The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHATELO

Ny famonjen’Andriamanitra : ny lalÓna sy ny fahasoavana

 

1949.Ny olombelona, noho izy voantso ho amin’ny hasambarana, saingy voaratran’ny fahotana, dia mila ny famonjen’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy no andraisany an’io famonjen’Andriamanitra io, amin’ny alalan’ny lalÓna izay mitari-dalana azy sy amin’ny fahasoavana izay manohana azy :

MiasÓ ianareo amin-tahotra sy hovitra, mba hahatomombana ny famonjena anareo : fa eo rahateo Andriamanitra izay manao indray miaraka, ny hahatonga anareo hikasa sy hahatanteraka koa izay mifanaraka amin’ny fandaharam-pitiavany (Filip 2,12-13).

 

 

ANDALANA 1

Ny lalÓna m˘raly

 

1950. Tsanganasan’ny Fahendren’Andriamanitra ny lalÓna m˘raly. Amin’ny hevitra ara-baiboly, dia azo faritana hoe : fampianaran’ny ray, fahaizan’ Andriamanitra manabe, ny lalÓna m˘raly. Mibaiko ny olona izy, hanaraka ny lalana sy ny fitsipiky ny fitondran-tena izay mitondra mankamin’ny hasambarana nampanantenaina ; mandrara izy, tsy hanaraka ny lalan’ny faharatsiana izay mampihodina tsy ho amin’Andriamanitra sy ny fitiavany. Sady mafy tsy voahozongozona izy amin’ny fitsipiny, no mahatehotia amin’ny fampanantenany. 

1951.Ny lalÓna dia fitsipika momba ny fitondran-tena avoakan’ny manam-pahefana manapaka, ka ho ampiharina mba hitsinjovana ny soa iombonana. Ny lalÓna m˘raly dia mitaky fandaminana tsara fototra eo amin’ny samy zavaboary, mba hahazoan’izy ireo ny soa ho an’ny tenan’izy ireo sy mba hahatongavan’izy ireo amin’ny tanjona fiafaran’izy ireo ; ny fahefan’ny Mpahary sy ny fahendreny ary ny hatsaram-pony no nanorina io fandaminana io. Ao amin’ny lalÓna mandrakizay no ahitan’ny lalÓna rehetra ny fahamarinany voalohany sy farany. Ambaran’ny saina sy raiketiny fa ny lalÓna dia fandraisana anjara amin’ny fitahian’ Andriamanitra velona, Mpahary sy Mpanavotra ny olona rehetra. “Izany fandaminan’ny saina izany no antsoina hoe lalÓna”[1]
Ny olombelona, noho ny maha-tokana azy eo anivon’ny zavamananaina rehetra, dia afaka mirehareha fa  natao ho mendrika handray ny lalÓna avy amin’Andriamanitra : amin’ny maha-biby manan-tsaina azy, afaka mahatakatra an-tsaina sy mandanjalanja, dia izy no hanitsy ny fitondran-tenany amin’ny fahazoa-mampiasa ny fahafahany sy ny sainy, amin’ny fankatoavana an’Ilay izay nanome azy ny zavatra rehetra[2].

1952.Maro samihafa ny fomba fiteny momba ny lalÓna m˘raly, ary mifandray avokoa izy rehetra : ny lalÓna mandrakizay, ao amin’Andriamanitra sy loharanon’ny lalÓna rehetra ; ny lalÓna voa-Janahary ; ny lalÓna nambara izay misy ny LalÓna taloha sy ny LalÓna vaovao na araka ny Evanjely ; farany, ny lalÓm-panjakana sy ny lalÓm-piangonana.

1953.Ao amin’i Kristy no ahitan’ny lalÓna m˘raly ny fahatanterahany sy ny maha-iray azy. Ny Tenan’i Jesoa-Kristy mihitsy no lalan’ny fahalavorariana. Izy no anton’ny lalÓna, satria Izy irery no mampianatra sy manome ny fahamarinan’Andriamanitra : “I Kristy ihany no anton’ny lalÓna, mba ho fanamarinana an’izay rehetra mino” (R˘m 10,4).

I. Ny lalÓna m˘raly voa-Janahary 

1954.Ny olombelona dia mandray anjara amin’ny fahendrena sy ny hatsaram-pon’ny Mpahary izay manome azy ny fahaiza-mifehy ny asany sy ny herim-pahazoany mitondra ny tenany ho amin’ny marina sy ny soa. Ny lalÓna voa-Janahary no manambara ny hevitra ara-m˘raly hatrany am-piandohana izay ahafahan’ny olombelona manavaka amin’ny alalan’ny saina ny atao hoe : tsara sy ratsy, marina sy lainga :

Ny lalÓna voa-Janahary dia voasoratra sy voasokitra ao amin’ny fanahin’ny olona rehetra sy ny isam-batan’olona, satria izy no sain’ olombelona mandidy hanao ny tsara sy mandrara tsy hanota. (…) Kanefa tsy afaka hanan-kery ho lalÓna io didin’ny sain’olombelona io, raha tsy manjary ho ilay feo sy mpitondra tenin’ny fahendrena ambonimbony kokoa izay tsy maintsy ankatoavin’ny saintsika sy ny fahafahantsika[3].

1955.Mampiseho amin’ny olombelona ny lalan-kombÓna mba hanaovana ny tsara sy hahatratrarana ny zava-kinendriny, ny “lalÓnan’Andriamanitra sy ny lalÓna voa-Janahary”[4]. Milaza ny didy voalohany sy tsy azo avela izay mitantana ny fiainana ara-m˘raly, ny lalÓna voa-Janahary. Ny faniriana sy ny fankatoavana an’Andriamanitra, fototra iandohana sy mpanelanelana ny soa rehetra, tahaka izany koa ny fiheverana ny hafa ho mitovy amin’ny tena ihany, no foiben’ny lalÓna voa-Janahary. Voavelabelatra araka ny votoatin’ ny fampianarany ao amin’ny Didy folo, io lalÓna voa-Janahary io. Antsoina hoe voa-Janahary io lalÓna io, tsy hoe noho izy anondroana ny toetran’ny zavaboary tsy manan-tsaina, fa satria ny saina izay mandidy azy dia an’ny maha-olombelona manokana :

Aiza Óry izany no voasoratra ireny fitsipika ireny, raha tsy ao amin’ny bokin’ilay fahazavana izay antsoina hoe ny Fahamarinana ? Ao no voasoratra ny lalÓna marina rehetra, avy ao no iampitan’ny lalÓna marina rehetra ao am-pon’ny olombelona izay manatanteraka ny marina sy ny rariny, tsy hoe mifindra monina ao amin’ny olombelona izy, fa mametaka marika ao, amin’ny fomban’ny fitomboka izay toy ny ampandalovana ny peratra amin’ny savoka, nefa tsy miala ny peratra[5].

Tsy hafa tsy akory ny lalÓna voa-Janahary fa fahazavan-tsaina napetrak’Andriamanitra ao amintsika ; amin’ny alalan’izany no ahafantarantsika izay tokony hatao sy izay tokony hofadýna. Izany fahazavana na lalÓna izany, dia nomen’Andriamanitra tamin’ny fahariana[6]

1956. Ny lalÓna voa-Janahary, noho izy mitoetra ao am-pon’ny olombelona tsirairay sy porofoin’ny saina, dia manerana ny tontolo amin’ny didiny ary mivelatra amin’ny olon-drehetra ny fahefany mandidy. Maneho ny fahamendrehan’ny olona sy mamaritra ny fototry ny zony mbamin’ny votoatin’ adidiny izy :

Misy tokoa ny lalÓna marina, dia ny saina mahitsy ; mifanaraka amin’ny toetra voa-Janahary izy ary miely eo amin’ny olombelona rehetra ; tsy miovaova sy maharitra mandrakizay izy ; mitaky adidy ny baiko omeny; mampivily tsy ho amin’ny fahadisoana ny fandrarÓna ataony. (…) Sakrilezy ny manolo izany amin’ny lalÓna mifanohitra aminy ; voarara ny tsy mampihatra na dia ny fepetra iray monja voalaza ao amin’izany aza ; raha ny amin’ny hoe hanafoana azy tanteraka kosa, tsy misy olona afaka manao izany[7].

1957.Miovaova be ihany ny fampiharana ny lalÓna voa-Janahary ; mety hitaky fandinihana mifanaraka amin’ny hamaroan’ny fomba iainana, arakaraka ny toerana, ny fotoana ary ny fisehon-javatra izy. Ny lalÓna voa-Janahary anefa, ao anatin’ny hamaroan’ny kolontsaina, dia maharitra ho fitsipika mampifandray ny samy olombelona, sy mampanao azy ireo fitsipika fototra iombonana, ankoatra ny tsy fitoviana tsy azo ialana. 

1958.Tsy miovaova[8] ny lalÓna voa-Janahary, ary maharitra eny am-pamakivakiana ny fiovaovan’ny tantara eny ; velona maharitra ihany izy ao anaty habetsahan’ny fombam-pisainana sy ny fombam-piainana amam-pitondran-tena, sy manampy amin’ny fivoaran’izany. Mijanona ho manan-kery amin’ny maha-fitsipika azy, ireo fitsipika izay mampiseho ny lalÓna voa-Janahary. Na dia hoe holavina hatramin’ny fitsipika fotony aza, dia tsy misy afaka handrava izany na hanesotra izany ao am-pon’ny olombelona. Fa mitranga mandrakariva eny ihany izy, amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny vahoaka :

Sazýn’ny lalÓnanao marina tokoa ny halatra, ry Tompo, sy sazýn’ny lalÓna izay voasoratra ao am-pon’ny olombelona ary tsy voakosoky ny tsy fahamarinana mihitsy[9].

