The Holy See
back up
Search
riga

ANDALANA 7

Ny herim-panahy

 

1803. “Izay rehetra marina, izay rehetra manan-kaja, izay rehetra rariny, izay rehetra madio, izay rehetra mahatehotia, izay rehetra tsara laza, sy izay rehetra misy herim-panahy sy misy dera, no aoka hoheverinareo” (Filip 4,8). 

Ny herim-panahy dia toe-panahy mahazatra sy mafy orina, izay mampirona hanao ny tsara. Izy no ahazoan’ny olona, tsy ny manatanteraka fotsiny ny asa soa, fa ny manome ny tsara indrindra avy amin’ny tenany mihitsy. Ny olona tsara toe-panahy dia mikendry ny tsara, amin’ny heriny rehetra ara-nofo sy ara-panahy; izany no katsahiny sy fidýny amin’ny asa azo tsapain-tanana.

Ny tarigetra amin’ny fiainana feno hatsaran-toe-panahy dia ny hanjary hifanahaka amin’Andriamanitra[1].

 

I. Ny herim-panahy maha-olombelona

1804. Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, izay miseho amin’ny fihetsika tsy miovaova, amin’ny fahavononana tsy mivadibadika, amin’ny fahatsarana mahazatra, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny fitondran-tenantsika araka ny saina sy ny finoana. Izy no mahatonga fanamorÓna, fifehezana ary hafaliana mba hitondrana ny fiainana ho tsara ara-pitsipi-pitondran-tena. Ny olombelona tsara toe-panahy, dia izay manao ny tsara amin-kalalahana. 

Ireo herim-panahy enti-mitondra tena dia azo amin’ny fo tsara. Izy ireo no vokatra sy tsirin’ny asa tsara ara-pitsipi-pitondran-tena ; izy ireo no mandamina ny hery rehetra ao amin’ny olombelona hiombona amin’ny fitiavan’Andriamanitra.

 

Fiavahan’ireo herim-panahy savily (fototra)

1805. Misy efatra ny herim-panahy manana anjara asan’ny savily. Avy amin’ izany no antony iantsoana azy ireo hoe “savily”, izany hoe “fototra” ; ny herim-panahy hafa rehetra kosa dia mivondrona manodidina azy ireo. Ireto avy ireo herim-panahy savily (fototra) : ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onony. “Tia fahamarinana ve ny olona ?” Ny asan’ny Fahendrena no mahavokatra ireo herim-panahy, satria Izy no mampianatra ny fahalalana onony amam-pahamalinana, ary ny fahamarinana amam-paherezana” (Fah 8,7). Amin’ny anarana hafa kosa no hiderana ireo herim-panahy ireo, ao amin’ny andalan-tSoratra Masina maro.

1806. Ny fahamalinana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza hanatanterahana izany. “Ny olona malina, mitandrina ny diany” (Ohab 14,15). “Aoka ho hendry sy hahono-tena ianareo, mba ho afa-mivavaka” (1 Pi 4,7). Ny fahamalinana no “fitsipika mahitsy amin’ny atao” hoy i Md TomÓ[2], taorian’i Aristote. Tsy mifangaro amin’ny henatra aman-tahotra, na amin’ny fitaka amam-pihatsarambelatsihy, ny fahamalinana. Lazaina hoe auriga virtutum izy, izany hoe : mitarika ny herim-panahy hafa rehetra amin’ny fanoroana azy ireo ny fitsipika sy ny fepetra arahina. Ny fahamalinana no mitarika eo no eo avy hatrany ny fitsarÓn’ny k˘nsiansy. Ny olona malina dia manapa-kevitra sy mandamina ny fitondran-tenany manaraka io fitsarÓna io. Noho io herim-panahy io, mampihatra tsy misy hadisoana ny fitsipika fototra ara-m˘raly amin’ny sehon-javatra manokana isika sy mandresy ny fisalasalana rehetra ny amin’ny tsara ho tanterahina sy ny amin’ny ratsy ho fadýna.

1807. Ny fahamarinana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’ Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo. Ny fahamarinana atao amin’Andriamanitra dia antsoina hoe “herim-panahy enti-mivavaka”. Ny fahamarinana atao amin’ny olombelona kosa no mandrisika hanaja ny zon’ny tsirairay sy hanorina eo amin’ny fifandraisan’ ny olombelona, ny firindra izay mampandroso ny rariny sy ny hitsiny amin’ny olona sy amin’ny soa iombonana. Ny olona mandala ny fahamarinana, voatsiahy matetika ao amin’ny Boky masina, dia miavaka amin’ny fahamarinan-toetra mahazatra ny eritreriny sy ny fahitsian’ny fitondran-tenany amin’ny namana. “Ny mahantra aza anananao tombom-pitia, ny manankarena aza anananao fankasitrahana, fa ny rariny ihany no hitsarÓnao ny namanao (Lev 19,15). “Ianareo tompo, manaova ny marina mbamin’ny rariny sy ny tsy fiangarana amin’ny mpanomponareo ; satria fantatrareo fa manan-Tompo any an-danitra koa ianareo (K˘l 4,1). 

1808. Ny faherezana dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara. Izy no manamafy ny fikasana hanohitra ny fakam-panahy sy handresy ny sakana eo amin’ny fiainana ara-m˘raly. Ny herim-panahy faherezana no ahafahana mandresy ny tahotra, eny fa na ny fahafatesana aza, miatrika ny fitsapan-toetra sy ny fanenjehana. Izy no mandrisika ho tonga hatramin’ny fandavan-tena sy ny fahafoizana ny aina, mba hiarovana ny marina. “Ny Tompo no heriko sy hirako” (Sal 118,14). “Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao ; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho” (Jo 16,33).

