga amin’ny Eokaristiany  ny Tompo, ary ao Izy sy eo anivontsika. Kanefa, takona io fisiana maha-eo io. Izany no ankalazantsika ny Eokaristia eo “am-piandrasana ny hasambarana nampanantenaina sy ny fiavian’i Jesoa-Kristy Mpamonjy antsika”[103], sy eo am-pangatahana “mba ho heniky ny voninahitrao, any amin’ny Fanjakanao, miaraka avokoa sy ho mandrakizay, rahefa hofaohanao avokoa ny ranomaso rehetra amin’ny tavanay ; eo am-pahitana Anao, Ianao Andriamanitray, araka ny maha-Ianao Anao, dia hitovy endrika Aminao mandrakizay izahay, ary tsy hitsahatra izahay hihira ny fiderana Anao, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay”[104].

1405.Avy amin’izany fanantenana lehibe izany, fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana[105], dia tsy manana antoka tena marina sy famantarana tena miharihary, afa-tsy ny Eokaristia isika. Noho izany, isaky ny ankalazaina io mistery io, dia “mamokatra ny tsanganasam-panavotana antsika”[106], ary isika “no mamaky ny mofo iray ihany izay fanafodin’ny tsy fahafatesana, fanefitra mba tsy ho faty, fa mba ho velona ao amin’i Jesoa-Kristy mandrakizay”[107].

 

FAMINTINANA

1406.Hoy i Jesoa : Izaho no mofo velona, nidina avy any an-danitra. Izay hihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay (…). Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay (…) mitoetra ao Anatiko izy, ary Izaho ao anatiny (Jo 6,51.52.55.57).

1407.Ny Eokaristia no foibe sy tampon’ny fiainan’ny Fiangonana, satria ao aminy i Kristy no mamondrona ny Fiangonany sy ny rantsambatany rehetra amin’ny sorom-piderany sy fisaorana natolony indray mandeha monja teo amin’ny Hazofijaliana tamin’ny Rainy ; amin’ny alalan’io sorona io no androtsahany ny fahasoavam-pamonjena eo amin’ny Vatany, dia ny Fiangonana izany.

1408.Ny fankalazana ny Eokaristia dia mirakitra lalandava : ny fanambarÓna ny Tenin’Andriamanitra, ny fisaorana an’Andriamanitra Ray noho ny soa maro be nataony, indrindra noho ny fanomezany ny Zanany, ny fanamasinana ny mofo sy ny divay ary ny fandraisana anjara amin’ny fanasam-be ara-litorzia amin’ny fandraisana ny Vatana aman-dRan’ny Tompo. Ireo singafototra ireo no manorina asam-pivavahana tokana sy mitovy ihany.

1409.Tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’i Kristy ny Eokaristia : izany hoe ny tsanganasam-pamonjena notontosaina tamin’ny fiainan’i Kristy, ny fahafatesany ary ny fitsanganany ho velona, tsanganasam-pamonjena manjary eo amin’ny asa litorzika.

1410.Ny Tenan’i Kristy mihitsy, Mpisorombe mandrakizay amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay miasa amin’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, no manolotra ny sorona eokaristika. Ary mbola io Kristy io ihany izay tena misy eo marina tokoa amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, no fanatitry ny sorona eokaristika.

1411.Ny Pretra nohamasinina ara-dalÓna no hany mahazo mitarika ny fankalazana ny Eokaristia sy manamasina ny mofo sy ny divay mba hanjary Vatana sy Ran’ny Tompo ireo.

1412.Ny famantarana tena ilaina amin’ny sakramentan’ny Eokaristia, dia ny mofo vita amin’ny varimbazaha sy ny divay avy amin’ny voaloboka, izay amin’ireo no iantsoana ny tsodranon’ny Fanahy Masina ary tononin’ny Pretra ny teny fankamasinana nolazain’i Jesoa nandritra ny sakafo farany : Ity no Vatako hatolotra ho anareo … Ity no kalisy misy ny Rako …

1413.Amin’ny fankamasinana no tanteraka ny fiovam-pisia-maha-izy ny mofo sy ny divay ho Vatana aman-dRan’i Kristy. Izy Kristy mihitsy, velona sy be voninahitra, tsy hita mivantana amin’ny endriky ny mofo sy ny divay voahasina, no misy eo amin’ny fomba marina tokoa, tena izy tokoa  ary ara-pisia-maha-izy tokoa ny Vatany sy ny Rany, miaraka amin’ny fanahiny sy ny maha-Andriamanitra Azy[108].

