The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHAROA

ź Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao ╗

 

Hoy i Jesoa tamin’ny mpianany : ź Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo ╗ (Jo 13,34).

2196.Ho valin’ny fanontaniana napetraka tamin’i Jesoa ny amin’izay voalohany amin’ireo didy, dia hoy Izy : “Ny voalohany, dia izao : "Mihainoa, ry Israely ! Ny Tompo Andriamanintsika no hany Tompo Tokana ; ary ho tia ny Tompo Andriamanitrao ianao, amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, amin’ny sainao manontolo ary amin’ny herinao manontolo !" Ny faharoa, dia izao : "Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao." Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo” (Mk 12,29-31). 

Mampahatsiahy izany i Md Paoly : “Izay tia ny hafa dia efa nahatanteraka ny lalÓna. Satria ny didy hoe : Tsy hijangajanga ianao ; tsy hamono olona ianao ; tsy hangalatra ianao ; tsy hitsiriritra ianao, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voafintin’ireto teny ireto hoe : Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao. Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana. Koa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalÓna an-tsakany sy an-davany” (R˘m 13,8-10).

 

ANDALANA 4

Ny didy fahefatra

 

Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro hiainana ianao any amin’ny tany izay omen’ny Tompo Andriamanitrao anao (Eks 20,12).

Nanaiky azy ireo Izy (Lk 2,51).

Ny Tenan’i Jesoa Tompo mihitsy no nampahatsiahy ny herin’io “didin’Andriamanitra”[1] io. Hoy ny fampianaran’ny ap˘st˘ly : “Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo, ao amin’ny Tompo, fa izany no rariny. "Hajao ny rainao sy ny reninao", izany no didy voalohany izay nasiana teny fampanantenana hoe : "mba hahita soa sy ho finaritra amin’ny andro lava iainana eto ambonin’ny tany ianao" ” (Efez 6,1-3)[2].

2197. Ny didy fahefatra no manokatra ny takela-bato faharoa. Izy no manondro ny didin’ny fifankatiavana. Sitrak’Andriamanitra, manarakaraka ny Tenany, ny hanajantsika ny ray aman-drenintsika izay nahazoantsika ny fiainana sy nampita tamintsika ny fahalalana an’Andriamanitra. Voadidy isika hanome voninahitra sy hanaja izay rehetra nomen’Andriamanitra ny fahefany, noho ny soa ho antsika.

2198.Manazava amin’ny fomba azo antoky ny adidy hotanterahina io didy io. Milaza ny didy manaraka rehetra izay mahakasika ny fanajana manokana ny aina, ny fanambadiana, ny soa amam-pananana eto an-tany, ny fiteny, io didy io. Anisan’ny iray amin’ireo fototry ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny s˘sialy izy.

2199.Mivantana mazava amin’ny zanaka eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ ny ray sy ny renin’izy ireo ny didy fahefatra, satria io fifandraisana io no mahakasika ny daholobe indrindra. Mahakasika koa ny fifandraisam-pihavanana amin’ny tsirairay ao amin’ny vondrom-pianakaviana izy. Takýny ny hanomezana voninahitra, fanehoam-pitiavana ary fankasitrahana ireo dadabe sy nenibe ary ireo razana. Farany, mivelatra koa amin’ny adidin’ny mpianatra amin’ny mpampianatra izy, ny mpiasa amin’ny mpampiasa, ny olom-pehezina amin’ny lehiben’izy ireo, ny olom-pirenena amin’ny tanindrazan’izy ireo, amin’ireo izay mifehy azy na mitondra azy.

Io didy io dia mitaky, na  tsy milaza mivantana aza, ny adidin’ny ray aman-dreny, mpiahy, mpampianatra, lehibe, mpitsara, mpitondra fanjakana, ireo rehetra izay mampiasa fahefana mifehy ny hafa na amin’ny fikambanan’olona.

2200. Misy valisoany ny fitandremana ny didy fahefatra : “Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro iainana ianao any amin’ny tany izay omen’ ny Tompo Andriamanitrao anao” (Eks 20,12)[3]. Ny fanajana io didy io dia mampahazo, miaraka amin’ny vokatra ara-panahy, ny vokatra ara-nofo eto an-tany momba ny fiadanana sy ny fanambinana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny tsy fitandremana io didy io dia mahatonga fahavoazana lehibe ho an’ny fiombonamben’ny olombelona sy ho an’ny tenan’ny olombelona.

 

I. Ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’asan’Andriamanitra

 

Toetran’ny fianakaviana

2201.Miorina amin’ny fifaneken’ny mpivady ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ ny soa ho an’ny mpivady sy ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Ny fifankatiavan’ny mpivady sy ny fiterahana ny zanaka no mamorona ny fifandraisana sy ny andraikitry ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana.

2202.Ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray akamban’ny fanambadiana no mamorona miaraka amin’ny zanak’izy ireo ny fianakaviana iray. Izany fandaharana izany dia mialohan’ny fankatoavana manontolo avy amin’ny Fanjakana ; tsy maintsy ekeny izany. Hoheverina ho fanovozan-kevitra ara-pitsipika izany, izay avy amin’ny alalany no tokony handanjalanjana ny endrika samihafa eo amin’ny rohim-pihavanana.

2203.Tamin’ny naharian’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy no nanorenany ny fianakavian’olombelona sy nanomezany azy ny lalÓna fototra iorenany. Mitovy fahamendrehana ny olona tsirairay ao amin’izany fianakaviana izany. Noho ny soa iombonana ho an’ny olona tsirairay ao aminy sy ho an’ny fiaraha-monina, no mahatonga ny faha-samihafa ny andraikitra, ny zo ary ny adidy ao amin’ny fianakaviana.   

Ny  fianakaviana  kristianina 

2204.“Ny fianakaviana kristianina dia sady manambara no manatanteraka amin’ ny fomba manokana ny fiombonan’ny Fiangonana ; noho izany antony izany, (…) tokony antsoina hoe fiangonana kely ao an-tokantrano ny fianakaviana kristianina”[4]. Manjary fiombonam-pinoana, fanantenana ary fitiavana izy ; manana lanjany manokana izy ao amin’ny Fiangonana, araka ny hita ao amin’ny Testamenta Vaovao[5]

2205. Fiombonan’ny olona ny fianakaviana kristianina, marika sy endriky ny fiombonan’ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Fanahy Masina. Taratry ny tsanganasa faharian’ny Ray ny asany amin’ny ara-piterahana sy ny ara-panabeazana. Voantso hiombona anjara amin’ny vavaka sy ny soron’i Kristy ny fianakaviana kristianina. Ny fivavahana andavanandro sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra no mampahery ao aminy ny fitiavana. Mpitory ny Evanjely sy misi˘nera ny fianakaviana kristianina.

2206.Ny fifandraisana eo anivon’ny fianakaviana no mitarika ny fitovian’ny fihetseham-po, ny fankamamiana ary ny tombon-tsoa, fa indrindra vokatry ny fifanajan’ny olona. Ankohonana nahazo tombon-tsoa manokana ny fianakaviana, voantso hanatanteraka “ny hevitra iombonan’ny mpivady ary koa ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny zanaka”[6].

 

II. Ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina 

2207. Ny fianakaviana no singafototra fiandohan’ny fiainam-piaraha-monina. Izy no fiaraha-monina voa-Janahary izay iantsoana ny lehilahy sy ny vehivavy hifanolotra ny tenany ao anatin’ny fitiavana sy ao anatin’ny fanomezana ny aina. Ny fahefana, ny fahamafisana orina ary ny fiainam-pifandraisana eo anivon’ny fianakaviana no iorenan’ny fototry ny fahafahana, ny fandriampahalemana, ny fihavanana eo anivon’ny fiaraha-monina. Ny fianakaviana no ankohonana, izay manomboka hatramin’ny fahazazana, no hampianarana ny soatoavina ara-m˘raly, hanombohana ny fanajana an’Andriamanitra ary hampiasana tsara ny fahafahana. Ny fiainan’ny fianakaviana no fanombohana ny fiainana eo amin’ny fiaraha-monina.

2208.Ny fianakaviana dia tokony hanana toe-piainana hianaran’ny tsirairay ao aminy ny fiahiana sy ny fandraisana ho andraikitra ny tanora, ny zokiolona, ny marary na ny sembana, ary ny mahantra. Betsaka anefa ny fianakaviana, amin’ny fotoana sasantsasany, no mahatsiaro tena fa tsy afaka hiantoka izany fanampiana izany. Noho izany, anjaran’ny olona hafa ao amin’ny fianakavian’izy ireo, ary amin’ny alalan’ny fifamenoana amam-pifanampiana, anjaran’ny fiaraha-monina, no mamatsy ny zavatra ilain’izy ireo : “Izao no fitiavam-bavaka madio tsy misy pentina sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika : ny manampy ny kamboty sy ny mananotena amin’ny fahorian’izy ireo, sy ny miaro tena tsy ho voaloton’ izao tontolo izao” (Jak 1,27). 

2209. Tokony ho ampiana sy arovana ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fepetra ara-piaraha-monina sahaza azy. Ao amin’ireo fianakaviana mba tsy afaka manatontosa ny anjara adidiny, dia manana adidy ny fikambanana momba ny s˘sialy hanampy azy ireo sy hanohana ny fanorenana ny fianakaviana. Araka ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana, dia hitandrina ny fikambanana goavana kokoa mba tsy hisazoka ny fahefan’ny olona sahirana ampiany na hitsabaka amin’ny fiainany.

2210.Ny fanomezan-danja ny fianakaviana ho amin’ny fiainana sy hafinaretan’ ny mpiara-monina[7] no mahatonga ny mpiara-monina anana andraikitra manokana hanohana sy hanamafy orina ny fanambadiana mbamin’ny fianakaviana. Aoka ho ataon’ny mpitondra fanjakana ho adidy lehibe ny “mankato sy ny miaro ny tena toetra voa-Janahary marina ny fanambadiana sy ny fianakaviana, ny miaro ny hatsaram-pitondran-tenan’ny vahoaka ary ny manampy amin’ny fampandrosoana ny tokantrano”[8].

2211.Manana adidy ny vondrona mpitondra fanjakana hanaja ny fianakaviana, manampy azy, ary indrindra miantoka azy :
- amin’ny fahafahana hanorina tokantrano, hanan-janaka sy hanabe azy ireo hifanaraka amin’ny zavatra azony antoka fa marina ara-m˘raly sy ara-pivavahana ;
- amin’ny fiarovana ny faharetam-pifamatoran’ny mpivady sy ny fijoroan’ny fianakaviana ;
- amin’ny fahafahana haneho ampahibemaso ny finoany, hampita  izany, hanabe ny zanany amin’izany, miaraka amin’ny fomba sy ny rafi-panabeazana ilaina ;
- amin’ny zo hanam-pananana manokana, fahafahana hanorina anton’asa, hanana asa, trano fonenana, zo hifindra monina ;
- araka ny rafi-pitondran’ny firenena, amin’ny zo ho tsaboina, amin’ny fitsimbinana ny zokiolona, amin’ny volan-jaza ;
- amin’ny fiarovana ny fandriampahalemana sy ny fahasalamana, indrindra amin’ny loza toy ny zava-mahadomelina, ny fampisehoam-betaveta, ny fidorohana zava-pisotro mahamamo, sns;
- amin’ny fahafahana hanorina fikambanana miaraka amin’ny fianakaviana hafa ary fahafahana ho voasolo tena amin’izany eo anatrehan’ireo mpitondra firenena[9]

2212.Manazava ny fifandraisana hafa eo amin’ny mpiara-belona ny didy fahefatra. Eo amin’ny rahalahintsika sy anabavintsika no ahitantsika ny zanaky ny ray aman-drenintsika ; eo amin’ny zanak’olo-mpirahalahy, mpirahavavy, mpianadahy amintsika no ahitantsika ny taranaky ny razambentsika ; eo amin’ny mpiray tanindrazana amintsika no ahitantsika ny zanaky ny firenentsika ; eo amin’ny vita batemy no ahitantsika ny zanaky ny Renintsika, dia ny Fiangonana izany ; eo amin’ny olombelona rehetra no ahitantsika ny zanaka lahy na zanaka vavin’Ilay izay mankasitraka ny iantsoana Azy hoe “Rainay”. Amin’izany, ny fifandraisantsika amin’ny namantsika dia ankatoavina ho rafitra ifandraisan’ny olona tsirairay. Tsy ”olona fe olona” eo amin’ny mpiara-monina ny namana, fa “ tena olona”, ka noho ny fahalalana ny fiaviany dia mendrika fikarakarana sy fanajana manokana. 