1959. Ny lalÓna voa-Janahary, noho izy tsanganasa tsara tokoa an’ny Mpahary, no miantoka ireo fototra mafy orina, izay eo ambonin’izany no ahafahan’ ny olombelona manorina vondrom-pitsipika ara-m˘raly izay hitari-dalana ny safidiny. Izy koa no mametraka ny fototra ara-m˘raly ilaina ho fanorenana ny fiombonamben’ny olombelona. Farany, izy no mampahazo ny fototra ilaina amin’ny lalÓm-panjakana izay mifandray aminy, ka amin’ny alalan’ny fandinihana mba amoahana ny fehin-kevitry ny fitsipika fototra avy aminy no anaovana izany, na amin’ny alalan’ny fanampiana araka ny fomba azo antoka sy ara-dalÓna.

1960. Tsy ny rehetra dia hahatsapa avokoa amin’ny fomba mazava sy eo no eo ny didy avy amin’ny lalÓna voa-Janahary. Amin’ny toe-javatra ankehitriny, ilaina ho an’ny olombelona mpanota ny fahasoavana sy ny fanambarÓna, mba ho fantatry “ny rehetra ary tsy misy fahasarotana, omban’ny fitokiana mafy orina sy tsy mifangaro fahadisoana”[10] ny fahamarinana ara-pivavahana sy ara-m˘raly. Ny lalÓna voa-Janahary no ahazoan’ny lalÓna nambara sy ny fahasoavana, ny foto-piorenana nomanin’Andriamanitra sy nampifanarahina tamin’ny tsanganasan’ny Fanahy.

II . Ny LalÓna taloha

1961. Andriamanitra, ilay Mpahary antsika sy Mpanavotra antsika, dia nifidy an’i Israely ho vahoakany sy nanambara taminy ny LalÓnany, sady nanomana tamin’izany ny fahatongavan’i Kristy. Fahamarinana maro takatry ny saina amin’izao fotsiny no nasehon’ny LalÓnan’i M˘izy. Tao anatin’ny fanekem-Pamonjena no nanambarÓna sy nanamarinana azy ireny. 

1962.Ny LalÓna taloha no toetra voalohany ny lalÓna nambara. Voafintina ao amin’ny didy folo ireo baikony ara-m˘raly. Ireo baikon’ny Didy folo no mametraka ny fototry ny fiantsoana ny olombelona, natao mitovy endrika amin’Andriamanitra ; mandrara izay mifanohitra amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana izy ireo, ary mandidy izay takýn’io fitiavana io. Ny Didy folo no fahazavana nomena ny k˘nsiansin’ny olombelona rehetra, mba hampiseho aminy ny antso sy ny lalan’Andriamanitra, sy hiaro azy amin’ny ratsy.

Izay tsy voavakin’ny olombelona ao am-pon’izy ireo no nosoratan’ Andriamanitra tamin’ny takelaky ny LalÓna[11].  

1963. Araka ny lovam-panahy kristianina, ny LalÓna masina[12], ara-panahy[13] sy tsara[14] dia tsy mbola lavorary. Toy ny mpanabe ny lalÓna[15], izay mampiseho ny tsy maintsy hatao, fa tsy manome avy amin’ny tenany ny hery sy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina mba hanatanterahana azy. Noho ny fahotana izay tsy azony esorina, dia mijanona ho lalÓm-panandevozana izy. Araka an’i Md Paoly, ny miampanga sy ny mampibaribary ny fahotana izay mamorona ny “lalÓnan’ny fanirian-dratsin’ny nofo”[16] ao am-pon’ny olombelona, no tena anjara asany. Kanefa, mijanona ho dingana voalohany amin’ny lalan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny LalÓna. Manomana sy mandamina ny vahoaka voafidy sy ny kristianina tsirairay izy, ho amin’ny fibebahana sy ho amin’ny finoana an’Andriamanitra Mpamonjy. Mampahazo ny fampianarana izay maharitra mandrakizay izy, tahaka ny Tenin’Andriamanitra. 

1964. Fanomanana ny Evanjely ny LalÓna taloha. “Faminaniana sy fampianarana ny zava-misy hoavy ny LalÓna”[17]. Maminany sy manambara mialoha ny tsanganasam-panafahana amin’ny fahotana izy, izay hotanteraka amin’ny alalan’i Kristy ; manome ao amin’ny Testamenta Vaovao ny sary, ny “tandindona”, ny fanehoana an’ohatra izy, mba hanehoana ny fiainana araka ny Fanahy. Farany, mihafeno ny LalÓna amin’ny alalan’ny fampianaran’ireo boky momba ny fahendrena sy ny mpaminany izay mitari-dalana azy mankamin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao sy ny Fanjakan’ny lanitra. 

Nisy (....), faha-fitondran’ny Fanekem-pihavanana Taloha, olona izay nanana ny fitiavana sy ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, ary naniry indrindra ny fampanantenana ara-panahy sy mandrakizay, ka tamin’ izany no nifandraisan’izy ireo tamin’ny LalÓna vaovao. Mifamadika amin’izany, faha-Fanekem-pihavanana Vaovao, misy ny olona ara-nofo, mbola lavitry ny fahalavorarian’ny LalÓna vaovao : mba handrisihana azy ireo amin’ny tsanganasa feno hatsaram-panahy, dia nilaina ny fahatahorana ny sazy mafy sy ny fampanantenana ara-nofo sasany, hatramin’ny faha-Fanekem-pihavanana Vaovao.  Na izany na tsy izany, na nandidy ny fitiavana aza ny LalÓna taloha, tsy nanome ny Fanahy Masina izy, izay amin’ny alalany “no androtsahana ny fitiavana ao am-pontsika” (R˘m 5,5)[18].

III.  Ny LalÓna vaovao na LalÓnan’ny Evanjely 

1965. Ny LalÓna vaovao na LalÓnan’ny Evanjely no fahalavorariana ety an-tany ny LalÓnan’Andriamanitra, voa-Janahary sy nambara. Tsanganasan’i Kristy sy voambara manokana tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra izy. Tsanganasan’ny Fanahy Masina koa izy, ary, amin’ny alalany, manjary lalÓna anaty mifehy ny fitiavana izy : “Hanao fanekem-pihavanana vaovao amin’ny fianakavian’i Israely Aho ( …). Halatsako ao an-tsain’izy ireo ny lalÓko, hosoratako ao am-pon’izy ireo ireny, ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho, ary ho vahoakako izy ireo” (Heb 8.8.10)[19].

1966. Ny LalÓna vaovao no fahasoavan’ny Fanahy Masina noraisin’ny mpino tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy. Miasa amin’ny alalan’ny fitiavana ny LalÓna vaovao ; mampiasa ny toritenin’ny Tompo izy mba hampianarana antsika izay tsy maintsy hatao, sy mampiasa ireo sakramenta mba hampita amintsika ny fahasoavana  hanaovana izany :

Ilay izay te-handinika amim-pitiavam-bavaka sy amim-pahiratan-tsaina ny toriteny izay nambaran’ny Tompontsika teo an-tendrombohitra, tahaka ny amakiantsika izany ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio, no hahita ao, tsy misy isalasalana na kely aza, ny lalÓna fototra lavorary amin’ny fiainana kristianina. (…) Io toriteny io no mirakitra ny fitsipika rehetra sahaza itantanana ny fiainana kristianina[20].

1967.Ny LalÓn’ny Evanjely no “manatanteraka”[21], manadio, mihoatra ary mitondra ho amin’ny fahalavorariany ny LalÓna taloha. Ao amin’ireo hasambarana no tanterahiny ireo fampanantenan’Andriamanitra, amin’ny fanandratana an’ireo sy amin’ny fandrindrana an’ireo amin’ny “Fanjakan’ny lanitra”. Avantany amin’ireo izay vonon-kandray amim-pinoana io fanantenana vaovao io : ny mahantra, ny manetry tena, ny mitomany, ny madio fo, ny enjehina noho ny amin’i Kristy, amin’ny fanoritana araka izany ny lalana mahagaga mankany amin’ny Fanjakan’ny lanitra. 

1968.Ny LalÓn’ny Evanjely no manatanteraka ny baikon’ny LalÓna. Ny toritenin’ny Tompo, lavitra ny hanafoana na hanamaivan-danja ny fitsipika ara-m˘raly avy amin’ny LalÓna taloha, no mamoaka avy amin’izany ny fisiana an’eritreritra miafina sy mampitranga avy amin’izany ny zava-baovao takýna : ny toritenin’ny Tompo no mampiseho amin’izany ny fahamarinana manontolo avy amin’Andriamanitra sy avy amin’ny olombelona. Tsy manampy didy ety ivelan’ny vaovao izy, fa mandeha hatramin’ny fanavaozana ny fototry ny asa, izany hoe ny fo, izay ao ny olombelona no mifidy ny madio na ny tsy madio[22], izay ao no ipoiran’ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, sy, miaraka amin’ireo, ny herim-panahy hafa. Tahaka izany no itondran’ny Evanjely ny LalÓna ho amin’ny hafenoany amin’ny alalan’ny fakana tahaka ny fahalavorarian’ny Ray any an-danitra[23], amin’ny alalan’ny famelana ny hadisoan’ny fahavalo sy ny fivavahana ho an’ireo mpanenjika, sahala amin’ny fahalalam-pon’ Andriamanitra[24].

