The Holy See
back up
Search
riga

ANDALANA 6

Ny didy fahenina

 

Tsy hijangajanga ianao (Eks 20,14)[1].

Efa renareo fa voalaza hoe : “Tsy hijangajanga ianao.” Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe :  “Na iza na iza hijery vehivavy mba haniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady” (Mt 5,27-28).

 

I. “Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo…”

2331. “Andriamanitra dia fitiavana, ka ao amin’ny Tenany ihany Izy no miaina ny misterin’ny fiombonana sy ny fitiavana. Tamin’ny nahariany ny maha-olombelona ny lehilahy sy ny vehivavy hitovy endrika Aminy (...) no nandraiketany ao amin’io maha-olombelona io ny fiantsoana azy, izany hoe ny herim-pahazoana amam-pahaizana mitia sy miombona, sy ny adidy aman’andraikitra mifanandrify amin’izany”[2]

“Ary Andriamanitra nahary ny olombelona mitovy endrika Aminy (...) ka lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo” (Jen 1,27) ; “Miteraha maro ary mitomboa ianareo” (Jen 1,28) ; “Tamin’ny andro izay naharian’ Andriamanitra ny olombelona, dia nataony mifanahaka Aminy izy ireo, lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo : notsofiny rano izy ireo, ary nomeny anarana hoe olombelona, tamin’ny andro nahariany azy ireo” (Jen 5,1-2). 

2332. Miseho amin’ny lafiny rehetra momba ny olombelona ny maha-lahy na maha-vavy, ao amin’ny firaisan’ny vatany sy ny fanahiny. Mahakasika manokana ny fihetseham-po, ny herim-pahazoana amam-pahaizana mitia sy miteraka, ary, amin’ny ankapobeny, ny fahaiza-manorina fifandraisam-piombonana amin’ny hafa. 

2333. Anjaran’ny tsirairay, lehilahy sy vehivavy, ny mamantatra sy ny manaiky ny maha-izy azy ho lehilahy na ho vehivavy. Ny faha-samy hafa sy ny fifamenoana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy, dia atodika any amin’ny soa ho an’ny fanambadiana sy ny fivelaran’ny fiainam-pianakaviana. Ny fomba iainan’ny olona ny maha-lahy azy na ny maha-vavy azy eo amin’ny lafiny fifamenoana, filana ary fifanohanana, dia anisan’ny iankinan’ny firindram-piainan’ny mpivady sy ny fiaraha-monina.

2334.“Raha vao nahary ny olombelona ho lehilahy sy ho vehivavy Andriamanitra, dia efa nomeny fahamendrehana mitovy izy tsirairay avy na ny lehilahy na ny vehivavy”[3]. “Olona ny olombelona ary mitovy ny hasin’ny maha-olona azy na ny an’ny lehilahy na ny an’ny vehivavy, satria noarìna mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra-Olona izy roa”[4].

2335. Ny olona tsirairay na ny lehilahy na ny vehivavy, izay mitovy fahamendrehana, na dia samy hafa fomba aza, dia endriky ny herin’ Andriamanitra sy ny hamamim-pitiavany. Ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny fanambadiana no fomba hanahafana ao amin’ny nofo ny fahalalam-pon’ny Mpahary sy ny fampisiany olona : “Mandao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy mba hiraiki-po amin’ny vadiny ; ho nofo iray ihany izy roa” (Jen 2,24). Avy amin’io firaisana io no iandohan’ny fiterahana ny taranak’olombelona rehetra[5]

2336. Tonga hampody ny zavaboary amin’ny toe-pahadiovany tany am-piandohana i Jesoa. Tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra Izy no nanazava tamin’ny fomba mazava sy hentitra ny fandaharan’ Andriamanitra: “Efa renareo fa voalaza hoe : "Tsy hijangajanga ianao." Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : "Na iza na iza mijery vehivavy mba haniry azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady"” (Mt 5,27-28). Tsy mahazo manasaraka izay nakamban’Andriamanitra ny olombelona[6].

Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana dia nahazo an-tsaina fa ny didy fahenina no anatambarana ankapobeny momba ny maha-lahy sy maha-vavy eo amin’ny olombelona.

II. Ny fiantsoan’Andriamanitra ho amin’ny fahadiovam-pitiavana 

2337. Ny dikan’ny hoe fahadiovam-pitiavana dia fampiraisana manontolo sy lavorary ny maha-lahy na ny maha-vavy ny olona ao amin’ny tenany, ary avy amin’izany  no miray tanteraka ao aminy ny vatana sy ny fanahy maha-olona azy. Ny maha-lahy na maha-vavy, izay isehoan’ny maha-anisan’ny tontolon’ny ara-batana sy ny ara-biôlôzia ny olombelona, dia manjary an’ny olona tsirairay sy momba ny olombelona tokoa rahefa ampidirana manontolo ao anatin’ny fifandraisan’ny olona samy olona, amin’ny fifanoloran-tenan’ny lehilahy sy ny vehivavy, izay fifanoloran-tena manontolo sy tsy voafetran’izao fiainana izao.

Noho izany, ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana no isian’ny fahadiovan’ny maha-olona manontolo sy ny fanoloran-tena tsy misy tomika.

Ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny olona

2338.Ny olona madio fitiavana dia mampaharitra ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny herin’aina sy ny herim-pitiavana napetraka ao aminy. Io fahadiovan-toetra tsy misy tomika io no miantoka ny maha-iray tsy mivaky ny olona, sy manohitra ny fihetsika amam-pitondran-tena rehetra izay mety hanafintohina azy. Tsy zakan’ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika, ny fihatsarambelatsihy na amin’ny fiainana na amin’ny fiteny[7].

2339. Misy fianarana mifehy tena ny fahadiovam-pitiavana, izay fampianarana amam-panabeazana momba ny fahafahan’ny olombelona. Mazava ny safidy atao : na ny olona mifehy ny firehetam-pony ka mahazo ny fiadanana, na izy mety handevozin’izany ka manjary fadiranovana[8]. “Ny fahamendrehan’ ny olona dia mitaky aminy ny hanaovany zavatra araka ny safidy an-tsitra-po sy malalaka, ka avy amin’ny fisainan’ny tenany no handrisika sy hametra izany, fa tsy ho avy amin’ny tosi-kerim-panentana ao anaty na ny fanerena ety ivelany fotsiny. Tonga amin’izany fahamendrehana izany ny olombelona rahefa manafaka ny tenany tsy ho andevozin’ny firehetam-po, amin’ny fisafidianana malalaka ny soa sy ny tsara, ka mizotra ho amin’ny anjara soany, sy mitandrina fatratra amin’ny fampiasana ny fahakingan-tsaina mba hahitana ny tena fomba tsara hahazoana izany”[9]

2340. Ilay izay te haharitra tsy hivadika amin’ny fanomezan-toky tamin’ny Bateminy sy hanohitra ny fakam-panahy, dia hitandrina amin’ny fampiasana ny fomba sahaza izany : ny fahalalana ny tena, ny fizàrana mamola-tena araka ny toe-javatra atrehina, ny fanekena ny didin’ Andriamanitra, ny fampiasana ny herim-panahy enti-mitondra tena ary ny fitokiana amin’ny fivavahana. “Mamorona indray ny maha-isika antsika manontolo ny fahadiovam-pitiavana, ary mampody antsika amin’ilay firaisana izay nariantsika tamin’ny fiparitahantsika”[10]

2341.Ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana dia miara-miasa ao anatin’ny tontolon’ny herim-panahy fahalalana onony, izay mikendry ny hamonto fahendrena ireo firehetam-po sy ireo fahalianan’ny nofon’ny olombelona.

