The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHAROA

Ny fiombonamben’ny olombelona

 

1877.Ny fiantsoana ny olombelona rehetra dia ny hampiseho ny endrik’ Andriamanitra sy ny ho voaova amin’ny endriky ny Zanaka Lahitokan’ny Ray. Maneho ny endrik’olona manokana io fiantsoana io, satria ny tsirairay no antsoina hiditra ao amin’ny hasambaran’Andriamanitra ; mahakasika koa ny fitambaran’ny fiombonamben’ny olombelona izany.

 

ANDALANA 1

Ny olona sy ny fiaraha-monina

 

I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona 

1878. Ny olombelona rehetra dia voantso ho amin’ny fiafarana iray ihany, dia Andriamanitra izany. Misy fifanahafana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy hajoron’izy ireo eo amin’ny samy ireo, ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana[1]. Tsy azo sarahina amin’ny fitiavana ny namana ny fitiavana an’Andriamanitra. 

1879. Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona. Tsy noforonina ho an’ny olombelona toy ny hoe zavatra nampiana ny fiainam-piaraha-monina, fa zavatra takýn’ny toetrany voa-Janahary. Ny fifampizarÓna amin’ny hafa, ny fifanampiana amin’ny asa, ary ny fifanakalozan-kevitra amin’ny havana aman-tsakaizany, no ampivelaran’ny olombelona ny talentany ; amin’izany izy no mamaly ny fiantsoana azy[2].

1880.Ny fiaraha-monina dia fitambaran’ny olona mifandray ao anatin’ny rafitra voarindra amin’ny alalan’ny fitsipika fototra mampiray, izay ambonin’ny olona tsirairay. Maharitra lalandava eo amin’ny fotoana ny fiaraha-monina, noho izy fivondronana sady hita maso no ara-panahy : manangona ny vokatry ny lasa izy sy manomana ny hoavy. Amin’ny alalany ny olona tsirairay no anisan’ny “mpandova”, mandray “talenta” izay mampivelatra ny maha-izy ny tsirairay, ka tsy maintsy ampitomboina ny vokatr’izany[3]. Ara-drariny ny ananan’ny tsirairay adidy hahafoy tena ho an’ny fikambanana misy azy, sy hanaja an’ireo manam-pahefana miandraikitra ny fananana iombonana.

1881.Ny fikambanana tsirairay no mamaritra ny momba azy amin’ny alalan’ny zava-kendreny, ary manaiky araka izany izay fitsipika manokana misy, nefa “ny olombelona” no, sady tsy maintsy, ho foto-piandohana sy antom-panaovana ary tanjom-piafaran’ny rafitra rehetra ajoro momba ny fiaraha-monina”[4].

1882.Misy ireo endri-piaraha-monina sasantsasany, toy ny fianakaviana sy ny mpiray tanÓna, no mifanandrify kokoa avy hatrany amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona. Mila azy ireny tokoa ny fiaraha-monina. Mba hanampiana ny fandraisan’ny maro an’isa anjara amin’ny fiainam-piaraha-monina, dia ilaina ny mampirisika ny olona hanorina fikambanana sy rafitra nofidýna ajoro “amin’ny zava-kendrena ara-piharian-karena, ara-kolontsaina, ara-ts˘sialy, ara-panatanjahan-tena, ara-pialam-boly, arak’asa, ara-p˘litika, sady ao anatin’ny firenena no eo amin’ny sehatra eran-tany”[5]. Izany “fampifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsirairay sy ny fikambanana isan-tokony” izany, dia mampiseho ihany koa ny fironana voa-Janahary izay manosika ny olombelona hitambatra ho fikambanana, mba hahatratrarana ireo zava-kendrena izay ambony lavitra noho ny herim-pahaizan’ny olona tsirairay. Izany no mampitombo ny hatsaran-toetran’ny olona, singanina manokana, ny toe-tsaina manombo-javatra sy mandray andraikitra. Izany no manampy amin’ny fiarovana ny zony[6]

1883.Mety hampidi-doza koa anefa ny fampifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsirairay sy ny fikambanana isan-tokony. Raha be loatra ny firotsahan’ny Fanjakana an-tsehatra amin’izany dia mety handrahona ny fahafahan’ny tsirairay sy ny faharisihany hanao zavatra. Ny fitambaram-pampianaran’ny Fiangonana dia namolavola fitsipika fototra antsoina hoe fifamenoana amam-pifanampiana. Araka azy io, “ny sokajin’ny olona lehibe, mpitondra, dia tsy tokony hitsabaka amin’ny aty fiainan’ny sokajin’olona madinika, entina, amin’ny fanesorana aminy ny fahefany manapaka amin’ny ataony, fa tokony hanohana azy aza rahefa latsaka an-katerena sy hanampy azy handrindra ny asany miaraka amin’ny an’ireo singafototra hafa izay mandrafitra ny fiaraha-monina, ho an’ny soa iombonana”[7]

1884.Tsy sitrak’Andriamanitra ny mitazona ho Azy irery ny fampiasana ny fahefana rehetra. Nomeny ny voary tsirairay ireo anjara raharaha izay mety ho vitany araka ny herim-pahaizana amam-pahazoany manao avy amin’ny toetrany manokana nahariana azy. Tsara alain-tahaka eo amin’ny fiainam-piaraha-monina io fomba fitondrana io. Ny fomba fihetsik’Andriamanitra amin’ny fitondrany an’izao tontolo izao, izay mampiseho fanajana lehibe tokoa ny fahafahan’ny olombelona, no tokony harahin’ny fahendren’ireo izay mitondra fikambanan’olona. Tokony hitondra tena sahaza ny maha-mpandraharahan’ny fitahian’Andriamanitra izy ireo.