2213. Ny olona no mamorona ny fikambanan’olona. Ny fitantanana tsara ataon’ izy ireo dia tsy voafaritra amin’ny fiantohana ny zo sy ny fanatanterahana ny adidy, ary koa amin’ny tsy fivadiham-pifanekena. Amin’ny fifandraisana ara-dalÓna eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, eo amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena, no itakiana ny fahalemem-panahy voa-Janahary mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny olombelona, miahy ny fahamarinana sy ny fihavanana.

 

III. Adidin’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana

 

Adidin’ny zanaka 

2214.Ny maha-Ray an’Andriamanitra no loharanon’ny maha-ray aman-dreny ny olombelona[10] ; amin’izany no iorenan’ny haja amam-boninahitry ny ray aman-dreny. Ny fanajan’ny zanaka na kely izy na lehibe, ny rain’izy ireo sy renin’izy ireo[11], no itaizany ny tenany amin’ny firaiketam-pitia voa-Janahary nateraky ny rohim-pihavanana izay mampiray azy ireo. Takýn’ny didin’ Andriamanitra izany[12].

2215. Ny fanajana ny ray aman-dreny (fitiavan’ny zanaka manaja ray aman-dreny) dia miseho amin’ny fankasitrahana an’ireo izay niteraka azy ireo sy nahafahan’izy ireo nitombo vatana, fahendrena ary fahasoavana, tamin’ny alalan’ny fanomezan’izy ireo ny aina, ny fitiavan’izy ireo ary ny asan’izy ireo. “Amin’ny fonao manontolo, manomeza voninahitra ny rainao ary aza manadino ny fijalian’ny reninao. Tsarovinao fa izy ireo no nahitanao masoandro, ka inona no hamalianao azy ireo, amin’izay nataon’izy ireo ho anao?” (Ekl 7,27-28). 

2216. Miseho amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanekena tena izy ny fanajan’ ny zanaka ny ray aman-dreny. “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza ariana ny fampianaran-dreninao (...).  Hitarika anao amin’izay halehanao ireny ; hiambina anao amin’ny torimasonao ireny ; hiresaka aminao amin’ ny fifohazanao ireny” (Ohab 6,20.22). “Ny zanaka hendry vavolombelon’ ny fampianaran-drainy, fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana” (Ohab 13,1).

2217. Raha mbola miaina ao an-tokantranon’ny ray aman-dreniny ny zanaka, dia adidiny ny manaiky ny fangatahana rehetra avy amin’ny ray aman-dreniny entanin’ny soa ho an’ny zanaka sy ho an’ny fianakaviana. “Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa ankasitrahan’ny Tompo izany” (K˘l 3,20)[13]. Mbola adidin’ny zanaka ny manaiky ny didy marina avy amin’ny mpanabe azy ireo sy ireo rehetra izay nanankinan’ny ray aman-dreny azy ireo. Kanefa raha tsapan’ny zanaka ao amin’ny k˘nsiansiny, fa ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena ny manaiky ny didy atao aminy, dia aoka izy tsy hanaraka izany.

Na efa lehibe aza ny zanaka, dia mbola manana adidy hanaja ny ray aman-dreniny. Hanome fahafaham-po amin’ny fanirian’ny ray aman-dreniny izy ireo, hangataka an-tsitrapo tokoa ny toroheviny, ary handray tsara ny fananarana marina ataony. Mampiato ny fanekena ny ray aman-dreny ny fananan’ny zanaka ny fahaleovan-tenany, saingy ny fanajana azy ireo kosa mbola mitohy lalandava. Satria, ny fanajana dia mifototra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, iray amin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina.

2218.Ny didy fahefatra dia mampahatsiaro ny zanaka efa lehibe, ny adidy aman’andraikiny amin’ny ray aman-dreniny. Manana adidy izy, araka izay azony atao, hanome fanampiana ara-batana sy ara-tsaina an’ireo ray aman-dreniny, amin’ny androm-pahanteran’izy ireo, amin’ny fotoana mamparary azy ireo, amin’ny fotoana maha-manirery azy ireo na maha-sahirana azy ireo. Mampahatsiahy an’io adidim-pankasitrahana io i Jesoa[14].

Manome voninahitra ny ray eo anatrehan’ny zanaka ny Tompo, sy manamafy ny fahefan’ny reny eo amin’ny naterany. Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany, ary izay manome voninahitra ny reniny manangona harena. Izay manaja ny rainy hampifalian’ny zanaka, ary amin’ny andron’ny fivavahany ho henoim-bavaka izy. Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana, ary izay manaiky ny Tompo hanome fialan-tsasatra ny reniny (Ekl 3,2-6).

Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao, ary aza mampalahelo azy amin’ny andro iainany. Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy, ary aza manao tsinontsinona azy, rahefa ao anatin’ny hery sy ny tanjakao ianao (...). Izay mahafoy ny rainy, manahaka ny mpanevateva an’Andriamanitra, ary izay mampahatezitra ny reniny, manahaka ny olom-boaozon’ny Tompo (Ekl 3,12-13.16).

2219.Manampy ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny, mahakasika koa ny fifandraisana eo amin’ny samy mpiray tam-po izany. Misandrahaka eo amin’ny seha-pianakaviana manontolo ny fanajana ny ray aman-dreny. “Satro-boninahitry ny antitra, ny zanaky ny zanak’izy ireo” (Ohab 17,6). “Mifandefera ianareo ao anatin’ny fifankatiavana amim-panetren-tena tanteraka, amin-kalemem-panahy ary amim-paharetana” (Efez 4,2).

2220.Ho an’ny kristianina, misy fankasitrahana manokana tokony hefaina amin’ ireo izay nandraisany ny fanomezana ny finoana, ny fahasoavan’ny Batemy ary ny fiainana ao amin’ny Fiangonana. Mety ho ny ray aman-dreny izany, na olona hafa ao amin’ny fianakaviana, raibe sy renibe, mpitondra Fiangonana, Katesista, mpampianatra hafa na namana aman-tsakaiza. “Tsaroako ny finoana tsy misy fitaka izay ao anatinao, izay mitoetra ao amin’i Loisa renibenao aloha, sy ao amin’i Eonisa reninao, ary matoky marina aho fa ao aminao koa izany” (2 Tim 1,5).

 

Adidin’ny ray aman-dreny 

2221.Tsy mifintina fotsiny amin’ny fiterahan-janaka ny fahavokaram-pifankatiavan’ny mpivady, fa tsy maintsy miitatra amin’ny fanabeazana azy ireo ara-m˘raly sy amin’ny famolavolana azy ireo ara-panahy. “Zava-dehibe tokoa ny anjara asan’ny ray aman-dreny amin’ny fanabeazana, hany ka sarotra ny misolo toerana azy ireo”[15]. Ho an’ny ray aman-dreny, lehibe dia lehibe sy tsy azo afindra, ny zo sy ny adidim-panabeazana[16].  

2222. Tsy maintsy mihevitra ny zanany ho zanak’Andriamanitra sy manaja azy ireo amin’ny maha-olona azy ireo ny ray aman-dreny. Manabe ny zanany hanatanteraka ny LalÓnan’Andriamanitra ny ray aman-dreny, amin’ny fisehoan’ny tenan’izy ireo mankato ny sitrapon’ny Ray any an-danitra. 

2223.Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany. Mampiseho izany fiandraiketana izany aloha izy ireo amin’ny fanorenana tokantrano, izay ny fanehoam-pitiavana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny tsy fivadihana ary ny fanompoana tsy mitady tombon-tsoa ho an’ny tena, no fitsipi-pifehezana amin’izany. Ny tokantrano no toerana sahaza ny fanabeazana ny hatsaram-panahy. Ny  fanabeazana ny hatsaram-panahy dia mila fianarana mahafoy tena ho an’ny tombon-tsoan’ny hafa, ny fisainana mahitsy, ny fifehezan-tena, fepetra antoky ny fahafahana rehetra tena izy. Hampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany ny mampifanaraka “ny lafiny ara-batana sy ara-tosi-kerim-panentana ao anaty, amin’ny lafiny ao anaty sy ara-panahy”[17]. Andraikitra lehibe ho an’ny ray aman-dreny ny manome ohatra tsara ho an’ny zanany. Amin’ny fahaizana miaiky eo anatrehan’izy ireny ny fahadisoan’ny tena, no hahaizany tsaratsara kokoa manoro azy ireny sy manitsy azy ireny :

“Izay tia ny zanany tsy mitsitsy tsora-kazo aminy, izay manafay ny zanany hahazo tombon-tsoa avy amin’izany” (Ekl 30,1-2). “Ianareo ray aman-dreny, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo kosa izy ireo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo” (Efez 6,4).

2224.Ny tokantrano no anisan’ny toerana voa-Janahary anoroan-dalana ny olona ho amin’ny firaisan-kina sy ny fandraisana andraikitra iombonana. Hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany ny hitandrin-tena tsy hanala baraka sy tsy hikororosy fahana, izay atahorana hampidi-doza ny fiaraha-monin’ny olombelona.

2225.Tamin’ny fahasoavan’ny sakramentan’ny fanambadiana no nandraisan’ny ray aman-dreny ny fiandraiketana mbamin’ny tombon-tsoa manokana hitory ny Evanjely amin’ny zanak’izy ireo. Ho ampianarin’izy ireo ny misterin’ny finoana ny zanak’izy ireo, dieny mbola kely, ary izy ireo no “iraka mpitory voalohany”[18] amin’ny zanany. Ho ampandraisin’izy ireo anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana izy, dieny hatramin’ny fahazazany. Ny fomba fiainan’ny fianakaviana dia afaka mitaiza ny fientanam-pitiavana izay haharitra ho fambara marina mialoha sy tohan’ny finoana velona, mandritra ny fiainana manontolo.

2226. Ny fanabeazana amin’ny finoana ataon’ny ray aman-dreny amin’ny zanany, dia tokony hatomboka hatramin’izy mbola zaza menavava. Efa omena sahady izany, raha ny mpianakavy rehetra no mifanampy hitombo amin’ny finoana amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelon’ny fiainana kristianina mifanaraka amin’ny Vaovao Mahafaly. Mialoha sy manaraka ary mampitombo ny endri-pampianarana hafa momba ny finoana ny katesezin’ny fianakaviana. Manana fahefana hampianatra ny zanany hivavaka sy hamantatra ny fiantsoana amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy ireo ny ray aman-dreny[19]. Ny paroasy no fiombonana amin’ny Eokaristia sy votoatin’ny fiainana ara-litorzia ho an’ny fianakaviana kristianina ; toerana nomena tombon-tsoa manokana izany ho an’ny katesezin’ny zanaka sy ny ray aman-dreny.