2342. Tsanganasa lavitr’ezaka ny fifehezan-tena. Tsy azo heverina na oviana na oviana fa ho azo indray maka ihany izy. Mitaky ezaka miverimberina eo amin’ny fotoana rehetra iainana izy[11]. Mety ho mafimafy kokoa ny ezaka takìny amin’ny vanim-potoana sasany, toy izany rahefa tonga ny fotoana iforonan’ny toetra maha-izy ny tsirairay mandritra ny fahazazana sy ny fahatanorana. 

2343.Fantatry ny fahadiovam-pitiavana ny lalànan’ny fandrosoana, izay misy fotoana andalavony amin’ny tsy fahalavorariana, ary matetika tokoa amin’ny fahotana. “Isan’andro isan’andro ny olona tsara toe-panahy sy madio fitiavana no mampivoatra ny tenany amin’ny alalan’ny safidy maro sy malalaka. Amin’izany izy no mahalala, mitia ary manatanteraka ny tsara ara-môraly amin’ny fanarahana ny dingam-pandrosoana”[12].

2344.Ny fahadiovam-pitiavana no mampiseho ny lahasa ambony dia ambony an’ny tsirairay, sady mitarika ho amin’ny ezaka ara-kolontsaina koa, satria “mifampiankina ny fandrosoan’ny olona tsirairay sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina amin’ny maha-fiaraha-monina azy”[13]. Mitaky fanajana ny zon’ny olona ny fahadiovam-pitiavana, indrindra ny zo hahazo fampahalalam-baovao sy fanabeazana, izay manaja ny ara-môraly sy ny ara-panahy amin’ny fiainan’ny olombelona. 

2345.Herim-panahy enti-mitondra tena ny fahadiovam-pitiavana. Fanomezana avy amin’Andriamanitra, fahasoavana, vokatry ny tsanganasan’ny Fanahy koa izy[14]. Ny Fanahy Masina no mahatonga ilay izay nateraka indray tamin’ ny ranon’ny Batemy hanahaka ny fahadiovan’i Kristy tsy misy pentina[15].

Ny fahadiovana tsy misy tomika ny fanoloran-tena

2346.Ny fitiavana no manendrika ny hatsaram-panahy rehetra. Eo ambany fitarihany ny fahadiovam-pitiavana no hita fa fianaran’ny olona manolotra ny tenany. Ampiarahana amin’ny fanoloran-tena ny fahaiza-mifehy tena. Ny fahadiovam-pitiavana no mitarika an’ilay izay manao izany ho tonga vavolombelon’ny tsy fivadihan’Andriamanitra sy ny fanehoam-pitiavany, eo amin’ny namana.

2347.Ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana dia mivelatra eo amin’ny fisakaizana. Izy no manoro ny mpianatra ny fomba fanarahan-dia sy fakana tahaka an’Ilay izay nifidy antsika ho sakaizany manokana[16], nanolo-tena manontolo ho antsika sy nampandray anjara antsika amin’ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Fampanantenana ny tsy fahafatesana ny fahadiovam-pitiavana.

Amin’ny fisakaizana amin’ny namana no mampazava indrindra ny dikan’ny fahadiovam-pitiavana. Rahefa mivelatra eo amin’ny fifandraisan’ ny samy lehilahy, na samy vehivavy, na lehilahy sy vehivavy ny fisakaizana, dia mampiseho soa lehibe ho an’ny rehetra. Izy no mitondra ho amin’ny fiombonana ara-panahy.

Ny faha-samihafa ny fitsipi-pifehezana ny fahadiovam-pitiavana

2348. Voantso ho amin’ny fahadiovam-pitiavana ny vita batemy rehetra. Ny kristianina dia “mitafy an’i Kristy” (Gal 3,27), môdelin’ny fahadiovam-pitiavana rehetra. Ny  mpino rehetra an’i Kristy no voantso hadio fitiavana eo amin’ny fiainana araka ny lalam-piainana arahin’izy ireo avy. Tamin’ny fotoanan’ny Bateminy no nanombohan’ny kristianina hitondra ny fihetseham-pony ao anatin’ny fahadiovam-pitiavana.

2349. “Ny fahadiovam-pitiavana no tokony hamaritra ny toetran’ny olona araka ny faha-samihafa ny lalam-piainana arahin’izy ireo : ny sasany manokan-tena ho virjiny na manokan-tena ho mpitovo, izay fomba ambony sy tsotra tokoa amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra amin’ny fo tsy voazarazara ; ny hafa, araka izay faritan’ny lalàna môraly ho an’ny rehetra sy ny toerana misy azy ireo na manambady na mpitovo”[17]. Voantso hiaina ny fahadiovam-pitiavana ara-panambadiana ny olona manambady ; voantso hiaina ny fahadiovam-pitiavana amin’ny fifadiam-pahafinaretan’ ny nofo kosa ny tsy manambady :

Misy endrika telo ny herim-panahy fahadiovam-pitiavana : ny an’ny mpivady, ny an’ny maty vady, ary ny an’ny manokan-tena ho virjiny. Izahay tsy midera ny iray amin’ireo amin’ny fanilihana ny hafa. Amin’izany ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana no manankarena[18].

2350. Antsoina hiaina ny fahadiovam-pitiavana ao anatin’ny fifadiam-pahafinaretan’ny nofo ny mpifamofo. Ho tsapan’izy ireo ao amin’izany fisedrana izany ny hasoa amin’ny fifanajana, ny fahaizana mifampatoky ary ny fanantenana fa fanomezana azo avy amin’Andriamanitra ny vady. Hatokan’izy ireo amin’ny fotoanan’ny fanambadiana ny fampisehoana ny porofom-pitiavana manokana amin’ny fifankatiavan’ny mpivady. Hifanampy izy ireo hitombo fitiavana ao anatin’ny fahadiovam-pitiavana. 

Ny fahotana amin’ny fahadiovam-pitiavana 

2351.Ny fitondran-tena vetaveta. Izany dia faniriana ratsy na fahafinaretana manimba amin’ny hafaliam-piraisana ara-nofo. Filibàna manohitra ny môraly ny mampiasa taovam-pananahana ho fitadiavam-pahafinaretana fotsiny amin’ny firaisana ara-nofo, ka sarahina amin’ny fikendrena hiteraka sy hiray.

