The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHAROA

Ny sakramenta fanasitranana

 

 

1420.Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny firosoana ho kristianina ny olona no mandray ny fiainam-baovaon’i Kristy. Nefa, entintsika “ao amin’ny siny tanimanga” (2 K˘r 4,7) io fiainana io. Ankehitriny, mbola “tsy hita maso miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra” (K˘l 3,3) izany. Isika dia mbola eto amin’ny fonenantsika eto an-tany ianjadian’ny fahoriana, ny aretina ary ny fahafatesana[1]. Io fiainam-baovaon’ny zanak’Andriamanitra io dia mety hihaosa ary ho very mihitsy aza noho ny fahotana.

1421.Sitrak’i Jesoa-Kristy Tompo, mpitsabo ny fanahintsika sy ny vatantsika, Izy izay namela ny fahotan’ilay malemy sy namerina taminy ny fahasalamam-batana[2], ny hanohizan’ny Fiangonany, amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ny tsanganasa fanasitranany sy famonjeny, na dia amin’ ireo rantsambatan’ny tenany aza. Izany no zava-kendren’ireo sakramenta roa fanasitranana, dia ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fanosorana ny marary.

 

ANDALANA 4

Ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana

1422. “Ireo izay manatona ny sakramentan’ny Fivalozana dia mahazo ny famindram-pon’Andriamanitra ao amin’izany, ny famelana ny fahotana izay nataon’izy ireo Taminy, ka avy hatrany dia tafahavana amin’ny Fiangonana izay noratrain’ny fahotan’izy ireo, sy manampy ho amin’ny fibebahan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitiavana, ny oha-piainana, ny vavaka”[3].

I.Ahoana no iantsoana ity sakramenta ity ?

1423.Antsoina hoe sakramentan’ny fibebahana izy, satria manatanteraka ara-tsakramenta ny antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana[4] sy ny finiavana hiverina amin’ny Ray[5]izay nohalavirina tamin’ny fahotana.

Antsoina hoe sakramentan’ny Fivalozana izy, satria manamasina ny finiavan’ny kristianina mpanota, an’ny tsirairay sy miaraka amin’ny Fiangonana, hibebaka, hanenina ary hanonitra ny fahotany.

1424.Antsoina hoe sakramentan’ny fibabohana izy, satria ny fiekena sy ny fibabohana ny fahotana eo anatrehan’ny Pretra no singafototra tsy azo avela amin’ity sakramenta ity. Amin’ny heviny lalina, dia “k˘nfesy” koa ity sakramenta ity, fiekena sy fiderana ny fahamasinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony amin’ny olombelona mpanota. 

Antsoina hoe sakramentan’ny famelan-keloka izy, satria amin’ny alalan’ny famotsoran-keloka ara-tsakramenta ataon’ny Pretra, no anomezan’ Andriamanitra “ny famelan-keloka sy ny fiadanana” ho an’ny mpivalo [6].

Antsoina hoe sakramentan’ny Fampihavanana izy, satria izy no manome ho an’ny mpanota ny fitiavan’Andriamanitra izay mampihavana : “MihavÓna re ianareo amin’Andriamanitra” (2 K˘r 5,20). Ilay izay mivelona ny fitiavana be indrafon’Andriamanitra no vonona hamaly ny antson’ny Tompo hoe : “MandehÓna aloha ianao, mihavana amin’ny rahalahinao” (Mt 5,24). 

II. Nahoana no misy sakramentan’ny Fampihavanana aorian’ny Batemy ? 

1425. “NosasÓna sy nohamasinina ary nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitsika” (1 K˘r 6,11). Tsy maintsy fantatra mazava ny halehiben’ny fanomezan’ Andriamanitra izay natao ho antsika ao amin’ny sakramentan’ny firosoana ho kristianina mba hahazoana hoe amin’ny lafiny inona ny fahotana no zavatra voaesotra ho an’izay “nitafy an’i Kristy”[7]. Kanefa milaza koa i Md Joany ap˘st˘ly hoe : “Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena isika, ary tsy mitoetra velively ao anatintsika ny marina” (1 Jo 1,8). Ary ny Tenan’ny Tompo mihitsy no nampianatra antsika hivavaka hoe : “Avelao ny fahotanay” (Lk 11,4) amin’ny fanakambanana ny fifamelantsika ny fahotantsika amin’ny famelana izay omen’Andriamanitra amin’ny fahotantsika. 

1426.Ny fiverenana amin’i Kristy, ny fahateraham-baovaon’ny Batemy, ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny Vatana aman-dRan’i Kristy raisina ho sakafo, no mahatonga antsika “ho masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany” (Efez 1,4), tahaka ny Tenan’ny Fiangonana mihitsy, vadin’i Kristy, izay “masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany” (Efez 5,27). Kanefa, ny aim-baovao noraisina tamin’ny firosoana ho kristianina dia tsy manafoana ny fahosana sy ny fahalemen’ny toetra maha-olombelona, na ny fironana amin’ny fahotana izay antsoin’ny lovam-panahy hoe fanirian-dratsy (concupiscence), izay tsy miala ao amin’ny vita batemy mba hisedran’izy ireo amin’ny adim-piainana kristianina ampian’ny fahasoavan’i Kristy[8]. Io ady io dia ny an’ny fibebahana mba ho amin’ny fahamasinana sy ny fiainana mandrakizay izay ho amin’izany no tsy itsaharan’ny Tompo miantso antsika[9].

III. Ny fibebahan’ny vita batemy

1427.Miantso ho amin’ny fibebahana i Jesoa. Io antso io dia ampahany tsy azo avela amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra : “Tonga ny fotoana ary akaiky tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Vaovao Mahafaly” (Mk 1,15). Amin’ny fitorian-tenin’ny Fiangonana io antso io dia miantefa aloha amin’ireo izay tsy mbola mahalala an’i Kristy sy ny Evanjeliny. Koa moa tsy ny Batemy ve no fotoan-dehibe amin’ny fibebahana voalohany sy ifotony ? Amin’ny alalan’ny finoana ny Vaovao Mahafaly sy amin’ny alalan’ny Batemy[10] no handavana ny ratsy sy hahazoana ny famonjena, izany hoe ny famelana ny fahotana rehetra sy fanomezana ny fiainam-baovao. 

1428.Ny antson’i Kristy ho amin’ny fibebahana Óry dia mitohy manako eo amin’ny fiainan’ny kristianina. Izany fibebahana fanindroany izany dia lahasa mitohy ho an’ny Fiangonana manontolo izay “misy mpanota ao anatiny” sy izay “sady masina no voantso hidio, ary manohy tsy an-kijanona ny ezaka ataony amin’ny fivalozana sy ny fanavaozana”[11]. Tsy tsanganasan’olombelona fotsiny izany ezaka ho amin’ny fibebahana izany. Fihetsiky ny fo manenina marina[12] voasintona sy voahetsiky ny fahasoavana[13] hamaly ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra izay tia antsika mialoha izany[14].

1429.Manaporofo izany ny fibebahan’i Md Piera taorian’ny fandavany intelo miantoana ny Mpampianany. Ny fijery tsy manam-petran’ny famindram-pon’i Jesoa no nahatonga ny ranomasom-panenenana[15], ary, taorian’ny fitsanganan’ny Tompo ho velona, ny fankatoavana ny fitiavana Azy intelo miantoana[16]. Manana lafiny iombonana koa ny fibebahana faharoa. Miseho izany ao amin’ny antson’ny Tompo ho an’ny Fiangonana iray manontolo : “Mibebaha ianao !” (Ap˘k 2,5.16).

I Md Ambroise dia nilaza ny amin’ny fibebahana roa, fa ao amin’ny Fiangonana, “misy rano sy ranomaso : ny ranon’ny Batemy sy ranomason’ny Fivalozana”[17].

IV. Ny fivalozana anaty

1430.Toy ny efa teo amin’ny mpaminany, ny antson’i Jesoa ho amin’ny fibebahana sy ho amin’ny fivalozana dia tsy mikendry ny tsanganasa ivelany aloha, “ny lasaka sy ny lavenona”, ny fifadian-kanina sy ny fampijalian-tena, fa ny fiovÓn’ny fo, ny fivalozana anaty. Raha tsy misy azy, mijanona ho tsy mamokatra sy mamitaka ny tsanganasa fivalozana ; kanefa, ny fibebahana anaty no manosika amin’ny fanehoana io fihetsika atao io amin’ny famantarana hita maso, amin’ny fihetsiky ny tena ary amin’ny tsanganasa fivalozana[18]

1431.Ny fivalozana anaty dia fampitodihana indray hatrany ifotony ny fiainana manontolo, fiverenana, fiovÓna mankany amin’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo, fampitsaharana ny fahotana, fankahalana ny ratsy, miaraka amin’ny rikorikon’ny asa ratsy izay nataontsika. Miaraka amin’ny fivalozana anaty koa, ny faniriana sy fanapahan-kevitra hanova fiainana, omban’ny fanantenana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fitokiana amin’ny fanampian’ny fahasoavany. Io fiovÓn’ny fo io dia arahin’ny hirifiry sy alahelom-pamonjena izay antsoin’ireo Aba hoe : animi cruciatus (hirifirim-panahy), compunctio cordis (nenim-po)[19].

1432.Donto sy mihamafy ny fon’ny olombelona. Ilaina ny hanomezan’ Andriamanitra fo vaovao ny olombelona[20]. Ny fibebahana aloha dia tsanganasan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay mamerina ny fontsika ao Aminy : “Ampivereno Aminao izahay, ry Tompo, mba hiverenanay Aminao tokoa” (Fitom 5,21). Omen’Andriamanitra hery hanombohana indray isika. Amin’ny fahitana ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra, no voahozongozon’ny fihoron-koditra sy ny vesatry ny fahotana ny fontsika, ka hanomboka matahotra ny hanevateva an’Andriamanitra amin’ny fahotana sy ny ho tafasaraka Aminy izy. Mibebaka ny fon’ny olombelona amin’ny fijerena mankany amin’Ilay izay nolefonin’ny fahotantsika[21] :

ManÓna isika maso mifantoka eo amin’ny ran’i Kristy ary fantarontsika hoe : fa toy inona ny hasarobidiny ao amin’ny Ray, satria, tamin’izy nararaka ho famonjena antsika, no nanomezany ny fahasoavam-panenenana ho an’ny olo-miaina rehetra[22].

1433.Nanomboka tamin’ny Paka, dia ny Fanahy Masina no mampisafotofoto an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana[23], izany hoe tsy nino an’Ilay izay nirahin’ny Ray izao tontolo izao. Kanefa io Fanahy io ihany, izay mampiseho ny fahotana, no ilay Mpanafaka alahelo[24] izay manome ao am-pon’ny olona ny fahasoavana amin’ny fanenenana sy ny fibebahana[25].