1414.Amin’ny maha-sorona  ny Eokaristia, dia atolotra koa izy ho fanonerana ny fahotan’ny velona sy ny nodimandry, ary mba hahazoana avy amin’Andriamanitra ny soa ara-panahy na ara-nofo.

1415.Izay te handray an’i Kristy amin’ny k˘monion’ny Eokaristia, dia tsy maintsy ao anatin’ny toe-panahy voavela heloka. Izay olona mahatsiaro tena fa manana fahotana mahafaty, dia tsy mahazo miroso amin’ny Eokaristia izy raha tsy efa nahazo mialoha ny famotsoran-keloka tamin’ny sakramentan’ny Fivalozana.

1416.Ny fiombonana masina amin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy dia mampitombo ny firaisan’ny mpandray amin’ny Tompo, manafaka azy amin’ny fahotana madinika sy miaro azy amin’ny fahotana lehibe. Noho ny fatoram-pifankatiavana mihamafy hery eo amin’ny mpandray sy i Kristy, ny fandraisana an’ity sakramenta ity dia manamafy ny firaisan’ny Fiangonana, Vatana-mistikan’i Kristy.

1417.Ampirisihan’ny Fiangonana fatratra ny mpino mba handray ny k˘monio masina rahefa mandray anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia izy ireo ; didiany izy ireo hanao izany fara fahakeliny indray maka isan-taona.

1418.Satria ny Tenan’i Kristy mihitsy no misy eo amin’ny sakramentan’ny ˘tely, tsy maintsy hajaina amin’ny fombam-pivavahana fitsaohana Izy. Ny famangiana ny Sakramenta Masina Indrindra no porofom-pankasitrahana, famantaram-pitiavana ary adidim-pitsaohana amin’i Kristy Tompontsika[109].

1419.I Kristy, tamin’ny fialany teto amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, no nanome antsika ao amin’ny Eokaristia ny antoky ny voninahitra eo Akaikiny : ny fandraisana anjara amin’ny Sorona Masina no mampitovy antsika amin’ny Fony, manohana ny herintsika mandritra ny fivahiniana eto amin’ity fiainana ity, mahatonga antsika haniry ny Fiainana mandrakizay ary efa mampiray antsika amin’ny Fiangonan’ny Lanitra, amin’i Masina Maria Virjiny ary amin’ny Olomasina rehetra.

 
 
