The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHATELO

Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana

 

1533.Ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia no sakramentan’ny firosoana ho kristianina. Ireo no manorina ny fiantsoana iombonan’ny mpianatr’i Kristy rehetra, fiantsoana ho amin’ny fahamasinana sy ho amin’ny fanirahana hitory ny Evanjely amin’izao tontolo izao. Ireo no manome ny fahasoavana ilaina ho amin’ny fiainana araka ny Fanahy amin’ity fiainan’ny mpivahiny mizotra mankany an-tanindrazana ity.

1534.Ireo sakramenta anankiroa hafa, ny Filaharana sy ny Fanambadiana, dia nalahatra ho amin’ny famonjena ny hafa. Na manampy koa amin’ny famonjena ny tsirairay aza ireo, dia amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa no anaovany izany. Manome iraka manokana ao amin’ny Fiangonana ireo, ary manampy amin’ny fanorenana ny Vahoakan’ Andriamanitra. 

1535.Amin’ireo sakramenta ireo, ireo izay efa nohamasinina tamin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana[1] ho amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino rehetra dia afaka mandray ny fanamasinana manokana. Ireo izay mandray ny sakramentan’ny Filaharana dia nohamasinina, amin’ny anaran’i Kristy, “amin’ny alalan’ny teny sy ny fahasoavan’Andriamanitra mba ho mpitondra ny Fiangonana”[2]. Eo anilan’izy ireo, “ny mpivady kristianina, mba hanatontosa amim-pahamendrehana ny adidy amin’ny lalam-piainana arahin’izy ireo, dia nankaherezina sy nohamasinina tokoa amin’ny sakramenta manokana”[3].

 

ANDALANA  6

Ny Sakramentan’ny Filaharana.

1536.Ny Filaharana dia sakramenta izay mahatonga ny fanirahana nankinin’i Kristy tamin’ireo ap˘st˘liny hitohy ka ho ampiasaina ao amin’ny Fiangonana mandra-pahatongan’ny farandro : ny Filaharana izany no sakramentan’ny andraiki-panompoana maha-ap˘st˘ly. Misy ambaratonga telo izy : ny maha-eveka, ny maha-pretra ary ny maha-diakra.

[ Raha ny fampianarana momba ny nanorenan’i Kristy ny andraiki-panompoana maha-ap˘st˘ly sy ny nanirahany ho amin’izany, dia efa hita ao amin’ny n░ 874-896. Koa ny hany ho resahina eto, dia ny momba ny lalana ara-tsakramenta izay ampitana ity andraiki-panompoana ity.]

 

I.Nahoana no antsoina hoe Filaharana ity sakramenta ity ?

1537.Ny teny hoe Ordre (Filaharana), tamin’ny andron’ny r˘manina fahiny, dia nanondroana ny sampan-draharaham-panjakana amin’ny lafiny sivily, indrindra ireo mpitondra fanjakana. Dia natao hoe ordinatio (fanokanana) ny teny ilazana ny fampidirana ho mpikambana tanteraka ao amin’ny ordo (Laharam-pitondrana). Ao amin’ny Fiangonana koa, misy ny sampan-draharaham-pitondrana, sady araka ny fototra ao amin’ny Soratra Masina[4], izay antsoin’ny Lovam-pampianarana hatramin’ny andro taloha tamin’ny anarana hoe taxeis (amin’ny teny grika), na hoe ordines (fanamasinana  araka ny laharam-pitondrana) : amin’izany no itenenan’ ny litorzia hoe : ordo episcoporum (fanamasinana ho amin’ny laharana maha-eveka), ordo presbyterorum (fanamasinana ho amin’ny laharana maha-pretra), ordo diaconorum (fanamasinana ho amin’ny laharana maha-diakra). Ny vondron’olona hafa dia mandray koa ity anarana hoe ordo ity : ny katekomena, ny virjiny, ny mpivady, ny mananotena …

1538.Ny fampidirana ho mpikambana feno ao amin’ny iray amin’ireo vondron’ olon’ny Fiangonana ireo dia natao tamin’ny fombam-pivavahana nantsoina hoe ordinatio, asa ara-pivavahana sy ara-litorzia, izay fanamasinana, fitsofan-drano na sakramenta. Ankehitriny ny teny hoe ordinatio dia natokana ho amin’ny asa ara-tsakramenta izay ampidirana ho mpikambana feno ao amin’ny laharan’ny Eveka, laharan’ny Pretra, ary laharan’ny Diakra, ka izany dia ambony noho ny fifidianana tsotra, fanendrena, fisoloan-tena na fananganana ataon’ny ankohonam-piangonana, satria ny ordinatio dia omena amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina ahafahana mampiasa ny “fahefana masina” (sacra potestas[5]) izay tsy mety ho azo afa-tsy avy amin’ny Tenan’i Kristy ihany, amin’ny alalan’ny Fiangonany. Ny "ordination" dia antsoina koa hoe consecratio (fanamasinana) satria izany no fanokanana sy fanomezam-pahefana avy amin’ny Tenan’i Kristy ihany, ho an’ny Fiangonany. Ny fametrahan-tanana ataon’ny Eveka, miaraka amin’ny vavaka fanamasinana, no mitambatra ho famantarana hita maso amin’ity fanamasinana ity. 

 

II. Ny sakramentan’ny Filaharana ao amin’ny fitantanam-pamonjena

 

Ny fisoronana tao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha

1539.Natsangan’Andriamanitra ho “fanjaka-mpisorona sy firenena masina” (Eks 19,6)[6] ny vahoaka voafidy. Kanefa tao anatin’ny vahoaka Israely, dia nifidy foko  iray amin’ireo foko roa ambin’ny folo Andriamanitra, dia ny fokon’i Levý  izany, izay natokana ho amin’ny fanompoana ara-litorzia[7]. Izy Andriamanitra mihitsy no anjara lovany[8]. Nisy fombam-pivavahana manokana nanamasinana ny fiandohan’ny fisoronana tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha[9]. Ny mpisorona no “notendrena mba ho solontena manelanelana ny olona amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra, ka hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota”[10]

1540.Naorina io fisoronana io, mba hitoriana ny Tenin’Andriamanitra[11] sy mba hamerenana ny fiombonana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorona sy ny fivavahana, saingy tsy manan-kery hahazoana famonjena, hany ka mila famerimberenana tsy an-kijanona ny sorona, ary tsy afaka hipaka amin’ny fanamasinana tanteraka[12], izay ny soron’i Kristy no hany mahavita izany.

1541.Kanefa, hitan’ny litorzian’ny Fiangonana fa ny fisoronan’i Aar˘na sy ny fanompoan’ny levita, tahaka izany koa ny fanorenana ny vondrona “Loholona”[13] fitopolo lahy, dia tandindona mampiseho ny andraiki-panompoana masina ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Araka izany, amin’ny fombam-pivavahana latinina, ao amin’ny prefasy fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Eveka, ny Fiangonana dia mivavaka hoe :

Ry Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tomponay ˘, (...) nandritra ny Fanekem-pihavanana Taloha  Ianao no nanomboka namolavola ny Fiangonanao ; hatramin'ny voalohany Ianao no nanokana ireo taranak' i  Abrahama ho vahoaka masina ; ary Ianao no nanangana  ireo filoha sy mpisorona, izay nataonao ho mpandraharaha mandrakariva ny tempolinao[14]

1542. Amin’ny fotoana fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra, mivavaka toy izao ny Fiangonana :

Ry Tompo, Ray Masina ˘, (…) efa tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, sy  ho fanambarÓna ny sakramenta ho avy, no nametrahanao ireo mpisorombe ho filoha mpitondra ny vahoakanao ;  nefa nifidy olona hafa koa Ianao, nampandraisinao anjara tamin’ny fanompoan’ izy ireo sy nanampy azy ireo tamin’ny lahasany. Ho toy izany no nampitanao tao amin’ireo loholona fitopolo lahy, feno fahendrena, ny fanahy nomenao an’i M˘izy, sy nampandraisanao anjara ny zanak’i Aar˘na, amin’ny fanamasinana noraisin’ny rain’izy ireo[15].

1543.Ary amin’ny vavaka fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra, izao no ambaran’ny Fiangonana :

Ry Ray Masina indrindra ˘ (…), ho fananganana an’izao tempoly vaovao izao (ny Fiangonana) no nanorenanao ny andraiki-panompoana  amin’ny filaharana telo samihafa, dia ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra, izay nanomezanao azy ireo avy andraikitra hanompo Anao, toy ny nataonao fahiny tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, izay nanokananao ireo zanaky ny fokon’i Levý, mba hikarakara ny fonenanao, ary Ianao no lovan’izy ireo [16].

 

Ny fisoronana tokan’i Kristy

1544.Tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa “mpanalalana tokana amin’Andria-manitra sy ny olombelona” (1 Tim 2,5) ny tandindona rehetra momba ny fisoronana teo amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha. I Melkisedeka, “mpisoron’ilay Andriamanitra Avo Indrindra” (Jen 14,18), no noheverin’ny Lovam-pampianarana kristianina ho tandindon’ny maha-mpisorona an’i Kristy, “Mpisorombe tokana, araka ny fomban’i Melkisedeka” (Heb 5,10 ; 6,20), “masina, tsy manan-tsiny, madio tsy misy pentim-pahotana” (Heb 7,26), izay “fanatitra iray monja dia mahalavorary mandrakizay ireo izay hamasininy” (Heb 10,14), izany hoe tamin’ny alalan’ny sorona tokan’ny Hazofijaliany.

1545.Tokana ny sorom-panavotan’i Kristy, notanterahina indray mandeha ihany. Kanefa, manjary eo io sorom-panavotana io amin’ny sorona Eokaristikan’ ny Fiangonana. Torak’izany koa amin’ny fisoronana tokan’i Kristy : manjary eo Izy amin’ny fisoronana maha-mpandraharaha  voahosotra, izay tsy mampihen-kasina ny maha-tokana ny fisoronan’i Kristy : “Koa i Kristy irery no hany tena mpisorona, ny hafa kosa dia mpandraharahany masina fotsiny”[17].

 

Fandraisana anjara anankiroa amin’ny fisoronana tokan’i Kristy

1546.I Kristy, mpisorombe sy hany mpanalalana, no nanao ny Fiangonana ho “Fanjaka-mpisorona ho an’Andriamaniny sy Ray” (Ap˘k 1,6)[18]. Ny ankohonana mpino manontolo, araka izany, dia mpisorona. Ampiasain’ny mpino ny maha-mpisorona azy ireo avy amin’ny Batemy, amin’ny alalan’ ny fandraisan’izy ireo anjara, araka ny fiantsoana ny tsirairay manokana, amin’ny fanirahana an’i Kristy, Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy sy ny Fankaherezana “no nanokanana ny mpino mba ho (…) mpisorona masina”[19]

1547.Ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra  na araka ny ambara-tongam-pitondran’ny Eveka sy ny Pretra, sy ny fisoronana iombonan’ny mpino rehetra, na dia “samy manana ny fomba manokana avy aza, ny andaniny sy ny ankilany, dia mandray anjara amin’ny fisoronana tokan’i Kristy”[20], kanefa sady miavaka araka ny maha-izy azy, no “nalamina hifameno”[21]ireo. Amin’ny lafiny inona ? Ny fisoronana iombonan’ny mpino moa dia tanteraka eo amin’ny fivelaran’ny fahasoavan’ny Batemy, fiainana ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, fiainana araka ny Fanahy, ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra kosa, dia manampy amin’ny fisoronana iombonana, mifandray amin’ny fivelaran’ny fahasoavan’ny Batemin’ny kristianina rehetra. Koa anisan’ny iray amin’ireo fomba amam-pitaovana izay anorenan’i Kristy ny Fiangonany sy itarihany azy tsy an-kijanona io fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra io. Izany no antony namindrany azy amin’ny alalan’ny sakramenta manokana, dia ny sakramentan’ny Filaharana.


 

Ao amin’ny Tenan’i Kristy-Loha …

1548.Amin’ny fanompoam-piangonana iandraiketan’ny mpandraharaha voa-hosotra, ny Tenan’i Kristy mihitsy no eo amin’ny Fiangonany amin’ny maha-Lohan’ny Vatany Azy, maha-Mpiandry ny andian’ondriny Azy, maha-Mpisoromben’ny sorom-panavotana Azy, maha-Mpampianatra ny Fahamarinana Azy. Izany no ambaran’ny Fiangonana amin’ny filazana fa ny Pretra, noho ny sakramentan’ny Filaharana, dia miasa ao amin’ny Tenan’i Kristy-Loha[22] (in persona Christi Capitis) :

I Kristy Jesoa ihany no Mpisorona,  ka marina tokoa fa io maha-Mpisorona Azy io no ampiasain’ny mpandraharaha masina. Eny,  marina tokoa, fa mitovy zo amin’ilay Mpisorona Ambony indrindra ny mpandraharaha masina, noho ny fanamasinana ho mpisorona izay noraisiny, ka mizaka ny fahefana hiasa amin’ny alalan’ny herin’Izy Kristy mihitsy izay soloiny tena izy (virtute ac persona ipsius Christi)[23].

I Kristy no loharano ipoiran’ny fisoronana rehetra: satria tandindon’i Kristy ny mpisoron’ny lalÓna taloha, ary miasa amin’ny tenan’i Kristy ny mpisoron’ny lalÓna vaovao[24]

1549.Amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny mpandraharaha voahosotra, singanina manokana ny Eveka sy ny Pretra, dia manjary hita maso eo anivon’ny ankohonan’ny mpino ny maha-misy eo an’i Kristy amin’ny maha-filohan’ny Fiangonana Azy[25]. Araka ny fomba fiteny mahafinaritr’i Md Ignace d’Antioche, ny Eveka dia typos tou Patros, izy no toy ny sary velon’Andriamanitra Ray[26]

1550.Izany maha-misy an’i Kristy ao amin’ny mpandraharaha masina izany, dia tsy azo ampifandraisina amin’ny hoe : voaro amin’ny fahosana rehetra maha-olombelona, amin’ny fisainana te-handidy manapaka, amin’ny fahadisoana, na koa amin’ny fahotana ilay mpandraharaha masina. Araka izany, tsy mitovy ny fomba fiarovan’ny herin’ny Fanahy Masina ny asa rehetra ataon’ny mpandraharaha masina. Kanefa nomena ao amin’ny sakramenta rehetra io fiarovana io, hany ka na ny fahotan’ny mpandraha-raha masina aza tsy afaka misakana ny vokatry ny fahasoavana, saingy misy asa hafa maromaro maneho ny maha-olombelona ny mpandraharaha masina, mamela marika izay tsy dia famantarana mandrakariva ny tsy fivadihana amin’ny Evanjely, koa noho izany mety hanimba ny fahavokaran’ny maha-ap˘st˘ly ny Fiangonana. 

