The Holy See
back up
Search
riga

Fizarana fahatelo

Ny fiainana ao amin’i Kristy

 

1691.“Ry kristianina, fantaro ny fahamendrehanao. Satria mandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra ianao ankehitriny, ka aza miverina mikororosy fahana indray amin’ny fiainanao taloha. Tsarovinao hoe : amin’ny Filoha iza no misy anao ary amin’ny Vatana inona no misy anao rantsambatana. Tadidionao fa nalÓna tamin’ny fahefan’ny maizina ianao mba hafindra ao amin’ny fahazavana sy ny Fanjakan’ Andriamanitra”[1].

1692. Ny Sembolin’ny finoana dia manambara ampahibemaso ny halehiben’ny fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona eo amin’ny tsanganasa fahariany, fa indrindra koa amin’ny fanavotana sy ny fanamasinana. Izay ambaran’ny finoana, dia ampitain’ny sakramenta : amin’ny alalan’ “ny sakramenta izay niterahana an’ireo kristianina” no nahatonga azy ireo ho “zanak’Andriamanitra” (Jo 1,12 ; 1 Jo 3,1), “mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” (2 Pi 1,4). Ny faneken’ireo kristianina amim-pinoana ny fahamendrehany vaovao, dia miantso azy ireo, manomboka izao, hanana “fiainana mendrika ny Evanjelin’i Kristy” (Filip 1,27). Amin’ny alalan’ny sakramenta sy ny fivavahana izy ireo no no mandray ny fahasoavan’i Kristy sy ny fanomezan’ny Fanahiny izay mahatonga azy ireo ho afaka hiaina izany.

1693.Nanao izay nahafaly lalandava ny Ray i Kristy Jesoa[2]. Niaina lalandava tamin’ny fiombonana lavorary niaraka Taminy Izy. Toy izany koa, asaina hiaina eo ambany mason’ny Ray “izay mahita ao amin’ny mangingina” (Mt 6,6) ireo mpianany, mba ho “lavorary tahaka ny fahalavorarian’ny Ray any an-danitra” (Mt 5,48).

1694. Noho ireo kristianina voakambana amin’i Kristy tamin’ny Batemy[3], dia “maty amin’ny fahotana fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa” (R˘m 6,11) izy ireo, ka mandray anjara araka izany amin’ny fiainan’ilay Nitsangan-ko velona[4]. Amin’ny fanarahan’izy ireo an’i Kristy sy amin’ny firaisana Aminy[5], no ahafahan’izy ireo manahaka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanaka malala sy manaraka ny lalam-pitiavana[6], amin’ny fampanarahana ny eritreritr’izy ireo, ny tenin’izy ireo ary ny asan’izy ireo “amin’ny saina amam-panahy izay ao amin’i Kristy Jesoa” (Filip 2,5) sy amin’ny fanarahana ny oha-piainany[7].

1695.“Nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’ny Andriamanitsika” (1 K˘r 6,11), sy nohamasinina ary nantsoina ho masina[8] ny kristianina rehetra ka manjary “Tempolin’ny Fanahy Masina” (1 K˘r 6,19). Io “Fanahin’ny Zanaka” io no mampianatra azy ireo hivavaka amin’ny Ray[9], ka mampanjary izany ho fiainan’izy ireo, ary mampiasa azy ireo[10] mba “hitondra ny vokatry ny Fanahy”[11] amin’ny alalan’ny fitiavana aseho an’asa. Ny Fanahy Masina, amin’ny fanasitranana ny ratra noho ny fahotana, no manavao antsika ao anaty amin’ny alalan’ny fanovÓna ara-panahy[12], manazava antsika ary mampahery antsika mba hiaina ny maha-“zanaky ny fahazavana” (Efez 5,8) amin’ny alalan’ny “hatsaram-panahy, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana” amin’ny zavatra rehetra (Efez 5,9).

1696.“ Ny lalan’i Kristy no mahatonga any amin’ny fiainana” (Mt 7,14)) ; ny lalana mifanohitra amin’izany kosa, “mahatonga any amin’ny fahaverezana” (Mt 7,13)[13]. Hita lalandava ao amin’ny katesezin’ny Fiangonana ny fanoharan’ny Evanjely momba ny lalana anankiroa. Mampahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fanapahan-kevitra ara-m˘raly ho amin’ny famonjena antsika izany. “Misy anankiroa ny lalana, ny iray mankany amin’ny fiainana, ny iray hafa mankany amin’ny fahafatesana ; koa samy hafa tanteraka  izy anankiroa ireo”[14].

1697.Amin’ny katesezy, zava-dehibe ny mampiseho mazava tsara ny hafaliana sy ny adidy takýna amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy[15]. Ho toy izao ao Aminy ny katesezin’ny “fiainam-baovao” (R˘m 6,4) :
- katesezin’ny Fanahy Masina, Mpampianatra ao anaty ny amin’ny fiainana araka an’i Kristy, tompon-trano malemy fanahy sy namana izay manoro hevitra, mitarika, manitsy ary manamafy io fiainana io ;
- katesezin’ny fahasoavana, satria amin’ny alalan’ny fahasoavana no voavonjy isika, ary mbola amin’ny alalan’ny fahasoavana no ahafahan’ny tsanganasantsika mamokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay ;
- katesezin’ny hasambarana, satria ny lalan’i Kristy no voafintina ao amin’ny hasambarana, hany lalana mitondra mankamin’ny fahasambarana mandrakizay izay irýn’ny fon’ny olombelona ;
- katesezin’ny fahotana sy ny famelana izany, satria raha tsy miaiky ho mpanota ny olona, dia tsy afaka hahalala ny marina momba ny tenany izy, izay antoky ny fanaovana ny rariny, ary raha tsy omena azy ny famelana ny fahotana, dia tsy afaka hahazaka izany marina izany izy ;
- katesezin’ny herim-panahy maha-olombelona izay mahatonga ho babon’ny hatsarana sy ny fanintonana ny toe-panahy mahitsy ho amin’ny tsara ;
- katesezin’ny herim-panahy maha-kristianina amin’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, izay nanovo hevitra tamin-kalemem-panahy avy amin’ny oha-piainan’ny olomasina ;
- katesezin’ny didim-pitiavana roa sosona voavelabelatra ao amin’ny Didy folo ;
katesezin’ny Fiangonana, satria amin’ny hamaroan’ny fifanakalozana “harem-panahy” ao amin’ny “fiombonan’ny olomasina” no mety hitomboan’ny fiainana kristianina, hivelarany ary hifampitany. 

1698.Ny Tenan’i Jesoa-Kristy lalandava, izay “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jo 14,6), no ho fanovozam-pahalalana voalohany sy farany amin’ity katesezy ity. Ny fibanjinana amim-pinoana an’i Kristy no ahafahan’ireo mpinony manantena fa ny Vatan-tenan’i Kristy mihitsy no manatanteraka ao amin’izy ireo ny fampanantenany, ary ny fitiavana Azy amim-pitiavana izay itiavany azy ireo, no anaovan’izy ireo tsanganasa izay mifanaraka amin’ny fahamendrehan’izy ireo :

Miangavy anareo aho mba handinika fa i Jesoa-Kristy Tompontsika no Filohanareo marina tokoa, ary ianareo dia iray amin’ireo rantsambatany. Anareo Izy tahaka ny filoha izay an’ireo mpikambana  aminy ; izay rehetra Azy dia anareo avokoa : ny sainy, ny Fony, ny vatany, ny fanahiny, ary ny talentany rehetra, ary tsy maintsy mampiasa izany ianareo toy ny hoe zavatra anareo ery, mba hanompoana, hiderana, hitiavana ary hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Azy ianareo, tahaka ny maha-an’ny filohan’izy ireo ny mpikambana. Araka izany, irýny fatratra ny hampiasa izay rehetra ao aminareo, mba ho fanompoana sy ho voninahitry ny Rainy, tahaka ny hoe zavatra Azy ery[16].

Raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako (Filip 1,21).

 

SAMPANA VOALOHANY

Ny fiantsoana ny olombelona :
ny fiainana ao amin’ny fanahy

 

1699.Ny fiainana ao amin’ny Fanahy Masina no manatanteraka ny fiantsoana ny olombelona (toko voalohany). Fiainana natao ho amin’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny firaisan-kinan’ny olombelona (toko faharoa). Fiainana nomena tamim-pitiavana sy maimaim-poana ho Famonjena (toko fahatelo).

