The Holy See
back up
Search
riga

ANDALANA 7

Ny didy fahafito

 

 

Tsy hangalatra ianao (Eks 20,15)[1].
Tsy hangalatra ianao (Mt 19,18).

2401.RarÓn’ny didy fahafito ny maka na ny mitana tsy an-drariny ny fananan’ ny namana sy ny mihetraketraka ny fananany na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Didian’ny didy fahafito ny hanaovana ny marina sy ny fitiava-namana eo amin’ny fitantanana ny haren’ny tany sy ny vokatry ny asan’ny olombelona. Takýny noho ny soa iombonana ny fanajana ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana sy ny zo hanam-pananana manokana. Ny fiainana kristianina dia miezaka handamina araka an’Andriamanitra sy araka ny fitiava-namana, ny fananana eto amin’ity tany ity.

I. Ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana sy ny anjara fananana ho an’ny tena manokana 

2402. Efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nanankina ny tany sy ireo harena manontolo ao aminy amin’ny fitantanana iombonan’ny olombelona, mba hokarakarainy, hanjakany amin’ny alalan’ny asany ary hifaliany amin’ny vokatra avy aminy[2]. Natao ho an’ny taranak’olombelona rehetra ny soa aman-karena amin’ny zavaboary. Nozarazaraina ho an’ny olombelona anefa ny tany mba hiantohana ny fiadanam-piainan’izy ireo, iatrehana ny tsy fisiana sy ny fanaovana herisetra. Ara-dalÓna ny fakana fananana ho an’ny tena mba hiarovana ny fahafahana sy ny fahamendrehan’ny olona, mba hanampiana ny tsirairay hisahana an’izay tena ilainy indrindra sy amin’ny ilain’ireo izay ananany adidy. Tokony havelan’io fakana fananana ho an’ny tena io hiseho ny firaisan-kina voa-Janahary eo amin’ny olombelona.

2403.Ny zo hanam-pananana manokana, azo na voaray tamin’ny fomba ara-drariny, dia tsy manafoana ny fanomezana hatrany am-piandohany ny tany ho an’ny fitambaran’ny olombelona rehetra. Ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana, dia mijanona ho fototra, na dia takýn’ny fampandrosoana ny soa iombonana aza ny fanajana ny fananana manokana sy ny zony ary ny fampiasana azy.

2404.“Ny olombelona, amin’ny fampiasany ny zavatra izay azy ara-dalÓna, dia tsy mahazo mihevitra na oviana na oviana an’izany ho toy ny an’ny tenany irery ihany, fa hihevitra azy koa ho toy ny iombonana, izany hoe : azo anasoavana ny hafa koa, fa tsy ho an’ny tenany irery”[3]. Ny maha-tompom-pananana dia mahatonga ny mpanana azy ho mpitantan-draharahan’ Andriamanitra Mpiahy mba hampamokatra izany sy hampita ny voka-tsoa ho an’ny hafa, ka amin’ny havany akaiky aloha.

2405.Ny fananana vokatry ny asa –mivaingana na tsy mivaingana – toy ny tany na ny orinasa-taozavatra, ny fahaizana manokana na ny haikanto, dia mitaky ny fiahian’ny tompon’izy ireny mba hahasoa olona faran’izay betsaka ny vokatra azo avy amin’izy ireny. Ny mpanana ny fananana ampiasaina sy ny fananana holanýna dia tsy maintsy mampiasa izany amim-pahalalana onony, amin’ny fanokanana ny anjara tsaratsara kokoa ho an’ny vahiny, ny marary, ny mahantra. 

2406.Zo sy adidin’ny mpifehy fanjakana ny mampifanitsy amin’ny soa iombonana, ny fampiasana ara-dalÓna ny fahefana amin’ny zo ho tompom-pananana[4].

II. Ny fanajana ny olona sy ny fananan’izy ireo 

2407. Amin’ny lafiny fiharian-karena, ny fanajana ny fahamendrehan’ny olona dia mitaky ny fanatanterahana ny herim-panahy fahalalana onony, mba hampihenana ny firaiketam-po amin’ny haren’izao tontolo izao; ny herim-panahy fahamarinana, mba hiarovana ny zon’ny namana sy hanomezana azy izay tokony hefaina aminy ; ary ny firaisan-kina, araka ny fitsipika volamena sy araka ny fahalalahan-tanan’ny Tompo izay na dia manankarena aza, dia nanaiky ho mahantra mba hampanankarena antsika avy amin’ny fahantrany[5].

Ny fanajana ny fananan’ny hafa

2408.Mandrara ny halatra ny didy fahafito, izany hoe ny fandrobÓna sy ny fibodoana ny fananan’ny hafa manohitra ny sitrapo marin’ny tompon’ny fananana. Tsy halatra ny maka zavatr’olona raha toa ka marim-pototra ny fiheverana fa eken’ny tompony izany, na raha toa ka mifanohitra amin’ny saina mahitsy sy amin’ny anjara nanokanana ny fananana ho an’ny  daholobe ny fandavan’ilay tompony. Ohatra, raha misy fahaporetana mafy sy miharihary, ka ny hany fomba hamonjena izany eo no eo mivantana amin’izay tena ilaina (hanin-kohanina, trano fialofana, fitafiana...), dia ny mampiasa sy  ny mandany ny fananan’ny hafa[6]

2409.Na inona na inona fomba akÓna sy itanana tsy ara-drariny ny fananan’ny hafa, dia manohitra ny didy fahafito, na dia tsy mifanohitra amin’ny fepetra momba ny didy aman-dalÓn’ny fanjakana aza. Tahaka ireto : ny mitana amim-panahy iniana ny fananan’olona nindramina na zavatra very ; ny mamitaka na manambaka amin’ny varotra[7] ; ny manome karama tsy ara-drariny[8] ; ny manondrotra vidin-javatra amin’ny fanararaotana noho ny tsy fahalalana na noho ny fahasahiranan’ny hafa[9].

Mbola voarara ara-pitsipi-pitondran-tena koa ireto : ny fiantoham-barotra izay amin’izany no ihetsehana mba hampiovaovÓna amin’ny fomba amboamboarina ny tombam-bidin-javatra mba hahazoana tombon-tsoa avy amin’ny fahavoazan’ny hafa; ny kolikoly izay amin’izany no anodinkondinana ny sain’ireo izay tokony handray fanapahan-kevitra araka ny lalÓna ; ny fibodoana sy ny fampiasan’ny tena manokana ny fananam-pikambanan’ny orinasa ; ny asa zara fa vita, ny fangalarana amin’ny hetra aloa, ny hala-tahaka eo amin’ny taratasy solovola (seky) sy eo amin’ny taratasim-dazam-bidy (faktiora), ny fandaniana mihoa-pampana, ny fandanilaniam-poana. Ny mitera-pahavoazana iniana atao amin’ny fananan’olona manokana na amin’ny fananam-bahoaka dia mifanohitra amin’ny lalÓna m˘raly ka mitaky fanonerana. 

2410.Tsy maintsy efaina ny fampanantenana natao, ary tsy maintsy tandremana amin’ny fomba hentitra ny fifanekena raha rariny ara-pitsipi-pitondran-tena ny antoka hanatanterahana azy. Miankina amin’ny soatoavin’ny fifanekena ifanaovan’ny olona tsirairay na ny fikambanan’olona ny ampahany lehibe  amin’ny fiainana ara-piharian-karena sy ara-ts˘sialy. Ohatra, ny fifanekena ara-barotra eo amin’ny fivarotana na ny fividianana, ny fifanekena eo amin’ny fampanofÓna na eo amin’ny asa. Na inona na inona fifanekena dia tsy maintsy ifanarahana sy tanterahina amin-kitsim-po izany. 

2411.Ny fifanekena dia ankatoavin’ny fahamarinana ara-pifanakalozana izay mandamina ny fifanakalozana eo amin’ny olona sy eo amin’ny fikambanana, ao anatin’ny fanajana marina ny zon’izy ireo. Manery amin’ ny fomba hentitra ny fahamarinana ara-pifanakalozana ; takýny ny fiarovana ny zo ho tompom-pananana, ny fampandoavan-trosa ary ny fampanefana ny adidy nekena tamin-kalalahana. Raha tsy misy ny fahamarinana ara-pifanakalozana, tsy misy fahamarinana hafa mety ho azo atao intsony.

Ny fahamarinana ara-pifanakalozana dia miavaka amin’ny fahamarinana araka ny lalÓna, izay mikasika ny adidy tokony hefain’ny olom-pirenena amin’ny firenena, amin’ny fomba ara-drariny, sy amin’ny fahamarinana ara-pizarÓna, izay mandamina ny anjara tokony hefain’ny firenena amin’ireo olom-pirenena, mifandanja amin’ny ataon’izy ireo sy amin’ny filan’izy ireo.

2412.Noho ny fahamarinana ara-pifanakalozana, ny fanonerana ny tsy fahamarinana natao dia mitaky ny famerenana amin’ny tompony ny fananany nangalarina na nafenina : 

Noderain’i Jesoa i Zake noho ny antoka nolazainy : “Ny zavatr’olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny” (Lk 19,8). Na amin’ny fomba mivantana na tsy mivantana, izay rehetra nandroba ny fananan’ny hafa dia tsy maintsy mamerina izany ; raha tsy hita intsony ilay zavatra, dia onerana zavatra mitovy aminy  na vola mifandanja amin’ny vidiny, ary  onerana koa ny vokatra sy ny tombon-tsoa tokony ho azon’ny tompony ara-dalÓna. Tsy maintsy mamerina na manonitra koa, araka ny andraikitr’izy ireo sy ny tombon-tsoa azon’izy ireo, izay rehetra nandray anjara tamin’ny halatra sy niray tsikombakomba tamin’izany, na nanararaotra izany nefa mahalala tsara ny ataony ; ohatra : ireo izay nanome baiko na nanampy, na nanafina olon-dratsy na nanafina entana halatra.

2413.Ireo lalao an-tsapaka (lalao karatra, sns.) na ireo loka, raha amin’ny maha-lalao azy ireny fotsiny, dia tsy mifanohitra amin’ny fahamarinana. Manjary tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy ireny raha manesotra eo amin’ny olona izay ilainy mba hiantohana ny filany sy ny an’ny hafa. Ny hadalÓna amin’ny loka dia mety hanjary fanandevozana mamohehatra. Ny miloka amin’ny fomba tsy ara-drariny na ny mifetsifetsy amin’ny loka dia anisan’ny zava-doza, raha tsy hoe maivana ny fahavoazana nahatonga famaizana, ka ilay izay niharany dia tsy afaka mihevitra izany tamim-pandinihana ho zava-dehibe mibaribary sy misy dikany. 

2414. RarÓn’ny didy fahafito ny asa na ny fiantohan-draharaha izay mitarika hanandevo olona, tsy hahatsapa ny hasina maha-olona azy ireo,  hividy azy ireo, hivarotra azy ireo ary hanakalo azy ireo ho toy ny entam-barotra, na inona na inona antony, na fitiavan-tena tafahoatra izany na firehan-kevitra, na matimatim-bola na fibodoana manontolo. Fahotana manohitra ny hasina maha-olona sy ny zo fototra ananan’izy ireo izany, izay hanaovana herisetra azy ireo ho fitaovam-pamokarana na ho loharanon-tombon-tsoa. I Md Paoly dia nandidy ny tompo kristianina, hitondra ny mpanompony kristianina “tsy toy ny mpanompo intsony, fa toy ny mpiray tam-po ara-pinoana (...), toy ny olona, ao amin’ny Tompo” (Filem 16).

Ny fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary

2415.Mitaky fanajana ny maha-izy manontolo ny zavaboary ny didy fahafito. Ny biby, ary koa ny zavamaniry sy ny zavatra tsy mananaina, dia natokana araka ny toetra voa-Janahary ho an’ny soa iombonan’ny olombelona taloha, ankehitriny ary hoavy[10]. Ny fampiasana ny harena an-kibon’ny tany, ny zavamaniry ary ny biby manerana an’izao tontolo izao, dia tsy azo sarahina amin’ny fanajana ny adidy ara-m˘raly. Tsy hoe fahefana manontolo ny fahefana hanjaka nomen’ny Mpahary ny olombelona amin’ ny zavatra tsy mananaina sy amin’ny mananaina hafa ; ny andrefesana izany dia amin’ny alalan’ny fiahiana ny hatsaram-piainan’ny namana, anisan’izany ny taranaka hoavy ; mitaky fanajana amim-pahamalinana ny maha-izy manontolo ny zavaboary izany[11].

2416. Zavaboarin’Andriamanitra ny biby. Arovany amin’ny fiahiam-pitondrany izy ireny[12]. Amin’ny alalan’ny fisian’izy ireny fotsiny, dia misaotra Azy sy manome voninahitra Azy izy ireny[13]. Koa, tokony halemy fanahy amin’izy ireny ny olombelona. Ho tsaroana amin’izany ireo olomasina toa an’i Md Franšois d’Assise na i Md Philippe de NÚri nikarakara ny biby tamim-pitandremana fatratra.

2417. Nankinin’Andriamanitra amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ilay izay nataony mitovy endrika Aminy ny biby[14]. Noho izany, ara-drariny ny ampiasana ny biby ho amin’ny fivelomana sy ny fanamboarana fitafiana. Mety ny mamolaka sy manatamana azy ireny mba hanampy ny olombelona amin’ny asany sy amin’ny fialam-boliny. Ireo fanandramana ara-pitsaboana sy ara-tsiansa amin’ny biby dia fomba amam-pihetsika azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena, raha toa  izy ireny ka mijanona amin’ny fetra ara-pahendrena sy manampy hitsaboana na hamonjena ny ain’ olombelona. 