1551. Momba ny maha-mpandraharaha voahosotra izany fisoronana izany. “Fanompoana marina tokoa io adidy aman’andraikitra nankinin’ny Tompo tamin’ny mpitondra  ny vahoakany io”[27]. Miompana manontolo amin’i Kristy sy amin’ny olombelona izany. Miankina manontolo amin’i Kristy sy amin’ny maha-mpisorona tokana aman-tany Azy izany, ary naorina ho an’ny olombelona sy ho an’ny fiombonamben’ny Fiangonana. Mampita “fahefana masina”, izay tsy hafa fa ny an’i Kristy, ny sakramentan’ny Filaharana. Ny fampiasana izany fahefana izany Óry dia tsy maintsy refesina avy amin’ny m˘dely nomen’i Kristy izay nilatsa-tenany ho faraidiny sy ho mpanompon’ny rehetra, noho ny fitiavana[28]. “Nilaza mazava ny Tompo fa ny fikarakarana ny andian’ondriny no porofom-pitiavana Azy”[29].

 

… “Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo”

1552.Tsy ny mampiseho an’i Kristy – Lohan’ny Fiangonana – manoloana ny mpino miangona ihany tsy akory no lahasa amin’ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra, fa miasa amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo koa izy rahefa manolotra ny vavaky ny Fiangonana amin’ Andriamanitra[30] ary indrindra rahefa manolotra ny soron’ny Eokaristia[31].

1553.Ny hoe “amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo”, tsy milaza fa hoe ny Pretra no solontenan’ny ankohonam-piangonana. Tsy azo sarahina amin’ny vavaka sy ny fanatitr’i Kristy Filohany ny vavaka sy ny fanatitry ny Fiangonana. Fa fanompoam-pivavahan’i Kristy lalandava ao amin’ny Fiangonany sy amin’ny alalan’ny Fiangonany izany. Ny Fiangonana manontolo, Vatan’i Kristy, no mivavaka sy manolo-tena, “amin’ny Alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy”, ao amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina, amin’Andriamanitra Ray. Ny Vatana manontolo, caput et membra (loha sy rantsambatana) no mivavaka sy manolo-tena, ary noho izany, ao amin’ny Vatana, ireo izay mpandraharaha masina manokana amin’izany, dia antsoina hoe mpandraharaha masina, tsy an’i Kristy ihany, fa an’ny Fiangonana koa. Satria ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra no misolo tena an’i Kristy sy afaka misolo tena ny Fiangonana.


 

III. Ny ambaratonga telo amin’ny sakramentan’ny Filaharana 

1554. “Ny fandraharaham-piangonana, naorin’Andriamanitra, dia ampiasaina ao anatin’ny hamaroan’ambaratonga amin’ny alalan’ireo izay efa hatramin’ny ela no antsoina hoe Eveka, Pretra, Diakra”[32]. Ny fitambaram-pampianarana kat˘lika, voambara ao amin’ny litorzia, ny Toniam-pampianarana ary ny fomba tsy miova fanaon’ny Fiangonana, dia manaiky marina fa misy ambaratonga roa  ny fandraisana anjara maha-mpandraharaha voahosotra amin’ny fisoronan’i Kristy : ny maha-eveka sy ny maha-pretra. Ny maha-diakra dia natokana hanampy azy ireo sy hanompo azy ireo. Noho izany, ny teny hoe sacerdos (mpisorona) dia manondro, amin’ny fampiasana ankehitriny, ny Eveka sy ny Pretra, fa tsy ny Diakra. Kanefa, ny fitambaram-pampianarana kat˘lika dia mampianatra fa ny ambaratongan’ny fandraisana anjara amin’ny fisoronana (maha-eveka sy maha-pretra) sy ny ambaratongam-panompoana (maha-diakra) dia samy omena amin’ny alalan’ny asa ara-tsakramenta antsoina hoe “fanamasinana” avokoa izy telo, izany hoe amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Filaharana :

Aoka ny olon-drehetra hanaja ny Diakra ho tahaka an’i Jesoa-Kristy, toy izany koa ny Eveka, izay endriky ny Ray, sy ny Pretra ho tahaka ny antenimieran-doholon’Andriamanitra sy ho tahaka ny antenimieran’ny ap˘st˘ly : raha tsy misy azy ireo, tsy afaka miresaka hoe Fiangonana[33].

 

Ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-eveka – hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana

1555. “Ny mitana ny toerana voalohany, amin’ireo andraiki-panompoana samihafa izay nosahanina tao amin’ny Fiangonana nanomboka tany am-piandohana, araka ny porofon’ny Lovam-pampianarana, dia ny anjara raharahan’ireo izay napetraka ao amin’ny laharana maha-eveka, amin’ny alalan’ny fifandimbiasana mitohy hatrany am-piandohana, ka izy ireo no sampam-boaloboka izay iampitan’ny voa mamoa avy amin’ny ap˘st˘ly”[34]

1556.Mba hanatontosana ny iraka ambony ampanaovina azy ireo, dia “ny fandrotsahana manokana ny Fanahy Masina, natsororoka teo ambonin’izy ireo no namenoan’i Kristy  ireo ap˘st˘ly ; izy ireo kosa, tamin’ny alalan’ ny fametrahan-tanana,  no nampita tamin’ny mpiara-miasa amin’izy ireo ny fanomezana ara-panahy izay tafita hatraty amintsika amin’ny alalan’ ny fanamasinana Eveka”[35].

1557.Ny K˘nsily Vatikana faharoa dia “mampianatra, fa amin’ny alalan’ny fanamasinana Eveka no omena ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana, izay antsoin’ny fomba mahazatra ara-litorzian’ny Fiangonana sy ny feon’ny Ray masina, araka izany, amin’ny anarana hoe mpisorona fara tampony, feno manontolo mihitsy (summa) amin’ny andraiki-panompoana masina”[36]

1558. “Ny fanamasinana Eveka, miaraka amin’ny fiadidiana hanamasina, dia manome koa ny fiadidiana hampianatra sy hitondra. (…) Araka izany (…) amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana sy amin’ny alalan’ny teny fanamasinana no omena ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ary voaraikitra ao anaty ny marika masina, hany ka ny Eveka, amin’ny fomba ambony dia ambony sy hita maso, no mitana ny toeran’ny Tenan’Izy Kristy, Mpampianatra, Mpiandry ondry sy Mpisorona fara tampony, sy manao ny anjara asany (in Eius personna agant)”[37]. “Koa, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena azy ireo no voatsangana ho tena mpampianatra ny finoana, tena mpisorona ary tena mpiandry ondry marina sy izy tokoa ireo Eveka”[38]

1559.“Noho ny fanamasinana ara-tsakramenta sy amin’ny fiombonana araka ny ambaratongam-pitondrana amin’ny filohan’ny fiombonam-piadidiana sy ireo mpikambana aminy, no hahatongavan’ny olona iray ho anisan’ny vondron’ny maha-eveka”[39]. Ny toetra manokana sy ny toetra maha-fiombonam-piadidiana ny laharan’ny maha-eveka dia niseho tamin’ny fomba manokana tamin’ny fanaon’ny Fiangonana fahiny, izay mitaky fa mba hanamasinana Eveka vaovao iray, Eveka maromaro no mandray anjara amin’ny fanamasinana[40]. Amin’ny fanamasinana ara-dalÓna ho amin’ny laharana maha-eveka iray, dia ilaina ankehitriny ny firotsahana manokana ataon’ny Evekan’i R˘ma, noho izy mpampifandray fara tampony hita maso ny fiombonan’ny Fiangonana eo an-toerana sy ny Fiangonana iray, sy mpiantoka ny fahalalahan’izy ireo.  

1560.Ny Eveka tsirairay, amin’ny maha-vikeran’i Kristy azy, dia manana fiadidiana ara-past˘raly ny Fiangonana eo an-toerana izay nankinina aminy, nefa koa sady mizaka ao anatin’ny fiombonam-piadidiana miaraka amin’ny rahalahiny rehetra ao amin’ny laharan’ny maha-eveka amin’ny fiahiana ny Fiangonana manontolo izy : “Raha ampahany ihany amin’ny andian’ondry nankinina amin’ny fikarakarany no maha-mpiandry ondry manokana ny Eveka tsirairay, ny mahatonga azy ho miara-tompon’andraikitra amin’ny fanirahana ap˘st˘likan’ny Fiangonana kosa dia ny maha-voahosotra azy ho dimbin’ny ap˘st˘ly ara-dalÓna araka ny fanorenan’Andriamanitra”[41].  

1561.Izay rehetra vao avy nolazaina teo dia manazava ny antony mahatonga ny Eokaristia ankalazain’ny Eveka ho manana hevitra manokana tokoa, satria fanehoana ny Fiangonana mivory manodidina ny ˘tely eo ambany fitondran’ilay izay misolo tena hita maso an’i Kristy Mpiandry ondry Tsara sy Lohan’ny Fiangonany[42]

 

Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Pretra - mpiara-miasa amin’ny Eveka

1562. “I Kristy, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, no nanao, tamin’ny alalan’ny ap˘st˘ly, ny dimbin’izy ireo, izany hoe ny Eveka, ho mpiombona anjara amin’ny fanamasinany sy amin’ny fanirahany. Anjaran’ireo Eveka kosa, no mamindra ara-dalÓna, amin’ireo rantsambatana samihafa ao amin’ny Fiangonana, sy manaraka ny ambaratonga samihafa, ny fiadidiana amin’ny andraiki-panompoan’izy ireo”[43]. “Ny anjara raharaha maha-mpandraharaha masina azy ireo dia nafindra tamin’ny Pretra eo amin’ny ambaratongan’ny olom-pehezina : ireto dia naorina tamin’ny Laharan’ny maha-pretra mba ho mpiara-miasa amin’ny Laharan’ny maha-eveka amin’ny fanatontosana ny fanirahana maha-ap˘st˘ly nankinin’i Kristy”[44]

1563. “Ny anjara raharahan’ny Pretra, noho io miray amin’ny Laharan’ny maha-eveka, dia mahazo anjara amin’ny fahefana izay ny Tenan’i Kristy mihitsy no manorina, manamasina ary mitondra ny Vatany, amin’ny alalan’izany. Noho izany, na miorina amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina aza ny maha-mpisorona ny Pretra, dia misy sakramenta hafa mampisy marika manokana azy ireo sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy-Mpisorona, amin’ny fanosoran’ny Fanahy Masina, mba hahatonga azy ireo ho afaka miasa amin’ny anaran’ny Tenan’Izy Kristy-Filoha mihitsy”[45].

1564. “Ny Pretra, na tsy manana ny fiadidiana fara tampony an’ny Papa aza ary na miankina amin’ny Eveka aza ny fampiasana ny fahefan’izy ireo, dia iombonana amin’izy ireo kosa ny fiambonian’ny maha-mpisorona azy rehetra ; ary noho ny hasin’ny sakramentan’ny Filaharana, amin’ny endrik’i Kristy mpisorona fara tampony sy mandrakizay[46], dia nohamasinina izy ireo mba hitory ny Evanjely, mba ho mpitondra ny mpino ary mba hankalaza ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny maha-mpisoron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao azy ireo marina  tokoa[47].

1565.Noho ny sakramentan’ny Filaharana no andraisan’ny Pretra anjara eo amin'ny sehatra manerana ny tany tontolo amin’ny iraka nankinin’i Kristy tamin’ny ap˘st˘ly. Ny fanomezana ara-panahy izay noraisin’izy ireo tamin’ny fanamasinana no manomana azy ireo, tsy ho amin’ny iraka noferana sy nahena, “fa ho amin’ny iraka mitondra famonjena mahenika ny tontolom-piainana, “hatrany amin’ny faran’ny tany”[48], “vonona amin’ ny fo tokoa hitory ny Evanjely na amin’ny toerana aiza na amin’ny toerana aiza”[49]

1566.“Amin’ny fotoam-pivavahana na fiaraha-miangona amin’ny Eokaristia izy ireo no mampiasa amin’ny fomba tsara indrindra ny fiadidiana masina azy ireo : amin’io fotoana io, izay andraisan’izy ireo ny toeran’i Kristy sy anaovany antso avo ny misteriny, no anakambanan’izy ireo ny fangatahan’ny mpino rehetra amin’ny soron’ilay Filohan’izy ireo, amin’ny fampisiana eo sy amin’ny fampiharana ao amin’ny soron’ny lamesa, mandra-piverin’ny Tompo, ilay sorona tokan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, dia ny an’i Kristy nanolo-Tena indray mandeha monja tamin’ny Rainy ho sorona madio tsy misy pentina”[50]. Ao amin’io sorona tokana aman-tany io ny andraiki-panompoana rehetra maha-mpisorona azy ireo no manovo ny heriny[51].  

1567.“Noho ny maha-mpiara-miasa kinga saina amin’ny laharan’ny maha-Eveka ireo Pretra, izay izy ireo no mpanampy sy fitaovana, nantsoina hanompo ny Vahoakan’Andriamanitra, dia mitambatra, miaraka amin’ny Evekany izy ireo, ho fivondronana tokan’ny maha-pretra amin’ny anjara raharaha samihafa. Any amin’ny toerana tsirairay izay ahitana ankohonan’ ny mpino, dia izy ireo no toy ny famantarana maha-eo ny Eveka amin’ny fomba azo antoka izay aminy izy ireo no miombona amin’ny fo mahatoky sy malalaka, amin’ny fizakana ny adidy aman’andraikitry ny Eveka sy ny fiahiany araka ny anjara tandrify azy ireo, ary amin’ny fampiasana izany amin’ny fiahian’izy ireo isan’andro ny mpino”[52]. Ireo Pretra dia tsy afaka mampiasa ny andraiki-panompoan’izy ireo raha tsy miankina amin’ny Eveka sy amin’ny fiombonana aminy. Ny tokim-panekena izay ataon’izy ireo amin’ny Eveka amin’ny fotoana fanamasinana sy ny fanoroham-pihavanana ataon’ny Eveka amin’ny faran’ny litorzian’ny fanamasinana, dia midika fa mihevitra azy ireo ho mpiara-miasa aminy, ho zanany, ho rahalahiny ary ho sakaizany ny Eveka, ary ho valin’izany, adidin’izy ireo ny mitia sy mankato azy. 