 

TOKO VOALOHANY

Ny fahamendrehan’ny olombelona

 

1700. Ny nahariana ny olombelona hitovy endrika sy hifanahaka amin’ Andriamanitra no fototry ny fahamendrehany (andalana 1) ; tanteraka izany amin’ny fiantsoana azy ho amin’ny hasambaran’Andriamanitra (andalana 2). Anjarany ny mirotsaka amin-kalalahana hanatratra izany tanjona izany (andalana 3). Amin’ny alalan’ny asa ataony amim-piniavana (andalana 4) no anarahany, na tsia, ny soa nampanantenain’Andriamanitra sy anamarinan’ny k˘nsiansy m˘raly izany (andalana 5). Ny tenan’ny olombelona ihany no manabe ny maha-olona azy sy mampitombo izany avy ao anaty : amin’ny fiainan’izy ireo manontolo ara-nofo sy ara-panahy no ampitomboan’izy ireo izany (andalana 6). Ny fanampian’ny fahasoavana no itomboan’izy ireo amin’ny herim-panahy (andalana 7), andosiran’izy ireo ny fahotana, ary raha tafalatsaka tamin’izany ireo, iverenan’izy ireo toy ilay zaza mpandany[17] handray ny famindram-pon’ny Raintsika any an-danitra (andalana 8). Amin’izany izy ireo no miditra amin’ny fahalavorariam-pitiavana.

ANDALANA 1

Ny olombelona endrik’Andriamanitra

1701.“I Kristy, amin’ny fanambarÓna ny misterin’ny Ray sy ny Fitiavany, dia mampiseho miharihary ny olombelona amin’ny tenan’ny olombelona ihany sy mampahafantatra mazava aminy ny fahambonian’ny fiantsoana azy”[18]. Ao amin’i Kristy, “endrik’Andriamanitra tsy hita maso” (K˘l 1,15)[19] izany, no nahariana ny olombelona “mitovy endrika sy mifanahaka” amin’ny Mpahary. Ao amin’i Kristy, mpanavotra sy mpamonjy izany, ny endrik’ Andriamanitra, simban’ny fahotana voalohany tao amin’ny olombelona, no navaozina amin’ny hatsarany tany am-piandohana sy nasandratra ho mendrika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra[20].

1702.Hita ao amin’ny olona tsirairay ny endrik’Andriamanitra. Mamirapiratra ao amin’ny fiombonan’ny olona izany, amin’ny fifanahafana amin’ny firaisan’ireo Olona-Andriamanitra amin’izy samy izy (jer. toko faharoa).

1703. Ny olombelona, noho izy nomena fanahy “maha-olona sy tsy mety maty”[21], no “hany voary eto ambonin’ny tany izay sitrak’Andriamanitra ho olombelona mihitsy”[22]. Vao notorontoronina izy, dia natokana ho amin’ny hasambarana mandrakizay. 

1704.Mandray anjara amin’ny fahazavana sy amin’ny herin’ny Fanahin’ Andriamanitra ny olombelona. Amin’ny alalan’ny saina, afaka mahatakatra ny filaminan’ny zavatra naorýn’ny Mpahary izy. Amin’ny alalan’ny sitrapony, afaka mitondra ny tenany ihany mankamin’ny tena hasoany tokoa izy. Mahita ny fahalavorariany amin’ny “fikatsahana sy ny fitiavana ny marina sy ny tsara”[23] izy. 

1705. Ny olombelona, noho ny herin’ny fanahiny sy ny herin’ny sainy mahiratra ary ny herin’ny sitrapony, dia nomena fahafahana, izay “famantarana manokana ny maha-endrik’Andriamanitra azy”[24].

1706. Ny olombelona, amin’ny alalan’ny sainy, dia mahalala ny feon’ Andriamanitra izay manery azy “hanao ny tsara sy handositra ny ratsy”[25]. Voatery ny tsirairay hanaraka io lalÓna io izay manako ao amin’ny k˘nsiansy, sy hanatanteraka izany amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ny fampiasana ny fiainana ara-m˘raly no manamarina ny fahamendrehan’ny olombelona. 

1707.“Ny olombelona, noho izy voasodokan’ilay Ratsy, hatrany am-piandohan’ny tantara, dia nanararaotra ny fahafahany”[26]. Resin’ny fakam-panahy izy ka nanao ratsy. Voatahiriny ny faniriana ny tsara, nefa ny fomba aman-toetrany dia mitondra ny ratran’ny fahotana tamin’ny fototra. Nanjary mirona amin’ny ratsy sy mora azon’ny fahadisoana izy :

Koa ao amin’ny tenany ihany ny olombelona no voasaratsaraka. Indro fa ny fiainana ny olombelona manontolo, ny an’ny tsirairay sy ny itambarana, no hita fa tolona, mahatsiravina tokoa, eo anelanelan’ny tsara sy ny ratsy, eo anelanelan’ny mazava sy ny maizina[27].

1708. Tamin’ny alalan’ny fijaliany i Kristy no nanafaka antsika tamin’i SatÓna sy ny fahotana. Nanao antsika ho mendrika ahazo ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina Izy. Ny fahasoavany no manavao an’izay nosimbain’ny fahotana tao amintsika. 

1709. Ilay izay mino an’i Kristy dia tonga zanak’Andriamanitra. Io fananganan-janaka io no manova azy amin’ny fanarahany ny oha-piainan’i Kristy. Io no mahatonga azy ho afaka miasa amim-pahamarinana sy hanatanteraka ny tsara. Amin’ny firaisana amin’ny Mpamonjy azy ny mpianatra no mahatratra ny fahalavorarian’ny fitiavana, ny fahamasinana. Ny fiainana ara-m˘raly, noho izy mihamatotra ao amin’ny fahasoavana, dia mivelatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, ao amin’ny voninahitry ny lanitra.

 

FAMINTINANA

1710.  Amin’ny tenan’ny olombelona ihany no ampisehoan’i Kristy miharihary ny olombelona, sy ampahafantarany mazava ny fahambonian’ny fiantsoana azy[28].

1711.Ny olombelona, noho izy nomena fanahy maha-olona, saina ary sitrapo, dia voalahatra ho an’Andriamanitra hatramin’ny niforonany tao am-bohoka ary voatendry ho amin’ny hasambarana mandrakizay. Manohy ny fahalavorariany izy amin’ny fikatsahana sy fitiavana ny marina sy ny tsara[29].

1712. Ny fahafahana tena izy no famantarana manokana ny fitoviana endrika amin’Andriamanitra[30] ao amin’ny olombelona.

1713.Voadidy ny olombelona hanaraka ny lalÓna m˘raly izay manery azy hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy[31]. Manako ao amin’ny k˘nsiansiny io lalÓna io.

1714. Ny olombelona, noho ny fomba aman-toetrany voaratran’ny fahotana tamin’ny fototra, dia mora andairan’ny fahadisoana sy mirona amin’ny ratsy amin’ny fampiasana ny fahafahany.

1715.Ilay izay mino an’i Kristy no manana ny fiainam-baovao ao amin’ny Fanahy Masina. Ny fiainana ara-m˘raly, mitombo sy mihamatotra amin’ny fahasoavana, dia tsy maintsy ho tomombana any amin’ny voninahitry ny lanitra.

 

ANDALANA 2

Ny fiantsoana antsika ho amin’ny hasambarana

 

I. Ny hasambarana

1716. Ny hasambarana no foiben’ny fitorian-tenin’i Jesoa. Ny fanambarÓny an’ ireny dia mamerina ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka voafidy nanomboka tamin’i Abrahama. Izany fanambarÓny izany no manatanteraka ireo fampanantenana amin’ny fandaminana azy ireo tsy amin’ny hafinaretana eto an-tany intsony fotsiny, fa any amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra :

Sambatra ireo mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ireo malemy fanahy, fa izy ireo no handova ny tany.
Sambatra ireo mitomany, fa halÓna alahelo izy ireo.
Sambatra ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy ireo.
Sambatra ireo mamindra fo, fa hamindrana fo izy ireo.
Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo.
Sambatra ireo tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy ireo.
Sambatra ireo miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina, raha enjehina, ary raha ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko.
Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra.