[1] L. 47.
[2]FF 11.
[3]RFP 5.
[4]CdR, instr. "Eucharisticum mysterium" 6
[5]Md IrÚnÚe, haer. 4,18,5.
[6] jer. 1 K˘r 11,20.
[7] jer. Ap˘k 19,9.
[8] jer. Mt 14,19 ; 15,36 ; Mk 8,6.19.
[9] jer. Mt 26,26 ; 1 K˘r 11,24.
[10] jer. Lk 24,13-35.
[11] jer. Asa 2,42.46 ; 20,7.11.
[12] jer. 1 K˘r 10,16-17.
[13] jer. 1 K˘r 11,17-34.
[14] jer. Sal 116,13.17.
[15] jer. 1 Pi 2,5.
[16] jer. Mal 1,11.
[17] jer. 1 K˘r 10,16-17.
[18] jer. Const. Ap. 8,13,12 ; DidachÚ 9,5 ; 10,6.
[19]Md Ignace d’Antioche, Eph.20,2.
[20] jer. Sal 104,13-15.
[21] jer. MR, Canon Romain 95 : "Supra quae".
[22] jer. Det 8,3.
[23] jer. Mt 14,13-21 ; 15,32-39.
[24] jer. Jo 2,11.
[25] jer. Mk 14,25.
[26] jer. Jo 13,1-17.
[27]K˘ns. Trente : DS 1740.
[28] jer. Jo 6.
[29] jer. Mt 26,17-29 ; Mk 14,12-25 ; 1 K˘r 11,23-25.
[30] AFF 1.
[31]Md Justin, apol. 1, 67.
[32]Md Justin, apol. 1,65.
[33]L 56.
[34] jer. FA 21.
[35] jer. Lk 24,13-35.
[36] jer. 1 Tes 2,13.
[37]Md IrÚnÚe, haer. 4,18,4 ; jer. Mal 1,11.
[38] jer. 1 K˘r 16,1.
[39] jer. 2 K˘r 8,9.
[40]Md Justin, apol. 1,67.
[41] jer. MR, Canon Romain 90.
[42] jer. Md Justin, apol. 1,65.
[43]Md Justin, apol. 1,66.
[44] jer. Eks 13,3.
[45] jer. Heb 7,25-27.
[46]FF 3.
[47]K˘ns. Trente : DS 1740.
[48]K˘ns. Trente : DS 1743.
[49]Ibid.
[50]Md Ignace d’Antioche, Smyrn. 8,1.
[51]RFP 2.
[52]K˘ns. Trente : DS 1743.
[53] Tenin’i Mb Monique, talohan’ny nahafatesany, tamin’i Md Augustin sy ny rahalahiny : conf. 9,11,27.
[54]Md Cyrille de JÚrusalem, catech. myst. 5,9.10.
[55] Md Augustin in Civ. 10,6.
[56] jer. FF 48.
[57] jer. Mt 25,31-46.
[58]L 7.
[59]Md Thomas d’A., s.th. 3,73,3.
[60]K˘ns. Trente : DS 1651.
[61]MF.
[62] Md Jean Chrysostome in Prod. Jud. 1,6.
[63]Md Ambroise in Myst. 9,50.
[64] Md Ambroise in Myst 9,52.
[65]DS 1642.
[66] jer. K˘ns. Trente : DS 1641.
[67]MF.
[68] jer. Gal 2,20.
[69]Joany Paoly II, 1. "Dominicae cenae" 3.
[70]Paoly VI, MF ; jer. Thomas d’A., s. th. 3,75,1 ; Md Cyrille d’Alexandrie, Luc 22,19.
[71] Md Augustin in Sacr. 5,7.
[72] Md Augustin in Sacr. 4,7.
[73]Prex eucharistica I seu Canon Romanus, 96.
[74] jer. Mt 8,8.
[75]Ritus communionis, 133.
[76]Liturgia byzantina Anaphora Iohannis chrysostomi.
[77] jer. CIC, can. 916-917.
[78]"Ao anatin’ny iray andro, afaka mandray indroa ny K˘monio Masina indrindra ny mpino, ary indroa ihany" (Pontificia Commissio Codicis Iuris Canonici Anthentiae interpretando. Responsa ed proposite dubio 1).
[79]L 55.
[80] jer. FTK 15.
[81] jer. CIC, can. 920.
[82]IGMR 240.
[83]Fanqţth, Office syriaque d’Antioche, volume 1. Commun, 237a-b.
[84]RFP 5.
[85] jer. 1 K˘r 11,26.
[86]Md Ambroise, sacr. 4,28.
[87] jer. K˘ns. Trente : DS 1638.
[88]Md Fulgence de Ruspe, Fab. 28,17.
[89] jer. 1 K˘r 12,13.
[90]Md Augustin, serm. 272.
[91] jer. Mt 25,40.
[92]Md Jean Chrysostome, hom. In 1 Cor 27,5.
[93] Md Augustin in Ev. Jo 26,13; jer. L 47.
[94]EK 15.
[95]EK 15 ; jer. CIC, can. 844, ž 3.
[96]EK 22.
[97]EK 22.
[98] jer. CIC, can. 844, ž 4.
[99]In solemnitite SS. mi corporis et sanguinis christi.
[100]MR, Canon Romain 96 : "Supplices te rogamus".
[101] jer. Lk 22,18 ; Mk 14,25.
[102]DidachÚ 10,6.
[103] Tohim-bavaka aorian’ny Rainay ; jer. Tito 2,13.
[104]MR, vavaka fisaorana III, 116 : vavaka ho an’ny nodimandry.
[105] jer. 2 Pi 3,13.
[106]FF 3.
[107]Md Ignace d’Antioche, Eph. 20,2.
[108] jer. K˘ns. Trente : DS 1640 ; 1651.
[109]MF.
 

 

top