1969. Manao asam-pivavahana ny LalÓna vaovao : ny fiantrana, ny fivavahana ary ny fifadian-kanina, amin’ny fandrindrana an’ireo amin’ny “Ray izay mahita ao amin’ny miafina”, mifanohitra amin’ny faniriana “ho hitan’ny olona”[25]. Ny “Rainay” no fivavahany[26]

1970.Ny LalÓn’ny Evanjely dia misy safidy hentitra eo amin’ny “lalana roa”[27] sy ny fampiharana ny tenin’ny Tompo[28] ; fintininy amin’ny fitsipika volamena izany : “Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no LalÓna sy Mpaminany” (Mt 7,12)[29]

Ny “didy vaovao ” an’i Jesoa[30] no ifaharan’ny LalÓn’ny Evanjely manontolo, dia ny ifankatiavantsika tahaka ny itiavany antsika[31].

1971. Mety ny mampifandray ny katesezy m˘raly ao amin’ny fampianaran’ny ap˘st˘ly, tahaka ny ao amin’ny R˘m 12-15; 1 K˘r 12-13; K˘l 3-4; Efez 4-6; sns., amin’ny toritenin’ny Tompo. Izany fitambaram-pampianarana izany no mampita ny fampianaran’ny Tompo miaraka amin’ny fahefan’ny ap˘st˘ly, indrindra amin’ny alalan’ny fanehoana ny hatsaram-panahy izay avy amin’ny finoana an’i Kristy sy entanin’ny fitiavana, ilay fanomezana voalohany indrindra avy amin’ny Fanahy Masina. “Aoka tsy asiana fihatsarambelatsihy ny fitiavanareo namana. (...) Aoka ny fitiavan’ny mpiray tam-po no hamatotra anareo amin’ny fitiavana (...) omban’ny hafaliana amin’ny fanantenana, fiaretana amin’ny fahoriana, fitozoana amin’ny fivavahana, fanampiana ny olomasina araka izay ilaina, fahazotoana mampiantrano vahiny” (R˘m 12,9-13). Izany katesezy izany no mampianatra antsika koa handinika ny adin-tsaina amin’ny fahazavan’ ny fifandraisantsika amin’i Kristy sy amin’ny Fiangonana[32]

1972.Ny LalÓna vaovao dia antsoina hoe lalÓm-pitiavana, satria izy no mampiasa amin’ny alalan’ny fitiavana izay arotsaky ny Fanahy Masina fa tsy amin’ny alalan’ny tahotra ; lalÓm-pahasoavana, satria izy no manome ny herin’ny fahasoavana mba hiasana amin’ny alalan’ny finoana sy ny sakramenta ; lalÓm-pahafahana[33], satria izy no manafaka antsika amin’ny fitandremana ara-pombam-pivavahana sy ara-pitsarÓn’ny LalÓna taloha, mampirona antsika hiasa an-tsitrapo amin’ny tosi-kerim-pamporisikin’ny fitiavana, ary farany mampita antsika amin’ny toetran’ny mpanompo “izay tsy mahalala ny ataon’ny Tompony”, ho amin’ny toetran’ny sakaizan’i Kristy, “satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko, dia efa nambarako taminareo” (Jo 15,15), hoy izy, na koa ho amin’ny toetran’ny zanaka mpandova[34].

1973.Ankoatra ireo didy amin’ny LalÓna vaovao, dia misy koa ireo torohevitry ny Evanjely avy aminy. Ny fanavahan’ny lovam-pampianarana ireo didin’ Andriamanitra amin’ireo torohevitry ny Evanjely, dia miorina amin’ny fitiavana, izay fahalavorarian’ny fiainana kristianina. Ireo didy dia natokana hanesorana izay tsy mifanaraka amin’ny fitiavana. Ireo torohevitry ny Evanjely kosa dia mikendry ny hanala izay mety mahatonga ny sakana amin’ ny fivelaran’ny fitiavana, na dia tsy mifanohitra aminy aza[35]

1974.Ireo torohevitry ny Evanjely dia maneho ny fahatanterahana amin-kery ny fitiavana tsy mety afa-po na oviana na oviana raha tsy mahafoy bebe kokoa lalandava. Izy ireo no manamarina ny ezaka ataony sy mitarika ho amin’ny faharisihan’ny fanahintsika. Ny fahalavorarian’ny LalÓna vaovao dia mifototra indrindra amin’ny didim-pitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Ireo torohevitry ny Evanjely kosa no manoro ireo lalana mivantana kokoa sy ireo fomba moramora kokoa hiainana ny didim-pitiavana, sy mampiasa an’ireo araka ny antson’ny tsirairay :

[Andriamanitra] tsy mitady ny hitandreman’ny tsirairay ny torohevitra rehetra an’ny Evanjely, fa ireo izay hany sahaza ny faha-samy hafa ny olona, ny fotoana, ny toe-java-miseho ary ny hery, tahaka izany koa izay takýn’ny fitiavana ; satria, noho ny fitiavana izay mpanjakavavin’ ny hatsaram-panahy rehetra, ny didy rehetra, ny torohevitra rehetra, ary raha atao bango tokana ny lalÓna rehetra sy ny asa kristianina rehetra, dia izy no manome ireo ho an’ny olona rehetra na lehilahy na vehivavy, ny laharana, ny filaminana, ny fotoana ary ny hasarobidy[36].

 

FAMINTINANA

1975.Araka ny Soratra Masina, ny LalÓna no fampianaran’ny maha-ray an’ Andriamanitra izay mandidy ny olombelona hanaraka ny lalana mitondra amin’ny hasambarana nampanantenaina sy mandrara tsy hizotra amin’ny lalan’ny faharatsiana.

1976.“Ny lalÓna no fandaminan’ny saina ho amin’ny soa iombonana, avoakan’ ilay izay miadidy fikambanana[37].

1977.I Kristy no anton’ny lalÓna[38], Izy irery no mampianatra sy manome ny fahamarinan’Andriamanitra.

1978.Ny lalÓna voa-Janahary dia fandraisan’ny olombelona anjara amin’ny fahendrena sy ny hatsaram-pon’Andriamanitra, noho izy natao mitovy endrika amin’ilay Mpahary azy. Ny lalÓna voa-Janahary no maneho ny fahamendrehan’ny olombelona, ary manorina ny fototry ny zony sy ny adidiny lehibe indrindra.

1979.Tsy miovaova ny lalÓna voa-Janahary, ary maharitra eny am-pamakivakiana ny tantara. Mijanona ho manan-kery amin’ny maha-fitsipika azy, ireo fitsipika izay mampiseho ny lalÓna voa-Janahary. Fototra ilaina amin’ny fanorenana ny fitsipika ara-m˘raly sy ny lalÓm-panjakana ny lalÓna voa-Janahary.

1980. Ny LalÓna taloha no toetra voalohany ny lalÓna nambara. Voafintina ao amin’ny didy folo ny baikony ara-m˘raly.

1981.Mirakitra fahamarinana maro takatry ny saina amin’izao fotsiny ny LalÓnan’i M˘izy. Nambaran’Andriamanitra izy ireny satria tsy voavakin’ ny olombelona ao am-pony.

1982.Fanomanana ny Vaovao Mahafaly ny LalÓna taloha.

1983.Ny LalÓna vaovao no fahasoavan’ny Fanahy Masina noraisina tamin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy, tanterahina amin’ny alalan’ny fitiavana. Amin’ny toritenin’ny Tompo teo an-Tendrombohitra no isehoany manokana, ary ireo sakramenta no ampiasainy mba hampitana amintsika ny fahasoavana.

1984.Ny LalÓn’ny Evanjely no manatanteraka, mihoatra ary mitondra ho amin’ ny fahalavorariany ny LalÓna taloha : ireo fampanantenany  amin’ny alalan’ireo hasambaran’ny Fanjakan’ny lanitra, ireo didiny amin’ny fanavaozana ny fototry ny  asa, dia ny fo izany.

1985.Ny LalÓna vaovao dia lalÓm-pitiavana, lalÓm-pahasoavana, lalÓm-pahafahana.

1986.Ankoatra ireo didy amin’ny LalÓna vaovao, dia misy koa ireo torohevitry ny Evanjely avy aminy. Ny fahamasinan’ny Fiangonana dia voatsimbina indrindra amin’ny alalan’ireo torohevitra maro be izay natolotry ny Tompo ao amin’ny Evanjely mba hotandreman’ny mpianany[39].

 

ANDALANA 2

Fahasoavana sy fanamarinana

 

I. Ny fanamarinana

1987.Manana fahefana hanamarina antsika ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, izany hoe mandio antsika noho ny fahotantsika sy mampita amintsika “ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy” (R˘m 3,22) sy amin’ny alalan’ny Batemy[40] :

Raha miara-maty amin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona Aminy koa ; sady fantatsika fa i Kristy rahefa nitsangana velona avy amin’ny maty, dia tsy maty intsony, tsy manan-kery Aminy intsony ny fahafatesana. Satria ny fahafatesany moa dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana, fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra. Ary ianareo koa, aoka ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana, fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa (R˘m 6,8-11).

