The Holy See
back up
Search
riga

Ny didy folo

 

Eksaody 20,2-17

Deter˘n˘my 5,6-21

Rijan-teny katesezy[1]

 

Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao tao amin’ny tany Ejipta, tao amin’ny trano fanandevozana.

 

 

 

Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao tao amin’ny tany Ejipta, tao amin’ny trano fanandevozana.

 

Izaho no Tompo Andriamanitrao

Tsy hanana andriamanin-kafa eo anatrehako ianao.

 

Tsy hanana andriamanin-kafa eo anatrehako ianao.

 

Andriamanitra irery ihany no hotsaohanao sy ho tiavinao tanteraka ;

Tsy hanao sarin-javatra voasokitra na dia iray akory aza ianao ho an’ny tenanao

na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,na ny ety amin’ny tany ambany, na ny ao anaty rano ambanin’ny tany.

Tsy hiankohoka eo anatrehan’ ireny  andriamanitra ireny ianao

ary tsy hanompo  azy akory,

fa Izaho no Tompo Andriamanitrao,

Andriamanitra saro-piaro Aho

ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka

hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,

amin’izay mankahala Ahy,

fa mamindra fo kosa

hatramin’ny taranaka faharivo, amin’ireo izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko.

 

 

 

Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,

fa tsy avelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny anarany.

 

Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao …

 

 

Hajainao ny anarany masina, amin’ny fialana ny  faniratsirana sy fianianana tsy to.

 

Hotsaroanao ny andro sabata mba hanamasina Azy.

Mandritra ny andro enina no hiasanao

sy hanaovanao ny taozavatrao,

fa ny andro fahafito dia sabata

ho an’ny Tompo Andriamanitrao.

Tsy hanao asa na inona na inona ianao,

na ny tenanao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy,

na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao,

na ny biby fiompinao,

na ny vahiny

izay tafiditra ny vavahadinao.

Satria tamin’ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,mbamin’izay rehetra ao aminy

fa ny andro fahafito nitsahatra Izy ; izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro sabata sy nanamasinany azy.

 

Hotandremanao ny andro sabata mba hanamasina Azy.

 

Hotsaroanao ny andro fety mba hanamasina azy.

 

Hajao ny rainao sy ny reninao,

 

 

mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.

 

Hajao ny rainao sy ny reninao.

 

 

Hanaja ny rainao sy ny reninao ianao,

tahaka izany koa ny lehibenao.

 

Tsy hamono olona ianao.

 

Tsy hamono olona ianao.

 

Hofadinao ny famonoan’ olona

sy ny fanafintohinana, tahaka izany koa ny fankahalana sy fahatezerana.

 

Tsy hijangajanga ianao.

 

Tsy hijangajanga ianao.

 

Hankatoavinao amim-pitandremana  ny fahadiovana amin’ny ataonao.

 

Tsy hangalatra ianao.

 

Tsy hangalatra ianao.

 

Tsy haka ny fananan’ny hafa ianao, na hitazona izany tsy an-drariny.

Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.

 

Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.

Hialanao ny fanaratsiana, tahaka izany koa ny fandaingÓna.

 

Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,

tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao ianao,

na ny ankizilahiny,

na ny ankizivaviny,

na ny ombiny, na ny ampondrany,

na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.

 

Tsy hitsiriritra ny

 

vadin’ny namanao ianao.

 

 

Tsy haniry …

na inona na inona izay an’ny namanao ianao.

 

Tsy haniry ny

 

vadin’ny namanao ianao.

 

 

Tsy hitsiriritra ny fananan’ny  namanao ianao.

 

 

SAMPANA FAHAROA

Ny didy folo

 

“Ry Mpampianatra ˘, inona no tokony hataoko…?”