2227. Manana anjara koa ny zanaka hanampy ny ray aman-dreniny hitombo fahamasinana[20]. Hifanaraka amin-kahalalam-po ny rehetra sy ny tsirairay ary tsy ho sasatry ny hifamela heloka, izay ilaina amin’ny fahadisoana, ny fifandirana, ny tsy fahamarinana ary ny fandaozana. Ny fifankamamiana no manoro hevitra ny amin’izany. Ny fitiavan’i Kristy no mitaky izany[21].

2228.Mandritra ny fahazazana, ny fanajana sy ny fankamamian’ny ray aman-dreny no miseho aloha amin’ny fikarakarana sy ny fitandremana izay atokan’izy ireo itaizana ny zanany, iahiana ny filan’izy ireny ara-batana sy ara-panahy. Eny an-dalam-pitomboana eny, mbola izany fanajana izany ihany sy izany fahafoizan-tena izany ihany no mitarika ny ray aman-dreny hanabe ny zanany hampiasa amim-pahitsiana ny sainy sy ny fahafahany.

2229. Noho ireo ray aman-dreny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany, dia manana zo izy ireo hisafidy ho an-janany ny sekoly izay mifanaraka amin’ny finoana arahin’izy ireo. Zo fototra izany. Manana adidy ny ray aman-dreny, araka izay azo atao, hisafidy ny sekoly izay hanampy azy ireo tsaratsara kokoa amin’ny lahasa maha-mpanabe kristianina azy ireo[22]. Manana adidy hiantoka izany zon’ny ray aman-dreny izany sy hanamafy orina ny fepetra marina hampiasana izany, ny fanjakana.

2230.Ny zanaka, rahefa tonga olon-dehibe, dia manana adidy sy zo hisafidy ny asa ivelomany sy ny lalam-piainana arahiny. Hiantsoroka izany andraikitra vaovao izany izy ao anatin’ny fifandraisana feno fitokiana amin’ny ray aman-dreniny, ka angatahany sy andraisany an-tsitrapo ny hevitra sy ny torohevitra. Hitandrina ny ray aman-dreny tsy hanery ny zanany na amin’ ny fisafidianana izay ho asa ivelomana, na amin’izay ho vady. Izany adidim-pahamalinana izany dia tsy misakana azy, fa vao mainka manery azy, hanampy ny zanany amin’ny alalan’ny hevitra voalanjalanja, singanina manokana raha mikasa hanorin-tokantrano izy.

2231. Misy ireo zanaka tsy manambady mba hikarakara ny ray aman-dreniny, na ny iray tam-po aminy, mba hilozoka manokana amin’ny asa na noho ny antony hafa maha-te-hidera. Afaka manampy be tokoa amin’ny soa ho an’ ny fianakavian’olombelona izy ireo.

 

IV. Ny fianakaviana sy ny Fanjakan’Andriamanitra 

2232.Ny fifamatoran’ny mpianakavy, na manao ahoana na manao ahoana ny havesa-danjany, dia tsy ambonin’ny zava-drehetra tanteraka. Arakaraka ny fitomboam-pahamatoran’ny zanaka sy ny fahazakan-tenany amin’ny maha-izy azy sy amin’ny ara-panahy, no mihamazava sy mihamafy kokoa ny fiantsoan’Andriamanitra azy manokana. Hanaja izany antso izany ny ray aman-dreny sy hanampy ny valin-tenin’ny zanany hanaraka izany. Tsy maintsy miaiky fa ny fiantsoana voalohany amin’ny kristianina dia ny manara-dia an’i Jesoa[23] : “Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy, ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho, dia tsy mendrika Ahy” (Mt 10.37). 

2233.Ny manjary mpianatr’i Jesoa, dia ny manaiky ny fiantsoana ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra, ny miaina araka ny fombam-piainany : “Na zovy na zovy hanao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko” (Mt 12,50).

Horaisin’ny ray aman-dreny sy hohajainy amin-kafaliana sy fisaorana ny antson’ny Tompo amin’ny iray amin’ireo zanany hanaraka izany ao anatin’ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, ao anatin’ny fanokanam-piainana na ao anatin’ny andraiki-panompoana maha-mpisorona.

 

V. Ny fahefana mifehy eo amin’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena

2234.Mandidy antsika koa ny didy fahefatra avy amin’Andriamanitra hanaja izay rehetra nandray tamin’Andriamanitra, mba hanasoa antsika, ny fahefana mifehy ny vahoaka. Hazavain’ny didy fahefatra avokoa na ny ny adidin’izay mampiasa ny fahefana, na ny an’izay mahazo tombon-tsoa amin’ny fahefana.

 

Adidin’ireo mpitondra eo amin’ny firenena

2235.Adidin’izay rehetra nomena fahefana ny mampiasa izany ho amin’ny fanompoana. “Izay te ho lehibe aminareo, no aoka ho mpanomponareo” (Mt 20,26). Ny fampiasana fahefana iray dia ampifandanjana ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy, amin’ny toetran’ny fahendreny ary amin’ny kendreny manokana. Tsy misy afaka mibaiko na mamorona lalÓna izay mifanohitra amin’ny fahamendrehan’ny olona sy amin’ny lalÓna voa-Janahary.

2236.Ny kendrena amin’ny fampiasana fahefana dia ny hampiharihary ireo ambaratongan-tsoatoavina marina, mba hanamora ny fampiasan’ny rehetra ny fahafahany sy ny andraikiny. Anjaran’ireo mpifehy ny mampiasa ny fahamarinana ara-pizarÓna amim-pahendrena, ka hihevitra ny zavatra ilaina sy ny fandraisana anjaran’ny tsirairay, mba ho amin’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana. Ho tandreman’izy ireo ny fitsipika sy ny fepetra raisin’izy ireo, mba tsy hahatonga fakam-panahy hampifanohitra ny tombon-tsoan’ny tsirairay amin’ny an’ny fiombonambe[24].

2237. Ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy maintsy manaja ny zo fototra maha-olona ny olona. Ho ampanjakain’izy ireo amin’ny fo tsara ny fahamarinana ao anatin’ny fanajana ny zon’ny tsirairay, indrindra ny fianakaviana sy ireo atao an-kilabao.

Ireo zo ara-p˘litika tsy misaraka amin’ny maha-olom-pirenena dia azo ary tsy maintsy omena araka ny takýn’ny soa iombonana. Tsy azon’ny fanjakana ahatona tsy amin’antony ara-dalÓna sy voalanjalanja izany zo izany. Ny fampiasana ny zo ara-p˘litika dia natokana ho an’ny soa iombonan’ny firenena sy ny fiombonamben’ny olombelona.

 

Adidin’ny olom-pirenena

2238.Ny olona eo ambany fahefana dia hihevitra ny lehiben’izy ireo ho solontenan’Andriamanitra izay natsangany ho mpandraharahan’ny fanomezany[25] : “Noho ny Tompo, aoka ianareo hanaiky ny lehibe rehetra natsangan’ny olona. (…) Mijoroa ianareo ho olona afaka, aoka anefa tsy ho olona mampiasa ny fahafahany mba hanaronany ny faharatsiana, fa mampiasa izany ho mpanompon’Andriamanitra” (1 Pi 2,13.16). Ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny saina mahitsy dia misy zo, indraindray adidy hanao fananarana marina ny amin’izay hitan’izy ireo fa manimba ny fahamendrehan’ny olona sy ny soa ho an’ny fiombonambe. 

2239.Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny mandray anjara miaraka amin’ny mpitondra fanjakana, amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona, amin’ny toe-tsaina mandala ny marina, ny rariny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana. Ny fitiavana sy ny fanompoana ny tanindrazana dia avy amin’ny adidim-pankasitrahana sy ny didim-pitiava-namana. Ny fankatoavana ny manam-pahefana ara-dalÓna sy ny asa ho an’ny soa iombonana dia mitaky amin’ny olom-pirenena ny tokony hanatanterahan’izy ireo ny anjara asany eo amin’ vondrona mpitondra fanjakana. 

2240.Ny manaiky ny manam-pahefana sy ny miara-miandraikitra ny soa iombonana dia mitaky ara-pitsipi-pitondran-tena handoa hetra, hampiasa ny zo handatsa-bato amin’ny fifidianana, hiaro ny tanindrazana :

Efao amin’ny olona rehetra izay tokony hefaina amin’izy ireo avy : hetra, amin’izay tokony handoavan-ketra ; fadin-tseranana, amin’izay tokony handoavana fadin-tseranana ; tahotra, amin’izay tokony hahatahorana ; haja, amin’izay tokony hohajaina (R˘m 13,7).

Mitoetra eo amin’ny tanindrazany ny kristianina, kanefa ohatran’ny vahiny monina ihany. Manefa ny adidy rehetra maha-olom-pirenena azy izy ary mizaka manontolo ny andraikiny amin’ny maha-vahiny azy (…). Manaiky ny lalÓna misy izy, fa ny fomba fiainany dia mihoatra ny lalÓna (…). Ambony sady mihaja tokoa ny toerana izay natokan’ Andriamanitra ho anjarany ka tsy foiny ilaozana[26].

Mamporisika antsika ny ap˘st˘ly hanao fivavahana sy fisaorana ho an’ny mpanjaka sy ho an’izay rehetra mampiasa fahefana, “mba hahafahantsika miaina amim-piadanana sy fandriampahalemana ao anatin’ny fitiavam-bavaka sy fahamendrehana tanteraka” (1 Tim 2,2).

2241. Manana adidy ny firenena manan-katao kokoa handray, araka izay azo atao, ireo vahiny mitady filaminan-tsaina sy fivelomana izay tsy mety hitany any amin’ny tany niaviany. Tsy hanao an-tsirambina ny fanjakana amin’ny fanajana ny zo voa-Janahary izay mametraka ny vahiny eo ambany fiarovan’ireo izay mandray azy.

Ny mpifehy fanjakana, mba hiarovana ny soa iombonana iandraiketany, dia afaka mampifanaraka  ny fampiasana ny zon’ny fifindra-monina amin’ny fepetra samihafa araka ny lalÓna, indrindra ny fanajan’ny  mpifindra monina ny adidiny eo amin’ny firenena mandray azy. Adidin’ny mpifindra monina kosa ny manaja amim-pankasitrahana ny vakoka hita maso sy ara-panahy izay an’ny firenena  mandray azy, hanaiky ny lalÓnany ary handray anjara amin’ny adidy aman’ andraikiny. 

2242.Ny olom-pirenena dia voadidin’ny k˘nsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa izany didy izany mifanohitra amin’izay takýn’ny lalÓm-pitondran-tena, amin’ny zo fototra maha-olona na amin’ny fampianaran’ny Evanjely. Ny fandavam-panekena ny mpitondra firenena, raha mifanohitra amin’ny an’ny k˘nsiansy mahitsy ny fitakian’izy ireo, dia mahita ny fanamarinany amin’ny fanavahana eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fanompoana ny vondrona mpitondra fanjakana. “Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’Andriamanitra” (Mt 22,21). “Aleo manaiky an’ Andriamanitra toy izay ny olombelona” (Asa 5,29) :

Raha toa ny Fanjakana manao tsindry hazo lena ireo olom-pirenena amin’ny fihoaran’ny zon’ny fahefany manapaka, dia aoka ireo olom-pirenena tsy handÓ izay takýn’ny soa iombonana amin’ny fomba tsy mitanila. Kanefa azon’izy ireo atao ny miaro ny zony sy ny an’ireo mpiray tanindrazana aminy amin’ny fanoherana ny fanararaotam-pahefana, ao anatin’ny fanajana ny fetra voafaritry ny lalÓna voa-Janahary sy ny LalÓnan’ny Evanjely[27]

2243.Ny fanoherana ny tsindry hazo lena ataon’ny fahefam-pitondram-panjakana dia tsy tokony hampiasana araka ny rariny ny fitaovam-piadiana, afa-tsy raha feno ireto fepetra manaraka ireto : 1- amin’ny fandikan-dalÓna marina, mamohehatra ary miitatra amin’ny zo fototra ; 2- rahefa afa-nenina tamin’ny fangataham-bonjy hafa rehetra ; 3- tsy mahatonga korontana ratsy kokoa ; 4- tsapa ny fanantenana hahomby ; 5- raha tsy vita ny maminavina vahaolana tsaratsara kokoa amim-pahendrena.