1988.Noho ny herin’ny Fanahy Masina, dia sady mandray anjara amin’ny fijalian’i Kristy isika maty amin’ny fahotana, no mandray anjara koa amin’ ny Fitsanganany ho velona ka ateraka amin’ny fiainam-baovao ; sady rantsambatan’i Kristy isika ao amin’ ny Fiangonana Vatany[41], no sampam-boaloboka vita grefy amin’ny Tenany Voaloboka[42] : 
Amin’ny alalan’ny Fanahy no ananantsika anjara amin’ Andriamanitra. Ary amin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’ny Fanahy, no manjary mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra isika  (...). Noho izany, ireo izay onenan’ny Fanahy dia voasandratra ho Andriamanitra[43].
1989.Ny tsanganasa voalohany amin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina dia ny fibebahana, izay mahatonga fanamarinana araka ny nolazain’i Jesoa amin’ny fiantombohan’ny Evanjely hoe : “Mibebaha ianareo, fa akaiky tokoa ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 4,17). Ny fanentanan’ny fahasoavana no mampiverina ny olombelona amin’Andriamanitra, sy mampiala azy amin’ ny fahotana, sady koa andraisany ny famelan-keloka sy ny fanamarinana avy any ambony. “Noho izany, ny fanamarinana dia mirakitra famelana ny fahotana, fanamasinana ary fanavaozana ny olona anaty”[44].

1990.Ny fanamarinana no manala ny olona amin’ny fatotry ny fahotana izay fitsipahana ny fitiavan’Andriamanitra, sy mandio ny fony amin’izany. Tanteraka ny fanamarinana, aorian’ny fahazoana ny famindram-pon’ Andriamanitra izay anomezana ny famelan-keloka. Izy no mampihavana ny olona amin’Andriamanitra. Izy no manafaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy manasitrana izany. 

1991.Ny fanamarinana koa no fandraisana ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa-Kristy. Ny hoe fahamarinana eto izany, dia ilazana ny fahitsian’ny fitiavan’Andriamanitra. Miaraka amin’ny fanamarinana, dia voarotsaka ao am-pontsika ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, ary nomena antsika ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra. 

1992.Ny fanamarinana no nahatonga antsika ho mendri-balisoa tamin’ny alalan’ny fijalian’i Kristy izay nanolo-tena teo amin’ny Hazofijaliana ho sorona velona, masina sy ankasitrahan’Andriamanitra, izay nampanjary ny ra ho fitaovam-piarovan’Andriamanitra amin’ny fahotan’ny olombelona rehetra. Tamin’ny Batemy, sakramentan’ny finoana, no nanomezana ny fanamarinana. Mampitovy antsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mahatonga antsika ho marina ao anaty noho ny herin’ny famindram-pony ny fanamarinana. Ny Voninahitr’ Andriamanitra sy Kristy, sy ny fanomezana ny fiainana mandrakizay no zavatra kendreny[45] :

Ankehitriny, tsy amin’ny LalÓna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, izay nambaran’ny LalÓna sy ny Mpaminany, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa-Kristy, natao ho an’izay rehetra mino, - satria tsy misy avaka, fa samy nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr’ Andriamanitra - fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany izy ireo, noho ny fanavotana izay tanteraka ao amin’i Kristy Jesoa : Izy no natsangan’ Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin’ny rany noho ny finoana ; sitrany ny mampiharihary ny fahamarinany, noho Izy tsy dia nanameloka loatra ny fahotana fahiny tamin’ny andron’ny fandeferany ; sitrany ny mampiharihary ny fahamarinany amin’ny andro ankehitriny, mba ho hita ho marina sady manamarina ilay izay manam-pinoana an’i Jesoa (R˘m 3,21-26).

1993. Ny fanamarinana dia manorina ny fiaraha-miasan’ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fahafahan’ny olombelona. Miseho eo amin’ny olona ny fanamarinana, rahefa mankato ny finoana amin’ny Tenin’Andriamanitra izay mitaona azy hibebaka izy, sy rahefa miara-miasa amim-pifankatiavana eo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina izay mampahalala azy mialoha sy miaro azy :
Rahefa manohina ny fon’ny olombelona amin’ny alalan’ny fitsilovan’ ny Fanahy Masina Andriamanitra, dia tsy hoe tsy mahazo manao na inona na inona izy amin’ny fandraisana io fitsilovan-tsaina io, fa azony atao koa ny manary izany ; saingy tsy azony atao kosa ny manao izay tiany atao amin’ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra, raha tsy omban’ny fahasoavany[46].
1994.Ny fanamarinana no tsanganasa tsara indrindra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra naharihary tao amin’i Kristy Jesoa sy nomena tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Heverin’i Md Augustin fa “ny fanamarinana ny olona ratsy fanahy mpankahala fivavahana no tsanganasa lehibe kokoa noho ny fahariana ny lanitra sy ny tany”, satria “hihelina ihany ny lanitra sy ny tany fa haharitra kosa ny famonjena sy ny fanamarinana ny olom-pinidy”[47]. Heveriny koa aza fa ny fanamarinana ny mpanota no mahery kokoa noho ny fahariana ny anjely ho amin’ny fahamarinana, satria ny fanamarinana ny mpanota dia manaporofo famindram-po faran’izay lehibe.

1995.Ny Fanahy Masina no mpampianatra ao anatin’ny olona. Rahefa aterany ho “olona anaty” (R˘m 7,22 ; Efez 3,16) kosa ny olona, dia ny fanamarinana no mahatonga ho masina ny maha-olona manontolo :

Raha nanolotra ny rantsambatanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalÓna ianareo fahiny, ka naharatsy ny toetranareo, dia atolory toy izany koa izy ireo ankehitriny ho mpanompon’ny fahamarinana mba hahamasin-toetra anareo. (...) Ary ankehitriny, rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo, ka tonga mpanompon’Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny farany (R˘m 6,19.22).

II. Ny fahasoavana 

1996.Avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fanamarinana antsika. Ny fahasoavana no tombon-tsoa sy vonjy maimaim-poana izay omen’ Andriamanitra antsika mba hamaliana ny antsony : manjary zanak’ Andriamanitra[48], zanaka natsangana[49], mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra[50], amin’ny fiainana mandrakizay[51]

1997. Ny fahasoavana dia  fiombonana anjara amin’ny fiainan’ Andriamanitra, izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina : amin’ny Batemy no andraisan’ny kristianina anjara amin’ny fahasoavan’i Kristy, Lohan’ny Vatany. Amin’ny maha-“zanaka natsangana” ny kristianina, dia azony atao amin’izay ny miantso an’ Andriamanitra hoe “Ray”, amin’ny fiombonany amin’ny Zanaka Lahitokana. Ny ain’ny Fanahy izay mitsoka rivo-pitiavana ao aminy sy manabe ny Fiangonana no raisiny.

1998. Ilay fiantsoana ho amin’ny fiainana mandrakizay dia mihoatra ny natoraly. Miankina manontolo amin’ny fanomezana maimaim-poana ataon’Andriamanitra mialoha izany, satria Izy irery no afaka manambara tena sy manolo-tena ny Tenany ihany. Mihoatra ny herim-pahaizan’ny sain’olombelona sy ny herin’ny sitrapony izany, toy ny an’ny zavaboary rehetra[52].

1999.Ny fahasoavan’i Kristy no fanomezana maimaim-poana izay atolotr’ Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy : Izany no hoe  fahasoavana mahamasina na fahasoavana manandratra ho Andriamanitra, noraisina tamin’ny Batemy. Izany no loharanon’ny tsanganasam-panamasinana ao amintsika[53] :

Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zavaboary vaovao izy; lasa ny zavatra taloha, fa indro zavatra vaovao no eo. Ary izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra izay nampihavana antsika Aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy (2 K˘r 5,17-18).

2000.Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maharitra, toe-panahy mahazatra tsy miovaova sy mihoatra ny natoraly mandavorary ny fanahy tokoa mba hahatonga azy ho afaka miaina miaraka amin’Andriamanitra, sy hanao asa amam-pitondran-tena amin’ny alalan’ny fitiavany. Havahana eto ny fahasoavana mampaharitra amin’ny hatsaran-toetra, izay fironan’ny fanahy tsy tapaka ny mivelona sy miasa araka ny antson’Andriamanitra, sy ireo fahasoavana mitahy izay manondro ny firotsahan’Andriamanitra an-tsehatra na amin’ny fiandohan’ny fibebahana izany na mandritra ny tsanganasa fanamasinana.

2001. Ny fanomanana ny olona handray ny fahasoavana dia efa tsanganasan’ny fahasoavana. Ilaina izany mba handrisihana sy hanohanana ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamarinana amin’ny alalan’ny finoana sy ny fiarahantsika miasa amin’ny fanamasinana amin’ny alalan’ny fitiavana. Tontosain’ Andriamanitra ao amintsika izay natombony, “satria Izy no manomboka ny asa izay mahatonga antsika hikasa,  ary Izy no manatontosa, amin’ny fiarahany miasa amintsika, ny finiavantsika efa nibebaka”[54] :

Marina fa miasa koa isika, nefa isika tsy manao afa-tsy ny miasa miaraka amin’Andriamanitra izay manao ny asa. Satria ny famindram-pony no mialoha antsika mba ho sitrana isika, ary mbola manaraka ato afarantsika izany mba hamelombelon’aina antsika, raha vao sitrana isika; ny famindram-pony no mialoha antsika mba ho voantso isika, ary mbola manaraka ato afarantsika izany, mba homem-boninahitra isika ; ny famindram-pony no mialoha antsika mba hivelona araka ny fitiavam-bavaka isika, ary mbola manaraka ato afarantsika izany, mba hahavelona antsika mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra, satria raha tsy misy Azy tsy mahefa na inona na inona isika[55].