(Mt 5,3-12)

1717. Ireo hasambarana ireo no manoritra ny endrik’i Jesoa-Kristy sy mamelabelatra amin’izany ny fitiavana ; ireo no manambara ny fiantsoan’ Andriamanitra ny mpino voakambana amin’ny voninahitry ny fijaliany sy ny Fitsanganany ho velona ; ireo no manazava ny asa sy ny fihetsika aseho mampiavaka ny fiainana kristianina ; ireo no fampanantenana mifanohitra amin’ny hevitry ny maro izay manohana ny fanantenana ao anatin’ny fahoriana ; ireo no milaza ny tsodrano sy ny valisoa efa azon’ireo mpianatra amin’ny fomba manjavozavo ; ireo no santarina tao amin’ny fiainan’i Maria Virjiny sy ny olomasina rehetra.  

II. Ny faniriana ho sambatra 

1718. Ny hasambarana notorýn’i Jesoa no mamaly amin’ny faniriana voa-Janahary ho sambatra. Avy amin’Andriamanitra izany faniriana izany ; napetrak’Andriamanitra tao am-pon’ny olombelona izany, mba hanintona azy ho Aminy ilay hany afaka mahampoka azy amin’izany :

Samy te hiaina ao anatin’ny hasambarana isika rehetra, ary eo amin’ny zanak’olombelona, tsy misy olona izay tsy mankasitraka izany tolo-kevitra izany na dia tsy voalaza mazava mialoha aza[32].

Nahoana moa aho no mitady Anao, ry Tompo ? Satria eo am-pitadiavana Anao, ry Andriamanitro ˘, mitady ny fiainan-tsambatra aho, ataovy mitady Anao aho mba ho velona ny fanahiko, satria ny vatako miaina amin’ny fanahiko ary ny fanahiko miaina Aminao[33].

Andriamanitra irery no maha-afa-diana[34].

1719. Ny hasambarana no mampiseho mazava ny zava-kendrena amin’ny fisian’ny olombelona sy ny tanjom-piafarÓn’ny asany : Miantso antsika amin’ny hasambarany manokana Andriamanitra. Miantefa amin’ny olona tsirairay izany antso izany, nefa amin’ny fitambaran’ny Fiangonana koa, ilay vahoaka vaovaon’ireo izay mandray ny fampanantenana sy miaina izany amin’ny finoana.

III. Ny hasambarana kristianina 

1720.Mampiasa fiteny maro ny Testamenta Vaovao, mba hamaritana mazava ny hasambarana izay iantsoan’Andriamanitra ny olombelona : ny faha-tongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra[35]; ny fahitana an’Andriamanitra : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8)[36] ; ny fidirana ao anatin’ny hafalian’ny Tompo[37] ; ny fidirana ao amin’ny Fialan-tsasatr’Andriamanitra[38] :

Ao no hiala sasatra sy hifankahita isika ; hifankahita sy hifankatia isika ; hifankatia sy hidera an’Andriamanitra isika. Izany no ho izy any amin’ny farany tsy manam-piafarana. Fa tanjona hafa inona no ananantsika, raha tsy ny ho tonga any amin’ny fanjakana izay tsy hanam-piafarana[39]?

1721.Satria napetrak’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao isika mba hahalala Azy, hanompo Azy sy ho tia Azy ary koa ho tonga any am-Paradisa. Ny hasambarana no mampandray anjara antsika amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra (2 Pi 1,4) sy amin’ny Fiainana mandrakizay[40]. Miaraka amin’ny hasambarana ny olombelona no miditra ao amin’ny voninahitr’i Kristy[41] sy ao amin’ny hafinaretam-piainan’ny Trinite Masina. 

1722. Ny hasambarana toy izany dia mihoatra ny fahatakaran-tsaina sy ny herin’ny maha-olombelona irery. Hasambarana vokatry ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Izany no antony ilazana azy hoe mihoatra ny natoraly, tahaka izany koa ny fahasoavana izay mandrisika ny olona hiditra ao amin’ny hafinaretan’Andriamanitra. 

“Sambatra ireo madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy ireo.” Marina, fa araka ny halehibe sy ny voninahiny tsy hay lazaina, “tsy misy hahita an’Andriamanitra ka ho velona”, satria tsy takatry ny saina ny Ray ; nefa araka ny fitiavan’Andriamanitra, sy ny hatsaram-pony amin’ny olombelona ary ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy, dia nataony koa ny manome tombon-tsoa manokana hahita Azy, ho an’ireo izay tia Azy (…) “satria izay tsy vitan’ny olombelona vitan’Andriamanitra”[42].
1723.Ny hasambarana nampanantenaina no mametraka antsika eo anoloan’ny safidy hentitra ara-m˘raly. Izy no mandrisika antsika handio ny fontsika manana tosi-kerim-panentana ratsy ao anaty, sy hikatsaka ny fitiavan’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra. Izy no mampianatra antsika fa ny tena fahasambarana marina dia tsy miorina amin’ny harena na ny fahafinaretana, na amin’ny voninahitr’ olombelona na ny fahefana, na amin’ny tsanganasan’olombelona na dia iray akory aza, na mahasoa tokoa aza izany, toy ny siansa, ny teknika sy ny haikanto, na amin’ny zavaboary iray akory aza, fa ao amin’Andriamanitra irery, loharanon’ny soa rehetra sy ny fitiavana rehetra :

Ny harena no andriamani-dehibe tompoin’ny olona amin’ny andro ankehitriny ; aminy ny vahoaka be, ny sarambaben’ny olona rehetra, no manolotra haja tsy amim-pisainana. Araka ny fananan-karena no andrefesan’izy ireo ny fahasambarana, ary araka ny fananan-karena koa no andrefesany ny fahamendrehan-kaja. (…) Izany rehetra izany dia avy amin’ny fiekena hoe rahefa manankarena, mahavita ny zavatra rehetra. Ny harena Óry izany no iray amin’ireo sampin’ny andro ankehitriny ary ny laza no iray hafa amin’izany. (…) Ny laza, ny ho fanta-bahoaka sy ny hanakoako eo amin’izao tontolo izao (izay azo antsoina hoe laza an-gazety), dia manjary heverina fa zava-tsoa amin’ny maha-laza ny laza, zavatra ambony dia ambony, foto-javatra fanaja marina koa[43].

1724.Ny Didy folo, ny toriteny teo an-Tendrombohitra ary ny katesezy avy amin’ny ap˘st˘ly no mamelabelatra amintsika ny lalana izay mitondra any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Mirotsaka tsikelikely amin’izany isika, amin’ny alalan’ny asa andavanandro, tohanan’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina. Noho isika ampamokarin’ny Tenin’i Kristy, dia mamokatra miadana ao amin’ny Fiangonana ho Voninahitr’ Andriamanitra[44].

FAMINTINANA

1725. Manavao sy manatanteraka ny fampanantenana nataon’ Andriamanitra nanomboka hatramin’i Abrahama ireo hasambarana torin’i Kristy, tamin’ ny fandrindrany azy ireo amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Mamaly ny hetahetam-pahasambarana izay napetrak’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona izy ireo.

1726.Mampianatra antsika ny tanjom-piafarÓna izay iantsoan’ Andriamanitra antsika ireo hasambarana ireo : ny Fanjakan’ny lanitra, ny fahitana an’ Andriamanitra, ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’ Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay, ny maha-zanak’Andriamanitra, ny fialan-tsasatra ao amin’Andriamanitra.

1727. Fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra ny hasambaram-piainana mandrakizay ; mihoatra ny natoraly izany, tahaka ny fahasoavana mitondra mankany ihany.

1728.Mametraka antsika eo anoloan’ny safidy hentitra momba ny haren’ny tany ireo hasambarana notorin’i Kristy ; mandio ny fontsika ireo mba hianarantsika mitia an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra.

1729.Mamaritra ireo mari-pitsarÓna ahaizana manavaka amin’ny fampiasana ny haren’ny tany mifanaraka amin’ny LalÓnan’Andriamanitra, ny hasambaran’ny lanitra.