1568. “Ny Pretra, noho ny fanamasinana azy ireo, izay nampiditra azy ireo ao amin’ny laharan’ny maha-pretra, dia samy mifandray am-po lalina amin’izy samy izy amin’ny alalan’ny firahalahiana ara-tsakramenta ; kanefa, amin’ny famindran-toerana azy ireo hiasa amin’ny di˘sezy iray izay miankina amin’ny Eveka eo an-toerana, dia mitambatra amin’ny fomba manokana ho fivondronana tokan’ny maha-pretra izy ireo amin’io ambaratonga io”[53]. Hita ao amin’ny fanehoana litorzika ny maha-tokana ny fivondronan’ny maha-pretra, amin’ny fanao izay mitaky ny hametrahan’ny Pretra ny tanan’izy ireo rahefa tonga ny anjarany, aorian’ny an’ny Eveka, mandritra ny fombam-pivavahana fanamasinana.

 

Ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Diakra- “mba ho an’ny fanompoana”

1569. “Amin’ny laharana zandriny eo amin’ny ambaratongam-pitondrana no misy ny Diakra izay "tsy ho an’ny maha-mpisorona tsy akory, fa ho an’ny fanompoana" no ametrahan-tanana aminy”[54]. Amin’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-diakra, ny Eveka irery no mametra-tanana, izay midika araka izany fa ny Diakra dia miankina manokana amin’ny Eveka eo amin’ny lahasan’ny “maha-mpanompo azy”[55]

1570.Mandray anjara amin’ny fomba manokana ny Diakra, amin’ny fanirahana an’i Kristy sy amin’ny fahasoavany[56]. Ny sakramentan’ny Filaharana no mampisy marika azy ireo amin’ny fitomboka (“marika”) izay tsy misy afaka manafoana izany, sy mampitovy endrika azy ireo amin’i Kristy izay nanao ny Tenany ho “Diakra”, izany hoe mpanompon’ny rehetra[57]. Azo singanina manokana amin’izany ireto asan’ny Diakra ireto : manampy ny Eveka sy ny Pretra amin’ny fankalazana ny misterin’Andriamanitra, indrindra ny Eokaristia, mizara izany, manatrika ny fanambadiana sy mitsodrano izany, manao antso avo ny Evanjely sy mitory teny, mitarika ny fanompoam-pivavahana fandevenana ary mahafoy tena amin’ny asam-pitiava-namana isan-karazany[58].

1571.Nanomboka tamin’ny K˘nsily faharoa tao Vatikana, ny Fiangonana latinina dia namerina indray ny maha-diakra amin’ny “maha-ambaratonga manokana sy maharitra azy eo amin’ny ambaratongam-pitondrana”[59], fa ny Fiangonana Tatsinanana kosa dia nitahiry azy lalandava. Ilay maha-diakra maharitra, izay azo omena ny lehilahy manambady, dia anisan’ny fampitomboan-danja be tokoa ho an’ny fanirahana ny Fiangonana. Satria, sahaza sy ilaina raha ireo lehilahy izay manatanteraka ao amin’ny Fiangonana ny andraiki-panompoana maha-diakra marina tokoa, na eo amin’ny fiainana litorzika sy past˘raly, na eo amin’ny tsanganasa s˘sialy sy fitiava-namana, no “hankaherezina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana nampitaina nanomboka hatramin’ny ap˘st˘ly sy hampiraisana bebe kokoa amin’ny ˘tely, mba hanefany ny andraiki-panompoan’izy ireo amin’ny fomba mamokatra kokoa, amin’ny alalan’ny fahasoavana ara-tsakramentan’ny maha-diakra”[60].

 

VI. Ny fankalazana amin’ity sakramenta ity

1572.Ny fankalazana amin’ny fanamasinana ho amin’ny laharan’ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra, noho izy manana ny lanjany lehibe ho an’ny fiainan’ny Fiangonana eo an-toerana, dia mila ny fahatongavan’ny mpino faran’izay betsaka hiombom-bavaka amin’izany. Tsaratsara kokoa raha andro alahady sy ao amin’ny katedraly no anaovana izany, miaraka amin’ny fankalazana manetriketrika mifanaraka amin’ny toe-javatra miseho. Mitovy ihany kosa ny fizotran’ny fanamasinana telo : ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra. Eo anivon’ny litorzia Eokaristika ny toerana anatanterahana izany.

1573.Ny fombam-pivavahana tsy azo avela amin’ny sakramentan’ny Filaharana, ho an’ireo ambaratonga telo, dia ny fametrahan-tanan’ny Eveka eo amin’ny lohan’ilay hamasinina, omban’ny vavaka fanamasinana manokana izay angatahina amin’Andriamanitra ny fandrotsahana ny Fanahy Masina sy ny fanomezany sahaza amin’ny andraiki-panompoana izay ho amin’izany no anamasinana an’ilay hamasinina[61]

1574.Toy ny ao amin’ny sakramenta rehetra, misy ny fombam-pivavahana fanampiny manodidina ny fankalazana. Na miovaova be noho ny faha-samihafa ny lovam-pampianarana litorzika aza ireo, dia manana zavatra iombonana hanehoana ny lafiny maro amin’ny fahasoavana ara-tsakramenta. Tahaka izany  ny fombam-pivavahana fanombohana, tamin’ny fombam-pivavahana latinina – fanolorana sy fifidianana ilay hamasinina, lahateny ataon’ny Eveka, famotopotorana an’ilay hamasinina, litanian’ny olomasina – izay  anamarinana fa vita araka ny fomban’ ny Fiangonana ny fifidianana ilay hamasinina, sady anomanana ny asa manetriketriky ny tena fanamasinana ;  aorian’ny tena fanamasinana kosa dia asesy ireo fombam-pivavahana manambara sy manatanteraka amin’ny fomba fanehoana an’ohatra ny mistery izay notontosaina : ny an’ny fanamasinana Eveka sy ny Pretra : fanosorana azy diloilo masina, izay famantarana ny fanosorana  manokana amin’ny Fanahy Masina, no mampamokatra ny andraiki-panompoan’izy ireo ; ny an’ny fanamasinana Eveka : fanolorana aminy ny boky Evanjely, ny peratra, ny satrok’eveka ary ny tehina maha-mpiandry ondry, izay famantarana ny fanirahana maha-ap˘st˘ly azy amin’ny fitoriana ny Tenin’ Andriamanitra, amin’ny tsy fivadihany amin’ny Fiangonana vadin’i Kristy, amin’ny fiadidiana maha-mpiandry ny andian’ondrin’ ny Tompo azy ; ny an’ny fanamasinana pretra : fanolorana aminy ny patena sy ny kalisy, “ilay fanatitry ny vahoaka masina”[62], izay iantsoana azy hanolotra izany amin’Andriamanitra ; ny an’ny fanamasinana Diakra : fanolorana aminy ny boky Evanjely, izay vao nandraisany ny iraka hitory ny Evanjelin’i Kristy.

 

V. Iza no mahazo manome ity sakramenta ity ?

1575.I Kristy no nifidy ny ap˘st˘ly sy nanome azy ireo anjara amin’ny fanirahana azy sy amin’ny fahefany. Nony tafasandratra eo an-kavanan’ ny Ray Izy, dia tsy mandao ny andian’ondriny, fa miandry azy amin’ny alalan’ny ap˘st˘ly, eo ambany fiarovany maharitra, sy mbola mitarika azy amin’ny alalan’ireo mpiandry ondry ireo ihany, izay manohy ny tsanganasany ankehitriny[63]. Koa i Kristy Óry, “no manome” ny sasany ho ap˘st˘ly, ny sasany ho mpiandry ondry[64]. Manohy miasa amin’ny alalan’ ny Eveka Izy[65]

1576.Satria ny sakramentan’ny Filaharana no sakramentan’ny andraiki-panompoana maha-ap˘st˘ly, ka anjaran’ny Eveka amin’ny maha-dimbin’ ny ap˘st˘ly azy ireo, ny mampita ny “fanomezana ara-panahy”[66], “ny voa mamoa avy amin’ny ap˘st˘ly”[67]. Ny Eveka voahasina ara-dalÓna, izany hoe izay ao amin’ny laharan’ny fifandimbiasana maha-ap˘st˘ly, no manome ara-dalÓna ny ambaratonga telo amin’ny sakramentan’ny Filaharana[68].

 

VI. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ? 

1577. “Ny lehilahy (vir) vita batemy ihany no mahazo mandray ara-dalÓna ny fanamasinana amin’ny filaharana masina”[69]. Nifidy lehilahy maro (viri) i Jesoa Tompo mba hamorona ny fiombonam-piadidian’ny ap˘st˘ly roa ambin’ny folo[70], ary izany koa no nataon’ny ap˘st˘ly, rahefa nifidy ny mpiara-miasa taminy izy ireo[71], izay nandimby azy ireo teo amin’ny lahasany[72]. Ny fiombonam-piadidian’ny Eveka, izay miaraka aminy ny Pretra no mikambana amin’ny maha-mpisorona, no mahatonga ho eo sy ahitana ankehitriny ny fiombonam-piadidian’ny roa ambin’ny folo lahy, mandra-piverin’i Kristy. Mahatsiaro tena ho voafehin’izany safidin’ny Tenan’Izy Tompo izany ny Fiangonana. Izany no antony tsy mahamety ny fanamasinana ny vehivavy ho amin’ny sakramentan’ny Filaharana[73]

1578.Tsy misy olona manana zo handray ny sakramentan’ny Filaharana. Satria, tsy misy afaka hibodo an’izany fiadidiana izany ho an’ny tenany ihany. Andriamanitra no miantso ho amin’izany[74]. Izay mino fa mahalala ny famantaran’ny fiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny andraiki-panompoana masina, dia tokony hanankina amim-panetren-tena ny faniriany amin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana, izay manana andraikitra sy zo hiantso olona iray handray ny Filaharana. Toy ny fahasoavana rehetra, ity sakramenta ity dia tsy mety ho azo afa-tsy amin’ny maha-fanomezana azy izay tsy miankina amin’ny mahamendri-balisoa. 

1579.Ny mpandraharaha voahosotra rehetra ao amin’ny Fiangonana latinina, afa-tsy ny Diakra maharitra, dia nofidýna ara-pomba mahazatra teo anivon’ireo olona mpino izay miaina ho mpitovo ary manana ny sitrapo hitandrina ny fitovoana “noho ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 19,12). Voantso hanokam-piainana manontolo ho an’ny Tompo sy amin’ny “raharahany”[75]izy ireo, ka manolo-tena tanteraka amin’Andriamanitra sy amin’ny olombelona. Ny  fitovoana no famantarana io fiainam-baovao io izay anokanana ny mpandraharaha masin’ny Fiangonana  ho amin’ny fanompoana ; ny fankasitrahany izany amin’ny fo henin-kafaliana, dia efa fitoriany amin’ny fanitarana ny Fanjakan’Andriamanitra[76].

1580.Ao amin’ny Fiangonana tatsinanana, hatramin’ny taonjato maro mifandimby, dia misy fitsipi-pifehezana samy hafa mbola manan-kery : ny Eveka no hany notsongaina teo anivon’ny mpitovo, fa ny olona manambady kosa dia azo hamasinina ho Diakra sy Pretra. Izany fanao mahazatra izany dia efa hatramin’ny elabe no noheverina ho ara-dalÓna ; ireo Pretra no misahana ny andraiki-panompoana mitera-boka-tsoa eo anivon’ny ankohonam-piangonan’izy ireo[77]. Tsy izany ihany, ny tsy fitovoan’ny Pretra dia nanan-daza tokoa tany amin’ny Fiangonana tatsinanana ary maro be ny Pretra izay nifidy izany tamin-kalalahana, ho an’ny Fanjakan’ Andriamanitra. Ny tany Atsinanana toy ny tany Andrefana, ilay izay nandray ny sakramentan’ny Filaharana, dia tsy mahazo manambady intsony.

 

VII. Ny vokatry ny sakramentan’ny Filaharana

 

Ny marika tsy maty vonoina 

1581.Ity sakramenta ity dia mampitovy endrika amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, mba hampiasaina ho fitaovan’i Kristy ho an’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny fanamasinana ho amin’ny filaharana masina  no ahazoana ny fahefana ara-dalÓna  hiasa ho toy ny solontenan’i Kristy, Lohan’ny Fiangonana, amin’ny anjara  raharahany  intelo miantoana dia ny maha-mpisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka.  

1582.Tahaka ny amin’ny Batemy sy ny amin’ny Fankaherezana, izany fandraisana anjara amin’ny raharahan’i Kristy izany dia ankatoavina indray mandeha ihany. Ny sakramentan’ny Filaharana dia mampisy koa marika ara-panahy tsy maty vonoina ary tsy azo averina intsony na omena amin’ny fotoana voafetra[78].

1583.Ny olona iray voahosotra ara-dalÓna ho mpandraharaha masina dia azo esorina, mazava loatra, raha misy antony lehibe, amin’ny adidy aman’andraikitra sy amin’ny anjara raharaha mifandray amin’ny fanamasinana azy, na sakanana tsy hampiasa izany[79], nefa tsy afaka hanjary ho lahika indray izy araka ny hevi-teny hentitra[80], satria ny marika naraikitry ny fanamasinana azy dia natao ho mandrakizay ao aminy. Ny fiantsoana sy ny fanirahana noraisiny tamin’ny andro nanamasinana azy dia mampisy marika azy amin’ny fomba maharitra.