2352.Ny asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany. Izany dia fampiasana ny taovam-pananahan’ny tena amin’ny fanaovana firaisana an-tsitrapo amin’ny tena irery ihany, mba hahazoana fahafinaretan’ny nofon’ny tena amin’izany. “Ao anatin’ny sori-dalan’ny lovam-pampianarana tsy miova, na ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana izany na ny fahalalana ara-môraly avy amin’ny mpino, dia samy manantitrantitra tsy amim-pihambahambana fa asam-pilibàna avy ao anaty sy lehibe, ny asam-pijangajangana atao amin’ny tena ihany.” “Na inona na inona antony, ny fampiasana amin’ny nahim-po ny taovam-pananahana maha-lahy na maha-vavy anaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny an’ny mpivady ara-dalàna dia manohitra tanteraka ny tanjona ampiasana azy.” Satria, ny fahafinaretam-piraisana ara-nofo tadiavina amin’izany dia fahafinaretana ivelan’ny “firaisana ara-nofo takìn’ny didy ara-môraly, izay manatanteraka tsy misy tomika ny anton’ny fifanoloran-tena sy ny fiterahan’ny olombelona, ao amin’ny tontolon’ny fitiavana marina”[19].

Mba hanaovana fitsaràna marina ny amin’ny andraikitra mahadiso ireo olona voakasika izany sy mba hanoritana ny asa pastôraly ho azy ireo, dia tsy maintsy dinihana amin’izany ny tsy fahamatorana ara-pihetseham-po, ny herim-pahazarana raiki-tampisaka, ny toetran’ny tebiteby na anton-javatra hafa ara-tsaina na ara-piaraha-monina mahatonga izany, izay mety hanakely, na hampihena faran’izay kely ny fahadisoana ara-môraly.

2353.Ny fijanganjangana. Izany dia firaisana ara-nofo  ivelan’ny fanambadiana ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy tsy mpivady sady atao amin-kalalahana. Manohitra mafy tokoa ny hasina maha-olona sy ny maha-lahy na maha-vavy azy ny fijanganjangana, satria ireo dia toetra voa-Janahary nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady ary koa ho amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana ny zanaka. Ankoatra izany, fanafitohinana lehibe izy raha misy fanimbàna ny tanora.

2354.Ny fampisehoam-betaveta. Izany dia mifototra amin’ny fampisehoana olona manao firaisana ara-nofo tena hita mivantana, na an-tsary, na amin’ ny horonan-tsary, atao amin’ny nahim-po, mba hojeren’ny olon-kafa. Manala baraka ny fahadiovam-pitiavana izany satria manimba ny maha-voa-Janahary ny firaisan’ny mpivady, izay fifanoloran-tena lalina indrindra eo amin’izy roa. Manimba tanteraka ny hasina maha-olona an’ireo izay voakasik’izany koa ny fampisehoam-betaveta (mpilalao, mpivarotra, mpijery, mpamaky), satria manjary fitaovam-pitadiavam-pahafinaretana sy tombon-tsoa tsy ara-dalàna ho an’ny hafa izy ireo. Mandentika ny andaniny sy ny ankilany amin’ny hevi-dravina momba ny fahasambarana manodoka izany. Fahadisoana lehibe izany. Tokony hosakanan’ny mpitondra firenena ny famokarana sy ny fampielezana ny fitaovana fampisehoam-betaveta.

2355. Ny fivarotan-tena. Izany dia mandoto ny hasina maha-olona an’izay mivaro-tena, aetrin’ny fahafinaretam-piraisana ara-nofo tadiavina avy amin’izany. Manao fahotana lehibe amin’ny tenany koa ilay mividy : manosihosy ny fahadiovam-pitiavana izay narotsaky ny Batemy taminy izy, sy mametaveta ny vatany izay tempolin’ny Fanahy Masina[20]. Anisan’ ny loza aman’antambo eo amin’ny fiaraha-monina ny fivarotan-tena. Mazàna mahakasika ny vehivavy izany, nefa koa ny lehilahy, ny ankizy na ny tanora (miampy ny fanafintohinana, amin’ireo sokajy roa farany ireo). Fahotana lehibe lalandava ny mitolo-batana amin’ny fivarotan-tena, saingy ny fahasahiranana, ny fandrahonana ary ny fanerena ara-tsôsialy kosa no mety hampihena ny mahameloka amin’izany. 

2356. Ny fanolanana. Izany dia enti-milaza ny fanatsofohana an-keriny, miampy herisetra, ny taovam-pananahana ao amin’ny an’ny olona iray. Manimba ny rariny sy ny fitiavana izany, sady manosihosy tanteraka ny zon’ny tsirairay ho hajaina, ho afaka, ho madio manontolo ara-batana sy ara-tsaina. Mitera-pahavoazana an’ilay naolana izany, izay mety hampitondra takaitra azy mandritra ny fiainany manontolo. Asa ratsy tena lalim-paka lalandava izany. Mbola ratsiratsy kokoa aza ny fanolanana, raha natao tamin’ny havana (jer. fanambadiana olon-tsy heny) na nataon’ny mpanabe amin’ny ankizy izay nankinina tamin’izy ireo.

Fahadiovam-pitiavana sy firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy

2357.Ny hoe firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy dia ilazana ny fifandraisana eo amin’ny samy lehilahy na samy vehivavy, izay avy amin’ny fanintonan’ny maha-lahy na ny maha-vavy, manokana na mahery vaika, hiaraka toy ny mpivady amin’ny olona mitovy tena aminy ihany. Endrika maro miovaova tokoa no nisehoan’izany teny am-pamakivakiana ny taonjato mifandimby sy ny kolontsaina teny. Tsy mbola hita mazava ny tena fiandohany ara-tsaina. Avy amin’ny Soratra Masina, izay mampahafantatra ny maha-faharatsiana lehibe izany[21], no iankinan’ny Lovam-pampianarana amin’ny fanambaràny hatrany fa “ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy dia tena filibàna mifamotitra tanteraka”[22]. Mifanohitra amin’ny lalàna voa-Janahary izany, sady mamongotra ny firaisan’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fiterahana. Tsy avy amin’ny tena fifamenoan’ny fitiavana sy ny fifamenoan’ny maha-lahy sy ny maha-vavy marina izany, ka tsy misy ahazoana mankato izany na inona na inona antony.