1885.Ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana dia manohitra ny endrika rehetra fitantanana ny vokatra sy ny harena manontolo ao amin’ny kitapo tokan’ny fanjakana. Izy no manoritra ny fetra azon’ny Fanjakana irotsahana. Ny kendreny dia ny handrindra ny fifandraisana eo amin’ny tsirairay sy ny fikambanana misy. Ny ezahiny dia ny hiorenan’ny fandaminana tena izy iraisam-pirenena.

II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina 

1886. Tena ilaina ny fiaraha-monina mba hanatanterahan’ny olombelona ny fiantsoan’Andriamanitra azy. Mba hahatratrarana io tanjona kendrena io, dia tsy maintsy hajaina ireo ambaratongan-tsoatoavina marina izay “mamehy ny lafiny ara-batana sy ara-pironan’ny nofo amin’ny lafiny ao anaty sy ara-panahy”[8] :
Ny fiainam-piaraha-monina dia tokony hoheverina alohan’ny zavatra rehetra ho zava-misy momba ny ara-panahy. Satria, io fiainana io dia fifanakalozam-pahalalana ao anatin’ny fahazavam-pahamarinana, fampiasan-jo sy fanatanterahana adidy, fifaninanana mitady ny tsara ara-m˘raly, fiombonam-pahafinaretana mendrika, manoloana ny tsara, amin’ny fomba rehetra fanehoana izany ara-dalÓna, fahavononana tsy tapaka hampita amin’ny hafa ny tsara indrindra ao amin’ny tena ary faniriam-piombonana amin’ny fampitomboan-karena ara-panahy maharitra. Toy ireo rehetra ireo no soatoavina tokony hanentana sy hitari-dalana ny asa ara-kolontsaina, ny fiainana ara-piharian-karena, ny fandaminana ara-ts˘sialy, ny fikambanana sy ny lasi-pitondrana ara-p˘litika, ny didy aman-dalÓna ary ny fanehoana hafa rehetra mikasika ny fiainam-piaraha-monina ao anatin’ny fivoarany tsy tapaka[9].
1887. Ny fampifoterana ny fomba amam-pitaovana amin’ny tanjona kendrena[10], izay miafara amin’ny fanomezan-danja ho tanjom-piafarÓna an’izay fomba amam-pitaovana fotsiny ahatongavana amin’izany, na amin’ny fiheverana ny olona ho toy ny fitaovana tsotr’izao hahatratrarana ny zava-kendrena, dia miteraka rafitra tsy ara-drariny, “mahatonga ny fitondran-tena kristianina ho mafy sy sarotra tanterahina an’asa, amin’ny fampifanarahana izany amin’ny didin’ilay Andriamanitra Mpanao lalÓna”[11]

1888. Noho izany, ilaina ny mangata-bonjy amin’ny fampiasan’ny olona ireo herim-pahaizany ara-tsaina sy ara-m˘raly, sy ny mitaky lalandava ny fibebahany anaty, mba hahazoam-bokatra amin’ny fanovÓna ny fiaraha-monina izay tokony hanampy azy tokoa. Ny fanekena ho lohalaharana ny fibebahan’ny fo dia tsy manesotra velively, fa vao mainka aza mametraka, ny andraikitra hitondra fanatsarana sahaza ireo fikambanana misy sy ireo fomba amam-panao eo amin’ny fiainana, raha toa ka mitarika ho amin’ny fahotana izy ireo, ary fanatsarana mba hanitsiana azy ireo hanaraka ny fitsipi-pahamarinana, sy hampandroso ny tsara toy izay ho vato misakana izany[12]

1889. Ny olombelona, raha tsy misy ny fanampian’ny fahasoavana, dia tsy hahay “hamantatra ny sakelidalana, matetika tery, eo anelanelan’ny tsy fahasiana miady izay mamela ho amin’ny ratsy sy ny fanaovana an-keriny izay noheverina fa iadiana aminy, kanjo manamafy azy”[13]. Ny tena izy dia ny lalam-pifankatiavana, izany hoe : ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Mampiseho ny didy lehibe indrindra ara-ts˘sialy ny fitiavana. Manaja ny hafa sy ny zony izy. Mitaky ny fampanjakana ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny izy, ary izy ihany no hany hahafahantsika mampanjaka izany. Mahatarika ho amin'ny fiainam-pahafoizan-tena izy : “Izay hitady hamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy” (Lk 17,33).

 

FAMINTINANA

1890.Misy fifanafahana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy haorin’izy ireo amin’ny samy izy ireo.

1891. Mba hampivelatra ny olombelona araka ny toetrany voa-Janahary, dia mila ny fiainam-piaraha-monina izy. Misy ireo endri-piaraha-monina sasantsasany, toy ny fianakaviana sy ny mpiray tanÓna, no mifanandrify kokoa avy hatrany amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona.