1809. Ny fahalalana onony dia herim-panahy enti-mitondra tena, izay mampitony ny fanintonan’ny fahafinaretana sy mampifandanja ny fampiasana ny haren’ny zavaboary. Izy no manamafy orina ny fifehezana ny sitrapo amin’ny tosi-kerim-panentana ao anaty sy mitana ny faniriana ao anatin’ny fetran’ny fahamaotonana. Ny olona mahalala onony dia mampirona ireo fahalianany ara-batana ho amin’ny tsara, mahatam-bava tokoa ary tsy mamela ny tenany ho voatarika hanaraka ny fitsiriritan’ny fony[3]. Matetika, deraina ao amin’ny Testamenta Taloha ny fahalalana onony : “Aza mamela ny tenanao handeha amin’ny fitsiriritanao, folahy ny fahaliananao” (Ekl 18,30). Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia antsoina hoe “fahalalana onony” na “fahalalana fetra” izy. Tokony “hivelona amin’ny fahalalana onony, ny fahamarinana ary ny fitiavam-bavaka eto amin’izao tontolo ankehitriny izao” isika (Tito 2,12).

Ny miaina tsara dia tsy zavatra hafa fa ny mitia an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo, amin’ny fanahiny manontolo ary amin’ny ataony manontolo. Fitiavana manontolo no tahirizina ho Azy (amin’ny alalan’ny fahalalana onony) ka tsy hisy na iray aza loza ho afaka hanozongozona (miankina amin’ny faherezana izany), izay tsy manaiky afa-tsy Izy irery (fa izany no fahamarinana), izay mitandrina mba handanjalanja ny zavatra rehetra fandrao mamela ny tena ho tampohin’ny hafetsena sy ny lainga (fa izany no fahamalinana)[4].

 

Ny herim-panahy sy ny fahasoavana 

1810. Ireo herim-panahy maha-olombelona azo tamin’ny fanabeazana, tamin’ny asa natao amin’ny nahim-po ary tamin’ny faharetana niezaka lalandava, dia voadio sy voasandratra ho ambony tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Miaraka amin’ny fanampian’Andriamanitra izy ireny no mamolavola ny toetra sy manamora amin’ny fanaovana ny tsara. Ny olombelona tsara toe-panahy dia sambatra manatanteraka izany.

1811. Tsy mora ho an’ny olona voaratran’ny fahotana ny mitana ny filaminan-tsaina. Ny fanomezam-pamonjena avy amin’i Kristy no manome antsika ny fahasoavana ilaina mba hitozoana amin’ny fikatsahana ny herim-panahy. Tokony hangataka lalandava izany fahasoavam-pahazavana sy hery izany ny tsirairay, hidodododo handray ny sakramenta, hiara-miasa amin’ny Fanahy Masina, hanaraka ny antsony mba ho tia ny tsara sy hiaro tena amin’ny ratsy.

 

II. Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra

1812. Ireo herim-panahy maha-olombelona dia miorim-paka ao amin’ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra izay mampifanaraka ny fahaizan’ olombelona mahataka-javatra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra[5]. Satria ireo herim-panahy avy amin’ Andriamanitra dia miankina mivantana amin’Andriamanitra. Ireo no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Andriamanitra Tokana Olona Telo no fiandohan’ireo, anton’ireo ary fototr’ireo. 

1813. Ireo herim-panahy avy amin’Andriamanitra dia manorina, mandrisika ary mamaritra mazava ny asa amam-pihetsika ara-m˘raly kristianina. Ireo no mampahalala sy mamelombelon’aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena. Ireo no ampitain’Andriamanitra ao amin’ny fanahin’ireo mpino mba hahatonga azy ireo ho mahay mitondra tena tahaka ny zanany sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay. Ireo no antoky ny fisiana maha-eo ny Fanahy Masina sy ny asany, amin’ny fahaizana amam-pahazoan’ny olombelona mahataka-javatra. Misy telo ny herim-panahy avy amin’ Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana[6].

 

Ny finoana 

1814.Ny finoana dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay inoantsika an’ Andriamanitra sy izay rehetra nolazainy sy nambarany tamintsika, ary atolotry ny Fiangonana Masina antsika mba hinoana, satria Izy Andriamanitra ihany no fahamarinana. Amin’ny alalan’ny finoana “ny olombelona no manolotra amin-kalalahana ny tenany manontolo amin’ Andriamanitra”[7]. Izany no antony hiezahan’ny mpino mamantatra sy manao ny sitrapon’Andriamanitra. “Ho velona noho ny finoana ny olo-marina” (R˘m 1,17). “Miasa amin’ny alalan’ny fitiavana” ny finoana velona (Gal 5,6).

1815. Mitoetra ao amin’izay tsy manota amin’ny finoana ny fanomezam-pinoana[8]. Kanefa “maty ny finoana tsy arahin’asa” (Jak 2,26) : ny finoana tsy miaraka amin’ny fanantenana sy ny fitiavana, dia tsy mampiray manontolo ny mpino amin’i Kristy ary tsy hahatonga azy ho rantsambatana velon’ny Vatany. 

1816.Tsy ny mitana ny finoana sy ny miaina izany ihany no tokony hataon’ny mpianatr’i Kristy, fa koa ny manambara izany ampahibemaso, ny mirotsaka ho vavolombelon’izany amin-toky, ary ny mampiely izany : “Tsy maintsy vonona isika rehetra hanambara an’i Kristy eo anatrehan’ny olona rehetra, ary hanaraka Azy eny an-dalan’ny Hazofijaliana sy eo anivon’ny fanenjehana izay tsy hahafaty na oviana na oviana ny Fiangonana”[9]. Ilaina ho amin’ny famonjena ny fanompoana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana : “Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra ; fa izay handÓ Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 10,32-33).

