The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHEFATRA

Ny fankalazana litorzika hafa

 

ANDALANA 1

Ny sakramentaly

 

1667. “Ny Fiangonana Reny Masina dia nanorina ny sakramentaly, izay famantarana masina manahatahaka ny sakramenta ihany, ka ny vokany, indrindra ny ara-panahy, no ambarany, ary azo amin’ny vavaky ny Fiangonana. Mandrisika ny olona handray ny voka-dehibe amin’ny sakramenta izy ireny, ary manamasina  ireo  toe-java-miseho samihafa eo amin’ny fiainana”[1].

Ireo soritsori-toetra mampiavaka ny sakramentaly

1668.Naorin’ny Fiangonana izy ireny mba ho fanamasinana ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana, ny lalam-piainana sasantsasany, ny toe-java-miseho maro karazana tokoa eo amin’ny fiainana kristianina, ary koa ny fampiasana ny zavatra mahasoa ny olombelona. Araka ny fanapahan-kevitra past˘ralin’ny Eveka, izy ireny dia azo hamaliana koa ny filana, ny kolontsaina ary ny tantara manokana momba ny vahoaka kristianina eo amin’ny faritra iray na ny vanim-potoana iray. Misy vavaka lalandava izy ireny, matetika arahina famantarana voafaritra, toy ny fametrahan-tanana, ny famantarana ny Hazofijaliana, ny famafazana rano voahasina (izay mampahatsiaro ny Batemy). 

1669.Miankina amin’ny fisoronana avy amin’ny Batemy izany : ny vita batemy rehetra dia antsoina ho “fanasoavana”[2] sy hanasoa[3]. Izany no antony hahazoan’ny lahika misahana ny tsodrano sasantsasany[4]; arakaraka ny iompanan’ny tsodrano bebe kokoa amin’ny fiainam-piangonana sy ara-tsakramenta no anokanana ny fisahanana azy ho an’ny mpandraharaha voahosotra (Eveka, Pretra na Diakra[5]). 

1670.Tsy manome ny fahasoavan’ny Fanahy Masina araka ny fomban’ny sakramenta ny sakramentaly, nefa amin’ny alalan’ny vavaky ny Fiangonana no anomanan’izy ireny handray ny fahasoavana sy andrisihany hifarimbona amin’izany. “Amin’ny mpino voaomana tsara, saika ny fisehon-javatra rehetra eo amin’ny fiainana no hamasinin’ny fahasoavan’Andriamanitra izay avy amin’ny misterin’ny Pakan’ny fijaliana, ny fahafatesana ary ny Fitsanganan’i Kristy ho velona, satria avy Aminy ny sakramenta sy ny sakramentaly rehetra no manovo ny herin’izy ireo ; ary saika tsy misy na iray aza ny fampiasana mendrika ny zavatra tsapan’ny tanana izay tsy mety hotarihina mankamin’izao tanjom-piafarana izao : ny fanamasinana ny olombelona sy ny fiderana an’Andriamanitra”[6].

Ny endrika samihafa amin’ny sakramentaly

1671.Anisan’ny mampiseho voalohany indrindra ireo endriky ny sakramentaly ny tsodrano (ny olona, ny sakafo, ny zavatra, ny toerana). Ny tsodrano rehetra dia fiderana an’Andriamanitra sy fivavahana mba hahazoana ny fanomezany. Ao amin’i Kristy no mitsodrano ny kristianina Andriamanitra Ray “amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy” (Efez 1,3). Izany no antony anomezan’ny Fiangonana ny tsodrano amin’ny fiantsoana ny Anaran’i Jesoa sy amin’ny fanaovana matetika ny famantarana masina ny Hazofijalian’i Kristy.