2052.“Ry Mpampianatra ˘, inona no tsara tokony hataoko hahazoana ny fiainana mandrakizay ?” Ny navalin’i Jesoa an’ilay tovolahy izay nametraka io fanontaniana io Taminy aloha, dia ny fanaingÓna fa ilaina ny mankato an’Andriamanitra ho “hany Tsara”, ho Soa indrindra sy ho loharanon’ny soa rehetra. Avy eo, izao no nambaran’i Jesoa taminy : “Raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.” Dia notanisainy tamin’ity olona nifampiresaka Taminy ny didy mikasika ny fitiava-namana : “Tsy hamono olona ianao, tsy hijangajanga ianao, tsy hangalatra ianao, tsy hijoro ho vavolombelona tsy marina ianao, hajao ny rainao sy ny reninao.” Lafiny manentana ny tokony hanatanterahana azy no amintinan’i Jesoa ireo didy ireo amin’ny farany : “Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao” (Mt 19.16-19).

2053.Ny valy faharoa fanampin’io valy voalohany io, dia hoe : “Raha te ho lavorary ianao, mandehana, amidio izay anananao ka omeo ny mahantra ny vidiny, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao ; rahefa izany, avia, araho Aho” (Mt 19,21). Tsy manafoana ny valy voalohany tsy akory ny valy faharoa. Ny fanatanterahana ny didy no fanarahana an’i Jesoa-Kristy. Tsy nofoanana ny LalÓna[2], fa ny olona no asaina mitady azy ao amin’ny Tenan’ilay Mpampianany, izay ao Aminy no lavorary ny fahatanterahan’ ny LalÓna. Ao amin’ny Evanjely telo sin˘ptika, ny antson’i Jesoa miantefa amin’ilay tovolahy mpanankarena mba hanaraka Azy araka ny fanekena maha-mpianatra sy amin’ny fitandremana ny didy, dia mifandray tendro amin’ny antso ho amin’ny fahantrana sy ny fahadiovam-pitiavana[3]. Ireo torohevitry ny Evanjely dia tsy azo sarahina amin’ny didin’Andriamanitra. 

2054.Noraisin’i Jesoa indray ny didy folo, saingy naharihariny ny herin’ny Fanahy miasa ao amin’ny teny tsirairay. Notorýny ny fahamarinana izay mihoatra noho ny an’ny mpahay lalÓna sy ny Farisianina[4] mbamin’ny an’ireo jentily[5]. Novelabelariny izay rehetra takýn’ny didy : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Tsy hamono olona ianao… Fa izaho kosa milaza aminareo hoe : Na iza na iza mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny tribonaly” (Mt 5.21-22). 

2055.Raha nametrahana fanontaniana i Jesoa hoe : “Inona no didy lehibe indrindra amin’ny LalÓna ?” (Mt 22,36), dia izao no navaliny : “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo ; izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao : Ho tia ny namanao ianao tahaka ny tenanao. Ao amin’ ireo didy roa ireo no iankinan’ny LalÓna manontolo ary koa ny voalazan’ny Mpaminany” (Mt 22,37-40)[6]. Amin’ny fitsilovan’io didim-pitiavana roa fa tokana ihany, izay hafenoan’ny LalÓna io, no tsy maintsy anazavana ny Didy folo :

Ny didy hoe : Tsy hijangajanga ianao ; tsy hamono olona ianao ; tsy hangalatra ianao ; tsy hitsiriritra ianao, mbamin’ny hafa rehetra, dia voafintina amin’ireto teny ireto hoe : Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana. Noho izany, ny fitiavana no fahatanterahana ny lalÓna an-tsakany sy an-davany (R˘m 13,9-10).

 

Ny Didy folo ao amin’ny Soratra Masina 

2056.Ny teny hoe “Didy folo” dia midika ara-bakiteny hoe “teny folo”  (Eks 34,28; Det 4,13; 10,4). Andriamanitra no nanambara tamin’ny vahoakany teo an-tendrombohitra masina, ireo “teny folo” ireo. Tamin’ny Rantsantanany no nanoratany an’ireo[7], izay tsy mitovy amin’ireo didy hafa nosoratan’i M˘izy[8]. Ireo no mitambatra ho tenin’Andriamanitra amin’ny anarana ambony indrindra. Ao amin’ny bokin’ny Eksaody[9] sy ao amin’ny an’ny Deter˘n˘my[10] no nampitÓna an’ireo amintsika. Nanomboka hatramin’ny Testamenta Taloha no nahatonga ireo “teny folo”[11] ireo ho fanovozan-kevitry ny boky masina, nefa ao amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao ao amin’i Jesoa-Kristy no voambara ny hevitra feno raketin’izy ireo. 