2418. Mifanohitra amin’ny hasina maha-olona ny mampijaly tsy amin’antony ny biby sy ny mamonomono foana azy ireny. Toy izany koa, tsy mety ny mandany vola be amin’izy ireny, izay ny tokony hampiasana azy voalohany dia ny hanamaivanana ny vesatry ny fahantran’ny olona. Azo atao ny mitia biby, saingy tsy mety ny mamadika ho azy ireny ny fanehoam-pitiavana izay tokony hatao irery amin’ny olombelona.

III. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny s˘sialy  

2419.“Ny fanambarÓna kristianina dia mitarika ny saina hahiratra kokoa amin’ ny lalÓm-piainana ara-piaraha-monina”[15]. Raisin’ny Fiangonana avy amin’ ny Evanjely ny fahafenoam-panambarÓna ny fahamarinan’ny olombelona. Rahefa manatontosa ny fanirahana azy hitory ny Evanjely ny Fiangonana, dia manamarina, amin’ny anaran’i Kristy, ny fahamendrehan’ny olombelona manokana sy ny fiantsoana azy ho amin’ny fiombonan’ny olombelona ; izy no mampianatra ny olona ny adidy takýn’ny fahamarinana sy ny fiadanana, mifanaraka amin’ny fahendren’Andriamanitra. 

2420. Maneho ny heviny ara-m˘raly momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina ny Fiangonana, “rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona”[16]. Eo amin’ny lafin’ny ara-toetram-pitondran-tena, dia fahefana miavaka amin’ny an’ny mpifehy fanjakana no nanirahana azy: miahy ireo soa samihafa iombonan’ny olona amin’izao fiainana eto an-tany izao izy, noho ny fanokanana an’ireo ho an’Ilay Soa ambony indrindra, tanjom-piafarantsika. Miezaka izy hitsilo hevitra amin’ny toe-pihetsika atao ara-drariny eo amin’ny vokatry ny haren’ny tany sy eo amin’ny fifandraisana ara-piaraha-monina sy ara-piharian-karena.

2421.Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny s˘sialy dia nivelatra tamin’ny taonjato faha-19, tamin’ny fifandonan’ny Evanjely sy ny orinasa-taozava-baventy m˘derina, ny firafiny vaovao ho amin’ny famokarana ny zavatra natao holanýna, ny hevi-baovaony amin’ny orinasa, amin’ny Fanjakana ary amin’ny fahefana mifehy, ny endriny vaovao amin’ny asa sy ny fananana. Ny famelabelarana ny fitambaram-pampianaran’ny Fiangonana, momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina, dia manamarina ny soatoavina  maharitra an’ny fampianaran’ny Fiangonana, miaraka koa amin’ny hevitra marin’ny Lovam-pampianarany velona sy miasa lalandava[17]

2422. Ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny s˘sialy dia misy ventim-pampianarana mifampitohy arakaraka izay hanazavan’ny Fiangonana ny zava-miseho eny am-pamakivakiana ny tantara, amin’ny fahazavan’ny fitambaran’ny teny nambaran’i Jesoa-Kristy miaraka amin’ ny fanampian’ny Fanahy Masina[18]. Izany fampianarana izany dia vao mainka manjary azo ekena ho an’ny olona tsara sitrapo izay tsiloviny bebe kokoa amin’ny fitondran-tenan’ny mpino.

2423. Manolotra fitsipika fototra hodinihana ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny s˘sialy ; mamoaka mari-pitsarÓna izy ary manome torolalana amin’ny asa :

Na inona na inona rafi-pandaharana mametraka ny fifandraisana ara-ts˘sialy ho ferana tanteraka amin’ny lafiny ara-piharian-karena dia mifanohitra amin’ny fomba aman-toetran’ny olombelona sy amin’ny asany[19]

2424. Ny foto-piheverana izay manao ny tombon-tsoa ho fitsipika manokana sy tanjom-piafaran’ny raharaha ara-piharian-karena dia tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena. Ny fahalianam-bola mihoa-pampana dia tsy ilaozan’ny voka-dratsy aterany. Izany ny anankiray amin’ireo anton’ny fifanoherana maro be manakorontana ny filaminam-bahoaka[20].

Ny rafi-pandaharana izay “manitsakitsaka ny zo fototra an’ny tsirairay sy an’ny vondron’olona amin’ny fampiasana fikambanana mpamokatra” dia mifanohitra amin’ny hasina maha-olona[21]. Ny fampiasana rehetra izay manetry ny olona ho toy ny fitaovana ahazoana tombon-tsoa fotsiny, dia manandevo ny olona, mitondra mankamin’ny fanompoana ny vola ho sampy ary manampy amin’ny fampielezana ny tsy finoana ny fisian’Andriamanitra. “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy i Mammon ianareo” (Mt 6,24 ; Lk 16,13).

2425. Ny Fiangonana dia nitsipaka ny firehan-kevitry ny mpanao bodo ngerona sy ny tsy mpino ny fisian’Andriamanitra, ary amin’ny vanim-potoana ankehitriny, miaraka amin’ny “k˘monisma” na amin’ny “s˘sialisma”. Ankoatra izany, laviny ny fomba amam-panaon’ny “kapitalisma” amin’ny firehan-kevitry ny samy maka ho azy sy ny fanaovana ho laharam-boalohany tsy refesi-mandidy ny lalÓnan’ny tsena eo amin’ny asan’olombelona[22]. Ny fandrindrana ny fiharian-karena alamina amin ny rafitr’asa avangongo amin’ny foibe tokana fotsiny dia manimba ifotony ny fifandraisana ara-piaraha-monina ; ny fandrindrana izany amin’ny alalan’ny lalÓnan’ny tsena irery ihany dia mandiso ny fahamarinana ara-piaraha-monina “satria misy filana be dia be takýn’ny olombelona izany, izay tsy mety mahafa-po amin’ny alalan’ny tsena”[23]. Tokony hohafatrafarana ny fandrindrana marina ny amin’ny tsena sy ny vinavinam-piharian-karena, araka ny ambaratongam-bidy marina sy ho amin’ny soa iombonana.

IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina

2426.Ny fampandrosoana ireo raharaham-piharian-karena sy ny fampitomboana ny vokatra dia natokana hanampy ny filan’ny olombelona. Ny fiainana ara-piharian-karena dia tsy mikendry fotsiny hampitombo ny zavatra vokarina sy hampitombo ny tombon-tsoa na ny tanjaka ; ny votoatin’ny kendrena aminy dia ny hanampiana ny olona, ny tontolon’ny olona sy ny fiombonam-ben’ny olona rehetra. Noho ny fitantanana ny raharaham-piharian-karena amin’ny fomba aman-dalÓnany manokana, dia ilaina ny  hampiasana azy ao anatin’ny fetran’ny lalÓm-pitondran-tena mifanaraka amin’ny fahamarinana ara-piaraha-monina, mba hamaly ny fandaharan’ Andriamanitra momba ny olombelona[24]

2427. Miaraka avy hatrany tamin’ny nahariana ny olombelona mitovy endrika amin’Andriamanitra ny asan’ny olombelona, ary voantso izy ireo hanohy ny tsanganasa fahariana amin’ny fizakana ny tany, ny tsirairay miaraka amin’ny hafa sy ho an’ny hafa[25]. Noho izany adidy ny asa : “Raha misy tsy mety hiasa, aoka izy tsy hihinana koa” (2 Tes 3,10)[26]. Manome voninahitra ny fanomezan’ny Mpahary sy ny talenta nomena ny asa. Mety ho mpanavotra koa ny asa. Ny olombelona miaritra fijaliana[27] amin’ny asa ombÓm-piombonana amin’i Jesoa, ilay mpanao asa tanana tao Nazareta sy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana teo Kalvery, dia miara-miasa amin’ny Zanak’ Andriamanitra amin’ny fomba manokana eo amin’ny Tsanganasam-panavotany. Ny fanehoany fa mpianatr’i  Kristy izy, dia ny fitondrana ny Hazofijaliana isan’andro, eo amin’ny asa izay asaina ho  tanterahiny[28]. Mety ho fitaovam-panamasinana ny asa, sy fanetsiketsehana ny zava-misy eto an-tany ao amin’ny Fanahin’i Kristy. 

2428.Amin’ny asa ny olona no mampiasa sy manatanteraka ny anjara herim-pahazoana amam-pahaizana voa-Janahary naraikitra ao aminy. Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. Ny asa no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny asa[29].

Tokony hahita fomba hanampy ny fiainany sy ny an’ny ankohonany  amin’ ny asany ny tsirairay, sy hanasoavany ny  fiombonamben’ny olombelona.

2429. Samy manana zo hamorona fiharian-karena, sy hampiasa ara-dalÓna ny talentany ny tsirairay, mba handraisany anjara amin’ny habetsahan’ny tombon-tsoa ho an’ny rehetra, sy mba hiotazany ny vokatra ara-drariny ny ezaka nataony. Hitandrina izy amin’ny fanarahana ny fandaminana ara-pitsipi-pifehezana apetraky ny manam-pahefana hitondra ara-dalÓna ho amin’ny soa iombonana[30].

2430. Ny fiainana ara-piharian-karena dia miampanga ny tombon-tsoa samihafa tadiaviny, izay matetika mifanohitra izy ireo samy izy ireo. Mazava amin’izany ny fipoitran’ny fifanoherana izay mampibaribary ny fiainana ara-piharian-karena[31]. Hezahina ny hampihena ireo fifanoherana ireo amin’ny alalan’ny fifampiraharahana izay manaja ny zo sy adidin’ny solontena isam-pikambanana : ny tompon’andraikitra ny orinasa, ny solontenan’ny mpiasa, ohatra ny fivondronana ara-tsendikaly, ary, amin’ny fotoana ilÓna azy, ny fanjakana.  

2431. Ny andraikitry ny Fanjakana. “Ny raharaham-piharian-karena, indrindra ny fifanakalozana ara-barotra, dia tsy afaka hivelatra ao anatin’ny fahabangana amin’ny lalÓna sy fitsarÓna ary fitondrana. Takýn’izany ny hahamafy orina ny fiantohana ny fahafahan’ny tsirairay sy ny fananany, ao anatin’ny fisian’ny sandam-bola tsy miovaova sy ny asam-bahoaka mahomby. Koa ny adidy tsy azon’ny Fanjakana avela dia ny manamafy orina ireny fiantohana ireny, mba ho afaka hifaly amin’ny vokatry ny asany izay miasa, ary izany no handrisika azy hanatanteraka ny asany amin’ny fomba tsara sy marina (…). Adidin’ny Fanjakana koa ny manara-maso sy mitarika ny fampiasana ny zo maha-olona eo amin’ny sehatra fiharian-karena ; na izany aza tsy anjaran’ny Fanjakana ny miandraikitra voalohany an’io sehatra io, fa an’ireo sampan-draharaha sy ireo vondrona samihafa ary fikambanana mampivoatra ny fiaraha-monina”[32]

2432.Ireo tompon’andraikitra ny orinasa no mampiseho eo anatrehan’ny fiaraha-monina ny andraikiny ara-toe-karena sy ara-tontolo iainana amin’ ny vokatry ny asan’izy ireo[33]. Tsy maintsy mandinika ny soa hoan’ny olona izy ireo fa tsy ny fampitomboana fotsiny ny tombon-tsoa. Na izany aza, ilaina ny tombon-tsoa. Izy no hahafahana mampiasa petra-bola iantohana ny hoavin’ny orinasa. Izy no miantoka ny fananana asa.

2433.Ny fananana anton’asa sy antom-pivelomana dia tokony hisokatra ho an’ ny rehetra tsy asiana fanavakavahana tsy ara-drariny, lehilahy sy vehivavy, tomady sy kilemaina, tompon-tany sy vahiny[34]. Arakaraka ny toe-java- miseho, anjaran’ny orinasa ny manampy ny olom-pirenena mba hananany asa sy antom-pivelomana[35]

2434. Ny karama ara-drariny no vokatry ny asa ara-dalÓna. Ny mandÓ izany na ny mitana izany dia mety ho anisan’ny tsy fahamarinana lehibe[36]. Mba hanombanana ny karama marina, tsy maintsy heverina miaraka ny filana sy ny anjara asa vitan’ny tsirairay. “Rahefa voadinika lalina avokoa ny asa sy ny zava-bokatra, ny toe-bolan’ny orinasa sy ny soa iombonana, dia tokony ho afaka miantoka ny olona sy ny ankohonany amin’ny fivelomany sy ny ilainy ho amin’ny fiainana mendrika eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-ts˘sialy, ara-tsaina ary ara-panahy, ny karama avy amin’ny asa”[37]. Ny fifanarahana ifanaovan’ny roa tonta, dia tsy ampy hanamarinana ara-pitsipi-pitondran-tena ny fitambaran-karama.

2435. Rariny sy hitsiny ara-pitsipi-pitondran-tena ny fitokonana raha toa ka io no fangataham-bonjy tsy azo ialana, raha tsy hoe ilaina mihitsy aza, ho amin’ny tombon-tsoa mifandanja. Manjary tsy azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy rahefa arahina herisetra na koa ampidirana tanjona tsy misy ifandraisany mivantana amin’ny fepetran’asa na mifanohitra amin’ny soa iombonana.

2436.Tsy rariny ny tsy mandoa ny latsakemboka naraikitry ny manam-pahefana ara-dalÓna haloa amin’ny sampan-draharaha misahana ny fanampiana ara-ts˘sialy.

Ny fanesorana amin’ny asa noho ny tsy fisian’asa dia saika mandrakariva, ho an’izay iharan’izany, fanazimbÓna ny haja amam-boninahiny sy loza mitatao ho an’ny filaminam-piainana. Ankoatra ny fahavoazana miantraika amin’ny tenany, dia maro be ny loza mety hitranga vokatr’izany ho an’ny tokantranony[38].

V. Fahamarinana sy firaisan-kina eo amin’ny samy firenena

2437. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny tsy fitovian’ny loharanon-karena sy ny fitaovam-pihariana dia mampisy “hantsana” marina tokoa eo amin’ ny samy firenena[39]. Etsy an-daniny, misy ireo manam-be sy manitatra ny fomba fampitomboana izany, ary etsy an-kilany ireo ihandronan’ny trosa. 