1672.Misy manan-kery maharitra ny tsodrano sasantsasany : ny vokany dia ny manamasina ny olona ho an’Andriamanitra sy ny manokana ny zavatra sy ny toerana ho ampiasana amin’ny litorzia. Anisany amin’ireo izay natokana ho an’ny olona – tsy hafangaro amin’ny fanamasinana ara-tsakramentan’ny filaharana masina – ny tsodrano ho an’ny lehiben’ny tranon-drelijiozy mpitoka-monina lehilahy na vehivavy, ho an’ny manokan-tena ho virjiny sy ho mananotena, ho an’ny fombam-pivavahana amin’ny voadin-drelijiozy sy ny tsodrano ho amin’ny andraiki-panompoana sasantsasany ao amin’ny Fiangonana (mpamaky teny, ak˘lita, Katesista, sns.). Ny ohatra amin’ny an’ireo izay momba ny zavatra, dia tsara ho fantatra ny fitokanana na fitsofan-drano ny trano fiangonana na ny ˘tely, ny fitsofan-drano ny diloilo masina, ny fitaovana ampiasaina sy ny fanamiana masina, ny lak˘l˘sy, sns. 

1673.Rahefa mangataka ampahibemaso sy amim-pahefana ny Fiangonana, amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy, mba ho voaro ny olona na ny zavatra, tsy ho eo ambany fahefan’ilay Ratsy sy ho voaesotra ao amin’ny fanjakany, dia fandroahana demony no ilazana izany. Nanatanteraka izany i Jesoa[7], ary avy Aminy no nahazoan’ny Fiangonana ny fahefana sy ny fiadidiana handroaka demony[8]. Ny fandroahana demony amin’ny fomba tsotra, dia tanterahina amin’ny fotoana fankalazana ny Batemy. Ny fandroahana demony amin’ny fomba manetriketrika antsoina hoe “fandroahana demony amin-kery”, dia tsy azo ampiasaina afa-tsy amin’ny alalan’ny Pretra ary miaraka amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny Eveka. Tsy maintsy atao amim-pahamalinana izany, amin’ny fanatanterahana hentitra ny fitsipika naorin’ny Fiangonana[9]. Ny fandroahana demony dia mikendry ny hamoaka ny demony na hanafaka ny eo ambany fahefan’ny demony, ary izany dia amin’ny alalan’ny manam-pahefana ara-panahy izay nanankinan’i Jesoa ny Fiangonany. Tena hafa ny an’ny toe-javatra momba ny marary, indrindra ny marary saina, izay miankina amin’ny fahaizana ara-pitsaboana ny fikarakarana izany. Koa zava-dehibe Óry ny maka antoka, alohan’ ny fankalazana atao amin’ny fandroahana demony, na ny fisian’ilay Ratsy tokoa no ao, fa tsy aretina. 

Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. 

1674.Ivelan’ny litorzia ara-tsakramenta sy ny sakramentaly, ny katesezy dia tokony hihevitra ny endriky ny fitiavam-bavaky ny mpino sy ny hetsipom-pivavaham-bahoaka. Ny hevitra ara-pivavahan’ny vahoaka kristianina, hatrizay hatrizay, dia nahita ny fanehoany amin’ny endrika samihafa amin’ny fitiavam-bavaka izay manamarika ny fiainana ara-tsakramentan’ ny Fiangonana, toy ny fanajana ny sisan-taolan’ny olomasina, ny famangiana ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ny fivahiniana masina, ny vavaka am-pandehanana, ny lalan’ny Hazofijaliana, ny dihy ara-pivavahana, ny raozery, ny meday[10], sns.

1675.Ireny fanehoana ireny dia manohy ny fiainana ara-litorzian’ny Fiangonana, fa tsy misolo azy : “Tsy maintsy hahitsy [ireny] amin’ny fandraisana hevitra avy amin’ ny taona litorzika sy harindra amin’ny litorzia, mba hanohizana izany amin’ny fomba azo antoka, ary hampiditra ny vahoaka ao amin’izany, satria ny litorzia, araka ny fombany, dia ambony lavitra noho ireny”[11].