 

ANDALANA 3

Ny fahafahan’ny olombelona

 

1730. Noarýn’Andriamanitra ho manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona sady nomeny fahamendrehana amin’ny fahaizana manapa-kevitra hanao zavatra sy mifehy ny ataony. “"Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany" (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany mitady ny Mpahary azy, ka hiafara amin’ny fahalavorariana feno sy mahasambatra, amin’ny firaiketam-po an-kalalahana Aminy”[45] :

Manan-tsaina amam-pahendrena ny olombelona, izay izany no nahariana azy hitovy amin’Andriamanitra, sy hanana fahafahana ary ho tompon’ny asa ataony[46].

I. Fahafahana sy andraikitra 

1731.Ny fahafahana, noho izy miorim-paka ao amin’ny saina sy ny sitrapo, dia fahazoana manao na tsy manao, mamorona an’izao na izao, manankina amin’izany koa amin’ny alalan’ny tena ihany ny fanaovana ny asa amin’ ny nahim-po. Afaka mampiasa ny tenany ny tsirairay, amin’ny alalan’ny safidy malalaka. Ny fahafahana no herin’ny fitomboana sy fahamatorana ara-pahamarinana sy hatsaram-panahy, ao amin’ny olombelona. Mahatratra ny fahalavorariany ny fahafahana raha voalamina ao amin’Andriamanitra, hasambarantsika.

1732. Ny fahafahana, raha mbola tsy miompana tanteraka amin’ny hasoany farany, izay tsy iza fa Andriamanitra, dia mitarika fahazoana misafidy ny tsara sy ny ratsy, ka noho izany, na izy mitombo amin’ny fahalavorariana, na izy mihareraka sy manota. Izy no mampiseho mazava ny toetran’ny asan’olombelona. Izy no manjary loharano ipoiran’ny fiderana na ny faniniana, ny mahamendri-balisoa na ny tsy mahamendri-balisoa. 

1733.Arakaraka ny anaovan’ny olona ny tsara no mahatonga ho olona afaka. Tsy misy ny tena fahafahana tokoa raha tsy amin’ny fanaovana ny tsara sy ny marina. Ny misafidy hanao di-doha sy ratsy dia fanararaotam-pahafahana ary mitondra amin’ny “fanandevozan’ny fahotana”[47]

1734. Ny fahafahana no mahatonga ny olona ho tompon’andraikitra amin’izay ataony, arakaraka ny finiavany hanao izany. Ny fandrosoana amin’ny hatsaram-panahy, ny fahalalana ny tsara ary ny famolahan-tena no mampitombo ny fahaiza-mifehy ny sitrapo amin’izay ataon’ny tena.

1735.Ny mahadiso sy ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana, ny tsy fitandremana, ny fanerena, ny tahotra, ny fahazarana, ny firaiketam-pitia mihoa-pampana ary noho ny antony hafa ara-toe-tsaina na ara-piaraha-monina.

1736.Ny atao rehetra an-tsitrapo mivantana no mety hahadiso an’ilay mpanao izany :

Hoy ny Tompo nanontany an’i Eva avy nanota, tao an-jaridaina : “Inona no nataonao tao ?” (Jen 3,13). Toy izany koa tamin’i Kaina[48]. Dia mbola toy izany koa no nolazain’i NatÓna mpaminany tamin’i Davida mpanjaka izay nijangajanga niaraka tamin’ny vadin’i Oria sy nampamono azy io[49].

Mety tsy an-tsitrapo mivantana no nanaovana ny asa iray raha vokatry ny an-tsirambina ny amin’izay tokony ho fantatra na izay tokony ho atao no nahatonga izany. Ohatra : loza avy amin’ny tsy fahaizana ny fitsipika momba ny fifamoivoizana eny amin’ny arabe.

1737. Azo leferina ny vokatry ny natao iray tsy an-tsitrapo ; ohatra : ny harerahan’ny reny iray tsy niala teo akaikin’ny zanany marary eo am-pandriana. Tsy mahadiso ny olona ny voka-dratsin’ny nataony raha tsy niniana natao ho tanjona na ho fomba amam-pitaovana  ilay asa ; ohatra : ny fahafatesana nihatra tamin’ny olona iray namonjy olona tra-doza. Mba hahadiso ny olona amin’ny voka-dratsin’ny nataony, dia tsy maintsy efa nampoiziny mialoha izany, ary afaka nisoroka izany mialoha koa izy ;  ohatra : ny fahafatesana nihatra tamin’ny olona iray, noho ny hamamoan’ny mpamily fiarakodia iray.

1738. Amin’ny fifandraisan’ny olombelona samy olombelona no isehoan’ny fahafahana. Ny olombelona tsirairay avy, noarýna hitovy endrika amin’ Andriamanitra, dia manana zo voa-Janahary ho ankatoavina amin’ny maha-olona afaka sy maha-tompon’andraikitra azy. Tsy maintsy manefa izany adidim-panajana ny tsirairay izany, ny olona rehetra. Ny zo amin’ ny fampiasana ny fahafahana dia adidy tsy azo sarahina amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, indrindra amin’ny lafiny ara-m˘raly sy ara-pivavahana[50]. Tokony hankatoavina sy harovana ara-dalÓna io zo io, ao anatin’ny fototry iorenan’ny soa iombonana sy ny filaminam-bahoaka[51].

II. Ny fahafahan’ny olombelona eo amin’ny fitantanam-pamonjena 

1739. Fahafahana sy fahotana. Misy fetra sy mety ho diso ny fahafahan’ny olombelona. Araka ny zava-misy, diso tokoa ny olombelona. Nanota izy, nefa tsy noterena hanao izany. Tamin’ny nandavany ny fandaharam-pitiavan’Andriamanitra no namitahany ny tenany ihany ; nanjary andevon’ ny fahotana izy. Io hadalÓna voalohany io no niteraka hadalÓna maro be hafa. Ny tantaran’ny zanak’olombelona, hatrany am-piandohany, dia mampiseho ireo loza sy ireo tsindry hazo lena nipoitra avy ao am-pon’ny olombelona noho ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fahafahana.

1740.Ireo loza mitatao amin’ny fahafahana. Tsy mitarika ny zo hilaza izay rehetra tiana ho lazaina sy hanao izay rehetra tiana atao ny fampiasana ny fahafahana. Diso ny mihevitra fa “ny olombelona, natao ho an’ny fahafahana, dia mahaleo tena tanteraka ka tsy hikendry afa-tsy ny ho afa-po amin’ny fahazoana tombon-tsoa manokana, amin’ny fananan-jo hampiasa ny haren’ny tany”[52]. Ankoatra izany, matetika loatra no tsy fantatra na dikaina tsotr’izao ny fepetram-pandaminana ara-piharian-karena, ara-piaraha-monina, ara-p˘litika ary ara-kolontsaina, izay ilaina amin’ny fampiasana ara-drariny ny fahafahana. Ireny toe-javatra avy amin’ny fahajamban-tsaina sy tsy araka ny rariny sy ny hitsiny ireny no mampihena be ny fiainana ara-m˘raly ary koa maka fanahy na ny matanjaka na ny osa hanota amin’ny fitiavana. Rahefa tsy manaraka ny lalÓna m˘raly ny olona, dia ny tenany ihany no manimba ny fahafahany, izy ihany no mamatotra ny tenany, mandrava ny fihavanana amin’ny olombelona mitovy amin’ny tenany ary mikomy amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.

1741.Fanafahana sy famonjena. Tamin’ny Hazofijaliany be voninahitra i Kristy no nampahazo ny famonjena ny olombelona rehetra. Izy no nanavotra azy ireo tamin’ny fahotana izay nanandevo azy ireo. “Fa ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika” (Gal 5,1). Ao Aminy isika no miombona amin’ny marina izay mahatonga antsika ho olona afaka[53]. Nomena antsika ny Fanahy Masina, araka ny nampianarin’ny ap˘st˘ly fa “izay itoeran’ny Fanahy no misy ny fahafahana” (2 K˘r 3,17). Hatramin’izao, mirehareha amin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra isika[54].