 

Ny fanantenana 

1817. Herim-panahy avy amin’Andriamanitra ny fanantenana, izay aniriantsika ny Fanjakan’ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay ho hasambarantsika, ka hametrahantsika fitokiana ny fampanantenan’i Kristy sy fiankinana amin’ ny fanampian’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, fa tsy amin’ny herin’ny tenantsika. “Aoka hotanantsika mafy tsy ho voahozongozona ny fiekem-panantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana” (Heb 10,23). “Io Fanahy io, Ilay narotsany be dia be tamintsika, tamin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Mpamonjintsika, mba ho tonga mpandova amim-panantenana ny fiainana mandrakizay isika, amin’ny fanamarinan’ny fahasoavan’i Kristy” (Tito 3,6-7). 

1818.Ny herim-panahy fanantenana no mamaly ny faniriam-pahasambarana napetrak’Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona rehetra ; izy no mizaka ireo fanantenana izay mampafana fo amin’ireo asa mbamin’ny fihetsiketsehana rehetra ataon’ny olombelona ; izy no mandio an’ireny mba handaminana an’ireny ho amin’ny Fanjakan’ny lanitra ; izy no miaro amin’ ny hakiviana ; izy no manohana amin’izay fandaozana rehetra ; izy no mamalifaly eo am-piandrasana ny hasambarana mandrakizay. Ny hetsi-panahy manentana ny fanantenana no miaro tsy ho amin’ny fitiavan-tena tafahoatra sy mitondra ho amin’ny hasambaram-pitiavana.

1819.Ny fanantenana kristianina no mandray sy manatanteraka ny fanantenan’ ny vahoaka voafidy, izay ny fiandohany sy ny m˘deliny dia ny fanantenan’i Abrahama ampoky ny fampanantenan’Andriamanitra tao amin’i Isaaka sy voadion’ilay fitsapan-toetra tamin’ny sorona[10]. “Nino izy, fa nanantena na dia tsy misy tokony hanantenany aza, ka nanjary rain’ny firenena maro” (R˘m 4,18).

1820.Ny fanantenana kristianina dia mivelatra hatrany am-panombohan’ny  toritenin’i Jesoa tamin’ny fanambarÓna an’ireo hasambarana. Ireo Hasambarana ireo no manondrotra ny fanantenantsika mankany an-Danitra toy ny mankany amin’ny Tany vaovao nampanantenaina ; ireo no manoritra amin’izany ny lalana mamakivaky ny fitsapan-toetra izay miandry ny mpianatr’i Jesoa. Kanefa noho ny soa nataon’i Jesoa-Kristy sy ny fijaliany no iarovan’Andriamanitra antsika ao anatin’ “ny fanantenana izay tsy mba manodoka” (R˘m 5,5). Ny fanantenana no “vatofantsiky ny aina”, azo antoka sy tsy voahozongozona, izay mitsofoka “any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho mpialoha lalana antsika” (Heb 6,19-20). Ny fanantenana koa no fitaovam-piadiana izay miaro antsika amin’ny adim-pamonjena : “Aoka isika hitafy ny finoana amam-pitiavana ho fiarovan-tratra, sy ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha” (1 Tes 5,8). Ny fanantenana no mampahazo hafaliana antsika na dia ao anatin’ny fitsapan-toetra aza : “Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana” (R˘m 12,12). Maneho ny aminy sy mivelona amin’ny fivavahana ny fanantenana, fa indrindra amin’ny vavaka Rainay, famintinana an’izay rehetra asain’ny fanantenana ho irintsika.

1821.Noho izany, afaka manantena ny voninahitry ny lanitra nampanantenain’ Andriamanitra an’ireo izay tia Azy[11] sy nanao ny sitrapony[12] isika. Amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny tsirairay no tokony hanantena izany, ombÓn’ny fahasoavan’Andriamanitra, sy “haharitra hatramin’ny farany”[13] ka hahazo ny hafalian’ny lanitra, ho valisoa mandrakizay avy amin’Andriamanitra noho ny asa fitiava-namana tanteraka niaraka tamin’ny fahasoavan’i Kristy. Amim-panantenana no ivavahan’ny Fiangonana mba “hahavoavonjy ny olon-drehetra” (1 Tim 2,4). Irýny ny ho tafaray amin’i Kristy Vadiny any amin’ny voninahitry ny lanitra :

ManantenÓ, ry fanahiko, manantenÓ. Tsy mahalala ny andro sy ny ora ianao. Miambena amim-pitandremana, fa mandalo miserana haingana ny zavatra rehetra, na dia mahatonga ny azo antoka ho mampisalasala aza ny fahamaimaizanao, ary mahatonga ny fotoana ho lava ny fohy tokoa. Eritrereto fa arakaraka ny hiadianao no hanaporofoanao ny fitiavana izay asehonao amin’ny Andriamanitrao, sy hifalianao miaraka amin’ny Malalanao indray andro any, ao anatin’ny hasambarana sy ny firavoravoana izay tsy hanam-pahataperana na oviana na oviana[14].

 

Ny fitiavana

1822.Ny fitiavana dia herim-panahy avy amin’Andriamanitra, izay itiavantsika an’Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra amin’ny maha-Izy Azy, ary itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika ihany mba ho fitiavana an’ Andriamanitra. 

1823.Nataon’i Jesoa ho didy vaovao ny fitiavana[15]. Tamin’ny nitiavany ny azy “hatramin’ny farany” (Jo 13,1), no naneho ny fitiavan’ny Ray izay noraisiny Izy. Amin’ny fifankatiavan’ireo samy mpianatra no akan’izy ireo tahaka ny fitiavan’i Jesoa, izay noraisin’izy ireo koa tao amin’izy ireo. Izany no nilazan’ i Jesoa hoe : “Tahaka ny itiavan’ny Ray Ahy no itiavako anareo koa, ka mitomoera ao amin’ny fitiavako ianareo” (Jo 15,9). Ary koa hoe : “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny itiavako anareo” (Jo 15,12). 