V.Ireo fomba maro fivalozana eo amin’ny fiainana kristianina 

1434. Misy fanehoana  ety ivelany amin’ny fomba maro karazana tokoa ny fivalozana anaty ny kristianina. Fomba telo no tena antitranterin’ny Soratra Masina sy ny Aban’ny Fiangonana amin’izany : ny fifadian-kanina, ny fivavahana, ny fiantrana[26], izay manambara ny fibebahana eo amin’ny fifandraisana amin’ny tena ihany, amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ary amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Manoloana ny fanadiovana hatrany ifotony notanterahin’ny Batemy na ny fanaovana martiry, dia tanisain’izy ireo ho fitaovana hahazoam-pamelana ny fahotana, ny ezaka natao mba hihavanana amin’ny namana, ny ranomasom-pivalozana, ny fiahiam-pamonjena ny namana[27], ny fanelanelanan’ny olomasina ary ny fanaovana asa fitiava-namana izay “manarona fahotana maro”(1 Pi 4,8).

1435. Eo amin’ny fiainana andavanandro no hisehoan’ny fanatanterahana ny fibebahana, amin’ny alalan’ny fihetsika mampihavana, amin’ny alalan’ny fiahiana ny mahantra, ny fanaovana sy ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny[28] amin’ny alalan’ny fiekem-pahadisoana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana, ny fanitsiana ny hadisoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana, ny jery todika ny fiainana, ny fandinihan-tena, ny fitantanam-panahy, ny fanekena ny fijaliana, ny fiaretana fanenjehana noho ny fahamarinana. Ny mitondra ny Hazofijaliany isan’andro sy ny manaraka an’i Jesoa no lalana azo antoka indrindra amin’ny fivalozana[29]

1436.Eokaristia sy fivalozana. Ao amin’ny Eokaristia no ahitan’ny fibebahana sy ny fivalozana isan’andro ny loharanon’izy ireo sy ny sakafon’izy ireo, satria ao aminy no maha-misy eo ny soron’i Kristy izay mampihavana antsika amin’ Andriamanitra ; amin’ny alalany no velomina sy atanjahina ireo izay miaina ny fiainan’i Kristy ; “izy no fanefitra manafaka antsika amin’ny fahadisoantsika isan’andro sy miaro antsika tsy ho azon’ny fahotana mahafaty”[30].

1437.Ny famakiana ny Soratra Masina, ny fanaovana ny Vavaka isan’Andro sy ny Rainay, ny asa marina rehetra amin’ny fanompoam-pivavahana na ny fitiavam-bavaka, no mamelombelona ao amintsika ny toe-tsaim-pibebahana mbamin’ny fivalozana sy manampy amin’ny famelana ny fahotantsika. 

1438.Ny fotoana sy ny andron’ny fivalozana mandritra ny taona litorzika (ny fotoanan’ny karemy, isaky ny zomÓ ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo) no fotoan-dehibe anaovan’ny Fiangonana ny fivalozana[31]. Ireny fotoana ireny no sahaza indrindra ho an’ny fampiasam-panahy, ny litorzia momba ny fivalozana, ny fivahiniana masina ho mariky ny fivalozana, ny fihafiana an-tsitrapo toy ny fifadian-kanina mbamin’ny asa fiantrana, ny fifampizarÓna maha-mpiray tam-po ara-pinoana (asa fitiava-namana sy asa misi˘nera).

1439. Nolazain’i Jesoa tamin’ny fomba mampitolagaga ao amin’ilay fanoharana antsoina hoe zanaka mpandany izay ny ray be famindram-po no ivo, ny fihetsi-pibebahana sy fivalozana[32] : ny faharenohana teo anoloan’ny fahafahana manodoka, ny fandaozana ny tranon-dray ; ny fahoriana mafy dia mafy izay nianjady tamin’ilay zanaka rahefa avy nandanilany foana ny fananany izy ; ny fahafaham-baraka lalina teo am-pahitany ny tenany voatery hiandry kisoa, ary ny tena ratsy aza, dia ny fahafaham-baraka raha naniry hivoky ny hodi-boan-javatra nohanin’ny kisoa ; ny fandinihana ny fananana very ; ny nenina sy ny fahatapahan-kevitra hampahafantatra fa meloka teo anatrehan’ny rainy ; ny fiverenan-dalana ; ny fandraisana tamin-kalalaham-po nataon’ilay ray ; ny hafalian’ilay ray : izany rehetra izany no toetra manokana amin’ny fizotran’ny fibebahana. Ny akanjo tsara indrindra, ny peratra ary ny fanasam-be amin’ny fety dia fanehoana an’ohatra an’ilay fiainam-baovao, madio, mendrika, feno hafaliana, dia ny fiainan’ny olona izay miverina amin’Andriamanitra sy eo anivon’ny fianakaviany, dia ny Fiangonana izany. Ny fon’i Kristy irery ihany, izay mahalala ny halalin’ny fitiavan’ny Rainy, no afaka nanambara tamintsika ny famindram-pony tsy taka-polopolorina tamin’ny fomba tena feno fahatsorana sy hatsarana.

VI. Ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana

1440.Ny fahotana aloha dia fanalam-baraka an’Andriamanitra, fahatapahan’ny fiombonana Aminy, ary koa mitera-pahavoazana eo amin’ny fiombonana amin’ny Fiangonana. Izany no antony mahatonga ny fibebahana hanolotra indray miaraka ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny fampihavanana amin’ny Fiangonana, izay ny sakramentan’ny Fivalozana sy ny Fampihavanana no maneho sy manatanteraka izany ara-litorzia[33].

Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana 

1441.Andriamanitra irery ihany no mamela ny fahotana rehetra[34]. Satria i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra, koa dia Izy ihany no milaza ny amin’ny Tenany : “Ny Zanak’Olona manana fahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana” (Mk 2,10) ary mampiasa izany fahefan’Andriamanitra izany Izy : “Voavela ny helokao !” (Mk 2,5)[35]. Fa indrindra : noho ny fahefana maha-Andriamanitra Azy, dia omeny ny olona io fahefana io[36] mba hampiasan’izy ireo izany amin’ny anarany.

1442.Sitrak’i Kristy raha ny Fiangonany manontolo, ao amin’ny fivavahany sy ny fiainany ary ny asa amam-pitondran-tenany, no ho famantarana sy fitaovan’ny famelan-keloka sy fampihavanana izay nampahazoany antsika noho ny rany. Nankininy tamin’ny andraiki-panompoana ap˘st˘lika anefa ny fampiasana ny fahefana amin’ny famotsoran-keloka. Izy io no nampiandraiketina ny “andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana” (2 K˘r 5,18). Nirahina “amin’ny anaran’i Kristy” ny ap˘st˘ly, ary ny Tenan’ Izy Andriamanitra mihitsy, amin’ny alalany, no mamporisika sy mitalaho hoe : “Meteza ianareo hihavana amin’ Andriamanitra” (2 K˘r 5,20).

Fampihavanana amin’ny Fiangonana

1443.Nandritra ny fiainany ampahibemaso, tsy namela ny fahotana fotsiny i Jesoa, fa nampiseho koa ny vokatr’io famelana io : nampiditra indray ny mpanota voavela heloka ho ao amin’ny fiombonan’ny Vahoakan’ Andriamanitra Izy, izay ny fahotana no nampanalavitra azy ireo na nandroaka azy ireo tao mihitsy aza. Famantarana mampitolagaga ny nataon’i Jesoa tamin’ny nandraisany ny mpanota ho teo amin’ny latabany, vao mainka koa, ny niarahan’ny Tenany mihitsy nisakafo tamin’izy ireo, fihetsika izay maneho indray miaraka amin’ny fomba mampangitakitaka ny famindram-pon’Andriamanitra[37] sy ny fiverenana eo anivon’ny Vahoakan’ Andriamanitra[38]

1444.Tamin’ny nanomezan’ny Tompo ny anjara fahefan’ny Tenany manokana hamela ny fahotana,  ho an’ny ap˘st˘ly, no  nanomezany azy ireo koa ny fahefana hampihavana ny mpanota amin’ny Fiangonana. Izany halehiben’ ny lahasan’izy ireo momba ny Fiangonana izany dia voambara indrindra tamin’ny teny manetriketrika nataon’i Kristy tamin’i Sim˘na Piera hoe : “Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra ; izay rehetra hofehezinao eto an-tany dia ho voafehy any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao eto an-tany dia ho voavaha any an-danitra” (Mt 16,19). “Izany adidy aman’andraikitra iray ihany hamehy sy hamaha izay nomena an’i Piera izany dia nomena koa ho an’ny fiombonam-piadidian’ireo ap˘st˘ly miray amin’ny filohan’izy ireo (Mt 18,18 ; 28,16-20)”[39]

1445.Ny teny hoe mamehy sy mamaha dia midika hoe : ilay izay horoahinareo tsy ho ao amin’ny fiombonanareo, dia ho voaroaka tsy ho ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra ; ilay izay horaisinareo indray ho ao amin’ny fiombonanareo, dia horaisin’Andriamanitra koa ho ao amin’ny Azy. Tsy azo sarahina amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra ny fampihavanana amin’ny Fiangonana.

Ny sakramentan’ny famelan-keloka

1446.Nanorina ny sakramentan’ny Fivalozana i Kristy ho an’ny rantsambatany rehetra mpanota, rantsambatan’ny Fiangonany, indrindra moa ho an’ireo izay latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe sy namery ny fahasoavan’ny Batemy tamin’izany ary nandratra ny fiombonam-piangonana, taorian’ny Batemy. Ho azy ireo no anoloran’ny sakramentan’ny Fivalozana ny fahafahana vaovao hibebaka sy hahazo indray ny fahasoavam-panamarinana. Ny Aban’ny Fiangonana dia mampiseho ity sakramenta ity ho “ody faty faharoa [mahavonjy] taorian’ny faharendrehana, izay tsy inona fa ny fahaverezan’ny fahasoavana”[40].

1447.Nandritra ny taonjato nifandimby, ny endrika azo tsapain-tanana, araka ny nampiasan’ny Fiangonana io fahefana noraisina avy amin’ny Tompo io, dia niovaova be  ihany. Nandritra ny taonjato voalohandohany, ny fampihavanana ny kristianina izay nanao fahotana, indrindra ny fahotana lehibe taorian’ny Batemin’izy ireo (ohatra : ny fanompoan-tsampy, ny famonoan’olona na ny fanitsakitsaham-bady), dia nifamatotra tamin’ny fitsipi-pifehezana henjana dia henjana, izay tamin’izany no tsy maintsy nanaovan’ny mpivalo fivalozana ampahibemaso noho ny fahotan’izy ireo, matetika nandritra ny taona maro, talohan’ny nandraisana ny fampihavanana. Amin’izany “laharan’ny mpivalo” izany (izay tsy nahakasika afa-tsy ny fahotana lehibe sasany), indraindray tadiavina vao voaray, ary tany amin’ny faritra sasany, indray maka teo amin’ny fiainany. Tamin’ny taonjato faha-7, nisintona tsirin-kevitra avy tamin’ ny lovam-panahin’ny mpitoka-monina tany Atsinanana, ireo misi˘nera tany Irlande, ka nentin’izy ireo tany amin’ny k˘ntinanta eor˘peanina ny fanao “voatokana” momba ny fivalozana izay tsy mitaky ny tsanganasa fivalozana tanterahina ampahibemaso sy mitohy maharitra, alohan’ny handraisana ny fampihavanana amin’ny Fiangonana. Nanomboka tamin’izay, tanteraka tamin’ny fomba  miafina kokoa teo amin’ny mpivalo sy ny Pretra ny sakramenta. Io fanao vaovao io dia nitsinjo ny fahazoa-mamerimberina ary nanokatra tamin’izany ny lalana ho amin’ny fifaneraserana mitohy amin’io sakramenta io. Nahafahana  nampiditra manontolo ao anatin’ny fankalazana ara-tsakramenta tokana ihany ny famelana ny fahotana lehibe sy ny fahotana madinika izany. Amin’ny fanarahana ny sori-dalana lehibe no anatanterahan’ny Fiangonana io endri-pivalozana io hatramin’izao androntsika izao.