2438.Ankehitriny, antony maro samihafa ara-pivavahana, ara-p˘litika, ara-piharian-karena ary ara-bola, no mahatonga “ny olana ara-piaraha-monina mahahenika ny tany tontolo”[40]. Koa ilaina ny firaisan-kina eo amin’ny samy firenena izay efa manana p˘litika mifampiankina. Vao mainka tena ilaina izy rahefa mahakasika ny fampitsaharana ny “fomba fiasa ratsy” izay vato misakana ny fandrosoan’ny firenena tsy mbola mandroso firy[41]. Ny rafi-pitantanam-bola tsy ara-drariny na ny fakana zana-bola mihoatra ny ara-dalÓna[42], ny fifandraisana ara-barotra tsy ara-pahamarinana eo amin’ny samy firenena, ny fifaninanana mampiasa fitaovam-piadiana, dia mila soloina ezaka iombonana mba hamahana ireo sakana amin’ny loharanon-karena ho amin’ny tanjom-pandrosoana ara-m˘raly, ara-kolontsaina ary ara-toe-karena “amin’ny famaritana indray ireo laharam-pahamehana sy ireo ambaratongan’ny soatoavina”[43].

2439.Ireo firenena manankarena dia manana andraikitra lehibe ara-m˘raly amin’ireo izay tsy afaka miantoka, raha amin’ny herin’ny tenan’izy ireo ihany, ny fitaovana hampandroso azy ireo, na voasakan’ny toe-javatra mahatsiravina teo amin’ny tantara. Adidim-piraisan-kina sy fifankatiavana izany ; ary andraiki-pahamarinana raha toa ka avy amin’ireo loharanon-karena izay tsy naloa ara-drariny no nahatonga ny fiadanana amam-pahafinaretan’ny firenena manankarena.

2440.Ny fanampiana mivantana no anisan’ny valy sahaza ny filana eo no ho eo avy hatrany, tsy araka ny fanao mahazatra, ohatra, vokatry ny loza voa-Janahary, ny valanaretina, sns.. Kanefa tsy ampy izany hanonerana ny fahavoazan-dehibe vokatry ny toe-javatra nampahantra, na hiahiana amin’ ny fomba maharitra ny filana. Tokony hohatsaraina koa ireo fikambanana iraisam-pirenena momba ny toe-karena sy ny vola mba hanondrotan’izy ireo tsaratsara kokoa ny fifandraisana ara-dalÓna amin’ireo firenena tsy mbola mandroso firy[44]. Tokony hotohanana ny ezaka ataon’ireo tany mahantra miasa ho amin’ny fitomboan’ny haren’izy ireo sy ho amin’ny  fanarenan-dohan’ny toe-karenan’izy ireo[45]. Izany fitambaram-pampianarana izany dia mila hotanterahina amin’ny fomba tena manokana eo amin’ny sehatr’asam-pambolena. Ny tantsaha, indrindra any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, no mamorona ny ankapobem-bahoaka izay ahitana mahantra betsaka.

2441.Ny mampitombo ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fahalalana ny tena ihany no tena fototr’izay rehetra fampandrosoana feno ny fitambaran’ny olombelona rehetra. Io fampandrosoana io no mampitombo ireo harena ara-pitaovana sy ny fampiasana an’ireny ho an’ny olona sy ho an’ny fahafahany. Io no mampihena ny fahantrana sy ny fitsentsefana ara-piharian-karena. Io no mampitombo ny fanajana ny kolontsaina samihafa sy ny fisokafana amin’ny toe-pahamboniana tsy taka-polopolorina[46]

2442. Tsy anjaran’ny mpitondra Fiangonana ny mirotsaka mivantana amin’ny fananganana fitondram-panjakana sy amin’ny fandaminana ny fiainam-piaraha-monina. Anjara lahasa amin’ny fiantsoana ny mpino lahika izany, amin’ny fampiasany ny toe-tsaina manombo-javatra avy aminy, iarahany amin’ny mpiray tanindrazana aminy. Mety hitaky fahamaroana soridalana azo tsapain-tanana ny asa fanasoavana ny fiaraha-monina. Ho amin’ny soa iombonana sy araka ny hafatry ny Evanjely mbamin’ny fampianaran’ny Fiangonana anefa no anaovana lalandava izany. Anjaran’ny mpino lahika “ny manetsiketsika ny zava-misy ara-nofo eto an-tany, amin-jotom-po kristianina, sy ny mitondra tena amin’izany ho mpampanjaka ny fiadanana sy ny fahamarinana”[47].

VI. Ny fitiavana ny mahantra

2443. Midera ireo izay manampy ny mahantra Andriamanitra ary manome tsiny ireo izay mihodina tsy hanao izany : “Omeo izay mangataka aminao ; aza omena lamosina izay te hisambotra aminao” (Mt 5,42). “Nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana” (Mt 10,8). Amin’izay hataon’izy ireo ho an’ny mahantra no hahalalan’i Jesoa-Kristy ny olom-pinidýny[48]. Rahefa “torýna amin’ny malahelo ny Vaovao Mahafaly” (Mt 11,5)[49], izay no famantarana ny maha-eo an’i Kristy.

2444. “Anisan’ny lovam-panahy tsy miova ny fitiavan’ny Fiangonana ny mahantra (…)”[50]. Avy amin’ny Evanjelin’ny hasambarana[51], avy amin’ny fahantran’i Jesoa[52] ary avy amin’ny fikarakarany ny mahantra no nanovozana an’izany[53]. Ny fitiavana ny mahantra rahateo no iray amin’ireo antony tsy maintsy hiasana, mba  “hahafahana manao ny tsara amin’ny fanampiana ny sahirana” (Efez 4,28). Tsy miitatra fotsiny amin’ny fahantrana ara-pitaovana izany, fa amin’ireo endrika maro be isehoan’ny fahantrana ara-tsaina sy ara-pivavahana koa[54].

2445.Tsy afa-miaraka amin’ny fitiavan-karena tafahoatra na fampiasana azy ireny amin’ny fitiavan-tena tafahoatra, ny fitiavana ny mahantra :

Anareo mpanankarena kosa indray izao ! Mitomanýa ianareo,  migogogogoa amin’ny loza izay hidona aminareo. Ny harenareo efa l˛, ny fitafianareo efa nokikisan’ny kalalao. Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo efa voaloto, ary ny harafesiny no hiampanga anareo : handevona ny nofonareo  izany; dia ny afo izay hitahirizana anareo amin’ny farandro. Eritrereto, fa mikiakiaka ny karama izay nanambakanareo ny mpiasa nijinja ny tanim-bolinareo, ary mby eo an-tsofin’ny Tompon’ny Tafika ny horakoraky ny mpijinja. Ianareo nivelona teto an-tany, tao anatin’ny hamorÓna sy ny habetsahana, ianareo voky tamin’ny andron’ny fandripahan’ olona. Ianareo nanameloka ny marina, fa izy tsy nanohitra anareo (Jak 5,1-6).

2446.Nampahatsiaro mafy izany i Md Jean Chrysostome : “Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin’ny fananany manokana, dia mangalatra amin’izy ireo sy manala amin’izy ireo ny aina. Tsy ny fananantsika no tazonintsika fa ny azy ireo”[55].  “Tsy maintsy honerana aloha ny takýn’ny fahamarinana, fandrao tsy afa-manolotra ho fanomezam-pitiavana afa-tsy izay efa tsy maintsy hefaina araka ny rariny”[56] :

Rahefa manome ny mahantra ny zavatra ilainy isika, tsy manao asa fanasoavana manokana ho azy ireo akory isika, fa mamerina amin’izy ireo izay azy ireo. Manatontosa adidim-pahamarinana tokoa isika fa tsy manatanteraka asa fitiava-namana[57].

2447. Ny tsanganasa fiantrana dia asa fitiava-namana izay amin’izany isika no manampy ny namantsika amin’ny zavatra ilainy ara-batana sy ara-panahy[58]. Ny mampianatra, ny manoro hevitra, ny mampionona, ny mampahery, dia tsanganasa fiantrana ara-panahy, tahaka ny mamela heloka sy ny mizaka fijaliana amim-paharetana. Ny tsanganasa fiantrana ara-batana indrindra dia ny manome hanina ny noana, mampiantrano ny tsy manan-kialofana, ny manafy ny tsy manan-kotafiana, ny mamangy ny marary sy ny migadra, ny mandevina ny maty[59]. Amin’ireny fihetsika ireny,  dia ny fiantrana atao amin’ny malahelo[60] no iray amin’ireo porofo fototra amin’ny fifankatiavana maha-mpiray tam-po : fanaovana ny marina koa izany, izay sitrak’ Andriamanitra[61] :

Aoka izay manana akanjo roa hizara amin’izay tsy manana izany, ary aoka izay manan-kohanina hanao torak’izany koa (Lk 3,11). Izao ihany e : manaova fiantrana araka izay rehetra anananareo, dia hadio ny zavatra rehetra ho anareo (Lk 11,41). Raha misy rahalahy na anadahy, na rahavavy na anabavy mitanjaka, raha tsy ampy ny sakafon’izy ireo isan’andro, ka ny iray aminareo miteny amin’izy ireo hoe : “Mandehana amim-piadanana, manaova mafana tsara, manaova voky tsara”, nefa tsy omenareo azy ireo izay ilain’ny tenan’izy ireo, inona no soa azony amin’izany ? (Jak 2,15-16)[62]

2448. “Amin’ireo endrim-pahoriana maro be : tsy fananana fitaovana, fampahoriana tsy an-drariny, kilema ara-batana sy ara-tsaina, ary farany ny fahafatesana, dia ny fahantran’ny olombelona no famantarana miharihary ny toetram-pahosana hatrany am-bohoka izay ao amin’ny olombelona nanomboka tamin’ny fahotana voalohany, sy ny filana famonjena. Izany no nahatonga ny fahantran’ny olombelona hanintona ny fangorahan’i Kristy Mpamonjy izay nankasitraka handray izany teo Aminy sy Hitoviany endrika amin’ "ireo havany madinika indrindra" (Mt 25,40). Izany no nahatonga ireo izay vesaran’ny fahoriana ho anton’ny tombom-pitiavan’ny Fiangonana izay, hatrany am-piandohana, na reraka aza ny ankamaroan’ny mpikambana ao aminy, dia tsy mitsahatra miasa hanamaivana azy ireo, hiaro azy ireo ary hanafaka azy ireo izy. Ny anaovan’ny Fiangonana  izany, dia amin’ny alalan’ny tsanganasa fanasoavana maro tsy tambo isaina izay maharitra lalandava sy ilaina hatraiza hatraiza”[63].

2449. Nanomboka tamin’ny Testamenta Taloha, ny karazana famerana rehetra momba ny lalÓna (taonan’ny famelan-keloka, fandrarÓna ny fampisamborana misy zana-bola sy ny fitanana ny antoka, ny didy fandoavana ny ampahafolom-pananana, ny fanefana isan’andro ny karaman’ny mpiasa isan’andro, ny zo hioty ny sisam-boa an-tsalohy sy ny fitsimponana salohim-bary) dia manoina ny famporisihan’ny Deter˘n˘my hoe : “Marina tokoa, fa tsy ho foana mihitsy eto amin’ity tany ity ny mahantra ; izany no anomezako anao izao didy izao : tsy maintsy manokatra ny tananao amin’ny rahalahinao ianao, amin’izay ambaniana sy mahantra eo amin’ny firenenao” (Det 15,11). Noraisin’i Jesoa ho Azy io teny io : “Satria, ny mahantra dia hisy lalandava eo aminareo : fa Izaho, tsy mba ho eto aminareo lalandava” (Jo 12,8). Amin’io, tsy nataony ho lany andro ny firehidrehitry ny teny faminaniana taloha hoe : “Satria vidin’izy ireo vola ny olo-marina ary ny mahantra amin’ny kapa iray aman’olona …” (Am 8,6), fa mitaona antsika izy hamantatra ny fisiany ao amin’ny mahantra izay rahalahiny[64] : 

Tamin’ilay andro nitezeran-dreniny an’i Mb Rose de Lima[65]nikarakara tao an-trano ny mahantra sy ny kilemaina, dia hoy ny navaliny an-dreniny : “Rahefa manampy ny mahantra sy ny marary isika, dia manompo an’i Jesoa. Tsy tokony ho sasatra isika manampy ny namantsika, satria ao amin’izy ireny dia i Jesoa no tompointsika.”

 

FAMINTINANA

2450.“Tsy hangalatra ianao” (Det 5,19). “Tsy handova ny Fanjakan’ Andriamanitra, na ny mpangalatra, na ny kahihitra (…), na ny mpanao an-keriny (1 K˘r 6,10).

2451.Ny didy fahafito dia mandidy hanao ny fahamarinana sy ny fitiava-namana eo amin’ny fitantanana ny haren’ny tany sy ny vokatry ny asan’ny olombelona.

2452.Natao ho an’ny taranak’olombelona rehetra ny soa aman-karena amin’ny zavaboary. Tsy manafoana ny anjara voatokana ho an’ny daholobe momba ny fananana, ny zo hanam-pananana manokana.

2453.Ny didy fahafito dia mandrara ny halatra. Fakana an-keriny ny fananan’ ny hafa, tsy araka ny sitrapo marina heverin’ny tompony, ny halatra.

2454.Mifanohitra amin’ny didy fahafito ny fomba rehetra akÓna sy ampiasana tsy an-drariny ny fananan’ny hafa. Ny tsy fahamarinana natao dia mitaky fanonerana. Ny fahamarinana ara-pifanakalozana dia mitaky ny famerenana amin’ny tompony ny zavatra nangalarina na nafenina.

2455.RarÓn’ny lalÓna m˘raly ny asa rehetra izay mitarika hanandevo olona, hividy azy ireo, hivarotra azy ireo ary hanakalo azy ireo ho toy ny entam-barotra, noho ny toetra matimatim-bola na mpanao bodo ngerona.