1824.Ny fitiavana, noho izy vokatry ny Fanahy sy fahatanterahan’ny LalÓna, no itandremana ny didin’Andriamanitra sy ny an’i Kristy: “Mitomoera ao amin’ ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra ao amin’ny fitiavako” (Jo 15,9-10)[16].

1825.Maty noho ny fitiavana antsika i Kristy, na dia mbola “fahavalo” (R˘m 5,10) aza isika. Mangataka antsika ny Tompo ho tia ny fahavalontsika[17], tahaka ny nataony, hanao ho namana na dia izay lavitra indrindra aza[18], ho tia ny zaza[19] sy ny mahantra toy ny Tenany ihany[20].

Nanome amboaram-pampianarana tapitr’ohatra momba ny fitiavana i Md Paoly ap˘st˘ly : “Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po ; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany ; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra” (1 K˘r 13,4-7).

1826. “Raha tsy manana ny fitiavana aho, hoy ihany i Md Paoly ap˘st˘ly, dia tsinontsinona aho…” Ary na inona na inona fahamboniana, fanompoana, na hatsaram-panahy aza… “raha tsy manana ny fitiavana, dia tsy mahasoa ahy akory izany” (1 K˘r 13,1-3). Ny fitiavana no ambony amin’ny herim-panahy rehetra. Izy no voalohany amin’ny herim-panahy avy amin’ Andriamanitra : Ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Fa ny fitiavana no lehibe indrindra[21].

1827. Ny fitiavana no manentana sy mampafana fo amin’ny fampiasana ny herim-panahy rehetra. Izy no fehin’ny “hatsaram-panahy rehetra” (K˘l 3,14); izy no manendrika ny herim-panahy rehetra ; izy no mampifandray azy ireny sy mampirindra azy ireny amin’ny samy izy ireny ; izy no fiandohana sy fiafaran’ny fampiasan’ny kristianina azy ireny. Ny fitiavana no manamafy sy mandio ny herintsika olombelona ho tia. Izy no manandratra io herintsika io ho amin’ny fahalavorariana mihoatra ny natoraly amin’ny fitiavan’Andriamanitra. 

1828. Ny fampiharana ny fiainana ara-m˘raly entanin’ny fitiavana no manome ho an’ny kristianina ny fahafahana ara-panahin’ny zanak’Andriamanitra. Eo anoloan’Andriamanitra, tsy mijanona intsony ho andevo izy, ao anatin’ny tahotry ny mpanompo, na ho mpikarama adalam-bola eo am-pitadiavana karama, fa ho zanaka mamaly ny fitiavan’Ilay izay “tia antsika voalohany” (1 Jo 4,19) :

Na isika manalavitra ny ratsy noho ny tahotra ny famaizana mafy, ka manjary manana toe-panahin’ny andevo. Na isika mikatsaka amin’ny fitsiriritana valisoa fotsiny ka manjary mitovy amin’ny mpikaramam-bola. Na amin’ny farany, mba ho amin’ilay Soa ihany sy ny fitiavana an’ilay izay mibaiko no anekentsika (…) ka amin’izay isika manjary ao anatin’ny toe-panahin’ny zanaka[22].

1829. Hafaliana, fiadanana ary famindram-po no vokatry ny fitiavana ; mitaky fanasoavana sy fanitsiana ny hadisoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana izy; fahalemem-panahy izy ; mahatonga fitia mifamaly izy, maharitra ho tsy miangatra sy malala-tsaina izy ; fisakaizana sy fiombonana izy :

Ny fahavitan’ny tsanganasantsika rehetra, dia ny fitiavana feno hatsaram-panahy ; izy io no  tanjona kendrena ; ny mba hahazoana azy io no katsahintsika, ny hankany amin’izy io no ihazakazahantsika ; raha vao tonga, dia ao amin’izy io  isika no hiadam-pinaritra[23].

 

III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina

1830. Ny fiainana ara-m˘raly kristianina dia tohanan’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Ireo no toe-panahy maharitra izay mahatonga ny olona ho mora manaiky hanaraka ny tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina. 

1831. Ireo fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy, Zanak’i Davida ireo no manana ny hafenoany[24]. Ireo no mameno sy mandavorary ny herim-panahin’izay mandray an’ireo; ireo no mahatonga ny mpino ho mora mankato amim-pahakingana ny hetsi-panahy ataon’ Andriamanitra.

Ny Fanahinao tsara anie hitarika ahy eo amin’ny tany mitovy tantana (Sal 143,10).

Izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’ Andriamanitra (…). Ary  raha zanaka dia mpandova ; sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy (R˘m 8,14.17).

1832. Ireo vokatry ny Fanahy dia fahalavorarian-toetra izay anabeazan’ny Fanahy Masina ao amintsika ho santatry ny voninahitra mandrakizay. Roa ambin’ny folo ireo vokatry ny Fanahy tanisain’ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana : “fitiavana, hafaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onony, fahadiovam-pitiavana” (Gal 5,22-23 volg.).

 

FAMINTINANA

1833.Ny herim-panahy dia toe-panahy mahazatra sy mafy orina, izay mampirona hanao ny tsara.

1834.Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, tsy mivadibadika, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny fitondran-tenantsika araka ny saina sy ny finoana. Azo avondrona ao amin’ny herim-panahy fototra (savily) efatra izany, dia ny fahamalinana, ny fahamarinana, ny faherezana ary ny fahalalana onony.

1835. Ny fahamalinana no mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza hanatanterahana izany.

1836.Ny fahamarinana no ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo.

1837. Ny faherezana no miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara.

1838. Ny fahalalana onony no mampitony ny fanintonan’ny zava-mahafinaritra sy mahatonga ny fampifandanjana amin’ny fampiasana ny haren’ny zavaboary.

1839.Ireo herim-panahy enti-mitondra tena dia mitombo amin’ny fanabeazana, amin’ny asa atao an-tsitrapo ary amin’ny faharetana miezaka. Ny fahasoavan’Andriamanitra no mandio azy ireny sy manandratra azy ireny.