1448.Tamin’ny alalan’ny fiovaovÓna izay nodiavin’ny fitsipika sy ny fankalazana an’ity sakramenta ity nandritra ny taonjato nifandimby, no nanavahana ny rafitra fototra iray ihany tsy miova. Manana singafototra anankiroa samy ilaina izy ; etsy an-daniny, ny asan’ny olona izay mibebaka eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina : izany hoe ny fanenenana, ny fiekena ary ny fanonerana ; etsy an-kilany, ny asan’Andriamanitra amin’ny fanelanelanan’ny Fiangonana. Ny Fiangonana izay amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretrany no manome amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy ny famelana ny fahotana sy mamaritra ny fombafomban’ny asa fanonerana, dia mivavaka koa ho an’ny mpanota ary mivalo miaraka aminy. Amin’izany ilay mpanota no sitrana sy tafaverina indray ao amin’ny fiombonam-piangonana.

1449. Maneho ny singafototra tsy azo avela amin’ity sakramenta ity, ny rijan-teny famotsoran-keloka fampiasa ao amin’ny Fiangonana latinina : ny Rain’ny famindram-po no loharanon’ny famelana rehetra. Izy no manatanteraka ny fampihavanana ny mpanota amin’ny alalan’ny Pakan’ ny Zanany sy ny fanomezana ny Fanahiny, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana :

Enga anie Andriamanitra Ray be indrafo namitram-pihavanana tamin’izao tontolo izao noho ny Zanany maty sy nitsangan-ko velona, ary nandrotsaka ny Fanahy Masina ho famelana ny fahotana, mba hamindra fo aminao sy hanome fiadanana ho anao amin’ny alalan’ny Eglizy, ary izaho mamela ny fahotanao amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina[41].

VII. Ny asan’ny mpivalo

1450. “Ny Fivalozana no manery ny mpanota hanaiky an-tsitrapo ny singafototra  rehetra amin’izany : ao am-pony,  ny fanenenana ; amin’ny vavany, ny fiekena ny fahotana ; amin’ny fihetsiny, ny fanetren-tena feno tanteraka na fanonerana mitera-boka-tsoa”[42].

Ny fanenenana

1451. Ny fanenenana no loha laharana, amin’ireo asan’ny mpivalo. Ny fanenenana dia “alahelon’ny fo sy fankahalana ny fahotana natao, omban’ny fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy”[43].

1452.Raha avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra tiana mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fanenenana, dia antsoina hoe “lavorary” izy (fanenenana avy amin’ny fitiavana). Ny fanenenana toy izany dia mahafaka ny fahotana madinika ; ahazoana koa ny famelana  ny fahotana mahafaty izy, raha manana fikasana mafy hidodododo araka izay azo atao amin’ny fik˘nfesena ara-tsakramenta[44].

1453.Ny fanenenana lazaina hoe “tsy lavorary” (na “fanenenana tsara antoniny”), dia fanomezan’Andriamanitra koa, tosi-kerim-pamporisikin’ ny Fanahy Masina. Mipoitra avy amin’ny fiheverana ny haratsian’ny fahotana izy io, na  avy amin’ny fahatahorana ny ho very mandrakizay sy ny sazy hafa izay mandrahona ny mpanota (fanenenana noho ny tahotra). Ny fikorontanan’ny k˘nsiansy toy izany dia mety manampy ny fivoarana ao anaty izay ho tontosa eo ambany asan’ny fahasoavana, amin’ny alalan’ny famotsoran-keloka ara-tsakramenta. Raha amin’ny tenany ihany anefa, ny fanenenana tsy lavorary dia tsy hahazoana ny famelana ny fahotana lehibe, fa manomana ny hahazoana izany amin’ny sakramentan’ ny Fivalozana[45].

1454.Tsara ny manomana ny fandraisana an’ity sakramenta ity amin’ny fandinihana ny k˘nsiansy atao eo ambany fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny lahatsoratra sahaza indrindra amin’izany dia tadiavina ao amin’ny Didy folo sy ao amin’ny katesezy m˘raly araka ireo Evanjely sy ireo Taratasin’ny ap˘st˘ly : ny toriteny teo an-Tendrombohitra, ny fampianaran’ny ap˘st˘ly[46].

Fik˘nfesena ny fahotana

1455.Ny fik˘nfesena ny fahotana (fiekena), na amin’ny fomba fijery maha-olona tsotra fotsiny izao aza, dia manafaka antsika sy manamora ny fihavanantsika amin’ny hafa. Amin’ny alalan’ny fiekena  no ijeren’ny olona eo anoloany ny fahotana izay nahameloka azy ; izy no mizaka ny andraikitra amin’izany, ary amin’izany izy no misokatra indray amin’ Andriamanitra sy amin’ny fiombonam-piangonana mba hahatanteraka ny hoavy vaovao.

1456.Ny fik˘nfesena ny fahotana amin’ny Pretra dia anisan’ny ampahany tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Fivalozana : “Ny mpivalo, amin’ny alalan’ny k˘nfesy, dia tsy maintsy mitanisa ny fahotana mahafaty rehetra izay tsaroany rahefa avy nandinin-tena tamim-pahamatorana izy, na dia miafina tokoa azy ireny fahotana ireny, ary na dia tamin’ireo fitsipika anankiroa farany amin’ny Didy folo ihany aza no nanaovana izany[47], satria indraindray ireo fahotana ireo no mandratra mafy kokoa ny fanahy sy mampidi-doza kokoa amin’ny fanaovana an’ireo ka fanta-bahoaka”[48] :

Rahefa miezaka mik˘nfesy ny fahotana rehetra tadidiny ny mpinon’i Kristy, dia tsy isalasalana fa ho atolony daholo amin’ny famelan’ny famindram-pon’Andriamanitra ireny. Ireo izay manao hafa noho izany sy izay minia manafina ny sasantsasany amin’ ireny, dia tsy manolotra na inona na inona amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra izay afaka mamela amin’ny alalan’ny Pretra. Satria “raha menatra ny hampiseho ny feriny amin’ny mpitsabo ny marary, dia tsy afaka hitsabo izay tsy fantany ny fitsaboana”[49].
1457.Araka ny didin’ny Fiangonana, “ny mpino rehetra tonga amin’ny taona mahavory saina, dia tsy maintsy mik˘nfesy ny fahotana lehibe izay tsaroany, fara fahakeliny indray maka isan-taona”[50]. Ilay izay mahatsiaro tena fa nanao fahotana  mahafaty dia tsy mahazo mandray ny k˘monio Masina, raha tsy efa nahazo ny famotsoran-keloka ara-tsakramenta, na dia latsa-panenenana lalina aza izy[51], raha tsy hoe misy antony lehibe ny handraisany k˘monio sy raha tsy mahita mpampik˘nfesy ho hatonina izy[52]. Ny ankizy dia tsy maintsy mandray ny sakramentan’ny Fivalozana alohan’ny handraisany voalohany ny k˘monio Masina[53].

1458.Na tsy hentitra aza ny ilana ny fik˘nfesena ny hadisoana isan’andro (fahotana madinika), dia hafatrafaran’ny Fiangonana tokoa ny hanaovana izany[54]. Satria, ny mik˘nfesy matetika ny fahotana madinika no manampy antsika hanabe ny k˘nsiansintsika, hiady amin’ny fitongilanantsika amin’ny ratsy, hamela antsika hositranin’i Kristy, handroso ao amin’ny fiainan’ny Fanahy. Ny fandraisana matetika kokoa ny fanomezan’ny Ray ny famindram-pony, amin’ny alalan’ity sakramenta ity, no mandrisika antsika ho mpamindra fo tahaka Azy[55] : 

Izay mik˘nfesy ny fahotany dia efa miasa miaraka amin’ Andriamanitra. Miampanga ny fahotanao Andriamanitra ; ianao  koa raha miampanga ireny fahotana nataonao ireny dia miray amin’ Andriamanitra ianao. Moa va tsy toy  ny fisiana anankiroa ny hoe olombelona sy ny hoe mpanota : rahefa maheno resaka momba ny olombelona ianao, dia Andriamanitra no nanao azy ; rahefa maheno resaka momba ny mpanota ianao, dia ny tenan’izy olombelona ihany no nanao izany. Ravao izay nataonao mba hamonjen’Andriamanitra izay nataony (…). Raha manomboka mankahala izay nataonao ianao, amin’izay no manomboka ny asa tsaranao, satria ianao miampanga ny asa ratsinao. Ny fiantombohan’ny asa tsara, dia ny fibabohana  ny asa ratsy. Manao ny marina ianao ka manatona ny Fahazavana[56].

Ny fanonerana 

1459.Maro ny fahotana mitera-pahavoazana ho an’ny namana. Tsy maintsy manao izay azao atao mba hanonerana izany (ohatra : mamerina ny zavatra nangalarina, manarina ny lazan’izay nendrikendrehina, mitsabo ny ratra). Mitaky izany ny fahamarinana tsotra. Kanefa ambonin’izany, ny fahotana dia mandratra sy mandreraka ny tenan’izy mpanota ihany, tahaka izany koa ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy amin’ny namana. Manala ny fahotana ny famotsoran-keloka, saingy tsy ho voaveriny amin’ny laoniny daholo  kosa  ny  korontana rehetra nateraky ny fahotana[57]. Rahefa tafarina tamin’ny fahotana ny mpanota dia mahazo indray ny fahasalamam-panahy tanteraka. Koa tsy maintsy manao zavatra mihoatra noho izany izy, mba hanonerana ny fahotany : tsy maintsy “manonitra” amin’ny fomba sahaza na “manarina” ny fahotany izy. Antsoina koa hoe “fivalozana” io fanonerana io.

1460.Ny fivalozana izay andidian’ny mpampik˘nfesy dia tokony hoheverina amin’ny toerana manokana misy ny mpivalo ary tokony hikendry ny soa ho an’ny fanahiny. Tokony hifanentana araka izay azo atao amin’ny halehibe sy amin’ny karazan’ny fahotana natao izany. Mety ho fanatitra ao anatin’ny vavaka no anaovana izany,  mety ho fanampiana ny namana amin’ny asa fiantrana, na fahafoizan-tena amin’ny fihafiana an-tsitrapo, ary indrindra amin’ny fanekena amim-paharetana ny Hazofijaliana izay tsy maintsy hoentintsika. Manampy antsika hitovy endrika amin’i Kristy izay hany nanonitra indray mandeha monja ny fahotantsika[58]ny fivalozana tahaka izany. Manampy antsika koa ho tonga mpiara-mandova amin’i Kristy nitsangan-ko velona, “satria mijaly miaraka Aminy isika” (R˘m 8,17)[59] : 

Kanefa ny fanonerana ataontsika dia izay efaintsika ho an’ny fahotantsika, izay tsy misy afa-tsy avy amin’i Jesoa : isika, raha ny tenantsika amin’izao fotsiny, dia tsy mahefa na inona na inona, fa raha miaraka amin’ny fanampian’ “Ilay izay mankahery antsika isika, dia mahavita ny zavatra rehetra”[60]. Araka izany, tsy misy na inona na inona hahafahan’ny olombelona manome voninahi-tena, fa ny “voninahitsika” rehetra dia ao amin’i Kristy (…) ao Aminy isika no manonitra, “amin’ny fanaovana asa mendrika vokatry ny fibebahana”[61], izay ao Aminy no anovozan’izy ireny ny heriny, amin’ ny Alalany no anolorana azy ireny amin’ny Ray ary noho Izy no aneken’ny Ray azy ireny[62].