2057.Ny Didy folo aloha dia fantatra ao amin’ny tontolon’ny Eksaody izay fisehoam-panafahana lehibe nataon’Andriamanitra ho foiben’ny Fanekem-pihavanana Taloha. Na nosoratana ho didy milaza fandavana, fandrarÓna, na didy milaza fanekena (toy ny hoe : “ManajÓ ny rainao aman-dreninao”) aza ireo “teny folo” ireo, dia samy milaza ny fepetra amin’ny fiainana noafahana tamin’ny fanandevozan’ny fahotana. Lalam-piainana ny Didy folo :   

Raha tia an’Andriamanitrao ianao, raha mandeha amin’ny lalany, raha mitandrina ny didiny, ny lalÓnany sy ny fitsipiny, dia ho velona ianao ary hihamaro (Det 30,16).

Izany herim-panafahan’ny Didy folo izany, dia miseho, ohatra, ao amin’ ny didy momba ny fialan-tsasatra amin’ny sabata, natokana ihany koa ho an’ny vahiny sy ny andevo :

“Tsarovinao : efa andevo ianao tany an-tany hafa. Ny Tompo Andriamanitrao no namoaka anao avy any, tamin’ny tanana mahery sy sandry nahinjitra” (Det 5,15).

2058.Ny “teny folo” no mamintina sy milaza ampahibemaso ny LalÓnan’ Andriamanitra : “Ireo no teny nolazain’ny Tompo taminareo, fony ianareo rehetra niangona teo an-tendrombohitra. Teo afovoan’ny afo, tao anatin’ny rahona sy ny haizina Izy no niteny taminareo tamin’ny feo mahery. Tsy nampiany na inona na inona izany ary  nosoratany ireo tamin’ny takela-bato roa izay nomeny ahy.” (Det 5,19). Izany no niantsoana an’ireo takela-bato roa ireo hoe “ny Vavolombelona“ (Eks 25,16). Satria, ao no mirakitra ny fepetran’ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra sy ny vahoakany. Ireo “takela-bato Vavolombelona” ireo (Eks 31,18; 32,15; 34,29) dia tokony hapetraka ao anatin’ny “fiara” ( Eks 25,16; 40,1-3).

2059. Ireo “teny folo” no notononin’Andriamanitra teo anivon’ny fisehoany (“Teo an-tendrombohitra, tao afovoan’ny afo, no niteny nifanatrika taminareo ny Tompo” : Det 5,4). Anisan’ny fanambarÓna izay nataon’ny Tenan’Izy Andriamanitra sy avy amin’ny voninahiny ireo. Fanomezan’ny Tenan’Izy Andriamanitra sy ny sitrapony masina, ny fanomezana ny didy. Amin’ny fampahalalana ny sitrapony no anambarÓn’Andriamanitra ny Tenany amin’ny vahoakany. 

2060. Anisan’ny fanekem-pihavanana namafisin’Andriamanitra tamin’ireo izay azy ny fanomezana ny didy sy ny lalÓna. Araka ny bokin’ny Eksaody, ny fanambarÓna ny “teny folo” dia nekena teo anelanelan’ny fanolorana ny fanekem-pihavanana[12] sy ny famaranana azy[13] – rahefa nampanantena ny vahoaka fa “hanao” izay rehetra voalazan’ny Tompo, ary hanaiky izany[14]. Tsy nampitaina na oviana na oviana ny Didy folo raha tsy taorian’ny fampahatsiarovana ny Fanekem-pihavanana (“Nanao fanekem-pihavanana tamintsika tao H˘reba ny Tompo Andriamanitsika” : Det 5,2).

