The Holy See
back up
Search
riga

Fizarana fahefatra
Ny fivavahana kristianina

 

SAMPANA VOALOHANY

Ny fivavahana eo amin’ny fiainana kristianina

 

2558. “Lehibe ny misterin’ny finoana”. Ambaran’ny Fiangonana ao amin’ny Sembolin’ny apôstôly izany (fizarana voalohany) ary ankalazainy amin’ny litorzian’ny sakramenta (fizarana faharoa), mba hifanaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanahy Masina, ho voninahitr’Andriamanitra Ray, ny fiainan’ny mpino (fizarana fahatelo). Io mistery io àry dia mitaky ny mba hinoan’ny mpino izany, hankalazany izany ary hiainany izany ao anatin’ny fifandraisana sady maharitra no an’ny tsirairay miaraka amin’Andriamanitra velona sy marina. Izany fifandraisana izany no atao hoe fivavahana.

 

Inona no atao hoe fivavahana ?

Ho ahy, ny fivavahana dia fientanam-po, fijery tsotra mankany an-danitra, hiakam-pankasitrahana sy fitiavana eo anivon’ny fisedrana toy ny eo anivon’ny hafaliana koa[1].

 

Fanomezan’Andriamanitra ny fivavahana

2559.“Ny fivavahana dia fanandratana ny fanahy ho amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa sy ny tsara sahaza”[2]. Avy amin’ny inona no itenenantsika rahefa mivavaka ? Avy amin’ny haavon’ny fiavonavonantsika sy ny sitrapontsika manokana ve, sa avy amin’ny “halalin’ny” (Sal 130,1) fo manetry tena sy torotoro ? Izay manetry tena no asandratra[3]. Ny fanetren-tena no toetra fototra iorenan’ny fivavahana. “Na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Ny fanetren-tena no toe-panahy ilaina handraisana maimaim-poana ny fanomezam-pivavahana : Mahantra mpangataka amin’ Andriamanitra ny olombelona[4].

2560. “Raha mba fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra!” (Jo 4,10). Teo indrindra no niseho ny zava-mahagaga amin’ny fivavahana, teo amoron’ny fantsakana izay hahatongavantsika mba hitady ny ranontsika : eo i Kristy no mihaona amin’ny olombelona rehetra, Izy no voalohany mitady antsika ary Izy no mangataka rano hosotroina. Mangetaheta i Jesoa, avy amin’ny halalim-pitiavan’Andriamanitra izay maniry antsika ny fangatahany[5]. Ny fivavahana, na fantatsika izany na tsia, no fihaonan’ny hetahetan’ Andriamanitra sy ny antsika. Ny hananantsika hetaheta Azy no hetahetan’ Andriamanitra[6].

2561. “Ianao indray aza no ho nangataka izany Taminy, ka homeny rano velona” (Jo 4,10). Valy ara-kevi-manohitra ny vavaka fangatahana ataontsika. Valy amin’ny fitarainan’Andriamanitra velona hoe : “Nafoin’izy ireo Aho, Izaho Loharanon’ny rano velona, fa lavaka no nohadìny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano!” (Jer 2,13), valim-pinoana amin’ny fampanantenana maimaim-poana ny famonjena[7], valim-pitiavana amin’ny hetahetan’ilay Zanaka Lahitokana[8].

Fifanekem-pihavanana ny fivavahana

2562. Avy aiza ny vavaky ny olombelona ? Na inona na inona fomba filaza ny vavaka (fihetsika sy teny), ny olona manontolo no mivavaka. Kanefa mba hanondroana ny toerana izay ipoiran’ny vavaka, ny Soratra Masina indraindray dia miteny ny fanahy na ny saina, fa ny matetika indrindra dia ny fo (maherin’ny inarivo). Ny fo no mivavaka. Raha lavitra an’ Andriamanitra izy, foana ny fanehoam-bavaka. 

2563. Ny fo no fonenana izay misy ahy, izay onenako (araka ny fomba fiteny semitika na ara-baiboly : any amin’izay “idinako”). Izy no ivontsika miafina, tsy takatry ny saintsika na ny hafa ; ny Fanahin’Andriamanitra irery no afaka mitsapa sy mahalala azy. Ny fo no toeran’ny fanapahan-kevitra ao anatin’ny fironan-tsaina amam-panahintsika lalina indrindra. Izy no toeran’ny fahamarinana, ao no isafidianantsika ny fiainana na ny fahafatesana. Izy no toeram-pihaonana, satria amin’ny maha-endrik’Andriamanitra antsika, dia mivelona amin’ny fifandraisana isika : izy no toeran’ny fanekem-pihavanana.

2564. Fifandraisam-pifanekena eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona ao amin’i Kristy ny fivavahana kristianina. Sady asan’Andriamanitra no asan’ olombelona izany ; avy amin’ny Fanahy Masina sy avy amintsika no ipoirany, mankany amin’ny Ray avokoa, amin’ny fampiraisana izany amin’ ny sitrapo maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona.

Fiombonana ny fivavahana 

2565. Amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ny fivavahana no fifandraisana velon’ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo tsara tsy manam-petra, amin’i Jesoa-Kristy Zanany ary amin’ny Fanahy Masina. Ny fahasoavan’ny Fanjakan’Andriamanitra dia “ny firaisan’ny Trinite Masina manontolo amin’ ny fanahy manontolo”[9]. Ny fiainam-bavaka araka izany dia ny fanatrehana amim-pahazarana an’ilay Andriamanitra Masina indrindra sy ho fiombonana Aminy. Azo atao mandrakariva izany fiombonam-piainana izany, satria, tamin’ny alalan’ny Batemy isika no nanjary iray tena amin’i Kristy[10]. Zary kristianina ny fivavahana noho izy fiombonana amin’i Kristy sy noho izy miitatra ao amin’ny Fiangonana Vatan’i Kristy. Ny halehibeny dia ny halehiben’ny Fitiavan’i Kristy[11].

 

TOKO VOALOHANY

Ny fanambaràna ny fivavahana
Ny antso ho an’ny daholobe ho amin’ny fivavahana

2566. Eo am-pitadiavana an’Andriamanitra ny olombelona. Tamin’ny fahariana no niantsoan’Andriamanitra ny zavatra rehetra avy amin’ny tsy misy ho amin’ny fisiana. Ny olombelona, manarakaraka ny anjely, noho izy nosatrohana voninahitra sy famirapiratana[12], dia afaka miaiky fa lehibe ny anaran’ny Tompo eo amin’ny tany tontolo[13]. Na dia taorian’ny nahavery ny fifanahafan’ny olombelona amin’Andriamanitra noho ny fahotany aza, dia mijanona ho endrik’ilay Mpahary azy ihany izy. Mitahiry ny fanirian’Ilay izay niantso azy ho amin’ny fisiana izy. Mampiseho izany fikatsahana ilain’ny olombelona izany ny antokom-pinoana rehetra[14]

2567. Andriamanitra no miantso voalohany ny olombelona. Ka na manadino ny Mpahary azy aza ny olombelona, na miafina lavitra ny Tavany, ary na manaraka ny sampiny aza ny olombelona, na miampanga an’Andriamanitra ho mandao azy, dia tsy mety sasatra miantso ny olona tsirairay ilay Andriamanitra velona sy marina, mba hihaona Aminy amin’ny fomba mistery amin’ny fivavahana. Izany dingana voalohany amin’ny fitiavan’ Andriamanitra tsy mivadika izany no voalohany lalandava amin’ny fivavahana, fa ny dingana ataon’ny olombelona kosa dia valiny lalandava. Arakaraka ny anambaràn’Andriamanitra ny Tenany sy anambaràny ny olombelona amin’ny tenan’izy olombelona ihany, no isehoan’ny vavaka ho antso mifamaly, ho fitaintainana amin’ny fanekem-pihavanana. Izany fitaintainana izany, amin’ny alalan’ny teny sy ny asa, no milatsaka ao am-po. Niseho izany teny am-pamakivakiana ny tantaram-pamonjena manontolo teny.