VIII. Ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity

1461.Satria nankinin’i Kristy tamin’ireo ap˘st˘liny ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana[63], noho izany, ireo Eveka dimbin’izy ireo, sy ny Pretra mpiara-miasa amin’ny Eveka no manohy ny fampiasana io andraiki-panompoana io. Araka izany, ny Eveka sy ny Pretra, noho ny sakramentan’ny Filaharana, no manana ny fahefana hamela ny fahotana rehetra “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina”. 

1462.Mampihavana amin’Andriamanitra ny famelana ny fahotana, nefa koa mampihavana amin’ny Fiangonana. Noho izany, rariny ny fiheverana hatramin’ny ela, ny Eveka, filoha hita maso eo amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ho manana voalohany indrindra ny fahefana sy ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana  : izy no mpanalefaka ny fitsipi-pifehezana momba ny fivalozana[64]. Ny Pretra, mpiara-miasa aminy, dia mampiasa izany araka izay nandraisan’izy ireo ny adidy aman’andraikitra momba izany na avy amin’ny Evekany (na avy amin’ny lehibem-pikambanan-drelijiozy), na avy amin’ny Papa, amin’ny alalan’ny lalÓnan’ny Fiangonana[65].

1463.Misy ny fahotana sasany, indrindra ny heloka bevava, ampiharana ny sazy fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana, ilay famaizany amin’ny fomba henjana tokoa, izay misakana ny fandraisana sakramenta sy ny fanaovana asa sasantsasany ao amin’ny Fiangonana[66], ka ny famotsoran-keloka amin’izany, araka ny lalÓnan’ny Fiangonana, dia tsy azo omena afa-tsy avy amin’ny Papa, ny Eveka eo an-toerana na ny Pretra nahazo lalana avy amin’izy ireo[67]. Saingy raha ambavahoanan’ny fahafatesana kosa, ny Pretra rehetra, na dia tsy manana ny fahazoana mampik˘nfesy aza, dia afaka mamela ny fahotana rehetra[68] sy izay rehetra fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana.

1464.Tokony hamporisika ny mpino ny Pretra handray ny sakramentan’ny Fivalozana ary tokony hampiseho fahavononana hankalaza io sakramenta io izy ireo isaky ny mangataka izany amin’ny fomba ara-drariny ny kristianina[69].

1465.Amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fivalozana, dia tanterahin’ny Pretra ny andraiki-panompoan’ilay Mpiandry ondry Tsara izay mitady ny ondry very, ny an’ilay Samaritanina Tsara fanahy izay mitsabo ny fery, ny an’ilay Ray  miandry ny Zanaka mpandany sy mandray azy amin’ny fiverenany, ny an’ilay mpitsara marina izay tsy mizaha tavan’olona, ka sady marina no feno indrafo ny fitsarÓny. Raha fintinina, ny Pretra no famantarana sy fitaovan’ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra  ny mpanota.

1466.Tsy tompony ny mpampik˘nfesy fa mpanompo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Mila miray saina sy miray fo amin’i Kristy ny mpandraharaha masina amin’ity sakramenta ity[70]. Mila manana fahalalana voasedra momba ny fihetsika amam-pitondran-tena kristianina izy, mila fahatsapana ny zavatra momba ny olombelona, mila mahay manaja sy manana fahalemem-panahy amin’izay lavo ; tsy maintsy tia ny marina izy, tsy hivaona amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana ary hitarika ny mpivalo amim-paharetana ho amin’ny fanasitranana sy ny fahamatorana feno. Tsy maintsy mivavaka izy ary manao asa fivalozana ho azy amin’ny fanankinana ny tenany amin’ny famindram-pon’ny Tompo. 

1467.Amin’ny mahasaro-pady sy mahalehibe ity andraiki-panompoana ity sy ho fanajana atao amin’ny olona, dia ambaran’ny Fiangonana fa ny Pretra rehetra izay mampik˘nfesy dia voadidy tsy hamoaka ny tsiambaratelo rehetra mikasika ny fahotana izay nolazain’ny mpivalo taminy, raha tsy izany dia hiharan’ny sazy faran’izay henjana izy[71]. Tsy azony atao mihitsy koa ny mampahalala ny olona, fa ny k˘nfesy no nahafantarana ny amin’ny fiainan’ilay mpivalo. Izany tsiambaratelo izany, izay tsy misy fanavahana, dia antsoina hoe “fitomboka ara-tsakramenta”, satria izay nahariharin’ny mpivalo tamin’ny Pretra dia mijanona ho “mihidy amin’ny fitomboka” amin’ny alalan’ny sakramenta.

IX.Ny vokatr’ity sakramenta ity 

1468. “Ny vokatra rehetra amin’ny Fivalozana dia mifototra amin’ny fanarenana antsika ho ao anatin’ny fahasoavan’Andriamanitra sy amin’ny fampiraisana antsika Aminy ao anatin’ny fihavanana tsara tokoa”[72]. Ny fampihavanana amin’Andriamanitra izany, no tarigetra sy ny vokatr’ity sakramenta ity. Eo amin’ireo izay mandray ny sakramentan’ny Fivalozana amin’ny fo latsa-panenenana sy ao anatin’ny toe-panahin’ny mpivavaka, dia “arahin’ny fiadanana sy ny filaminan’ny k˘nsiansy izany, sady ampian’ny fiononam-panahy feno hery”[73]. Vokatra ateraky ny sakramentan’ny fampihavanana amin’Andriamanitra koa ny “fitsanganan-ko velona ara-panahy” marina tokoa, ny famerenana ny hasina sy ny hasoam-piainan’ny zanak’Andria-manitra, ka ny sarobidy indrindra amin’izany dia ny fihavanana amin’ Andriamanitra[74].

1469. Mampihavana antsika amin’ny Fiangonana ity sakramenta ity. Ny fahotana no manambanga na manapaka ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana. Ny sakramentan’ny Fivalozana no manonitra izany na manarina izany. Amin’io lafiny io, tsy manasitrana fotsiny an’ilay izay voaverina ao anatin’ny fiombonam-piangonana izy, fa mahazo koa ny vokatra mampody aina eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izay nijaly noho ny fahotan’ny anankiray amin’ny rantsambatany[75]. Ny mpanota, voaverina na nohamafisina ao anatin’ny fiombonan’ny olomasina, dia atanjahin’ny fifanakalozana harem-panahy eo amin’ny rantsambatana velona rehetra an’ny Vatan’i Kristy, na mbola eny an-dalam-pivahiniana izy ireo na efa any amin’ny tanindrazana any an-danitra[76] :

Ilaina ny mampahatsiahy fa ny fampihavanana amin’Andriamanitra, dia azo lazaina ho toy ny vokatry ny fampihavanana hafa izay hitondra fanafody amin’ny fahatapahana hafa nateraky ny fahotana : ny mpivalo voavela heloka dia mihavana amin’ny tenany ihany ao amin’ny halalin’ny maha-olona azy, izay ao amin’izany izy no mahatafaverina ny fahamarinana anaty avy amin’ny tenany ; mihavana amin’ny havana izay nalany baraka sy noratrainy tamin’ny fomba samihafa ; mihavana amin’ny Fiangonana ; mihavana amin’ny voary manontolo[77].

1470. Amin’ity sakramenta ity, ny fametrahan’ny mpanota ny tenany amin’ny fitsarÓna be indrafon’Andriamanitra, dia manatanteraka mialoha, amin’ ny fomba azo antoka, ny fitsarÓna izay hihatra aminy amin’ny faran’ity fiainana eto an-tany ity. Satria ankehitriny, amin’izao fiainana eto izao, no anolorana antsika ny safidy eo amin’ny fiainana sy ny fahafatesana, ary tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’ny lalam-pibebahana no ahafahantsika miditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay tsy hidiran’ny manam-pahotana lehibe[78]. Ny fiverenana amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fivalozana sy ny finoana, no hiampitan’ny mpanota avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana ary “tsy hohelohina amin’ny fitsarÓna” izy (Jo 5,24).

X. Ny endolzansy

1471.Ny fitambaram-pampianarana sy ny fampiasana ny endolzansy ao amin’ny Fiangonana dia mifamatotra mafy amin’ny vokatry ny sakramentan’ny Fivalozana.

 

Inona no atao hoe “endolzansy” ?

“Ny endolzansy dia ny famelana eo anatrehan’Andriamanitra ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana  izay efa voafafa ny fahadisoana, famelana izay azon’ny mpino tsara toe-panahy araka ny fepetra maromaro voafaritra, amin’ny alalan’ny asan’ny Fiangonana, izay amin’ny maha-mpizarazara ny fanavotana azy, dia mizara sy mampihatra amin’ny alalan’ny fahefany ny raki-panoneran’i Kristy sy ny olomasina”[79].

“Ampahany na manontolo ny endolzansy, arakaraka ny anafahany ampahany na manontolo ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana”[80].  “Ny mpino rehetra dia afaka mahazo ny endolzansy ho an’ny tenany ihany na manome izany ho an’ireo nodimandry”[81].

Ny sazy noho ny fahotana

1472.Mba hahazoana ity fitambaram-pampianarana ity sy ity fanaon’ny Fiangonana ity, tsy maintsy fantarina fa manana vokatra roa sosona ny fahotana. Ny fahotana lehibe no manafoana ao amintsika ny fiombonana amin’Andriamanitra, ary amin’izany izy no mahatonga antsika tsy hahazo ny fiainana mandrakizay, ka izany fanafoanana izany no antsoina hoe “sazy mandrakizay ” vokatry ny fahotana. Etsy an-kilany, ny fahotana rehetra, na madinika aza, dia mitarika firaiketam-po tsy mahasoa mampifikitra amin’ny zavaboary, izay ilÓna fanadiovana, na eto an-tany, na aorian’ny fahafatesana, ao amin’ny toetra izay antsoina hoe Afofandiovana. Io fanadiovana io no manafaka ny amin’ilay antsoina hoe “sazy misy fetra ” vokatry ny fahotana. Ireo sazy roa ireo dia tsy tokony hoheverina ho karazana valifaty, famaizana ataon’Andriamanitra, fa tena avy amin’ny toetra maha-fahotana ny fahotana mihitsy. Ny fibebahana izay miandoha amin’ny fitiava-namana atao amin-kafanam-po dia mety ho tonga amin’ny fanadiovana tanteraka ny mpanota, hany ka tsy misy sazy haharitra na dia iray aza[82]

1473.Ny famelana ny fahotana sy ny famerenana ny fiombonana amin’Andriamanitra no mitarika ny famelana ny sazy mandrakizay vokatry ny fahotana. Saingy mitoetra ihany ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana. Tsy maintsy mikely aina ny kristianina, amin’ny fizakana amim-paharetana ny fijaliana sy ny fitsapan-toetra isan-karazany, ary, raha tonga ny andro, eo am-piatrehana amim-pitoniana ny fahafatesana, dia manaiky ireny sazy misy fetra vokatry ny fahotana ireny ho toy ny fahasoavana ; tsy maintsy milofo izy, amin’ny alalan’ny tsanganasa fiantrana sy fitiava-namana, ary koa amin’ny alalan’ny vavaka sy ny asa fivalozana samihafa,  hiendaka manontolo amin’ny “olona tranainy” ary mitafy “ny olom-baovao”[83].

Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina

1474.Tsy manirery tsy akory ny kristianina izay miezaka hihamadio amin’ny fahotany sy hihamasina miaraka amin’ny fanampian’ny fahasoavan’Andriamanitra. “Ny fiainan’ny tsirairay amin’ny zanak’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny fomba mampitolagaga, ao amin’i Kristy sy amin’ny alalan’i Kristy, miaraka amin’ny fiainan’ny havana kristianina hafa rehetra, ao anatin’ny firaisana mihoatra ny natoraly amin’ny Vatana mistikan’i Kristy, toy ny ao amin’ny olona mistika iray”[84].

1475.Ao amin’ny fiombonan’ny olomasina, “misy Óry eo amin’ny samy mpino – ireo izay manana ny tanindrazana any an-danitra, ireo izay voaray hanonitra ao amin’ny afofandiovana na ireo izay mbola mivahiny eto an-tany – fatoram-pitiavana maharitra sy fifanakalozana be dia be amin’ny haren-tsoa rehetra”[85]. Amin’ izany fifanakalozana mampitolagaga izany, ny fahamasinan’ny anankiray dia mahasoa ireo hafa, mihoatra lavitra noho ny fahavoazana izay ny fahotan’ny anankiray no nahatonga izany tamin’ny hafa. Amin’izany, ny fangataham-bonjy amin’ny fiombonan’ny olomasina no ahafahan’ny mpanota latsa-panenenana ho voadio haingana kokoa sy amim-pomba mandaitra kokoa amin’ny sazim-pahotana.

1476.Ireny harem-panahy amin’ny fiombonan’ny olomasina ireny, antsointsika koa hoe raki-tsarobidin’ny Fiangonana, “izay tsy hoe fitambaran-karena tsy akory, araka izany ka hoe harena mivaingana, nangonina nandritra ny taonjato nifandimby, fa ny vidy tsy manam-petra sy tsy mety ritra ananan’ny fanonerana sy ny fahamendrehan’i Kristy Tompontsika, eo akaikin’Andriamanitra, atolotra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fahotana sy mba hampiombona azy amin’ny Ray. Ao amin’i Kristy Mpanavotra antsika izany no ahitana be dia be ny fanonerana sy ny fahamendrehana avy amin’ny fanavotany”[86].

1477.“Anisan’izany raki-tsarobidy izany koa ny valisoa tena tsy hita noanoa, tsy hita fetra sy vaovao lalandava, eo amin’Andriamanitra, ananan’ny vavaka sy ny asa soa ataon’i Maria Virjiny sambatra sy ny olomasina rehetra izay nanamasina ny tenan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Kristy teny am-panarahana ny diany, sy nanatanteraka ny tsanganasa mahafaly ny Ray, hany ka tamin’ny fiezahan’izy ireo hahazo ny famonjena, dia nifarimbona tamin’izany koa izy ireo mba hahazoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana amin’izy ireo ny famonjena, ao amin’ny firaisan’ny Vatana mistika”[87].

Mahazo ny endolzansin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fiangonana

1478.Ny endolzansy dia azo amin’ny alalan’ny Fiangonana, izay noho ny faheşfana mamehy sy mamaha nomen’i Kristy Jesoa azy, dia izy no manelanelana ho amin’ny tombon-tsoan’ny kristianina iray sy manokatra ho azy ny rakitry ny soa nataon’i Kristy sy ny olomaşsina, mba hahazoana avy amin’ny Rain’ny famindram-po ny famelana ny sazy misy fetra vokatry ny fahotany. Amin’izany, ny Fiangonana, tsy hoe  te hanampy fotsiny an’io kristianina io, fa handrisika azy koa amin’ny tsanganasa fitiavam-bavaka, fivalozana ary fitiava-namana[88].

1479.Satria ireo mpino nodimandry eo an-dalam-pandiovana dia anisan’io fiombonan’ ny olomasina io ihany koa, ka afaka manampy azy ireo isika, singanina amin’ izany ny fahazoana ho azy ireo ny endolzansy, hany ka ho afaka amin’ny sazy misy fetra vokatry ny fahotany izy ireo.

XI. Ny fankalazana amin’ny sakramentan’ny Fivalozana

1480.Toy ny sakramenta rehetra, ny Fivalozana dia asa litorzika. Toy izao avy araka ny mahazatra ny singafototry ny fankalazana : fiarahabana sy tsodranon’ny Pretra, famakiana ny Tenin’Andriamanitra mba hanazava ny k˘nsiansy sy hahatonga fanenenana, sy fampirisihana ho amin’ny fibebahana ; fik˘nfesena izay iekena ny fahotana sy anambarÓna izany amin’ny Pretra ; fanomezana sy fandraisana ny asa fivalozana ; famotsoran-keloka omen’ny Pretra ; teny fisaorana an’Andriamanitra sy fanirahana miaraka amin’ny tsodranon’ny Pretra.

1481.Ny litorzia bizantinina dia manana rijan-teny maro famotsoran-keloka, amin’ny endrika fitalahoana, izay mampiseho amin’ny fomba mampitolagaga ny misterin’ny famelana : “Enga anie Andriamanitra, izay tamin’ny alalan’i NatÓna mpaminany, namela an’i Davida fony izy niaiky ny fahotan’ny tenany, sy tamin’i Piera fony izy nitomany tamin’alahelo, sy tamin’ilay vehivavy janga fony izy nandrotsaka ny ranomasony teo an-tongony, sy tamin’ilay Poblikanina, sy tamin’ilay zaza mpandany, dia io Andriamanitra io ihany no hamela anao amin’ny alalan’ny tenako mpanota, amin’ity fiainana ity sy any an-koatra, ary Izy anie hampanatrika anao amin’ny fitsarÓna nefa tsy hanameloka anao amin’ny tribonaly mampatahotra. Izy izay ankalazaina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen”[89]

1482.Ny sakramentan’ny Fivalozana dia azo atao koa ao anatin’ny sehatry ny fankalazana iombonana izay amin’izany no iarahana miomana amin’ny k˘nfesy sy iarahana misaotra noho ny famelana azo. Eto, ny fieken’ny olona tsirairay ny fahotany sy ny famotsoran-keloka ho an’ny isam-batan’olona dia tafiditra ao anatin’ny litorzian’ny Tenin’Andriamanitra, miaraka amin’ny vakiteny sy ny toriteny, ny fandinihana ny k˘nsiansy atao miaraka, ny fangatahana iombonana ho amin’ny famelana, ny vavaka Rainay ary ny fisaorana iombonana. Ity fankalazana iombonana ity dia mampiseho mazavazava kokoa ny toetra manokana an’ny fivalozana araka ny Fiangonana. Kanefa na manao ahoana na manao ahoana ny fomba fankalazana azy, ny sakramentan’ny Fivalozana, araka ny fombany, dia asa litorzika lalandava, ka noho izany asan’ny Fiangonana sy asan’ny vahoaka[90].

1483.Amin’ny toe-javatra mahalatsaka an-katerena dia azo atao ny midodododo ho amin’ny fankalazana iombonana amin’ny fampihavanana miaraka amin’ny k˘nfesy mitamba-be sy ny famotsorana mitamba-be. Mety hiseho ny mahalatsaka an-katerena raha misy loza mananontanona mety mahafaty, kanefa tsy manana fotoana ampy hihainoana ny fik˘nfesen’ny mpivalo tsirairay ny Pretra iray na Pretra maro. Mety ho toy izao koa ny mahalatsaka an-katerena, raha heverina amin’ny isan’ny mpivalo ka tsy ampy ny mpampik˘nfesy mba hihainoana ara-dalÓna ny fik˘nfesen’ny olona tsirairay ao anatin’ny fotoana sahaza izany, hany ka ny mpivalo  dia ho hita fa tsy hanana ny fahasoavana ara-tsakramenta na ny k˘monio masina mandritra ny fotoana lava, izay tsy fahadisoana avy amin’izy ireo no nahatonga izany. Amin’io toe-javatra io, ny mpino, mba hampanan-kery ny famotsoran-keloka, dia tsy maintsy manana fikasana hik˘nfesy mitokana ny fahotany lehibe amin’ny fotoana mahamety izany[91]. Anjaran’ny Eveka mitondra ny di˘sezy no manapaka raha mitombina ny fepetra ilaina ho amin’ny famotsoran-keloka mitamba-be[92]. Ny fahabetsahan’ny mpino tonga hamonjy ny fety lehibe na ny fivahiniana masina, dia tsy anisan’ny toe-javatra mahalatsaka an-katerena[93].

1484.“Ny fik˘nfesen’ny tsirairay ny fahotana manontolo arahina famotsoran-keloka dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro izay amin’izany no ihavanan’ny mpino  amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana, afa-tsy raha misy tsy fahazoa-manatanteraka ara-batana na ara-tsaina manafaka amin’ny fik˘nfesena toy izany”[94]. Antony lalina no azo anafahana amin’ izany. Miasa ao amin’ny tsirairay amin’ny sakramenta i Kristy. Miteny manokana amin’ny tsirairay amin’ny mpanota Izy hoe : “Anaka, voavela ny helokao” (Mk 2,5) ; Izy no mpitsabo izay miondrika eo amin’ny tsirairay amin’ireo marary izay mila Azy[95] mba hanasitrana azy ireo ; Izy no manarina azy ireo sy mamerina manontolo azy ireo indray ao anatin’ny fiombonam-pirahalahiana. Ny fik˘nfesen’ny olona manokana Óry izany no endrika mampibaribary indrindra ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana.

 

FAMINTINANA

1485.“Ny harivan’ny Paka, niseho tamin’ny ap˘st˘liny i Jesoa Tompo, ary nilaza tamin’izy ireo hoe : "Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo fahotana, dia ho voavela. Ireo izay ho tananareo amin’ izany, dia ho voatana" ” (Jo 20,22-23).

1486.Ny famelana ny fahotana natao taorian’ny Batemy dia omena amin’ny alalan’ny sakramenta manokana antsoina hoe : sakramentan’ny fibeba-hana, fibabohana, Fivalozana na Fampihavanana.

1487.Izay manota dia manala baraka an’Andriamanitra sy ny fitiavany, manimba ny hasina maha-olona azy voantso ho zanak’ Andriamanitra sy ny fiadanam-panahin’ny Fiangonana izay ny kristianina tsirairay no tsy maintsy ho vato velona.

1488.Amin’ny maso ara-pinoana, tsy misy zava-doza na iray aza mihoatra noho ny fahotana ary tsy misy voka-dratsy mahatsiravina noho izay aterany amin’ny tenan’izy mpanota ihany, amin’ny Fiangonana, ary amin’izao tontolo rehetra izao.