1892.Ny olombelona no, sady tsy maintsy, ho foto-piandohana sy antom-panaovana ary tanjom-piafaran’ny rafitra rehetra ajoro momba ny fiaraha-monina[14].

1893.Ilaina ny mampirisika ny olona handray anjara malalaka amin’ireny fikambanana miorina sy rafitra nofidýna ajoro ireny.

1894.Araka ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana, na ny Fanjakana na ny iray amin’izay seha-pikambanana midadasika bebe kokoa, dia tsy misy mahazo misolo toerana ny olona tsirairay sy ny vondrona mpanelanelana, amin’ny fahafahany manapa-kevitra hanao zavatra sy amin’ny andraikitra sahaniny.

1895.Manana adidy hampandroso ny fampiasana ny hatsaram-panahy ny fiaraha-monina, fa tsy ho vato misakana izany. Ireo ambaratongan-tsoatoavina marina  no tokony hitsilo ny saina amin’izany.

1896.Amin’ny toerana izay hanimban’ny fahotana ny toe-javatra iainan’ny fiaraha-monina, dia ilaina ny mangata-bonjy ho amin’ny fibebahan’ny fo sy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fitiavana no manosika ho amin’ ny fanavaozan-toetra tena izy. Tsy misy vahaolana ivelan’ny Vaovao Mahafaly amin’ny olana ara-piaraha-monina[15].

 

ANDALANA 2

Ny fandraisana anjara amin’ny fiainam-piaraha-monina

 

I. Ny fahefana mifehy

1897. “Tsy hilamina sy tsy hahavokatra ny fiainan’ny mpiara-monina raha tsy misy olona omena fahefana ara-dalÓna ka hiantoka ny fiarovana ny lalÓna fototra ary hiahy, amin’ny fepetra ampy, ny soa iombonana”[16].

Ny antsoina hoe “fahefana mifehy” dia anjara raharaha izay amin’ny alalan’izany ireo olona na ireo fikambanana mijoro ara-dalÓna te hitondra olona, no hamoaka lalÓna sy rafi-pandaminana ho azy ireo, ka iandrasany ny fankatoavana izany avy amin’izy ireo.

1898. Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy azy[17]. Ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona no misy ny fototry ny fahefana mifehy. Ilaina amin’ny fampiraisana ny mpiray tanÓna izy. Ny anjara asany dia ny miantoka araka izay azo atao ny soa iombonana ho an’ny mpiara-monina.

1899. Avy amin’Andriamanitra no ipoiran’ny fahefana mifehy takýn’ny lalÓm-pitondran-tena : “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-dalÓna mampiasa fahefana, satria tsy misy fahefana tsy avy amin’ Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa. Koa izay manohitra ny fahefana dia mikomy amin’ny fandaharana nataon’ Andriamanitra, ary izay mikomy dia mihantsy fanamelohana ho an’ny tenany ihany” (R˘m 13,1-2)[18].

1900. Ny adidim-panekena no manery ny rehetra hanome voninahitra ny manam-pahefana araka izay tokony hatao aminy, hanome haja, ary araka ny mahamendri-balisoa azy ireo, hanome fankasitrahana sy haneho fitiavana ny olona izay miandraiki-draharaha amin’izany.  

Hita ao amin’ny asa soratr’i Md ClÚment de Rome, Papa, ny tranainy indrindra amin’ny vavaky ny Fiangonana ho an’ny mpifehy fanjakana[19]:

“Ry Tompo ˘, omeo azy ireo ny fahasalamana, ny fiadanana, ny fihavanana, ny tsy fiovaovÓna, mba hampiasan’izy ireo tsy misy fifandirana ny fahefana mandidy manapaka izay napetrakao tamin’izy ireo. Ianao no Tompo, any an-danitra, mpanjakan’ny taona rehetra, izay manome amin’ny zanak’olombelona, ny voninahitra, ny haja ary ny fahefana eo amin’ny zavatry ny tany. Tompo ˘, tariho ny fikasan’izy ireo, araka izay tsara, araka izay mahafinaritra eo imasonao, ka amin’ny fampiasana ombam-pitiavana ny fahefana izay nomenao azy ireo, ao anatin’ny filaminana sy ny fahalemem-panahy, no ahitan’izy ireo ny fitahianao”[20].

1901. Raha avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra ny fahefana mifehy, “ny mametra amin’izay ho lasi-pitondram-panjakana kosa, toy izany koa ny manendry izay ho mpitondra azy ireo, dia tokony havela hiankina amin’ny sitrapo malalaky ny olom-pirenena”[21].

Ny faha-samihafa ireo lasi-pitondram-panjakana dia azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena, raha toa ireo ka manampy amin’ny soa ara-drariny ho an’ ny vahoaka izay nifidy azy. Ny lasi-pitondrana izay manana fomba aman-toetra mifanohitra amin’ny lalÓna voa-Janahary, amin’ny filaminam-bahoaka ary amin’ny zo fototra maha-olona, dia tsy afaka hahatanteraka ny soa iombonan’ny firenena izay nampaneken’izy ireo.