1742. Fahafahana sy fahasoavana. Tsy maka toerana ho mpifaninana velively amin’ny fahafahantsika ny fahasoavan’i Kristy, rahefa mifanaraka amin’ ny lalan’ny marina sy ny tsara izay napetrak’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona ny fahafahantsika. Ny mifanohitra amin’izany aza, satria tsapa miharihary eo amin’ny fiainana kristianina, indrindra amin’ny fivavahana, fa arakaraka ny fanekentsika ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fahasoavana no hitomboan’ny fahafahantsika ao anaty lalina ao sy ny fahavononantsika hiatrika ny fisedrana, ohatra, manoloana ny fanerena sy ny famozonan’ny tontolo ety ivelany. Amin’ny alalan’ny asan’ny fahasoavana no anabeazan’ny Fanahy Masina antsika amin’ny fahafahana ara-panahy mba hahatonga antsika ho mpiara-miasa malalaka amin’ny tsanganasany ao amin’ny Fiangonana sy eo amin’izao tontolo izao :

“Ry Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ˘, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay”[55].

FAMINTINANA

1743.Mamela ny olombelona hanaraka ny fisainany (Ekl 15,14) Andriamanitra, mba hahafahany  miraiki-po an-kalalahana amin’ilay Mpahary azy sy mba hahatongavany araka izany amin’ny fahalavorariana mahasambatra[56].

1744. Ny fahafahana dia fahazoana manao na tsy manao, sy manankina amin’ izany koa ny fanaovana ny asa amin’ny nahim-po, amin’ny alalan’ny tena ihany. Mahatratra ny fahalavorarian’ny asany ny fahafahana rahefa alamina araka an’Andriamanitra, ilay Soa fanaperana.

1745.Ny fahafahana no mampiavaka ny asa tena an’olombelona tokoa. Izy no mahatonga ny olombelona ho tompon’andraikitra amin’izay asa ataony an-tsitrapo. An’ny tenany ihany ny asa amam-pihetsika ataony amin’ny nahim-po.

1746.Ny mahadiso na ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana,  ny fanerena, ny tahotra ary ny antony hafa ara-toe-tsaina na ara-piaraha-monina.

1747.Ny zo hampiasa ny fahafahana dia mitaky adidy tsy azo sarahina amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, indrindra ny ara-pivavahana sy ny ara-m˘raly. Kanefa tsy mitarika ny zo hilaza izay rehetra tiana lazaina na hanao izay rehetra tiana atao, ny fampiasana ny fahafahana.

1748.Fa ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika (Gal 5,1).

 

ANDALANA 4

Ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’olombelona

 

1749. Ny fahafahana no mahatonga ny olombelona ho fototry ny fitondran-tena. Rahefa manao asa amin’ny nahim-pony ny olombelona dia azo lazaina fa mpamorona ny asany izy. Ny asan’olombelona, izay nofidiny tamin-kalalahana narahin’ny fitsarÓn’ny k˘nsiansiny, dia azo faritan-toetra ara-pitsipi-pitondran-tena : tsara na ratsy.

 

I. Ny loharano ipoiran’ny toetram-pitondran-tena

1750. Ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’olombelona dia miankina :
- amin’ny zavatra nofidýna atao ;
- amin’ny tanjona nokendrena na amin’ny fikasana ;
- amin’ny toe-javatra isehoan’ny asa.

Ny zavatra nofidýna atao, ny fikasana ary ny toe-java-miseho no mamorona ireo “loharano”, na singafototra iorenan’ny toetram-pitondran-tena amin’ ny asan’olombelona. 

1751. Ny zavatra nofidýna atao dia soa izay katsahin’ny sitrapo amim-pitokiana. Izy no fototry ny asan’olombelona. Ny zavatra nofidýna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny finiavana, araka izay aneken’ny saina azy sy hitsarÓny azy na mifanaraka na tsia amin’ny soa tena izy. Ny fitsipika misy momba ny toetram-pitondran-tena no milaza ny filaminan-tsaina amin’ny tsara sy ny ratsy, nohamarinin’ny k˘nsiansy. 

1752. Eo anatrehan’ny zavatra nofidýna atao, dia ny fikasana no manampy ny olona hanao ny asa. Satria mifandray amin’ny fototry ny finiavana hanao ny asa sy mamaritra izany amin’ny tanjona nokendrena ny fikasana, ka noho izany, singafototra iray ilaina izy, amin’ny famaritan-toetra ara-m˘raly ny asa atao. Ny tanjona nokendrena no fetra voalohany amin’ny fikasana sy manondro ny tarigetra katsahina amin’ny asa atao. Ny fikasana kosa dia fihetsiky ny sitrapo mankamin’ny tanjona nokendrena ; izy no ikendrena ny soa antenaina amin’ny fanaovana ny asa. Tsy voafetra amin’ny fitantanana ny asa tokana ataontsika izy, fa azo andaminana asa maro amin’ny zava-kendrena iray ihany ; azo itarihana ny fiainana manontolo mankamin’ny tanjom-piafarÓna izy. Ohatra, ny nokendrena tamin’ny asa iray natao dia ny mba hanampiana ny namana, nefa koa sady mety ho fahazavan-tsaina avy amin’ny fitiavana an’Andriamanitra izay tanjom-piafarÓna amin’ny asa rehetra ataontsika. Ny asa toy izany dia mety koa ho tsirin-kevitra avy amin’ny fikasana maromaro ; ohatra, ny asa fanampiana dia mety hatao mba hahazoana tombon-tsoa ho an’ny tena na ieboeboana amin’izany. 

1753. Ny fikasana tsara (ohatra : manampy ny namana) dia tsy mahatonga ho tsara na ho marina ny fihetsika amam-pitondran-tena efa ratsy rahateo (toy ny lainga sy ny fanaratsiana). Tsy manamarina ny fomba amam-pitaovana ampiasaina ny tanjona nokendrena. Araka izany, tsy azo atao ny manamarina ny fanamelohana ny tsy manan-tsiny ho fomba amam-pitaovana ara-dalÓna hamonjena ny vahoaka. Kanefa, ny fikasana ratsy ampiana ratsy (ohatra, ny fieboeboana) dia mahatonga ho ratsy ny asa izay tokony ho tsara, amin’ny maha-asa azy (toy ny asa fiantrana)[57]

1754. Ireo toe-java-miseho, ao anatin’izany ny vokany, dia singafototra fanampiny amin’ny asa ara-m˘raly. Manampy amin’ny fampitomboana na fampihenana ny hatsarana na ny haratsiana ara-m˘raly amin’ny asan’ olombelona ireny toe-java-miseho ireny (ohatra, ny lanjam-bidin’ny zavatra nangalarina). Mety koa mampihena na mampitombo ny andraikitry ny mpanao ny asa ireny (tahaka izany ny asa amam-pihetsika noho ny tahotra ny fahafatesana). Ireo toe-java-miseho dia tsy afaka manova avy amin’ny tenany ihany, ny toetra ara-m˘raly ny asa amin’ny maha-asa azy ; tsy afaka ny hahatonga ho tsara na ho marina ny asa iray efa ratsy rahateo izy ireny.

II. Ny asa tsara sy ny asa ratsy

1755. Ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena dia mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidýna atao, ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho. Ny tanjona ratsy nokendrena hanaovana asa tsara, dia manimba ilay asa, na dia tsara rahateo koa aza ny antony nifidianana azy (toy ny mivavaka sy ny mifady hanina “mba ho hitan’ny olona”).

Ny zavatra nofidýna atao dia mety hanimba ny asa manontolo, na dia ny nifidianana azy fotsiny aza. Misy ireo fihetsika amam-pitondran-tena hita miharihary – toy ny fahavetavetana – izay mahadiso lalandava ny mifidy azy, satria ny fisafidianana azy dia mahatonga ny faharatsian’ny asan’ny sitrapo, izany hoe ny ratsy ara-m˘raly.  

1756. Noho izany, diso ny mitsara ny toetram-pitondran-tena amin’ny asan’ olombelona raha ny fikasana fotsiny izay ipoiran’izany, na ny toe-java-miseho fotsiny (toerana, fanerena ara-piaraha-monina, fanaovana an-terivozona na filana hanao ny asa amam-pihetsika, sns.) izay mamaritra izany, no iheverana azy. Misy ny asa izay na dia amin’ny alalan’ny maha-asa azy ihany aza sy na dia ao amin’ny maha-asa azy ihany aza, tsy miankina akory amin’ny toe-java-miseho sy ny fikasana, dia voarara mafy lalandava ny manao azy noho ny maha-ratsy ny fototry ny safidy ; ohatra, ny faniratsirana sy ny fivadiham-pianianana, ny famonoan’olona sy ny fijangajangana. Tsy azo atao ny manao ratsy mba hahazoan-tsoa.