1489.Ny miverina indray amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra taorian’ny nahaverezan’izany noho ny fahotana, dia fihetsika ateraky ny fahasoavan’ Andriamanitra feno indrafo sy miahy ny famonjena ny olombelona. Tokony hangatahina ho an’ny tena ihany tahaka ny ho an’ny hafa izany fanomezana sarobidy izany.

1490.Ny fandehanana miverina amin’Andriamanitra, antsoina hoe fibebahana sy fanenenana, dia mirakitra alahelo mafy sy rikoriko noho ny fahotana natao, ary fikasana mafy tsy hanota intsony amin’ny hoavy. Mahakasika ny lasa sy ny hoavy Óry izany ny fibebahana ; ny fanantenana ny famindram-pon’Andriamanitra no ivelomany.

1491.Ny sakramentan’ny Fivalozana dia miorina amin’ny asa telo ataon’ny mpivalo, sy amin’ny famelan-keloka omen’ny Pretra. Ny asa ataon’ny mpivalo dia : ny fanenenana, ny fik˘nfesena na filazana ny fahotana amin’ny Pretra ary ny fikasana hanatanteraka ny fanonerana sy ny tsanganasam-panonerana.

1492.Ny fanenenana (antsoina koa hoe alahelon’ny fo noho ny ratsy natao tamin’Andriamanitra) dia tsy maintsy ho avy amin’ny antony ara-pinoana. Raha noho ny fitiavana an’Andriamanitra no ahatsapana ilay fanenenana, dia atao hoe lavorary izany ; raha noho ny antony hafa kosa no iorenany, dia antsoina hoe tsy lavorary izany.

1493.Ilay izay maniry hahazo ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ ny Fiangonana, dia tsy maintsy mik˘nfesy amin’ny Pretra ny fahotana lehibe rehetra izay tsy mbola nik˘nfeseny ka tsaroany amin’ny fandinihany amim-pitandremana ny k˘nsiasiny. Na dia tsy ilaina loatra aza ny fik˘nfesena ny fahotana madinika, dia ampirisihan’ny Fiangonana ny fanaovana izany.

1494.Manome hevitra ny mpivalo ny mpampik˘nfesy amin’ny fanatanterahana ny sasantsasany amin’ny asa fanonerana na fivalozana mba hanonerana ny voka-dratsy nafitsoky ny fahotana sy mba hanarenana indray ny fanao tsara mahazatra ny mpianatr’i Kristy.

1495.Ny Pretra izay hany nahazo tamin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny fahefana hamotsotra heloka no afaka mamela ny fahotana amin’ny Anaran’i Kristy.

1496.Ny vokatra ara-panahy azo avy amin’ny sakramentan’ny Fivalozana, dia :
- ny fihavanana amin’Andriamanitra izay amin’ny alalan’izany no ahazoan’ny mpivalo indray ny fahasoavana ;
- ny fihavanana amin’ny Fiangonana ;
- ny famelana ny sazy mandrakizay vokatry ny fahotana mahafaty ;
- ny famelana, na dia ampahany ihany aza, ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana ;
- ny fiadanana sy ny fahatonian’ny k˘nsiansy, ary ny fiononam-panahy ;
- ny fitombon’ny herin’ny fanahy hiatrehana ny adim-piainana kristianina.

1497.Ny fik˘nfesen’ny tsirairay ny fahotana lehibe manontolo, arahin’ny famotsoran-keloka, dia maharitra ho hany fomba fanao andavanandro amin’ny fampihavanana amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana.

1498.Amin’ny alalan’ny endolzansy no ahafahan’ny mpino mahazo ho an’ny tenany ihany, ary koa ho an’ny fanahy ao amin’ny Afofandiovana, ny famelana ny sazy misy fetra vokatry ny fahotana.

 

 

ANDALANA 5

Ny fanosorana ny marary

 

1499.“Amin’ny fanosorana diloilo masina ny marary sy ny vavaky ny Pretra no anankinan’ny Fiangonana manontolo amin’ny Tompo nijaly sy nomem-boninahitra ireo marary, mba hanamaivana ny aretin’izy ireo sy hamonjy azy ireo ny Tompo ; vao mainka tsara koa aza ny amporisihin’ny Fiangonana azy ireo, hanakambana amin-kalalahana ny fijalian’izy ireo amin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy  ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanasoavana ny Vahoakan’Andriamanitra”[96].

 

I. Fiorenany ao amin’ny fitantanam-pamonjena

Ny aretina eo amin’ny fiainan’olombelona.

1500. Anisan’ireo olana lehibe indrindra mandrakariva, izay mampijaly ny fiainan’olombelona, ny aretina sy ny fijaliana. Amin’ny aretina no hahatsapan’ny olombelona ny tsy fahampian’ny heriny, ny fetrany ary ny maha-misy farany azy. Mety ahatarafantsika ny fahafatesana ny aretina rehetra.

1501.Mety hitondra amin’ny tebiteby mafy, amin’ny fiforetana ao amin’ny tena ihany, indraindray aza amin’ny famoizam-po sy amin’ny fikomiana amin’ Andriamanitra ny aretina. Mety koa hahatonga ny olona ho matomatotra kokoa ny aretina, hanampy azy handanjalanja eo amin’ny fiainany amin’izay tsy ilaina, mba hitodihany mankany amin’izay ilaina. Matetika tokoa, mahatonga hitady an’Andriamanitra sy hiverina Aminy ny aretina.

Ny marary eo anoloan’Andriamanitra

1502. Niaina ny aretina teo anatrehan’Andriamanitra ny olon’ny Testamenta Taloha. Eo anoloan’Andriamanitra no atosany ny fitarainany noho ny aretina[97], ary Aminy, ilay Tompon’ny fiainana sy ny fahafatesana no italahoany ny fahasitranana[98]. Tonga lalam-pibebahana ny aretina[99] ary ny famelan’Andriamanitra no misantatra ny fahasitranana[100]. Nahatsapa tamim-pahazarana i Israely fa ny aretina, amin’ny fomba mistery, dia mifandray amin’ny fahotana sy ny ratsy, ary ny tsy fivadihana amin’ Andriamanitra, araka ny lalÓnany, no mamerina ny fiainana : “Satria Izaho Tompo, no mpitsabonao” (Eks 15,26). Tsinjon’ny mpaminany fa ny fijaliana dia mety koa hanana hevi-panavotana amin’ny fahotany hafa[101]. Farany, lazain’i Izaia fa Andriamanitra hanome fotoana ho an’i Si˘na, izay hamelany ny fahadisoana rehetra sy hanasitranany ny aretina rehetra[102].
 

I Kristy-mpitsabo 

1503.Ny fangorahan’i Kristy ny marary sy ny fanasitranany ny rofy maro isan-karazany[103] no famantarana mampitolagaga ny amin’ny “namangian’ Andriamanitra ny vahoakany” (Lk 7,16) ary efa akaiky tokoa ny Fanjakan’ Andriamanitra. Tsy hoe manana fahefana hanasitrana fotsiny i Jesoa, fa hamela ny fahotana koa[104] : tonga Izy hanasitrana ny olona manontolo, fanahy sy vatana ; Izy no ilay mpitsabo ilain’ny marary[105]. Lasa lavitra kokoa ny fangorahany an’ireo mijaly izay nakany ny endrik’izy ireo: “Narary Aho, novangianareo” (Mt 25,36). Ny tombom-pitiavany an’ireo farofy dia tsy mitsahatra, mandritra ny taonjato mifandimby, manaitaitra ny kristianina amin’ny fikarakarana manokana an’ireo izay mijaly amin’ny vatan’izy ireo sy amin’ny fanahin’izy ireo. Ny fangorahan’i Kristy no niandohan’ny ezaka tsy mety sasatra mba hanamaivana azy ireny.

1504.Matetika i Jesoa no mangataka amin’ireo marary mba hino[106]. Mampiasa famantarana Izy mba hanasitranana : rora sy fametrahan-tanana[107], fotaka sy fanasana[108]. Mitady hanendry Azy ny marary[109] satria “nisy hery niala Taminy ka nahasitrana azy rehetra” (Lk 6,19). Araka izany, amin’ny sakramenta, manohy “mikasika” antsika i Kristy mba hanasitrana antsika. 

1505.Tohina noho ny fijaliana maro i Kristy, ka tsy nanaiky fotsiny hokasihin’ ny marary, fa noraisiny ho Azy ny fahorian’izy ireo : “Naka ny rofintsika Izy sy nitondra ny aretintsika” (Mt 8,17)[110]. Tsy izay marary rehetra dia nositraniny avokoa. Ireo fanasitranany dia famantarana ny fahatongavan’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Manambara fanasitranana hatrany ifotony ireny : ny fandresena ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Pakany. Teo amin’ny Hazofijaliana no nandraisan’i Kristy tao Aminy ny vesatra manontolo ny ratsy[111] sy nanalany “ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1,29), ka ny aretina dia tsy inona fa vokany ihany. Tamin’ny alalan’ ny fijaliany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazofijaliana i Kristy no nanome dikany vaovao ny fijaliana : nanomboka teo afaka mampifanahaka antsika Aminy sy manakambana antsika amin’ny fijaliam-panavotany izany. 

“Sitrano ny marary…” 

1506.Asain’i Kristy hanaraka Azy ny mpianany amin’ny fitondran’izy ireo ny Hazofijalian’izy ireo[112]. Amin’ny fanarahana Azy, nahazo fijery vaovao momba ny aretina sy ny marary izy ireo. Nampiraisin’i Jesoa tamin’ny fiainany mahantra sy mpanompo izy ireo. Nampandraisany anjara amin’ny andraiki-panompoan’ny fangorahany sy ny fanasitranany izy ireo : “Nandeha izy ireo ka nitory fa tsy maintsy mibebaka ny olona ; ary nandroaka demony maro  izy ireo, sy nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy ireo” (Mk 6,12-13).

1507.Havaozin’ny Tompo nitsangan-ko velona izany fanirahana izany (“Amin’ ny anarako” […] hametra-tanana amin’ny marary izy ireo, dia ho sitrana ireny” : Mk 16,17-18) ary hamafisiny izany amin’ny alalan’ny famantarana izay tanterahin’ny Fiangonana amin’ny fiantsoana ny anarany[113]. Ireny famantarana ireny no mampiseho amin’ny fomba manokana fa “Andriamanitra mamonjy”[114] marina tokoa i Jesoa. 

1508.Omen’ny Fanahy Masina amin’ny olona sasany ny fanomezam-pahasoavana manokana hanasitrana[115], mba hanehoana ny herin’ny fahasoavan’Ilay nitsangan-ko velona. Na dia ny vavaka mafy indrindra aza anefa tsy voatery hahazoana ny fanasitranana ny aretina. Arak’izany, voatery nianatra tamin’ny Tompo i Md Paoly fa “ampy ho anao ny fahasoavako : satria ao amin’ny halemeko no isehoan’ny heriko” (2 K˘r 12,9), sady amin’ny fijaliana iaretana no mety ahazoana ny dikan’ny hoe : “fenoiko ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany izay ny Fiangonana” (K˘l 1,24).