2456.Ny fahefana hanjaka nomen’ny Mpahary amin’ny harena an-kibon’ny tany, harena avy amin’ny zavamaniry, harena avy amin’ny biby manerana an’izao tontolo izao, dia tsy azo sarahina amin’ny fanajana ny fepetra ara-m˘raly, tafiditra amin’izany ny an’ireo taranaka ho avy.

2457.Ny biby dia nankinina amin’ny fiandraiketam-pitantanan’ny olombelona, izay tokony haneho fitiavana sy fahalemem-panahy amin’izy ireny. Afaka manampy amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’izay ilain’ny olombelona ny biby.

2458. Maneho ny heviny momba ny fiharian-karena sy ny fiaraha-monina ny Fiangonana rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona. Miahy ireo soa iombonan’ny olona amin’izao fiainana eto an-tany izao ny Fiangonana, noho ny fanokanana an’ireo ho an’Ilay Soa ambony indrindra, tanjom-piafarantsika.

2459.Ny tenan’ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon’ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vaholana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren’ny zavaboary nataon’ Andriamanitra ho an’ny rehetra, raha ny tena marina, dia tokony hipaka amin’ny rehetra, araka ny fahamarinana, sy ny fanampian’ny fitiava-nanana.

2460.Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olombelona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. Amin’ny asany ny olombelona no mandray anjara amin’ny tsanganasa fahariana. Raha ampiraisina amin’i Kristy ny asa, dia mety ho mpanavotra.

2461.Ny fampivoarana tena izy, dia izay mahakasika ny olona manontolo. Atao izay hampitombo ny herim-pahazoan’ny isam-batan’olona mamaly ny fiantsoana azy, dia ny antson’Andriamanitra izany[66].

2462.Ny asa fiantrana atao amin’ny mahantra dia vavolombelon’ny fifankatiavana toy ny mpiray tam-po : fampiharana ny fahamarinana izay ankasitrahan’Andriamanitra rahateo izany.

2463.Ao amin’ireo olona tsy tambo isaina tsy manan-kanin-kohanina, tsy manan-kialofana, tsy manam-ponenana, ahoana no tsy ahatsiahivana an’i Lazara, ilay mpangataka mitofezaky ny hanoanana voalazan’ny fanoharana[67]?  Ahoana no tsy ahenoina an’i Jesoa miteny hoe : Tsy nanao izany tamiko koa ianareo (Mt 25,45) ?

 

ANDALANA 8

Ny didy  fahavalo

 

“Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao” (Eks 20,16).

Voalaza tamin’ny ntaolo hoe : “Tsy hianiana tsy to ianao, fa hanefa amin’ny Tompo ny fianiananao” (Mt 5,33).

2464. RarÓn’ny didy fahavalo ny manova ho diso ny marina eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Io didy ara-m˘raly io no mahatonga ny fiantsoana ny vahoaka masina ho vavolombelon’ilay Andriamaniny izay marina sy tia ny fahamarinana. Ny fahotana manohitra ny marina dia mampiseho, amin’ny alalan’ny teny na ny atao, ny fandavana hiandany amin’ny fahitsiana ara-m˘raly : fivadihan-toky lehibe indrindra  amin’ Andriamanitra izany, ary, amin’io hevitra io, mandrava ny fototry ny fanekem-pihavanana.

I. Ny miaina ao anatin’ny fahamarinana

2465. Manamarina izany ny Testamenta Taloha : Loharanon’ny fahamarinana rehetra Andriamanitra. Fahamarinana ny Teniny[68]. Fahamarinana ny LalÓnany[69]. “Maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahamarinany” (Sal 119,90)[70]. Satria Andriamanitra no Ilay “Marina” (R˘m 3,4), ny mpikambana ao amin’ny vahoakany dia voantso hiaina koa ao anatin’ny fahamarinana[71].

2466. Ao amin’i Jesoa-Kristy no miseho manontolo ny fahamarinan’ Andriamanitra. Noho i Jesoa-Kristy “feno fahasoavana sy fahamarinana” (Jo 1,14), dia Izy no “fahazavan’izao tontolo izao” (Jo 8,12), Izy no Fahamarinana[72]. Na iza na iza mino Azy, tsy mitoetra ao anatin’ny maizina[73]. Ny mpianatr’i Jesoa dia mitoetra ao amin’ny teniny mba hahalala ny marina izay mahatonga ho afaka[74] sy manamasina[75]. Ny manaraka an’i Jesoa, dia ny miaina  ny “Fanahin’ny fahamarinana” (Jo 14,17) izay irahin’ ny Ray amin’ny anarany[76] sy izay mitari-dalana “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13). Tamin’ny mpianany i Jesoa no nampianatra ny fitiavana mankato tanteraka ny marina  : “Aoka ny teninareo : "Eny ? eny" , "Tsia ? tsia"” (Mt 5,37). 

2467. Toetra voa-Janahary no mahatonga ny olombelona mandeha amin’ny fahamarinana. Adidiny ny manaja izany sy ny manaporofo izany : “Noho ny  fahamendrehan’ny olombelona rehetra, amin’ny maha-olona azy ireo (…) dia  teren’ny toetran’izy ireo voa-Janahary mihitsy sy voatery, noho ny adidy aman’andraikitra ara-m˘raly, hikatsaka ny marina izy ireo, ka ny voalohany indrindra dia ny an’izay mikasika ny fivavahana. Adidin’izy ireo koa ny miraiki-po amin’ny marina raha vao mahalala izany izy ireo sy manitsy ny fiainan’izy ireo manontolo araka izay takýn’ny fahamarinana”[77]

2468. Ny fahamarinana, amin’ny maha-fahitsian’ny asa amam-pihetsika sy ny tenin’olombelona azy, dia antsoina hoe firaiketana amin’ny marina,  hitsin-toetra na hitsim-po. Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa marina amin’ny asany izy sy milaza fa marina amin’ny teniny, amin’ny fiarovan-tena tsy hamitaka, tsy hisandoka ary tsy hihatsaravelatsihy. 

2469. “Tsy ho afa-miaina miaraka ny olombelona, raha tsy misy ny fifampitokiana, izany hoe raha tsy mifampilaza ny marina izy ireo”[78]. Ny herim-panahy fahamarinana no mamerina ara-drariny amin’ny hafa izay tokony hefaina aminy. Ny firaiketana amin’ny marina no manatanteraka ny fahaiza-mandanjalanja izay tokony hambara sy ny tsiambaratelo izay tokony ho tanana : mitaky fanajana ny rariny sy fahatanam-bava izany. Amin’ny rariny sy ny hitsiny, “ny olona dia tokony hanao amim-pahamarinana amin’ny hafa ny fanehoana ny marina”[79].

2470.Manaiky “hivelona amin’ny fahamarinana” ny mpianatr’i Kristy, izany hoe amin’ny fahatsoram-piainana mifanaraka amin’ny ohatra nomen’ny Tompo sy mitoetra ao anatin’ny fahamarinany. “Raha milaza fa manana fiombonana Aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika, ary tsy manao ny marina” (1 Jo 1,6).

II. “Mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana”

2471.Teo anatrehan’i Pilaty, dia nilaza ampahibemaso i Kristy fa tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hijoro ho vavolombelona hanambara ny marina[80]. “Tsy ho menatra ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo” ny kristianina (2 Tim 1,8). Ao anatin’ny toe-javatra izay mitaky ny fanamarinam-pinoana, ny kristianina dia tokony hanambara izany tsy amim-pisalasalana, tahaka ny nataon’i Md Paoly teo anatrehan’ny mpitsara azy. Tsy maintsy nikely aina izy mba “tsy homelohin’ny k˘nsiansy eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24,16).

2472. Ny adidin’ireo kristianina mandray anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana no manosika azy ireo hiasa ho vavolombelon’ny Evanjely sy ny adidy izay takýn’izany. Izany fijoroana ho vavolombelona izany no fampitana ny finoana amin’ny teny sy amin’ny asa : Asan’ny fahamarinana ny fijoroana ho vavolombelona izay manorina na mampahalala ny marina[81]:

Ny kristianina rehetra, na aiza na aiza iainan’izy ireo, dia tsy maintsy maneho (...) amin’ny alalan’ny oha-piainan’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny tenin’izy ireo, ny olom-baovao, izay notafian’ izy ireo tamin’ny Batemy, sy ny herin’ny Fanahy Masina izay nankahery azy ireo tamin’ny Fankaherezana[82].

2473. Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana ; izany dia ilazana ny fijoroana ho vavolombelona izay tonga hatrany amin’ny fahafatesana. Ny olona atao martiry no maneho ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy, maty sy nitsangan-ko velona, izay iraisany amin’ny alalan’ny fitiavana. Mijoro ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana sy ny fitambaram-pampianarana kristianina izy. Miaritra ny fahafatesana amin’ny alalan’ny asa ampiasan-kery izy. “Avelao aho ho tonga tanim-bilona ho an’ny biby. Amin’ny alalan’ireny no hahatongavako any amin’Andriamanitra”[83].

2474. Amim-pitandremana fatratra tokoa no nanangonan’ny Fiangonana ny fahatsiarovana an’ireo izay nandeha hatramin’ny farany mba hanamarinana ny finoan’izy ireo. Ireny no asan’ny Martiry. Ireny no tahirin-tsoratry ny Fahamarinana voasoratra amin’ny ra :

Tsy misy na inona na inona hanolotra ho ahy ny fahafinaretan’izao tontolo izao na ny fanjakan’ity taonjato ity. Tsaratsara kokoa ho ahy ny maty [hiombona] amin’i Kristy Jesoa, toy izay hanjaka hatrany amin’ny fara vazan-tany. Izy no tadiaviko, Izy izay maty ho antsika ; Izy no ilaiko, Izy ilay nitsangan-ko velona ho antsika. Manakaiky ny fiterahako[84]...

Misaotra Anao aho nihevitra ahy ho mendrika an’ity andro ity sy izao ora izao, mendrika ho anisan’ireo martirinao (...). Notanterahinao ny fampanantenanao, ry Andriamanitry ny tsy fivadihana sy ny fahamarinana. Noho izany fahasoavana izany sy noho ny zava-drehetra, midera Anao aho, misaotra Anao aho, mankalaza Anao aho amin’ny alalan’Ilay Mpisorombe mandrakizay sy any an-danitra, Jesoa-Kristy, Zanaka malalanao. Voninahitra anie ho Anao, amin’ny Alalany, izay miaraka Aminao sy ny Fanahy,ankehitriny sy amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen[85].

III. Ny fahotana manohitra ny fahamarinana

2475.Ny mpianatr’i Kristy dia “nitafy ny olom-baovao izay noarýna araka an’ Andriamanitra amin’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamasinana izay avy amin’ny marina” (Efez 4,24). “Ario ny lainga” (Efez 4,25), dia “esory avokoa ny faharatsiana rehetra sy ny fitaka rehetra, ny fomba rehetra mifono fihatsarambelatsihy, fialonana ary fanaratsiana” (1 Pi 2,1).

2476. Fiampangana lainga sy fianianan-tsy to. Rahefa naely ampahibemaso ny teny manohitra ny fahamarinana, dia mifono halehibeazana mangingina. Eo anatrehan’ny tribonaly, dia manjary fiampangana lainga izany[86]. Rahefa natao tamim-pianianana izany, dia manjary fianianan-tsy to. Ireny fomba fiasa amam-pihetsika ireny dia mandray anjara, na hanameloka ny tsy manan-tsiny, na hanala tsiny ny meloka, na hampitombo ny sazy famaizana an’ilay voampanga[87]. Mety hanala baraka tokoa ireny fomba amam-pihetsika ireny, amin’ny fampiasana ny marina, sy ny  rariny mbamin’ny hitsin’ny didim-pitsarÓna avoakan’ny mpitsara.    

2477.  Ny fanajana ny lazan’ny olona dia mandrara ny fihetsika rehetra sy ny teny rehetra mahatonga fahavoazana tsy ara-drariny ho azy ireo[88]. Araka izany :
- mahameloka ny olona ny fitsaratsarana foana, na dia amin’ny fomba miafina aza, amin’ny fanekena ny kilemam-pitondran-tenan’ny namana ho marina, nefa  tsy misy porofo ;
- mahameloka ny olona ny fanaratsiana, amin’ny famoahana ny kileman’ ny hafa na ny fahadisoany, amin’ny olona maro tsy mahalala izany, nefa tsy misy antony marim-pototra[89] ;
- mahameloka ny olona ny fanendrikendrehana amin’ny alalan’ny teny manohitra ny marina, izay entina hanimbÓna ny lazan’ny hafa ka mahatonga azy ho ratsy eo imason’ny olona.

2478.Mba hisorohana ny fitsaratsarana foana, tsy misy porofo, aoka ny tsirairay hitandrina, araka izay azo atao, mba hitsikera amin’ny lafiny tsara, ny eritreritry namany sy ny teniny ary ny asany :

Ny kristianina tsara rehetra dia tokony ho mailaka amin’ny fiarovana ny soso-kevitry ny namana toy izay hanameloka izany. Raha tsy afaka hiaro izany moa ny tena, tokony hanontaniana izy hoe : ahoana no fahazoany izany ; ary raha tsy dia azony loatra izany, tokony hahitsy amim-pitiavana izy ; ary raha tsy ampy izany, tokony hotadiavina ny fomba rehetra sahaza, ka amin’ny fahazoany tsara izany, no hiavotany tena[90].

2479.Manimba ny laza amam-boninahitry ny namana ny fanaratsiana sy ny fanendrikendrehana. Ny voninahitra anefa no fanaporofoana eo amin’ny fiaraha-monina, ny fahamendrehan’ny olombelona, ary ny tsirairay dia manana zo voa-Janahary itandrovana ny voninahitry ny anarany, ny lazany ary ny fanajana. Noho izany, manimba ny herim-panahy fahamarinana sy ny fitiava-namana ny fanaratsiana sy ny fanendrikendrehana.