2358. Tsy azo atao tsinontsinona ny hamaroan’ireo lehilahy sy vehivavy mampiseho ny fisian-toetram-pironana amin’ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Anisan’ny fitsapan-toetra ho an’ny ankamaroan’izy ireo, ny fananany izany fisian-toetra ratsy mikorontana tsy miankina na amin’iza na amin’iza izany, satria fisian-toetra tsy nofidian’izy ireo hananana. Tokony ho raisina amim-panajana, amim-pangorahana ary amin-kalemem-panahy izy ireo ; tokony hofadìna ny karazam-panavakavahana rehetra miendrika fanesoana azy ireo. Voantso koa izy ireo, hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany, ary izay kristianina amin’izy ireo dia amporisihana mba hanakambana amin’ny soron’ny Tompo teo amin’ny Hazofijaliana, ny fahasahiranana izay mety ho tojo azy ireo amin’ny toe-piainany. 

2359. Voantso ho amin’ny fahadiovam-pitiavana koa ny olona manao firaisan’ ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Afaka ary tokony hiroso tsikelikely sy amin-kerim-po ho amin’ny fahalavorariana kristianina izy ireo, amin’ny alalan’ny herim-panahy fahaiza-mifehy tena, izay manabe ny fahafahana anaty, ary indraindray amin’ny alalan’ny fanohanan’ny tapaka sy namana tsy mitady tombon-tsoa manokana, amin’ny alalan’ny fivavahana sy ny fahasoavana ara-tsakramenta.

III. Ny fifankatiavan’ny mpivady

2360. Nalahatra ho amin’ny fifankatiavan’ny mpivady lehilahy sy vehivavy ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Manjary famantarana sy antoky ny fiombonam-panahy amin’ny fanambadiana ny firaisana ara-nofon’ny mpivady. Eo amin’ny samy vita batemy, ny fifamatoram-panambadiana dia nohamasinina tamin’ny alalan’ny sakramenta.

2361. “Ny maha-lahy sy maha-vavy, izay ifanoloran’ny lehilahy sy ny vehivavy ny tenany amin’ny asa manokana sy miavaka ataon’ny mpivady, dia tsy zavatra biôlôzika fotsiny, fa mahakasika ny maha-olombelona amin’izay ananany lalina indrindra. Tsy ho tanteraka amin’ny fomba tena maha-olombelona tokoa izany, raha tsy ao anatin’ny fitiavana tsy misy tomika izay ifaneken’ny lehilahy sy ny vehivavy tanteraka eo anatrehan’ny andaniny sy ny ankilany mandra-pahafaty”[23] :

Niarina avy eo am-pandriana i Tobia, ary niteny tamin’i Sarà hoe : “Mitsangàna ranabaviko, aoka isika roa hivavaka sy hangata-bonjy amin’ny Tompontsika, mba hahazo ny fahasoavany sy ny fiarovany.” Dia niarina i Sarà ary niaraka nivavaka izy ireo, mba hahazo fiarovana, ary nanomboka niteny toy izao i Tobia : “Hisaorana Ianao, ry Andriamanitry ny razanay (...). Ianao no nahary an’i Adama, Ianao no nahary an’i Eva vadiny, ho mpanampy sy mpanohana azy, ary ny taranak’olombelona dia teraka avy amin’izy roa ireo. Ianao no nilaza hoe : "Tsy tsara raha irery ny lehilahy, andeha isika hanao mpanampy mitovy aminy." Ary ankehitriny, tsy ny faniriam-pahafinaretana no tadiaviko tamin’ny nakana ity anabaviko ity, fa amin’ny fo tsotra no anaovako izany. Mamindrà fo aminy sy amiko ary enga Ianao hitondra anay miaraka ho any amin’ny fahanterana !” Ary izy ireo niara-niteny hoe : “Amen, Amen.” Ary dia nandry izy ireo tamin’io alina io (Tob 8,4-9).

2362.“Ireo asa izay anatanterahan’ny mpivady ny firaisany lalina sy madio dia asa mety sy mendrika. Raha iainany amin’ny fomba tena maha-olombelona tokoa ireny asa ireny dia mampisy dikany sy manamora ny fifanoloran-tena izay mampitombo ny firaisan’izy mivady ao anatin’ny hafaliana sy fankasitrahana”[24]. Loharanon-kafaliana sy fahafinaretana ny maha-lahy sy ny maha-vavy :

Izy Mpahary ihany (...) no nanorina fa amin’izany asa [fiterahana] izany ny mpivady dia hahatsapa hafinaretana sy fahafaham-pon’ny vatana sy ny fanahy. Noho izany, tsy manao ratsy velively ny mpivady amin’ny fitadiavana izany hafinaretana izany sy amin’ny fifaliana amin’izany. Eken’izy ireo izany nandaharan’ny Mpahary azy ireo izany. Kanefa, tokony hahay mifehy tena amin’ny fetran’ny fahalalana onony marina ny mpivady[25].

2363. Amin’ny alalan’ny firaisan’ny mpivady no tanteraka ny zavatra roa kendren’ny fanambadiana : ny soa ho an’ny tenan’izy mivady sy ny fampitana ny aina. Tsy azo sarahina ireo antony roa na soatoavina amin’ny fanambadiana ireo, nefa tsy manimba ny fiainam-panahin’ny mpivady na manakorontana ny soa ho an’ny fanambadiana sy ny hoavin’ny fianakaviana.

Araka izany, ny fifankatiavana ara-panambadian’ny lehilahy sy vehivavy dia nalahatra ho amin’ny fitakiana roa sosona : ny tsy fivadihana sy ny fiterahana.

Ny tsy fivadihan’ny mpivady

2364.Ny mpivady no mamorona “ny fiombonam-piainana amam-pifankatiavan’ ny mpianakavy izay naorin’ny Mpahary sy nomeny ny lalànany manokana. Ny fifaneken’ny mpivady no iorenan’io fiombonana io, izany hoe : amin’ ny fifanekena ifanaovan’izy roa manokana sy raikitra tsy azo ravana”[26]. Mifanolo-tena mandra-maty sy manontolo izy roa. Tsy roa intsony izy ireo, fa manomboka hatreo dia manjary nofo iray ihany. Ny dinam-panekena nifanaovan’ny mpivady tamin-kalalahana no manery azy ireo hitana izany ho tokana sy tsy azo ravana[27]. “Izay nakamban’Andriamanitra, tsy azon’ olombelona sarahina mihitsy” (Mk 10,9)[28]

2365. Ny tsy fivadihana dia manambara ny faharetana amin’ny fitanana ny teny nomena. Tsy mivadika Andriamanitra. Mampiditra ny lehilahy sy ny vehivavy ao anatin’ny tsy fivadihan’i Kristy amin’ny Fiangonany ny sakramentan’ny Fanambadiana. Amin’ny alalan’ny fahadiovam-pitiavan’ ny mpivady no ijoroan’izy ireo ho vavolombelon’io mistery io eo anatrehan’izao tontolo izao.