1509. “Sitrano ny marary ! ” (Mt 10,8). Noraisin’ny Fiangonana tamin’ny Tompo io fiadidiana io, ary ezahiny tanterahina, na amin’ny alalan’ny fitsaboana ataony amin’ny marary, na amin’ny alalan’ny vavaka fitalahoana izay anotronany azy ireo. Inoany ny fisiana maha-eo an’i Kristy mamelombelon’aina, mpitsabo ny fanahy sy ny vatana, amin’io fiadidiana io. Io fisiana maha-eo io dia miasa indrindra amin’ny alalan’ny sakramenta, sy amin’ny fomba tena manokana amin’ny alalan’ny Eokaristia, mofo izay manome ny fiainana mandrakizay[116], ary i Md Paoly dia nanisika ny fifamatorany amin’ny fahasalamam-batana[117]

1510.Kanefa, fantatry ny Fiangonana ap˘st˘lika fa nisy ny fombam-pivavahana manokana ho an’ny marary, izay noporofoin’i Md Jak˘ba : “Misy marary ve ao aminareo ? Aoka izy hampiantso ny Pretran’ny Fiangonana ary aoka ireo no hivavaka ho azy, rahefa voahosotra diloilo amin’ny anaran’ny Tompo izy. Ny vavaka atao amim-pinoana, hamonjy ny marary, ary hanamaivana ny rofiny ny Tompo. Raha nanota izy, dia havelan’ny Tompo” (Jak 5,14-15). Ny Lovam-pampianarana dia manaiky marina an’io fombam-pivavahana io, ho anisan’ny iray amin’ireo sakramenta fito ao amin’ny Fiangonana[118].

Ny sakramentan’ny marary

1511.Mino sy miaiky ny Fiangonana fa amin’ireo sakramenta fito, misy sakramenta natokana indrindra hankaherezana ireo izay sedrain’ny aretina : ny fanosorana ny marary :

Ity fanosorana masina ny marary ity dia naorin’i Kristy Tompontsika ho sakramentan’ny Testamenta Vaovao, nolazaina marina sy araka ny tena izy, nasisik’i Md Marka[119], nefa nohafatrafarana ho ataon’ny mpino ary nampiharin’i Jak˘ba ap˘st˘ly sy rahalahin’ny Tompo[120].

1512.Amin’ny lovam-panahy litorzika, na any amin’ny Tatsinanana izany na any amin’ny Tandrefana, dia ananana hatramin’ny fahagola ny filazan’ny vavolombelona momba ny fanosorana ny marary notanterahina tamin’ny diloilo voahasina. Nandritra ny taonjato nifandimby, nomena indrindra indrindra an’ireo izay nadiva ho faty ihany ny fanosorana ny marary. Noho izany antony izany no nahazoany ny anarana hoe “Fanosorana Farany”. Na teo aza io fivoarana io, tsy hadinon’ny litorzia na oviana na oviana ny mivavaka amin’ny Tompo mba hahazoan’ny marary fahasalamana indray raha sahaza ny famonjena azy izany[121].

1513.Ny lalÓm-panorenana ap˘st˘lika hoe : “Sacram unctionem infirmorum” (“Fanosorana masina ny marary”) tamin’ny 30 n˘vambra 1972, taorian’ny K˘nsilin’i Vatikana faharoa[122],  dia nandraikitra, hatramin’ izao, ao amin’ny fombam-pivavahana r˘manina, fa tanterahina ity manaraka ity :

Ny sakramenta fanosorana ny  marary dia omena an’ireo olona marary mafy efa ambavahoana, amin’ny fanosorana azy ireo eo amin’ny handrina sy eo amin’ny tanana amin’ny diloilo voahasina araka ny didy – menaka ˘liva na menaka hafa avy amin’ny zavamaniry - amin’ny fitenenana indray maka  hoe : “Noho izao fanosorana masina izao ary noho ny famindram-pon’Andriamanitra be fitiavana dia enga anie Izy Tompo hanampy anao amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina. Amin’izay, rahefa afa-pahotana ianao, dia hovonjen’ny Tompo sy hohamaivaniny fa mora fo Izy”[123].

II. Iza no mandray ary iza no manome ity sakramenta ity ?

Raha misy marary mafy …

1514.Ny fanosorana ny marary “dia tsy sakramentan’ireo izay efa ambavahoanan’ny fahafatesana ihany. Koa ny fotoana mety handraisana izany, dia tonga tokoa rahefa manomboka ho tandindomin-dozan’ny fahafatesana ny mpino noho ny aretina avy amin’ny fahosam-batana na ny fahanterana”[124].

1515.Raha mahazo fahasitranana ny marary iray izay nandray ny fanosorana, azony atao ny mandray indray ity sakramenta ity, raha toa ka voan’ny aretina mafy indray. Mandritra io aretina iray io ihany, azo averina ity sakramenta ity raha mihombo ny aretina. Sahaza horaisina ny fanosorana ny marary, mialoha ny fandidiana lehibe. Tahaka izany koa ho an’ireo olona be taona izay mihamitombo ny faharefo.

“…aoka izy hampiantso ny Pretran’ny Fiangonana”

1516.Ny mpisorona ihany (Eveka sy Pretra) no mpandraharaha masina ny fanosorana ny marary[125]. Adidin’ny mpiandry ondry ny mampahalala ny mpino ny voka-tsoa azo amin’ity sakramenta ity. Aoka ny mpino handrisika ny marary hampiantso Pretra, mba handray ity sakramenta ity. Aoka ny marary hanoman-tena mba handray izany ao anatin’ny toe-panahy tsara, miaraka amin’ny fanampian’ny mpitondra azy ireo sy ny ankohonam-piangonana manontolo izay nasaina hanotrona manokana ny marary amin’ny fivavahany sy amin’ny fikarakarany ny maha-mpiray tam-po ara-pinoana.

III. Ahoana ny fomba ankalazana ity sakramenta ity ? 

1517.Toy ny sakramenta rehetra, ny fanosorana ny marary dia fankalazana litorzika sy iombonana[126], na ao an-tokantrano, na ao amin’ny h˘pitaly na ao am-piangonana, no anaovana izany, ho an’ny marary iray monja na ho an’ny vondrona marary iray manontolo. Tsara tokoa raha eo anivon’ny Eokaristia, tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo, no ankalazana  ity sakramenta ity. Tokony hialohavan’ny sakramentan’ ny Fivalozana sy harahin’ny sakramentan’ny Eokaristia ny fankalazana azy, raha mitaky izany ny toe-javatra miseho. Ny Eokaristia, amin’ny maha-sakramentan’ny Pakan’i Kristy azy, no tokony  ho sakramenta farany lalandava amin’ny fivahiniana eto an-tany, ho “vatsy masina” amin’ny “fiampitana” mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

1518.Mirafitra ho iray tsy azo sarahina ny teny sy ny sakramenta. Ny litorzian’ ny Teny, ialohavan’ny asa fivalozana, no manokatra ny fankalazana. Ny tenin’i Kristy sy ny teny vavolombelon’ny ap˘st˘ly, no mamohafoha ny finoan’ny marary sy ny ankohonam-piangonana mba hangataka amin’ny Tompo ny herin’ny Fanahiny.

1519.Ireto singafototra manaraka ireto no voalohany indrindra iompanan’ny fankalazana ity sakramenta ity : mametra-tanana – amim-panginana – amin’ilay marary ny Pretran’ny Fiangonana[127] ; mivavaka eo amin’ilay marary izy, amin’ny finoan’ny Fiangonana[128] ; izany no epikilezy manokana amin’ity sakramenta ity ; ataony amin’izay ny fanosorana amin’ny diloilo voahasina, raha azo atao, voahasin’ny Eveka.

Ireo asa litorzika ireo dia mampiseho fa fahasoavana  manao ahoana no omen’ity sakramenta ity ny marary.

IV. Ny vokatry ny fankalazana amin’ity sakramenta ity 

1520.Fanomezana manokana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny fahasoavana voalohany amin’ity sakramenta ity dia fahasoavam-piononana, fiadanana ary herim-po mba handresena ny fahasahiranana mifanandrify amin’ny toetr’aretina mafy atahorana na ny faharefom-pahanterana. Izany fahasoavana izany dia fanomezan’ny Fanahy Masina izay manavao ny fitokiana sy ny finoana an’Andriamanitra ary manome hery hanoherana ny fakam-panahin’ilay ratsy, fakam-panahim-pahakiviana sy tebitebim-pahafatesana[129]. Izany fanampian’ny Tompo amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahiny izany dia te hitondra ny marary ho amin’ny fahasitranam-panahy, nefa koa ho amin’ny fahasitranam-batana, raha izany no sitrapon’ Andriamanitra[130]. Afa-tsy izany, “raha nanota izy, dia havela ny fahotany” (Jak 5,15)[131]

1521.Fiombonana amin’ny fijalian’i Kristy. Mahazo ny hery sy ny fanomezana hiombona lalindalina kokoa amin’ny fijalian’i Kristy ny marary, amin’ ny fahasoavan’ity sakramenta ity : azo lazaina tsy amim-pisalasalana fa voamasina izy mba hamokatra noho ny fanahafana ny fijaliam-panavotan’ny Mpamonjy. Mahazo hevitra vaovao ny fijaliana, izay takaitra navelan’ny fahotana tamin’ny fototra : manjary fandraisana anjara amin’ny tsanganasam-pamonjen’i Jesoa izany.

1522.Fahasoavam-piangonana. Ny marary izay mandray ity sakramenta ity,  “ka manakambana izany an-tsitrapo amin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy”, dia manolotra “ny anjaran’izy ireo amin’ny fanasoavana ny Vahoakan’Andriamanitra”[132]. Rahefa mankalaza ity sakramenta ity ny Fiangonana, amin’ny fiombonan’ny olomasina, dia mitalaho ny soa ho an’ny marary. Ny anjaran’ny marary kosa, noho ny fahasoavan’ity sakramenta ity, dia ny manampy amin’ny fanamasinana ny Fiangonana sy amin’ny soa ho an’ny olombelona rehetra izay ho an’izany no ijalian’ny Fiangonana sy anolorany tena amin’Andriamanitra Ray, amin’ ny alalan’i Kristy. 

1523. Fanomanana amin’ny fiampitana farany. Raha omena an’ireo rehetra izay mijaly amin’ny aretina sy ny rofy mahery ny sakramenta Fanosorana ny marary, vao mainka homena an’ireo izay eo an-dalan’ny handao ity fiainana ity izy[133], hany ka izany koa no iantsoana azy hoe sacramentum exeuntium[134](sakramentan’ny miala aina). Ny fanosorana ny marary no mamarana ny fanahafantsika amin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona, tahaka ny nanombohan’ny Batemy nanao izany. Izy no manapitra ny fanosorana masina izay manoritra ny fiainana kristianina manontolo ; ny an’ny Batemy no nanisy fitombo-kase ny fiainam-baovao ao amintsika ; ny an’ny Fankaherezana no mankahery antsika amin’ny ady amin’ity fiainana ity. Ity fanosorana farany ity no mamonona ny fiafaran’ny fiainantsika eto an-tany ho toy ny manda mafy orina hiatrehana ny tolona farany alohan’ny fidirana ao an-Tranon’ny Ray[135].