2480.RarÓna ny teny na ny fihetsika rehetra atao amin’ny alalan’ny fandokafana, fanindrahindrana na famalifaliana ny namana, mba hamporisihana sy hanamarinana ny faharatsian’ny asany sy ny havetavetam-pitondran-tenany. Fahadisoana lehibe ny fanindrahindrana raha toa ka hanaovana tsikombakomba amin’ny faharatsian-toetra na fahotana lehibe. Tsy manala tsiny ny fihatsarambelatsihim-pitenenana ny faniriana hanampy na haneho mari-pisakaizana. Fahotana madinika ny fanindrahindrana raha toa izany ka irýny fotsiny mba hahafinaritra, hialana ny ratsy, hisorohana ny mahaporitra, hahazoana tombon-tsoa ara-drariny.

2481.Ny fireharehana na fieboeboana dia anisan’ny fahadisoana manohitra ny fahamarinana. Toraka izany koa ny fanesoana izay mikendry hanambany olona amin’ny fanaovana kisarisary mampihomehy na manebaka, amin’ny fomba feno hasomparana, ny endriky ny fihetsika amam-pitondran-tenany toy izao na toy izao. 

2482. “Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana”[91]. Ampahafantarin’ny Tompo fa tsanganasan-devoly ny lainga : “Ny devoly no ray niavinareo (...) tsy misy marina ao aminy : rahefa milaza ny laingany izy, dia miteny izany araka ny toetrany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy” (Jo 8,44).

2483.Ny lainga no fahotana mivantana indrindra amin’ny fahamarinana. Ny mandainga dia ny miteny na ny manao asa amam-pihetsika manohitra ny marina mba hamitahana. Amin’ny fanimbÓn’ny lainga ny fifandraisan’ny olona amin’ny marina sy amin’ny namana, no analany baraka ny foto-pifandraisan’ny olombelona sy ny teniny amin’ny Tompo.

2484. Ny amaritana ny halehiben’ny lainga dia arakaraka ireto : ny toetran’ny fahamarinana nosimbÓny, ny toe-java-miseho, ny fikasan’ilay nandainga, ny fahavoazan’ilay nianjadiam-boina tamin’ny lainga. Raha fahotana madinika ny lainga tsotra amin’ny maha-lainga azy, dia manjary fahotana mahafaty kosa izy rahefa lehibe ny fahavoazana aterany amin’ny herim-panahy fahamarinana sy fitiavana.

2485.Mahameloka ny lainga amin’ny maha-lainga azy. Fametavetana ny teny izay ilaina hampahafantarana ny hafa ny marina fantatra, ny lainga. Ny minia mamitaka ny namana amin’ny alalan’ny resaka manohitra ny marina dia fahadisoana amin’ny fahamarinana sy amin’ny fitiavana. Lehibe kokoa ny fahadisoana amin’ny fikasana hamitaka, raha mampidi-doza mihatra amin’ny ain’ireo izay tafahodina miala amin’ny marina izany.

2486.Ny lainga (satria fanazimbÓna ny hasin’ny firaiketana amin’ny marina) dia tena herisetra tokoa atao amin’ny hafa. Ny herim-pahazoan’ny olona mamantatra, izay fototry ny fahaiza-mandanjalanja rehetra sy ny fahaiza-manapa-kevitra rehetra, no simbÓny. Ao amin’ny lainga no misy ny tsirin’ny fisarahan-tsaina sy ny ratsy rehetra aterany. Mampidi-doza ny fiaraha-monina manontolo ny lainga ; mandrava ny fifampitokiana eo amin’ny olombelona samy olombelona izy, ary manakorontana ny rindram-pifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina. 

2487.Mitaky adidim-panonerana ny fahadisoana rehetra natao momba ny rariny sy ny marina, na dia efa voavela heloka aza ilay nanao izany. Raha sarotra atao ny manonitra hadisoana iray ampahibemaso, dia tsy maintsy hatao miafina izany ; raha sarotra ny anonerana mivantana izay natao tamin’ilay niharam-pahavoazana, dia tsy maintsy arenina ny sainy, amin’ny alalan’ny fitiava-namana. Izany adidim-panonerana izany dia mahakasika indrindra koa ny fahadisoana natao tamin’ny lazan’ny hafa. Izany fanonerana izany, ara-tsaina ary indraindray ara-pitaovana, dia tokony hifandanja amin’ny haben’ny fahavoazana nihatra. Ny k˘nsiansy no manery izany.

IV.  Ny fanajana ny marina 

2488. Misy fepetra ny zo hampahafantatra ny marina. Tokony hampifanarahan’ ny tsirairay amin’ny fitsipiky ny fitiavana maha-mpiray tam-po araka ny Evanjely, ny fiainany. Takýn’io fitiavana maha-mpiray tam-po io, eo amin’ ny fisehoana toe-javatra lehibe, ny mandanjalanja raha mety na tsia ny hanambarÓna ny marina amin’ilay izay mangataka izany.

2489.Ny fitiavana sy ny fanajana ny marina no tokony hibaiko ny valy amin’ny fangataham-baovao na fampitam-baovao rehetra. Ny soa sy ny filaminan-tsainan’ny hafa, ny fanajana ny fiainana manokana, ny soa iombonana, dia antony ampy mba tsy hilazana izay tokony tsy ho fantatra, na mba hampiasana fitenenana manaja. Ny adidy  hisorohana ny fanafintohinana dia matetika mitaky fahatanam-bava mafy. Na iza na iza dia tsy mahazo manambara ny marina amin’izay tsy manana zo hahalala izany[92]

2490.Masina ny tsiambaratelon’ny sakramentan’ny fampihavanana, ary tsy azo havoaka na inona inona lazaina ho antony. “Tsy azo ivadihana ny tsiambaratelo ara-tsakramenta ; noho izany, voarara tanteraka ny mpampik˘nfesy tsy hamoaka izay lazain’ny mpik˘nfesy na inona na inona izany, amin’ny alalan’ny teny na amin’ny fomba hafa, sy na inona na inona mety ho antony”[93].

2491.Ny tsiambaratelon’asa – ohatra : izay tazonin’ny mpitondra fanjakana, tazonin’ny miaramila, ny mpitsabo, ny mpitsara –  na ny  filazan-javatra amin’ny olona, nefa zavatra notanana ho tsiambaratelo, dia tsy maintsy harovana, afa-tsy amin’ny toe-javatra manokana izay ny fitazonana ny tsiambaratelo dia mety hitera-pahavoazana lehibe tokoa amin’ilay izay nanambara azy tamim-pitokiana, amin’ilay izay nandray azy na amin’ny olon-kafa, ka ny hany isorohana izany dia ny famoahana ny marina. Na dia tsy nambara mangingina tamim-pitokiana ho tsiambaratelo aza ny filazana ny vaovao manokana manimba ny hafa, dia tsy azo havoaka raha tsy misy antony lehibe sy voalanjalanja izany.

2492. Adidin’ny tsirairay ny mitana ny tsiambaratelo marina momba ny fiainan’ ny olona manokana. Adidin’ny mpiandraikitra ny fampitam-baovao ny mandrindra sy mandanjalanja ara-drariny an’izany, eo amin’ny takýn’ny soa iombonana sy ny fanajana ny zon’ny isam-batan’olona. Ny fitsabahana amin’ny filazam-baovao momba ny fiainan’olona manokana mirotsaka amin’ny raharaha p˘litika na raharaham-bahoaka dia azo melohina arakaraka ny fahavoazana aterany eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy amin’ny fahafahan’izy ireo.

V. Ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona

2493.Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona, eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny androm-piainana ankehitriny, dia manana anjara toerana lehibe dia lehibe amin’ny fampahalalam-baovao, amin’ny fampandrosoana ara-kolontsaina ary ny fampianarana amam-panabeazana. Mihalehibe io anjara toerana io, noho ny fandrosoana ara-teknika, noho ny fidadasika sy ny fahamaroan’ny vaovao ampitaina, ary ny fihatran’ny heriny eo amin’ny toe-tsaim-bahoaka.

2494. Ho an’ny soa iombonana no ampiasana ny fampahalalam-baovao amin’ny fitaovam-pifandraisana[94]. Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana, ny rariny sy ny hitsiny, ary ny firaisan-kina amam-piombonana :

Ny fampiasana tsara an’io zo io dia mitaky ny fampitam-baovao, ka raha ny amin’ilay vaovao, dia mba ho marina azo antoka lalandava sy feno izany, ao anatin’ny fanajana ny takýn’ny fahamarinana sy ny fitiavana ; ary raha ny amin’ny fomba fampitÓna, dia mba ho mendrika sy mifanentana amin’ilay vaovao, izany hoe amin’ny fahazoana sy ny fampielezana ny vaovao, dia tokony hotandremana tanteraka amin’ny fampitam-baovao, ny lalÓna m˘raly, ny zo ary ny fahamendrehan’ny olombelona[95].

2495. “Ilaina raha ny tsirairay rehetra eo amin’ny fiaraha-monina no manatanteraka ao anatin’io sehatra io koa, ny adidin’izy ireo amin’ny rariny sy ny fahamarinana. Hampiasa ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy ireo, mba hiara-miasa amin’ny famolavolana sy ny fampielezana ny hevitra mahasoa avy amin’ny olona maro”[96]. Ny firaisan-kina amam-piombonana dia hita fa vokatry ny fampitam-baovao marina sy mahitsy, sy ny fifamoivoizana malalaka ara-kevitra, izay mampandroso ny fahalalana sy ny fanajana ny hafa. 

2496. Ny fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona (singanina manokana ny fitaovam-pampitam-baovao ho an’ny daholobe) dia mety hiteraka fanarahana am-bokony ihany ao amin’ireo mpampiasa, ka hahatonga azy ireo tsy ho malina amin’ny hafatra ampitaina aminy na amin’ny fampisehoana jereny. Ny mpampiasa dia tsy maintsy mahalala onony sy manaraka fitsipi-pifehezana eo anatrehan’ny fitaovam-pampitam-baovao ho an’ny daholobe. Ilain’izy ireo ny manabe ny k˘nsiansiny ho mazava sy mahitsy mba hanoherana moramora kokoa ny fihatran’ny hery mitarika ho amin’ny tsy fahamendrehan-toetra loatra.

2497.Noho ny asa fanaovana gazety, dia manana adidy amin’izany ireo mpanao gazety, amin’ny fampielezana ny vaovao, hanome ny marina sy tsy hanafintohina ny fitiavana. Hiezaka izy ireo hanaja, amin’ny fiahiana mitovy, ny toetra-java-miseho sy ny fetran’ny fitsikerana mety hamohehatra ny olona. Tsy maintsy sorohin’izy ireo ny milefitra amin’ny fanalam-baraka.

2498.“Manana adidy manokana ny mpitondra firenena hitsimbina ny soa iombonana. Adidin’ny fanjakana ny miaro sy miahy ny fahafahana tena izy sy ara-drariny amin’ny fampahalalam-baovao”[97]. Amin’ny famoahana lalÓna sy amin’ny fitandremana ny fampiharana azy, dia tokony arovan’ny fanjakana sy iantohany, mba tsy “hitera-pahavoazana lehibe eo amin’ny fomba fiainana sy ny fitondran-tenan’ny vahoaka ary ny fandrosoan’ny fiaraha-monina”[98], ny fampiasana mamohetra ny fitaovam-pampitam-baovao. Hosazýn’izy ireo ny fandikan-dalÓna mikasika ny zon’ny tsirairay amin’ny laza sy ny tsiambaratelon’ny fiainany manokana. Homen’izy ireo ara-potoana sy ara-drariny ny vaovao izay mahakasika ny soa ankapobeny na mamaly ny ahiahy tsy hihavanana eo amin’ny mponina. Na inona na inona, dia tsy azo anamarinana ny fampiasana vaovao diso ny fitaovam-pampitam-baovao, mba hanamboamboarana ny toe-tsain’ny vahoaka. Tsy tokony hanohintohina ny fahafahan’ny tsirairay sy ny vondron’olona anefa ireny fanelanelanana ireny. 

2499.Ny m˘raly no mamoaka ireo loza afitsoky ny firenena mpanao bodo ngerona, izay manao hosoka ny fahamarinana amim-pomba voarindra, mampiasa ny jadona p˘litika ara-panehoan-kevitra amin’ny alalan’ny fitaovana fampitam-baovao, “manamboamboatra” ny voampanga sy ny vavolombelona eo amin’ny fitsarÓna ary mihevitra hampiorina mafy amin’ny fitondram-pangejan’izy ireo, amin’ny fanakanana sy amin’ny fanasaziana izay rehetra heverin’izy ireo ho “fandikan-dalÓna ara-panehoan-kevitra”.

VI. Fahamarinana, hatsara sy haikanto masina 

2500. Tsy misaraka amin’ny fahafinaretan’ny fanahy azo maimaim-poana sy ny hatsara ara-m˘raly, ny fanaovana ny tsara. Toy izany koa, misy hafaliana amin’ny hatsaran’ny fanahy sy ny famirapiratany, ny fahamarinana. Tsara amin’ny maha-fahamarinana azy ny fahamarinana. Ilain’ny olona manan-tsaina ny teny marina, anehoany ara-tsaina ny fahalalany ny voary sy ny Mpahary ; mety koa anefa hisy fomba hafa fanehoan’ny maha-olombelona ny fahamarinana, mifameno aminy, indrindra raha mampiseho ao an-tsaina an’izay zavatra tsy hay ambara izany, ohatra ny halalin’ny fon’ olombelona, ny fisondrotan’ny fanahy, ny Misterin’Andriamanitra. Na talohan’ny nanambarÓn’Andriamanitra ny Tenany tamin’ny olombelona tamin’ny tenin’ny fahamarinana aza, dia efa nanambara ny Tenany taminy Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fiteny mahahenika ny tontolo momba ny fahariana, izay tsanganasan’ny Teniny sy asan’ny fahendreny : ny filaminana sy ny firindran’ny zavaboary voalamina – izay hitan’ny ankizy sy ny olon’ny siansa –, “ny halehibe sy ny hatsaran’ny zavaboary, mahatonga, ara-pifanahafana, hibanjina an’Ilay Mpamorona an’ireny” (Fah 13,5), “satria ilay loharanon’ny hatsara ihany no namorona an’ireny” (Fah 13,3).