 

FAMINTINANA

1757. “Loharano” telo miaraka no amaritana ny toetram-pitondran-tena amin’ ny asan’olombelona : ny zavatra nofidýna atao, ny fikasana ary ny toe-java-miseho.

1758.Ny zavatra nofidýna atao no mamaritra ara-pitsipi-pitondran-tena ny asan’ny sitrapo arakaraka ny aneken’ny saina izany sy hitsarÓny izany ho tsara na ho ratsy.

1759.Tsy azo hamarinina ho tsara amin’ny fikasana tsara ny asa ratsy iray atao[58]. Tsy manamarina ho tsara ny fomba amam-pitaovana ampiasaina ny tanjona nokendrena.

1760. Mitaky indray miaraka ny hatsaran’ny zavatra nofidýna atao sy ny tanjona nokendrena ary ny toe-java-miseho, ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena.

1761.Misy ireo fihetsika amam-pitondran-tena hita miharihary, izay mahadiso lalandava ny mifidy azy, satria ny fifidianana azy dia mahatonga ny faharatsian’ny asan’ny sitrapo, izany hoe ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena. Tsy azo atao ny manao ratsy mba hahazoan-tsoa.

 

ANDALANA 5

Ny toetram-pitondran-tena amin’ny firehetam-po

1762. Mamboatra ny tenany ho amin’ny hasambarana ny olombelona, amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny nahim-po : mety handrisika azy amin’izany sy hanampy azy amin’izany ny firehetam-po na ny fihetseham-po izay sedrainy.

I. Ny firehetam-po

1763.Anisan’ny lovasoa kristianina ny teny hoe “firehetam-po”. Anondroana ny fiontanam-po na ny fihetsi-pahatohinana ny hoe fihetseham-po na ny firehetam-po, izay mampirona hanao na tsy hanao eo anatrehan’izay tsapa na eritreretina ho tsara na ho ratsy. 

1764. Ireo firehetam-po no singafototry ny toetra maha-izy ny fiasan’ny sain’ olombelona ; ireo no mamolavola ny foto-piovÓna sy manamafy orina ny fifamatoran’ny fiainam-pahatohinana sy ny fiasan’ny saina. Ny Tompontsika dia manondro ny fon’ny olombelona ho toy ny loharano izay avy ao no ipoiran’ny fihetsik’ireo firehetam-po[59].

1765.Maro ny firehetam-po. Ny fitiavana izay mampirisika ho amin’ny tsara no firehetam-po lehibe indrindra. Ny fitiavana no miteraka ny faniriana ny tsara izay tsy ananana sy ny fanantenana hahazo izany. Tanteraka ao anatin’ny fahafinaretana sy ny hafaliana amin’ny tsara azo izany fihetsika izany. Ny ahiahy amin’ny ratsy no miteraka fankahalana, tsy fitiavana ary fahatahorana ny ratsy ho tonga. Miafara amin’ny alahelo noho ny ratsy tsaroana na ny fahatezerana izay manohitra izany io fihetsika io. 

1766. “Ny tia dia ny maniry ny soa sy ny tsara hoan’ny hafa”[60]. Ny fitiavana hafa rehetra dia manana ny loharanon’izy ireo ao amin’izany fihetsika fototra an’ny fon’ny olombelona ho amin’izany soa sy ny tsara  izany. Tokony ho ny soa sy ny tsara ihany no hotiavina[61]. “Ratsy ny firehetam-po raha ratsy ny fitiavana, tsara ny firehetam-po raha tsara ny fitiavana”[62].

II. Firehetam-po sy fiainana ara-m˘raly

1767.Raha ny maha-firehetam-po ny firehetam-po fotsiny dia sady tsy tsara no tsy ratsy izy. Tsy omena ny filazan-toetra ara-m˘raly izy afa-tsy izay ankininy tokoa amin’ny saina sy ny sitrapo. Antsoina hoe an-tsitrapo ny firehetam-po “na, satria nobaikoin’ny sitrapo izy, na, satria ny sitrapo no tsy nahasakana azy”[63]. Anjaran’ny fahalavorarian’ny tsara ara-m˘raly na hatsaran’ny maha-olombelona no manao izay hanitsiana ny firehetam-po amin’ny alalan’ny saina[64]

1768.Ireo fihetseham-po lehibe dia tsy manapa-kevitra na amin’ny toetram-pitondran-tena na amin’ny fahamasinan’ny olona ; izy ireny no ilay toeram-pitahirizana tsy mety ritra ireo fahatsiarovana sy ireo firaiketam-pitia izay isehoan’ny fiainana ara-m˘raly. Ny firehetam-po dia tsara ara-m˘raly rahefa mandray anjara amin’ny asa tsara izy, ary ratsy raha ny mifanohitra amin’izany. Ny sitrapo mahitsy dia mibaiko ho amin’ny soa sy ho amin’ny hasambarana, an’ireo fihetsika mahatohina izay zakainy ; ny sitrapo ratsy kosa dia resin’ny firehetam-po mikorontana sady mampisondrotra ny fikitokitonany. Ny fiontanam-po sy ny fihetseham-po dia mety ho zakaina amin’ny hatsaram-panahy, na mety ho simbÓna amin’ny haratsiam-panahy.

1769.Amin’ny fiainana kristianina, ny Tenan’ny Fanahy Masina no manatontosa ny tsanganasany amin’ny fampihetsehana ny olona manontolo, ao anatin’izany ny fijaliany, ny tahotra mahazo azy ary ny alahelony, tahaka izay niseho tamin’ny Fiadian’ain’ny Tompo sy ny fijaliany. Ao amin’i Kristy, ireo fihetseham-po maha-olombelona dia mety hahazo ny fahalavorarian’izy ireny amin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny hasambarany. 

1770.Ny fahalavorariana ara-m˘raly dia tsy ny mba handrisika ny olona hanao ny tsara amin’ny alalan’ny finiavany ihany, fa koa amin’ny alalan’ny fahalianan’ny nofony, araka ity tenin’ny salamo ity hoe : “Mientan-kafaliana amin’Andriamanitra velona ny foko sy ny nofoko” (Sal 84,3).

 

FAMINTINANA

1771.Manambara ny firaiketam-pitia na ny fihetseham-po ny teny hoe firehetam-po. Amin’ireny fiontanam-pony ireny ny olona no mahatsinjo mialoha ny tsara sy manahy sahady koa ny ratsy.

1772.Ireto no firehetam-po lehibe indrindra : ny fitiavana sy ny fankahalana, ny faniriana sy ny fahatahorana, ny hafaliana, ny alahelo ary ny fahatezerana.

1773.Amin’ireo firehetam-po, toy ireo fihetsi-pahatohinana, dia tsy misy hoe tsara na ratsy ara-m˘raly. Kanefa arakaraka ny iankinan’ireny na tsia amin’ny saina sy ny sitrapo no maha-tsara azy na maha-ratsy azy ara-m˘raly.

1774.Ny fiontanam-po sy ny fihetseham-po dia mety ho zakaina amin’ny hatsaram-panahy na mety ho simbÓna amin’ny haratsiam-panahy.

1775.Ny fahalavorarian’ny tsara ara-m˘raly, dia ny mandrisika ny olona ho amin’ny tsara tsy avy amin’ny finiavany ihany, fa  avy amin’ny fony koa.

 

ANDALANA 6

Ny k˘nsiansy m˘raly

1776.“Tsapan’ny olombelona ao amin’ny k˘nsiansiny lalina ao ny fisiana lalÓna iray izay tsy avy amin’ny tenany, nefa manery azy hanaiky izany. Io feo io izay tsy mitsahatra ny manery azy ho tia sy hanatanteraka ny tsara ary handositra ny ratsy, amin’ny fotoana sahaza izany, dia manako ao anatin’ ny fony lalina ao. (…) LalÓna nosoratan’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona izany. Ny k˘nsiansy no foibe lalina indrindra sy miafina indrindra ao amin’ny olombelona, toerana masina izay izy irery miaraka amin’Andriamanitra no ao, ary ao no andrenesana ny feony”[65].