1840.Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Ny fiandohany sy ny antony ary ny fotony dia Andriamanitra, Ilay fantatra amin’ny alalan’ny finoana, antenaina sy tiavina amin’ny maha-Izy Azy.

1841.Misy telo ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana[25]. Ireo no mampahalala sy mamelombelon’ aina  ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena.

1842. Amin’ny alalan’ny finoana no inoantsika an’Andriamanitra sy inoantsika  an’izay rehetra nambarany tamintsika, ary izay atolotry ny Fiangonana Masina antsika hinoana.

1843.Amin’ny alalan’ny fanantenana no aniriantsika sy iandrasantsika amim-pitokiana mafy avy amin’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay sy ny fahasoavana hahamendrika izany.

1844.Amin’ny alalan’ny fitiavana no itiavantsika an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra, sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Ny fitiavana no fehin’ny hatsaram-panahy rehetra (K˘l 3,14) sy endriky ny herim-panahy rehetra.

1845.Ny fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina omena ny kristianina, dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra.

 

 

ANDALANA 8

Ny fahotana

 

I. Ny famindram-po sy ny fahotana 

1846. Ny Evanjely no fanambarÓna, ao amin’i Jesoa-Kristy, ny famindram-pon’ Andriamanitra ho an’ny mpanota[26]. Nilaza izany tamin’i Josefa ny anjely hoe : “Hataonao hoe Jesoa no anarany : fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo” (Mt 1,21). Toy izany koa no nataony tamin’ny Eokaristia, sakramentan’ny Fanavotana : “Rako ity, Ra iorenan’ ny fanekem-pihavanana vaovao, halatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).

1847. “Tsy nisy isika no noarýn’Andriamanitra, ary tsy nilainy ny mamonjy antsika raha tsy nisy isika”[27]. Ny fandraisana ny famindram-pony dia mitaky amintsika ny fiekena ny fahadisoantsika : “Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina. Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jo 1,8-9).

1848. Nanamafy izany koa i Md Paoly hoe : “ Tao amin’izay naha-betsaka ny fahadisoana no naha-betsaka lavitra ny fahasoavana” (R˘m 5,20). Kanefa mba hanaovan’ny fahasoavana ny tsanganasany, dia tokony mampiharihary ny fahotana izy mba hampibebaka ny fontsika sy hanome antsika “ny fahamarinana ho amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Tompontsika” (R˘m 5,21). Tahaka ny dokotera izay mizaha ny ratra alohan’ny hitsaboana azy, no anazavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Teniny sy amin’ny alalan’ny Fanahiny, ny momba ny hoe fahotana : 
Takýn’ny fibebahana ny manambara mazava ny fahotana ; ao amin’ny fibebahana ao ihany no misy ny fitsarÓna ao anaty ataon’ny k˘nsiansy. Mety ho hita ao ny porofon’ny asan’ny Fanahin’ny fahamarinana ao am-po lalin’ny olombelona ao, sady manjary fanombohan’ny fanomezana indray ny fahasoavana sy ny fitiavana koa izany : “Raiso ny Fanahy Masina”. Araka izany, ahitantsika fanomezana roa sosona, ity “fanambarÓna ny fahotana” ity : ny fanomezana ny marina avy amin’ny k˘nsiansy sy ny fanomezana ny fitokiana marina ny fanavotana. Ny Fanahin’ny fahamarinana no ilay Mpanafaka alahelo[28].

 

II. Ny famaritana ny fahotana 

1849. Ny fahotana dia fahadisoana manohitra ny saina, ny marina, ny k˘nsiansy mahitsy ; tsy fahampian’ny tena fitiavana tokoa an’Andriamanitra sy ny namana izany, noho ny firaiketam-po ratsy amin’ny fananana sasany. Mandratra ny toetra maha-olombelona ny fahotana ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona. Nofaritana hoe: “teny, asa na faniriana manohitra ny lalÓna mandrakizay”[29] ny fahotana.

1850.Fanalam-baraka an’Andriamanitra ny fahotana : “Taminao dia Taminao irery no nanotako. Izay ratsy eo imasonao no nataoko” (Sal 51,6). Ny fahotana no mitsangan-kanohitra ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy mamily ny fontsika tsy ho amin’izany. Ny hoe fahotana, toy ny tamin’ny voalohany ihany, dia tsy fanekena sy fikomiana amin’Andriamanitra, amin’ny faniriana te hanjary “tahaka an’ireo andriamanitra”, hahalala sy hametra ny tsara sy ny ratsy (Jen 3,5). Araka izany, ny fahotana “dia fitiavan-tena mitarika ho amin’ny fanaovana tsinontsinona an’ Andriamanitra”[30]. Amin’izany fideran-tena feno avonavona izany ny fahotana no manohitra tanteraka ny faneken’i Jesoa izay nanatanteraka ny famonjena[31]

1851.Ao anatin’ny fijaliana indrindra, izay andresen’ny famindram-pon’i Kristy ny fahotana, no hanehoan’ny fahotana bebe kokoa ny heriny sy ny hamaroany : tsy finoana, fankahalana mahatonga famonoan’olona, fandavana sy fanesoana nataon’ireo filoha sy ny vahoaka, fahakanosan’i Pilaty sy ny halozÓn’ny miaramila, famadihan’i Jodasy izay tena mafy tamin’i Jesoa, fandavan’i Piera sy fandaozan’ny mpianatra. Kanefa, tamin’ny oran’ny maizina sy ny Mpanapaka an’izao tontolo izao indrindra[32], ny soron’i Kristy no nanjary sorona mangingina izay ho loharano miboiboika tsy mety ritra amin’ny famelana ny fahotantsika.
 