Satria, ny fahendrena dia fofon’ny herin’Andriamanitra, fipoirana madio mangarangarana ny voninahitr’ilay Mahefa ny zavatra rehetra ; koa tsy misy na dia kely aza loto tafiditra ao aminy.Fa taratry ny Fahazavana Mandrakizay ny fahendrena, fitaratra tsy misy pentina amin’ny asan’Andriamanitra, endriky ny hatsarany (Fah 7,25-26).Araka izany, tsara noho ny masoandro ny fahendrena, mihoatra ny antokon-kintana rehetra, raha ampitahaina amin’ny fahazavana, izy no mahery ; satria ny mazava, dimbiasan’ny alina, fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny fahendrena (Fah 7,29-30). Raiki-pitia ny hatsaran-tarehiny aho (Fah 8,2).

2501. Ny olombelona, noho izy noarýna mitovy endrika amin’Andriamanitra[99], dia maneho koa ny fahamarinan’ny fifandraisany amin’Andriamanitra Mpahary, amin’ny alalan’ny hatsaran’ny tsanganasan-tanany. Satria, ny haikanto dia endri-panehoana manokana an’ny olombelona ; ao ambadiky ny fitadiavam-pivelomana iraisan’ny zavaboary mananaina rehetra, dia misy harena mihoa-pampana nomena maimaim-poana ao anatin’ny olombelona. Ny haikanto, noho izy mipoitra avy amin’ny talenta nomen’ny Mpahary sy ny ezaka ataon’ny tenan’ny olombelona rahateo, dia endriky ny fahendrena miseho an’asa, amin’ny fanakambanana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao[100] mba hampisehoana ny fahamarinan’ny zava-misy amin’ny fombam-panehoana mora azon’ny maso sy ny sofina. Araka izany, ny haikanto dia misy fifanahafana marina amin’ny asan’Andriamanitra eo amin’ny zavatra noforonina, araka izay nanovozany hevitra tamin’ny fahamarinana sy ny fitiavana ny voary. Tsy misy na iray aza asan’ olombelona, ananan’ny haikanto amin’ny maha-haikanto azy tanjom-piafarana tanteraka, fa nalahatra sy nasandratra ho amin’ny tanjom-piafaran’ny olombelona izy[101]

2502.Ny zavakanto masina dia marina sy tsara, rahefa mifanahaka amin’ny fiantsoana azy manokana ny famoronana azy, dia ny mampahatsiahy sy ny mampiseho ny voninahitra, amin’ny finoana sy ny fitsaohana, ny mistery tsy taka-polopolorina momba an’Andriamanitra, izay : hatsara tsy hita maso ambony indrindra ny fahamarinana sy ny fitiavana, niseho tao amin’i Kristy, “famirapiratan’ny voninahiny, fitomboky ny fisiany maha-Izy Azy” (Heb 1,3), izay ao Aminy no “itoeran’ny maha-olombelona Azy ao amin’ny hafenoan’ny maha-Andriamanitra” (K˘l 2,9) ; hatsara ara-panahy tonga tana-panazavana tao amin’i Maria Virjiny Masina Indrindra Renin’ Andriamanitra, ny anjely sy ny Olomasina. Ny zavakanto masina tena izy dia mitondra ny olombelona amin’ny fitsaohana, amin’ny fivavahana ary amin’ny fitiavana an’Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy, Masina sy Mpanamasina.

2503. Noho izany, ny Eveka, amin’ny alalan’ny tenan’izy ireo ihany na amin’ny alalan’ny fisoloan-toerana, dia tokony hanao izay hampandroso ny zavakanto masina, tranainy na vaovao, amin’ny endriny rehetra, ary manesotra izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamarinan’ny finoana sy amin’ny hatsarana maha-tena zavakanto masina azy tokoa, izay atao amin’ny fitandremana mitovy ara-pivavahana, amin’ny litorzia sy amin’ny tranon’Andriamanitra[102].

 

FAMINTINANA

2504.Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao (Eks 20,16). Ny mpianatr’i Kristy dia mitafy ny olom-baovao noarýna araka an’Andriamanitra ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny mbamin’ny fahamasinana izay avy amin’ny fahamarinana (Efez 4,24).

2505.Ny hoe fahamarinana na firaiketana amin’ny marina dia herim-panahy izay mampiseho fa marina amin’ny asany izy sy milaza fa marina amin’ny teniny, amin’ny fiarovan-tena tsy hamitaka, tsy hisandoka ary tsy hihatsaravelatsihy.

2506. Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo (2 Tim 1,8) amin’ny asa sy amin’ny teny, ny kristianina. Ny maty martiry no fara tampon’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ny finoana.

2507. Ny fanajana ny laza amam-boninahitr’olona dia mandrara ny fihetsika rehetra atao na ny fiteny rehetra manaratsy na manendrikendrika.

2508. Ny hoe lainga dia filazana zavatra tsy marina kendrena hamitahana ny namana.

2509. Mitaky fanonerana, ny fahadisoana natao manohitra ny marina.

2510.Ny fitsipika volamena no manampy amin’ny fahaiza-mandanjalanja, eo amin’ny fisehoana toe-javatra lehibe, na mety na tsia ny manambara ny marina amin’izay mangataka izany.

2511.“Tsy azo avoaka ny tsiambaratelo ara-tsakramenta”[103]. Tsy maintsy tanana ny tsiambaratelon’asa. Tsy azo aely eny imasom-bahoaka ny tsiambaratelo mety hanimba ny hafa.

2512. Zon’ny mpiara-belona ny hahazo vaovao miorina amin’ny fahamarinana, ny fahafahana ary ny rariny sy ny hitsiny. Tsara ny mampisy fahalalam- petra sy fitsipi-pifehezana amin’ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisan’ ny mpiara-belona.

2513.Ny haikanto, fa indrindra ny zavakanto masina, dia mikendry, amin’ny maha-zavakanto azy, ny hampiseho araka izay azo atao ao amin’ireo tsanganasan’olombelona, ny hatsarana tsy misy fetran’Andriamanitra, ary natao indrindra ireny mba hampitombo ny fiderana Azy sy ny voninahiny izay tsy misy fikasana hafa afa-tsy ny hanampy araka izay azo atao ny fanahin’ny olona hitodika any amin’Andriamanitra[104].

 

 

ANDALANA 9

Ny didy fahasivy

 

Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao. Tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao ianao, na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao (Eks 20,17).

Na iza na iza mijery vehivavy amin’ny fitsiriritana azy dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady (Mt 5,28).

2514.  Avahan’i Md Joany ho karazany telo ny fitsiriritana na fanirian-dratsy : ny fitsiriritan’ny nofo, ny fitsiriritan’ny maso ary ny fiavonavonana eo amin’ny fiainana[105]. Araka ny lovam-pampianarana ara-katesezy kat˘lika, dia rarÓn’ny didy fahasivy ny fanirian-dratsin’ny nofo ; ny rarÓn’ny didy fahafolo kosa, dia ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa. 

2515.Ny hoe “fanirian-dratsy”, araka ny dikan’ny fakan-teny nipoirany, dia azo anondroana ny endrika rehetra mirehidrehitry ny fanirian’ olombelona. Ny te˘l˘jia kristianina dia nanome hevitra manokana izany amin’ny fihetsiky ny fahalianan’ny nofo, izay manohitra ny tsanganasan’ny sain’olombelona. Ampitovian’i Md Paoly ap˘st˘ly amin’ny fikomiana izany, satria ny “nofo” manohitra ny “fanahy”[106]. Avy amin’ny tsy fanekena vokatry ny fahotana voalohany izany[107]. Miteraka fikorontanan’ny fironana voa-Janahary ara-m˘raly eo amin’ny olombelona izany, ary, na tsy fahotana aza ny fironana amin’ny maha-fironana azy, dia mampirona an’io fironana voa-Janahary io hanao fahotana ny fanirian-dratsy[108]

2516. Noho ny olombelona voary natambatra ho fanahy sy vatana, dia efa misy fifanoherana ihany ao aminy, efa miseho ihany ny tolon’ny fironana eo amin’ny “fanahy” sy ny “nofo”. Ny tena marina, io tolona io dia anisan’ny lovam-pahotana, izay sady vokany no manamafy azy. Anisan’ny fahalalana azo tamim-pahazarana isan’andro momba ny ady ara-panahy io tolona io :

Ho an’ny ap˘st˘ly, tsy ny manambanty sy ny manameloka ny vatana akory no tiany holazaina, dia ny vatana mamorona miaraka amin’ny fanahy maha-olona, ny toetra maha-olombelona sy ny maha-izy ny olona tsirairay ; mamakafaka kosa anefa izy, ny amin’ny tsanganasany, na hoe ny amin’ny fironana tsy miovaova – hatsaran-toetra na haratsian-toetra – tsara na ratsy ara-pitsipi-pitondran-tena, izay vokatry ny fankatoavana (amin’ny sehon-javatra voalohany) na ny fanoherana (amin’ny sehon-javatra faharoa) ny asam-pamonjen’ny Fanahy Masina. Izany no nahatonga ny ap˘st˘ly nanoratra hoe : “Satria ny Fanahy no fiainantsika, dia ny Fanahy koa no aoka hampiasa antsika” (Gal 5,25)[109].

I. Ny fandiovana ny fo

2517. Ny fo no foiben’ny toetran’ny tsirairay ara-m˘raly : “Avy amin’ny fo no iavian’ny hevi-dratsy, ny famonoan’olona, ny fakam-badin’olona sy ny fijangajangana” (Mt 15,19). Mandalo amin’ny alalan’ny fandiovana ny fo sy ny fahaizana mahalala onony, ny ady anoherana ny fitsiriritan’ny nofo :

Mahareta amin’ny hatsoram-po ianao, amin’ny tsy fananan-tsiny, dia ho toy ny zaza kely ianao, tsy mahalala ny ratsy manimba ny fiainan’ny olombelona[110].

2518. Ny hasambarana fahenina dia manao antso avo hoe : “Sambatra ireo madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy ireo” (Mt 5,8). Ny hoe “madio fo” dia enti-manondro ireo izay nampifanaraka ny sain’izy ireo sy ny sitrapon’izy ireo amin’izay takýn’ny fahamasinan’Andriamanitra, indrindra amin’ireto sehatra telo ireto : ny fitiava-namana[111], ny fahadiovam-pitiavana na hitsim-po araka ny maha-lahy na maha-vavy[112], ny fitiavana ny marina sy ny fahitsiam-poto-pampianarana momba ny inoana[113]. Misy fifamatoram-pifandraisana izany ny fahadiovan’ny fo sy ny vatana ary ny finoana :

Tokony hino ireo andalana ao amin’ny Semboly ny mpino, “ka eo am-pinoana, mba hanaiky an’Andriamanitra izy ireo ; eo am-panekena, mba ho velona tsara izy ireo ; eo am-pivelomana tsara, mba hanadio ny fony izy ireo, ary eo am-panadiovana ny fon’izy ireo, mba ho takatr’izy ireo an-tsaina izay inoan’izy ireo”[114].

2519.Nampanantenaina an’ireo “madio fo” ny hahita an’Andriamanitra mifanatri-tava sy ny hifanahaka Aminy[115]. Ny fahadiovan’ny fo no mialoha ny fahitana. Manomboka ankehitriny, izany no ahafahantsika mahita araka an’Andriamanitra sy mandray ny hafa ho “namana” ; izany no ahafahantsika mahita ny vatan’ny olombelona, ny antsika sy ny an’ny namantsika, ho tempolin’ny Fanahy Masina, ho fanehoana ny hatsaran-tarehin’Andriamanitra.

II. Ny ady ho amin’ny fahadiovana 

2520.Ny Batemy no manome an’izay mandray azy ny fahasoavana enti-manadio ny fahotana rehetra. Kanefa tsy maintsy manohy miady amin’ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fitsiriritan-dratsy ilay vita batemy. OmbÓn’ ny fahasoavan’Andriamanitra, tonga amin’izany izy :
- amin’ny alalan’ny herim-panahy sy ny fanomezam-pahadiovam-pitiavana, satria ny fahadiovam-pitiavana no ahafahana mitia amin’ny fo mahitsy sy tsy mizarazara ;
- amin’ny alalan’ny fahadiovam-pikasana izay mifantoka amin’ny fikendrena ny tena tanjona marina fiafaran’ny olombelona : amin’ny maso tsotra no itadiavan’ny vita batemy hahita sy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra[116] ;
- amin’ny alalan’ny fahadiovam-pijery, eto ivelany sy ao anaty ; amin’ny alalan’ny fifehezana ny fihetseham-po sy ny fieritreretana ; amin’ny alalan’ny fandavana ny fitiava-mamalifaly rehetra ao anaty eritreritra maloto izay mampirona hivily amin’ny lalan’ny didin’Andriamanitra hoe: “Ny fijery no mamoha ny filan-dratsy ho an’ny tsy manan-tsaina” (Fah 15,5) ;
- amin’ny alalan’ny fivavahana :

Nino aho fa avy amin’ny herin’ny tenako ihany ny fifadiam-pahafinaretan’ny nofo, (...) hery izay na ny tenako aza tsy nahafantatra. Ary toa adala ihany aho tsy nahalala fa tsy misy na iza na iza afaka hifady ny fahafinaretan’ny nofo, raha tsy Ianao no manome azy izany. Ary marina tokoa, ho nomenao izany aho, raha toa ka nandond˛na teo amin’ny sofinao, tamin’ny fitarainako tao anaty, sy raha nanatosaka ny ahiahiko Taminao aho, tamin’ny finoana tsy voahozongozona[117].