 

Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana 

2244.Ny rafi-panorenana rehetra dia maka hevitra, na tsy mivantana aza, amin’ ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany, izay amin’izany izy no misintona ny fanamafisan’antoky ny fandanjalanjany, ny ambaratongan-tsoatoaviny, ny sori-dalam-pitondran-tenany. Ny anka-maroan’ ny fikambanana dia mampitodika ny rafi-panorenany amin’ny fahamboniana marina ny olombelona miohatra amin’ny zavatra. Ny Fivavahana nambaran’Andriamanitra irery no miaiky mazava an’ Andriamanitra, Mpahary sy Mpanavotra, fiandohana sy fiafaram-piainan’ ny olombelona. Ny Fiangonana dia mitaona ireo fahefam-pitondram-panjakana hampitodika ny fiheveran’izy ireo sy ny fanapahan-kevitr’izy ireo amin’izany tolo-kevitra ara-Pahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny olombelona izany :

Ny fikambanana izay tsy mahalala izany tolo-kevitra izany, na mandÓ izany amin’ny anaran’ny fahaleovan-tenan’izy ireo tsy mifandray amin’ Andriamanitra, dia voatarika hitady ao amin’ny tenan’izy ireo ihany na hindrana amin’ny firehan-kevitra iray, ny fanamafisan’izy ireo ny antoka sy ny tanjom-piainan’izy ireo, ary, amin’ny tsy faneken’izy ireo hiaro ny tena mari-pitsarÓna marina ny tsara sy ny ratsy, dia mahatonga azy hiseho eo amin’ny olona sy ny tanjom-piainany, ho fanjakana mpanao bodo ngerona, miharihary mazava na amin-kafetsen-dratsy, araka ireny asehon’ny tantara ireny[28].

2245.“Ny Fiangonana, noho ny fiadidiany sy ny fahefany manapaka, izay tsy mifangaro na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana amin’ny vondrona mpitondra fanjakana, dia sady famantarana no fiarovana ny toetra ambony tsy taka-polopolorina maha-olona ny olona”[29].  “Hajain’ny Fiangonana sy asandrany ny fahafahana ara-p˘litika sy ny andraikitry ny olom-pirenena”[30].

2246. Anisan’ny fanirahana ny Fiangonana ny “mitondra ny heviny ara-m˘raly, na dia amin’ny lafiny mahakasika ny p˘litika aza, rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona, amin’ny fampiasana ny fomba rehetra, izay hany mifanaraka amin’ny Evanjely sy mirindra amin’ ny soa iombonan’ny rehetra, arakaraka ny vaninandro sy ny toe-javatra samihafa”[31].

 

FAMINTINANA

2247.Hajao ny rainao sy ny reninao (Det 5,16 ; Mk 7,10).

2248.Araka ny didy fahefatra, dia sitrak’Andriamanitra ny hanajantsika, manarakaraka Azy, ny ray aman-drenintsika sy ireo izay nomeny fahefana mba hanasoa antsika.

2249.Miorina amin’ny fikambanan’ny mpivady sy ny fifanekeny, ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady, ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

2250.“Mifamatotra mafy amin’ny firindra tsara ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fianakaviana, ny soa ho an’ny olona sy ho an’ny mpiara-monina, na amin’ny maha-olona tsotra azy na amin’ny maha-kristianina azy[32].

2251.Ny adidin’ny zanaka amin’ireo ray aman-dreniny dia ny manaja, ny mankasitraka, ny manaiky ara-drariny ary ny manampy azy ireo. Mampandroso ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo, ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny.

2252.Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany amin’ny finoana, amin’ny fivavahana ary amin’ny hatsaram-panahy rehetra. Manana adidy izy ireo hiantoka izay rehetra ilain’ny zanany amin’ny ara-batana sy ara-panahy, araka izay vitany.

2253.Tsy maintsy manaja sy mampandroso ny fiantsoan’Andriamanitra ny zanak’izy ireo ny ray aman-dreny. Hotsarovan’izy ireo sy hampianariny fa ny antso voalohany ho an’ny kristianina, dia ny manara-dia an’i Jesoa.

2254.Tsy maintsy hajain’ny Fanjakana ny zo fototra maha-olona ny olona sy ny fepetra hampiasana ny fahafahany.

2255.Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny miasa miaraka amin’ireo mpitondra fanjakana amin’ny fanorenana fiaraha-monina tsara ao anatin’ny toe-tsaina mandala ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana.

2256.Ny olom-pirenena dia voadidin’ny k˘nsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa mifanohitra amin’izay takýn’ny lalÓm-pitondran-tena izany didy izany. Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona (Asa 5,29).

2257.Ny tsara akan’ny fiaraha-monina rehetra hevitra amin’ny fiheviny sy ny fitondran-tenany, dia ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany. Manjary mora ho an’ny fiaraha-monina ny manao didy jadona sy manao bodo ngerona raha tsy arahiny ny fahazavan’ny Vaovao Mahafaly momba an’Andriamanitra sy momba ny olombelona.

 

 

ANDALANA 5

Ny didy fahadimy

 

Tsy hamono olona ianao (Eks 20,13).

Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe : ź Tsy hamono olona ianao. Ilay izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarÓna. ╗ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa na iza na iza mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarÓna (Mt 5,21-22).

2258.“Masina ny ain’olombelona, satria hatrany am-piandohany no ao aminy ny asam-paharian’Andriamanitra ary maharitra mandrakizay amin’ny fifandraisana manokana amin’ny Mpahary, izay hany tanjom-piafarany. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina hatrany am-piandohany ka hatrany am-piafarany : na iza na iza, na amin’ny toe-javatra inona na amin’ny toe-javatra inona, tsy misy afaka mitaky ho an’ny tenany ny zo handringana mivantana olombelona tsy manan-tsiny”[33].

 

I. Ny fanajana ny ain’olombelona

 

Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina

2259. Ny Soratra Masina, ao amin’ny tantaran’ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny[34], dia mampiseho, hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ny fisian’ny fahatezerana sy ny fitsiriritana ao amin’ny olombelona, vokatry ny fahotana tamin’ny fototra. Manjary fahavalon’ny olombelona mitovy aminy ihany ny olombelona. Hoy Andriamanitra nilaza ny haratsiam-panahin’io famonoana rahalahy io : “Inona no nataonao ? Fa mitaraina aty Amiko ny feon’ny ran-drahalahinao. Koa ankehitriny dia voaozon’ny tany ianao, izay misokatra hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao” (Jen 4,10-11).

2260.Ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra sy ny olombelona dia mirakitra fampahatsiarovana maro ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra ny ain’ olombelona sy ny herisetra mahafaty ataon’ny olona :

Hampamoahako ny ran’ny tsirairay ianareo (…). Ka na zovy na zovy handatsaka ny ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany. Satria nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona (Jen 9,5-6).

Mihevitra lalandava ny Testamenta Taloha, fa ny ra dia famantarana masina ny aina[35]. Ilaina amin’ny fotoana rehetra izany fampianarana izany.

2261.Mamaritra mazava ny zavatra andrarÓna ao amin’ny didy fahadimy ny Soratra Masina : “Tsy hamono olona tsy manan-tsiny na olo-marina ianao” (Eks 23,7). Ny minia mamono olona tsy manan-tsiny dia manohitra mafy ny hasina maha-olona, ny fitsipika volamena ary ny fahamasinan’ny Mpahary. Ny lalÓna mandrara izany dia manan-kery manerana ny tany tontolo : mandidy ny rehetra sy ny tsirairay, lalandava sy hatraiza hatraiza izany.

2262. Nampahatsiahivin’ny Tompo tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), sady nampiany fandrarÓna koa tsy ho tezitra, tsy hankahala ary tsy hamaly faty. Mbola mihoatra noho izany aza no angatahin’i Kristy amin’ny mpianany : hanolotra ny takolaka ilany[36] sy hitia ny fahavalo[37]. Na Izy aza tsy niaro tena akory, ary nilaza tamin’i Piera hampiditra ny sabatra ao amin’ny fitoerany[38].

 

Ny fiarovan-tena eken’ny lalÓna

2263.Tsy maningana amin’ny fandrarÓna ny famonoan’olona tsy manan-tsiny, izay anisan’ny famonoan’olona an-tsitrapo, ny fiarovan-tena eken’ny lalÓna ho an’ny olona sy ho an’ny fiaraha-monina. “Vokatra anankiroa no ateraky ny asa fiarovan-tena : fitsimbinana ny ain’ny tena ny iray, fahafatesan’ilay mpamely ny iray hafa[39]. (…)  Ny iray voalohany ihany no azo iniana hatao, fa ny anankiray faharoa kosa tsy azo iniana hatao”[40]

2264.Maharitra ho fitsipika fototry ny toetram-pitondran-tena ny fitiavana ny tena. Noho izany, araka ny rariny sy ny hitsiny ny mahatonga hanaja ny zon’ny tena mba ho velona. Tsy helohina ho mpamono olona izay miaro ny ainy, na dia voatery aza izy hamono mahafaty ilay mpamely azy :

Raha hiarovan-tena no ampiasana herisetra mafy kokoa tsy araka ny tokony ho izy, dia tsy ara-dalÓna. Fa raha anoherana ny fampiasan-kery amin’ny fomba voalanjalanja tsara, dia ara-dalÓna (…). Ary tsy ilaina ho amin’ny famonjena raha hadinon’ny olona io asa fiarovana voalanjalanja tsara io mba hisorohana ny famonoana ny hafa ; satria voatery bebe kokoa ny olona hitandrina ny ain’ny tenany noho ny an’ny hafa[41].

2265.Ankoatra ny maha-zo azy, tsy mety ho zo fotsiny ny fiarovan-tena eken’ny lalÓna, fa adidy lehibe ho an’izay tompon’andraikitry ny ain’ny hafa. Takýn’ny fiarovana ny soa iombonana ny hanaovana ny mpamely tsy ara-drariny tsy ho tonga amin’ny fomba mamohehatra. Noho izany, ireo izay manana fahefana ara-dalÓna dia manana zo hampiasa na dia fitaovam-piadiana aza, mba hanoherana ireo tonga hamely ny vahoaka nankinina eo ambany fiandraiketan’izy ireo. 

2266.Ny ezaka ataon’ny Fanjakana hisakanana ny fielezan’ny fihetsika amam-pitondran-tena mandika ny zon’olombelona sy ny fitsipika fototry ny fiaraha-miainan’ny olom-pirenena, dia ilaina ampifandraisina amin’izay takýn’ny fiarovana ny soa iombonana. Manana zo sy adidy ny Fanjakana ara-dalÓna, hampihatra ny sazy famaizana mifandanja amin’ny halehiben’ ny fahadisoana. Ny zava-kendrena voalohany amin’ny sazy famaizana dia ny hanonitra ny korontana nateraky ny fahadisoana. Raha manaiky an-tsitrapo izany famaizana izany ilay meloka, dia manjary soatoavina amin’ ny fanonerana ilay sazy famaizana. Mbola zava-kendrena amin’ny sazy famaizana, ny fiarovana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahaleman’ ny olona, ary ankoatra izany ny fampiasana azy ho toy ny fitsaboana : araka izay azo atao, tokony hanampy hanatsara ny toetra sy ny fiainan’ilay meloka ny sazy famaizana.