 

ANDALANA 1

Ao amin’ny Testamenta Taloha 

2568. Ny fanambaràna ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha dia voasoratra eo anelanelan’ny fahalavoan’ny olombelona sy ny fanarenana azy, eo anelanelan’ny antson’alahelon’Andriamanitra tamin’ireo voalohan-janany hoe : “Aiza ianao ? (...) Inona no nataonao ?” (Jen 3,9.13) sy ny valin-tenin’ny Zanaka Lahitokana niditra teto amin’izao tontolo izao (“Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô !” : Heb 10,7)[15]. Ny fivavahana, araka izany, dia mifamatotra amin’ny tantaran’ny olombelona, ary fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny zava-miseho eo amin’ny tantara.

Ny fahariana – loharanon’ny fivavahana

2569. Voalohany indrindra, miainga avy amin’ny zava-misy momba ny fahariana no isehoan’ny fivavahana. Ny toko sivy voalohany amin’ny Jenezy no mamelabelatra izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany, toy ilay fanoloran’i Abela ny voalohan-teraky ny andian’ondry[16], toy ilay fitalahoan’i Enôsy ny anaran’Andriamanitra[17], toy ilay fizorana niaraka tamin’ Andriamanitra[18]. Ny fanatitr’i Nöe dia “nahafinaritra” an’ Andriamanitra izay nitsodrano azy, sy nitsodrano ny voary manontolo tamin’ny alalany[19], satria mahitsy sy marina ny fony : izy koa “nizotra niaraka tamin’Andriamanitra” (Jen 6,9). Niainan’ny olo-marina tsy tambo isaina teo amin’ny antokom-pinoana rehetra izany toetran’ny fivavahana izany. 

Andriamanitra, amin’ny fanekem-pihavanana tsy mety levona nataony tamin’ny zavamananaina rehetra, dia miantso lalandava ny olombelona hivavaka Aminy[20]. Kanefa, nanomboka indrindra tamin’i Abrahama raintsika no nihariharian’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha.

Ny fampanantenana sy ny fivavahana atao amim-pinoana 

2570. Raha vao nantsoin’Andriamanitra i Abrahama, dia niainga izy, “araka ny tenin’ny Tompo taminy” (Jen 12,4) : “nankatoaviny tanteraka tamin’ny fony ny Tenin’Andriamanitra”, ka nanaiky izy. Ny fihainoan’ny fo izay manapa-kevitra araka an’Andriamanitra no tsy azo avela amin’ny fivavahana, mifandray amin’izany ny teny lazaina. Kanefa ny vavak’i Abrahama dia niseho tamin’ny asa aloha : amin’ny maha-olon’ny fanginana azy, nanorina ôtely ho an’ny Tompo izy, isaky ny toeram-piatoana”. Taty aoriana izay vao niseho ny vavaka voalohany tamin-teny nataony : taraina farimparina mampahatsiahy an’Andriamanitra ny fampanantenany izay tahaka ny tsy ho tanteraka[21]. Hatrany am-piandohana, araka izany, no efa nitranga ny anankiray amin’ireo endri-java-mahatahotra momba ny vavaka : ny sedram-pinoana amin’ny fitokiana an’Andriamanitra. 

2571. Tamin’ny finoany an’Andriamanitra[22] sy ny fandehanany teo anatrehany ary ny fanekem-pihavanana Taminy[23], no nandraisan’ny patriarka tao an-tranolainy an’ilay Vahininy saro-pantarina : ilay fandraisana vahiny tao "Mambré" tamin’ny fomba mampitolagaga izany, anambaràna mialoha ny Filazana momba ilay tena Zanaky ny Fampanantenana[24]. Hatramin’io fotoana io, noho Andriamanitra nanankina taminy ny fandaharany, dia nifanaraka tamin’ny fangorahan’ny Tompony ny olombelona, ny fon’i Abrahama, ary sahy nitalaho ho azy ireo tamim-pitokiana feno herim-po izy[25].

2572. Ho fandiovana farany ny finoany, nangatahina izy “ilay nametrahana ny teny fampanantenana” (Heb 11,17) hanao sorona ny zanany izay nomen’ Andriamanitra azy. Tsy nalemy ny finoany : “Andriamanitra no hanao izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana” (Jen 22,8), satria “ninoany fa hain’Andriamanitra ny manangana ho velona na dia maty aza” (Heb 11,19). Tamin’izany no nampitoviana an’ilay rain’ny mpino hifanahaka amin’ilay Ray izay tsy hitsitsy ny Zanany, fa hanolotra Azy ho antsika rehetra[26]. Mamerina ny olombelona amin’ny fifanahafana amin’Andriamanitra ny fivavahana, sy mampandray anjara azy amin’ny herin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay mamonjy ny be sy ny maro[27].

2573. Navaozin’Andriamanitra tamin’i Jakôba, ilay razamben’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely ny fampanantenany [28]. Talohan’ny niatrehany an’i Esao rahalahiny i Jakôba dia nitolona nandritra ny alina manontolo tamin’ny “olona iray” saro-pantarina, izay nandà ny hanambara ny anarany, nefa nitsodrano azy talohan’ny nandaozany azy nony mangiran-dratsy ny andro. Notanan’ny lovam-panahin’ny Fiangonana avy amin’io tantara io ny fanehoana an’ohatra ny fivavahana ho tolona amim-pinoana sy fandresena amim-pitozoana[29].

I Môizy sy ny fivavahan’ny mpanelanelana

2574. Nony nanomboka ho tanteraka ny fampanantenana (ny Paka, ny Eksaody, ny fanomezana ny Lalàna ary ny fandraiketana ny fanekem-pihavanana), dia ny fivavahan’i Môizy no endrika manaitra ny fo amin’ny fivavahana fanelanelanana izay ho tanteraka ao amin’ “ilay hany Mpanalalana eo amin’ Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa” (1 Tim 2,5).