1902. Tsy avy amin’ny tenany no hahatonga ny fahefana mifehy ho ara-dalÓna ara-m˘raly. Tsy tokony hanao teniko fe lehibe sy didy boraingona izy, fa hiasa ho an’ny soa iombonana, ka mova tsy “hery m˘raly miorina amin’ny fahafahana sy ny fahatsapan-tena ho tompon’andraikitra”[22] :

Ny didy aman-dalÓnan’ny olombelona dia tsy mifono toetran-dalÓna, raha tsy manaraka ny saina marina izy ; na avy aiza na avy aiza ipoirany, dia avy amin’ny lalÓna mandrakizay no haharetan’ny heriny. Arakaraka izay ihatahany amin’ny saina, no tsy maintsy hanambarÓna fa tsy ara-dalÓna izy, satria tsy nanamarina ny fiheverana momba ny lalÓna izy ; raha ny marina, endrika fisehoan’ny herisetra izy[23].
1903. Tsy miasa ara-dalÓna ny fahefana mifehy raha tsy ny soa iombonan’ny vondron’olona noheverina ho amin’izany no katsahiny, ary mba hahatratrarany izany, dia ny fomba ara-pitsipi-pitondran-tena eken’ny lalÓna no ampiasainy. Raha sendra mamoaka lalÓna tsy rariny na mandray fepetra mifanohitra amin’ny lalÓm-pitondran-tena ny mpitondra, dia tsy hahavita handidy ny k˘nsiansy akory ireny fepetra ireny. “Amin’ny toe-javatra toy izany, mitsahatra eo ny maha-fahefana mifehy azy fa mivadika ho famoretana izy”[24].

1904. “Tsaratsara kokoa ny fahefana rehetra, raha ampifandanjana amin’ny fahefana hafa sy amin’ny fahefana manapaka hafa izay mampaharitra azy ao anaty fetra ara-drariny. Izany no fitsipika fototry "ny Fanjakana tan-dalÓna" izay ny lalÓna amin’izany no tompon’ny fahefana mandidy manapaka, fa tsy ny sitrapo jadon’ny olombelona”[25].

II. Ny soa iombonana 

1905. Araka ny toetra voa-Janahary ny fiaraha-monin’ny olombelona, dia tsy maintsy ampifandraisana amin’ny soa iombonana ny soa ho an’ny tsirairay. Tsy mety ho voafaritra mazava ny hoe soa iombonana raha tsy ampifandraisina amin’ny maha-olombelona ny olombelona :

Aza miolonolona mihitsy ianareo, na manavaka ny tenanareo, tahaka ny hoe efa nohamarinina ery, fa miang˛na ianareo mba hiara-mikatsaka izay mikasika ny tombon-tsoa iombonana[26].

1906.Ny hoe soa iombonana, dia “ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra na ny mpikambana tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa”[27]. Mahasoa ny fiainan’ny rehetra ny soa iombonana. Mitaky fahamalinana avy amin’ny tsirairay izy, fa indrindra avy amin’ireo izay misahana fahefana mifehy. Misy singafototra telo tsy azo avela aminy :

1907.Ny ilainy voalohany dia ny fanajana ny olona amin’ny maha-olona azy. Amin’ny anaran’ny soa iombonana, dia tsy maintsy manaja ny zo fototra sy tsy azo foanana ananan’ny olona ny Fanjakana. Tsy maintsy avelan’ny fiaraha-monina ny isam-batan’olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan’ Andriamanitra azy. Amin’ny fomba manokana, ny soa iombonana dia miorina amin’ny fepetra fampiasana ny fahafahana voa-Janahary izay ilaina ho an’ny fivelaran’ny fiantsoana ny olombelona : “Anisan’izany : ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny k˘nsiansiny, ny zo amin’ny fiarovana ny fiainana manokana sy amin’ny fahalalahana ara-drariny, ao anatin’izany ny fahalalana ara-pivavahana”[28].

1908.Faharoa manaraka izany, ilain’ny ny soa iombonana ny fiadanan’ny mpiara-monina sy ny fampandrosoana ny vondrona amin’ny maha-izy azy. Ny fampandrosoana no famintinana ny adidy rehetra ara-piaraha-monina. Marina fa anjaran’ny fahefana mifehy ny manelanelana, amin’ny anaran’ny soa iombonana, eo amin’ny tombon-tsoa samihafa an’ny tsirairay. Kanefa tokony hataony izay hahafahan’ny isam-batan’olona mahazo ny ilaina mba hananany fiainana mendrika ny maha-olona marina tokoa : sakafo, fitafiana, fahasalamana, asa, fanabeazana sy fampivoarana ara-tsaina, fahalalam-baovao mendrika, zo hanorina tokantrano, sns[29]

1909.Farany, ilain’ny soa iombonana ny fandriampahalemana, izany hoe ny faharetana sy ny filaminan-tsaina avy amin’ny filaminana marina. Koa ilainy Óry ny hiantohan’ny fahefana mifehy, amin’ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain’ny mpiara-monina sy ny an’ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken’ny lalÓna ataon’ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra. 

1910.Isaky ny fikambanan’ny olona dia samy manana soa iombonana izay ahafahany mahalala ny tenany amin’ny maha-izy azy, fa ao amin’ny vondrom-bahoaka kosa no ahitana ny fahatanterahany feno indrindra. Anjaran’ny Fanjakana ny miaro sy ny mampandroso ny soa iombonan’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena, ny olom-pirenena ary ny fikambanana mpanelanelana. 