1584.Satria fantatra fa i Kristy no miasa sy manatanteraka ny famonjena amin’ ny alalan’ny mpandraharaha voahosotra, noho izany tsy hahasakana an’i Kristy hiasa ny mpandraharaha voahosotra ratsy toetra[81]. Izao no hizingizinin’i Md Augustin mafy amin’izany : 

Ho an’ireo mpandraharaha masina miavonavona, dia ampilaharina amin’ny demony izy. Ny fanomezan’i Kristy dia tsy natao ho zimbazimbaina mihitsy, satria izay mikoriana ao Aminy dia mitana ny fahadiovany tsy misy fahony, izay mandalo ao Aminy dia mijanona ho madio mangarangarana ary mipaka hatrany amin’ny tany lonaka (…) Satria, ny hasina ara-panahin’ny sakramenta dia mitovy amin’ny fahazavana : ireo izay tsy maintsy hazavaina dia mandray izany ao anatin’ny fahadiovana mangarangarana ary, na mamakivaky ny zavatra mandoto aza, tsy ho voaloto izy[82].

 

Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina

1585.Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina manokana amin’ity sakramenta ity dia ny fanahafana amin’i Kristy Mpisorona, Mpampianatra ary Mpiandry ondry, izay nanokanana an’ilay nohamasinina ho mpandraharaha voahosotra.

1586.Ho an’ny Eveka, ny fahasoavana ahazoana hery aloha (“Ny Fanahy izay mahatonga ho filoha” : vavaka fanamasinana ny Eveka amin’ny fombam-pivavahana latinina[83]) dia ny fahasoavana hitantanana sy hiarovana amin-kery sy amim-pahamalinana ny Fiangonany, toy ny ray sy mpiandry ondry, ombam-pitiavana maimaim-poana ny rehetra sy tombom-pitiavana ny mahantra, ny marary ary ny sahirana[84]. Izany fahasoavana izany no manosika azy hitory ny Evanjely amin’ny rehetra, ho m˘delin’ny andian’ ondriny, hialoha lalana azy eny an-dalan’ny fanamasinana amin’ny fampitoviana azy ao amin’ny Eokaristia amin’i Kristy Mpisorona sy Sorona, tsy matahotra ny hahafoy ny ainy ho an’ny ondriny :

Ekeo, ry Ray izay mahalala ny fo, ity mpanomponao izay nofidinao ho amin’ny laharan’ny maha-eveka, enga anie izy mba hamahana  ny andian’ondrinao masina, sy mba hampiasa amin’ny fanajana Anao ny maha-mpisorona ambony indrindra tsy misy tsiny na kilema, amin’ny fanompoana Anao andro aman’alina ; enga anie izy haneho tsy an-kijanona ny endrikao mitahy ary hanolotra ny fanomezan’ny Fiangonanao masina ; enga anie izy, noho ny fanahin’ny maha-mpisorona ambony indrindra, hanana ny fahefana hamela ny fahotana araka ny didinao, hizara ny andraikitra araka ny baikonao, ary hamaha ny fatotra rehetra noho ny fahefana nomenao ny ap˘st˘ly ; enga anie izy hamalifaly Anao amin’ny alalan’ny fahalemem-panahiny sy ny hadiovam-pony, amin’ny fanolorana Aminao ny fanatitra manim-pofona, amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanakao[85]
1587.Ny fanomezana ara-panahy izay omen’ny fanamasinana ho amin’ny laharana maha-pretra dia voambara amin’ity vavaka manokana amin’ny fombam-pivavahana bizantinina ity. Anisan’ny lazain’ny Eveka amin’ izany, eo am-pametrahan-tanana, ny hoe :

Tompo ˘, fenoy ny fanomezan’ny Fanahy Masina ity nankasitrahanao hasandratra eo amin’ny ambaratongan’ny maha-mpisorona ity, mba ho mendrika izy hijoro tsy manan-tsiny eo anoloan’ny ˘telinao, hitory ny Vaovao Mahafalin’ny Fanjakanao, hanatanteraka ny andraiki-panompoana ny tenim-pahamarinanao, hanolotra Aminao ny fanomezana sy ny sorona ara-panahy, hanavao ny vahoakanao amin’ ny alalan’ny fandroana amin’ny fahateraham-baovao ; hany ka ny tenany ihany no ‘ndeha hihaona amin’ilay Andriamanitray lehibe sady Mpamonjy, dia i Jesoa-Kristy, Zanakao Lahitokana, amin’ny andron’ ny fiverenany fanindroany, ary Izy anie no handray avy amin’ny hatsaram-ponao tsy taka-polopolorina ny valisoan’ny fitantanana mahatoky amin’ny baikony[86].

1588.Raha ny amin’ny Diakra, “ny fahasoavana ara-tsakramenta no manome azy ireo ny hery ilaina hanompoana ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny "asa fanompoana" amin’ny litorzia, ny teny ary ny fifankatiavana, amin’ny fiombonana amin’ny Eveka sy ny fivondronan’ny Pretrany”[87].

1589. Manoloana ny halehiben’ny fahasoavana sy ny fiadidiana maha-mpisorona, dia mahatsapa ao aminy ny antso maika ho amin’ny fibebahana ireo mpampianatra masina, mba hampifanaraka ny fiainan’izy ireo manontolo amin’ny an’Ilay izay nanangana azy ireo ho mpandraharaha masina tamin’ny alalan’ny sakramenta. Araka izany, i Md GrÚgoire de Nazianze, mbola Pretra vao erotrerony tamin’izany fotoana izany, dia  nanandra-peo hoe :

Tsy maintsy manomboka amin’ny manadio tena, alohan’ny handiovana ny hafa ; tsy maintsy hampianarina mba hahafahana mampianatra ; tsy maintsy ho tonga fahazavana mba hanazava,  manatona an’Andriamanitra mba hampanatonana ny hafa Aminy, hamasinina mba hanamasina, hitondra an-tanana sy hanoro hevitra amin’ny saina mahiratra[88]. Haiko ny nahatonga anay ho mpandraharaha masina, ny haavon’ny toerana misy anay ary ny any amin’Ilay izay halehanay. Fantatro ny haavon’Andriamanitra sy ny fahalemen’ny olombelona, nefa koa ny heriny[89]. [Iza Óry izany ny Pretra ? Izy no] ilay mpiaro ny fahamarinana, izy no mijoro miaraka amin’ny anjely , izy no manome voninahitra miaraka amin’ny arkanjely, izy no mampiakatra avo eo ambonin’ny ˘tely ny fanatitra atao sorona, izy no mizara ny fisoronan’i Kristy, izy no manavao ny endriky ny zavaboary, izy no mamerina indray [ao amin’ny zavaboary] ny endrik’[Andriamanitra], izy no mamorona indray an’izany  ho an’ny tontolo any ambony, ary, mba ilazana an’izay misy zava-dehibe indrindra, nasandratra hitovy amin’Andriamanitra izy sy manandratra ny hafa hitovy amin’Andriamanitra[90]. 

Ary hoy i Md CurÚ d’Ars : “Ny Pretra no manohy ny tsanganasam-panavotana eto ambonin’ny tany ….” “Raha mahalala tsara ny Pretra eto an-tany ny olona, tsy ho fatin’ny horohoro, fa ho fatin’ny fitiavana …” “Ny maha-Mpisorona, dia ny fitiavan’ny fon’i Jesoa”[91].

 

FAMINTINANA

1590.Hoy i Md Paoly tamin’i Tim˘te mpianany : Mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezana izay napetrak’Andriamanitra ao anatinao tamin’ny fametrahako tanana taminao (2 Tim 1,6), ary izay maniry ny raharahan’ny Pretra dia maniry raharaha tsara indrindra izy (1 Tim 3,1). Hoy izy tamin’i Tito : Raha namela anao tao Kreta aho, dia ny mba hamitanao tao ny fandaminana ny zavatra rehetra, sy ny mba hanangananao Pretra isan-tanÓna, araka ny nandidiako anao (Tito 1,5).

1591.Vahoaka mpisorona ny Fiangonana manontolo. Noho ny Batemy, mandray anjara amin’ny fisoronan’i Kristy ny mpino rehetra. Antsoina hoe fisoronana iombonan’ny mpino izany fandraisana anjara izany. Ao amin’ny fotony sy amin’ny asa fanompoany, dia misy fandraisana  anjara hafa amin’ny fanirahana an’i Kristy ; ny an’ny andraiki-panompoana omena amin’ny sakramentan’ny Filaharana, izay ny lahasany dia ny manompo amin’ny anarana sy amin’ny Tenan’i Kristy-Loha mihitsy eo anivon’ny ankohonam-piangonana.

1592.Samy hafa mihitsy amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra  satria manome fahefana masina ho an’ny fanompoana ny mpino ity. Ny mpandraharaha voahosotra dia manao ny asany eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampianarana (munus docendi), ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny vavaka (munus liturgicum) ary ny fitondrana amin’ny maha-mpiandry ondry (munus regendi).

1593.Efa hatrany am-piandohana no nanomezana sy nampiasana tamin’ny ambaratonga telo ny andraiki-panompoana  masina : ny an’ny Eveka, ny an’ny Pretra ary ny an’ny Diakra. Ny andraiki-panompoana nomena tamin’ny alalan’ny fanamasinana dia tsy azo soloina eo amin’ny rafitra voarindra ao amin’ny Fiangonana : raha tsy misy ny Eveka, ny Pretra ary ny Diakra, tsy afaka miresaka hoe Fiangonana[92].

1594.Mandray ny hafenoan’ny sakramentan’ny Filaharana ny Eveka, izay mampiditra azy ao amin’ny Fiombonam-piadidian’ny maha-eveka sy mahatonga azy ho filoha hita maso ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana izay ankinina aminy. Ireo Eveka, amin’ny maha-dimbin’ny ap˘st˘ly sy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiombonam-piadidiana, dia mahazo anjara amin’ny fiandraiketana maha-ap˘st˘ly sy amin’ny fanirahana ny Fiangonana manontolo, eo ambany fifehezan’ny Papa, dimbin’i Md Piera.

1595.Miray amin’ny Eveka ireo Pretra amin’ny fahambonian’ny maha-mpisorona sady miankina aminy koa amin’ny fanaovana ny anjara raharaha maha-mpiandry ondry azy ireo ; voantso ho mpiara-miasa kinga saina amin’ny Eveka  izy ireo ; manotrona ny Evekany izy ireo amin’ny alalan’ny fivondronan’ny maha-pretra izay miantsoroka miaraka aminy ny fiandraiketana ny Fiangonana eo an-toerana. Ny Eveka no andraisan’izy ireo ny fiadidiana ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy iray na ny fisahanana anjara raharaha iray voafaritra ao amin’ny Fiangonana.

1596.Mpandraharaha voahosotra ho amin’ny lahasa fanompoana ny Fiangonana  ny Diakra ; tsy mandray ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra  izy, kanefa ny fanamasinana dia manome azy anjara raharaha mavesa-danja amin’ny andraiki-panompoana ny Teny, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, amin’ny fitantanana past˘raly ary amin’ ny asa  fanompoana am-pitiavana ny hafa, lahasa izay tsy maintsy tanterahiny eo ambany fahefana maha-mpiandry ondry ny Evekany.

1597.Ny sakramentan’ny Filaharana dia omena amin’ny fametrahan-tanana arahin’ny vavaka fanamasinana manetriketrika izay angatahina amin’ Andriamanitra ny fahasoavan’ny Fanahy Masina ilain’ilay hamasinina amin’ny andraiki-panompoany. Mampisy marika ara-tsakramenta tsy maty vonoina ny fanamasinana ho mpandraharaha voahosotra.

1598.Ny lehilahy (viris) vita batemy no hany azon’ny Fiangonana omena ny sakramentan’ny Filaharana, ka fantatra sy hita araka ny voadidy fa manana ny fahafahana  mampiasa ny andraiki-panompoana. Anjaran’ny manam-pahefan’ny Fiangonana ny adidy sy ny zo hiantso olona iray handray ny sakramentan’ny Filaharana.

1599.Ao amin’ny Fiangonana latinina, ny sakramentan’ny Filaharana ho amin’ny maha-pretra dia tsy omena araka ny fomba mahazatra afa-tsy amin’izay olona vonona hisafidy an-kalalahana ny ho mpitovo, ary maneho ampahibemaso ny sitrapony hitandrina izany mba ho fitiavana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanompoana ny olombelona.

1600.Anjaran’ny Eveka no manome ny sakramentan’ny Filaharana amin’ny ambaratonga telo.

 

 

ANDALANA 7

Ny sakramentan’ny Fanambadiana

 

1601. “Ny fifanekena ara-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray eo amin’izy samy izy tokantrano iray ho amin’ny fiainana manontolo, nalahatra araka ny toetrany voa-Janahary amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho an’ny taranaka sy ho an’ny fanabeazana ny zanaka, dia nasandratr’i Kristy Tompo eo amin’ny samy vita batemy, ho amin’ny hasin’ny sakramenta”[93].

 

I.Ny fanambadiana ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra 

1602. Ny fitoviana endrika sy ny fifanahafana amin’Andriamanitra no anombohan’ny Soratra Masina ny fahariana ny lehilahy sy ny vehivavy[94], ary ny fahitana ny “fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” (Ap˘k 19,9) no amaranany izany[95]. Ny Soratra Masina, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, dia miresaka momba ny fanambadiana sy ny “misteriny”, ny fanorenana azy sy ny hevitra izay nomen’Andriamanitra azy, ny fiandohany sy ny fiafarany, ny fanatanterahana azy amin’ny fomba samihafa teo amin’ny tantaram-pamonjena manontolo, ny fahasahiranany nateraky ny fahotana sy ny fanavaozana azy “ao amin’ny Tompo” (1 K˘r 7,39), amin’ny fanekem-pihavanana vaovao an’i Kristy sy ny Fiangonana[96].

 

Ny fanambadiana ao amin’ny filaminan’ny zavaboary

1603. “Naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalÓnany manokana, ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina izay noforonin’ny mpivady. Ny Tenan’Izy Andriamanitra no mpamorona ny fanambadiana”[97]. Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-lehilahy sy maha-vehivavy, raha vao navoaka avy tao amin’ny tanan’ny Mpahary izy ireo. Tsy fanorenan’ny olombelona tokantrano fotsiny ny fanambadiana, na dia maro aza ny fiovaovÓna izay mety natrehany teny am-pamakivakiana ny taona maro teny, tao anatin’ ny tsy fitoviana kolontsaina, rafi-piaraha-monina ary fihetsika aseho ara-pivavahana. Tsy tokony hanadinoana ny toetra iombonana sy maharitra ireny tsy fitoviana ireny. Na tsy miseho eny rehetra eny amin’ny hazavana mitovy aza ny hasin’io fanorenan-tokantrano io[98], dia misy kosa ao amin’ny kolontsaina rehetra ny hevitra marina maneho ny halehiben’ ny firaisam-panambadiana. “Satria ny hafinaretan’ny olona sy ny fiaraha-monina dia mifamatotra mafy amin’ny fahavanonan’ny ankohonan’ny mpivady sy ny fianakaviana”[99].