2002.Ny fialohavan’Andriamanitra manao ny asa amin-kalalahana dia mitaky valiny amin-kalalahana avy amin’ny olombelona, satria tamin’ny naharian’ Andriamanitra ny olombelona hitovy endrika Aminy no nanomezany azy, miaraka amin’ny fahafahana, ny fahazoana mahalala Azy sy mitia Azy. Koa, tsy ho tafiditra ao amin’ny fiombonam-pitiavana ny fanahy, raha tsy amin-kalalahana ihany. Fa Andriamanitra kosa no manohina eo no eo avy hatrany sy manetsika mivantana ny fon’ny olombelona. Napetrany ao amin’ny olombelona ny faniriana ny marina sy ny tsara izay Izy irery no afaka mahaampoka izany. Ny fampanantenana ny “fiainana mandrakizay” no mamaly, mihoatra ny fanantenana rehetra, an’io faniriana io :

Nony vita ny tsanganasanao tsara indrindra (...), ka nitsahatra Ianao tamin’ny andro fahafito, dia ny mba hilazana aminay mialoha amin’ny alalan’ny feon’ny bokinao, fa amin’ny fiafaran’ny tsanganasanay “izay tsara indrindra”, izay Ianao ihany no nanome anay izany, dia hitsahatra ao Aminao koa izahay amin’ny sabatan’ny fiainana mandrakizay[56].

2003.Ny fahasoavana no voalohany sy ambonin’ny rehetra amin’ny fanomezan’ ny Fanahy izay manamarina antsika sy manamasina antsika. Kanefa ny fahasoavana koa no misy ny fanomezana izay omen’ny Fanahy ho antsika mba handraisantsika anjara amin’ny tsanganasany, mba hahatonga antsika ho afaka miara-miasa amin’ny famonjena ny hafa sy amin’ny fitomboan’ ny Vatan’i Kristy, dia ny Fiangonana izany. Ireo no fahasoavana ara-tsakramenta, fanomezana manokana amin’ny sakramenta samy hafa. Ireo koa, ankoatra izany, no fahasoavana manokana antsoina koa hoe fanomezam-pahasoavana araka ny teny grika nampiasain’i Md Paoly, izay midika hoe fanambinana, fanomezana maimaim-poana, tombon-tsoa[57]. Ny fanomezam-pahasoavana, na manahoana na manahoana ny toetran’izy ireny, indraindray mampitolagaga, tahaka ny fanomezana hanao zava-mahagaga na hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra, dia nalahatra ho amin’ny fahasoavana mahamasina, ary mikendry ny soa iombonan’ny Fiangonana. Natao ho amin’ny asa fitiava-namana izay mandrafitra ny Fiangonana izy ireny[58].

2004.Amin’ireo fahasoavana manokana, dia tsara ny mampahalala fa anisany ireo fahasoavana mitahy izay manampy amin’ny fanaovana ny adidy aman’andraikitra amin’ny fiainana kristianina sy ny andraiki-panompoana eo anivon’ny Fiangonana :

Samy manana ny anjara fanomezana isika, araka ny fahasoavana nomena antsika, ka raha fanomezana haminany izany, ampiasao araka ny finoantsika izany ; raha fanomezana hanompo, dia aoka hanompo ; ny mpampianatra, aoka hampianatra ; ny mpananatra, aoka hananatra. Izay mizara, aoka izy hanao izany amim-pahatsorana ; izay mitondra, aoka izy hanao izany amim-pahazotoana ; izay manao asa fiantrana, aoka izy hanao izany amin-kafaliana. (R˘m 12,6-8).

2005. Ny fahasoavana, noho izy mihoatra ny natoraly, dia tsy mety ho takatry ny fahalalantsika azo tamim-pahazarana, sy tsy mety ho fantatra raha tsy amin’ny finoana. Noho izany, tsy azontsika atao ny manamarim-pototra amin’ny fihetseham-pontsika na amin’ny tsanganasantsika, mba hamoahana fehin-kevitra amin’izany fa voamarina sy voavonjy isika[59]. Kanefa, araka ny tenin’ny Tompo hoe : “Ny voany no hahafantaranareo azy” (Mt 7,20), ny fiheverana ny soa avy amin’Andriamanitra, eo amin’ ny fiainantsika sy eo amin’ny fiainan’ireo olomasina, no manome antoka antsika fa ny fahasoavana dia miasa ao amintsika sy mandrisika antsika ho amin’ny finoana lehibebe kokoa hatrany sy amin’ny fihetsika maneho fahantrana feno fitokiana.

Ahitana ny iray amin’ireo malaza tsara tokoa amin’io fihetsika io ny valin-tenin’i Mb Jeanne d’Arc tamin’ny fanontaniana fandrika napetraky ny mpitsarÓn’ny Fiangonana azy : “Nanontaniana izy, raha toa ka fantany fa ao anatin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy ; dia novaliany hoe : "Raha tsy ao anatiny aho, dia ho ankasitrahan’ Andriamanitra ny hametraka ahy ao ; raha ao anatiny aho, dia ho ankasitrahan’Andriamanitra ny hitahiry ahy ao"”[60]

III .  Ny mahamendri-balisoa

Omem-boninahitra Ianao ao amin’ny fiangonan’ny Olomasina : rahefa mametraka ny satro-boninahitry ny mahamendri-balisoa azy ireo Ianao, dia mametraka ny satro-boninahitry ny fanomezanao manokana koa[61]

2006.Ny teny hoe “mahamendri-balisoa”, dia ilazana, amin’ny ankapobeny, ny karama tsy maintsy aloan’ny ankohonana na ny fikambanana amin’ny asa nataon’ny iray amin’ireo mpikambana ao aminy, asa izay tsapa ho soa natao na ratsy natao, mendri-balisoa na mendri-tsazy. Ny mahamendri-balisoa dia iandraiketan’ny herim-panahy fahamarinana araka ny fototry ny fitovian-jo izay mitantana azy.

2007.Eo anatrehan’Andriamanitra, raha jerena amin’ny hevitra hentitra momba ny zo, dia tsy misy ny mahamendri-balisoa ny olombelona. Satria, tsy misy fetra ny tsy fitovian-jo eo Aminy sy amintsika, sady avy Aminy, ilay Mpahary antsika, no andraisantsika ny zavatra rehetra. 

2008.Ny mahamendri-balisoa ny olombelona eo akaikin’Andriamanitra amin’ny fiainana kristianina, dia avy amin’izay nomanin’ Andriamanitra tamin-kalalahana hampandray anjara ny olombelona amin’ny tsanganasan’ny fahasoavany. Koa ny asa voalohany amin’izany, dia ny asan’ny maha-Ray an’Andriamanitra amin’ny herim-pahasoavany, izay vao ny faharoa, dia ny asa amam-pihetsika ataon’ny olombelona amin-kalalahana amin’ny fiarahana miasa Aminy ; araka izany, ny fahasoavan’ Andriamanitra aloha no tsy maintsy heverina fa mendri-balisoa amin’ny tsanganasa tsara rehetra, izay vao ny mpino. Ankoatra izany, ny mahamendri-balisoa ny olona dia miverina amin’Izy Andriamanitra ihany, satria ny asany tsara no mahatonga, ao amin’i Kristy, ny famalifaliana sy ny vonjy avy amin’ny Fanahy Masina.

2009. Ny fananganana ho zanaka, izay mahatonga antsika, amin’ny alalan’ny fahasoavana, ho mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’ Andriamanitra, dia mety hanome antsika, araka ny fahamarinana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra, ny tena mahamendri-balisoa tokoa. Ao amin’izany ny zo avy amin’ny fahasoavana, ny zo feno amin’ny fitiavana, no mahatonga antsika ho “mpiray lova”  amin’i Kristy sy mendrika hahazo ny “lova nampanantenaina ho amin’ny fiainana mandrakizay”[62]. Ny mahamendri-balisoa amin’ny tsanganasa tsara ataontsika dia fanomezan’ny hatsaram-pon’Andriamanitra”[63]. “Ny fahasoavana no mialoha ; ankehitriny omena izay tsy maintsy efaina. (…) Koa, ny mahamendri-balisoa dia fanomezan’Andriamanitra”[64]

2010. Ny fialohavana manao ny asa, amin’ny raharaham-pahasoavana, dia an’ Andriamanitra, ka tsy misy olona mety ho mendri-balisoa amin’ilay fahasoavana voalohany, izay iandohan’ny fibebahana, ny famelan-keloka ary ny fanamarinana. Aorian’izany, noho ny fahasoavam-panentanan’ny Fanahy Masina sy ny fitiavana, dia mety ho mendri-balisoa isika na ho an’ny tenantsika na ho an’ny hafa, hahazoana ireo fahasoavana ilaina amin’ny fanamasinana antsika, amin’ny fitomboan’ny fahasoavana sy ny fitiavana, toy ny fahazoana ny fiainana mandrakizay. Ireo soa aman-karena ara-batana eto an-tany koa, toy ny fahasalamana, ny fisakaizana, dia mety ho valisoa mendrika ho azo araka ny fahendren’Andriamanitra. Ireny fahasoavana sy harena ireny no fototry ny fivavahana kristianina. Koa ny fivavahana kristianina dia miantoka ny filantsika ny fahasoavana amin’ireo asa mendri-balisoa. 

2011. Ny fitiavan’i Kristy no loharano ao amintsika izay ipoiran’ny mahamendri-balisoa antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fahasoavana, izay mampiray antsika amin’i Kristy amin’ny fitiavana mahery, no miantoka ny hatsaran’ireo asantsika ho mihoatra ny natoraly, ary avy eo, miantoka ny mahamendri-balisoa azy eo anatrehan’ Andriamanitra toy ny eo anatrehan’olombelona. Nahatsiaro tena lalandava ny olomasina fa tena fahasoavana tokoa no mahamendri-balisoa azy ireo.