1911.Mihamitombo ny fifampiankinan’ny olombelona. Miitatra tsikelikely manerana ny tany tontolo izany. Ny mahairay ny fianakavian’olombelona, amin’ny famondronana ny olona mizaka ny fahamendrehana voa-Janahary mitovy, dia mahatonga ny soa iombonana ho an’ny daholobe. Io soa iombonana io dia mitaky fandaminana avy amin’ny fikambanan’ny firenena rehetra, ahavitana “miahy ny zavatra samihafa ilain’ny olona, eo amin’ny lafim-piainana ara-ts˘sialy (sakafo, fahasalamana, fanabeazana …), tahaka izany koa ny hiatrehana ireo toe-javatra tsirairay maro izay mety hiseho etsy na eroa (ohatra : manampy ara-bola amin’ny fahantran’ireo mpialokaloka any an-tanin’olona, ny fanampiana an’ireo mpifindra monina sy ny fianakavian’izy ireo …)”[30].

1912.Tantanina lalandava ho amin’ny fivoaran’ny olona ny soa iombonana : “Tokony hofehezin’ny rafi-pandaminan’ny olona ny rafi-pandaminana ny zavatra samihafa, fa tsy ny mifanohitra amin’izany tsy akory”[31]. Ny fahamarinana no fototr’io rafi-pandaminana io, ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny no iorenany, ny fitiavana no mamelombelon’aina azy.

III. Andraikitra sy fandraisana anjara

1913. Ny fandraisana anjara no firotsahan’ny olona an-tsitrapo sy malala-tanana eo amin’ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Ilaina ny andraisan’ny rehetra anjara, samy araka ny toerana misy azy sy ny anjara asa sahaniny, hampandrosoana ny soa iombonana. Adidy tsy afa-misaraka amin’ny fahamendrehan’ny olombelona izany. 

1914. Ny fandraisana anjara aloha dia tanteraka amin’ny fandraisana ho andraikitra eo amin’ny sehatra izay izakana ny adidin’ny olona tsirairay : amin’ny fikarakarana atao amin’ny fanabeazana ny fianakaviany sy amin’ny fahatsiarovan-tena amin’ny asany, no andraisan’ny olombelona anjara amin’ny soa avy amin’ny hafa sy avy amin’ny fiaraha-monina[32].

1915. Ny olom-pirenena dia tokony handray anjara amim-pahavitrihana araka izay azo atao amin’ny fiainam-bahoaka. Ny fombafomba amin’io fandraisana anjara io dia mety miovaova arakaraka ny tany onenana sy ny kolontsain’ny mponina. “Tokony hoderaina ny fomba fiasa amam-pihetsiky ny firenena izay misy olom-pirenena faran’izay betsaka indrindra mandray anjara amin-kalalahana amin’ny raharaham-pirenena”[33]

1916.Ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampiasana ny soa iombonana, toy ny adidy rehetra araka ny lalÓm-pitondran-tena, dia mitarika fibebahan’ ireo mpiombon’antoka ara-piaraha-monina, izay fibebahana avaozin’izy ireo tsy an-kijanona. Ny fitaka sy ny hafetsifetsena samihafa izay amin’ny alalan’ireny no andosiran’ny sasany amin’ny faneren’ny lalÓna sy amin’ny fandidian’ny adidy ara-piaraha-monina dia tsy maintsy helohina mafy tokoa, satria tsy mifanaraka amin’ny takýn’ny rariny. Tokony ho karohina ny hampandroso ireo fikambanana mijoro, izay hanatsara ny toe-piveloman’ny olona[34].

1917. Anjaran’ireo mizaka ny fahefana mifehy ny manamafy ny soatoavina izay hahasarika ny fitokian’ny mpikambana rehetra ao anatin’ireny fikambanana ireny sy hamporisika azy ireo hirotsaka hanasoa ny naman’ izy ireo. Manomboka amin’ny fanabeazana sy ny fampivoarana ara-tsaina ny fandraisana anjara. “Azo lazaina marina fa ny hoavy dia eo am-pelatanan’ireo izay hahay hanome ho an’ny fara aman-dimby rahampitso ny anton’ny ahavelomana sy anantenana”[35].

 

FAMINTINANA

1918.Tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa (R˘m 13,1).

1919. Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy mba haharetany sy hiitarany.

1920.Ao amin’ny toetra maha-olombelona ny olombelona no fototra iorenan’ ny fiainam-bahoaka sy ny fahefan’ny Fanjakana, ary ao amin’izany no iankinan’izy ireo avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra[36].

1921.Miasa amin’ny fomba ara-drariny ny fahefana mifehy raha milofo amin’ ny fikatsahana ny soa iombonan’ny fiaraha-monina izy. Mba hahatratrarany izany, dia tsy maintsy mampiasa ny fomba azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy.

1922. Ara-dalÓna ny faha-samihafa ireo lasi-pitondram-panjakana, raha toa ka manampy ho amin’ny soa iombonan’ny vahoaka izy ireny.

1923.Ny mpifehy fanjakana dia tsy maintsy manaraka ny fetran’ny lalÓm-pitondran-tena sy miantoka ny fepetra amin’ny fampiasana ny fahafahana.

1924.Ny hoe soa iombonana dia ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra sy ny olona tsirairay mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa[37].