1604. Andriamanitra, izay nahary ny olombelona tamin’ny fitiavana, dia niantso azy koa ho amin’ny fitiavana, fiantsoana fototra sy hatrany am-bohoka ho an’ny olona rehetra. Satria ny olombelona dia noarýna mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra[100] izay Izy Tenany mihitsy no Fitiavana[101]. Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy, ny fifankatiavan’izy ireo dia manjary endriky ny fitiavana tanteraka sy tsy mety levona izay itiavan’Andriamanitra ny olombelona. Tsara izany, tena tsara dia tsara, eo imason’ny Mpahary[102]. Ary io fitiavana izay notsofin’ Andriamanitra rano io dia natao hiterahana sy hotanterahina amin’ny tsanganasa iombonana amin’ny fiarovana ny zavaboary : “Ary Andriamanitra nitsodrano azy ireo ka hoy Izy tamin’izy ireo : "Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakÓ azy"” (Jen 1,28).

1605.Noarýna mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, ka hoy ny Soratra Masina manamafy izany : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18). Ny vehivavy, “nofo avy amin’ny nofony”[103], mitovy aminy, akaiky azy tokoa, dia nomen’Andriamanitra azy ho mpanampy[104], amin’ny fanehoana araka izany an’Andriamanitra izay vonjintsika[105]. “Noho izany handao ny ray aman-dreniny ralehilahy ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roa” (Jen 2,24). Izany no hanambara ny firaisana maharitra lalandava eo amin’ny fiainan’izy roa, ary ny Tenan’ny Tompo mihitsy no mampiseho izany tamin’ny fampahatsiahivana fa izany, “tany am-piandohana”, no fandaharan’ny Mpahary[106] : “Noho izany, tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany” (Mt 19,6).
 

Ny fanambadiana eo ambany fahefan’ny fahotana  

1606.Ny olona rehetra dia samy mahatsapa ny fisian’ny ratsy, manodidina azy sy ao amin’ny tenany ihany koa. Io fahatsapana io dia miseho koa eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Amin’ny fotoana rehetra, manjary loza mitatao amin’ny firaisam-piainan’izy ireo, ny fisaraham-bazana, ny fisainana te-handidy manapaka, ny fivadihana, ny hasarotam-piaro ary amin’ireo fifanoherana izay mety hiafara amin’ny fankahalana sy fahatapaham-pihavanana. Mety hiseho amin’ny fomba mahery vaika kokoa izany korontana izany, ary mety ho azo resena na tsy ho azo resena, arakaraka ny kolontsaina, ny vanim-potoana, ny olona tsirairay, saingy hita fa toa toetra mpahazo ny daholobe izany. 

1607.Araka ny finoana, io korontana io, izay tsapantsika mankarary, dia tsy avy amin’ny toetra voa-Janahary ny lehilahy sy ny vehivavy, na avy amin’ ny toetra voa-Janahary ny fifandraisan’izy ireo, fa avy amin’ny fahotana. Fahatapaham-pihavanana amin’Andriamanitra ny fahotana voalohany ka ny vokany voalohany  dia ny faharavan’ny fiombonana tany am-piandohana nisy teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Notapatapahin’ny fifanomezan-tsiny ny fifandraisan’izy ireo[107]; niova ho fifandraisam-panjakazakana amam-pitsiriritana[108] ny fifanintonan’izy ireo, izay fanomezana manokana avy amin’ny mpahary[109]; novesaran’ny fijaliana amam-panaintainam-piterahana sy ny fitadiavam-pivelomana[110], ny fiantsoana tsara ny lehilahy sy ny vehivavy mba hiteraka, hitombo sy hizaka ny tany[111].

1608.Kanefa, maharitra ny filaminan’ny zavaboary, na dia voakorontana mafy aza izany. Mba hanasitranana ny ratram-pahotana, ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanampian’ny fahasoavana izay tsy ho lavin’Andriamanitra na oviana na oviana, noho ny famindram-pony tsy misy fetra[112]. Raha tsy misy io fanampiana io ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy afaka ho tonga hanatanteraka ny firaisam-piainan’izy ireo izay naharian’Andriamanitra azy ireo “tany am-piandohana”.

 

Ny fanambadiana eo ambany fanabeazan’ny LalÓna

1609. Amin’ny famindram-pony, tsy nandao ny olombelona mpanota Andriamanitra. Ny sazy izay manjohy ny fahotana, ny fanaintainam-piterahana[113], ny asa “amin’ny hatsembohan’ny tavanao” (Jen 3,19), dia mitambatra koa ho fanafody izay mametra ny vokatry ny fahotana. Taorian’ny fahalavoana, ny fanambadiana dia manampy handresy ny fiforetana ao amin’ny tena ihany, ny fitiavan-tena tafahoatra, ny fitadiavana fahafinaretan’ny tena irery, ka hisokatra amin’ny hafa, amin’ny fifanampiana, amin’ny fanoloran-tena. 

1610.Ny k˘nsiansy m˘raly momba ny maha-tokana sy tsy azo ravana ny fanambadiana, dia nivelatra teo ambany fanabeazan’ny lalÓna taloha. Tsy mbola notoherina tamin’ny fomba tena mazava tsara, ny fampirafesan’ ireo razambe sy ireo mpanjaka. Kanefa, ny lalÓna nomena an’i M˘izy dia mikendry hiaro ny vehivavy amin’ny jadon’ny fanjakazakan’ny lehilahy, na dia mampiseho koa aza izy, araka ny tenin’ny Tompo, ny mariky ny “hamafin’ny fon’ ” ny lehilahy izay nahatonga an’i M˘izy nanome lalana hisao-bady[114]

1611. Ny fandinihana ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra tamin’i Israely, izay naseho an-tsary tamin’ny fifankatiavan’ny mpivady, tokana sy tsy mivadika[115], no nanomanan’ny mpaminany ny k˘nsiansin’ny vahoaka voafidy amin’ny fahatakarana lalina ny maha-tokana sy tsy azo ravana ny fanambadiana[116]. Nanome porofo mampihetsi-po ny dikany avo ny fanambadiana, ny  tsy fivadihana ary ny fanehoam-pitiavan’ny mpivady, ny bokin’i Rota sy Tobia. Mandrakariva, ao amin’ny Tonon-kira dia Tonon-kira no ahitan’ny Lovam-pampianarana ny fomba fanehoana manokana ny fitiavan’olombelona amin’ny maha-taratry ny fitiavan’ Andriamanitra azy, “fitiavana mahery noho ny fahafatesana” izay “tsy mety ho safotry ny ranobe” (Ton 8,6-7).

 

Ny fanambadiana ao amin’ny Tompo

1612.Ny fifanekem-panambadiana teo amin’Andriamanitra sy i Israely vahoakany no nanomanana ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay ; amin’io Fanekem-pihavanana io no toa nampiray ny Tenany tamin’ny olombelona rehetra novonjeny ny Zanak’Andriamanitra[117], fony Izy tonga nofo sy nanolotra ny ainy, ka nanomana ho amin’izany  ny “fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry” (Ap˘k 19,7.9).

1613.Tamin’ny fiandohan’ny fiainany ampahibemaso no nanaovan’i Jesoa ny famantarana voalohany – noho ny fangatahan’ny Reniny – tamin’ny fety fampakaram-bady iray[118]. Manome lanjany lehibe tamin’ny fanatrehan’i Jesoa ny fampakaram-bady tao KanÓ ny Fiangonana. Hitany ao  ny fanamafisana ny hatsaran’ny fanambadiana sy ny fanambarÓna fa hatramin’izao ny fanambadiana dia ho famantarana mahomby amin’ny fisiana maha-eo an’i Kristy. 

1614.Tamin’ny fitorian-teniny, nampianatra mivantana tsy misy olakolaka ny hevitra ifotony ny amin’ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy i Jesoa, araka izay sitraky ny Mpahary azy hatrany  am-piandohana : ny fahazoan-dalana nomen’i M˘izy, hisarahan’ny lehilahy amin’ny vadiny, dia fanomezana noho ny hamafin’ny fo[119] ; tsy azo ravana ny firaisam-panambadian’ny lehilahy sy ny vehivavy : Izy Andriamanitra mihitsy no namoaka fehin-kevitra hoe : “Aoka Óry tsy ho sarahin’olombelona izay nakamban’Andriamanitra” (Mt 19,6). 

1615.Izany fanantitranterana tsy misy olakolaka ny amin’ny maha-tsy azo ravana ny fifamatorana ara-panambadiana izany dia mety hanjary mahasanganehana sy miseho ho toy ny fitakiana tsy azo tanterahina[120]. Kanefa i Jesoa tsy nampitondra entana tsy zakan’ny mpivady entina sy mavesatra loatra[121], raha miohatra amin’ny LalÓnan’i M˘izy. Tamin’ny fahatongavany hamerina ny filaminan’ny zavaboary tany am-boalohany voakorontan’ny fahotana, Izy Tenany mihitsy no manome ny hery sy ny fahasoavana hiainana ny fanambadiana amin’ny toetra vaovao ao amin’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny fanarahana an’i Kristy, amin’ny fandavana ny tenan’izy ireo ihany, amin’ny fitondrana ny Hazofijalian’ izy ireo eo amin’izy ireo[122], no hahafahan’ny mpivady “mahatakatra an-tsaina”[123] ny hevitra ifotony amin’ny fanambadiana sy ny hiainana izany miaraka amin’ny fanampian’i Kristy. Vokatry ny Hazofijalian’i Kristy, izay loharanon’ny fiainana kristianina manontolo, izany fahasoavan’ny fanambadiana kristianina izany.

1616.Izany no mahatonga an’i Md Paoly ap˘st˘ly nampahafantatra tamin’ny filazana hoe : “Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana ; nanolo-Tena ho azy Izy, mba hanamasina azy” (Efez 5,25-26), ary nampiana avy hatrany hoe : “ "Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa" : misy mistery lehibe amin’io ; miantefa amin’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako lazaina” (Efez 5,31-32).

1617.Ny fiainana kristianina manontolo no mitondra ny mariky ny fifankatiavan’ny maha-mpivady ao amin’i Kristy sy ny Fiangonana. Amin’ny Batemy, izay fidirana ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra, dia efa misy misterim-panambadiana : izy, raha azo lazaina, no fandroam-panambadiana[124] izay mialohan’ny sakafom-panambadiana, dia ny Eokaristia izany. Ny fanambadiana kristianina kosa avy eo dia manjary famantarana mandaitra, sakramentan’ny fifaneken’i Kristy sy ny Fiangonana. Satria ny fanambadiana kristianina no manambara sy mampahazo ny fahasoavana, koa tena sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao marina tokoa ny fanambadian’ny samy vita batemy[125]

 

Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra

1618. I Kristy no foiben’ny fiainana kristianina manontolo. Ny fifamatorana Aminy no mitana toerana voalohany eo anatrehan’ny fifamatorana hafa rehetra, na ara-pianakaviana na ara-piaraha-monina[126]. Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, nisy lehilahy sy vehivavy izay nahafoy ny soa lehibe amin’ny fanambadiana mba hanara-dia ny Zanak’Ondry na aiza na aiza alehany[127], mba hiahy ny zavatry ny Tompo, mba hikatsaka izay sitrany[128], ary mba handeha eo anoloan’ilay Mpampakatra izay tamy[129]. Izy Kristy mihitsy no nitaona ny sasantsasany hanaraka Azy amin’izany fomba fiainany izany, ka Izy hatrany no m˘delin’izany :

Misy ny eonoka izay hatrany amin’ny fahaterahana izy no izany, hatrany an-kibon-dreniny ; misy koa ny eonoka izay nataon’ny olona no nahatonga azy ho izany ; ary misy amin’ireny izay ny tenany ihany no nanao azy ho eonoka noho ny Fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray (Mt 19,12).

1619.Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra dia fivelaran’ ny fahasoavan’ny Batemy, famantarana mahery izay maneho ny fahambonian’ny fifamatorana amin’i Kristy, amin’ny fiandrasana amin-kafanam-po ny fiverenany, famantarana izay mampahatsiaro koa fa zava-misy eo amin’ny fiainana mandalo ny fanambadiana[130].

1620.Ireo roa ireo, izany hoe ny sakramentan’ny Fanambadiana sy ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia avy amin’ny Tenan’Izy Tompo mihitsy. Izy no mampisy heviny an’ireo sy manome an’ireo ny fahasoavana ilaina mba hivelomana izany araka ny sitrapony[131]. Tsy azo sarahina sady mifanampy ny fankamamiana ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra[132] sy ny hevitra kristianina momba ny fanambadiana :

Ny manazimba ny fanambadiana, dia mampihena miaraka amin’izay koa ny haja amam-boninahitry ny fanokanan-tena ho virjiny ; ny midera azy kosa, dia mampitombo ny haja amam-boninahitra izay sahaza ny fanokanan-tena ho virjiny. (…) Fa rahefa ela ny ela, izay hita fa tsy tsara raha tsy ampitahaina amin’ny  ratsy, dia mety ho tsy ny tena tsara ; izay hita kosa fa mbola tsara kokoa raha ampitahaina amin’ny efa tsara tsy azo lavina, izay no tena tsara indrindra[133].

 

II. Ny fankalazana amin’ny fanambadiana 

1621.Amin’ny fombam-pivavahana latinina, ny fankalazana amin’ny fanamba-dian’ny samy mpino kat˘lika, dia tanterahina ara-pomba mahazatra, mandritra ny Lamesa Masina, noho ny fifamatoran’ny sakramenta rehetra amin’ny misterin’ny Pakan’i Kristy[134]. Amin’ny Eokaristia no tanteraka ny tsangambato fahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay amin’ izany no iraisan’i Kristy mandrakizay amin’ny Fiangonana, vady malalany izay ho azy no nanolorany ny Tenany[135]. Koa mety raha mandraikitra ny faneken’izy ireo hifanolo-tena ny mpivady, amin’ny alalan’ny fanolorana ny fiainan’izy ireo avy, amin’ny fanakambanana izany amin’ny fanatitr’i Kristy ho an’ny Fiangonany, izay manjary eo amin’ny soron’ny Eokaristia, sy amin’ny fandraisana ny Eokaristia, mba “ho tonga tena iray” ao amin’i Kristy izy ireo rahefa mihinana ny Vatana sy misotro ny Ran’i Kristy iray ihany[136].