Aorian’ny sesitany eto amin’ity tany ity, dia manantena aho fa handeha hifaly Aminao any an-Tanindrazana, nefa tsy te-hanangona ny mahamendri-balisoa any an-danitra aho, fa te hiasa ho an’ny Fitiavanao irery ihany (…). Amin’ny faran’ity fiainana eto ity, dia hiseho eo anatrehanao mitondra tanampolo aho, satria tsy nangataka taminao aho, ry Tompo, hanisa ny tsanganasako. Misy pentina ny fahamarinanay rehetra eo imasonao. Te hitafy ny Fahamarinanao Óry aho sy te handray avy amin’ny Fitiavanao ny fahazoana Anao ihany mandrakizay[65]

IV. Ny fahamasinana kristianina

2012. “Fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy. (…) Satria ireo izay fantany rahateo no notendreny mialoha koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro izy. Ireo izay notendreny no nantsoiny koa. Ireo izay nantsoiny no nohamarininy koa. Ireo izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” (R˘m 8,28-30). 

2013.“Ny antso ho amin’ny hafenoam-piainana kristianina sy ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana dia miantefa amin’izay rehetra mino an’i Kristy, na inona na inona laharana misy azy ireo sy lalam-piainana arahin’izy ireo”[66]. Ny olona rehetra no antsoina ho amin’ny fahamasinana : “Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo any an-danitra” (Mt 5,48).

Ny mpino dia tokony hampiasa ireo hery izay noraisin’izy ireo arakaraka ny fatran’ny fanomezan’i Kristy, hahazoana izany fahalavorariana izany, mba (…) ho voatokana ho amin’ny Voninahitr’ Andriamanitra sy ny fanompoana ny namana ny tenan’izy ireo sy ny fanahin’izy ireo manontolo, amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, amin’ny zavatra rehetra. Amin’izany no hitombo vokatra be dia be ny fahamasinan’ny Vahoakan’Andriamanitra, toy ireo porofo mazava tsara asehon’ny tantaran’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fiainan’ireo olomasina be dia be[67].

2014. Ny kendren’ny fandrosoam-panahy dia ny firaisana lalina bebe kokoa hatrany amin’i Kristy. Antsoina hoe “mÝstika” io firaisana io, satria izy io no mampiombona amin’ny misterin’i Kristy amin’ny alalan’ny sakramenta – “mistery masina” –, ary, ao amin’i Kristy kosa izy no mampiombona amin’ny misterin’ny Trinite Masina. Isika rehetra no antsoin’ Andriamanitra ho amin’io firaisana lalina miaraka Aminy io, na dia natao ho an’ny sasany ihany aza ny fahasoavana manokana na ny famantarana mampitolagaga momba io fiainana mistika io, mba hanehoana ny fanomezana maimaim-poana natao ho an’ny rehetra.

2015. Ny lalan’ny fahalavorariana dia mandalo amin’ny Hazofijaliana. Tsy misy fahamasinana raha tsy misy fahafoizan-tena sy adim-panahy[68]. Mila famolahan-tena sy fampijalian-tena ny fandrosoam-panahy, fa izany no mitarika tsikelikely hiaina ao anatin’ny fiadanana sy ny hafaliana araka ireo hasambarana notorýn’i Jesoa :

Izay miakatra dia tsy hijanona na oviana na oviana ny hanomboka hatrany eo amin’ny fiatombohana, amin’ny alalan’ireo fanombohana tsy manam-piafarana. Izay misondrotra dia tsy hijanona na oviana na oviana ny maniry izay efa fantany[69]

2016. Ireo zanaky ny Fiangonana Masina renintsika dia manantena tokoa ny fahasoavan’ny fitozoana hatramin’ny farany sy ny valisoa avy amin’ Andriamanitra Rain’izy ireo, noho ny asa soa nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Ray, sy tamin’ny fiombonana amin’i Jesoa[70]. Ny mpino, amin’ny fitandremana ny fitsipi-piainana iray ihany, dia mizara “ny fanantenam-pahasambarana” amin’ireo izay avondron’ny famindram-pon’ Andriamanitra ao an-“TanÓna masina, dia i Jerosalema vaovao izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana ho an’ny Mpampakatra azy” (Ap˘k 21,2). 

 

FAMINTINANA

2017. Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina no manome antsika ny fahamarinan’ Andriamanitra. Tamin’ny nampiraisan’ny Fanahy Masina antsika amin’ny fijaliana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy, no nampandraisany anjara antsika amin’ny fiainan’ Andriamanitra.

2018. Ny fanamarinana, tahaka ny fibebahana, dia manana lafin’asa roa. Noho ny fanentanan’ny fahasoavana, dia sady miverina amin’ Andriamanitra ny olombelona, no miala amin’ny fahotana, ary koa mandray ny famelan-keloka sy ny fanamarinana avy any ambony.

2019.Ny fanamarinana dia mirakitra famelana ny fahotana, fanamasinana ary fanavaozana ny olona anaty.

2020. Tamin’ny alalan’ny fijalian’i Kristy no nahamendrika antsika ahazo ny fanamarinana. Tamin’ny Batemy no nahazoantsika azy. Mampitovy antsika amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izay mahatonga antsika ho marina izy. Ny Voninahitr’Andriamanitra sy i Kristy ary ny fanomezana ny fiainana mandrakizay no zava-kendreny. Tsanganasa tsara indrindra amin’ny famindram-pon’Andriamanitra izy.

2021.Ny fahasoavana no vonjy izay omen’Andriamanitra antsika mba hamaliana ny fiantsoana antsika ho tonga zanaka atsangany. Izy no mampiditra antsika ao anatin’ny fiainam-pifankatiavan’ny Trinite Masina.

2022.Ny fialohavana ataon’Andriamanitra amin’ny tsanganasan’ny fahasoavana dia ny mampahita, ny manamboatra ary ny mamoaka ny valin-teny amin-kalalahana ataon’ny olombelona. Ny fahasoavana no mamaly ny faniriana lalina momba ny fahafahan’ny olombelona ; izy no miantso ny fahafahan’ny olombelona hiara-miasa aminy, sy mandavorary azy.

2023.Ny fahasoavana mahamasina dia fanomezana maimaim-poana izay atolotr’Andriamanitra antsika avy amin’ny fiainany, ary arotsaky ny Fanahy Masina ao amin’ny fanahintsika, mba hanasitrana azy amin’ny fahotana sy hanamasina azy.

2024.Ny fahasoavana mahamasina no mahatonga antsika “ho ankasitrahan’ Andriamanitra”. Nalahatra ho isan’ny fahasoavana mahamasina koa ireo  fanomezam–pahasoavana, izay fahasoavana manokana avy amin’ny Fanahy Masina, fa ny zava-kendreny kosa dia ny soa iombonan’ny Fiangonana. Miasa amin’ny alalan’ny fahasoavana mitahy maro samihafa koa Andriamanitra, izay avahana amin’ny fahasoavana mampaharitra amin’ny hatsaran-toetra, miasa lalandava ao amintsika.

2025.Tsy misy ny mahamendri-balisoa antsika eo anatrehan’Andriamanitra raha tsy araka ny fandaharany amin-kalalahana mampiray ny olombelona amin’ny tsanganasan’ny fahasoavany. An’ny fahasoavan’Andriamanitra aloha ny mahamendri-balisoa, izay vao an’ny fiaraha-miasan’ny olombelona Aminy. Miverina amin’Andriamanitra ny mahamendri-balisoa ny olombelona.

2026.Ny fahasoavan’ny Fanahy Masina, noho ny fananganana antsika ho zanaka, dia mety hanome antsika ny tena mahamendri-balisoa tokoa, araka ny fahamarinana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra. Ny fitiavana no loharano lehibe indrindra ao amintsika, izay ipoiran’ny mahamendri-balisoa eo anoloan’Andriamanitra.

2027.Tsy misy olona mety ho mendri-balisoa amin’ilay fahasoavana voalohany izay iandohan’ny fibebahana. Noho ny fahasoavam-panentanan’ny Fanahy Masina, dia mety ho mendri-balisoa isika, na ho an’ny tenantsika na ho an’ny hafa, amin’ny fahazoana ireo fahasoavana rehetra ilaina ahatongavana any amin’ny fiainana mandrakizay, ary koa amin’ny fahazoana ireo soa aman-karena ara-batana ilaina amin’ny fiainana eto an-tany.

2028.Ny antso ho amin’ny hafenoam-piainana kristianina sy ho amin’ny fahalavorariam-pitiavana dia miantefa amin’izay rehetra mino an’i Kristy[71]. Tsy misy afa-tsy iray ny fetran’ny fahalavorariana kristianina, dia ny tsy fananany fetra na dia iray aza[72].

2029.Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handÓ ny tenany, sy hitondra ny Hazofijaliany, ka hanaraka Ahy (Mt 16,24).

 

ANDALANA 3

Ny Fiangonana, reny sady mpanabe

 

2030. Ao amin’ny Fiangonana, amin’ny fiombonana miaraka amin’ny vita batemy rehetra, no anatanterahan’ny kristianina ny fiantsoana azy. Avy amin’ny Fiangonana no andraisany ny Tenin’Andriamanitra izay mirakitra ny fampianaran’ny “LalÓnan’i Kristy” (Gal 6,2). Avy amin’ny Fiangonana no andraisany ny fahasoavana amin’ny sakramenta izay manohana azy eny “an-dalana”. Avy amin’ny Fiangonana no ianarany ny oha-pahamasinana ; ao amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra no ahalalany ny endrika sy ny fototry izany oha-pahamasinana izany ; amin’ny fijoroana ho vavolombe-lona marina asehon’ireo izay mivelona ny fahamasinany no andanjalanjany izany; amin’ny lovam-piainana ara-panahy sy ny tantara lava momba ireo olomasina izay nialoha lalana azy, ka ankalazain’ny litorzia amin’ny fankalazana ny Olomasina, no ahitany izany.