2575. Fa eto koa, Andriamanitra no tonga voalohany. Niantso an’i Môizy Izy, teo afovoan’ny Kirihitra nirehitra[30]. Io fisehoan-javatra io dia haharitra ho iray amin’ireo endrika fototry ny fivavahana ao amin’ny lovam-panahy jody sy kristianina. Satria, raha niantso an’i Môizy mpanompony “ilay Andria-manitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba”, dia noho Izy Andriamanitra Velona izay mankasitraka ny hahavelona ny olombelona rehetra. Nanambara ny Tenany Izy mba hamonjy azy ireo, nefa tsy ho azy ireo irery ihany izany famonjena izany. Nantsoiny i Môizy mba hirahiny, mba hiombona amin’ny fangorahany, amin’ny tsanganasam-pamonjeny. Misy toy ny fitalahoan’ Andriamanitra ao amin’io iraka io, ary i Môizy, rahefa avy niady hevitra naharitra, dia hanitsy ny sitrapony hifanaraka amin’ny sitrapon’ilay Andriamanitra Mpamonjy. Kanefa tamin’io fifampiresahana io izay namborahan’ny Tompo ny Tenany, dia nianatra nivavaka koa i Môizy : nitady hilefa izy, nanohitra, indrindra nangataka, ary tamin’ny famaliana ny fangatahany no namborahan’Andriamanitra taminy ny Anarany tsy hay hambara izay hiharihary ao amin’ireo zava-dehibe ataony.

2576. Ary, “niresaka mifanatrika tamin’i Môizy Andriamanitra, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany” (Eks 33,11). Ny fivavahan’i Môizy no endrika manokana amin’ny vavaka fibanjinana, izay fivavahana ahazoana antoka ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny iraka ampanaovina azy. “Mitafa” matetika sy maharitra amin’ny Tompo i Môizy, miakatra any an-tendrombohitra mba hihaino Azy sy hitalaho Aminy, midina mankeo amin’ny vahoaka, mba hamerina aminy ny tenin’ny Andriamaniny sy hitari-dalana azy. “Olo-mahatoky amin’ny tranoko izy, miteny aminy mifanatrika Aho, amin’ny teny mazava fa tsy miafina” (Fan 12,7-8), satria “lehilahy malemy fanahy indrindra i Môizy, mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin’ny tany” (Fan 12,3).

2577. Tamin’io fisakaizana lalina amin’Andriamanitra tsy mivadika, tsy malaky tezitra ary feno fitiavana io[31] i Môizy no nanovo hery sy filofosana amin’ny fanelanelanany. Tsy nivavaka ho an’ny tenany izy, fa ho an’ny vahoaka nofidin’Andriamanitra ho Azy. Efa nandritra ny ady tamin’ny Amalesita[32], na ny mba hahazoan’i Miriama fahasitranana[33], no nanelanelana i Môizy. Fa indrindra taorian’ny fivadiham-pinoan’ny vahoaka  dia “nitsangana teo anatrehan’Andriamanitra izy hisakana ny hatezerany tsy handringana” (Sal 106,23) mba hamonjena ny vahoaka[34]. Ny porofon-kevitra amin’ny fivavahany (tolona mifono mistery koa ny fanelanelanana), dia hiteraka aingam-panahy amin’ny herim-pon’ireo mpivavaka malazan’ny vahoaka jody toy ny an’ny Fiangonana : Andriamanitra dia fitiavana, noho izany marina sy mahatoky Izy ; tsy afaka manohitra ny teniny Izy, fa tsy maintsy mahatsiaro ny asa mahagaga nataony, miantoka ny Voninahiny, ary tsy afaka handao ity vahoaka mitondra ny anarany Izy.

I Davida sy ny fivavahan’ny mpanjaka

2578. Ny fivavahan’ny Vahoakan’Andriamanitra dia hivelatra eo ambany aloky ny fonenan’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny fiaran’ny fanekena, ary aty aoriana, ny Tempoly. Ireo mpitarika ny vahoaka aloha - ny mpiandry ondry sy ny mpaminany - no nampianatra azy ireo hivavaka. I Samoela, fony mbola zaza, dia nianatra tamin’i Anà reniny, ny fomba  “ijoroana eo anoloan’ny Tompo”[35], sy tamin’i Helì mpisorona, ny fomba ihainoana ny Teniny : “Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao” (1 Sam 3,9-10). Taty aoriana, dia fantany koa ny hasarobidy sy ny lanjan’ny fanelanelanana: “Raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’ny Tompo ka hitsahatra tsy hivavaka ho anareo, sy hanoro anareo ny làlana tsara sy mahitsy” (1 Sam 12,23).

2579. I Davida no mpanjaka tsara indrindra “araka ny fon’Andriamanitra”, ilay mpiandry ondry mivavaka ho an’ny vahoakany sy amin’ny anarany, ka ny fankatoavany ny sitrapon’Andriamanitra, ny fiderany sy ny fifonany no ho fakan-tahaka amin’ny fivavahan’ny vahoaka. Amin’ny maha-voahosotr’ Andriamanitra azy, ny fivavahany dia firaiketana tsy mivadika amin’ny teny fampanantenan’Andriamanitra[36], fitokiana amim-pitiavana sy amin-kafaliana an’Ilay izay hany Mpanjaka sy Tompo. Ao amin’ny Salamo, i Davida, notsilovin’ny Fanahy Masina, no mpaminany voalohany amin’ny fivavahana jody sy kristianina. Ny vavak’i Kristy, tena Mesia tokoa sy Zanak’i Davida, no hanambara sy hanatontosa ny hevitr’io fivavahana io.

2580. Ny Tempolin’i Jerosalema, ilay tranom-pivavahana nokasain’i Davida haorina, dia tsanganasa ho tanterahin’ny zanany, i Salômônina. Miankina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra sy ny fanekem-pihavanany, amin’ny fonenan’ny Anarany amin-kery eo anivon’ny Vahoakany ary amin’ny fahatsiarovana ny zava-dehibe natao tamin’ny Eksaody, ny vavaka atao amin’ny Fitokanana ny Tempoly[37]. Koa noho izany manandra-tanana mankamin’ny lanitra ny mpanjaka ary mitalaho amin’ny Tompo ho an’ny tenany, ho an’ny vahoaka tsy vaky volo, ho an’ny taranaka ho avy, ho famelana ny fahotan’izy ireo sy amin’ny zavatra ilain’izy ireo isan’andro, mba ho fantatry ny firenena rehetra fa Izy no hany Andriamanitra ary mba ho Azy manontolo ny fon’ny vahoakany.

Elia, ny mpaminany ary ny fibebahan’ny fo 

2581.Ny Tempoly, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, no tokony ho toeran’ny fanabeazana azy amin’ny fivavahana : ny fivahiniana masina, ny fety, ny sorona, ny fanatitra takariva, ny emboka manitra, ny mofo “alahatra”, ireo famantarana ny Fahamasinana sy Voninahitr’Andriamanitra Avo Indrindra sy Akaiky dia akaiky tokoa ireo, no antso sy lalan’ny fivavahana. Kanefa matetika mitarika ny vahoaka amin’ny fanompoam-pivavahana ety ivelany loatra ny fanarahana fombam-pivavahana. Ilaina ao ny fanabeazana ny finoana sy ny fibebahan’ny fo. Izany no fanirahana ny mpaminany, taloha sy taorian’ny Sesitany.

2582. Rain’ny mpaminany i Elia, avy amin’ny taranak’ireo izay mitady an’ Andriamanitra sy izay mikatsaka ny Endriny[38]. Ny anarany hoe, “Ny Tompo no Andriamanitro”, no milaza ny hiakan’ny vahoaka ho valin’ny fivavahany teo an-tendrombohitr’i Karmely[39]. Tany aminy no nalehan’ny sain’i Md Jakôba raha nandrisika antsika amin’ny vavaka izy hoe : “Mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina amin-kafanam-po” (Jak 5,16)[40].