2267.Ny fampianaran’ny Fiangonana nampitaina tamin’ny lovantsofina dia tsy misakana ny fampiharana ny sazy fanamelohan-ko faty, raha voamarina manontolo ny mombamomba ilay meloka sy ny andraikiny, ary io no hany fomba azo atao sy hampahomby ny fiarovana ny ain’ny olona amin’ny mpamely tsy ara-drariny. 

Kanefa raha ampy hiarovana sy hiantohana ny fandriampahaleman’ny olona amin’ny mpamely ny fomba tsy misy ra latsaka, dia tokony hionona amin’io fomba io ny manam-pahefana satria io no mifanaraka tsaratsara kokoa amin’ny fepetra azo tsapain-tanana ny amin’ny soa iombonana sy mifanaraka bebe kokoa amin’ny fahamendrehan’ny olombelona.

Satria, ankehitriny, noho ny fahafahan’ny Fanjakana mandamina ny sazy famaizana amim-pomba mandaitra momba ny heloka bevava, kanefa tsy manimba ilay meloka, sady tsy manesotra aminy tanteraka ny fahafahany manenina, “dia efa tena mihavitsy tokoa hatramin’izao, raha tsy efa tsy misy intsony aza”[42], ny fampiharana ny famonoana ho faty ny olo-meloka, amin’ny toe-javatra manokana tena ilana izany.

 

Ny famonoan’olona an-tsitrapo 

2268.RarÓn’ny didy fahadimy ny famonoan’olona mivantana sy an-tsitrapo, noho ny maha-fahotana lehibe azy. Ny mpamono olona sy ireo izay miara-miasa an-tsitrapo amin’ny vono olona dia manao fahotana izay miantso valifaty any an-danitra[43].

Ny famonoan-jaza[44], ny famonoana mpiray tam-po, ny famonoana ray na reny ary ny famonoana vady dia heloka lehibe indrindra noho ny rohim-pihavanana voa-Janahary izay tapahin’izy ireny. Ny fiahiana momba ny fanatsarana ny taranak’ olombelona na ny fahasalamam-bahoaka dia tsy afaka manamarina famonoan’ olona na iray aza, na dia ny fanjakana aza no mandidy izany.

2269.RarÓn’ny didy fahadimy ny tsy hanao fikasana na inona na inona hamono olona ankolaka. RarÓn’ny lalÓna m˘raly ny mamela olona iray, tsy misy antony lehibe, hisetra loza mahafaty, tahaka izany koa ny mandÓ tsy hamonjy olona iray tra-doza.

Tsy rariny manafintohina sy fahadisoana lehibe ny aneken’ny fiaraha-monin’ny olombelona ny mosary mandripaka ain’olona, nefa tsy miezaka mitady fanafodin’ izany. Mahatonga famonoan’olona ankolaka ny mpanao varo-maizina, satria ny fanaon’izy ireny mampanjana-bola tsy ara-dalÓna sy matimatim-bola no mahatonga ny mosary sy ny fahafatesan’ny olona izay tsy iza fa toy ny mpiray tam-po aminy ihany. Mahameloka azy ireo izany famonoan’olona izany[45]

Tsy mahadiso ara-pitsipi-pitondran-tena ny famonoan’olona tsy fidiny. Kanefa tsy afa-tsiny amin’ny fahadisoana lehibe ny tena, raha nanao asa na fihetsika nahatonga fahafatesana, tsy misy antony mifandanja amin’izany, na dia tsy nieritreritra ny hahatonga izany aza.

 

Ny fanalan-jaza 

2270.Tsy maintsy hajaina sy arovana amin’ny fomba rehetra ny ain’ olombelona, manomboka amin’ny fotoanan’ny fiforonany ao am-bohoka. Manomboka amin’ny fotoana voalohan’ny fisiana ho olona, dia tokony haseho eo aminy ny fanekena ny zo maha-olona azy, anisan’izany ilay zo tsy azo dikaina eo amin’ny tsy manan-tsiny rehetra, dia ny zo ho velona[46].

Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao. Raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko (Jer 1,5).

Tsy niafina taminao ny tenako tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, notenomina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany (Sal 139,15).

2271.Nantitranterin’ny Fiangonana, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany, ny maha-ratsy ara-m˘raly ny fanalan-jaza rehetra iniana atao. Tsy azo soloina ary tsy miovaova izany fampianarana izany. Ny fanalan-jaza mivantana, izany hoe iniana atao ho tanjona na ho fomba, dia manohitra mafy ny lalÓna m˘raly :

Tsy hamono ny “embryon” amin’ny alalan’ny fanalan-jaza ianao ary tsy hamono ny zaza tera-bao[47].

Andriamanitra, Tompon’ny aina, dia nanankina amin’ny olombelona ny fandraharahana ambony momba ny aina, ary tsy maintsy manefa izany amin’ny fomba mendrika Azy Tompo ny olona. Koa tsy maintsy arovana amim-pitandremana tanteraka ny aina, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka : heloka faran’izay ratsy ny fanalan-jaza sy ny famonoan-jaza[48].

2272. Fahotana lehibe ny fiarahana manala zaza amin’ny fomba mazava. Ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana no sazy araka ny lalÓna famaizana ampiharin’ny Fiangonana amin’io fandikan-dalÓna manohitra ny ain’olombelona io. “Izay mahatonga fanalan-jaza, raha tanteraka ny vokany, dia sazýna amin’ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana amin’ny sazy mihatra ho azy (latae sententiae)”[49], “eo no eo ihany amim-panatanterahana ity heloka bevava ity”[50] sy amin’ny fepetra voatondron’ny LalÓna[51]. Tsy ny mampihena ny fahalalahan’ny famindram-po no heverin’ny Fiangonana amin’izany, fa ny mampiseho ny halehiben’ ny heloka bevava natao sy ny fahavoazana tsy hay onerana mihatra amin’ ilay tsy manan-tsiny novonoina, amin’ny ray aman-dreniny ary amin’ny fiaraha-monina manontolo. 

2273. Anisan’ny singafototra mamorona ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena sy ny fehezan-dalÓnany, ny zo ho velona izay tsy azo foanana amin’ny olona rehetra tsirairay tsy manan-tsiny :

“Tsy maintsy hankatoavina sy hajain’ny fiaraha-monin’ny olom-pirenena sy ny mpifehy fanjakana, ny zo tsy azo foanana amin’ny olona. Tsy miankina na amin’ny olona tsirairay, na amin’ny ray aman-dreny, ny zon’olombelona, ary tsy mahasolo na dia amin’ny fifaneken’ny fiaraha-monina sy ny Fanjakana aza ; anisan’ny toetra voa-Janahary ny olona izany ary tsy azo sarahina amin’ny olona noho ny asan’ny mpahary izay namoahany azy tany am-piandohany. Tsy maintsy asongadina, amin’ireny zo fototra ireny, ny zo ho velona sy ny zo tsy hanimbÓna ny tenan’ny olombelona manontolo manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka ka mandra-pahafaty”[52].

 “Amin’ny fotoana izay misy lalÓm-panjakana iray manan-kery manesotra sokajin’olona amin’ny fiarovana, kanefa tsy miaro azy ireo amin’izany ny fehezan-dalÓna mifehy ny olom-pirenena, dia amin’izany ilay Fanjakana no tonga mandÓ ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalÓna. Rahefa ny Fanjakana no tsy mampiasa ny heriny amin’ny fikarakarana ny zon’ny olom-pirenena rehetra, singanina manokana ny an’ireo osa indrindra, dia ny fototra maha-fanjakana tan-dalÓna mihitsy no tandindomin-doza (…). Noho ny halehiben’ny fanajana sy ny fiarovana izay tsy maintsy hiantohana ny zaza, manomboka amin’ny fotoana fiforonany ao am-bohoka, dia tokony hitsinjo mialoha ny sazy momba ny fandikan-dalÓna sahaza ny fanazimbÓna amim-piniavana rehetra ny zony, ny lalÓna”[53].

2274. Noho ny “embryon” tsy maintsy karakaraina toy ny olona, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka, dia tsy maintsy arovana amin’ny maha-izy azy manontolo, tsaboina sy sitranina, araka izay azo atao, toy ny olona hafa rehetra izy.  

Eken’ny lalÓna ara-pitsipi-pitondran-tena ny famantarana toetr’aretina mialoha ny fahaterahana, “raha manaja ny aina sy ny maha-izy manontolo ny “embryon” sy ilay efa zaza ao am-bohoka izany, sy raha atodika amin’ny fiarovana azy na amin’ny fanasitranana ny tenany (…). Mifanohitra mafy amin’ny lalÓna m˘raly kosa izany, rahefa mitsinjo mialoha, araka ny vokatra, ny zavatra mety hiseho mahatonga ny fanalan-jaza. Tsy tokony hampitoviana amin’ny  teny ara-pitsarÓna momba ny famonoana, ny famantarana toetr’aretina”[54].

2275.“Azo heverina ho ara-dalÓna ny fitsaboana amin’ny fandidiana ny “embryon”-n’ olombelona, raha toa izany ka manaja ny aina sy ny maha-izy manontolo an’ilay “embryon”, ary  tsy mamela azy amin’ny loza mety hitranga tsy araka ny tokony ho izy, fa mikendry ny fahasitranany, ny fanatsarana ny toe-pahasalamany, na ny fitohizam-piainan’ny tenany”[55].

“Faharatsiam-pitondran-tena ny mamokatra “embryon”- n’olombelona, trandrahana ho fitaovana bi˘l˘zika azo ampiasaina”[56].

“Ny fanandramana sasantsasany amin’ny fandidiana ny singafoto-tselam-pandovÓna ara-poto-toetran’ny ray aman-dreny na ara-poto-tarazo dia tsy fitsaboana, fa mikendry ho amin’ny famokarana olombelona nofantenana araka ny maha-lahy na maha-vavy, na araka ny toetra hafa efa namboarina mialoha. Ireny fampiasana ireny dia mifanohitra  amin’ny hasina maha-olona ny olona tsirairay, amin’ny maha-izy azy manontolo ary amin’ny maha-izy azy manokana” tokana aman-tany, tsy azo averina intsony[57].

 

Ny etanazia 

2276. Mila fanajana manokana ireo izay mihena na mihaosa ny ainy. Tokony hotohanana ny olona marary na sembana mba ho afaka mivelona ara-dalÓna, sady araka ny tokony ho izy no araka izay azo atao.

2277.Ny etanazia, na inona na inona antony sy fomba amam-pitaovana ampiasana azy, dia mifototra amin’ny fanaperan’ain’olona sembana, marary na miala aina. Tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany.