1622. “Ny fankalazana ara-litorzian’ny fanambadiana, amin’ny maha-fihetsika ara-tsakramentam-panamasinana azy (…), dia tokony ho manan-kery, ho mendrika ary ho mahavokatra amin’ny alalan’ny tenany ihany”[137]. Noho izany, mahasoa ny mpifamofo ny miomana amin’ny fandraisana ny sakramentan’ny fivalozana, alohan’ny fankalazana ny fanambadiany.

1623. Araka ny lovam-panahy latinina, dia ny mpivady, izay izy ireo no mpandraharahan’ny fahasoavan’i Kristy, no mifanome ny sakramentan’ ny Fanambadiana amin’ny fanambarÓna ny faneken’izy ireo eo anatrehan’ny Fiangonana. Amin’ny lovam-panahin’ny Fiangonana tatsinanana, ny Pretra na ny Eveka izay mitarika ny fanompoam-pivavahana no vavolombelon’ny fifanekena ifanaovan’ny mpivady[138], nefa ilaina koa ny tsodranon’izy ireo mba hahavanona ny sakramenta[139].

1624.Ny litorzia samihafa dia manankarena vavaka fitsofan-drano sy epikilezy angatahina amin’Andriamanitra ny fahasoavany sy ny tsodrano ho an’ny mpivady vao, indrindra ho an-dravehivavy. Amin’ny epikilezin’ity sakramenta ity no andraisan’izy mivady ny Fanahy Masina mampiray amin’ny fiombonam-pitiavan’i Kristy sy ny Fiangonana[140]. Ny Fanahy Masina no fitomboky ny fifaneken’izy ireo, loharanom-pitiavan’izy ireo  ifanolorany lalandava, hery izay hihavaozan’ny tsy fivadihan’izy ireo. 

 

III. Ny fanekena hivady

1625.Ny tompon-draharaha voalohan’ny fifanekena ara-panambadiana dia lehilahy iray sy vehivavy iray samy vita batemy, afaka mifanambady ary manambara amin-kalalahana ny faneken’izy ireo. Ny hoe “malalaka” dia midika hoe :
- tsy iharan’ny faneriterena ;
- tsy misy sampona araka  ny lalÓna voa-Janahary na lalÓm-piangonana. 

1626.Heverin’ny Fiangonana fa ny fanekena ifanaovan’ny mpivady no singafototra tsy azo avela “izay maha-fanambadiana ny fanambadiana”[141]. Raha tsy misy ny fanekena, tsy misy ny fanambadiana.

1627.Ny fanekena dia mifototra amin’“ilay asan’olombelona izay ifanoloran’ ny mpivady ny tenany sy ifandraisany”[142] : “Izaho R… dia mandray anao R… ho vadiko”[143]. Io fanekena izay mamatotra ny mpivady amin’izy samy izy io dia tanteraka rahefa “tonga nofo iray ihany” izy roa[144].

1628.Ny fanekena dia tsy maintsy ho asan’ny sitrapon’ny tsirairay amin’ny mpifanaiky, afaka amin’ny fanerena na tahotra lehibe avy any ivelany[145]. Tsy misy fahefan’olombelona na dia iray aza afaka misolo an’io fanekena io[146]. Raha tsy misy io fahafahana io, tsy vanona ny fanambadiana.

1629.Noho io antony io (na antony maro hafa koa mahatonga ny fanambadiana hoheverina ho toy ny tsy misy[147]), ny Fiangonana, aorian’ny fandinihana ny toe-javatra amin’ny alalan’ny tribonalim-piangonana afa-manapaka, dia afaka manambara “ny maha-foana ny fanambadiana”, izany hoe tsy misy na oviana na oviana ilay fanambadiana. Raha izany no toe-javatra misy dia samy afaka manambady ireo nanao fifanekena, satria samy afaka tamin’ny adidy voa-Janahary nampikambana azy ireo taloha[148].

1630. Ny Pretra (na ny Diakra) izay manatrika ny fankalazana amin’ny fanambadiana, no mandray ny faneken’ny mpivady amin’ny anaran’ny Fiangonana sy manome ny tsodranon’ny Fiangonana. Ny fanatrehan’ny mpandraharaha masin’ny Fiangonana (ary koa ireo vavolombelona), no mampiseho miharihary fa ny fanambadiana dia zava-misy mahakasika ny Fiangonana.

1631.Noho izany antony izany no angatahin’ny Fiangonana araka ny fanao mahazatra amin’ireo mpinony ny fomba ara-dalÓnan’ny Fiangonana amin’ny fanatanterahana ny fanambadiana[149]. Antony maro no manampy amin’ny fanazavana izany famerana izany :
- asa litorzika ny fanambadiana ara-tsakramenta. Koa noho izany, tsara raha ankalazaina amin’ny litorzia atao ampahibemaso eo amin’ny Fiangonana izy ;
- tafiditra ao amin’ny fitsipika ara-pombam-pivavahan’ny Fiangonana ny fanambadiana, ka miteraka zo sy adidy izy ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny samy mpivady ary amin’ireo zanaka ;
- satria lalam-piainana iray ao amin’ny Fiangonana ny fanambadiana, ka tsy maintsy misy antoka marina amin’ny fanambadiana (izany no tsy maintsy ananana vavolombelona) ;
- ny maha-ampahibemaso ny fanekena no miaro ny “Eny” nomena indray mandeha ihany sy manampy tsy hivadika amin’izany.

l632. Mba ho asa an-kalalahana sy izakana andraikitra ny “Eny ” ifaneken’ny mpivady, ary mba hanana fototra maha-olombelona sy maha-kristianina mafy sy maharitra ny fifanekem-panambadiana, dia ny fiomanana ho amin’ny fanambadiana no manan-danja voalohany.  

Mijanona ho lalana ahazoan-tsoa amin’io fanomanana io ny oha-piainana sy ny fampianarana omen’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana.

Ny anjara asan’ny mpiandry ondry sy ny ankohonana kristianina amin’ny maha-“fianakavian’Andriamanitra” azy, dia ilaina ho amin’ny fampitana ny soatoavina maha-olombelona sy maha-kristianina momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana[150], ary ity, indrindra amin’izao androntsika izao, betsaka ny tanora no mahatsapa ny fisian’ireo tokantrano rava izay tsy ampy hanamafy orina intsony ity fanoroan-dalana ity :

Tsy maintsy ampahafantarina ara-potoana ny tanora, ary amin’ny fomba sahaza azy, izay mety kokoa raha eo anivon’ny fianakaviana, ny mikasika ny hasin’ny fifankatiavan’ny mpivady, ny anjara raharahany, ny fampiasana azy : ary rahefa voabe amin’ny fahadiovam-pitiavana amin’izany izy ireo, dia afaka, rahefa tonga ny fotoana, hirotsaka amin’ny fanambadiana aorian’ny fifamofoana niainana tao anatin’ny fahamendrehana[151].


 

Ny fanambadiana eo amin’ny samy kristianina samihafa finoana, sy eo amin’ny kristianina sy tsy kristianina

1633.Any amin'ny firenena maro, miseho matetitetika ny toeran’ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana (eo amin’ny kat˘lika sy ny vita batemy tsy kat˘lika). Mitaky fitandremana manokana amin’ny mpivady sy ny mpitondra fiangonana izany ; ny amin’ny fanambadian’ny “tsy mitovy fivavahana” (eo amin’ny kat˘lika sy ny tsy vita batemy) dia mbola mitaky fahamaliana bebe kokoa. 

1634.Ny tsy fitovian’ny finoana arahina eo amin’ny mpivady dia tsy mampisy vato misakana tsy azo ihoarana ho an’ny fanambadiana, raha vitan’izy ireo ny manakambana an’izay noraisin’ny tsirairay tamin’izy ireo tao amin’ny fiangonany, sy mampianatra ny andaniny sy ny ankilany ny fomba izay niainan’ny tsirairay ny fifikirana amin’i Kristy. Kanefa ny zava-manahirana amin’ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana dia tsy tokony hamaivanina velively. Izany dia avy amin’ny toe-javatra izay milaza fa tsy mbola ahitam-panafana ny fisarahan’ny kristianina. Mety hahatsapa ny loza avy amin’ny tsy firaisan’ny kristianina ny mpivady eo anivon’ny tokantranon’izy ireo ihany. Mbola mety hanampy trotraka ireny zava-manahirana ireny ny tsy fitovian’ny fivavahana. Ny fifanoherana mikasika ny finoana, ny fahazoana mihitsy ny hoe fanambadiana, ary koa ny tsy fitovian’ny toe-tsaina enti-mivavaka, dia mety hitambatra ho fototry ny fifanenjanana eo amin’ny fanambadiana, indrindra ny amin’ny fanabeazana ny zanaka. Ny fakam-panahy mety hiseho amin’izany dia ny tsy firaharahana fivavahana.

1635.Araka ny lalÓna manan-kery ao amin’ny Fiangonana latinina, ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana, mba ho ara-dalÓna izy, dia mila ny fahazoan-dalana mazava avy amin’ny manam-pahefan’ny Fiangonana[152]. Eo amin’ny an’ny tsy mitovy fivavahana dia takýna ny fanomezan-dalana manokana mazava amin’ny fanalana sampona mba hanan-kery ara-dalÓna ny fanambadiana[153]. Io fahazoan-dalana io na io fanomezan-dalana manokana io, no mitaky fa ny andaniny sy ny ankilany dia mahalala sy tsy manohitra ny tanjona sy ny toetra manokana maha-izy ny fanambadiana ary koa anamafisan’ilay an-daniny kat˘lika ny fampanantenana nataony, sy entina koa ho amin’ny fampahalalana mazava ny an-kilany tsy kat˘lika, itahirizana ny finoany ary iantohana ny fanaovana batemy sy ny fanabeazana ny zanaka ao amin’ny Fiangonana kat˘lika[154]

1636.Amin’ny faritany maro, noho ny fifanakalozan-kevitra momba ny firaisam-pinoana, ireo ankohonana kristianina voakasika izany dia afaka nanangana ny past˘raly iombonana ho an’ny fanambadian’ny samy kristianina samihafa finoana. Ny lahasa sahaniny dia ny manampy ireny mpivady ireny hiaina ny toerana manokana misy azy ireo eo ambany fitsilovan’ny finoana. Tokony hanampy ny mpivady koa izany mba handresena ny fifanolanana eo amin’ny adidin’ny mpivady amin’ny andaniny sy amin’ny ankilany ary amin’ny fiangonan’izy ireo. Tokony handrisika amin’ny fivelarana amin’ izay iraisan’izy ireo eo amin’ny finoana izany, sy amin’ny fanajana an’izay mampisaraka azy ireo.

1637.Amin’ny fanambadian’ny tsy mitovy fivavahana, manana lahasa manokana ilay vady kat˘lika : “Satria ny lehilahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vadiny, ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vadiny mpino” (1 K˘r 7,14). Hafaliana lehibe ho an’ilay vady kristianina sy ho an’ny Fiangonana izany raha mitondra ho amin’ny fibebahana amin-kalalahana an’ilay vady tsy mpino ho amin’ny finoana kristianina io “fanamasinana” io[155]. Ny fifankatiavan’ny mpivady amin’ny fo tokoa, ny fizÓrana miaina ny hatsaram-panahy ao amin’ny fianakaviana, amim-panetren-tena sy amim-paharetana, ary ny fitozoana amin’ny fivavahana, dia afaka manomana ilay vady tsy mpino handray ny fahasoavana amin’ny fibebahana.

 

IV.Ny vokatry ny sakramentan’ny Fanambadiana

1638. “Avy amin’ny fanambadiana vanona no teraka eo amin’ny mpivady ny fifamatorana araka ny toetrany voa-Janahary maha-mandrapahafaty sy maha-tokana azy ; afa-tsy izany, amin’ny fanambadiana kristianina, ankaherezina sy tena hamasinin’ny sakramenta manokana ho amin’ny adidy sy ny fahamendrehan’ny toe-piainan’izy ireo, ny mpivady”[156].

 

Ny fifamatorana ara-panambadiana

1639.Ny fanekena izay ifanoloran’ny mpivady ny tenan’izy ireo sy ifandraisan’ izy ireo dia nasian’ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy tombo-kase[157].Avy amin’ny fifaneken’izy ireo “no mipoitra ilay tokantrano, izay amafisin’ny lalÓnan’Andriamanitra, ary koa ankatoavin’ ny tany ama-monina”[158]. Ny fifaneken’ny mpivady dia tafiditra ho anisan’ny fanekem-pihavanan’ Andriamanitra sy ny olombelona : “Ny fifankatiavana tena izy eo amin’ny mpivady dia azony avy ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra”[159].

1640.Noho izany, ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nanorina ny  fifamatorana ara-panambadiana, hany ka ny fanambadiana nifanarahana sy notontosaina eo amin’ny samy vita batemy dia tsy azo ravana na oviana na oviana. Izany fifamatorana izany, izay vokatry ny asan’ olombelona malalaka eo amin’ny mpivady sy ny fanatanterahana ny fanambadiana, dia zava-misy tsy azo ovÓna hatramin’izao sy iandohan’ny fanekem-pihavanana iantohan’ny tsy fivadihan’Andriamanitra. Tsy anjaran’ny fahefan’ny Fiangonana ny manapa-kevitra hanohitra izany fandaminan’ny fahendren’Andriamanitra izany[160]

 

Ny fahasoavana amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana

1641. “Eo amin’ny lalam-piainan’izy ireo sy eo amin’ny laharana tandrify azy ireo, [ny mpivady kristianina] dia manana ny anjara fanomezana manokana ho azy ireo ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra”[161] Izany fahasoavana manokana amin’ny sakramentan’ny fanambadiana izany, dia natokana handavorariana ny fitiavan’ny mpivady, hanamafy ny firaisan’izy ireo tsy azo  ravana. Avy amin’izany fahasoavana izany “no mifanampy izy ireo hifanamasina eo amin’ny fiainan’ny mpivady, amin’ny fandraisana sy fanabeazana ny zanaka”[162].