2583.Rahefa avy nahazo ny famindram-po tamin’ny laretiretiny teo amin’ny ranon-driakan’i Karita i Elia, dia nampianatra an’ilay vehivavy maty vady tao Sareftà ny finoana ny tenin’Andriamanitra, finoana izay nanamafisany tamin’ny alalan’ny fangatahana mafy : namerina ny ain’ny zanak’ilay vehivavy maty vady Andriamanitra[41].

Tamin’ny andro nanaovana sorona teo an-tendrombohitr’i Karmely, fisedrana azo tsapain-tanana ho an’ny finoan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia tamin’ny fitalahoany no nandevonan’ny afon’ny Tompo ny sorona dorana, “tamin’ny ora izay nanolorana ny sorona takariva” : “Valio aho ry Tompo, valio aho!” izany tenin’i Elia izany ihany no averin’ny litorzia tatsinanana amin’ny epikilezin’ny vavaka eokaristika[42].

Farany, tamin’ny nanohizan’i Elia ny diany tany an’efitra ho any amin’ny toerana izay nanambaràn’Andriamanitra velona sy marina ny Tenany tamin’ ny vahoakany, dia nitampisaka tahaka an’i Môizy “tao anaty zohy” izy, mandra-“pandalon’”ny Fisehoam-pisian’Andriamanitra amin’ny fomba mistery[43]. Kanefa  any an-tendrombohitry ny fiovàn-tarehy irery ihany no hiseho ny Endrik’Ilay tadiavin’izy ireo[44] : ny fahalalana ny Voninahitr’ Andriamanitra dia eo amin’ny endrik’i Kristy ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana sy nitsangan-ko velona[45].

2584. Eo amin’ny “fanatrehana irery an’Andriamanitra” ireo mpaminany no manovo fahazavana sy hery ho an’ny fanirahana azy ireo. Tsy hoe fandosirana an’izao tontolo izao mivadi-pitokiana ny fivavahan’izy ireo fa fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, indraindray adihevitra na fitarainana, fitalahoana lalandava izay miandry sy manomana ny fanalalan’ Andriamanitra Mpamonjy, Tompon’ny tantara[46]

Ny Salamo, vavaky ny mpiangona

2585.Nanomboka tamin’i Davida mandra-pahatongan’ny Mesia, ny boky masina dia mirakitra ireo lahatsora-pivavahana izay maneho ny fandalinana ny vavaka, ho an’ny tena ihany sy ho an’ny hafa[47]. Tsikelikely, natambatra ho boky dimy ny salamo : ireo Salamo (na “Fiderana”), sangan’asan’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha.

2586. Ny Salamo no mamelona sy maneho ny vavaky ny Vahoakan’ Andriamanitra miangona, amin’ny andro fety lehibe any Jerosalema ary isaky ny sabata ao amin’ny sinagôga. Misy lafiny roa tsy azo sarahina izany vavaka izany : an’ny tsirairay sy iombonana ; vavaka sady mahakasika an’ ireo izay mivavaka no mahakasika ny olona rehetra ; vavaka sady misondrotra avy any amin’ny Tany masina sy ny fiombonan’ny Zanaka am-pielezana, no avy amin’ny voary manontolo ; vavaka sady mampahatsiaro ny asam-pamonjena tamin’ireo zava-niseho fahiny no miitatra hatrany amin’ ny fahataperan’ny tantara ; vavaka sady mampahatsiaro ny fampanantenana efa notanterahin’ Andriamanitra no miandry koa ny Mesia izay hanatontosa ireny amin’ny farany. Noho ireo Salamo atao vavaka sy tanterahina ao amin’i Kristy, dia mijanona ho ilaina amin’ny vavaky ny Fiangonany izy ireny[48].

2587. Ny amboaran-tSalamo no boky izay ao ny Tenin’Andriamanitra no tonga vavaky ny olombelona. Ao amin’ireo boky hafan’ny Testamenta Taloha ny teny no “manambara ny tsanganasan’(Andriamanitra ho an’ny olombelona) ary mampahita ny mistery izay voarakitra ao”[49]. Ao amin’ny amboaran-tSalamo, ny tenin’ny mpanao salamo no manambara, amin’ny fihirana azy ireny ho an’Andriamanitra, ny tsanganasam-pamonjeny. Fanahy iray ihany kosa no mitsilo ao an-tsaina ny tsanganasan’Andriamanitra sy ny valin-tenin’ny olombelona. I Kristy no hanambatra azy roa ireo. Ao Aminy, tsy mitsaha-mampianatra antsika hivavaka ny salamo.

2588.Ny fanehoan’endrika maro amin’ny vavaka Salamo dia sady maka endrika ao amin’ny litorzian’ny Tempoly no ao am-pon’ny olombelona. Na antsa no atao, na vavaka noho ny fahoriana, na vavaka fisaorana, na fitalahoan’olon-drery na fitalahoana iombonana, na hira momba ny mpanjaka, na hira momba ny fivahiniana masina, na fandiniham-pahendrena, ny salamo no fitaratra ahitana ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra teo amin’ny tantaran’ny vahoakany sy ny toe-javatra mihatra eo amin’ny olombelona niainan’ny mpanao salamo. Ny salamo iray dia azo itarafana ny zava-niseho iray efa lasa, nefa noho izy natao tamim-pahatsorana dia azon’ny olona hanaovana vavaka marina tokoa amin’ny fomba rehetra sy amin’ny fotoana rehetra.

2589. Toetra maharitra no maninteraka ny Salamo : ny fahatsoran’ny vavaka sy ny fanaovana izany, izay nipoitra ho azy avy ao am-po, ny faniriana an’ Andriamanitra rahateo amin’ny alalan’ny tsara rehetra amin’ny zavaboariny sy miaraka amin’izany, ny toe-javatra manahirana ny mpino, amin’ny fitiavany manokana ny Tompo, izay sakanan’ny fahavalo sy ny fakam-panahy zavon-tany, ary, eo am-piandrasana izay hataon’ilay Andriamanitra tsy mivadika, ny fitokiana ny fitiavany sy ny fiankinana amin’ny sitrapony. Ny fiderana no mitarika lalandava amin’ny vavaka salamo, ary izany no mahamety tsara ny lohatenin’io amboara io amin’izay atolony antsika: “ny Fiderana”. Noho izy nangonina ho an’ny fivavahan’ny Mpiangona, dia izy no mampandre ny antso amin’ny vavaka sy mihira izany amin’ny valin-teny hoe: “Hallelou-Ya!” (Aleloia!), “Derao ny Tompo!”.

Inona no tsara kokoa noho ny salamo ? Izany no nahatonga an’i Davida nilaza tsara hoe : “Derao ny Tompo, satria zavatra tsara ny Salamo : amin’Andriamanitsika, fiderana tsara sy mamy !” Ary marina izany. Satria ny salamo dia fisaorana tononin’ ny vahoaka, fiderana an’Andriamanitra ataon’ny mpiangona, fihobian’ny rehetra, teny lazain’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, feon’ny Fiangonana, fiekem-pinoana mahaliana ny sofina[50].