1676.Ilaina ny fandanjalanjana ara-past˘raly mba hanamafisana sy hanohanana ny hetsipom-pivavaham-bahoaka sy, raha toa ka miseho izany, mba hanadiovana sy hanitsiana ny hevitra ara-pivavahana izay manokatra an’ ireny fitiavam-bavaka ireny ary mba hampandrosoana ny fahalalana ny misterin’i Kristy. Ny fampiasana azy ireny dia ankatoavina amin’ny fitandremana sy amin’ny fandanjalanjan’ny Eveka ary amin’ny fitsipika ankapoben’ny Fiangonana[12].

Ny hetsipom-pivavaham-bahoaka, raha ny votoatiny, dia ny fitambaran’ny soatoavina izay mamaly, amin’ny fahendrena kristianina, ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana. Ny hevitra marim-pototry ny vahoaka kat˘lika dia mampahay mamintina ny amin’ny fiainana. Araka izany no mahatonga azy mampifanindran-dalana, amin’ny fomba mahay mamorona, ny momba an’ Andriamanitra sy ny momba ny olombelona, i Kristy sy i Maria, ny fanahy sy ny vatana, ny fiombonana sy ny fanorenana, ny isam-batan’olona sy ny ankohonana, ny finoana sy ny tanindrazana, ny fahaizana ara-tsaina sy ny fihetseham-po. Izany fahendrena izany no fampivelarana ny maha-olona kristianina izay manamafy tanteraka ny hasin’ny maha-izy manontolo ny maha-zanak’Andriamanitra, manorina fihavanana hatrany ifotony, mampianatra hihaona amin’ny zavaboary tahaka ny hahalalana ny asa, ary manoro hevitra hiaina ao anatin’ny hafaliana sy ny fiadanam-po, na dia eo anivon’ny hamafin’ ny fiainana aza. Izany fahendrena izany koa ho an’ny vahoaka no fototry ny fandanjalanjana, no tosi-kerim-panentana ao anaty avy amin’ny evanjely izay mahatonga azy hahatsapa fotsiny amin’izao hoe : rahoviana ny Evanjely no voalohany tompoina ao amin’ny Fiangonana, na rahoviana no voaesotra amin’ny votoatiny izy sy sempotry ny tombon-tsoa hafa[13].

FAMINTINANA

1677.Ny antsoina hoe sakramentaly dia ireo famantarana masina naorin’ny Fiangonana, ka ny kendreny amin’izany dia ny mba hanomana ny olona handray ny vokatry ny sakramenta sy hanamasinana ny toe-javatra miseho samihafa eo amin’ny fiainana.

1678.Ny tsodrano no mitana toerana lehibe amin’ireo sakramentaly. Sady mirakitra fiderana an’Andriamanitra noho ny tsanganasany sy ny fanomezany ireny, no mitondra ny fitalahoan’ny Fiangonana, mba hahafahan’ny olona mampiasa ny fanomezan’Andriamanitra araka ny toe-panahy takýn’ny Vaovao Mahafaly.

1679.Ankoatra ny litorzia, ny fiainana kristianina dia mivelona amin’ny fomba maro karazana amin’ny fanehoam-pitiavam-bavaky ny vahoaka, latsa-paka ao amin’ny kolontsaina samihafa. Sady miezaka hanazava ireny amin’ny fahazavan’ny finoana ny Fiangonana, no mampandroso ireo endriky ny hetsipom-pivavaham-bahoaka izay maneho ny tosi-kerim-panentana ao anaty avy amin’ny Evanjely sy ny fahendren’olombelona, sy mampitombo ny harem-piainana kristianina.

 

ANDALANA 2

Ny fandevenana kristianina

 

1680.Ny sakramenta rehetra, voalohany indrindra ny an’ireo firosoana ho kristianina, dia mikendry ny Paka faran’ny zanak’Andriamanitra, ilay Paka izay mampiditra azy, amin’ny alalan’ny fahafatesana, ao amin’ny Fiainan’ ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’izany no tontosa izay nambarany tamim-pinoana sy tamim-panantenana hoe : “Izaho miandry ny Fitsanganan’ny maty ho velona sy ny Fiainan-ko avy”[14].