Tahaka izany, ny asa atao na tsy natao, avy amin’ny tena na amin’ny fikasana, hamonoana ho faty mba hanafoanana ny fangirifiriana, dia anisan’ny famonoan’olona manohitra tanteraka ny fahamendrehan’ny olombelona sy amin’ny fanajana an’Andriamanitra velona, Mpahary azy. Ny fahadisoam-piheverana izay mety ho tamim-pahatsorana no nanaovana izany, dia tsy manova ny toetra maha-asa famonoan’olona azy, izay rarÓna sy alavirina lalandava[58]

2278.Ny fampijanonana ny fomba fitsaboana lafo vidy, mampidi-doza, tsy araka ny fanao na tsy mifanandrify amin’ny vokatra antenaina ho azo, dia mety ho ara-dalÓna. Izany no fandavana “ny ala nenim-pitsaboana”. Tsy ny fitadiavana ny hamono no hokatsahina amin’izany, fa ny manaiky ny tsy fahavitana manakana ny fahafatesana. Tokony horaisin’ny marary ny fanapahan-kevitra, raha manana fahefa-manapaka sy herim-pahazoana manao izany izy, na raha tsy izany izay manam-pahefana ara-dalÓna, amin’ny fanajana lalandava ny finiavana marina hanao izany, sy ny fanajana lalandava ny tombon-tsoa ara-drariny an’ny marary.

2279.Na dia heverina ho mananontanona aza ny fahafatesana, tsy mety hifanaraka amin’ny rariny ny mampitsahatra ny fitsaboana tsy maintsy atao mandrakariva amin’ny olona marary. Ny fampiasana ny fanafody mahadonto mba hanamaivanana ny fanaintainan’ilay miala aina, na dia mety hanafohy ny androny aza, dia mety hifanaraka ara-pitsipi-pitondran-tena amin’ny fahamendrehan’ny olombelona raha tsy irýna ho tanjona na ho fitaovana ny fahafatesana, fa tsinjo mialoha sy ekena fotsiny ho tsy azo ihodivirana. Ny fitsaboana mampitonintony ny aretina dia anisan’ny endrika iray fanehoana manokana ny fitiava-namana tsy mikendry tombon-tsoan’ny tena. Noho izany, tokony amporisihina ny fanaovana io fitsaboana io.

 

Ny famonoan-tena 

2280.Tompon’andraikitra amin’ny ainy ny tsirairay, eo anatrehan’ Andriamanitra izay nanome azy izany. Kanefa, Izy Andriamanitra irery no Tompo tsy refesi-mandidy amin’izany. Manana adidy isika handray izany amim-pankasitrahana sy hiaro izany ho voninahiny sy ho famonjena ny fanahintsika. “Mpiandry omby volavita isika tsy tompony fa mpamerin-doha” amin’ny aina izay nankinin’Andriamanitra amintsika. Tsy isika no mandahatra izany. 

2281.Fironana voa-Janahary ao amin’ny olombelona ny mitsimbina sy mampaharitra ny ainy, koa manohitra izany ny famonoan-tena, sady manohitra mafy ny fitiavana marina ny tena. Manafintohina ny fitiava-namana koa ny famonoan-tena, satria manapaka tsy ara-drariny ny fitohizan’ny fifandraisana eo amin’ny fiaraha-miainan’ny fianakaviana, ny firenena ary ny olombelona, izay adidintsika ny miara-miaina amin’izy ireo. Manohitra ny fitiavan’Andriamanitra velona ny famonoan-tena.

2282.Raha mikendry ny hotahafin’ny hafa, indrindra ho an’ny tanora ny famonoan-tena, dia mampitombo kokoa ny halehiben’ny fanafintohinana. Manohitra ny lalÓna m˘raly ny fiaraha-miasa an-tsitrapo amin’ny famonoan-tena.  

Ny mety hampihena ny haben’ny fahadisoana amin’ny mamono tena dia ny fikorontanan-tsaina mafy, ny tebiteby na ny fahatahorana mafy avy amin’ny fitsapan-toetra, avy amin’ny fijaliana na avy amin’ny fampijaliana.

2283.Tsy tokony hanary toky amin’ny famonjena mandrakizay ireo olona mamono tena. Azon’Andriamanitra atao ny mamorona ho azy ireny, amin’ ny lalana izay Izy irery no mahalala, ny fitahiam-pibebahana ho amin’ny famonjena. Mivavaka ho an’ireo olona izay mamono ny ain’izy ireo ny Fiangonana.

 

II. Ny fanajana ny hasina maha-olona

 

Ny fanajana ny vatana sy ny fanahin’ny hafa : ny fanafintohinana 

2284. Ny fanafintohinana dia fihetsika aseho na fitondran-tena izay mitarika ny hafa hanao ratsy. Mahatonga ny tenany ho mpaka fanahy ny namany, ny olona manafintohina. Manimba ny hatsaram-panahy sy ny hitsim-po izy ; mety hahatonga ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana ara-panahy izy. Anisan’ny fahotana lehibe ny fanafintohinana raha mitarika an-tsitrapo ny hafa hanao fahotana lehibe, noho ny asa atao na tsy natao.

2285.Manana halehibe manokana ny fanafintohinana, arakaraka ny fahefan’ireo izay mahatonga izany na amin’ny fahosan’ireo izay iharan’izany. Fahazavan-kevitra avy amin’ity teny milaza loza nolazain’ny Tompontsika ity izany : “Izay manafintohina ny anankiray amin’ireny madinika ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanatonana vato fikosehan-dafarinina amin’ny vozony, ka halentika any anaty ranomasina izy” (Mt 18,6)[59]. Lehibe ny fanafintohinana rahefa mahakasika ireo izay, noho ny toetra na noho ny anjara raharaha, manana adidy hampianatra na hanabe ny hafa. Manome tsiny ireo mpahay lalÓna sy ireo Farisianina i Jesoa : Ohariny amin’ny amboadia mitafy hodi-janak’ondry izy ireny[60].

2286. Ny fanafintohinana dia mety ho avy amin’ny lalÓna na avy amin’ny rafi-panorenana, avy amin’ny fomba fiaina na avy amin’ny hevitry ny olona. 

Araka izany, melohina ho mpanafintohina ireo izay mamorona lalÓna na rafi-piaraha-monina mitarika ho amin’ny fanimbana ny fomba fiainana amam-pitondran-tena sy ho amin’ny fahalovan’ny fiainana ara-pivavahana, na ireo “izay manao fepetra ara-piaraha-monina, an-tsitrapo na tsia, ka mahatonga ny fitondran-tena kristianina araka ny didin’Andriamanitra ho sarotra sy tsy azo tanterahina mihitsy aza”[61]. Torak’izany koa, melohina ho mpanafintohina ireo lehiben’ny orinasa manao fitsipika mahatonga ho amin’ny fitaka, ireo mpampianatra “mampisafoaka” ny mpianany[62] na ireo izay mpandrebireby vahoaka amin’ny fanodinana ny sain’izy ireo tsy ho amin’ny soatoavina ara-m˘raly.

2287.Ilay izay mampiasa ny fahefana ananany, amin’ny fomba mahatarika hanao ratsy, dia manamelo-tena amin’ny fanafintohinana sy tompon’ andraikitra ny ratsy izay ankasitrahany mivantana na tsy mivantana. “Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza no hanjo an’izay iaviany” (Lk17,1).

 

Ny fanajana ny fahasalamana 

2288. Harena sarobidy avy amin’Andriamanitra ny aina sy ny fahasalamam-batana. Tokony hokarakaraintsika amim-pahendrena izany, amin’ny fiheverana ny zavatra tena ilain’ny hafa sy ny soa iombonana. 

Ny fikarakarana ny fahasalaman’ny olom-pirenena dia mitaky ny fanampian’ny mpiara-monina mba hananana toe-piainana ahafahana mitombo sy mahatratra ny fahamatorana : sakafo sy fitafiana, trano fonenana, fikarakarana ara-pahasalamana, fampianarana fototra, anton’asa, fanampiana ara-ts˘sialy. 

2289. Raha mitaky ny fanajana ny fiainana ara-batana ny m˘raly dia tsy manao ny fiainana ara-batana ho ambony indrindra tsy akory izany. Ny m˘raly dia manohitra ny fomba fisainan’ny mpanompo sampy amin’ny fomba vaovao izay mikendry hampandroso ny fanompoam-batana, hahafoy ny zavatra rehetra ho azy, ho tia tafahoatra ny fahatsarany sy ny fahombiazana ara-panatanjahan-tena. Fomba fisainana manavaka ny matanjaka sy ny osa izany, amin’ny alalan’ny safidim-pifantenana, ka mety hitarika amin’ny fiharatsian’ny fifandraisan’ny olona.

2290. Ny herim-panahy fahalalana onony no mandrisika hisoroka ny karazan’ ny fanao tafahoatra ny mety rehetra, amin’ny filerana sakafo, amin’ny zava-pisotro misy alikaola, amin’ny paraky mbamin’ny sigara ary ny fanafody. Ireo izay mamo na tia ny mandeha mirimorimo mihoatra ny mety dia mampidi-doza ny filaminan-tsain’ny hafa sy ny an’ny tenan’izy ireo, eny an-dalana, eny an-dranomasina, eny an’habakabaka, ary mahatonga azy ireo ho meloka mafy tokoa.

2291.Ny fampiasana zava-mahadomelina dia manafay amin’ny fanimbana lehibe dia lehibe ny fahasalamana sy ny fiainan’ny olombelona. Ivelan’ny toromarika hentitra momba ny fitsaboana, dia fahadisoana lehibe izany. Ny famokarana an-tsokosoko sy ny varo-maizina amin’ny zava-mahadomelina dia fanao manafintohina ; midika ho fiaraha-miasa mivantana ireny, satria mandrisika izany ho amin’ny fomba fanao mifanipaka mafy amin’ny lalÓna m˘raly.

 

Ny fanajana ny olona sy ny fikarohana ara-tsiansa

2292. Ny fanandramana ara-tsiansa, ara-pitsaboana na ara-pisik˘l˘zia, eo amin’ ny olona na vondron’olona, dia mety hanampy amin’ny fanasitranana ny marary sy amin’ny fandrosoan’ny fahasalamam-bahoaka. 

2293.Ny fikarohana ara-tsiansa fototra, tahaka ny fikarohana ampiharina avy hatrany koa, dia samy anisan’ny fanehoana mampibaribary ny maha-mpanjakan’ny zavaboary ny olombelona. Harena sarobidy ny siansa sy ny teknika rahefa ampiasaina hanampiana ny olona sy anandratana avy amin’izany ny fivelarana manontolo ho amin’ny tombon-tsoan’ny rehetra ; kanefa ireo, raha izy ireo fotsiny, tsy ahafahana milaza ny anton’ny fisiana sy ny fivoaran’ny olombelona. Miankina amin’ny olombelona ny siansa sy ny teknika, satria ny olombelona no iandohan’ ireo sy itomboan’ireo ; noho izany, ao amin’ny olona sy ny soatoavina ara-m˘raly no ahitan’ny siansa sy ny teknika ny fanondroana ny tanjom-piafarany sy ny fahalalany ny fetrany.

2294.Fijery mamitaka ny mitaky ny tsy ampidirana m˘raly amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fampiharana azy. Ankoatra izany, ny fepetra arahina amin’ny fanorenana  izany dia tsy tokony hosintonina avy amin’ny fahombiazana tsotra ara-teknika na avy amin’ny tombon-tsoa izay mety  ho azon’ny sasany, amin’ny fahavoazan’ny hafa, na, mbola ratsiratsy kokoa, avy amin’ny firehan-kevitra arahin’ny daholobe. Takýna amin’ny siansa sy ny teknika, amin’ny alalan’ny hevitr’izy ireo tena izy, ny fanajana tsy misy fepetra ny foto-piorenan’ny toetram-pitondran-tena ; ny siansa sy ny teknika dia tokony hanampiana  ny olombelona, ny zony tsy azo foanana, ny soany tena izy sy tsy misy tomika, mifanaraka amin’ny tetik’asan’Andriamanitra sy ny sitrapony. 