2061. Tao anatin’ny fanekem-pihavanana no nahazoan’ireo didy folo ny tena heviny feno. Araka ny Soratra Masina, ao amin’ny fanekem-pihavanana sy amin’ny alalany no ahazoan’ny asa amam-pihetsika ara-m˘raly ataon’ny olombelona ny heviny feno. Ny voalohany amin’ireo “teny folo” ireo dia mampahatsiaro fa ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoakany no voalohany : 

Sazým-pahotana  no nisian’ny fialana tao am-paradisan’ny fahafahana ka nahatonga tao amin’ny fanandevozan’izao tontolo izao ;  izany no nahatonga ny fehezan-teny voalohany amin’ny Didy folo, izay teny voalohany amin’ny didin’Andriamanitra, iompana amin’ny fahafahana : “Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao avy tao amin’ny tany Ejipta, avy tao amin’ny trano fanandevozana” (Eks 20,2; Det 5,6)[15].
2062.Ireo didy amin’ny maha-didy azy ireo no manaraka ato aoriana ; milaza tsy mivantana ny maha-an’Andriamanitra naorin’ny fanekem-pihavanana ireo didy ireo. Ny fiainana ara-m˘raly no valy amin’ny fialohavam-pitiavan’ny Tompo. Io fiainana ara-m˘raly io no fankasitrahana sy mari-panajana an’ Andriamanitra ary vavaka fisaorana Azy. Io no fiaraha-miasa amin’ny fandaharam-pamonjena izay tohizin’Andriamanitra eo amin’ny tantara. 

2063. Ny fanekem-pihavanana sy ny resaka ifanaovan’Andriamanitra sy ny olombelona dia mbola voamarina fa ny zavatra rehetra tsy maintsy atao dia voalaza amin’ny mpanao ny asa voalohany (“Izaho no Tompo…”) ary ampitaina amin’ny mpanao ny asa hafa (“Ianao …”). Ao amin’ireo didy rehetra an’Andriamanitra, ny mpisolo anarana manondro olona tokana no milaza ny andefasana. Niaraka tamin’izany koa, teo anivon’ny vahoaka rehetra Andriamanitra no nampahafantatra ny sitrapony tamin’ny tsirairay manokana :

Nandidy ny fitiavana an’Andriamanitra sy nampianatra ny rariny atao amin’ny namana ny Tompo, mba ho marina, na ho mendrika an’ Andriamanitra ny olombelona. Araka izany, nanomana ny olombelona tamin’ny alalan’ny Didy folo Andriamanitra mba ho tonga sakaizany sy tsy hanana afa-tsy fo tokana hiarahana amin’ny namany. (…) Ireo tenin’ny Didy folo dia mipetraka torak’izany koa eo amintsika (kristianina). Tsy foana velively ireo, fa mandray fanamafisana sy fivelarana noho ny fahatongavan’ny Tompo ao amin’ny nofo[16].

 

Ny Didy folo ao amin’ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana

2064. Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny fitokiana ny Soratra Masina sy manaraka ny oha-piainan’i Jesoa, dia manaiky marina fa manan-danja sy dikany lehibe tokoa ny Didy folo.

2065.Nanomboka tamin’ny andron’i Md Augustin, dia nitana toerana lehibe tokoa “ny didy folo”amin’ny katesezy ho an’ireo hatao batemy sy ny mpino. Tamin’ny taonjato faha-15, natao fahazarana ny milaza ny fampianaran’ny Didy folo narafitra ho rijan-teny miady rima, mora tadidina, ary azo antoka. Mbola ampiasaina izany ankehitriny. Matetika ny katesizin’ny Fiangonana no manazava ny m˘raly kristianina amin’ny fanarahana ny filaharan’ny “didy folo”.

2066.Ny fitsinjarana sy ny fanisian-daharana ny didy folo dia niovaova teny am-pamakivakiana ny tantara. Ity katesizy ity no manaraka ny fizarÓn’ny didy naraikitr’i Md Augustin sy tonga lovam-pampianarana ao amin’ny Fiangonana kat˘lika. Mitovy amin’izany koa ny an’ny foto-pinoana loterana. Hafa kely kosa ny fitsinjarana nataon’ny Aban’ny Fiangonana grika, izay hita ao amin’ny Fiangonana ˘rt˘d˘ksa sy ao amin’ireo ankohonam-piangonana pr˘testanta.