1925.Misy singafototra telo tsy azo avela ny soa iombonana : ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona ; ny fitomboana na fandrosoan’ ny soa aman-karena ara-panahy sy ny soa aman-karena ara-batana ho an’ny fiaraha-monina ; ny fandriampahalemana sy ny filaminan-tsain’ny vondron’olona sy ny mpikambana ao aminy.

1926.Ny fahamendrehan’ny olombelona no mampikatsaka ny soa iombonana. Ny tsirairay no tokony hisaintsaina hanangana sy hanohana ireo fikambanana izay manatsara ny toe-piveloman’ny olombelona.

1927.Anjaran’ny Fanjakana ny miaro sy ny mampandroso  ny soa iombonan’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena. Ny soa iombonan’ny fianakaviam-ben’ny olombelona manontolo dia mitaky fandaminana avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena.

 

ANDALANA 3

Ny fahamarinana ara-piaraha-monina

 

1928.Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin’ny fanatanterahany ny fepetra ahafahan’ny fikambanana sy ny isam-batan’olona mahazo ny zon’izy ireo araka ny fomba aman-toetran’izy ireo sy ny fiantsoana azy ireo. Mifamatotra amin’ny soa iombonana sy amin’ny fampiasana ny fahefana ny fahamarinana ara-piaraha-monina.

I. Ny fanajana ny olombelona

1929. Tsy ho azo ny fahamarinana ara-piaraha-monina, raha tsy hajaina ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny olona no iafaran’ny tanjon’ny fiaraha-monina, izay narindra ho azy :

Nankinin’ny Mpahary amintsika  ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny fahamendrehan’ny olombelona. Amin’ny fisehon-javatra rehetra eo amin’ny tantara, ny lehilahy sy ny vehivavy no tompon’andraikitra sy mizaka an’izany tanteraka[38].

1930. Mitaky fanajana ireo zo izay avy amin’ny fahamendrehan’ny maha-zavaboary azy, ny fanajana ny olombelona. Talohan’ny fiaraha-monina sy tsy maintsy ekeny, ireny zo ireny. Manorina ny maha-ara-dalÓna amin’ny lafiny m˘raly ny fahefana rehetra ireny : ny fiaraha-monina maniratsira ireny, na manda ny hankato azy ireny ao amin’ny didy aman-dalÓnany manan-kery, dia manimba tsikelikely ny maha-ara-dalÓna azy amin’ny lafiny m˘raly[39]. Raha tsy misy fanajana toy izany, dia tsy afaka miantehitra afa-tsy amin’ny fanerena na ny herisetra mba hahazoana ny faneken’ny olona entiny, ny fahefana iray. Anjaran’ny Fiangonana ny mampahatsiahy ireny zo ireny ao an-tsain’ny olona tsara sitrapo, sy ny manavaka azy ireny amin’ny fitakiana tafahoatra na tsy marina. 

1931.Ny fanajana ny olombelona dia miainga amin’ny fanajana ny fitsipika fototra hoe : “Aoka ny tsirairay hihevitra ny namany ho toy ny "tenany", tsy asiana fanavahana, ka hatao voaloham-piheverana ny fiainany sy ny zavatra ilainy hoenti-manana fiainana mendrika”[40]. Tsy misy didy aman-dalÓna na iray aza mahavita manafoana amin’ny alalan’ny tenany ihany ny tahotra, ny fitsarÓna an-tendrony, ny fihetsika maneho avonavona sy fitiavan-tena tafahoatra izay mahatonga vato misakana amin’ny fananganana fiaraha-monina ao anatin’ny fihavanana marina tokoa. Ireny fihetsika amam-pitondran-tena ireny dia tsy hitsahatra afa-tsy amin’ny fifankatiavana ka mihevitra ny olona tsirairay ho “namana”, ho mpiray tam-po mbamin’ny havana.

1932.Ny adidy hahatonga ho namana ny hafa sy ny hanompo azy amim-pahavitrihana dia manjary maika kokoa indray rahefa ianjadiam-pahasahiranana izy io, na inona na inona izany fahasahiranana izany. “Isaky ny manao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko” (Mt 25,40).

1933.  Mahakasika izany adidy izany koa, ireo tsy mitovy amintsika na amin’ny hevitra na amin’ny atao. Tonga hatramin’ny fitakiana ny famelana ny fahotana ny fampianaran’i Kristy. Mampivelatra ny didim-pitiavana izany, izay tsy inona fa ny an’ny LalÓna vaovao, dia ny fitiavana ny fahavalo rehetra[41]. Ny fanafahana araka ny toe-panahin’ny Evanjely dia tsy azo ampiarahana amin’ny fankahalana ny fahavalo amin’ny maha-olona azy, fa amin’ny fankahalana ny ratsy izay ataony amin’ny maha-fahavalo azy.

II.Fitoviana sy faha-samy hafa eo amin’ny olombelona 

1934. Noho ny olombelona rehetra noarýna mitovy endrika amin’Andriamanitra, nomena fanahy manan-tsaina iray ihany, dia manana fomba aman-toetra iray ihany sy fiandohana iray ihany izy ireo. Noho izy ireo navotana tamin’ny soron’i Kristy, dia voantso handray anjara amin’ny hasambaran’ Andriamanitra iray ihany izy rehetra : mifaly amin’ny fahamendrehana mitovy izany ny olona rehetra.