III. Ny fahamaroan-karazam-pahotana

1852.Betsaka ny karazana fahotana. Maro ny anarana tanisain’ny Soratra Masina amin’izany. Ny Taratasy ho an’ny mpino tao Galata dia mampifanohitra ny tsanganasan’ny nofo amin’ny vokatry ny Fanahy : “Miharihary tokoa ny asan’ny nofo, dia : fijangajangana, fahalotoana, fanaranam-batana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana, fisaraham-bazana, fialonana, fiafonafonana, fifandirana, fifandrafiana, fitsitokotokoana, fitsiriritana, fibobohana, filerana, sy ny zavatra toy izany - ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao ireo fahotana ireo dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra” (Gal 5,19-21)[33]

1853.Azo avahana araka ny votoatiny ny fahotana, tahaka ny asa rehetra ataon’ny olombelona, na araka ny herim-panahy izay mifanohitra aminy, tafahoatra na tsy ampy, na araka ny didy izay toheriny. Azo alahatra koa ny fahotana arak’izay ifandraisany amin’Andriamanitra, amin’ny namana na amin’ny tena ihany ; azo tsinjaraina ho fahotana ara-panahy sy ara-nofo izy, na koa ho fahotana amin’ny hevitra, amin’ny teny, amin’ny atao na amin’ny adidy tsy vita. Ao am-pon’ny olombelona ny fototry ny fahotana, avy amin’ny finiavany malalaka, araka ny fampianaran’ny Tompo hoe : “Satria, ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoan’olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny fiampangana lainga, ny vava ratsy. Izany no mahaloto ny olona” (Mt 15,19-20). Ao amin’ny fo koa no itoeran’ny fitiavana, fototry ny tsanganasa tsara sy madio, izay noratrain’ny fahotana.

 

IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika

1854. Araka ny halehibeny no tokony hitsarÓna ny fahotana. Izay hita sy tsapa momba ny fiavahan’ny fahotana mahafaty sy ny fahotana madinika araka ny Soratra Masina ihany[34], no napetraky ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana ho raikitra. Manamafy izany ny fahalalana azo tamim-pahazaran’ny olombelona.

1855.Ny fahotana mahafaty no mandrava ny fitiavana ao am-pon’ny olombelona amin’ny fandikana mafy tokoa ny LalÓnan’Andriamanitra ; izy no mampihodina ny olombelona hanalavitra an’Andriamanitra, izay tanjom-piafarÓny sy hasambarany, amin’ny safidy ho tia bebe kokoa ny soa ambany noho Izy.

Ny fahotana madinika kosa, na mampaharitra ihany ny fitiavana aza, dia manala baraka azy sy mandratra azy.

1856.Noho ny famelezan’ny fahotana mahafaty ao amintsika ny foto-pahavelomana izay tsy inona fa ny fitiavana, dia mitaky fanomboham-piainam-baovao avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra sy fibebahan’ ny fo ao amintsika izany, ka ny fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana no mahatanteraka izany ara-dalÓna :

Ny fitiavana no nandaharana ny olona ho amin’ny tanjom-piafarÓna, koa raha voatariky ny zavatra izay mifanohitra amin’izany ny sitrapony, dia mahatonga ny fahotana ho fahotana mahafaty ny fanaovana izany (…) noho izy manohitra ny fitiavana an’Andriamanitra, toy ny fitenenan-dratsy Azy, ny fianianan-tsy to, sns…, na manohitra ny fitiavana ny namana, toy ny famonoan’olona ho faty, ny fijangajangana, sns. (…) Ankoatra izany, indraindray voatariky ny zavatra izay mampisy korontana ao aminy ny sitrapon’ny mpanota, nefa tsy mifanohitra amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana, toy ny miteniteny foana, ny mivazivazy tafahoatra, sns…; mahatonga ny fahotana ho fahotana madinika ny fanaovana izany[35].

1857.Mba ilazana ny fahotana hoe mahafaty dia misy fepetra telo tsy misaraka takýna : “Fahotana mahafaty ny fahotana rehetra izay zava-dehibe ny votoatin’ny ratsy atao, ary atao amim-pieritreretana tanteraka sy amim-panahy iniana”[36]

1858.Ny zava-dehibe maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia voalaza mazava amin’ny didy folo araka ny valin-tenin’i Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanankarena hoe : “Tsy hamono olona ianao, tsy hijangajanga ianao, tsy hangalatra ianao, tsy hitsangan-ko vavolombelona tsy marina ianao, tsy hanambaka ianao, ary hanaja ny rainao sy ny reninao ianao” (Mk 10,19). Mety ho kely na ho lehibe ny halehiben’ny fahotana : ny famonoan’olona dia lehibe kokoa noho ny halatra. Tafiditra amin’izany famariparitana izany koa ny haja ananan’ny olona nasian-dratsy : ny herisetra atao amin’ny ray aman-dreny amin’ny maha-ray aman-dreny dia lehibe kokoa noho ny atao amin’ny vahiny. 

1859.Ny maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia mila fahalalana feno sy fanekena tanteraka izany. Ilain’ny maha-fahotana mahafaty koa ny mahafantatra mialoha ny maha-ratsy ilay ho atao, sy ny fanoherany ny LalÓnan’Andriamanitra. Mbola ilainy koa ny fanekena hanao ilay ratsy amin’ny nahim-po tanteraka, mba hanjary ho safidin’ny tena manokana izany. Ny fihamboana ho tsy mahalala sy ny hamafin’ny fo[37] dia tsy mampihena fa mampitombo ny toetran’ny finiavana hanao ilay ratsy. 