1642.I Kristy no loharanon’io fahasoavana io. “Tahaka ny nanombohan’ Andriamanitra fahiny ny fanekem-pitiavana sy ny tsy fivadihana tamin’ny vahoakany, dia tahaka izany koa, ankehitriny, no ihaonan’ny Mpamonjy ny olombelona, Vadin’ny Fiangonana, amin’ny mpivady kristianina amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fanambadiana”[163]. Mijanona miaraka amin’izy ireo Izy, manome hery azy ireo Izy hanaraka Azy amin’ny fandraisan’izy ireo an-tanana ny Hazofijalian’izy ireo, hiarina aorian’ny fahalavoan’izy ireo, hifamela heloka, hifampiantsoroka enta-mavesatry ny andaniny sy ny ankilany[164], “hifanoa amin’ny fahatahorana an’i Kristy” (Efez 5,21) ary hifankatia amin’ny fifankatiavana mihoatra ny natoraly, saro-pady sy mamokatra. Ao anatin’ny hafalian’ny fitiavan’ izy ireo sy ny fiainam-pianakavian’izy ireo, no ampisehoan’izy ireo, manomboka ety an-tany, ny santatry ny fanasana amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry :

Aiza no hanovozako hery ilazalazana amin’ny fomba mahafa-po ny fahasambaram-panambadiana izay tsimbinin’ny Fiangonana, izay hamafisin’ny tolotra, izay marihin’ny tsodrano amin’ny tombo-kase ; ny anjely mankalaza azy, ny Ray any an-danitra mankato azy. (…) Akory ity fanambadian’ny olon-droa kristianina, ampiraisin’ny fanantenana iray, ny faniriana iray, ny fitsipi-pifehezana iray, ny fanompoana iray ihany ! Samy zanaky ny Ray tokana ihany izy roa, mpanompon’ny Tompo iray ihany ; tsy misy na inona na inona manasaraka azy ireo, na ao amin’ny fanahy na ao amin’ny nofo ; ny mifanohitra amin’izany aza, tena nofo iray ihany izy roa. Amin’izany maha-iray ny nofo izany, iray koa ny fanahy[165].

 

V. Ny soa sy ny takýn’ny fitiavan’ny mpivady

1643. “Ny fitiavan’ny mpivady dia ahitana ny fitambarana izay ao no iantombohan’ny singafototra rehetra maha-olona ny olona – antson’ny vatana sy ny tosi-kerim-panentana ao anaty, herin’ny fihetseham-po sy ny fiontanam-po, hetahetan’ny fanahy sy ny sitrapo - ; mikendry ny firaisana lalina maha-olona izy, ka, ankoatra ny firaisana ho nofo iray ihany, dia mitondra ho amin’ny fo iray sy fanahy iray ; mitaky ny tsy maha-azo ravana sy ny tsy fivadihana amin’ny fifanoloran-tena varo-maty izy ; ary misokatra ho amin’ny fiterahana. Ireo moa dia momba ny toetra manokana ara-dalÓna amin’ny fitiavana voa-Janahary eo amin’ny mpivady rehetra, nefa koa misy heviny vaovao, izay tsy hoe manadio an’ireo na manamafy an’ireo fotsiny, fa manondrotra an’ireo mba hanjary fanehoana ny soatoavina tena kristianina”[166].

 

Ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana

1644.Takýn’ny fitiavan’ny mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny maha-tokana sy ny maha-tsy azo ravana ny fiombonan’ny maha-olona azy ireo, izay manambatra ny fiainan’izy ireo manontolo : “Noho izany, tsy roa intsony izy ireo, fa nofo iray ihany ” (Mt 19,6)[167]. “Voantso izy ireo hampitombo tsy an-kijanona ny fiombonan’izy ireo amin’ny alalan’ny tsy fivadihana isan’andro, sy hanamafy ny fanomezan-toky amin’ny fifano-loran-tena manontolo izay raketin’ny fanambadiana”[168]. Ny fiombonana amin’i Jesoa-Kristy nomena tamin’ny sakramentan’ny fanambadiana no manamafy sy mandio ary manatontosa izany fiombonana maha-olona izany. Mihalalina izany amin’ny alalan’ny fiainana ny finoana iombonana sy amin’ny alalan’ny Eokaristia iarahana mandray.

1645. “Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olona tsirairay izay tsy maintsy fantarina eo amin’ny vehivavy sy eo amin’ny lehilahy ao anatin’ny fitiavana feno fatra izay ifanoloran’izy roa ny tenany dia mampiseho mazava ny maha-tokana ny fanambadiana, nohamafisin’i Jesoa Tompo”[169]. Ny fampirafesana dia manohitra izany fitoviana haja aman-kasina izany sy amin’ny fitiavan’ny mpivady izay tokana sy tsy ananan-droa[170].
 

Ny tsy fivadihana amin’ny fitiavan’ny mpivady

1646.Takýn’ny fitiavan’ny mpivady amin’izy mpivady, araka ny toetrany voa-Janahary rahateo, ny tsy fivadihana tsy azo dikaina. Vokatry ny fanomezana ny tenan’izy ireo ihany izay ifanoloran’ny mpivady, io tsy fivadihana io. Tokony ho varo-maty ny fitiavana. Tsy mety hoe “hatramin’izao baiko vaovao izao” izy. “Izany firaisana lalina, ifanoloran’izy roa ny tenany izany, tsy latsaka izany koa ny soa ho an’ny zanaka, dia mitaky ny tsy fivadihana tanteraka eo amin’ny mpivady sy mila ny maha-tokana tsy azo ravana ny fanambadian’izy ireo”[171].

1647.Ny antony lalina indrindra dia hita eo amin’ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amin’ny fanekem-pihavanany, sy tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny fanambadiana ny mpivady dia nahazo fahefana ara-dalÓna hampiseho izany tsy fivadihana izany sy hijoro ho vavolombelon’izany. Amin’ny alalan’ny sakramenta, ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiana dia mahazo hevitra vaovao sy lalina kokoa.

1648.Mety heverina fa sarotra, na tsy azo atao, ny mifatotra amin’ny olona iray mandritra ny fiainana manontolo. Tsy vitan’izany koa fa zava-dehibe ny mitory ny Evanjely fa tia antsika amin’ny fitia varo-maty sy tsy miova Andriamanitra, ka mandray anjara amin’io fitiavana io ny mpivady, izay mitondra azy ireo sy manohana azy ireo, ary amin’ny tsy fivadihan’izy ireo no ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’Andriamanitra tsy mivadika. Ny mpivady izay, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra, mampiseho izany fijoroana vavolombelona izany, matetika amin’ny toe-draharaha sarotra tokoa, dia mendrika ny fankasitrahana sy ny fanohanan’ ny ankohonam-piangonana[172]

1649.Misy anefa ny toe-javatra izay mahatonga ny firaisan-tranon’ny mpivady ho tsy azo atao noho ny antony maro samihafa. Amin’ny toe-javatra toy izany, eken’ny Fiangonana ny fisarahan-toeran’ny mpivady sy ny fampitsaharana ny firaisan-trano. Mitohy tsy mijanona anefa ny maha-mpivady azy mivady eo anatrehan’ Andriamanitra ; tsy afaka ny haka vady vaovao izy ireo. Amin’ity toe-javatra sarotra ity, ny vahaolana tsara indrindra, raha azo atao, dia ny fampihavanana. Antsoina ny ankohonana kristianina hanampy ireny olona ireny hiaina araka ny maha-kristianina ny toe-javatra mihatra amin’izy ireo, ao anatin’ny tsy fivadihana amin’ny fifamatoran’ny fanambadian’izy ireo izay mijanona ho tsy azo ravana[173].

1650.Betsaka ankehitriny, any amin’ny firenena maro, ny kat˘lika izay mangataka fisaraham-panambadiana araka ny didy aman-dalÓna sivily sy manao fifanekena eo anatrehan’ny lalÓna sivily ho amin’ny fanambadiana vaovao. Manantitrantitra ny Fiangonana, noho ny tsy fivadihana amin’ny tenin’i Jesoa-Kristy (“Na iza na iza lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia manitsakitsaka ny vadiny voalohany ; ary raha ny vavy koa no manary ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga izy” : Mk 10,11-12), fa tsy azony ekena ho vanona ny fanambadiana vaovao, raha mbola vanona ny fisian’ilay fanambadiana voalohany. Raha manambady indray araka ny fomba sivily ireo nisara-panambadiana, dia miditra ao anatin’ny toe-piainana izay mandika tsotr’ izao ny lalÓnan’Andriamanitra izy ireo. Koa noho izany, tsy mahazo mandray k˘monio amin’ny Eokaristia izy ireo mandritra ny fotoana aharetan’io toe-piainana io. Noho io antony io koa, tsy afaka misahana andraikitra sasantsasany ao amin’ny Fiangonana izy ireo. Ny fampihavanana amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana dia tsy azo omena  afa-tsy ho an’ireo izay manenina fa nandika ny famantarana ny fifanekem-panambadiana sy ny tsy fivadihana amin’i Kristy, ary mampanantena fa hiaina ao anatin’ny fifadiam-pahafinaretan’ ny nofo tanteraka.

1651.Ny amin’ireo kristianina izay miaina ao anatin’izany toe-piainana izany sy izay mitazona matetika ny finoana ary maniry hitaiza amin’ny fomba kristianina ny zanak’izy ireo, dia adidin’ny Pretra sy ny ankohonan’ny mpino manontolo ny mikarakara azy ireo  ombam-pitandremana, amin’ny fiainana izay ahafahan’izy ireo sy tsy maintsy andraisany anjara amin’ny maha-vita batemy azy ireo, mba tsy hiheveran’izy ireo fa tafasaraka amin’ny Fiangonana izy ireo :

Hasaina izy ireo hihaino ny Tenin’Andriamanitra, hanatrika ny Soron’ ny lamesa, hitozo amin’ny fivavahana, hitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny asam-pitiava-namana sy amin’ny ezaky ny ankohonan’ ny mpino ho amin’ny fahamarinana, hitaiza ny zanak’izy ireo amin’ ny finoana kristianina, hamolavola toe-tsaim-pibebahana sy hanatanteraka izany amin’ny asa, mba hitalahoana isan’andro mihiratra ny fahasoavan’ Andriamanitra[174].

 

Ny famosahan-kevitra amin’ny fiterahana

1652. “Avy amin’ny toetrany voa-Janahary mihitsy no nandaharana ny fanorenan-tokantrano amin’ny fanambadiana sy ny fifankatiavan’ny mpivady ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana, izay izany no tampony manamarika ny fahatontosany”[175] :

Ny zanaka no fanomezana tsara indrindra avy amin’ny fanambadiana sy manampy be tokoa amin’ny soa ho an’ny tenan’izy ray aman-dreny. Sitraky ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy izay niteny hoe : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18) sy izay “[nanao ny olombelona] ho lehilahy sy vehivavy hatrany am-piandohana” (Mt 19,4), ny hanome azy ny fandraisana anjara manokana amin’ny tsanganasa fahariany ; koa nitsodrano ny lehilahy sy ny vehivavy Izy nanao hoe : “Miteraha maro ianareo ary mitomboa” (Jen 1,28). Koa noho izany, ny fifankatiavan’ny mpivady marina tokoa sy mazava tsara, mbamin’ny lamin-drafitra manontolo ny fiainam-pianakaviana avy amin’izany, kanefa tsy manambany ny tanjon’ny fanambadiana hafa rehetra, dia samy mikendry hahatonga ny mpivady hanam-pahalalahana mba hiara-miasa amin-kerim-po amin’ny fitiavan’ny Mpahary sy Mpamonjy izay, amin’ny alalan’izy ireo, no sitrany hanondrotra sy hampitomboana tsy an-kijanona ny fianakavian’ny tenany[176].

1653.Ny fahavokaran’ny fifankatiavan’ny mpivady dia mivelatra amin’ny vokatry ny fiainana ara-m˘raly, ara-panahy sy mihoatra ny natoraly, izay ampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany sady lehibe indrindra ny zanak’izy ireo[177]. Araka izany lafin-kevitra izany, ny lahasa fototry ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia ny ho fanompoana amin’ny fiainana[178].

1654.Ireo mpivady izay tsy nomen’Andriamanitra zanaka kosa anefa dia afaka hanana fiainam-panambadiana feno, amin’ny lafiny toe-po sy fomba kristianina. Afaka hamirapiratan’ny fahavokaran’ny fitiava-namana, ny fandraisana olona ary ny fahafoizan-tena ny fanambadian’izy ireo.

 

VI. Ny Fiangonana ao an-tokantrano 

1655.Sitrak’i Kristy ny ho teraka sy hitombo teo anivon’ny Fianakaviana Masin’i Josefa sy Maria. Tsy hafa tsy akory ny Fiangonana fa ny “fianakavian’Andriamanitra”. Hatrany am-piandohany, ny antokon’olona tao amin’ny Fiangonana, dia matetika niorina avy amin’ireo izay nanjary mpino “niaraka tamin’ny ankohonany manontolo”[179]. Rahefa nibebaka izy ireo, dia nirin’izy ireo koa ny hahavoavonjy “ny ankohonany manontolo”[180]. Ireny fianakaviana nanjary mpino ireny no vondron-trano voafaritry ny fiainana kristianina eo amin’ny tontolo tsy mpino. 

1656.Amin’izao androntsika izao, eo amin’ny tontolo izay matetika miavaka sy manohitra ny finoana mihitsy aza, manana ny lanjany lehibe tokoa ny fianakaviana mpino, zary akanin’ny finoana velona sy misandrahaka. Izany no mahatonga ny K˘nsily Vatikana faharoa hiantso ny fianakaviana amin’ilay fomba fiteny tranainy hoe Ecclesia domestica[181] (Fiangonana ao an-tokantrano). Eo anivon’ny fianakaviana izany, dia ny ray aman-dreny, “amin’ny alalan’ny teny sy amin’ny alalan’ny oha-piainana (…) no mpitory voalohany ny finoana ho an’ny zanak’izy ireo, amin’ny fanampiana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra tandrify ny tsirairay ary indrindra ny fiantsoana masina”[182]

1657.Ao amin’ny fianakaviana izany, amin’ny fomba ahazoan-tsoa manokana, no iasan’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy ny raim-pianakaviana, ny reny, ny zanaka, ny mpianakavy manontolo, “amin’ny alalan’ny fandraisana sakramenta, ny vavaka sy ny fisaorana, ny fanehoana fiainam-pahamasinana, sy amin’ny alalan’ny fandavan-tenan’izy ireo sy ny fifanka-tiavan’izy ireo azo tsapain-tanana”[183]. Ny tokantrano amin’izany no sekolim-piainana kristianina voalohany sy “sekolim-pampivoarana ny maha-olona”[184]. Ao  koa no ianarana ny fihafiana sy ny hafaliana avy amin’ny asa, ny fitiavan’ny maha-mpiray tam-po, ny famelan-keloka amin-kalalaham-po, na dia miverimberina aza ny fahadisoana, ary indrindra ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny vavaka sy ny fanoloram-piainana Aminy.