I.Ny Paka faran’ny kristianina 

1681.Ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana dia voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona, izay iorenan’ny hany fanantenantsika. Ny kristianina izay maty ao amin’i Kristy Jesoa dia mandao ity vatana ity mba handeha honina eo akaikin’ny Tompo[15].

1682.Ny andron’ny fahafatesana no misantatra ho an’ny kristianina, amin’ny faran’ny fiainany ara-tsakramenta, ny fahatanterahan’ny fahateraham-baovaony natomboka tamin’ny Batemy, ny “fitoviana” tsy miova intsony amin’ny “endriky ny Zanaka” nomena tamin’ny fanosorana amin’ny Fanahy Masina ary ny fandraisana anjara amin’ny Fanasam-be any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izay nosantarina mialoha tamin’ny Eokaristia, na dia mbola ilaina aza ny fanadiovana farany mba hitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.

1683.Ny Fiangonana, amin’ny maha-Reny azy, izay nitondra ara-tsakramenta tao am-bohokany ny kristianina nandritra ny fivahiniany tety an-tany, dia mambomba azy eo am-pamaranana ny diany mba hametraka azy “eo am-pelatanan’ny Ray”. Atolony amin’ny Ray, ao amin’i Kristy, ny zanaky ny fahasoavany, ary apetrany amin’ny tany, ao anatin’ny fanantenana, ny tsirin’ny vatana izay hitsangan-ko velona amim-boninahitra[16]. Izany fanolorana izany dia ankalazaina manontolo amin’ny alalan’ny Sorona Eokaristika ; ny fitsofan-drano izay mialoha sy manaraka dia sakramentaly.

II. Ny fankalazana amin’ny fandevenana

1684. Fankalazana iray ara-litorzian’ny Fiangonana ny fandevenana kristianina. Amin’ny alalany, ny andraiki-panompoan’ny Fiangonana, amin’ity toe-javatra ity, dia sady mba hanehoana ny fiombonana bebe kokoa amin’ny maty, no hampandraisana anjara amin’izany ny mpiara-miangona tafavory ho amin’ny fandevenana ary hanaovana antso avo aminy ny fiainana mandrakizay.

1685.Ny fombam-pivavahana fandevenana samihafa dia maneho ny toetra manokana momba ny Pakan’ny fahafatesana kristianina sy mamaly ny toe-piainana sy ny lovantsofin’ny faritra tsirairay, na dia izay mahakasika ny loko litorzika aza[17].

1686.Ny Boky momba ny fandevenana (Ordo exsequiarum) (OEx)) amin’ny litorzia r˘manina dia manolotra karazana fankalazana telo amin’ny fandevenana, mifanaraka amin’ny toerana telo ny fizotrany (ao an-trano, ao am-piangonana, eny am-pasana), sy arakaraka ny lanja hanompanan’ny fianakaviana, ny fomba amam-panao eo an-toerana, ny kolontsaina ary ny fanehoam-pitiavam-bavaky ny vahoaka, amin’ireo toerana ireo. Afa-tsy izany io fizotra io dia iombonan’ny lovam-panahy litorzika rehetra rahateo, ary mitsinjara ho fotoan-dehibe efatra :

1687.Ny fandraisana ny mpiara-miangona. Ny fiarahabana amim-pinoana no manokatra ny fankalazana. Ny havan’ny maty no raisina amin’ny alalan’ny teny “fampiononana” (amin’ny hevitry ny Testamenta Vaovao : ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny fanantenana[18]). Ny mpivavaka izay mivory dia miandry koa ny “tenin’ny fiainana mandrakizay”. Ny fahafatesan’ny rantsambatana iray amin’ny mpiray fiangonana (na ny andro tsingerin-taona, ny andro fahafito na ny andro fahatelopolo) dia fisehoan-javatra izay manery hampihoatra ny fomba fijery any ankoatra “ity fiainana an-tany ity” sy mitarika ny mpino ho amin’ny tena fomba fijery marina ny finoana an’i Kristy nitsangan-ko velona.