1860.Ny tsy fahalalana tsy fidiny hoe fahotana ilay natao dia mety hampihena, na raha tsy izany, mety hanafaka ny mahameloka tamin’ilay fahadisoana lehibe natao. Kanefa na iza na iza dia tsy misy azo heverina fa tsy mahalala ny fototry ny lalÓna ara-m˘raly izay voasoratra ao amin’ny k˘nsiansin’ny olombelona rehetra. Ny tosi-kery miteraka fahatairan’ny nofo sy ny firehetam-po dia mety hampihena koa ny mahavokatry ny finiavana sy ny fahalalahana nanaovana ilay fahadisoana, toy izany koa ny fanerena avy ety ivelany na ny fikorontanana ao anaty vokatry ny aretina. Ny tena fahotana lehibe indrindra, dia ny fahotana atao isomparana sy ny nifidianana amin’ny nahim-po an’ilay ratsy atao. 

1861.Ny hoe fahotana mahafaty dia ny fahazoana manao tanteraka izay tiana atao araka ny fahafahana maha-olombelona, toy ny fahazoana mampiasa ny fitiavana ihany. Mitarika fanimbÓna ny fitiava-namana sy fisakanana ny fahasoavana mahamasina, izany hoe ny toe-panahy voavela heloka, ny fahotana mahafaty. Raha tsy voaonitry ny fanenenana sy ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ny fahotana mahafaty, dia mahatonga fandroahana tsy ho ao amin’ny Fanjakan’i Kristy, sy fahafatesana mandrakizay ao amin’ny afobe, satria ny fahafahantsika dia manam-pahefana hisafidy izay tiantsika hiafarana mandrakizay, tsy miovaova intsony. Kanefa raha azontsika tsaraina fa fahadisoana lehibe ny asa iray natao amin’ny maha-asa azy, dia tokony hankinintsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny famindram-pony, ny fitsarÓna ny olona.

1862.Manao fahotana madinika ny olona, rahefa tsy manatanteraka amin’ny zavatra madinika ny didy andidian’ny lalÓna m˘raly, na rahefa tsy mankato ny lalÓna m˘raly amin’ny zavatra lehibe saingy tsy natao tamim-pahalalana feno na tamim-panekena tanteraka.

1863.Mampihena ny herin’ny fitiava-namana ny fahotana madinika ; midika ho firaiketam-pitia mikorontana amin’ny haren’ny zavaboary izy ; misakana ny fandrosoan’ny fanahy amin’ny fampiasana ireo hatsaram-panahy sy amin’ny fanaovana ny tsara ara-m˘raly izy ; mendrika sazy misy fetra izy. Mandrisika antsika tsikelikely hanao fahotana mahafaty ny manao fahotana madinika amin’ny nahim-po sy tsy asiam-panenenana. Kanefa tsy mandrava ny fihavanana amin’Andriamanitra tsy akory ny fahotana madinika. Azo onerana amin’ny fo antra ombÓn’ny fahasoavan’ Andriamanitra izy. “Tsy manafoana ny fahasoavana mahamasina na ny fahasoavana manandratra ho Andriamanitra sy ny fifankatiavana izy, ka noho izany tsy manakana ny hahazoana ny hasambarana mandrakizay”[38] :

Ny olombelona, raha mbola mitafy nofo koa, dia tsy hahavita hisoroka avokoa ny fahotana rehetra, na dia ny fahotana madinika aza. Kanefa aza mihevitra an’ireny fahotana izay lazaintsika hoe madinika ireny, ho tsy manimba : raha mihevitra azy ireny ho tsy manimba ianao dia lanjao izy ireny, ka mangovita rahefa manisa azy ireny. Zavatra maivana maromaro no mahatonga ny vongana iray lehibe ; rano mitete be dia be no mameno ny ony ; voan-javatra madinika betsaka no mahatonga ho antontany iray. Inona Óry izany no fanantenantsika ? Alohan’ny zavatra rehetra, ny fik˘nfesena[39]

1864.”Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina”[40] (Mt 12,31). Tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra, nefa izay mandÓ amim-panahy iniana tsy handray ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanenenana dia mitsipaka ny famelÓna ny fahotany sy ny famonjena atolotry ny Fanahy Masina[41]. Mety hitondra amin’ny tsy fibebahana farany sy amin’ny fahaverezana mandrakizay ny fiziriziriana toy izany.

 

V. Ny fihanaky ny fahotana

1865.Miteraka fitarihana amin’ny fahotana ny fahotana ; miteraka fahazaran-dratsy izy amin’ny fiverimberenan’ny asa iray. Mahatonga fitongilanana amin’ny faharatsiam-panahy izay manamaizina ny k˘nsiansy izy, ary manimba ny fitsara marina momba ny tsara sy ny ratsy. Amin’izany izy no mikendry hiteraka sy hitombo hery, saingy tsy afaka manafongana hatramin’ny fakany ny lafiny ara-m˘raly.

1866.Ireo haratsiam-panahy dia azo alahatra amin’ny hatsaram-panahy izay mifanohitra aminy, na koa ampifandraisina amin’ireo fahotana fototry ny hafa izay navahan’ny fahalalam-piainana kristianina azo tamim-pahazarana, amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Md Jean Cassien[42] sy Md GrÚgoire le Grand[43]. Antsoina hoe fototry ny hafa ireo fahotana ireo, satria mpiteraka fahotana maro hafa sy faharatsian-toetra maro hafa. Ireto avy izany : fiavonavonana, fahidiana, fialonana, fahatezerana, fahalotoana, fahasarotana an-kanina, fahakamoana na fahalainana. 