2067.Lazain’ireo didy folo ny fiambezoana ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Miompana bebe kokoa amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny telo voalohany, ary amin’ny fitiavana ny namana ny fito hafa.

Tahaka ny fitiavana, misy didy roa izay ampifandraisan’ny Tompo amin’ny LalÓna manontolo sy ny Mpaminany (…), no nitsinjarana koa ireo didy folo amin’izy ireo samy izy ireo ho amin’ny takela-bato anankiroa. Ny telo voasoratra amin’ny takela-bato iray, ary ny fito amin’ny iray hafa[17]

2068. Mampianatra ny K˘nsily tao Trente fa mandidy ny kristianina ireo didy folo ary mbola voadidy hitandrina an’ireo ny olona nohamarinina[18]. Ary manantitrantitra izany ny K˘nsily Vatikana II hoe : “Ny Eveka, dimbin’ny ap˘st˘ly, dia nandray tamin’ny Tompo (…) ny fanirahana hampianatra ny firenena rehetra sy hitory ny Evanjely amin’ny voary manontolo, mba hahazoan’ny olona rehetra ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana, ny Batemy ary ny fantanterahana ireo didy”[19].

 

Ny maha-iray ny Didy folo 

2069. Iray tsy mivaky ny Didy folo. Ny “teny” (“didy”) tsirairay ao amin’ireo didy folo dia mifandray hevitra amin’ny didy tsirairay hafa sy amin’ny didy manontolo ; mifampiankina izy ireo. Mifanazava ny Takela-bato roa mirakitra ny Didy folo ; mirafitra ho amboaram-pitsipika iray izy ireo. Ny mandika didy iray, dia mandika ny hafa rehetra[20]. Tsy afaka hanaja ny hafa ny olona raha tsy midera an’Andriamanitra Mpahary azy. Tsy hahay hitsaoka an’Andriamanitra ny olona raha tsy tia ny olombelona rehetra zavaboariny. Ny Didy folo no mampiray ny fiainana araka an’ Andriamanitra sy ny fiainam-piaraha-monin’ny olombelona.

 

Ny Didy folo sy ny lalÓna voa-Janahary 

2070.Anisan’ny fanambarÓn’Andriamanitra ireo didy folo, sady mampianatra antsika koa ny tena maha-olombelona marina ny olombelona. Manazava ireo adidy fototra izy ireo, izay raha tsy nolazaina mivantana aza, dia tsy inona fa ireo zo fototra, avy amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona. Mirakitra fombam-piteny misy soa manokana avy amin’ny lalÓna voa-Janahary ny Didy folo.

Hatrany am-piandohana Andriamanitra no nampiorim-paka ireo didin’ny lalÓna voa-Janahary tao am-pon’ny olombelona. Nianina tamin’ny fampahatsiarovana ireo taminy Izy aloha. Izay no Didy folo[21]

2071.Nambaran’Andriamanitra ny baikon’ny Didy folo na dia takatry ny saina fotsiny izao aza. Nila izany fanambarÓna izany ny olombelona mpanota, mba hahazoana ny fahalalana feno sy azo antoka momba ireo toetra takýn’ny lalÓna voa-Janahary :

Nanjary nilaina ny fanazavana feno momba ny baikon’ny Didy folo, noho ny toe-pahotana nahatonga ny fahamaizinan’ny fahazavan-tsaina sy ny fivilian’ny sitrapo[22].

Mahalala ny didin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanambarÓny izay atolony antsika ao amin’ny Fiangonana, sy amin’ny alalan’ny feon’ny k˘nsiansy m˘raly.

 

Ny adidy takýn’ny Didy folo 

2072.Noho ireo didy folo milaza ny votoatin’ny adidin’ny olombelona amin’ Andriamanitra sy amin’ny namany, dia ambaran’izy ireo, ao amin’ny ventin-kevitra raketiny, ireo adidy lehibe takýny. Tsy miovaova mihitsy ireo didy folo ary manan-kery lalandava sy hatraiza hatraiza ireo adidy takýny. Tsy misy na iza na iza mety ho afaka miala amin’izany, satria didy naraikitr’ Andriamanitra ao am-pon’ny olombelona ny didy folo.