 

FAMINTINANA

2590. “Ny fivavahana dia fanondrotana ny fanahy any amin’Andriamanitra na fangatahana amin’Andriamanitra ny soa rehetra sahaza[51].

2591. Tsy sasatra Andriamanitra miantso ny olona tsirairay mba hihaona Aminy amin’ny fomba mifono mistery. Mifanindran-dalana amin’ny tantaram-pamonjena manontolo ny fivavahana, tahaka ny antso ifamalian’ Andriamanitra sy ny olombelona.

2592.Ny fivavahan’i Abrahama sy Jakôba dia miseho toy ny tolona atao amim-pinoana ao anatin’ny fitokiana ny tsy fivadihan’Andriamanitra sy ao anatin’ ny fahazoana antoka ny fandresena nampanantenaina vokatry ny fitozoana.

2593.Mifanaraka amin’ny firotsahana mialoha ataon’ilay Andriamanitra velona ho amin’ny famonjena ny vahoaka ny fivavahan’i Môizy. Manambara mialoha ny vavaka fitalahoan’i Kristy Jesoa hany mpanalalana izany.

2594. Ny fivavahan’ny Vahoakan’Andriamanitra dia nivelatra teo ambany fialofan’ny fonenan’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny fiaran’ny fanekena sy ny Tempoly, sy teo ambany fitarihan’ireo mpiandry ondry, indrindra i Davida mpanjaka sy ireo mpaminany.

2595.Miantso ho amin’ny fibebahan’ny fo ireo mpaminany, ary amin’ny fitadiavana amin-kafanam-po ny endrik’Andriamanitra, tahaka ny nataon’i Elia, no italahoan’izy ireo ho an’ny vahoaka.

2596.Ny Salamo no sangan’asan’ny fivavahana ao amin’ny Testamenta Taloha. Misy zava-droa loha tsy azo sarahina mandrafitra azy ireny : an’olon-drery sy iombonana. Manenika ny ambaiday manontolo ny tantara ny Salamo, amin’ny fankalazana ny fahatsiarovana ny fampanantenan’Andriamanitra efa tanteraka sy amin’ny fanantenana ny fahatongavan’ny Mesia.

2597. Ny salamo, noho izy atao vavaka sy tanterahina ao amin’i Kristy, dia singafototra tena ilaina sy maharitra iankinan’ny fivavahan’ny Fiangonany. Natao ho sahaza ny sarangan’olona rehetra sy amin’ny fotoana rehetra izy ireny.

 

 

ANDALANA 2

Ao amin’ny hafenoan’ny fotoana

2598.Ny fitaintainana amin’ny fivavahana no nabaribary manontolo amintsika tao amin’ny Teny izay tonga nofo sy niara-monina amintsika. Ny miezaka hahatakatra an-tsaina ny fivavahany, amin’ny alalan’izay ambaran’ireo vavolombelony antsika ao amin’ny Evanjely, dia mampanantona antsika an’i Jesoa Tompo Masina ho toy ilay Kirihitra nirehitra : voalohany, mibanjina ny Tenany eo am-pivavahana ; manaraka izany mihaino hoe ahoana ny fomba ampianarany antsika mivavaka; ary farany, mba hahalalana hoe ahoana no anekeny ny fivavahantsika.

Mivavaka i Jesoa 

2599. Nianatra nivavaka araka ny fony maha-olombelona Azy ny Zanak’ Andriamanitra nanjary Zanak’ilay Virjiny. Tamin-dreniny izay nitahiry sy nandinika tao am-pony ny “zava-dehibe” rehetra nataon’ilay Mahefa ny zavatra rehetra no nianarany ny rijan-teny momba ny fivavahana[52]. Tamin’ny teny sy ny fiverimberina ara-potoana ny fivavahan’ny vahoakany no nianarany izany, tao amin’ny sinagôgan’i Nazareta sy tao an-Tempoly. Kanefa, nipoitra avy amin’ny loharano miafina hafa noho izany ny fivavahany, tahaka izay nambarany an-tsindrimandry teo amin’ny faharoa ambin’ny folo taonany, hoe : “Tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho” (Lk 2,49). Eto no manomboka miseho ny zava-baovao momba ny fivavahana ao anatin’ny hafenoan’ny fotoana : ny vavaka maha-zanaka izay nandrasan’ny Ray avy amin’ny zanany no indro tamin’ny farany fa niainan’ny Tenan’ny Zanany Lahitokana mihitsy tao amin’ny maha-olombelona Azy, miaraka amin’ny olombelona sy ho an’ny olombelona.

2600. Ny Evanjely araka an’i Md Lioka dia manantitrantitra ny asan’ny Fanahy Masina sy ny hevitra raketin’ny fivavahana teo amin’ny raharaham-pamonjen’i Kristy. Nivavaka i Jesoa talohan’ireo fotoan-dehibe nanamarika ny fanirahana Azy : talohan’ny nampisehoan’ny Ray Azy tamin’ny Bateminy[53] sy ny Fiovàn-tarehiny[54], ary talohan’ny hanatanterahana tamin’ny alalan’ny fijaliany ny fandaharam-pitiavan’ny Ray[55]. Nivavaka koa Izy talohan’ireo fotoana raikitra izay hanombohana ny fanirahana ny apôstôliny : talohan’ny nifidianana sy ny niantsoana ny Roa ambin’ny folo[56], talohan’ny nieken’i Piera Azy ampahibemaso ho “Kristin’Andriamanitra”[57] sy mba tsy hangozohozo ao anatin’ny fakam-panahy ny finoan’ity filohan’ny apôstôly[58]. Ny vavak’i Jesoa talohan’ilay zava-dehibe niseho momba ny famonjena izay nangatahin’ny Ray Taminy hotanterahina, dia fanolorana amim-panetren-tena sy amim-pitokiana ny sitrapony maha-olombelona Azy, amin’ny sitrapo be fitiavan’ny Ray.  

2601. “Indray andro, nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray i Jesoa. Nony nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray Taminy : Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay” (Lk 11,1). Moa ve tsy tamin’ny fibanjinana ny Mpampianany nivavaka aloha, no nahatonga ny mpianatr’i Kristy haniry hivavaka ? Koa noho izany, afaka mianatra vavaka amin’ilay Mpampianatra izany izy. Amin’ny fibanjinana sy amin’ny fihainoana ny Zanaka izany, no ianaran’ny zanaka mivavaka amin’ny Ray.  

2602. Matetika i Jesoa no nihataka tany amin’ny toera-mangina, tany an-tendrombohitra, indrindra indrindra tamin’ny alina, mba hivavaka[59]. Nitondra ny olombelona tamin’ny fivavahany Izy, satria Izy rahateo moa dia nizaka tao Aminy ny maha-olombelona tamin’ny Fahatongavany ho nofo, ary nanolotra azy ireo tamin’ny Ray, tamin’ny Nanolorany ny Tenany ihany. Izy, ilay Teny “tonga nofo”, no mandray anjara ao amin’ny vavaka maha-olombelona Azy amin’izay rehetra iainan’ny rahalahiny[60] ; miombona alahelo amin’ny fahalemen’izy ireo Izy mba hanafaka azy ireo amin’izany[61]. Ho amin’izany no nanirahan’ny Ray Azy. Koa noho izany, ny teniny sy ny tsanganasany dia manjary fanehoana hita maso ny fivavahany “tao amin’ny miafina”. 