Manoro hevitra ireo tovolahy manambady i Md Jean Chrysostome mba hanao izao resaka izao amin’ny vadin’izy ireo : “Nandray anao teo  an-tsandriko aho, sy tia anao, ary tia anao kokoa amin’ny aiko mihitsy. Fa tsinontsinona izao fiainana izao, ka ny nofinofiko faran’izay mivaivay dia ny hamakivaky izany miaraka aminao, sy ny mba hahazo antoka fa tsy hisaraka isika any amin’ilay fiainana natokana ho antsika (...). Ataoko ho ambonin’ny zavatra rehetra ny fitiavako anao, ary tsy misy na inona na inona mety handreraka ahy intsony afa-tsy ny tsy manana eritreritra mitovy amin’ny anao”[29].

Ny fiterahana amin’ny fanambadiana

2366.Ny fiterahana dia sady fifanoloran-tena no tanjon’ny fanambadiana, satria ny fitiavan’ny mpivady dia mikendry, araka ny toetra voa-Janahary, ny hiteraka. Tsy hoe avy any ivelany tsy akory ny zanaka, nampiana tamin’ny fifankatiavan’ny mpivady ; mipoitra avy ao anivon’io fifanoloran-tena io mihitsy izy, izay izy no vokatra sy fahatanterahana. Koa, ny Fiangonana izay “mandala ny aina”[30], dia mampianatra fa “ny asa rehetra momba ny fanambadiana dia tokony haharitra hisokatra ho amin’ny fampitàna ny aina”[31]. “Izany fitambaram-pampianarana izany, nohazavain’ny Toniam-pampianarana imbetsaka, dia miorina amin’ny fatotra tsy azo sarahina izay sitrak’Andriamanitra ary tsy azon’ny olombelona sarahina amin’ny eritreritry ny tenany fotsiny ny amin’ireto hevitra roa fonosin’ny asam-panambadiana ireto : firaisana sy fiterahana”[32]

2367. Noho ny mpivady voantso hiteraka, dia mandray anjara amin’ny fahefan’ny mpahary sy amin’ny maha-Raiamandreny an’ Andriamanitra izy ireo[33]. “Amin’ny adidy izay iantsorohan’izy ireo hampita ny aina sy ho mpanabe (izay anton-draharahany manokana mihitsy), dia tokony ho fantatry ny mpivady fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra Mpahary izy ireo sy toy ny mpitondra ny teniny. Koa tsy maintsy manefa ny adidiny àry izy ireo amin’ny fiandraiketana tanteraka ny maha-olona sy ny maha-kristianina”[34].

2368.Endrika iray manokana amin’izany fiandraiketana izany, ny mikasika ny fandrindram-piterahana. Noho ny antony ara-drariny[35], azon’ny mpivady atao ny maniry hanao be no aizana amin’ny fiterahana ny zanak’izy ireo. Kanefa, anjaran’izy ireo ny manamarina fa tsy noho ny antony avy amin’ ny fitiavan-tena manokana ny fanirian’izy ireo, fa mifanaraka amin’ny fahalalaham-po marina maha-ray sy maha-reny tompon’andraikitra. Afa-tsy izany, hahitsin’izy ireo hanaraka ny tena mari-pitsaràna marina amin’ ny fitsipi-pitondran-tena ny fitondran-tenan’izy ireo :

Raha ny mahatsara ara-pitondran-tena ny amin’ny fandrindrana ny fifankatiavan’ny mpivady sy ny maha-tompon’andraikitra azy ireo amin’ny fiterahana no resahina, dia tsy miankina fotsiny amin’ny fikasana  tsara, sy amin’ny fandanjalanjana ny antony araka ny saim-pantany izany, fa  tsy maintsy dinihina amin’ny mari-pitsaràna tsy mitanila, raha mifanaraka amin’ny hasin’ny maha-olombelona ny fanirian’izy ireo sy ny ataony, raha fifankatiavana marina no mitarika azy ireo amin’izany, raha voahaja tsara ny hevitra manontolo momba ny fifanoloran-tena sy ny fiterahan’ny olombelona ;  tsy ho vita anefa izany raha tsy ny fifehezan-tenan’ny mpivady no beazina amin-kitsim-po[36].

2369.“Ny fiarovana ireo toetra roa maha-izy ny fanambadiana ireo, dia ny firaisana sy ny fiterahana izany, amin’ny asan’ny mpivady, no itahirizany manontolo ny dikan’ny fifankatiavana marina tokoa, sy ny fanamasinana azy ho amin’ny fiantsoana ambony tokoa ny olombelona ho ray aman-dreny”[37].

2370. Ny fifadiam-pahafinaretan’ny nofo averimberina ara-potoana, ny mandrindra ny fiterahana aorina amin’ny fandinihana ny toe-batana, ary ny mampiasa ny fotoana tsy mampitoe-jaza[38], no mifanaraka amin’ny tena mari-pitsaràna marina amin’ny toetram-pitondran-tena. Manaja ny tenan’ ny mpivady ireo fomba ireo, mampahery azy roa hifaneho fitiavana, ary mampandroso ny fifanabeazana ho olona tena afaka tokoa. Ho setriny, tena ratsy tanteraka “ny asa rehetra atao ho tanjona na ho fitaovana fanakanam-piforonan-jaza, na amin’ny fitsinjovana ny firaisan’ny mpivady, na mandritra ny firaisana, na amin’ny fivoaran’ny vokany voa-Janahary”[39] :

Raha araka ny fiteny izay ilazana mazava hoe fifanoloran-tena manontolo ataon’ny mpivady ny firaisany, dia mifanohitra amin’izany kosa ny fiteny hoe fanakanam-piforonan-jaza, izay milaza mazava fa tsy ny fifanoloran-tena tanteraka eo amin’izy roa intsony no anaovany firaisana. Tsy hoe fandavana an-kitsirano ny fisokafana ho amin’ny fiterahana fotsiny no vokatr’izany, fa koa fisandohana amin’ny fahamarinana ao anaty amin’ny fifankatiavan’ny mpivady, izay natao hifanoloran-tena amin’ny maha-olona manontolo. Izany tsy fitoviam-pijerin’ny haiolombelona sy ny môraly eo amin’ny fanakanam-piforonan-jaza sy ny fampiasana ny fotoana tsy mampitoe-jaza izany, dia mampisy fomba fisainana roa mifanohitra momba ny olona  sy momba ny maha-lahy sy maha-vavy ny olona, izay samy tsy azo foanana fotsiny[40].

2371. “Ankoatra izany, aoka ho fantatry ny rehetra tsara fa ny ain’olombelona sy ny adidy hiteraka dia tsy voafetran’ny sehatra eto amin’ity tontolo ity ; satria raha eo amin’io sehatra io fotsiny ireo, dia tsy ahita na ny fivelarany manontolo, na ny dikany feno, fa aoka ireo ho ampifandraisana lalandava amin’ny anjara mandrakizay ho an’ny olombelona[41]

2372. Ny Fanjakana no tompon’andraikitra amin’ny fiadanana amam-pahafinaretan’ny olom-pirenena. Noho izany, rariny sy hitsiny ny hirotsahany mba hanoritra ny lalan-kaleha momba ny fitomboan’ny mponina. Azony atao izany amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao tsy mitanila sy manaja, fa tsy amin’ny sori-dalana jadona sy maneritery. Raha amin’ny rariny sy ny  hitsiny anefa, dia tsy azon’ny Fanjakana atao ny misolo ny fahafahana manapa-kevitry ny mpivady, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiterahana sy amin’ny fanabeazana ny zanak’izy ireo[42]. Amin’io sehatra io, tsy manana fahefana hitsabaka amin’ny alalan’ny fomba mifanohitra amin’ny lalàna môraly izy.