2295.Ny fikarohana na ny fanandramana atao amin’ny olombelona dia tsy afaka manamarina ny asa amin’ny maha-asa azy ihany, raha mifanohitra amin’ny hasina maha-olona sy amin’ny lalÓna m˘raly. Tsy manamarina ny asa toy izany ny fanekena mety hisy eo amin’ireo olona anaovana ny fikarohana na ny fanandramana. Tsy ara-dalÓna ara-pitsipi-pitondran-tena ny fanandramana atao amin’ny olombelona raha toa ka mampidi-doza tsy mifanaraka na azo sorohina eo amin’ny aina na eo amin’ny maha-izy manontolo ny ara-batana sy ny ara-tsain’ilay olona. Tsy mifanaraka amin’ ny hasina maha-olona ny fanandramana atao amin’ny olombelona, indrindra raha tsy misy fanekena mazava avy amin’ilay olona anaovana fanandramana na avy amin’ireo manan-jo misolo tena azy. 

2296.Mifanaraka amin’ny finoana ara-m˘raly ny fanaovana grefy taova raha mifandanja amin’ny soa irin’ilay mpandray, ny loza sy ny fanaovana vy very ara-batana sy ara-tsaina setrain’ilay mpanome. Asa ambony sy mendrika hoderaina ny fanomezana taova aorian’ny fahafatesana ka tokony hamporisihana fa fanehoana firaisan-kina atao amin-kalalaham-po izany. Tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany raha tsy nanome ny fanekeny mazava ilay mpanome na ireo havany manan-jo amin’izany. Ankoatra izany, tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ny mahatonga mivantana fanesoran-drantsambatana mahakilemaina na fahafatesan’ olona iray mihitsy aza, mba hampihemorana ny fahafatesan’ny olona hafa.

 

Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny vatana

2297. Ireo fakana an-keriny sy ireo fanaovana sambo-belona atao antoka na takalon’aina dia mampanjaka ny asa fampihorohoroana, ary noho ny fandrahonana, dia mahatonga fanerena tsy tanty eo amin’ireo ianjadiam-boina. Tsy ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ho ara-dalÓna ireny. Ny asa fampihorohoroana rehetra na inona na inona dia mampatahotra, mandratra ary mamono ; manohitra mafy tokoa ny rariny sy ny fitiavana izany. Manohitra ny fanajana sy ny hasina maha-olona ny fampijalijaliana izay mampiasa herisetra ara-batana na ara-tsaina mba hampiaikena, mba hanafaizana ny olo-meloka, mba hampitahorana ny mpanohitra, mba hanatanterahana ny fankahalana. Ivelan’ny filazan’ny mpitsabo amin’ny lafiny hentitra momba ny fitsaboana, dia manohitra ny lalÓna m˘raly ny fanapahan-drantsambatana, ny fanesoran-drantsambatana, na ny fampamombÓna an-tsitrapo mivantana atao amin’ ny olona tsy manan-tsiny[63]

2298.Tamin’ny andro taloha, dia mazÓna nampiasa fomba amam-pihetsika tsy mifaditrovana ny fitondram-panjakana ara-dalÓna mba hitandroana ny lalÓna sy ny filaminana, matetika tsy nisy fanoheran’ireo mpitondra Fiangonana, izay izy ireo koa aza no nandany era tao amin’ny tribonalin’izy ireo ny baikon’ny didy r˘manina ny amin’ny fampijalijaliana. Tao ambadik’ireny toe-javatra mampalahelo  ireny,  dia nampianatra lalandava ny adidy momba ny fahalemem-panahy sy ny famindram-po ny Fiangonana ; norarÓny ny mpandraharaha voahosotra tsy handatsa-dra. Tamin’ny fotoana tsy ela akory izay, niharihary fa tsy nilaina ho amin’ny filaminam-bahoaka na tsy mifanaraka koa amin’ny zo ara-dalÓna ny olombelona ireny fomba amam-pihetsika tsy mifaditrovana ireny. Ny mifanohitra amin’izany aza, mitondra ho amin’ny fikororosy fahana ratsy indrindra ireny fomba amam-pihetsika ireny. Ilaina ny miasa ho fanafoanana ireny. Ilaina ny mivavaka ho an’ny olona niharan-doza sy ny mpampijaly azy ireo.

 

Ny fanajana ny maty 

2299. Tandremana sy karakaraina ireo olona madiva ho faty mba hanampy azy ireo hiaina ny fotoana farany ahaveloman’izy ireo amin’ny fahamendrehana sy fiadanana. Ny vavak’ireo havana aman-tsakaizany no hanampy azy ireo. Hezahin’izy ireo ny handraisan’ny marary amin’ny fotoana mety ny sakramenta izay manomana ny fihaonana amin’ilay Andriamanitra velona.

2300.Tokony hokarakaraina amim-panajana sy amim-pitiavana ao anaty finoana sy fanantenana ny fitsanganan-ko velona ny nofo mangatsiaka an’ireo nodimandry. Tsanganasa fiantrana momba ny vatana ny fandevenana ny maty[64] ; manaja sy manome voninahitra ny zanak’Andriamanitra, tempolin’ ny Fanahy Masina izany. 

2301.Mety ho azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ny fandidiam-paty noho ny antony famotopotorana araka ny lalÓna, hizahana ny antony nahafatesany, na noho ny antony fikarohana ara-tsiansa. Ara-dalÓna ary mety ho mendri-piderana ny fanomezana maimaim-poana ny taova aorian’ny fahafatesana.

Manaiky ny fandoram-paty hanjary lavenona ny Fiangonana raha tsy miteraka voka-dratsy amin’ny finoana ny fitsanganan’ny vatana ho velona izany[65].

 

III. Ny fiarovana ny fandriampahalemana

 

Ny fandriampahalemana  

2302.Amin’ny fampahatsiarovana ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), dia mila ny fiadanan’ny fo ny Tompontsika ary miampanga ny faharatsian’ny fahatezerana mahafaty sy ny fankahalana :

Faniriana hamaly faty ny fahatezerana. “RarÓna ny mikasa hamaly faty mba hampisy fahavoazana an’ilay nanao ratsy ho sazy ampiharina aminy” ; saingy tsara ny mampanao fanonerana  “mba ho fanitsiana ny faharatsian-toetra sy ho fampanjakana ny fahamarinana”[66]. Ny fahatezerana, raha tonga hatramin’ny fikasana amim-piniavana hamono ny namana na handratra azy mafy mihitsy, dia lasa manohitra tanteraka ny fitiava-namana ; fahotana mahafaty izany. Hoy ny Tompo : “Na iza na iza mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarÓna” (Mt 5,22).

2303.Manohitra ny fitiava-namana ny fankahalana an-tsitrapo. Fahotana ny fankahalana ny namana, rahefa minia mikasa hanisy ratsy azy. Fahotana lehibe ny fankahalana ny namana, rahefa minia maniry azy hiharam-pahavoazana lehibe. “Fa Izaho kosa milaza aminareo : Tiava ny fahavalonareo, mivavaha ho an’izay manenjika anareo ; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo …” (Mt 5,44-45). 

2304.Mila fandriampahalemana ny fanajana sy ny fandrosoan’ny fiainan’ny olombelona. Ny fandriampahalemana dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady fotsiny, ary tsy voafetra amin’ny hoe fiorenan’ny fifandanjan-kerin’ny mpifanohitra. Tsy hanjaka ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany raha tsy misy ny fiarovana ny fananan’olona, ny fifandraisana malalaka eo amin’ny samy olombelona, ny fanajana ny fahamendrehan’ny olona sy ny firenena, ny fiainana mitandro hatrany ny fihavanana. “Fahatonian’ny filaminana”[67] izy ;  tsanganasan’ny fahamarinana (Iz 32,17) ary vokatry ny fitiavana[68].  

2305. Endrika sy vokatra ny fiadanan’i Kristy, ilay Mesia “Andrian’ny fiadanana” (Iz 9,5) ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany. Tamin’ ny alalan’ny ra nalatsany teo amin’ny Hazofijaliany no nandevonany ny fifandrafesana tao amin’ny Tenany nofo[69], nampihavanany ny olombelona tamin’Andriamanitra, ary nanaovany ny Fiangonany ho famantarana ny firaisan’ny olombelona rehetra sy ny fiombonany amin’Andriamanitra[70]. “Izy no fiadanantsika” (Efez 2,14). Ambarany fa “sambatra ny tia fihavanana” (Mt 5,9). 

2306. Ireo izay mandÓ ny asa mahery setra, mandatsa-dra, fa mampiasa ny fitaovam-piarovana takatry ny osa kokoa, ho fiarovana ny zon’olombelona, no mijoro vavolombelon’ny fitiavana araka ny Evanjely, raha toa ka tsy manimba ny zo sy ny adidy aman’andraikitry ny olon-kafa sy ny fikambanana ny fanaovana izany. Izy ireo no manamarina ara-dalÓna ny halehiben’ny loza ara-batana sy ara-tsaina amin’ny fampiasana herisetra, sy manamarina koa ny vokany, dia ny faharavana sy ny fahafatesana[71].

 

Misoroka ny ady

2307. Mandrara ny famotehana an-tsitrapo ny fiainan’olombelona ny didy fahadimy. Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, dia mamporisika mafy ny tsirairay hivavaka sy hiasa ny Fiangonana, mba hanafahan’ny Hatsaram-pon’Andriamanitra antsika amin’ny fanandevozana fahiny tamin’ny ady[72].

2308.Tsy maintsy manao izay hisorohana ny ady ny olom-pirenena tsirairay sy ny mpitondra. 

Rahefa ela ny ela, na dia izany aza, “ka haharitra ny loza ateraky ny ady, nefa tsy misy ny fahefa-manapaka iraisam-pirenena manan-kery ampy handaminana ny toe-draharaha, dia tsy azo lavina fa manana zo hiaro tena ara-dalÓna ny fitondram-panjakana, rahefa lany haika tamin’ny fampiraharahana rehetra azo natao isorohana ny ady”[73].

2309.Tsy maintsy dinihana mazava tsara ny fepetra mafy amin’ny fiarovan-tena eken’ny lalÓna amin’ny alalan’ny hery ara-tafika. Ny halehiben’ny fanapahan-kevitra toy izany dia mampanaiky izany amin’ny fepetra henjana amin’ny fahamarinana ara-m˘raly. Tsy maintsy ho toy izao avy izany
- maharitra, lehibe ary tsy misy isalasalana ny fahavoazana nanafaizan’ny mpamely ny firenena na ny firaisambem-pirenena ;
- miharihary fa tsy mety vita na tsy mahomby ny fomba amam-pitaovana hafa rehetra nampitsaharana izany ;
- voangona ny fepetra matotra azo antoka fa  hahomby ;
- tsy hiteraka fahavoazana sy korontana mety hamohehatra kokoa noho ilay ratsy tiana ho foanana ny fampiasana fitaovam-piadiana. Mitambesatra tokoa amin’ny fankasitrahana izany fepetra izany ny herin’ny fitaovana m˘derina famotehana.

Ireo no singafototra fanao fahizay notanisaina tamin’ny fitambaram-pampianarana antsoina hoe : “ady ara-drariny”. 

Anjaran’izay miandraikitra ny soa iombonana no mandanjalanja amim-pahendrena ny fankasitrahana ireo fepetran’ny fahamarinana ara-m˘raly ireo.

2310. Manana zo sy adidy ny fanjakana amin’io toe-javatra io, hanery ny olom-pirenena amin’ny adidy aman’andraikitra ilaina amin’ny fiarovam-pirenena.