I. Ny fitsarÓn’ny k˘nsiansy 

1777. Ny k˘nsiansy m˘raly izay voasoratra ao am-pon’ny olona[66], no mandidy azy hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy, amin’ny fotoana sahaza izany. Izy koa no mitsara ny safidy azo tsapain-tanana, amin’ny fankatoavana ireo izay tsara sy amin’ny fiampangana ireo izay ratsy[67]. Izy no manaporofo ny fahefan’ny marina amin’ny fanondroana ilay Tsara fara tampony (Andriamanitra) izay andraisan’ny olona ny fanintonany sy andraisana ny didiny. Rahefa mihaino ny k˘nsiansy m˘raly ny olona malina, dia afaka mihaino an’Andriamanitra miteny. 

1778. Ny k˘nsiansy m˘raly dia fitsarÓn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-m˘raly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana izay hapetrany, ka mbola eo am-panatanterahana izany na efa notanterahina. Ny olona, amin’izay rehetra lazainy sy ataony, dia voadidy hanaraka amim-pitokiana izay fantany fa marina sy mahitsy. Amin’ny alalan’ny fitsarÓn’ny k˘nsiansiny izany no ahatsapan’ny olona sy ahafantarany ireo baiko araka ny lalÓnan’Andriamanitra :

Ny k˘nsiansy dia lalÓnan’ny saintsika, nefa mihoatra ny saintsika, manome baiko antsika, midika ho andraikitra sy adidy, tahotra sy fanantenana. (…) Izy no mpitondra hafatr’Ilay izay miteny amintsika fa tsy mivantana, mampianatra antsika ary mitantana antsika, eo amin’ny tontolon’ny zavaboary toy ny eo amin’ny tontolon’ny fahasoavana koa. Ny k˘nsiansy no voalohany amin’ireo rehetra vikeran’i Kristy[68].

1779. Zava-dehibe ilaina amin’ny tsirairay ny ampy fahatsiarovan-tena mba hihaino sy hanaraka ny feon’ny k˘nsiansiny. Izany fangatahana hahatsapa ao anaty izany dia ilaina tokoa noho ny fiainana, izay matetika mitarika antsika tsy hisaintsaina, tsy handinika na tsy hitsikera ny tena, amin’izay rehetra atao :

Diniho ny k˘nsiansinao, anontanio izy. (…) Miverena ry rahalahy, ao anaty sy amin’izay rehetra ataonao, jereo Andriamanitra, ilay Vavolombelona[69].

1780.Milaza tsy mivantana sy mitaky ny fahitsian’ny k˘nsiansy m˘raly ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny k˘nsiansy m˘raly no mampahazo an-tsaina ny fototry ny toetram-pitondran-tena (fahalalam-pitsipika voa-Janahary), ny fampiharana azy ireny amin’ny fisehoan-javatra avy amin’ny fandanjalanjana mifantoka amin’ny fahendrena sy ny tsara, ka raha fehezina, fandanjalanjana miompana amin’ny asa mivaingana hapetraka na efa tafapetraka. Ny marina momba ny tsara ara-m˘raly, ambara ao amin’ny lalÓnan’ny saina, dia ekena ho izy tokoa amin’ny asa sy amin’ny fomba azo tsapain-tanana, amin’ny alalan’ny fahaizan’ny k˘nsiansy mandanjalanja amim-pahamalinana. Antsoina hoe malina ny olona izay misafidy araka io fahaiza-mandanjalanja io. 

1781.Ny k˘nsiansy no ahafahana miantsoroka ny andraikitra amin’ny asa nankinina. Raha manao ratsy ny olona, ny marina amin’ny fitsarÓn’ny k˘nsiansiny kosa dia mety haharitra ao aminy ho vavolombelon’ny marina mahahenika ny tontolon’ny tsara, miaraka amin’izany koa ho vavolombelon’ny hasomparan’ny safidiny hafahafa. Maharitra ho antoky ny fanantenana sy ny famindram-po ny didim-pitsarÓn’ny fitsarÓn’ny k˘nsiansy. Amin’ny fanamarinana ny hadisoana natao izy no mampahatsiahy ny famelan-keloka hangatahina, ny tsara mbola hotanterahina ary ny hatsaram-panahy hokarakaraina tsy an-kijanona miaraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra :

Mahazo mampatoky ny fontsika eo anatrehany isika, satria, raha ny fontsika aza manameloka antsika, mainka fa Andriamanitra izay lehibe noho ny fontsika, sady mahalala ny zavatra rehetra (1 Jo 3,19-20).

1782. Manana zo handeha araka ny k˘nsiansy sy an-kalalahana ny olona mba hahafahan’ny tenany mandray fanapahan-kevitra ara-m˘raly. “Tsy azo terena hanao asa amam-pihetsika mifanohitra amin’ny k˘nsiansiny ny olona. Kanefa tsy azo sakanana tsy hanao asa amam-pihetsika araka ny k˘nsiansiny koa izy, indrindra ny amin’ny fivavahana”[70].

II. Ny fanabeazana ny k˘nsiansy 

1783. Mila ampahafantarina ny k˘nsiansy ary mila azavaina ny fitsarÓna ara-m˘raly. Mahitsy sady marina ny k˘nsiansy nobeazina tsara. Lazainy mazava tsara araka ny fahamarinana ny fitsarÓny, sy araka ny soa tena izy takýn’ny fahendren’ilay Mpahary. Tena ilaina ny fanabeazana ny k˘nsiansy ho an’ireo olona manaiky ny fanintonan’ny hery ratsy sy taomin’ny fahotana hifidy ny fitsarÓn’izy ireo manokana, sy hitsipaka ny fampianarana nahazo lalana ara-dalÓna. 

1784. Lahasa mandritra ny fiainana manontolo ny fanabeazana ny k˘nsiansy. Manomboka amin’ireo taona voalohandohany iainan’ny zaza, io fanabeazana io no ampahiratana ny sainy amin’ny fahalalana sy amin’ny fanatanterahana ny lalÓna anaty eken’ny k˘nsiansy m˘raly. Ny fanabeazana amim-pahamalinana no mampianatra ny hatsaram-panahy ; izy no miaro na manafaka amin’ny tahotra, amin’ny fitiavan-tena tafahoatra sy ny fiavonavonana, amin’ny lonjonim-pahadisoana sy amin’ ny fihetsika mila doka, teraka avy amin’ny fahalemen’ny olombelona sy ny fahadisoany. Ny fanabeazana ny k˘nsiansy no miantoka ny fahafahana sy miteraka ny fiadanam-po.

1785. Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika, amin’ny fanabeazana ny k˘nsiansy ; ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Mbola ilaintsika koa ny mandinika ny k˘nsiansintsika araka ny Hazofijalian’ny Tompo. Amin’izany, ny fanomezan’ny Fanahy Masina no mankahery antsika, ny fijoroan’ny hafa ho vavolombelona na ny torohevitra avy aminy no manampy antsika, ary ny fampianarana nahazo lalana tamin’ny Fiangonana no mitantana antsika[71].

III. Misafidy araka ny k˘nsiansy

1786. Ny k˘nsiansy, eo anatrehan’ny safidy ara-m˘raly, dia mety hanao fitsarÓna mahitsy mifanaraka amin’ny saina sy amin’ny lalÓnan’ Andriamanitra, na mety koa hanao fitsarÓna diso ka tsy mifanaraka amin’ izany.

1787.Indraindray ny olona, mifanandrina amin’ny toe-javatra izay mahatonga ny fitsarÓna ara-m˘raly ho tsy azo antoka loatra sy ny fanapahan-kevitra ho sarotra. Kanefa tsy maintsy mikaroka izay marina sy tsara izy, sy mandanjalanja ny sitrapon’Andriamanitra voambara ao amin’ny lalÓnan’ Andriamanitra. 

1788. Araka izany, miezaka ny olombelona hanazava ny dikan’ireo hevitra avy amin’ny fandinihana azo tamim-pahazarana sy ireo fambara miseho ankehitriny noho ny herin’ny fahamalinana, noho ny torohevitry ny olona kinga saina ary noho ny fanampian’ny Fanahy Masina sy ny fanomezany.