2603.Vavaka anankiroa miharihary tokoa, avy amin’i Kristy, nandritra ny raharaham-pamonjeny, no notanan’ireo mpanoratra ny evanjely. Ary samy manomboka amin’ny fisaorana avokoa izy ireo. Ao amin’ilay voalohany[62], manambara ampahibemaso ny Ray i Jesoa, mankasitraka Azy ary misaotra Azy noho Izy nanafina ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra tamin’ireo izay mihevi-tena ho manam-pahaizana sy nanambara izany tamin’ny “zaza madinika” (ny mahantra araka ny voalaza ao amin’ny hasambarana). Ny fientanan-kafaliany hoe: “Eny, Ray ô!” dia maneho ny aty fony, ny firaiketany amin’ny “sitraky” ny Ray, akon’ilay teny hoe “Aoka anie ho tanteraka amiko” (“Fiat”) nolazain’ny Reniny fony Izy notorontoronina, sy fambara an’ilay izay holazainy amin’ny Ray mandritra ny fiadiany aina. Ny vavak’i Jesoa manontolo dia io firaiketam-pitiavan’ny fony maha-olombelona Azy amin’ny “misterin’ny sitrapon’ ” ny Ray io[63]

2604. Ny vavaka faharoa no notaterin’i Md Joany[64] talohan’ny fananganana an’i Lazara ho velona. Mialoha ny zava-miseho ny fisaorana : “Misaotra Anao Aho, Raiko, satria efa nihaino Ahy Ianao”, izay midika hoe : mihaino lalandava ny fangatahany ny Ray ; teo no eo dia nampian’i Jesoa hoe : “Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao”, izay midika hoe : raha ny amin’i Jesoa, dia mangataka lalandava Izy. Amin’izany, ny vavak’i Jesoa izay ny fisaorana no mitondra azy, dia manambara amintsika hoe : ahoana no fomba fangataka : alohan’ny hanomezana ny fanomezana, mifantoka amin’Ilay izay manome sy manolo-tena ao amin’ny fanomezany i Jesoa. Ny Mpanome no sarobidy kokoa noho ny fanomezana omena. Izy no “Harena sarobidy”, ary ao Aminy no misy ny fon’ny Zanany ; ny fanomezana dia omena “ho fanampiny”[65]

Ny vavaka “maha-mpisorona” an’i Jesoa[66] dia mitana toerana tsy manam-paharoa eo amin’ny fitantanam-pamonjena. Hosaintsainina ny amin’io amin’ny famaranana ny sampana voalohany. Koa noho izany, io vavaka “maha-mpisorona” io no manambara ny vavaka tsy miova mandraka ankehitriny ataon’ny Mpisorom-bentsika, ary koa misy izay ampianariny antsika amin’ny vavaka ataontsika amin’ny Raintsika izay hovelabelarina ao amin’ny sampana faharoa. 

2605.Rahefa tonga ny Ora izay nanatanterahan’i Jesoa ny fandaharam-pitiavan’ny Ray, dia navelany ho azoazo vinany ny halalina tsy taka-polopolorin’ny fivavahan-janaka nataony, tsy talohan’ny nanolorany tena an-kalalahana fotsiny (“Aba... tsy sitrapoko, fa ny Anao” : Lk 22,42), fa hatramin’ny teniny farany teo amin’ny Hazofijaliana, izay teo no naha-iray ihany ny hoe mivavaka sy manolo-tena : “Raiko, avelao ny helok’izy ireo, fa tsy fantatr’izy ireo izay ataony” (Lk 23,34) ; “Lazaiko marina aminao, fa anio dia hihaona Amiko any am-paradisa ianao” (Lk 23,43) ; “Ravehivavy, indro ny zanakao (...). Indro ny reninao” (Jo 19,26-27) ; “Mangetaheta Aho!” (Jo 19,28) ; “Ry Andriamanitro ô! Nahoana no dia nilaozanao Aho ?” (Mk 15,34)[67] ; “Tontosa ny zavatra rehetra” (Jo 19,30) ; “Raiko, apetrako eo an-tananao ny fanahiko” (Lk 23,46), hatramin’ilay “antso mafy” nialany aina tamin’ny nanolorany ny fanahiny[68]

2606. Ny fahoriana rehetra manjo ny olombelona amin’ny fotoana rehetra, izay andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy ny fangatahana rehetra mbamin’ ny fanelanelanana rehetra teo amin’ny tantaram-pamonjena, dia voangona ao amin’io Antson’ny Teny tonga nofo io. Indro fa ny Ray no mandray azy ireny ary, ankoatra ny fanantenana rehetra, nankato azy ireny tamin’ny nananganana ny Zanany ho velona. Tamin’izany no nanatanterahana sy nahataperan’ny fijaliana amin’ny vavaka teo amin’ny fitantanam-pahariana sy famonjena. Manolotra antsika ny fanalahidy ao amin’i Kristy ny amin’ izany ny amboaran-tSalamo. Ao amin’ny Ankehitrinin’ny Fitsanganan-ko velona no ilazan’ny Ray hoe : “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany. Mangataha, dia homeko Anao ny firenena mba ho lova, ny vazan-tany efatra mba ho fananana!” (Sal 2,7-8)[69].

Ny Taratasy ho an’ny Hebrio dia manambara amin’ny fiteny manaitra ny saina ny amin’ny hoe : ahoana ny vavak’i Jesoa no tonga fandresem-pamonjena : “Ilay izay tamin’ny andron’ny nofony, nanolotra fivavahana sy fifonana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay izay namonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza ; ary nony tonga tamin’ny fanaperana Izy, dia nanjary fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy” (Heb 5,7-9).

Mampianatra mivavaka i Jesoa

2607.Rahefa nivavaka i Jesoa, dia nampianatra antsika sahady hivavaka Izy. Ny lalana avy amin’Andriamanitra momba ny fivavahantsika dia fivavahany tamin’ny Rainy. Kanefa ny Evanjely dia manolotra antsika fampianarana mazava avy amin’i Jesoa momba ny fivavahana. Amin’ny maha-Mpampianatra kinga Azy dia raisiny eo amin’izay misy antsika isika, ary tarihiny tsikelikely mankany amin’ny Ray. Tamin’i Jesoa nampianatra mivantana an’ireo vahoaka nanaraka Azy, dia niainga avy amin’izay efa fantatr’izy ireo momba ny fivavahana araka ny Fanekem-pihavanana Taloha Izy, sy nampiditra azy ireo ho amin’ny zava-baovao ny Fanjakan’ny lanitra izay tonga. Manaraka izany, nambarany tamin’izy ireo tamim-panoharana izany zava-baovao izany. Farany, hiteny an-karihary ny momba ny Ray sy ny Fanahy Masina Izy, amin’ireo mpianany izay tokony hanjary ho mpampianatra fivavahana ao amin’ny Fiangonany.