1935. Ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona rehetra dia mifototra indrindra amin’ny fahamendrehan’izy ireo tsirairay sy ny zo avy amin’izany :

Na inona na inona endri-panavakavahana mahakasika ny zo fototra maha-olona, na miorina amin’ny maha-lahy sy maha-vavy izany, na amin’ny firazanana, amin’ny volon-koditra, amin’ny toe-piainana ara-ts˘sialy, amin’ny fiteny na amin’ny finoana amam-pivavahana, dia tsy maintsy ialana, satria manohitra ny fandaharan’Andriamanitra[42].

1936. Raha vao tonga teto an-tany ny olombelona, dia tsy hoe ananany avokoa izay rehetra mety ilainy amin’ny fivoaran’ny fiainany, ara-batana sy ara-panahy. Mila ny hafa izy. Maro ny faha-samy hafa miseho amin’ny taona, amin’ny hery aman-toe-batana, amin’ny fironana ara-tsaina na ara-m˘raly, amin’ny fifanakalozana izay tokony hahazoan’ny tsirairay tombon-tsoa, amin’ny fitsinjarana  ny harena[43]. Tsy nozaraina mitovy koa ny “talenta”[44]

1937.Anisan’ny drafitr’asan’Andriamanitra ireo faha-samy hafa ireo, satria tiany ny handraisan’ny tsirairay izay ilainy avy amin’ny hafa, ary ireo izay manana “talenta” manokana, dia hampita ny soa avy amin’izany amin’ireo izay mila izany. Mamporisika ary matetika manery ny olona ho amin’ny herim-po, amin’ny fahalemem-panahy ary ny fifampizarÓna, ny faha-samy hafa ; mitaona ny kolontsaina koa ny faha-samy hafa mba hampitombo raki-tsoan’ny andaniny sy ny ankilany :

Tsy hanome mitovy ny herim-panahy rehetra amin’ny tsirairay aho. (…) Maro izay nozaraiko tamin’ny fomba toy izany, mbetika amin’ny anankiray, mbetika amin’ny hafa. (…) Amin’ny iray, ny fitiavana ; amin’ny hafa, ny fahamarinana ; amin’ity farany ity indray, ny fanetren-tena, amin’iry voalohany iry kosa, ny finoana velona. (…) Raha ny amin’ny soa aman-karena ara-batana, izay zavatra ilaina amin’ny fiainana maha-olombelona, dia nizara izany tao anatin’ny tsy fitoviana tanteraka aho, ary tsy sitrako ny hananan’ny tsirairay izay rehetra ilainy, mba hahatonga ny olona rehetra, ao anatin’ny fahaporetana, hanao asam-pifankatiavana eo amin’izy ireo samy izy ireo. (…) Sitrako raha izy ireo samy izy ireo no mifampila ary izy ireo no ho mpandraharahako amin’ny fizarazarana ny fahasoavana sy ny fanomezana izay noraisin’ izy ireo tamiko[45].

1938.Misy koa ny tsy fitoviana tsy ara-drariny izay mahavoa ny lehilahy sy ny vehivavy an-tapitrisany. Tena fanoherana an-kitsirano ny Evanjely izany  : 
Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny maha-olona dia mitaky ny ahatongavan’ ny olona amin’ny toe-piainana ara-drariny kokoa sy mendrika ny maha-olona kokoa. Mahatonga fanafintohinana ny tsy fitoviana mihoa-pampana ara-toe-karena sy ara-ts˘sialy eo amin’ny mpikambana na eo amin’ny firenena ao anatin’ny fianakaviana tokan’ny olombelona. Mahatonga vato misakana izany amin’ny rariny ara-ts˘sialy, amin’ny fahitsiana, amin’ny fahamendrehan’ny maha-olombelona, tahaka izany koa amin’ny fandriampahaleman’ny mpiara-monina sy ny firenena rehetra[46].

III. Ny firaisan-kinan’ny olombelona

1939.Ny firaisan-kina, antsoina koa hoe “fihavanana” na “fifankatiavan’ny mpiara-monina”, dia takýn’ny fifankatiavana mivantana toy ny mpiray tam-po amin’ny maha-olombelona sy maha-kristianina[47]
Ny hadisoana, “izay mihanaka tokoa amin’izao andro izao”, dia ny fanadinoana io lalÓnan’ny firaisan-kinan’ny olombelona sy ny fifankatiavana io, izay atoro sy didian’ny fototra iray niandohana sy ny toetra maha-olona misaina ny olombelona rehetra, na inona na inona firenena misy azy ireo, ary koa atoro sy didian’ny sorom-panavotana natolotr’i Jesoa-Kristy teo amin’ny ˘telin’ny Hazofijaliana tamin’ny Rainy any an-danitra, ho soa hoan’ny olombelona mpanota”[48].
1940. Ny voalohany isehoan’ny firaisan-kina dia eo amin’ny fitsinjarana ny soa sy ny karama amin’ny asa. Mitaky ezaka koa izany, ho amin’ny fandaminana ny fiaraha-monina ara-drariny kokoa, izay hampihena tsikelikely kokoa ireo fifanolanana, sy hahitan’ireo fifanoherana moramora kokoa ny lalan’ny fifanarahan’izy ireo.  