Ny fanomezana zanaka

2373.Ny Soratra Masina sy ny fomba fanao nampitain’ny lovam-panahin’ny Fiangonana dia mahita ao amin’ireo fianakaviana maro anaka, ny famantarana ny tsodranon’Andriamanitra sy ny fahalalaham-pon’ny  ray aman-dreny[43]

2374. Mafy tokoa ny fahorian’ireo mpivady izay mahalala fa tsy miteraka. “Inona no azonao omena ahy ?”, hoy i Abrama tamin’Andriamanitra. “Handeha aho nefa tsy manana zanaka akory ...” (Jen 15,2). “Ataovy amiko koa izay hananako zanaka, raha tsy izany, maty aho !”, hoy i Rasela tamin’i Jakôba vadiny (Jen 30,1). 

2375.Amporisihina ireo fikarohana izay mikendry hampihena ny fahamombàn’ ny olona, raha toa ireny ka apetraka “ho fanampiana ny olombelona, ny zony tsy azo foanana, ny soany tena izy sy manontolo, mifanaraka amin’ny tetik’asan’Andriamanitra sy ny sitrapony”[44].

2376. Fahavetavetana mahatsiravina ireo teknika izay mahatonga fampisarahana ny rohim-pihavanana eo amin’ny mpivady, amin’ny fitsabahan’ny olon-kafa ny amin’ny fiterahany (fanomezana atodinaina lahy na atodinaina vavy, findramana tranon-jaza). Ireny teknika ireny (fampananahana sy fampandonahana artifisialy avy amin’ny atodinaina tsy an-drainy), dia manimba  ny zon’ny zaza ho ateraky ny ray sy ny reny fantany, sy ny zony hifamatotra amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanambadiana. Mamadika “ny zo manokana hahatonga ho ray sy ho reny hifampiteraka amin’ny alalan’ny vadiny ihany ireny”[45].

2377. Raha ampiharina eo amin’ny mpivady ireny teknika ireny (fampananahana sy fandonahana artifisaly avy amin’ny atodinain’izy mivady), dia mety manimba kely ihany, nefa mijanona  ho tsy azo ekena ara-môraly ireny. Mampisaraka ny asam-piraisan’ny maha-lahy sy maha-vavy amin’ny asam-piterahana ireny. Ny asa famoronana ny fisian’ny zaza amin’ireny dia asa izay tsy amin’ny alalan’ny olon-droa mifanolo-tena intsony, fa “mametraka ny aina sy ny maha-izy ny “embryon” amin’ny fahefan’ny mpitsabo sy ny mpahay biôlôzia, ary manangana fahefa-mandidy amin’ny teknika ny amin’ny fiandohana sy ny anjara nandaharana ny olombelona. Ny fifandraisana amin’ny fahefa-mandidy toy izany dia manohitra ny toetra voa-Janahary  momba ny fahamendrehana sy ny fitoviana izay tokony hiombonan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka”[46]. “Nesorina amin’ny fahalavorariany manokana ara-môraly ny fiterahana, rahefa tsy kasaina ho vokatra avy amin’ny firaisan’ny mpivady, izany hoe avy amin’ny fihetsika manokana ny firaisan’ny mpivady. (…). Ny fanajana ny fifamatorana irery izay misy eo amin’ny dikan’ny firaisan’ny mpivady sy ny fanajana ny mahairay ny olombelona, no mamela ny fiterahana hifanaraka amin’ny hasina maha-olona”[47].

2378.Tsy zo takìna ny zanaka fa  fanomezana. Ny “fanomezana tsara indrindra amin’ny fanambadiana” dia ny olombelona. Tsy azo heverina ho toy ny fananan-javatra manokana ny zanaka, sao amin’izany no hitarika fanamarinam-pihamboana fa “zo ny hanan-janaka”. Amin’io  lafiny io,  ny zanaka no hany tena manan-jo marina, dia ny “ho vokatra manokana avy amin’ny fifankatiavan’ny mpivady ray aman-dreniny, ary koa ny zo hohajaina amin’ny maha-olona, manomboka amin’ny fotoana fiforonany ao am-bohoka”[48].

2379.Asehon’ny Evanjely fa tsy aretina tsy misy fanafana tanteraka ny fahamombàna ara-batana. Ny mpivady izay mijaly amin’ny tsy fiterahana, rahefa afa-nenina nitady vonjy ara-drariny tamin’ny fitsaboana, dia tokony hiombona amin’ny Hazofijalian’ny Tompo, loharanon’ny fahaterahana rehetra ara-panahy. Azon’izy ireo haseho ny fahalalahan-pon’izy ireo amin’ny fananganana ho zanaka ireo ankizy tsy misy mpiahy na amin’ny fanaovana asa fanampiana ilain’ny hafa.

IV. Ny fahotana amin’ny hasin’ny fanambadiana

2380.Ny fanitsakitsaham-bady. Enti-milaza ny famitahana eo amin’ny fanambadiana io teny io. Rahefa olon-droa miaraka, na ny anankiray ihany aza no manam-bady, ka manao firaisana ara-nofo izy ireo, na indray mandeha ihany aza, dia manitsakitsa-bady izy ireo. Manameloka ny fanitsakitsaham-bady i Kristy na dia amin’ny faniriana fotsiny aza[49]. Mandrara tanteraka ny fanitsakitsaham-bady ny didy fahenina sy ny Testamenta Vaovao[50]. Miampanga ny halehiben’izany ny mpaminany. Hitan’izy ireo amin’ny fanitsakitsaham-bady ny endriky ny fahotana amin’ ny fanompoan-tsampy[51].

2381. Tsy fahamarinana ny fanitsakitsaham-bady. Mivadika amin’ny fanekeny ilay izay manao izany. Ny fanitsakitsaham-bady dia manohitra ny famantaram-pifanekena izay tsy inona fa ny fifamatoram-panambadiana, manimba ny zon’ny ankilany ary mitera-pahavoazana amin’ny fiorenan’ny fanambadiana, amin’ny fandikana ny fifanekena izay iorenany. Mamohehatra ny soa ho an’ny taranak’olombelona sy ny zanaka izay mila ny firaisana mafy orina eo amin’ny ray aman-dreny, ny fanitsakitsaham-bady.

Ny fisaraham-panambadiana 

2382.Nantitranterin’i Jesoa Tompo ny sitrapon’ny Mpahary hatrany am-piandohana izay nanao ny fanambadiana ho tsy azo ravana[52]. Nofoanany ny famelana hanao izany izay nisisika tao amin’ny Lalàna taloha[53].