2031.Fanompoam-pivavahana ara-panahy, ny fiainana ara-m˘raly. “Manolotra ny tenantsika ho sorona velona, masina sy ankasitrahan’Andriamanitra”[73] isika,  ao amin’ny Vatan’i Kristy izay irafetantsika, sy amin’ny fiombonana miaraka amin’ny fanatitry ny Eokaristiany. Amin’ny litorzia sy ny fankalazana ny sakramenta, ny vavaka sy ny fampianarana no mampiray amin’ny fahasoavan’i Kristy, mba hanazava sy hamelona ny asa amam-pitondran-tena kristianina. Ao amin’ny soron’ny Eokaristia no misy ny fototra sy ny tampon’ny fiainana ara-m˘raly, tahaka ny an’ny fitambaran’ ny fiainana kristianina.

I. Fiainana ara-m˘raly sy Toniam-pampianaran’ny Fiangonana 

2032. Ny Fiangonana, “andry sy fiorenan’ny fahamarinana” (1 Tim 3,15), dia “nandray avy amin’ny ap˘st˘ly ny didy malaza navelan’i Kristy ny amin’ny hanambarÓna ny marina mahavonjy”[74]. “Adidin’ny Fiangonana ny manambara amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra ny fitsipika fototra ara-m˘raly, na dia izay mahakasika ny fitsipi-pifehezan’ny fiaraha-monina aza, ary koa ny mamoaka didim-pitsarÓna eo amin’ny zavatra rehetra momba ny olombelona, arakaraka izay takýn’ny zo fototry ny olombelona sy ny famonjena ny fanahy”[75]

2033.Ny Fahefan’ny mpitondra Fiangonana mampianatra momba ny m˘raly, dia mazÓna ampiasaina amin’ny katesezy sy amin’ny toriteny, omban’ny fanampian’ny asa soratry ny te˘l˘jianina sy ny mpanoratra boky masina. Toy izany ny fomba nampitampitana tamin’ny taranaka mifandimby, teo ambany fiarovana sy fitandreman’ireo mpitondra, ny “tahirin’ny” m˘raly kristianina, izay fitambaran’ny maha-izy manokana ny fitsipi-pifehezana, ny didy sy ny herim-panahy avy amin’ny finoana an’i Kristy sy velomin’ ny fitiavana. Izany katesezy izany dia mandray ho fototra araka ny fomba ifandovÓna, eo an-kilan’ny Fiekem-pinoana sy ny Rainay, ny Didy folo izay manambara ny fototry ny fiainana ara-m˘raly sahaza ny olona rehetra.

2034. Ny Evekan’i R˘ma sy ny Eveka rehetra, amin’ny maha- “mpampianatra marina azy ireo, nomena ny fahefan’i Kristy, dia mitory amin’ireo vahoaka nankinina amin’izy ireo ny finoana izay tsy maintsy ekena sy ampiharina eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena”[76]. Ny Fahefa-mampianatra andavanandro sy manerana ny tany tontolo ataon’ny Papa sy ireo Eveka miombona aminy no mampianatra amin’ny mpino ny marina inoana, ny fitiavana tanterahina, ny hasambarana antenaina.

2035. Ny ambaratonga fara tampony fandraisana anjara amin’ny fahefan’i Kristy dia iantohan’ny fanomezam-pahasoavana tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana. Manenika faran’izay lavitra tahaka ny tahirim-PanambarÓn’Andriamanitra koa io tsy feteza-mandiso io[77]; ary mbola manenika ny singafototra rehetra amin’ny fitambaram-pampianarana, ao anatin’izany ny m˘raly, izay raha tsy misy an’ireny ny fahamarinana mahavonjy momba ny finoana, dia tsy mety ho voatahiry, voazava na voatandrina[78]

2036. Manenika ireo didy amam-pitsipika manokana amin’ny lalÓna voa-Janahary koa ny fahefan’ny Toniam-pampianarana, satria ny fitandremana azy ireny, izay takýn’ilay Mpahary, dia ilaina amin’ny famonjena. Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny fampahatsiahivana ireo didy amin’ny lalÓna voa-Janahary, dia mampiasa ny anjara tsy azo avela amin’ny raharaha maha-mpaminany azy hitory ny marina amin’ny olona rehetra amin’ny maha-olona azy ireo sy hampahatsiahy azy ireo izay tokony ho toetran’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra[79].

2037. Ampianarina ny mpino fa ny LalÓnan’Andriamanitra, nankinina amin’ny Fiangonana, no lalan’ny fiainana sy ny fahamarinana. Noho izany, manana zo ireo mpino[80] ho ampianarina ny didin’Andriamanitra mahavonjy, izay manadio ny fisainana mandanjalanja, ary, miaraka amin’ny fahasoavana, manasitrana ny sain’olombelona voaratra. Manana adidy koa anefa izy ireo hitandrina ny lalÓm-panorenana sy ny didy hitsivolana avoakan’ny manam-pahefana ara-dalÓna ao amin’ny Fiangonana. Na dia ireo fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana aza, dia mitaky fanekena ao anatin’ny fitiavana.

2038.Amin’ny tsanganasa fampianarana sy fampiharana ny m˘raly kristianina, dia ilain’ny Fiangonana ny fahafoizan-tenan’ireo mpitondra azy, ny fahaizana amam-pahalalan’ireo te˘l˘jianina, ny anjara fanampian’ireo kristianina rehetra sy ireo olona tsara sitrapo. Ny finoana sy ny fanatanterahana an’asa ny Vaovao Mahafaly no mampahazo ho an’ny tsirairay ny fahalalana azo tamim-pahazarana momba ny fiainana “ao amin’i Kristy”, izay manazava azy sy mahatonga azy ho afaka mamantatra ny zava-misy marina momba an’Andriamanitra sy momba ny olombelona araka ny Fanahin’Andriamanitra[81]. Araka izany, afaka hampiasa an’ireo tsotra sy madinika indrindra ny Fanahy Masina, mba hanazava ny sain’ireo manam-pahaizana sy ireo ambony indrindra amin’ny fahamendrehan-kaja.

2039.Toe-tsaim-panompoana ara-pirahalahiana sy fahafoizan-tena ho an’ny Fiangonana, amin’ny anaran’ny Tompo[82], no tokony hanaovana ny andraiki-panompoana rehetra. Toy izany koa, k˘nsiansy mahay mitsara ara-m˘raly ny asan’ny tena manokana, no tokony hisorohan’ny tsirairay ny fikombonany amin’ny fiheverany irery. Noho izany, ny k˘nsiansin’ny tsirairay, araka izay azony atao, dia tokony hisokatra amin’ny fiheverana ny soa ho an’ny rehetra, araka izay voalaza ao amin’ny lalÓna m˘raly sy voa-Janahary ary nambara, noho izany, voalaza koa ao amin’ny lalÓnan’ny Fiangonana sy ao amin’ny fampianarana nahazo lalana avy amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana mikasika ny m˘raly. Tsy mety ny mampifanohitra ny k˘nsiansin’ny tena sy ny saina amin’ny lalÓna m˘raly na amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana.  

2040.Amin’izany no afaka hivelatra eo amin’ireo kristianina ny tena toe-tsaina maha-zanaka eo amin’ny Fiangonana. Izany no fomba tsara ivelaran’ny fahasoavan’ny Batemy izay niterahana antsika teo anivon’ny Fiangonana sy nahatonga antsika ho rantsambatan’ny Vatan’i Kristy. Ny Fiangonana, amin’ny fiahiany maha-reny azy, dia nanome antsika ny famindram-pon’ Andriamanitra izay mandresy ny fahotantsika rehetra sy miasa manokana ao amin’ny sakramentan’ny Fampihavanana. Reny mahakarakara tokoa izy, ka tsy sasatra manome sakafo antsika ao amin’ny litorziany, isan’andro isan’andro, dia ny Tenin’Andriamanitra sy ny Eokaristian’ny Tompo izany.

II. Ny didin’ny Fiangonana

2041. Ny didin’ny Fiangonana dia nalahatra eo amin’ny soridalana momba ny fiainana ara-m˘raly mifamatotra amin’ny fiainana ara-litorzia, ary mivelona amin’izany izy. Ny toetra manokana tsy maintsy atao avy amin’ ireo lalÓna manan-kery didian’ny manam-pahefana ara-past˘raly hotandremana ireo, dia mikendry ny hiantohana ny mpino amin’ny faran’ izay kely ilaina amin’ny toe-tsaina enti-mivavaka sy amin’ny ezaka ara-m˘raly, hampitombo ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana : 

2042. Ny didy voalohany (“Ny Alahady sy ny andro fety hafa voadidy hohamasinina, tsy maintsy mandray anjara amin’ny Lamesa Masina sy hifady ny asam-panompoana ny mpino”) dia mitaky ny mpino hankamasina ny andro izay ankalazana ny fahatsiarovana ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona, tahaka izany koa ny fety lehibe litorzika izay anajana ny misterin’ny Tompo sy i Maria Virjiny Sambatra ary ny Olomasina rehetra, ka ny voalohany indrindra, dia ny fandraisana anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia izay mamory ny Ankohonana kristianina, sy hanafa-tena amin’ireny asa sy raharaha izay manampontsampona tsotr’izao ny fankamasinana ireo andro ireo[83]

Ny didy faharoa (“Ny mpino rehetra dia tsy maintsy mik˘nfesy ny fahotany fara fahakeliny indray maka isan-taona”) no miantoka ny fiomanana amin’ny Eokaristia amin’ny alalan’ny fandraisana ny sakramentan’ny Fampihavanana, izay manohy ny asam-pibebahana sy famelan-keloky ny Batemy[84]

Ny didy fahatelo (“Ny mpino rehetra dia tsy maintsy mandray ny K˘monio Masina fara fahakeliny isan-taona amin’ny Paka”) no miantoka ny faran’izay kely amin’ny fandraisana ny Vatana aman-dRan’ny Tompo mifandray amin’ireo fetin’ny Paka, fototra sy foiben’ny litorzia kristianina[85].