2521.Mitaky fahalalana menatra ny fahadiovana. Ampahany tsy azo esorina amin’ny fahalalana onony ny fahalalana menatra. Miaro ny fiainan’ny olona manokana ny fahalalana menatra. Enti-manondro ny fandavana hamboraka izay tokony hijanona ho miafina izy. Alahatra amin’ny fahadiovam-pitiavana izy, fa ny fahadiovam-pitiavana no manaporofo ny hatsarany. Mitarika ny fijery sy ny fihetsika mifanaraka amin’ny fahamendrehan’ny olona sy ny firaisan’ireo izy.

2522.Miaro ny tsiambaratelon’ny olona sy ny fitiavan’izy ireo ny fahalalana menatra. Mitaona ho amin’ny faharetana sy ho amin’ny fahalalana onony eo amin’ny fifandraisam-pitiavana izy ; angatahiny mba ho feno ireo fepetran’ny fifanoloran-tena sy ny fifanekena varo-matin’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fanambadian’izy ireo. Fahamaotonana ny fahalalana menatra. Manolo-kevitra ny amin’ny fisafidianana ny fitafiana anaovana izy. Mitana ny fanginana na ny fahamalinana izy, eo amin’izay mety hampidi-doza avy amin’ny fahalianam-betaveta. Manjary fahaiza-mahatam-bava izy. 

2523.Misy koa ny fahalalana menatra amin’ny vatana tahaka ny amin’ny fisainana ihany. Toheriny, ohatra,  ny fikarohana ataon’ireo “mpijery vetaveta” amin’ny vatan’olombelona any amin’ireny dokam-barotra sasany ireny, na ny fitambezoan’ ny fampitam-baovao sasany handeha lavitra loatra amin’ny fanambarÓna ny tsiambaratelom-pitiavana lalina indrindra. Ny fahalalana menatra no manolo-kevitra amin’ny fomba fiaina izay ahafahana manohitra ny fanintonan’ny lamaody sy ny faneren’ny firehan-kevitra arahin’ny maro an’isa.

2524.Ny endrika isaloran’ny fahalalana menatra dia miovaova eo amin’ny kolontsaina iray mankamin’ny kolontsaina hafa. Hatraiza hatraiza anefa, mijanona ho fanahiana ny fahamendrehana ara-panahy manokana ho an’ny olona ny fahalalana menatra. Mipoitra amin’ny alalan’ny fifohazan’ny k˘nsiansin’ny olona izy. Ny mampianatra ny fahalalana menatra amin’ny ankizy sy ny tanora, dia ny mamoha ny fanajana ny maha-olona ny olona.

2525.Mila ny fanadiovana ny toe-javatra iainana eo amin’ny fiaraha-monina ny fahadiovana kristianina. Mitaky amin’ireo fitaovam-pifandraisan’ny mpiara-belona izy mba hiahy ny fanajana sy ny fahalalana onony amin’ny fampahalalam-baovao. Ny fahadiovan’ny fo no manafaka amin’ny fampisehoam-pahafinaretam-pilan’ny nofo efa miely, sy mampanalavitra ireo fampisehoana izay mankasitraka ny fitiava-mijery vetaveta sy ny fanaovana hevi-dravina.

2526.Ilay izay antsoina hoe fitaiza migoragora eo amin’ny fomba fiainana amam-pitondran-tena dia miorina amin’ny foto-pisainana diso momba ny fahafahan’ny olombelona ; mba hitarihana amin’ny soa sy ny tsara, ilain’ ny fahafahan’ny olombelona ny manaiky hobeazina mialoha amin’ny alalan’ny lalÓna m˘raly. Mety ny mangataka amin’ny tompon’andraikitry ny fanabeazana, mba hanomezana fampianarana ho an’ny tanora, izay miompana amin’ny fanajana ny marina, fanajana ny hatsaran’ny fo, ary fanajana ny fahambonian’ny saina amam-panahin’ny olona.

2527. “Manavao lalandava ny fiainana sy ny kolontsain’ny olona very hasina ny Vaovao Mahafalin’i Kristy : miady sy manala ny fahadisoana sy ny ratsy izay mipoitra avy amin’ny fanangolena maharitry ny fahotana izy. Tsy mitsahatra manadio sy manondrotra ny hatsaram-pitondran-tenan’ny firenen-drehetra izy. Amin’ny alalan’ny harem-pahasoavana avy any ambony izy no mampamokatra avy ao anaty ireo hatsaran-toe-panahy sy ireo fanomezana sahaza ny firenena tsirairay eo amin’ny vanim-potoana mifandimby. Mampatanjaka ireny, manatontosa ireny ary manavao ireny ao amin’i Kristy izy”[118].

 

FAMINTINANA

2528. “Na iza na izamijery vehivavy amin’ny fitsiriritana azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady (Mt 5,28).

2529.Mampitandrina momba ny fitsiriritana na fanirian-dratsin’ny nofo, ny didy fahasivy.

2530.Ny ady atao hanoherana ny fitsiriritan’ny nofo, dia mandalo amin’ny alalan’ny fandiovana ny fo sy ny fahaizana mahalala onony.

2531.Ny fahadiovan’ny fo no ahafahantsika hahita an’Andriamanitra : izy no ahafahantsika mahita amin’izao ankehitriny izao ny zavatra rehetra araka an’Andriamanitra.

2532.Ny fandiovana ny fo dia mitaky fivavahana, fanarahana ny fahadiovam-pitiavana, fahadiovam-pikasana ary fahadiovam-pijery.

2533.Ny fahadiovan’ny fo dia mitaky fahalalana menatra izay mila faharetana, fahamaotonana ary fahatanam-bava. Ny fahalalana  menatra  no miaro ny fiainan’ny olona manokana.

 

ANDALANA 10

Ny didy fahafolo

 

“Tsy hitsiriritra (...) na inona na inona amin’izay an’ny namanao ianao” (Eks 20,17). Tsy haniry na  ny tranon’ny namanao, na ny tanim-boliny, na ny ankizilahiny  na ny ankizivaviny, na ny ombiny na ny ampondrany ianao : na inona na inona azy” (Det 5,21).

“Izay misy ny harenao, no hisy ny fonao” (Mt 6,21).

2534.Mampizara ho roa sy mameno ny fahasivy ny didy fahafolo, izay mifantoka amin’ny fanirian-dratsin’ny nofo. RarÓny ny fitsiriritana ny fananan’ny hafa, izay fototry ny halatra, ny fandrobÓna ary ny fitaka,  izay rarÓn’ny didy fahafito. Ny “fitsiriritan’ny maso” (1 Jo 2,16) no mitarika amin’ny herisetra sy ny tsy fahamarinana rarÓn’ny didy fahadimy[119]. Ny fitsiriritan-karena, tahaka ny fijangajangana, dia manana ny fototra iaviany ao amin’ny fanompoan-tsampy voarara ao amin’ireo didy telo voalohan’ny lalÓna[120]. Mifantoka amin’ny fikasan’ny fo ny didy fahafolo ; mamintina ny fitsipiky ny lalÓna rehetra izy, miaraka amin’ny didy fahasivy.

I.  Ny fanimbÓn’ny fitsiriritana

2535.Ny fahalianan’ny nofo no mandrisika antsika haniry ny zavatra mahafinaritra izay tsy ananantsika. Tahaka izany ny maniry hihinana rahefa noana, na hanafana tena rahefa mangatsiaka. Ireny faniriana ireny dia tsara amin’ny maha-faniriana azy ireny fotsiny ; matetika anefa tsy mitana ny fanapahan-kevitry ny saina izy ireny ary manosika antsika hitsiriritra tsy ara-drariny izay tsy antsika fa an’ny hafa na tsy maintsy hefaina amin’ny hafa.

2536. RarÓn’ny didy fahafolo ny fahalianana sy ny faniriana amin’ny fibodoana tsy misy fetrany ny haren’ny tany ; rarÓny ny fitsiriritan-karena tsy voafehy, ateraky ny firehetam-po tafahoatra amin’ny harena sy ny heriny. Mbola rarÓny ny faniriana hanao ny tsy rariny izay mety hanimba ny namana amin’ny soa aman-karena ara-nofo :

Rahefa milaza amintsika ny LalÓna hoe : “Tsy hitsiriritra mihitsy ianao”, dia milaza amintsika izy, amin’ny fombam-piteny hafa, hampihataka ny faniriantsika amin’izay rehetra tsy antsika. Satria ny fitsiriritana ny fananan’ny namana dia lehibe tokoa, tsy manam-petra ary tsy ahafa-diana na oviana na oviana, araka ny voasoratra hoe : “Ny kahihitra tsy ho vokim-bola na oviana na oviana” (Mpitor 5,9)[121].

2537. Tsy mandika ity didy ity izay maniry hahazo ny zavatra izay ananan’ny namana, raha toa ka amin’ny fomba araka ny rariny no anaovany izany. Ny katesezy fanao hatrizay dia mampiseho miaraka amin’ny fahitana amam-piainana ny zava-misy an’ “ireo izay miady bebe kokoa amin’ny fitsiriritana mahameloka azy ireo” hany ka tsy maintsy “hamporisihina bebe kokoa hitandrina ity didy ity” :

Dia ireo (…) mpivarotra izay maniry ny mosary na ny halafosan’ny entam-barotra, izay mahita amin’alahelo fa tsy izy ireo irery no hany mba hividianana sy mba hivarotana  izany, izay hahafahan’izy ireo mivarotra lafolafo kokoa sy mividy moramora kokoa ; dia ireo izay maniry hahatonga ireo mitovy aminy ho latsaka ao anatin’ny fahoriana, mba hahazoana tombom-barotra, na amin’ny fivarotan’izy ireo, na amin’ny fividianan’izy ireo (…). Dia ireo mpitsabo izay maniry ny marary ; ny olona mpanao lalÓna izay mitaky ny raharaham-pifanolanana sy ny fitoriana mavesa-danja sy maro be[122]

2538.Takýn’ny didy fahafolo ny androahana ny  fialonana ao am-pon’ny olombelona. Tamin’i NatÓna mpaminany te handrisika ny fanenenan’i Davida mpanjaka, dia notantarainy taminy ny tantaran’ilay mahantra, tsy nanana afa-tsy ondrivavy iray, ka nokarakarainy toy ny zanany vavy, sy ilay mpanankarena efa manana andian’ondry be dia be, kanefa nialona ny an’ilay mahantra; ary dia nofaranany tamin’ny nangalaran’ilay mpanankarena ny ondrivavin’ilay mahantra ny tantara[123]. Mety hitarika amin’ny asa ratsy dia ratsy tokoa ny fialonana[124]. “Fa ny fialonan’i devoly no nidiran’ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao” (Fah 2,24) :

Miady isika samy isika, ary ny fialonana no manome fiadiana antsika hifanao an-kolafiny (…). Raha ny rehetra no milozoka tahaka izany hanozongozona ny vatan’i Kristy, aiza no  iafarantsika ?  Efa eo am-panorisorenana ny vatan’i Kristy isika (…). Milaza ho rantsambatan’ny vatana iray ihany isika, nefa mifampihinana toy ny hataon’ny bibidia[125].

2539.Fahotana fototry ny hafa ny fialonana. Izy no enti-milaza ny alahelo tsapa eo anoloan’ny fananan’ny hafa sy ny faniriana tsy voafehy hibodo izany, amin’ny fomba tsy ara-dalÓna. Raha maniry ratsy lehibe ho an’ny namana ny fialonana, dia manjary fahotana mahafaty :

I Md Augustin dia  nahita tao amin’ny fialonana “ny fahotan-devoly tampony indrindra”[126]. “Avy amin’ny fialonana no teraka ny fankahalana, ny fanaratsiana, ny fanendrikendrehana, ny hafaliana vokatry ny loza manjo ny namana sy ny hasosorana vokatry ny fahombiazany”[127].

2540. Ny fialonana no mampiseho ny iray amin’ireo endriky ny alahelo ratsy ka noho izany fandavana ny fitiava-namana ; hotoherin’ny vita batemy amin’ ny alalan’ny fahalemem-panahy izany. Ny fialonana, matetika, dia avy amin’ny avonavona ; hanazatra tena ny vita batemy hiaina ny fanetren-tena:

Amin’ny alalanareo ve no tianareo hahitana an’Andriamanitra omem-boninahitra ? Hay ve ! mifalia ianareo amin’ny fandrosoan’ny rahalahinareo, ary, amin’izany, dia amin’ny alalanareo Andriamanitra no homem-boninahitra. Ho deraina anie Andriamanitra, no holazain’ny olona, amin’izay mpanompony nahay nandresy ny fialonana tamin’ny fampiorenana ny hafaliany amin’ny fahamendrehana ahazoan’ny hafa valisoa[128].

II.  Ny fanirian’ny Fanahy

2541.Ny fitantanam-pamonjena momba ny lalÓna sy ny fahasoavana no mampanalavitra ny fon’ny olombelona amin’ny fitsiriritan-karena sy ny fialonana ; izy no manoro lalana ny fon’ny olombelona haniry ilay Soa Ambony indrindra ; izy no mampianatra ny fon’ny olombelona amin’ny fanirian’ny Fanahy Masina izay maha-afa-diana ny fon’ny olombelona. 

Ny Andriamanitry ny fampanantenana, hatramin’izay, dia nampitandrina ny olombelona hanohitra ny fanangolena, hatrany am-piandohana, nataon’ilay izay niseho “ho tsara raha hanina, mahafinaritra raha jerena, mahafalifaly raha banjinina” (Jen 3,6).  

2542.Ny lalÓna nankinina tamin’i Israely dia tsy ampy na oviana na oviana, hanamarina an’ireo izay nankato izany ; vao mainka aza nanjary fitaovam-piasan’ny “fitsiriritana” ny lalÓna[129]. Ny tsy fampirindrÓna eo amin’ny maniry sy ny manatanteraka[130] dia mampiseho ny fifanoherana eo amin’ny LalÓnan’Andriamanitra izay “lalÓnan’ny saina”, sy ny lalÓna hafa “izay mamatotra ahy amin’ny lalÓnan’ny fahotana ao amin’ny rantsambatako” (R˘m 7,23). 