2608.Nanomboka tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra, nanantitrantitra ny amin’ny fibebahan’ny fo i Jesoa : ny famitranam-pihavanana amin’ny mpiray tam-po ara-pinoana alohan’ny hanolorana fanatitra eo amin’ny ôtely[70], ny fitiavana ny fahavalo sy ny vavaka ho an’ny mpanenjika[71], ny mivavaka amin’ny Ray “ao amin’ny mangingina” (Mt 6,6), ny tsy mamerimberina teny maro[72], ny mamela ny hadisoan’ny olona amin’ny fo tokoa amin’ny fivavahana atao[73], ny fahadiovam-po sy ny fikatsahana ny Fanjakan’ny Lanitra[74]. Izany fibebahana izany dia mifantoka manontolo any amin’ny Ray, ary fibebahana amin’ny maha-zanaka.

2609. Ny fo, tapa-kevitra hibebaka araka izany, dia mianatra mivavaka ao amin’ny finoana. Firaiketan-janaka amin’Andriamanitra ny finoana, mihoatra noho izay tsapantsika sy takatry ny saintsika. Manjary azo atao izany satria ny Zanaka malala no manokatra ho antsika ny fidirana eo akaikin’ny Ray. Afaka mangataka antsika Izy “hitady” sy “handondòna”, satria Izy Tenany mihitsy no varavarana sy lalana[75].

2610. Tahaka ny nivavahan’i Jesoa tamin’ny Ray sy nisaorany talohan’ny nandraisany ny fanomezany, no ampianarany antsika izao fahasahian-janaka izao : “Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa efa azonareo izany” (Mk 11,24). Toy izao no herin’ny fivavahana : “Tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino” (Mk 9,22), amin’ny finoana  izay tsy misalasala[76]. Raha nalahelo i Jesoa noho ny “tsy fahampian’ny finoan’ ” ireo havany (Mk 6,6) sy ny “hakelin’ny finoan’ ” ireo mpianany[77], nitolagaga kosa Izy teo anoloan’ny “finoana lehibe” nananan’ilay kapiteny rômanina[78] sy ilay vehivavy Kananeanina[79].

2611. Ny fivavahana amim-pinoana dia tsy ny fitenenana fotsiny hoe : “Tompo, Tompo”, fa ny mampifanaraka ny fo hanao ny sitrapon’ny Ray[80]. Izany fiahiana hiara-miasa amin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, no iantsoan’ i Jesoa ireo mpianany hitondra izany am-bavaka[81].

2612. Ao amin’i Jesoa, dia “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mk 1,15),  miantso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana Izy, nefa koa amin’ny fiambenana. Amin’ny fivavahana ny mpianatra no miandry amim-pitandremana an’Ilay izay Eo sy Ho avy, ao anatin’ny fahatsiarovana ny Fahatongavany voalohany tao anatin’ny fanetren-tenan’ny nofo, sy amin’ny fanantenana ny Fiaviany indray amim-Boninahitra[82]. Amin’ny fiombonana amin’ny Mpampianatr’izy ireo, ny fivavahan’ny mpianatra dia ady, ary amin’ny fiaretan-tory amin’ny fivavahana no tsy mahalatsaka amin’ny fakam-panahy[83].

2613. Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika :

Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina”[84], mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny Ray any an-danitra no “hanome izay rehetra ilainy”, ary indrindra ny Fanahy Masina izay mirakitra ny fanomezana rehetra.

Ny faharoa, “ ilay vehivavy mananotena manelingelina”[85], dia mifantoka amin’ny iray amin’ireo toetra ilaina amin’ny fivavahana : tsy maintsy mivavaka lalandava tsy sasatra ombàn’ny faharetana amin’ny finoana. “Kanefa ny Zanak’olona, rahefa hiverina, moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany va Izy ?”

Ny fanoharana fahatelo, “ilay Farisianina sy ilay poblikanina”[86], mikasika ny fanetren-tenan’ny fo izay mivavaka. “Andriamanitro ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.” Tsy mitsahatra ny Fiangonana manao io vavaka io ho an’ny Tenany : “Kyrie eleison ! ” ( Tompo ô, mamindrà fo aminay!).

2614. Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny maha-Olombelona enim-boninahitra Azy. Ny zava-baovao amin’ izany ankehitriny dia ny mangataka amin’ny anarany[87]. Ny finoana Azy no mampiditra ny mpianatra amin’ny fahalalana ny Ray, satria i Jesoa no “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14,6). Amin’ny fitiavana no mamokatra ny finoana : mitandrina ny Teniny, ny didiny, mitoetra miaraka Aminy ao amin’ny Ray izay tia antsika ao Aminy hatramin’Izy monina ao amintsika. Ao amin’ity Fanekem-pihavanana Vaovao ity, ny fitokiana marimarina fa ho ekena ny fangatahantsika dia miorina amin’ny vavak’i Jesoa[88].

2615. Fa indrindra, “ilay Mpanafaka alahelo hafa, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay” (Jo 14,16-17) no omen’ny Ray antsika, rahefa miray amin’ny vavak’i Jesoa ny fivavahantsika. Io zava-baovao amin’ny fivavahana sy ny fepetra mikasika izany io dia hita nandritra ny lahateny Fanaovam-beloma[89]. Ao amin’ny Fanahy Masina, ny fivavahana kristianina dia fiombonam-pitiavana amin’ny Ray, tsy amin’ny alalan’i Kristy ihany, fa koa ao Aminy : “Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo. Mangataha dia hahazo ianareo, ka ho tanteraka ny hafalianareo” (Jo 16,24).

Mihaino vavaka i Jesoa

2616. Ny fivavahana amin’i Jesoa dia efa nohenoiny nandritra ny raharaham-pamonjeny, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay naneho mialoha ny herin’ ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona : I Jesoa dia mihaino ny vavaka atao amim-pinoana, ambara amin’ny teny ( ilay boka[90]; i Jaira[91]; ilay vehivavy kananeanina[92]; ilay jiolahy nivalo[93]) na amim-pahanginana (ireo mpilanja an’ilay malemy[94]; ilay vehivavy nitsi-dra izay nikasika ny fitafiany[95]; ny ranomaso sy ny ranomanitr’ilay vehivavy mpanota[96]). Ny fangatahana manery dia manery nataon’ireo jamba hoe : “Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô !” (Mt 9,27), na hoe : “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko” (Mk 10,47), dia averina ao amin’ny lovam-panahy momba ny Fivavahana  amin’i Jesoa hoe : “Ry Jesoa, Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Tompo ô, mamindrà fo amiko mpanota !”. I Jesoa, amin’ny fanasitranana ny aretina na ny famelana ny fahotana, dia mamaly lalandava ny vavak’izay mitalaho Aminy amim-pinoana hoe : “Mandehana amim-piadanana, ny finoanao no nahavonjy anao!”.

Fintinin’i Md Augustin amin’ny fomba mampitolagaga ireo lafiny telo amin’ny vavak’i Jesoa : “Mivavaka ho antsika Izy amin’ny maha-mpisorontsika Azy, mivavaka ao amintsika izy amin’ny maha-Lohantsika Azy, ivavahantsika Izy amin’ny maha-Andriamanitsika Azy. Fantarontsika àry izany fa ao Aminy ny feontsika, ary ao amintsika ny feony”[97].