Ireo izay manolo-tena hanompo ny tanindrazana ao amin’ny fiaina-miaramila, dia mpanompon’ny filaminana sy ny fahafahan’ny firenena. Mandray anjara marina amin’ny soa iombonan’ny firenena sy amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana izy ireo, raha efainy tsara ny lahasan’izy ireo[74]

2311.Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ara-drariny ireo izay manaraka ny k÷nsiansiny, ka sady mandÓ tsy hampiasa fitaovam-piadiana, no maharitra hanompo ny firenena amin’ny fomba hafa[75].

2312. Ambaran’ny Fiangonana sy ny sain’olombelona fa manan-kery lalandava ny lalÓna m˘raly mandritra ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Rahefa tonga amin’ny tsontsori-mamba hisarahana ka velona ny ady, tsy izany akory no hahatonga ho ara-dalÓna ny zavatra rehetra ataon’ny mpifanandrina”[76].

2313.Tsy maintsy hajaina sy karakaraina amin-kalemem-panahy ireo tsy nandray anjara tamin’ny ady, ireo miaramila naratra ary ireo sambo-belona. 

Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny fitsipi-pitondran-tena amin’izany zo izany izay mahafehy ny daholobe, toy izany koa ny mandidy hanatanteraka ireny. Tsy ampy hanala tsiny an’ireo izay manaiky izany ny fanekena an-jambany. Tahaka izany ny fandringanana vahoaka, firenena na foko vitsy an’isa, dia azo helohina ho fahotana mahafaty. Voatery ara-pitsipi-pitondran-tena ny olona hanohitra ny baiko izay mandidy handringana olona.

2314.“Ny ady rehetra izay mikendry tsy misy fanavahana handravana tanÓna manontolo na faritra midadasika miaraka amin’ny mponina ao aminy, dia heloka bevava manohitra an’Andriamanitra sy ny olombelona mihitsy, ka tsy maintsy helohina mafy tokoa sy tsy amim-pihambahambana”[77]. Ny loza ateraky ny ady m˘derina dia ny mamorona antony mba hanaovan’ireo mpitana fitaovam-piadiana siantifika, indrindra at˘mika, bi˘l˘zika na simika, heloka bevava amin’izany.

2315.Maro ny mihevitra fa ny fanangonana fitaovam-piadiana dia fomba azo hifanoherana ara-kevitra hamiliana ny ady mety ho ataon’ny mpanohitra. Heverin’izy ireo fa izany no fomba tena mahomby mety hiantohana ny fandriampahalemana eo amin’ny samy firenena. Mila fahamalinana ara-m˘raly hentitra anefa izany fomba fampihemoram-pahavalo izany. Satria, tsy tena afaka miantoka ny fandriampahalemana ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana. Tsy manafoana velively ny raharahan’ady izany, fa vao mainka aza manampy trotraka azy. Ny fandanian-karena mihoa-pampana amin’ny fanamboarana fitaovam-piadiana vaovao lalandava dia misakana ny fanatsarana ny fiainan’ireo vahoaka mahantra tsy ampy fivelomana[78], sady misakana koa ny fampandrosoana ny firenena. Mampitombo ny anton’ny fifanoherana sy mampitombo ny loza mety hitranga amin’ny fiitaran’ny ady, ny fitaovam-piadiana tafahoatra

2316.Ny famokarana sy ny fivarotana fitaovam-piadiana dia mahakasika ny soa iombonan’ny firenena rehetra sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Koa noho izany, zo sy adidin’ny Fanjakana ny mandamina fitsipi-pifehezana an’ireny. Ny fitadiavana tombon-tsoa manokana na iombonana ao anatin’ ny fotoana fohy dia tsy azo anekena ho ara-dalÓna an’ireo orinasa izay mampirehitra herisetra sy fifanoherana eo amin’ny samy firenena, sy izay manimba ny fandaminana araka ny lalÓna iraisam-pirenena. 

2317. Ny tsy rariny, ny tsy fitoviana mihoa-pampana amin’ny lafiny ara-toe-karena na ara-ts˘sialy, ny fitsiriritana, ny fiahiahiana ary ny fiavonavonana izay mamely mafy eo amin’ny samy olombelona sy ny firenena, no loza mitatao tsy an-kijanona amin’ny fandriampahalemana sy miteraka ny ady. Fandraisana anjara hampanjakana ny fandriampahalemana sy hisorohana ny ady, izay rehetra atao handresena ireny korontana ireny :

Arakaraka ny maha-mpanota ny olombelona, no itataovan’ny lozan’ny ady, ary ho toy izany ihany mandra-piverin’i Kristy. Kanefa, arakaraka ny iraisan’ny olombelona ao anatin’ny fitiavana, no handreseny ny fahotana, ary koa handreseny ny herisetra mandra-pahatanteraka ity teny ity hoe : “Ny sabatr’izy ireo ho tefeny ho lelan’angadinomby, ary ny lefony ho antsy fijinjÓna. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona” (Iz 2,4)[79].

 

FAMINTINANA

2318. “Andriamanitra no mitana eo ambany fahefany ny fanahin’ny velona rehetra, sy ny fofon’ain’ny tenan’olombelona rehetra (J˘ba 12,10).

2319. Masina ny ain’olombelona rehetra, manomboka amin’ny fotoana iforonany ao am-bohoka ka mandra-pahafatiny, satria ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy dia natao mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra velona sady masina.

2320.Mifanohitra tanteraka amin’ny hasin’ny maha-olona ny olona sy ny fahamasinan’ny Mpahary azy ny famonoan’olona.

2321. Ny fandrarÓna ny famonoan’olona dia tsy manafoana ny zo hiaro tena amin’ny fisakanana ny mpamely tsy ho tonga amin’ny fomba mamohehatra. Ny fiarovan-tena eken’ny lalÓna dia adidy lehibe ho an’izay miandraikitra ny ain’ny hafa na ny fananana iombonana.

2322. Efa manan-jo ho velona ny zaza, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka. Ny fanalan-jaza mivantana, izany hoe iniana atao ho toy ny tanjona na ho toy ny fomba, dia fanao ratsy[80], tena manohitra ny lalÓna m˘raly. Ny fanesorana tsy hanana anjara amin’ny Fiangonana no sazy araka ny lalÓna famaizana ampiharin’ny Fiangonana amin’io fandikan-dalÓna manohitra ny ain’olombelona io.

2323.Noho ny “embryon” tsy maintsy karakaraina toy ny olona, manomboka amin’ny fiforonany ao am-bohoka, dia tsy maintsy arovana amin’ny maha-izy azy manontolo, tsaboina sy sitranina toy ny olona hafa rehetra izy.

2324.Ny etanazia atao an-tsitrapo, na ahoana na ahoana ny fomba ampiasaina ary na inona na inona antony, dia famonoan’olona tsotr’izao. Manohitra tanteraka ny hasina maha-olona sy ny fanajana an’Andriamanitra velona Mpahary azy izany.

2325.Ny famonoan-tena dia manohitra tanteraka ny fahamarinana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Voararan’ny didy fahadimy izany.

2326.Anisan’ny fahotana lehibe ny fanafintohinana, raha mitarika an-tsitrapo hanao fahotana lehibe, noho ny asa atao na tsy natao.

2327.Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, tsy maintsy ataontsika izay rehetra azo atao amim-pahendrena hisorohana izany. Hoy ny vavaky ny Fiangonana : Amin’ny mosary sy ny pesta ary ny ady, afaho izahay, ry Tompo !

2328.Ambaran’ny Fiangonana sy ny sain’ny olombelona fa manan-kery lalandava ny lalÓna m˘raly mandritra ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny fitsipi-pitondran-tena amin’izany zo izany izay mahafehy ny daholobe.

2329.“Ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana dia loza faran’izay mampitebiteby ny olombelona rehetra sy mamohehatra ny mahantra amin’ ny fomba tsy azo leferina[81].

2330. “Sambatra ireo mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy ireo (Mt 5,9).

 
 
[1] jer. Mk 7,8-13.
[2] jer. Det 5,16.
[3] jer. Det 5,16.
[4] FM 21 ; jer. FF 11.
[5] jer. Efez 5,21-6,4 ; K˘l 3,18-21 ; 1 Pi 3,1-7.
[6] FAA 52, ž1.
[7] jer. FAA 47, ž1.
[8] FAA 52, ž2.
[9] jer. FM 46.
[10] jer. Efez 3,15.
[11] jer. Ohab 1,8 ; Tob 4,3-4.
[12] jer. Eks 20,12.
[13] jer. Efez 6,1.
[14] jer. Mk 7,10-12.
[15] FK 3.
[16] jer. FM 36.
[17] CA 36.
[18] FF 11 ; jer. CIC, can. 1136.
[19] jer. FF 11.
[20] jer. FAA 48, ž4.
[21] jer. Mt 18,21-22 ; Lk 17,4.
[22] jer. FK 6.
[23] jer. Mt 16,25.
[24] jer. CA 25.
[25] jer. R˘m 13,1-2.
[26] Taratasy ho an’i DiognŔte 5,5 ; 5,10 ; 6,10.
[27] FAA 74, ž5.
[28] jer. CA 45 ; 46.
[29] FAA 76,ž2.
[30] FAA 76, ž3.
[31] FAA 76, ž5.
[32] FAA 47, ž 1.
[33] CDF, instr. "Donum vitae" intr. 5.
[34] jer. Jen 4,8-12.
[35] jer. Lev 17,14.
[36] jer. Mt 5,22-26.38-39.
[37] jer. Mt 5,44.
[38] jer. Mt 26,52.
[39] Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 64, 7.
[40] Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 64, 7.
[41] Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 64, 7.
[42] "Evangelium vitae" 56.
[43] jer. Jen 4,10.
[44] jer. FAA 51, ž3.
[45] jer. Am 8,4-10.
[46] jer. CDF, instr. "Donum vitae" 1,1.
[47] DidachÚ 2,2 ; jer. BarnabÚ, ep. 19,5 ; Epţtre Ó DiognŔte 5,6 ; Tertullien, apol. 9,8.
[48] FAA 51, ž3.
[49] CIC, can. 1398.
[50] CIC, can. 1314.
[51] CIC, can. 1323-1324.
[52] CDF, instr. "Donum vitae" 3.
[53] CDF, instr. "Donum vitae" 3.
[54] CDF, instr. "Donum vitae", 1,2.
[55] CDF, instr. "Donum vitae" 1,3.
[56] CDF, instr. "Donum vitae" 1,5.
[57] CDF, instr. "Donum vitae" 1,6.
[58] CDF, dÚcl. "Iura et bona".
[59] jer. 1 K˘r 8,10-13
[60] jer. Mt 7,15.
[61] Pie XII, lahateny tamin’ny 1 jona 1941.
[62] jer. Efez 6,4 ; K˘l 3,21.
[63] jer. DS 3722-3723.
[64] jer. Tob 1,16-18.
[65] jer. CIC, can. 1176, ž3.
[66] Md Thomas d’A., s. th. 2-2,158, 1, ad 3.
[67] Md Augustin, civ. 19,13.
[68] jer. FAA 78, žž1-2.
[69] jer. Efez 2,16 ; K˘l 1,20-22.
[70] jer. FF 1.
[71] jer. FAA 78, ž5.
[72] jer. FAA 81, ž4.
[73] FAA 79, ž4.
[74] jer. FAA 79, ž5.
[75] jer. FAA 79, ž3.
[76] FAA 79, ž4.
[77] FAA 80, ž4.
[78] PP 53.
[79] FAA 78, ž6.
[80] FAA 27, !3.
[81] FAA 81, ž 3.
 

 

top