2543. “Ankehitriny, tsy amin’ny LalÓna, dia naseho ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra, izay nambaran’ny LalÓna sy ny Mpaminany, dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa-Kristy miantefa amin’izay rehetra mino” (R˘m 3,21-22). Koa noho izany, ny mpinon’i Kristy “dia namÓntsika tamin’ny Hazofijaliana ny nofo mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny” (Gal 5,24) ; izy ireo no tarihin’ ny Fanahy[131] sy manaraka ny fanirian’ny Fanahy[132].

III. Ny fahantran’ny fo

2544. Mandidy ireo mpianany i Jesoa ho tia Azy mihoatra noho ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra, ary manome hevitra azy ireo hahafoy ny fananany rehetra[133]  noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely[134]. Taloha kely ny fijaliany, nanome ohatra azy ireo mikasika izany Izy ny amin’ilay vehivavy mpitondratena tao Jerosalema, izay tamin’ny fahantrany indrindra no nanomezany manontolo izay nananany amin’ny fivelomany[135]. Ny didy momba ny tsy firaiketam-po amin’ny harena dia tsy maintsy tanterahina mba hidirana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

2545.Ny mpino rehetra an’i Kristy dia “hanitsy araka ny mety ny fankamamian’ izy ireo ny fampiasana ny zavatr’izao tontolo izao sy ny firaiketam-po amin’ny harena mifanohitra amin’ny toe-tsaim-pahantrana araka ny Evanjely, mba tsy hampivily lalana azy ireo amin’ny fanarahana ny lalan’ ny fandavorariam-pitiavana”[136].

2546. “Sambatra ireo mahantra am-panahy” (Mt 5,3). Ny hasambarana notorin’i Kristy dia mampiseho ny lafin’ny fahafinaretana sy fahasoavana, fahatsarana sy fiadanana. Mankalaza ny hafalian’ireo mahantra i Jesoa, izay efa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra[137] :

Ilay Teny dia miantso “ny fahantrana am-panahy” ho fanetren-tena an-tsitrapo avy amin’ny fanahin’ny olona sy ny fandavan-tenany ; ary ny ap˘st˘ly dia manome ohatra izany ho antsika ny amin’ny fahantran’ Andriamanitra rahefa miteny izy hoe : “Tonga mahantra ho antsika Izy” (2 K˘r 8,9)[138].

2547.Nalahelo an’ireo mpanankarena ny Tompo, satria ao anatin’ny fahabetsahan’ny fananana no ahitan’izy ireo ny fiononana amam-pahafaham-pon’izy ireo (Lk 6,24). “Ny olona miavona dia mikatsaka ny fahefan’ny tany, fa ny mahantra am-panahy kosa mikatsaka ny Fanjakan’ ny Lanitra”[139]. Ny fanankinana ny zavatra rehetra eo ambany Fitahian’ny Ray any an-danitra no manafaka ny ahiahin’ny ampitso[140]. Ny fitokiana an’ Andriamanitra no manomana amin’ny hasambaran’ ireo mahantra. Hahita an’Andriamanitra izy ireo.

IV. “Te hahita an’Andriamanitra aho”

2548. Ny faniriana ny fahasambarana tena izy no manafaka ny olombelona amin’ny firaiketam-po tafahoatra amin’ny haren’ity tany ity, mba ho tanteraka ao anatin’ny fahitana sy hasambaran’Andriamanitra izany. “Mihoatra ny hasambarana rehetra ny fampanantenana hahita an’ Andriamanitra. Ao amin’ny Soratra Masina, ny hoe mahita dia mahazo no heviny. Ilay izay mahita an’Andriamanitra dia nahazo ny soa rehetra izay azony nosaintsainina”[141]

2549.Ny mitolona sisa no anjaran’ny vahoaka masina, omban’ny fahasoavana avy any ambony, mba hahazoana ny soa rehetra izay ampanantenain’ Andriamanitra. Mba hahazoana sy hibanjinana an’Andriamanitra, ireo mpinon’i Kristy dia mamolaka ny fitsiriritan’izy ireo, ka handresen’izy ireo izany, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny fitaka manodokan’ny fahafinaretana sy ny fahefana aman-kery.

2550. Eny an-dalan’izany fahalavorariana izany, ny Fanahy sy ny Ampakarina dia miantso izay mandre azy ireo[142] ho amin’ny fiombonana lavorary miaraka amin’Andriamanitra :

Any no hisy ny voninahitra tena izy ; tsy misy na iza na iza any hoderaina noho ny fahadisoana na noho ny fandokadokafana ; ny haja amam-boninahitra marina dia tsy ho lavin’ireo izay mendrika izany, na ho eken’izay tsy mendrika izany ; afa-tsy izany, na iza na iza tsy mendrika dia tsy hihambo izany, ary tsy ho voaray any raha tsy ireo izay mendrika. Hanjaka any ny fiadanana tena izy izay tsy hisy na dia iray aza hisedra fanoherana na avy amin’ny tenany ihany na avy amin’ny hafa. Avy amin’ny herim-panahy, ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no ho valisoa, Izy izay nanome ny herim-panahy sy nampanantena ny Tenany ihany amin’ny herim-panahy ho ilay valisoa tsara indrindra sy lehibe indrindra izay hisy lanjany : “Izaho ho Andriamanitr’izy ireo ary izy ireo ho vahoakako” (Lev 26,12)... Izany koa no hevitry ny tenin’ny ap˘st˘ly hoe : “Mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra” (1 K˘r 15,28). Izy Tenany mihitsy no ho tanjona fiafaran’ny faniriantsika, Izay ilay hobanjinintsika tsy misy farany, hotiantsika tsy misy mahatofoka, hoderaintsika tsy misy fahasasarana. Ary izany fanomezana izany, izany fankamamiana izany, izany famenoana ao am-po sy ao an-tsaina izany, no iombonan’ny rehetra tokoa, tahaka ny fiainana mandrakizay[143].


 

FAMINTINANA

2551. Izay misy ny harenao no hisy ny fonao (Mt 6,21).

2552.Ny fitsiriritan-karena tsy voafehy, ateraky ny firehetam-po tafahoatra amin’ny harena sy ny heriny, no rarÓn’ny didy fahafolo.

2553.Ny fialonana dia alahelo mampijaly manoloana ny fananan’ny hafa sy faniriana tsy voafehy hakana izany ho an’ny tena. Kilema fototra izany.

2554.Ny vita batemy dia miady hanohitra ny fialonana amin’ny alalan’ny  fahalemem-panahy, ny fanetren-tena ary ny fifefena amin’ny fitahian Andriamanitra.

2555.Ireo mpinon’i Kristy dia namÓntsika ny nofony mbamin’ny faniriany amam-pilan-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana (Gal 5,24) ; tarihin’ny Fanahy izy ireo ary manaraka ny fanirian’ny Fanahy.

2556.Ilaina mba hidirana any amin’ny Fanjakan’ny Lanitra ny tsy firaiketam-po amin’ny harena.Sambatra ireo mahantra am-panahy”.

2557.Hoy ny olon’ny faniriana hoe : Te hahita an’Andriamanitra aho”. Ny ranon’ny fiainana mandrakizay no manafaka ny hetaheta an’ Andriamanitra[144].

 

* * * * * * * * * *


 
[1] jer. Det 5,19.
[2] jer. Jen 1,26-29.
[3] FAA 69, ž1.
[4] jer. FAA 71, ž4 ; SRS 42 ; CA 40 ; 48.
[5] jer. 2 K˘r 8,9.
[6] jer. FFA 69, ž1.
[7] jer. Det 25,13-16.
[8] jer. Det 24,14-15 ; Jak 5,4.
[9] jer. Am 8,4-6.
[10] jer. Jen 1,28-31.
[11] jer. CA 37-38.
[12] jer. Mt 6,26.
[13] jer. Dan 3,79-81.
[14] jer. Jen 2,19-20 ; 9,1-4.
[15] FAA 23, ž1.
[16] FAA 76, ž5.
[17] jer. CA 3.
[18] jer. SRS 1 ; 41.
[19] jer. CA 24.
[20] jer. FAA 63, ž3 ; LE 7 ; CA 35.
[21] FAA 65.
[22] jer. CA 10 ; 13 ; 44.
[23] CA 34.
[24] jer. FAA 64.
[25] jer. Jen 1,28 ; FAA 34 ; CA 31.
[26] jer. 1 Tes 4,11.
[27] jer. Jen 3,14-19.
[28] jer. LE 27.
[29] jer. LE 6.
[30] jer. CA 32 ; 34.
[31] jer. LE 11.
[32] CA 48.
[33] jer. CA 37.
[34] jer. LE 19 ; 22-23.
[35] jer. CA 48.
[36] jer. Lev 19,13 ; Det 24,14-15 ; Jak 5,4.
[37] FAA 67, ž2.
[38] jer. LE 18.
[39] SRS 14.
[40] SRS 9.
[41] jer. SRS 17 ; 45.
[42] jer. CA 35.
[43] CA 28.
[44] jer. SRS 16.
[45] jer. CA 26.
[46] jer. SRS 32 ; CA 51.
[47] SRS 47 ; jer. SRS 42.
[48] jer. Mt 25,31-36.
[49] jer. Lk 4,18.
[50] CA 57.
[51] jer. Lk 6,20-22.
[52] jer. Mt 8,20.
[53] jer. Mk 12,41-44.
[54] jer. CA 57.
[55] Md Jean Chrysostome in Laz. 2,6.
[56] APL 8.
[57] Md GrÚgoire le Grand, past. 3,21,45.
[58] jer. Iz 58,6-7 ; Heb 13,3.
[59] jer. Mt 25,31-46.
[60] jer. Tob 4,5-11 ; Ekl 17,18.
[61] jer. Mt 6,2-4.
[62] jer. 1 Jo 3,17.
[63] CDF, instr. "Libertatis conscientia" 68.
[64] jer. Mt 25,40.
[65] Vita.
[66] jer. CA 29.
[67] jer. Lk 16,19-31.
[68] jer. Ohab 8,7 ; 2 Sam 7,28.
[69] jer. Sal 119,142.
[70]jer. Lk 1,50.
[71] jer. Sal 119,30.
[72] jer. Jo 14,6.
[73] jer. Jo 12,46.
[74] jer. Jo 8,31-32.
[75] jer. Jo 17,17.
[76] jer. Jo 14,26.
[77] FVA 2.
[78] Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 109, 3, ad 1.
[79] Md Thomas d’A., s.th. 2-2, 109, 3.
[80] jer. Jo 18,37.
[81] jer. Mt 18,16.
[82] AFF 11.
[83] Ignace d’Antioche, Rom. 4,1.
[84] Md Ignace d’Antioche, Rom. 6,1.
[85] Md Polycarpe, mart. 14,2-3.
[86] jer. Ohab 19,9.
[87] jer. Ohab 18,5.
[88] jer. CIC, can. 220.
[89] jer. Ekl 21,28.
[90] Md Ignace, ex. spir. 22.
[91] Md Augustin, mend. 4,5.
[92] jer. Ekl 27,17 ; Ohab 25,9-10.
[93] CIC, can. 983, ž1.
[94]jer.  FMM 11.
[95] FMM 5.
[96] FMM 8.
[97] FMM 12.
[98] FMM 12.
[99] jer. Jen 1,26
[100] jer. Fah 7,17.
[101] jer. Pie XII, lahateny tamin’ny 24 desambra 1955 sy lahateny tamin’ny 3 septambra 1950.
[102] jer. L 122-127.
[103] CIC, can. 983 ž 1.
[104] L 122.
[105] jer. 1 Jo 2,16 (Volg.).
[106] jer. Gal 5,16.17.24 ; Efez 2,3.
[107] jer. Jen 3,11.
[108] jer. K˘ns. Trente : DS 1515.
[109] Joany Paoly II, DeV 55.
[110] Hermas, mand. 2, 1.
[111] jer. 1 Tes 4,3-9 ; 2 Tim 2,22.
[112] jer. 1 Tes 4,7 ; K˘l 3,5 ; Efez 4,19.
[113] jer. Tito 1,15 ; 1 Tim 1,3-4 ; 2 Tim 2,23-26.
[114] Md Augustin, fid. et symb. 10,25.
[115] jer. 1 K˘r 13,12 ; 1 Jo 3,2.
[116] jer. R˘m 12,2 ; K˘l 1,10.
[117] Md Augustin, conf. 6,11,20.
[118] FAA 58, ž4.
[119] jer. Mik 2,2.
[120] jer. Fah 14,12.
[121] Catech. R. 3,10,13.
[122] Catech. R. 3,10,23.
[123] jer. 2 Sam 12,1-4.
[124] jer. Jen 4,3-8 ; 1 Mpanj 21,1-29.
[125] Md Jean Chrysostome, hom. in 2 K˘r 27,3-4.
[126] Md Augustin in DIS. 7,7 ; ep. 108, 3, 8.
[127] Md GrÚgoire le Grand, mor. 31,45,88.
[128] Md Jean Chrysostome, hom. in. Rom 7,5.
[129] jer. R˘m 7,7.
[130] jer. R˘m 7,15.
[131] jer. R˘m 8,14.
[132] jer. R˘m 8,27.
[133] jer. Lk 14,33.
[134] jer. Mk 8,35.
[135] jer. Lk 21,4.
[136] FF 42.
[137] jer. Lk 6,20.
[138] Md GrÚgoire de Nysse, beat. 1.
[139] Md Augustin, serm. Dom. 1, 1, 3.
[140] jer. Mt 6,25-34.
[141] Md GrÚgoire de Nysse, beat. 6.
[142] jer. Ap˘k 22,17.
[143] Md Augustin, civ. 22,30.
[144] jer. Jo  4,14.
 

 

top