1789. Fitsipika vitsivitsy sahaza ny sehon-javatra rehetra :
- Tsy azo atao na oviana na oviana ny manao ny ratsy mba hahazoan-tsoa.
- Ny “fitsipika volamena” : “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany” (Mt 7,12)[72].
- Ny fitiavana dia miseho lalandava amin’ny alalan’ny fanajana ny namana sy ny k˘nsiansiny: “Amin’ny fitenenana manohitra ny mpiray tam-po ara-pinoana, sy amin’ny fandratrana ny k˘nsiansin’izy ireo (…), dia amin’i Kristy no anotanareo” (1 K˘r 8,12). “Ny tsara, dia ny mifady (…) izay rehetra manafintohina na mandavo na mandemy ny mpiray finoana aminao” (R˘m 14,21).

IV. Ny fitsarÓna diso

1790. Tokony hanaiky lalandava ny fitsarÓna marina tsy misy mampisalasala ny k˘nsiansiny ny olombelona. Raha tamin’ny nahim-po no nanoherany ny k˘nsiansy, dia manameloka ny tenany ihany ny olombelona. Kanefa mety ho azon’ny tsy fahalalana ny k˘nsiansy m˘raly ka mitondra ho amin’ny fitsarÓna diso amin’ny asa atao na efa natao.

1791. Izany tsy fahalalana izany matetika dia azo lazaina ho avy amin’ny andraikitry ny tena ihany. Mety ho tonga amin’izany, “raha toa ny olona tsy rototra hitady ny marina sy ny tsara, ary raha toa ny fahazarana amin’ ny fahotana no mahatonga tsikelikely ny k˘nsiansiny madiva ho jamba”[73]. Amin’ny sehon-javatra toy ireny, ny ratsy ataon’ny olombelona  ihany no mahameloka azy.

1792. Ny tsy fahalalana an’i Kristy sy ny Evanjeliny, ny oha-dratsy omen’ny hafa, ny fanandevozan’ny firehetam-po, ny fihamboana hahavita tena amin’ny fihainoana vilana ny k˘nsiansy, ny fandavana ny manam-pahefan’ny Fiangonana sy ny fampianarany, ny tsy fahampian’ny fibebahana sy ny fitiavana, dia mety ho fototry ny fivaonan’ny fitsarÓna ara-m˘raly eo amin’ny atao.

1793. Ny mifanohitra amin’izany, raha tsy mety resy ny tsy fahalalana, na tsy misy andraikitra momba ny m˘raly ny fitsarÓna diso, dia mety tsy hahadiso ny olona ny ratsy nataony. Saingy, tsy manala ny ratsy akory izany, ary tsy miaro ny fahavoazana sy ny fikorontanana aterany. Koa ilaina Óry ny miezaka manitsy ny k˘nsiansy m˘raly amin’ny fahadisoany.

1794. Ny finoana marina no manazava ny k˘nsiansy tsara sy madio. Satria avy amin’ny fitiavana avokoa no iandohan’ny “fo madio, k˘nsiansy tsara ary finoana tsy miolakolaka” (1 Tim 1,5)[74].

Arakaraka ny handresen’ny k˘nsiansy mahitsy, no hanalaviran’ny olona sy ny antokon’olona amin’ny fanapahan-kevitra an-jamba sy hiezahan’izy ireo hanaraka ny fitsipika misy amin’ny toetram-pitondran-tena[75].

 

FAMINTINANA

1795.Ny k˘nsiansy no foibe lalina indrindra sy miafina indrindra ao amin’ny olombelona, toera-masina izay ao izy irery no miaraka amin’ Andriamanitra sy maheno ny feon’Izy Andriamanitra[76].

1796.Ny k˘nsiansy m˘raly dia fitsarÓn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-m˘raly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana.

1797.Ho an’ny olona izay nanao ratsy, ny valim-pitsarÓn’ny k˘nsiansiny no mipetraka ho antoky ny fibebahany sy ny fanantenany.

1798.Mahitsy sady marina ny k˘nsiansy nobeazina tsara. Lazainy mazava tsara araka ny fahamarinana ny fitsarÓny, sy araka ny soa tena izy takýn’ny fahendren’ilay Mpahary. Samy tokony handray izay fomba hanabeazany ny k˘nsiansiny ny tsirairay.

1799.Ny k˘nsiansy, eo anatrehan’ny safidy ara-m˘raly, dia mety hanao fitsarÓna mahitsy mifanaraka amin’ny saina sy amin’ny LalÓnan’ Andriamanitra, na mety koa hanao fitsarÓna diso ka tsy mifanaraka amin’ izany.

1800.Tokony hanaiky lalandava ny fitsarÓna marina tsy misy mampisalasala ny k˘nsiansiny ny olombelona.

1801.Mety hijanona ao anatin’ny tsy fahalalana na hitondra ho amin’ny fitsarÓna diso ny k˘nsiansy m˘raly. Tsy hoe manafaka lalandava amin’ny maha-meloka akory ireny tsy fahalalana mbamin’ny fahadisoana ireny.

1802.Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika. Ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Ary amin’izany no hibeazan’ny k˘nsiansy.

 
 
[1] Md LÚon le Grand, serm. 21,3.
[2] jer. Jo 8,29.
[3] jer. R˘m 6,5.
[4] jer. K˘l 2,12.
[5] jer. Jo 15,5.
[6] jer. Efez 5,1-2.
[7] jer. Jo 13,12-16.
[8] jer. 1 K˘r 1,2.
[9] jer. Gal 4,6.
[10] jer. Gal 5,25.
[11] jer. Gal 5,22.
[12] jer. Efez 4,23.
[13] jer. Det 30,15-20.
[14] DidachÚ 1,1.
[15] jer. CT 29.
[16] Md Jean Eudes, cord. 1,5.
[17] jer. Lk 15,11-31.
[18] FAA 22.
[19] jer. 2 K˘r 4,4.
[20] jer. FAA 22.
[21] FAA 14.
[22] FAA 24, ž 3.
[23] FAA 15, ž 2.
[24] FAA 17.
[25] FAA 16.
[26] FAA 13, ž 1.
[27] FAA, 13,ž 2.
[28] FAA 22, ž 1.
[29] FAA 15, ž 2.
[30] FAA 17.
[31] FAA 16.
[32] Md Augustin, mor. Eccl. 1,3,4.
[33] Md Augustin, conf. 10,20,29.
[34] Md Thomas d’A., symb. 15.
[35] jer. Mt 4,17.
[36] jer. 1 Jo 3,2 ; 1 K˘r 13,12.
[37] jer. Mt 25,21.23.
[38] jer. Heb 4,7-11.
[39] Md Augustin, civ. 22,30.
[40] jer. Jo 17,3.
[41] jer. R˘m 8,18.
[42] Md IrÚnÚe, haer. 4,20,5.
[43] Newman, mix.5, momba ny fahamasinana.
[44] jer. ny fanoharana ny amin’ny mpamafy : Mt 13,3-23.
[45] FAA 17.
[46] Md IrÚnÚe, haer. 4,4,3.
[47]R˘m 6,17.
[48] jer. Jen 4,10.
[49] jer. 2 Sam 12,7-15.
[50] jer. FVA 2.
[51] jer. FVA 7.
[52] CDF, instr. “Libertatis conscientia” 13.
[53] jer. Jo 8,32.
[54] jer. R˘m 8,21.
[55] MR  Alahady faha-32 mandavantaona.
[56] jer. FAA 17, ž 1.
[57] Mt 6,24.
[58] Md Thomas d' A., dec. praec. 6.
[59] jer. Mk 7,21.
[60] Md Thomas d’A., s. th. 1-2, 26,4.
[61] jer. Md Augustin, Trin. 8,3,4.
[62] Md Augustin, civ. 14,7.
[63] Md Thomas d’A., s. th. 1-2, 24,1.
[64] jer. Md Thomas d’A., s. th. 1-2, 24,3.
[65] FAA 16.
[66] jer. R˘m 2,14-16.
[67] jer. R˘m 1,32.
[68] Newman, taratasy ho an’i duc de Norfolk 5.
[69] Md Augustin, ep. Jo 8,9.
[70] FVA 3.
[71] jer. FVA 14.
[72] jer. Lk 6,31; Tobia 4,15.
[73] FAA 16.
[74] jer. 1 Tim 3,9 ; 2 Tim 1,3 ; 1 Pi 3,21 ; Asa 24,16.
[75] FAA 16.
[76] FAA 16.
 

 

top