Eo amin’ny samy vita Batemy, “ny fanambadiana vita sy efa nisy firaisana ara-nofo dia tsy azo ravana amin’ny alalan’ny fahefan’olombelona na dia iray aza  na inona na inona antony, afa-tsy ny fahafatesana”[54].

2383.Ny fisarahan-toeran’ny mpivady mbola ampiraisin’ny fifamatoram-panambadiana dia mety ho ara-drariny, amin’ny anton-javatra sasantsasany tondroin’ny Lalànan’ny Fiangonana[55].

Raha ny fisaraham-panambadiana ara-panjakana no hany sisa azo atao iantohana ny zo sasantsasany ara-drariny, toy ny fikarakarana ny zanaka na ny fiarovana ny fananana, dia mety ho azo leferina izany, tsy atao ho anisan’ny fahadisoana ara-môraly. 

2384.Fahotana lehibe amin’ny lalàna voa-Janahary ny fisaraham-panambadiana. Satria, mihambo handrava ny fifanekena tamin-kalalahana nankatoavin’ny mpivady hiara-miaina mandra-pahafaty izany. Mahatonga faniratsirana ny fanekem-pamonjena ny fisaraham-panambadiana, izay ny fanambadiana ara-tsakramenta no famantarana an’io fanekena io. Ny fakàn’izay nisara-bady vady hafa vaovao, na dia ankatoavin’ny lalàm-panjakana aza, dia manampy trotraka ny hamafisan’ny fisarahana : Noho izany, ilay vady manam-bady indray dia tafalatsaka ao anatin’ny fijangajangana ampahibemaso sy maharitra:

Raha ilay lehilahy,  taorian’ny nisarahany tamin’ny vadiny, no miaraka amin’ny vehivavy hafa, dia manitsakitsa-bady ny tenany, satria mijangajanga amin’io vehivavy io izy ; ary ilay vehivavy izay miara-mitoetra aminy dia mpijangajanga, satria misarika ho an’ny tenany an-dralehilahy vadin’olon-kafa izy[56].

2385.Ny fisaraham-panambadiana dia manana toetra ratsy ara-môraly mampikorontana ny tokantranon’ny mpianakavy sy ny fiaraha-monina. Miteraka fahavoazana lehibe izany korontana izany : ho an’ny vady, izay mahatsiaro tena fa nariana ; ho an’ny zanaka, izay naratra fo noho ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, ary matetika voarirodrirotra eo amin’ny samy izy ireo ; ho an’ny voka-dratsy afindrany, izay mitera-doza marina tokoa eo amin’ny fiaraha-monina. 

2386. Mety hianjadiam-pahoriana, kanefa tsy manan-tsiny, ny iray amin’ny mpivady, noho ny fisaraham-panambadiana neken’ny lalàm-panjakana ; tsy mandika ny didy ara-môraly io vady io amin’izany. Satria, misy tsy fitoviana lehibe eo amin’ny vady manao izay tratry ny ainy amim-pahamarinana mba tsy hivadika amin’ny sakramentan’ny Fanambadiana, nefa dia nariana tsy an-drariny, sy eo amin’ny vady nandrava ny fanambadiana vanona araka ny lalàm-piangonana, tamin’ny alalan’ny fahadisoana lehibe avy aminy[57].

Fahotana hafa manimba ny hasin’ny fanambadiana

2387. Azo an-tsaina ny loza aman’antambo manjo an’ilay izay maniry ny hibebaka araka ny Evanjely, ka voatery hisaotra ny vadiny iray na maromaro izay niarahany niaina nandritra ny taona maro. Satria, tsy mifanaraka amin’ny lalàna môraly ny fampirafesana. “Mifanohitra tanteraka amin’ny fiombonan’ny mpivady izany : satria, mitsipaka amin’ny fomba mivantana ny fandaharan’Andriamanitra araka ny nanambaràna izany tamintsika tany am-boalohany ; mifanohitra amin’ny fitoviam-pahamendrehan’ny tsirairay eo amin’ny vehivavy sy ny lehilahy izany, izay amin’ny fanambadiana no ifanoloran’izy ireo ny tenany ao anatin’ny fitiavana manontolo, ary noho izany antony izany, dia fitiavana tsy manam-paharoa sy manokana mihitsy”[58]. Ny kristianina izay nampirafy teo aloha dia voadidy ny lalàna mafy hanaja ny adidy nekena tamin’ireo vadiny taloha sy ireo zanany. 

2388. Ny fanambadiana olon-tsy heny. Izany dia enti-milaza ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy mpianakavy na havana, amin’ny ambaratongam-pihavanana izay mandrara tsy hivady eo amin’izy ireo samy izy ireo[59]. I Md Paoly dia manameloka ampahibemaso izany faharatsian-toetra lehibe izany : “Re laza hatraiza hatraiza, fa misy fahalotoana aty aminareo (…). Dia olona anankiray eo aminareo manambady ny vadin-drainy ! (…) Koa amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy (…) aoka izany olona izany hatolotra an’i Satàna, mba ho simba ny vatany…” (1 Kôr 5,1.3-5). Manimba ny fifandraisan’ny mpianakavy ny fanambadiana olon-tsy heny ary mampikororosy fahana itovy amin’ny biby.  

2389.Azo akambana ho anisan’ny fanambadiana olon-tsy heny ny fanararaotan’ ireo olon-dehibe manao firaisana amin’ny ankizy na tanora napetraka ho tezain’izy ireo. Mitombo avo roa heny ny fahadisoana amin’izany noho ny fiantraikany manafintohina ny maha-madio manontolo ara-batana sy ara-tsain’ny tanora, izay hamela takaitra amin’ny fiainany manontolo, sy amin’ny fandikan-dalànan’ny fiandraiketam-panabeazana. 

2390. Ao anatin’ny tokantranoimaso ny mpivady, rahefa mandà tsy hanao ny fomba ara-dalàna sy ara-pomban-tany ny firaisam-pifankatiavana manokana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.

Mamitaka ny fomba fiteny : ahoana moa no ahafahana miteny hoe : firaisana, nefa tsy mirotsaka amin’izany akory na ny an-daniny na ny an-kilany, sady mampiseho tsy fahampiam-pitokiana koa, na amin’ilay ilany, na amin’ny tenany ihany, na amin’ny ampitso ?

Manarona toe-javatra samihafa ilay fomba fiteny : tokantranoimaso, fandavana an-kitsirano ny fanambadiana amin’ny maha-fanambadiana azy, tsy fahafahana hifamatotra amin’ny alalan’ny fifanekena ao anatin’ny fotoana maharitra[60]. Manimba ny hasin’ny fanambadiana ireo toe-javatra rehetra ireo ; mamotika ny dikan’ny fianakaviana mihitsy ; mampihena ny hevitry ny fitokiana. Mifanohitra amin’ny lalàna môraly ireo : ao amin’ny fanambadiana ihany no tokony hanana ny toerany manokana ny firaisana ara-nofo ; ivelan’ny fanambadiana, anisan’ny fahotana lehibe lalandava ny firaisana ara-nofo ary manesotra tsy ho anatin’ny fiombonana ara-tsakramenta. 