V.Ny Vatsy masina, sakramenta farany ho an’ny kristianina 

1524. Ho an’ireo izay handao ity fiainana ity, dia atolotry ny Fiangonana ho fanampin’ny fanosorana ny marary, ny Eokaristia ho vatsy masina. Raha raisina amin’io fotoana hiampitana mankany amin’ny Ray io, ny k˘monion’ny Vatana aman-dRan’i Kristy dia manana hevitra sy lanja manokana. Izy no voa mamoa ny fiainana mandrakizay sy herin’ny fitsanganan-ko velona, araka ny tenin’ny Tompo hoe : “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay, ary Izaho hanangana azy ho velona amin’ny farandro” (Jo 6,55). Amin’ny maha-sakramentan’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona azy, ny Eokaristia eto dia sakramentan’ny fiampitana avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, avy eto amin’izao tontolo izao mankany amin’ny Ray[136].

1525. Amin’izany, tahaka ny sakramentan’ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia mitambatra ho iray antsoina hoe “sakramentan’ny firosoana ho kristianina”, dia azo lazaina fa ny Fivalozana, ny Fanosorana Masina ary ny Eokaristia, amin’ny maha-vatsy masina an’ireo, dia mitambatra ho “sakramenta izay manomana ho any an-Tanindrazana” na sakramenta izay mamarana ny fivahiniana, rahefa antomotra ho amin’ny fiafarany ny fiainana kristianina.

 

FAMINTINANA

1526. “Misy marary ve eo aminareo ? Aoka izy hampiantso ireo Pretran’ny Fiangonana, ary aoka izy ireo no hivavaka eo aminy sy hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo. Ny vavaka amim-pinoana dia hamonjy ny marary, ary hanasitrana azy ny Tompo. Raha nanota izy, dia havela ny fahotany (Jak 5 ,14-15).

1527.Ny sakramenta Fanosorana ny marary dia nokendrena hanome fahasoavana manokana ny kristianina misedra fahasahiranana izay tandra vadin-koditra noho ny aretina mafy na noho ny fahanterana.

1528.Tonga tokoa ny fotoana tsara andraisan’ny mpino ny Fanosorana Masina, rahefa manomboka hita fa mandindona azy ny fahafatesana, noho ny aretina na noho ny fahanterana.

1529.Raha vao misy kristianina marary mafy, dia mahazo mandray ny Fanosorana Masina izy ; ary na efa nahazo aza izy, nefa mihombo ny aretina, dia mbola azo omena indray.

1530.Ny mpisorona irery ihany (Pretra sy Eveka) no mahazo manome ny sakramenta Fanosorana ny marary ; mba hanomezana izany, ny diloilo nohamasinin’ ny Eveka no ampiasain’izy ireo, na, raha ilaina, ny diloilo nohamasinin’ny tenan’ilay Pretra mitarika ny fankalazana.

1531.Ny votoatin’ny fankalazana amin’ity sakramenta ity, dia ny fanosorana eo amin’ny handrina sy ny tanan’ny marary (amin’ny fombam-pivavahana r˘manina) na eo amin’ny faritra hafa amin’ny vatana (any Atsinanana), fanosorana arahim-bavaka litorzika ataon’ny Pretra mitarika ny fankalazana izay mangataka ny fahasoavana manokana amin’ity sakramenta ity.

1532.Toy izao ny vokatry ny fahasoavana manokana amin’ny sakramenta Fanosorana ny marary :
- ny fiombonan’ny marary amin’ny fijalian’i Kristy, mba hahazoany soa ho an’ny tenany sy ho an’ny Fiangonana manontolo ;
- ny fiononam-po, ny fiadanam-po ary ny herim-po mba hizakana amim-pomba kristianina ny fangirifiriana noho ny aretina na ny fahanterana ;
- ny famelana ny fahotana raha toa ka tsy afa-nandray izany tamin’ny sakramentan’ny Fivalozana ilay marary ;
- ny fiverenan’ny fahasalamana amin’ny laoniny, raha mifanaraka amin’ ny famonjena ara-panahy izany ;
- ny fanomanana ny fiampitana ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

 


 
[1] jer. 2 K˘r 5,1.
[2] jer. Mk 2,1-12.
[3]FF 11.
[4] jer. Mk 1,15.
[5] jer. Lk 15,18.
[6]OP, rijan-teny famotsoran-keloka.
[7]Gal 3,27.
[8] jer. DS 1515.
[9] jer. DS 1545 ; FF 40.
[10] jer. Asa 2,38.
[11]FF 8.
[12] jer. Sal 51,19.
[13] jer. Jo 6,44 ; 12,32.
[14] jer. 1 Jo 4,10.
[15] jer. Lk 22,61-62.
[16] jer. Jo 21,15-17.
[17] Md Ambroise in Ep. 41,12.
[18] jer. Joely 2,12-13 ; Iz 1,16-17 ; Mt 6,1-6.16-18.
[19] jer. K˘ns. Trente : DS 1677-1678 ; 1705 ; Catech. R. 2,5,4.
[20] jer. Ezek 36,26-27.
[21] jer. Jo 19,37 ; Zak 12,10.
[22]Md ClÚment de Rome, Cor. 7,4.
[23] jer. Jo 16,8-9.
[24] jer. Jo 15,26.
[25] jer. Asa 2,36-38 ; jer. Joany Paoly II, FA 27-48.
[26] jer. Tob 12,8 ; Mt 6,1-18.
[27] jer. Jak 5,20.
[28] jer. Am 5,24 ; Iz 1,17.
[29] jer. Lk 9,23.
[30]K˘ns. Trente : DS 1638.
[31] jer. L 109-110 ; CIC, can. 1249-1253 ; CCEO, can. 880-883.
[32] jer. Lk 15,11-24.
[33] jer. FF 11.
[34] jer. Mk 2,7.
[35] jer. Lk 7,48.
[36] jer. Jo 20,21-23.
[37] jer. Lk 15.
[38] jer. Lk 19,9.
[39]FF 22.
[40]K˘ns. Trente : DS 1542 ; jer. Tertullien, paen. 4,2.
[41]OP 46-55.
[42]Catech. R. 2,5,21 ; jer. K˘ns. Trente : DS 1673.
[43]K˘ns. Trente : DS 1676.
[44] jer. K˘ns. Trente : DS 1677.
[45] jer. K˘ns. Trente : DS 1678 ; 1705.
[46] jer. R˘m 12-15 ; 1 K˘r 12-13 ; Gal 5 ; Efez 4-6.
[47] jer. Eks 20,17 ; Mt 5,28.
[48]K˘ns. Trente : DS 1680.
[49]K˘ns. Trente : DS 1680 ; jer. Md JÚr˘me, Eccl. 10,11.
[50] Can. 989 ; jer. DS 1683, 1708.
[51] jer. K˘ns. Trente : DS 1647 ; 1661.
[52] jer. CIC, can. 916 ; CCEO, can. 711.
[53] jer. CIC, can. 914.
[54] jer. K˘ns. Trente : DS 1680 ; CIC, can. 988, ž 2.
[55] jer. Lk 6,36.
[56]Md Augustin, ev. Jo. 12,13.
[57] jer. K˘ns. Trente : DS 1712.
[58] jer. R˘m 3,25 ; 1 Jo 2,1-2.
[59] jer. K˘ns. Trente : DS 1690.
[60] jer. Filip 4,13.
[61] jer. Lk 3,8.
[62]K˘ns. Trente : DS 1691.
[63] jer. Jo 20,23 ; 2 K˘r 5,18.
[64]FF 26.
[65] jer. CIC, can. 844 ; 967-969 ; 972 ; CCEO, can. 722 ; žž 3-4.
[66] jer. CIC, can. 1331 ; CCEO, can. 1431 ; 1434.
[67] jer. CIC, can. 1354-1357 ; CCEO, can. 1420.
[68] jer. CIC, can. 976 ; CCEO, can.725.
[69] jer. CIC, can. 986 ; CCEO, can. 735 ; RFP 13.
[70] jer. RFP 13.
[71]CIC, can. 983-984 ; 1388, ž 1 ; CCEO, can. 1456.
[72]Catech. R. 2,5,18.
[73]K˘ns. Trente : DS 1674.
[74] jer. Lk 15,32.
[75] jer. 1 K˘r 12,26.
[76] jer. FF 48-50.
[77]RP 31.
[78] jer. 1 K˘r 5,11 ; Gal 5,19-21 ; Ap˘k 22,15.
[79]Paoly VI, const. ap. "Indulgentiarum doctrina", Normae 1.
[80]Ibid., Normae 2.
[81]CIC, can. 994.
[82] jer. K˘ns. Trente : DS 1712-1713 ; 1820.
[83] jer. Efez 4,24.
[84]Paoly VI, const. ap. "Indulgentiarum doctrina" 5.
[85]Ibid.
[86]Ibid.
[87]Ibid.
[88] jer. Paoly VI, loc. cit. 8 ; K˘ns. Trente : DS 1835.
[89]Euxologie t˛ mŔga.
[90] jer. L 26-27.
[91] jer. CIC, can. 962, ž 1.
[92] jer. CIC, can. 961, ž 2.
[93] jer. CIC, can. 961, ž 1,2.
[94]OP 31.
[95] jer. Mk 2,17.
[96]FF 11.
[97] jer. Sal 38.
[98] jer. Sal 6,3 ; Iz 38.
[99] jer. Sal 38,5 ; 39,9.12.
[100] jer. Sal 32,5 ; 107,20 ; Mk 2,5-12.
[101] jer. Iz 53,11.
[102] jer. Iz 33,24.
[103] jer. Mt 4,24.
[104] jer. Mk 2,5-12.
[105] jer. Mk 2,17.
[106] jer. Mk 5,34.36 ; 9,23.
[107] jer. Mk 7,32-36 ; 8,22-25.
[108] jer. Jo 9,6-15.
[109] jer. Mk 1,41 ; 3,10 ; 6,56.
[110] jer. Iz 53,4.
[111] jer. Iz 53,4-6.
[112] jer. Mt 10,38.
[113] jer. Asa 9,34 ; 14,3.
[114] jer. Mt 1,21 ; Asa 4,12.
[115] jer. 1 K˘r 12,9.28.30.
[116] jer. Jo 6,55.59.
[117] jer. 1 K˘r 11,30.
[118] jer. DS  216 ; 1324-1325 ; 1695-1696 ; 1716-1717.
[119] jer. Mk 6,13.
[120]K˘ns. Trente : DS 1695 ; jer. Jak 5,14-15.
[121] jer. DS 1696.
[122] jer. L 73.
[123] jer. CIC, can. 847, ž 1.
[124]L 73 ; jer. CIC, can. 1004, ž 1 ; 1005 ; 1007 ; CCEO, can.738.
[125] jer. K˘ns. Trente : DS 1697 ; 1719 ; CIC, can. 1003 ; CCEO, can. 739, ž 1.
[126] jer. L 27.
[127] jer. Jak 5,14.
[128] jer. Jak 5,15.
[129] jer. Heb 2,15.
[130] jer. K˘ns. Florence : DS 1325.
[131] jer. K˘ns. Trente : DS 1717.
[132]FF 11.
[133]"In exitu vitae constituti" : K˘ns. Trente : DS 1698.
[134]Ibid.
[135]Ibid. : DS 1694.
[136] jer. Jo 13,1.
 

 

top