1867.Mampahatsiahy koa ny lovam-pampianarana momba ny katesezy fa misy ireo “fahotana izay miantsoantso valiny mankany an-danitra”. Mitaraina amin’ ny lanitra : ny ran’i Abela[44] ; ny fahotan’ny mponina tao S˘d˘ma[45] ; ny hiakiakan’ny vahoaka voan’ny tsindry hazo lena tao Ejipta[46] ; ny fitarainan’ ny vahiny sy ny mananotena ary ny kamboty[47] ; ny tsy fahamarinana ampiharina amin’ny mpikarama[48]

1868. Asan’ny isam-batan’olona ny fahotana. Ankoatra izany, manana andraikitra amin’ny fahotana ataon’ny hafa isika, raha mifarimbona amin’ izany :
- amin’ny fandraisana anjara amin’izany mivantana sy an-tsitrapo ;
- amin’ny fibaikoana azy, amin’ny fanoroana hevitra azy, amin’ny fandokafana azy na amin’ny fankatoavana azy ;
- amin’ny tsy famborahana aminy na tsy fisakanana azy, raha toa voakasika amin’izany ny tena ;
- amin’ny fiarovana ireo izay manao ratsy. 

1869. Araka izany, ny fahotana no mahatonga ny olona hiray tsikombakomba amin’ny ratsy, mampanjaka amin’izy samy izy ny fanirian-dratsy, ny herisetra ary ny tsy fahamarinana. Ny fahotana, eo amin’ny fiaraha-monina, no mahatonga ireo toe-javatra hita sy ireo zava-misy miorina, izay manohitra ny Hatsaram-panahin’Andriamanitra. Ireo “zava-mampaharitra (rafitry) ny fahotana” no fanehoana sy vokatry ny fahotan’ny isam-batan’ olona. Izy ireo no mitarika izay maratran’izy ireo hanao ratsy koa avy eo. Amin’ny hevitra ara-pifanahafahana, ireo “zava-mampaharitra ny fahotana” no mitambatra ho “fahotan’ny mpiara-belona”[49].

 

FAMINTINANA

1870.Nohidian’Andriamanitra tao anatin’ny tsy fanekena ny olombelona rehetra, mba hamindrany fo avokoa izy rehetra (R˘m 11,32).

1871. Ny atao hoe fahotana dia :teny, asa na  faniriana manohitra ny lalÓna mandrakizay[50]; fanalam-baraka an’Andriamanitra ; fitsanganan-kanohitra an’Andriamanitra amin’ny tsy fanekena, manohitra ny faneken’i Kristy.

1872.Asa manohitra ny saina ny fahotana. Mandratra ny toetra maha- olombelona izy, ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona.

1873. Ny fototra ipoiran’ny fahotana rehetra dia ao am-pon’ny olombelona. Arakaraka ny votoatin’ny anaovana azy no amerana indrindra ny karazany sy ny halehibeny.

1874.Izay mifidy amin’ny nahim-po zavatra iray, izany hoe amim-pahalalana izany sy amim-panekena izany, izay manohitra mafy tokoa ny lalÓnan’ Andriamanitra sy ny tanjona fiafaran’ny olombelona, dia manao fahotana mahafaty. Mandrava ny fitiavana ao amintsika ny fahotana mahafaty, nefa raha tsy amin’ny fitiavana, tsy ho azo mihitsy ny hasambarana mandrakizay. Mitarika fahafatesana mandrakizay ny fahotana mahafaty raha tsy anenenana.

1875.Ny fahotana madinika dia mampisy fikorontanam-panahy azo onerana amin’ny alalan’ny fitiavana izay avelany haharitra ao amintsika.

1876.Ny famerimberenana ny fahotana, na madinika aza, dia miteraka fahazaran-dratsy, izay anisan’ny misongadina amin’izany ireo fahotana fototry ny hafa.

 
 
[1] Md GrÚgoire de Nysse, beat.1.
[2] S. th. 2-2,47,2.
[3] jer. Ekl 5,2 ; 37,27-31.
[4] Md Augustin, mor. Eccl. 1,25,46.
[5] jer. 2 Pi 1,4.
[6] jer. 1 K˘r 13,13.
[7] FA 5.
[8] jer. K˘ns. Trente : DS 1544.
[9] FF 42 ; jer. FVA 14.
[10] jer. Jen 17,4-8 ; 22,1-18.
[11] jer. R˘m 8,28-30.
[12] jer. Mt 7,21.
[13] jer. Mt 10,22 ;  jer. K˘ns. Trente : DS 1541.
[14] Mb Terezin’i Jesoa, excl. 15,3.
[15] jer. Jo 13,34.
[16] jer. Mt 22,40 ; R˘m 13,8.10.
[17] jer. Mt 5,44.
[18] jer. Lk 10,27-37.
[19] jer. Mk 9,37.
[20] jer. Mt 25,40.45.
[21] jer. 1 K˘r 13,13.
[22] Md Basile, reg. fus. prol. 3.
[23] Md Augustin, ep. Jo 10,4.
[24] jer. Iz 11,1-2.
[25] 1 K˘r 13,13.
[26] jer. Lk 15.
[27] Md Augustin, serm. 169,11,13.
[28] DeV 31.
[29] Md Augustin, Faust. 22 ; Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 71,6.
[30] Md Augustin, civ. 14,28.
[31] jer. Filip 2,6-9.
[32] jer. Jo 14,30.
[33] jer. R˘m 1,28-32 ; 1 K˘r 6,9-10 ; Efez 5,3-5 ; K˘l 3,5-9 ; 1 Tim 1,9-10 ; 2 Tim 3,2-5.
[34] jer. 1 Jo 5,16-17.
[35] Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 88,2.
[36] RP 17
[37] jer. Mk 3,5-6 ; Lk 16,19-31.
[38] RP 17.
[39] Md Augustin, ep. Jo 1,6.
[40] jer. Mk 3,29 ; Lk 12,10.
[41] jer. DeV 46.
[42] Md Jean Cassien, coll. 5,2.
[43]Md GrÚgoire in Mor. 31,45.
[44] jer. Jen 4,10.
[45] jer. Jen 18,20 ; 19,13.
[46] jer. Eks 3,7-10.
[47] jer. Eks 22,20-22.
[48] jer. Det 24,14-15 ; Jak 5,4.
[49] jer. RP 16.
[50] Md Augustin, Faust. 22,27.
 

 

top