2391.Betsaka ankehitriny no mitaky karazana “zo amin’ny fizahan-toetra” eo amin’izay manam-pikasana hivady. Na ahoana na ahoana ny hamafin’ny fikasan’izy ireo izay mifanaiky ao anatin’ny firaisana ara-nofo alohan’ny fotoana, “dia tsy afaka hiantoka ao anatin’ny fahitsian-toetra sy ny tsy fivadihana eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy izany fikasan’izy ireo izany, ary indrindra tsy afaka hiaro izany amin’ny haitraitra sy ny aingintraingitra”[61]. Tsy ara-dalàna ara-pitsipi-pitondran-tena ny firaisana ara-nofo raha tsy voatsangana ny fiombonam-piainana mandra-maty eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy mahatanty “fanandramana” ny fifankatiavan’ny olombelona amin’ny firaisana ara-nofo. Satria, fifanoloran-tena manontolo sy mandra-maty eo amin’izy ireo no takìn’io fifankatiavana io[62].

 

FAMINTINANA

2392.Ny fitiavana no fiantsoana fototra sy hatrany am-bohoka ny olombelona rehetra[63].

2393.Raha vao nahary ny olombelona ho lehilahy sy ho vehivavy Andriamanitra, dia efa nataony mitovy ny hasin’ny maha-olona ny tsirairay avy na ny andaniny na ny ankilany. Anjaran’ny tsirairay kosa, lehilahy sy vehivavy, ny mamantatra sy ny manaiky ny maha-izy azy lehilahy na maha-izy azy vehivavy.

2394.I Kristy no môdelin’ny fahadiovam-pitiavana. Ny vita batemy rehetra dia voantso hadio fitiavana eo amin’ny fiainana, ny tsirairay araka ny lalam-piainana arahin’izy ireo avy.

2395.Ny hoe fahadiovam-pitiavana dia midika fampiraisana tsy misy tomika ny maha-lahy na ny maha-vavy ao amin’ny maha-olona azy. Mila fianarana mifehy tena ho an’ny tsirairay ny fahadiovam-pitiavana.

2396.Amin’ireo fahotana manohitra mafy ny fahadiovam-pitiavana, dia tsy maintsy lazaina ireto : ny asam-pijanganjangana atao amin’ny tena ihany, ny fijangajangana, ny fampisehoam-betaveta ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy.

2397.Ny fanekem-panambadiana nifanaovan’ny mpivady an-kalalahana dia mitaky fitiavana tsy mivadika. Mahatonga azy ireo hitandro ny maha-tsy azo ravana ny fanambadiany izany.

2398.Ny fiterahana dia soa, fanomezana, ary tanjon’ny fanambadiana. Amin’ny fampitana ny aina, mandray anjara amin’ny maha-Raiamandreny an’ Andriamanitra ny mpivady.

2399. Iray amin’ireo endrika maha-ray sy maha-reny tompon’andraikitra, ny fandrindram-piterahana. Na ara-drariny aza ny eritreritra amam-pikasan’ ny mpivady hanao izany, dia tsy manamarina ny fampiasana ny fomba amam-pitaovana tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izany (ohatra : ny fampamombàna ny tena an-tsitrapo mivantana na ny fanakanam-piforonan-jaza).

2400.Ny fanitsakitsaham-bady, ny fisaraham-panambadiana, ny fampirafesana ary ny tokantranoimaso, dia fahotana lehibe manimba ny fahamendrehan’ ny fanambadiana.

 
 
[1] jer. Det 5,18.
[2] FM 11.
[3] FM 22 ; jer. FAA 49, §2.
[4] MD 6.
[5] jer. Jen 4,1-2.25-26 ; 5,1.
[6] jer. Mt 19,6.
[7] jer. Mt 5,37.
[8] jer. Ekl 1,22.
[9] FAA 17.
[10] Md Augustin, conf. 10, 29, 40.
[11] jer. Tito 2,1-6.
[12] FM 34.
[13] FAA 25, §1.
[14] jer. Gal 5,22-23.
[15] jer. 1 Jo 3,3.
[16] jer. Jo 15,15.
[17] CDF, décl. "Persona humana".
[18] Md Ambroise, vid. 23.
[19] CDF, décl. "Persona humana" 9.
[20] jer. 1 Kôr 6,15-20
[21] jer. Jen 19,1-29 ; Rôm 1,24-27 ; 1 Kôr 6,9-10 ; 1 Tim 1,10.
[22] CDF, décl. "Persona humana" 8.
[23] FM 11.
[24] FAA 49, §2.
[25] Pie XII, lahateny tamin’ny 29 ôktôbra 1951.
[26] FAA 48, §1.
[27] jer. CIC, can. 1056.
[28] jer. Mt 19,1-12 ; 1 Kôr 7,10-11.
[29]Md Jean Chrysostome in Hom. in Eph. 20,8.
[30] FM 30.
[31] HV 11.
[32] HV 12 ; jer. Pie XI, enc. "Casti connubii" ; DS 3717.
[33] jer. Efez 3,14-15 ; Mt 23,9.
[34] FAA 50, §2.
[35] jer. FAA 50.
[36] FAA 51, §3.
[37] HV 12.
[38] jer. HV 16.
[39] HV 14.
[40] FM 32.
[41] FAA 51, §4.
[42] jer. PP 37 ; HV 23.
[43] jer. FAA 50, §2.
[44] CDF, instr. "Donum vitae" intr. 2.
[45] CDF, instr. "Donum vitae" 2,1.
[46] jer. CDF, instr. "Donum vitae" 2,5.
[47] CDF, instr. "Donum vitae" 2,4.
[48] CDF, instr. "Donum vitae" 2,8.
[49] jer. Mt 5,27-28.
[50] jer. Mt 5,32 ; 19,6 ; Mk 10,12 ; 1 Kôr 6,9-10.
[51] jer. Ôs 2,7 ; Jer 5,7 ; 13,27.
[52] jer. Mt 5,31-32 ; 19,3-9 ; Mk 10,9 ; Lk 16,18 ; 1 Kôr 7,10-11.
[53] jer. Mt 19,7-9.
[54]CIC, can.1141.
[55] jer. CIC, can. 1151-1155.
[56] Md Basile, moral. règle 73.
[57] jer. FM 84.
[58] FM 19 ; jer. FAA 47, §2.
[59] jer. Lev 18,7-20.
[60] jer. FM 81.
[61] CDF, décl. "Persona humana" 7.
[62] jer. FM 80.
[63] FM 11.
 

 

top