2073.Ny fanekena ny didy dia mitaky adidy, izay raha ny votoatin’ny maha-adidy azy, dia antonony ihany. Ohatra, rarÓn’ny didy fahadimy ny fanevatevana amin’ny fitenenana, nefa mety ho fahadisoana lehibe na tsia izany, arakaraka ny fisehon-javatra na ny eritreritr’ilay izay manevateva.

 

“Raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” 

2074.Hoy i Jesoa : “Izaho no Voaloboka ; ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy, izy io no mamoa be ; satria raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15,5). Ny voa antsoina amin’izany teny izany dia ny fahamasinan’ny fiainana ampamokarin’ny firaisana amin’i Kristy. Raha mino an’i Jesoa-Kristy isika, miombona amin’ny misteriny ary mitandrina ny didiny, dia Izy Mpamonjy mihitsy no tonga hitia ao amintsika ny Rainy sy ny havana aman-tsakaizany, ny Raintsika sy ny havana aman-tsakaizantsika. Noho ny Fanahy Masina, manjary fitsipika velona sy ao anaty amin’ny asa amam-pihetsitsika ny Tenan’i Jesoa. “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny itiavako anareo” (Jo 15,12).

 

FAMINTINANA

2075.Inona no tsara hataoko, mba hahazoako ny fiainana mandrakizay ? - Raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy (Mt 19,16-17).

2076.Tamin’ny asany sy tamin’ny toriteniny no nanamarinan’i Jesoa fa maharitra lalandava ny Didy folo.

2077. Tao anatin’ny fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany no nanomezany ny Didy folo. Ao amin’io fanekem-pihavanana io sy amin’ny alalany no ahazoan’ireo didin’ Andriamanitra ny heviny tena izy.

2078. Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny fitokiana ny Soratra Masina sy manaraka ny oha-piainan’i Jesoa, dia manaiky marina fa manan- danja sy dikany lehibe tokoa ny Didy folo.

2079.Ny Didy folo dia mirafitra ho amboaram-pitsipika iray izay ny teny na didy tsirairay ao amin’izany dia mifandray amin’ny fitambaran’ny didy manontolo. Ny mandika ny didy iray, dia mandika ny LalÓna manontolo[23].

2080.Mirakitra fombam-piteny misy soa manokana avy amin’ny lalÓna voa-Janahary ny Didy folo. Tamin’ny alalan’ny fanambarÓn’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny sain’olombelona no nahalalantsika ny Didy folo.

2081.Ny Didy folo dia manambara ireo adidy lehibe takýny, ao amin’ny ventin-kevitra raketiny. Kanefa, ny fanekena an’ireo didy ireo dia mitaky koa adidy izay raha ny votoatin’ny maha-adidy azy, dia antonony ihany.

2082.Izay andidian’Andriamanitra, dia ataony azo tanterahina amin’ny alalan’ ny fahasoavany.


 
[1] CatÚchismus catholicus, p.23-24.
[2] jer. Mt 5,17.
[3] jer. Mt 19,6-12.21.23-29.
[4] jer. Mt 5,20.
[5] jer. Mt 5,46-47.
[6] jer. Det 6,5 ; Lev 19,18.
[7] jer. Eks 31,18 ; Det 5,22.
[8] jer. Det 31,9.24.
[9] jer. Eks 20,1-17.
[10] jer. Det 5,6-22.
[11] jer. ohatra ďs 4,2 ; Jer 7,9 ; Ezek 18,5-9.
[12] jer. Eks 19.
[13] jer. Eks 24.
[14] jer. Eks 24,7.
[15] OrigŔne, hom. in Ex. 8,1.
[16] Md IrÚnÚe, haer. 4,16, 3-4.
[17] Md Augustin, serm. 33,2.
[18] jer. DS 1569-1570.
[19] FF 24.
[20] jer. Jak 2,10-11.
[21] Md IrÚnÚe, haer. 4, 15, 1.
[22] Md Bonaventure, sent. 3, 37, 1, 3.
[23] jer. Jak 2,10-11.
 

 

top