1688.Ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fotoam-pandevenana, dia mitaky fanomanana voatandrina tsara tokoa satria ny mpiangona tonga eo dia mety hisy mpino tsy dia mazoto loatra amin’ny litorzia, mety hisy tsy kristianina namana aman-tsakaizan’ny maty. Ny toriteny indrindra moa, dia tokony “hanalavitra ny karazana kabary am-pandevenana fandokafana ny maty”[19],fa hanazava ny misterin’ny fahafatesana kristianina amin’ny fahazavan’i Kristy nitsangan-ko velona. 

1689.Ny Sorona Eokaristika. Raha ao am-piangonana no atao ny fankalazana, dia ny Eokaristia no votoatin’ny fisian’ny Pakan’ny fahafatesana kristianina[20]. Amin’ izany  no anambarÓn’ny Fiangonana ny fiombonana bebe kokoa amin’ilay nodimandry : eo am-panolorana amin’ny Ray, ao amin’ny Fanahy Masina, ny soron’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Kristy ho velona,  no angatahan’ny Fiangonana Aminy mba ho voadio amin’ny fahotany sy ny vokatr’ izany ity zanany nodimandry ary mba ho voaray ao amin’ny hafenoan’ny Paka amin’ny fanasana any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra[21]. Amin’ny alalan’ny Eokaristia ankalazaina amin’izany no ianaran’ireo ankohonan’ny mpino, singanina manokana ny fianakavian’ny maty, miaina amin’ny fiombonana amin’ilay izay “nodimandry ao amin’ny Tompo”, amin’ny firaisana amin’ny Vatan’i Kristy izay izy no rantsambatana velona, ary avy eo, amin’ny fivavahana ho azy sy miaraka aminy. 

1690.Ny veloma farany (“any amin’Andriamanitra”) atao amin’ny maty no “fanankinana azy amin’Andriamanitra” ataon’ny Fiangonana. Izany no “fara veloma izay anaovan’ny ankohonana kristianina veloma an’ilay anisan’ny rantsambatany, alohan’ny itondrana ny vatan’ilay maty any amin’ny fasany”[22]. Ny lovam-panahy bizantinina dia maneho izany amin’ny alalan’ny oroka fanaovam-beloma ny maty :

Amin’ny alalan’izao fanaovam-beloma farany izao “no hihirÓna amin’ny fialany amin’ity fiainana ity sy amin’ny fisarahana aminy, nefa koa mbola misy ny fiombonana sy ny fihaonana. Koa, na maty aza isika, dia tsy tafasaraka velively amin’ny samy isika, satria isika rehetra dia hizotra amin’io lalana iray io ihany, ary ao amin’ny toerana iray ihany isika no hihaona indray. Tsy ho tafasaraka na oviana na oviana isika, satria mivelona ao amin’i Kristy, ary ankehitriny tafaray ao amin’i Kristy isika, mizotra mankany Aminy (…) ary samy ho ao amin’i Kristy avokoa isika rehetra”[23].

 

* * * * * * * * * *

 
 
[1]L 60 ; jer. CIC, can. 1166 ; CCEO, can. 867.
[2] jer. Jen 12,2.
[3] jer. Lk 6,28 ; R˘m 12,14 ; 1 Pi 3,9.
[4] jer. L 79 ; CIC, can. 1168.
[5] jer. Ben. 16 ;18.
[6]L 61.
[7] jer. Mk 1,25-26.
[8] jer. Mk 3,15 ; 6,7.13 ; 16,17.
[9] jer. CIC, can. 1172.
[10] jer. K˘ns. NicÚe II : DS 601 ; 603 ; K˘ns. Trente : DS 1822.
[11]L 13.
[12] jer. CT 54.
[13] Document de Puebla; jer. EN 48.
[14]Sembolin’i NicÚe-Constantinople.
[15] jer. 2 K˘r 5,8.
[16] jer. 1 K˘r 15,42-44.
[17] jer. L 81.
[18] jer. 1 Tes 4,18.
[19]OEx 41.
[20] jer. OEx 1.
[21] jer. OEx 56.
[22] jer. OEx 10.
[23]Md SymÚon de Thessalonique, sep.
 

  

top