2043.Ny didy fahefatra (“Amin’ireo andro fivalozana naraikitry ny Fiangonana, ny mpino dia tsy maintsy mifady hena sy mifehy tena amin’ny fifadian-kanina”) no miantoka ny fotoanan’ny famolahan-tena sy fivalozana izay manomana antsika amin’ny fety litorzika sy mandrisika antsika hahay mifehy ny tosi-kerim-panentana ao anatintsika sy ny fahafahan’ny fo[86].

Ny didy fahadimy (“Ny mpino dia tsy maintsy miantoka ny fanampiana amin’izay ilain’ny Fiangonana”) no milaza fa ny mpino rehetra dia tsy maintsy miantoka ny fanampiana amin’izay ilain’ny Fiangonana na ara-bola na ara-pitaovana, ny tsirairay araka izay herim-pahazoany manao izany[87].

III.Fiainana ara-m˘raly sy fijoroana ho misi˘nera

2044.Ny tsy fivadihan’ny vita batemy no toe-piainana fototra amin’ny fitoriana ny Evanjely sy amin’ny fanirahana ny Fiangonana ho amin’izao tontolo izao. Mba hampiharihary eo anatrehan’ny olona ny herim-pahamarinan’ ny hafa-pamonjena sy ny fipariahany, dia adidin’ny kristianina ny manamarina an’izany amin’ny fijoroany ho vavolombelona. “Ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fiainana kristianina sy ny tsanganasa tontosaina amin’ny toe-panahy mihoatra ny natoraly dia tena manan-kery amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho amin’ny finoana sy ho amin’ Andriamanitra”[88]

2045.Satria ireo kristianina no rantsambatan’ny Vatana, izay i Kristy no Loha[89], dia mandray anjara amin’ny fandrafetana ny Fiangonana izy ireo, amin’ny alalan’ny faharetan’ny finoan’izy ireo sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tenan’izy ireo. Mihalehibe ny Fiangonana, mitombo sy miitatra amin’ny alalan’ny fahamasinan’ny mpinony[90], mandra-pahatonga “ho olon-dehibe, mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoany” (Efez 4,13).

2046.Amin’ny alalan’ny fiainan’izy ireo araka an’i Kristy ny kristianina no manafaingana ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ny “Fanjakan’ny rariny, ny marina ary ny fiadanana”[91]. Tsy mandao ny asa eto an-tany anefa izy ireo ; noho izy ireo matoky ny Mpampianany, dia amim-pahitsiana, faharetana sy fitiavana no anatontosany izany.  

 

FAMINTINANA

2047. Ny fiainana ara-m˘raly dia fanompoam-pivavahana ara-panahy. Amin’ ny litorzia sy amin’ny fankalazana ny sakramenta no ahitan’ny asa amam-pitondran-tena kristianina ny sakafony.

2048. Ny didin’ny Fiangonana dia mikasika ny fiainana ara-m˘raly sy ny maha-kristianina, miray amin’ny litorzia, ary amin’izany no ivelomany.

2049.Ny Fahefan’ny mpitondra Fiangonana mampianatra momba ny m˘raly dia mazÓna ampiasaina amin’ny katesezy sy amin’ny toriteny, miorina amin’ny Didy folo izay manambara ny fototry ny fiainana ara-m˘raly sahaza ny olona rehetra.

2050.Ny Papa sy ny Eveka rehetra, amin’ny maha-mpampianatra marina azy ireo, no mitory amin’ny Vahoakan’Andriamanitra ny finoana izay tsy maintsy ekena sy ampiharina eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena. Anjaran’izy ireo koa ny manambara ny hevitr’izy ireo mikasika ny m˘raly izay andraikitry ny  lalÓna voa-Janahary sy ny fisainana.

2051.Ny fanomezam-pahasoavana momba ny tsy feteza-mandiso amin’ny Fahefa-mampianatra ananan’ny mpitondra Fiangonana dia manenika ireo singafototra rehetra amin’ny fitambaram-pampianarana, ao anatin’izany ny m˘raly, izay raha tsy misy an’ireny ny fahamarinana mahavonjy momba ny finoana, dia tsy mety ho voatahiry, voazava na voatandrina.

 
 
[1] LÚon XIII, ans. "Libertas praestantissimum" ; mamerina ny voalazan’i Thomas d’A., s. th. 1-2, 90,1.
[2] Tertullien, Marc. 2,4,5.
[3] LÚon XIII, ans. "Libertas praestantissimum".
[4] FAA, 89,ž1.
[5] Md Augustin, Trin. 14,15,21.
[6] Md Thomas d’A., dec. praec.1.
[7] CicÚron, rÚp. 3,22,33.
[8] jer. FAA 10.
[9] Md Augustin, conf. 2,4,9.
[10] jer. K˘ns. Vatikana I : DS 3005 ; Pie XII, enc. "Humani generis" : DS 3876.
[11] Md Augustin, Psal. 57,1.
[12] jer. R˘m 7,12.
[13] jer. R˘m 7,14.
[14] jer. R˘m 7,16.
[15] jer. Gal 3,24.
[16] jer. R˘m 7.
[17] Md IrÚnÚe, haer. 4,15,1.
[18] Md Thomas d’A., s.th. 1-2, 107,1,ad 2.
[19] jer. Jer 31,31-34.
[20] Md Augustin, serm. Dom. 1,1,1.
[21] jer. Mt 5,17-19.
[22] jer. Mt 15,18-19.
[23] jer. Mt 5,48.
[24] jer. Mt 5,44.
[25] jer. Mt 6,1-6.16-18.
[26] Mt 6,9-13.
[27] jer. Mt 7,13-14.
[28] jer. Mt 7,21-27.
[29] jer. Lk 6,31.
[30] jer. Jo 13,34.
[31] jer Jo 15,12.
[32] jer. R˘m 14 ; 1 K˘r 5-10.
[33] jer. Jak. 1,25 ; 2,12.
[34] jer. Gal 4,1-7.21-31 ; R˘m 8,15-17.
[35] jer. Md Thomas d’A., s. th., 2-2 ; 184,3.
[36] Md Franšois de Sales, amour 8,6.
[37] jer. Md Thomas d' A., s.th. 1-2, 90,4.
[38] jer. R˘m 10,4.
[39] FF 42.
[40] jer. R˘m 6,3-4.
[41] jer. 1 K˘r 12.
[42] jer. Jo 15,1-4.
[43] Md Athanase, ep. Serap. 1,24.
[44] K˘ns. Trente : DS 1528.
[45] jer. K˘ns. Trente : DS 1529.
[46] jer. K˘ns. Trente : DS 1525.
[47]Md Augustin in Ev. Jo 72,3.
[48] jer. Jo 1,12-18.
[49] jer. R˘m 8,14-17.
[50] jer. 2 Pi 1,3-4.
[51] jer. Jo 17,3.
[52] jer. 1 K˘r 2,7-9.
[53] jer. Jo 4,14 ; 7,38-39.
[54] Md Augustin, grat. 17,33.
[55] Md Augustin, nat. et grat. 31,35.
[56] Md Augustin, conf. 13, 36. 38.
[57] jer. FF 12.
[58] jer. 1 K˘r 12.
[59] jer. K˘ns. Trente : DS 1533-1534.
[60] Jeanne d’Arc, proc.
[61] MR, Prefasin’ny olomasina mitanisa ny ź Docteur de la grÔce ╗ Md Augustin, Psal. 102,7.
[62] K˘ns. Trente : DS 1546.
[63] jer. K˘ns. Trente : DS 1548.
[64] Md Augustin, serm. 298, 4-5.
[65] Mb Therezin’i Jesoa Zazakely, offr.
[66] FF 40.
[67] FF 40.
[68] jer. 2 Tim 4.
[69] Md GrÚgoire de Nysse, hom. in Cant.8.
[70] jer. K˘ns. Trente : DS 1576.
[71] FF 40.
[72] Md GrÚgoire de Nysse, v. Mos.
[73] jer. R˘m 12,1.
[74] FF 17.
[75] CIC, can. 747,2.
[76] FF 25.
[77] jer. FF 25.
[78] CDF, dÚcl. "Mysterium Ecclesiae" 3.
[79] jer. FVA 14.
[80] jer. CIC, can. 213.
[81] jer. 1 K˘r 2,10-15.
[82] jer. R˘m 12,8.11.
[83] jer. CIC, can. 1246-1248 ; CCEO, can. 880, 3 ; can. 881, 1.2.4.
[84] jer. CIC, can.989 ; CCEO, can.719.
[85] jer. CIC, can. 920 ; CCEO, can. 708 ; 881,3.
[86] jer. CIC, can. 1249-1251 ; CCEO, can. 882.
[87] jer. CIC, can. 222 ; CCEO, can. 25 ; azon’ny Fivondronan’ny Eveka atao ny mandraikitra didy hafa ao amin’ny Fiangonana ho an’ny fari-piadidian’izy ireo ; jer. CIC, can. 455.
[88] APL 6.
[89] jer. Efez 1,22.
[90] jer. FF 39.
[91] MR, Prefasy amin’ny fetin’i Kristy Mpanjaka.
 

 

top