1658.Mbola tokony hotsarovana koa ireo olona sasantsasany izay, noho ny toe-piainana tsy takona afenina tsy maintsy iainan’izy ireo – ary matetika tsy fidiny ho azy izany – manakaiky indrindra ny fon’i Jesoa ka noho izany mendrika fitiavana sy fiahiana fatratra avy amin’ny Fiangonana, indrindra ny mpitondra : ireo olona mpitovo maro be. Ny ankamaroan’izy ireny dia tsy misy fianakaviana fa honjohonjony irery, matetika noho ny antony avy amin’ny fahantrana. Misy ireo izay miaina izany toerana misy azy izany ao anaty toe-panahin’ny hasambarana nambaran’i Jesoa, amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny namana amin’ny fomba azo alain-tahaka. Ho azy rehetra Óry, tokony hovohaina midanadana ho azy ireo ny varavaran’ny ankohanana, “Fiangonana ao an-tokantrano”, ary ny fianakaviambe izay tsy inona fa ny Fiangonana. “Tsy misy olona tsy tokony hanana fianakaviana eto amin’izao tontolo izao : ny Fiangonana no trano sy fianakavian’ny rehetra, indrindra ho an’ireo izay "misasatra sy itambesaran’ny enta-mavesatra" (Mt 11,28)”[185].


 

FAMINTINANA

1659.Hoy i Md Paoly : “Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Fiangonana. (…) Misy mistery lehibe amin’io ; miantefa amin’i Kristy sy ny Fiangonana no tiako lazaina (Efez 5,25.32).

1660.Ny fifanekem-panambadiana, izay anorenan’ny lehilahy iray sy vehivavy iray fiombonam-piainana amam-pifankatiavana lalina eo amin’izy roa, dia naorin’ny Mpahary sy nasiany ny lalÓnany manokana. Araka ny toetra  voa-Janahary momba ny fifanekem-panambadiana dia nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana ny zanaka izany. Nasandratr’i Kristy Tompo ho amin’ny hasin’ny sakramenta izany eo amin’ireo vita batemy[186].

1661.Manambara ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana ny sakramentan’ny Fanambadiana. Manome ny mpivady ny fahasoavana hifankatia amin’ny fitiavana izay nitiavan’i Kristy ny Fiangonany izy ; araka izany, ny fahasoavan’ny sakramenta no mandavorary ny fitiavana maha-olombelona ny mpivady, manamafy orina ny firaisan’izy ireo tsy azo ravana ary manamasina azy ireo eny an-dalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay[187].

1662.Miorina amin’ny fanekena ifanaovan’ny mpivady ny fanambadiana, izany hoe vokatry ny safidim-po hifanolo-tena sy ho varo-maty ao anatin’ny tarigetra hiaina ny fifanekem-pitiavana tsy mivadika sy hiteraka.

1663.Noho ny fanambadiana mametraka ny mpivady amin’ny toe-piainana ampahibemaso ao amin’ny Fiangonana, dia tsara raha atao ampahibemaso ny fankalazana azy, ao anatin’ny fankalazana litorzika, eo anatrehan’ny Pretra (na vavolombelona notendren’ny Fiangonana), sy ny vavolombelona ary ny mpino tafangona eo.

1664.Ny maha-tokana, ny maha-tsy azo ravana ary ny fahalalahana hiteraka  dia foto-javatra ilaina amin’ny fanambadiana. Ny fampirafesana dia tsy afa-miaraka amin’ny maha-tokana ny fanambadiana ; ny fisaraham-panambadiana dia mandrava ny nakamban’Andriamanitra ; ny fandavana hiteraka dia mampivaona ny fiainan’ny mpivady amin’ny fanomezany tsara indrindra, dia ny zanaka izany[188].

1665.Ny fanambadiana olon-kafa ataon’izay nisaraka tamin’ny vadiny ara-dalÓna mbola velona dia mandika ny fandaharana sy ny lalÓnan’ Andriamanitra nampianarin’i Kristy. Tsy tafasaraka amin’ny Fiangonana izy ireo, nefa tsy afaka mandray ny k˘monion’ny Eokaristia. Hitondran-tena amin’ny maha-kristianina izy ireo, indrindra amin’ny fanabeazana ny zanany amin’ny finoana.

1666.Ny tokantrano kristianina no toerana andraisan’ny zanaka ny fanambarÓna voalohany ny finoana. Izany no antony iantsoana marina ny tranom-pianakaviana hoe Fiangonana ao an-tokantrano, ankohonam-pahasoavana amam-bavaka, sekolin’ny hatsaram-panahy maha-olona sy ny fifankatiavana kristianina.

 
 
[1] jer. FF 10.
[2]FF 11.
[3]FAA 48,2.
[4] jer. Heb 5,6 ; 7,11 ; Sal 110,4.
[5] jer. FF 10.
[6] jer. Iz 61,6.
[7] jer. Fan 1,48-53.
[8] jer. J˘s 13,33.
[9] jer. Eks 29,1-30 ; Lev 8.
[10] jer. Heb 5,1.
[11] jer. Mal 2,7-9.
[12] jer. Heb 5,3 ; 7,27 ; 10,1-4.
[13] jer. Fan 11,24-25.
[14]Pontificale Romanum. De Ordinatione Episcopi, presbyterorum et diaconorum,47.
[15]Ibid. 159.
[16]Ibid. 207.
[17]Md Thomas d’A., Heb 7,4.
[18] jer. Ap˘k 5,9-10 ; 1 Pi 2,5.9.
[19]FF 10.
[20]FF 10.
[21]FF 10.
[22] jer. FF 10 ; 28 ; L 33 ; AE 11 ; RFP 2 ;6.
[23]Pie XII, enc. "Mediator Dei".
[24]Md Thomas d’A., s. th. 3,22,4.
[25] jer. FF 21.
[26]Trall. 3,1 ; jer. Magn. 6,1.
[27]FF 24.
[28] jer. Mk 10,43-45 ; 1 Pi 5,3.
[29]Md Jean Chrysostome, sac. 2,4 ; jer. Jo 21,15-17.
[30] jer. L 33.
[31] jer. FF 10.
[32]FF 28
[33]Md Ignace d’Antioche, Trall. 3,1.
[34]FF 20.
[35]FF 21.
[36]Ibid.
[37]Ibid.
[38]AE 2.
[39]FF 22.
[40] jer. FF 22.
[41]Pie XII, enc. "Fidei donum" ; jer. FF 23 ; AE 4 ; 36 ; 37 ; AFF 5 ; 6 ; 38.
[42] jer. L 41 ; FF 26.
[43]FF 28.
[44]RFP 2.
[45]RFP 2.
[46] jer. Heb 5,1-10 ; 7,24 ; 9,11-28.
[47]FF 28.
[48]RFP 10.
[49]FP 20.
[50]FF 28.
[51] jer. RFP 2.
[52]FF 28.
[53]RFP 8.
[54]FF 29 ; jer. AE 15.
[55] jer. Md Hippolyte, trad. ap. 8.
[56] jer. FF 41 ; AFF 16.
[57] jer. Mk 10,45 ; Lk 22,27 ; Md Polycarpe, ep. 5,2.
[58] jer. FF 29 ; L 35, ž 4 ; AFF 16.
[59]FF 29.
[60]AFF 16.
[61] jer. Pie XII, const. Ap. "Sacramentum ordinis" : DS 3858.
[62]Pontificale Romanum. De ordinatione Episcopi, presbyterorum et diaconorum, 163.
[63] jer. MR, Preface des Ap˘tres I.
[64] jer. Efez 4,11.
[65] jer. FF 21.
[66]FF 21.
[67]FF 20.
[68] jer. DS 794 sy 802 ; CIC, can. 1012 ; CCEO, can. 744 ; 747.
[69]CIC, can. 1024.
[70] jer. Mk 3,14-19 ; Lk 6,12-16.
[71] jer. 1 Tim 3,1-13 ; 2 Tim 1,6 ; Tito 1,5-9.
[72]Md ClÚment de Rome, Cor 42,4 ; 44,3.
[73] jer. MD 26-27 ; Ordinatio sacerdotalis ; CDF, dÚcl. "Inter insigniores" Responsum ad dubium cired doctrinam in Epist. Ap. "Ordinatio Sacerdotalis" traditam.
[74] jer. Heb 5,4.
[75] jer. 1 K˘r 7,32.
[76] jer. RFP 16.
[77] jer. RFP 16.
[78] jer. K˘ns. Trente : DS 1767 ; FF 21 ; 28 ; 29 ; RFP 2.
[79] jer. CIC, can. 290-293 ; 1336, ž 1, 3░, 5░ ; 1338, ž2.
[80] jer. K˘ns. Trente : DS 1774.
[81] jer. K˘ns. Trente : DS 1612 ; DS 1154.
[82] Md Augustin in Ev Jo 5,15.
[83]Pontificale Romanum. De ordinatione episcopi, presbyterorum et diaconorum 47.
[84] jer. AE 13 sy 16.
[85]Md Hippolyte, trad. ap. 3.
[86]Euchologion
[87]FF 29.
[88] Md GrÚgoire in Or. 2,71.
[89]Ibid., 2,74.
[90]Ibid., 2,73.
[91]Nodet, Jean-Marie Vianney p.98.
[92] jer. Md Ignace d’Antioche, Trall. 3,1.
[93]CIC, can. 1055, ž 1.
[94] jer. Jen 1,26-27.
[95] jer. Ap˘k 19,7.
[96] jer. Efez 5,31-32.
[97]FAA 48, ž 1.
[98] jer. FAA 47, ž 2.
[99]FAA 47, ž 1.
[100] jer. Jen 1,27.
[101] jer. 1 Jo 4,8.16.
[102] jer. Jen 1,31.
[103] jer. Jen 2,23.
[104] jer. Jen 2,18.
[105] jer. Sal 121,2.
[106] jer. Mt 19,4.
[107] jer. Jen 3,12.
[108] jer. Jen 3,16 b.
[109] jer. Jen 2,22.
[110] jer. Jen 3,16-19.
[111] jer. Jen 1,28.
[112] jer. Jen 3,21.
[113] jer. Jen 3,16.
[114] jer. Mt 19,8 ; Det 24,1.
[115] jer. ďs 1-3 ; Iz 54 ; 62 ; Jer 2-3 ; 31 ; Ezek 16 ;23.
[116] jer. Mal 2,13-17.
[117] jer. FAA 22.
[118] jer. Jo 2,1-11.
[119] jer. Mt 19,8.
[120] jer. Mt 19,10.
[121] jer. Mt 11,29-30.
[122] jer. Mk 8,34.
[123] jer. Mt 19,11.
[124] jer. Efez 5,26-27.
[125] jer. DS 1800 ; CIC, can. 1055, ž 1.
[126] jer. Lk 14,26 ; Mk 10,28-31.
[127] jer. Ap˘k 14,4.
[128] jer. 1 K˘r 7,32.
[129] jer. Mt 25,6.
[130] jer. Mk 12,25 ; 1 K˘r 7,31.
[131] jer. Mt 19,3-12.
[132] jer. FF 42 ; FFR 12 ; FP 10.
[133]Md Jean Chrysostome, virg. 10,1 ; jer. FM 16.
[134] jer. L 61.
[135] jer. FF 6.
[136] jer. 1 K˘r 10,17.
[137]FM  67.
[138] jer. CCEO, can. 817.
[139] jer. CCEO, can. 828.
[140] jer. Efez 5,32.
[141]CIC, can. 1057, ž 1.
[142]FAA 48, ž 1 ; jer. CIC, can. 1057, ž 2.
[143]OcM 62.
[144] jer. Jen 2,24 ; Mk 10,8 ; Efez 5,31.
[145] jer. CIC, can. 1103.
[146]CIC, can. 1057, ž 1.
[147] jer. CIC, can. 1083-1108.
[148] jer. CIC, can. 1071, ž 1.3.
[149] jer. K˘ns. Trente : DS 1813-1816 ; CIC, can. 1108.
[150] jer. CIC, can. 1063.
[151]FAA 49, ž 3.
[152] jer. CIC, can. 1124.
[153] jer. CIC, can. 1086.
[154] jer. CIC, can. 1125.
[155] jer. 1 K˘r 7,16.
[156]CIC, can. 1134.
[157] jer. Mk 10,9.
[158]FAA 48, ž 1.
[159]FAA 48, ž 2.
[160] jer. CIC, can. 1141.
[161]FF 11.
[162]FF 11 ; jer. FF 41.
[163]FAA 48, ž 2.
[164] jer. Gal 6,2.
[165]Tertullien, ux. 2,8,6-7 ; jer. FM 13.
[166]FM 13.
[167] jer. Jen 2,24.
[168]FM 19.
[169]FAA 49, ž 2.
[170] jer. FM 19.
[171]FAA 48, ž 1.
[172] jer. FM 20.
[173] jer. FM 83 ; CIC, can. 1151-1155.
[174]FM 84.
[175]FAA 48, ž 1.
[176]FAA 50, ž 1.
[177] jer. FK 3.
[178] jer. FM 28.
[179] jer. Asa 18,8.
[180] jer. Asa 16,31 sy 11,14.
[181]FF 11 ; jer. FM 21.
[182]FF 11.
[183]FF 10.
[184]FAA 52, ž 1.
[185]FM 85.
[186] jer. FAA 48, ž 1 ; CIC Can. 1055, &1.
[187] jer. K˘ns. Trente : DS 1799.
[188]FAA 50, ž 1.
 

 

top