1941.Tsy mety ho voavaha afa-tsy amin’ny fanampiana rehetra miendrika firaisan-kina ny olana ara-ts˘sialy sy ara-toe-karena : firaisan-kinan’ny mahantra amin’izy samy izy, ny mpanankarena sy ny mahantra, ny mpiasa samy mpiasa, ny mpampiasa sy ny mpiasa eo amin’ny orinasa, firaisan-kina eo amin’ny samy firenena sy ny samy vahoaka. Takýn’ny lalÓm-pitondran-tena ny firaisan-kina iraisam-pirenena. Anisan’ny iainkinan’ny fandriampahaleman’izao tontolo izao izany. 

1942.Ny hasin’ny firaisan-kina dia ambony lavitra noho ny harena ara-pitaovana. Ny Fiangonana, amin’ny fampielezana ny harem-panahy avy amin’ny finoana, dia mamampy avy amin’izany koa ny fampandrosoana ny harena ara-batana, izay amin’izany izy no matetika manokatra lalam-pandrosoana vaovao. Amin’izany no voamarina, eo amin’ny taonjato mifandimby, ny tenin’ny Tompo hoe : “Katsaho Óry aloha ny Fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny” (Mt 6,3) :

Hatramin’ny roa arivo taona no niainana sy nitozoana tao anatin’ny fanahin’ny Fiangonana io fahalalana marina io izay nanosika sy mbola manosika ny olona ho amin’ny herim-po be fitiavan’ireo mpitoka-monina mpamboly, ireo mpanafaka ny andevo, ireo mpitsabo ny marary, ireo iraka mpampita ny finoana, ny sivilizasi˘nina, ny siansa amin’ny taranaka rehetra mifandimby sy amin’ny vahoaka rehetra mba hamoronana fomba fiainam-piaraha-monina afaka hahatonga ny fiainan’ny rehetra ho fiainana mendrika ny olombelona sy ny kristianina[49].

 

FAMINTINANA

1943.Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin’ny fanatanterahany ny fepetra ahafahan’ny fikambanana sy ny isam-batan’olona mahazo ny zon’izy ireo.

1944. Ny fanajana olona dia ny mihevitra ny hafa  ho toy ny tena mihitsy. Mitaky ny fanajana ny zo fototra izay avy amin’ny fahamendrehana anaty eo amin’ny olona izany.

1945.Ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona rehetra dia mifototra amin’ny fahamendrehan’izy ireo tsirairay sy ny zo avy amin’izany.

1946.Ny faha-samy hafa eo amin’ny samy olombelona rehetra dia anisan’ny fandaharan’Andriamanitra izay mila antsika hifanampy sy hifanohana. Tokony hanentana  ny fifankatiavana ny faha-samy hafa.

1947.Ny fitovian’ny fahamendrehan’ny olombelona dia mitaky ezaka mba hampihena ny tsy fitoviana mihoa-pampana ara-piaraha-monina sy ara-toe-karena. Manosika ho amin’ny fanafoanana  ny tsy fitoviana vokatry ny tsy an-drariny izany fitoviam-pahamendrehana izany.

1948. Ny firaisan-kina dia herim-panahy ambony tokoa maha-kristianina. Izy no manatanteraka ny fifampizarÓna ny harena ara-panahy mihoatra kokoa noho ny harena ara-pitaovana.

 
 
[1] jer. FAA 24, ž 3.
[2] jer. FAA 25, ž 1.
[3] jer. Lk 19,13.15.
[4] FAA 25, ž1.
[5] MM 60.
[6] jer. FAA 25, ž 2 ; CA 16.
[7] CA 48 ; jer. Pie XI, enc. "Quadragesimo anno".
[8] CA 36.
[9] PT 36.
[10] jer. CA 41.
[11] Pie XII, lahateny tamin’ny 1 jona 1941.
[12] jer. FF 36.
[13] CA 25.
[14] FAA 25, ž 1.
[15] jer. CA 5.
[16] PT 46.
[17] jer. LÚon XIII, enc. "Diuturnum illud" ; enc.  "Immortale Dei".
[18] jer. 1 Pi 2,13-17.
[19] jer. 1 Tim 2,1-2.
[20] ClÚment de Rome, Cor. 61,1-2.
[21] FAA 74, ž3.
[22] FAA 74, ž2.
[23] Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 93,3,ad 2.
[24] PT 51.
[25] CA 44.
[26] Barnabe, ep. 4,10.
[27] FAA 26, ž1 ; jer. FAA 74, ž1.
[28] FAA 26, ž2.
[29] jer. FAA 26, ž2.
[30] FAA 84, ž2.
[31] FAA 26, ž3.
[32] jer. CA 43.
[33] FAA 31, ž3.
[34] jer. FAA 30, ž1.
[35] FAA 31, ž3.
[36] FAA 74, ž 3
[37] FAA 26, ž 1.
[38] SRS 47.
[39] jer. PT 61.
[40] FAA 27, ž1.
[41] jer. Mt 5,43-44.
[42] FAA 29, ž2.
[43] jer. FAA 29, ž2.
[44] jer. Mt 25,14-30 ; Lk 19,11-27.
[45] Mb CathÚrine de Sienne, dial.7.
[46] FAA 29, ž3.
[47] jer. SRS 38-40 ; CA 10.
[48] Pie XII, enc. "Summi pontificatus".
[49] Pie XII, lahateny tamin’ny 1 jona 1941.
 

 

top