Ny vavak’i Maria Virjiny 

2617. Ny vavak’i Maria dia nambara tamintsika teo am-piandohan’ny hafenoan’ ny fotoana. Talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy talohan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fivavahany no niara-niasa tamin’ny fomba tokana aman-tany tamin’ny fandaharana feno fitiavan’ny Ray, tamin’ny andron’ny Filazana fa hotorontoronina i Kristy[98], tamin’ny andron’ny Pantekôty ho fanorenana ny Fiangonana, Vatan’i Kristy[99]. Tamin’ny finoan’ilay ankizivaviny manetry tena no nahitan’ny Fanomezan’ Andriamanitra ny fandraisana izany izay nandrasany hatramin’ny fanombohan’ny fotoana. Ilay izay nataon’ilay Mahefa ho tonga “feno hasoavana” dia namaly tamin’ny alalan’ny fanolorany ny tenany manontolo hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao”. Ny “Fiat (Aoka anie ho tanteraka)” dia vavaka kristianina: ho an’ny Tompo manontolo, satria ny Tompo no manontolo amintsika.

2618. Ny Evanjely dia manambara amintsika ny fomba fivavak’i Maria sy fanelanelanany amim-pinoana : tao Kanà[100], niangavy tamin-Janany ny Renin’i Jesoa ho an’ny zavatra ilaina tao amin’ny sakafon’ny fampakaram-bady iray, famantarana ny Sakafo iray hafa, dia ny an’ny fampakaram-badin’ny Zanak’Ondry amin’ny fanolorany ny Vatany sy ny Rany araka ny fangatahan’ny Fiangonana Vadiny. Ary tamin’ny oran’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, teo am-pototry ny Hazofijaliana[101], no nanekena an’i Maria ilay Vehivavy, ilay Eva vaovao, tena “Renin’ny velona” tokoa.

2619.Izany no mahatonga ny tonon-kiran’i Maria[102], “Magnificat”(Mankalaza ny Tompo ny fanahiko) amin’ny teny latinina, “Mégalinaire” amin’ny teny bizantinina, ho sady tonon-kiran’ny Renin’Andriamanitra no tonon-kiran’ny Fiangonana, sady tonon-kiran’ny Zanakavavin’i Siôna no tonon-kiran’ny Vahoaka vaovao an’Andriamanitra, tonon-kira fisaorana noho ny hafenoan’ ny fahasoavana narotsaka tao amin’ny fitantanam-pamonjena, tonon-kiran’ ny “mahantra” ka ny fanantenana dia feno tamin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’ireo razantsika “ho an’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay alaovalo”.

 

FAMINTINANA

2620. Ny môdely lavorary amin’ny fivavahana, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia miorina amin’ny vavaka maha-zanaka an’i Jesoa. Ny vavak’i Jesoa, natao matetika tany amin’ny toerana mitokana, tany amin’ny toerana mangina, dia manambara firaiketam-po feno fitiavana amin’ny sitrapon’ny Ray hatrany amin’ny Hazofijaliana sy fitokiana tanteraka fa hoekena.

2621.Tamin’ny fampianarany i Jesoa no nampianatra ny mpianany hivavaka amim-po voadio, amim-pinoana velona sy maharitra, amim-pahasahian-janaka. Miantso azy ireo hiambina Izy ary mandrisika azy ireo hanolotra amin’Andriamanitra ny fangatahan’izy ireo amin’ny anarany. I Jesoa-Kristy rahateo koa dia manaiky ny vavaka izay atao Aminy mivantana.

2622. Ny vavak’i Maria Virjiny, ao amin’ny Aoka anie ho tanteraka amiko (Fiat) sy ao amin’ny “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko” (Magnificat) dia misongadina amin’ny fanolorana amin-kalalahana ny tenany manontolo tamim-pinoana.

 

ANDALANA 3

Amin’ny andron’ny Fiangonana

2623.Tamin’ny andro Pantekôty, ny Fanahin’ny fampanantenana dia nirotsaka tamin’ny mpianatra, “nivory tao amin’ny toerana iray” (Asa 2,1), ka teo am-piandrasana Azy, “dia niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka” (Asa 1,14). Ny Fanahy, izay mampianatra ny Fiangonana sy mampahatsiaro azy izay rehetra nolazain’i Jesoa[103], no hamolavola azy koa amin’ny fiainam-bavaka.

2624. Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, tsy nivadika tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny fizarana ny mofo ary tamin’ny vavaka” (Asa 2,42) ny mpino. Mampiavaka ny fivavahan’ny Fiangonana ny fitohitohizany : noho ny fivavahan’ny Fiangonana miorina amin’ny finoan’ny apôstôly sy amarinin’ny fitiava-namana, dia mitombo hery ao amin’ny Eokaristia.

2625.Ny fivavahan’ny Fiangonana aloha dia ireo izay henoin’ny mpino sy vakìny ao amin’ny Soratra Masina, kanefa ampihariny amin’ny fiainana ankehitriny ireny, singanina manokana ny vavaka Salamo, izay manomboka amin’ny fahatanterahan’izy ireny ao amin’i Kristy[104]. Ny Fanahy Masina, izay mampahatsiahy tahaka izany ny momba an’i Kristy amin’ny Fiangonany mivavaka, dia mitarika azy koa amin’ny Fahamarinana tanteraka sy mahatonga rijan-teny vaovao izay haneho ny misterin’i Kristy tsy taka-polopolorina amin’ny tsanganasa eo amin’ny fiainana, eo amin’ireo sakramenta ary eo amin’ny fanirahana ny Fiangonany. Hitombo hatrany ireny rijan-teny ireny ao amin’ny lovam-pampianarana lehibe ara-litorzia sy ara-pivavahana. Ireo endriky ny fivavahana, tahaka ireo izay nasehon’ny Soratra avy amin’ny apôstôly ara-pitsipika, dia hijanona ho fitsipiky ny fivavahana kristianina.

I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana

2626. Ny fisaorana dia maneho ny fihetsiky ny halalin’ny fivavahana kristianina: izy no fihaonan’Andriamanitra sy ny olombelona ; ao aminy ny Fanomezan’Andriamanitra sy ny fandraisan’ny olombelona no mifampiantso sy miray. Ny vavaka fisaorana no valy ataon’ny olombelona amin’ny fanomezan’Andriamanitra : satria mitsodrano Andriamanitra, ka ho valin’ izany, afaka misaotra an’Ilay izay loharanon’ny tsodrano rehetra ny fon’ny olombelona.

2627. Endrika fototra anankiroa no maneho izany fihetsika izany : indraindray amin’ny endrika miakatra, entin’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’i Kristy, mankany amin’ny Ray (misaotra Azy isika noho ny nitsofany rano antsika[105]); indraindray amin’ny endrika mitalaho ny fahasoavan’ny Fanahy Masina izay, amin’ny alalan’i Kristy, mirotsaka avy ao amin’ny Ray (Izy no mitsodrano antsika[106]).

2628.Ny fitsaohana dia fihetsika voalohany ataon’ny olombelona izay miaiky ho zavaboary eo anatrehan’ny Mpahary azy. Ny fitsaohana no midera ny halehiben’ny Tompo izay nanao antsika[107] sy ny maha-Mahefa ny zava-drehetra ny Mpamonjy izay manafaka antsika amin’ny ratsy. Ny fitsaohana no fiankohofan’ny fanahy eo anatrehan’ilay “Mpanjakan’ny voninahitra” (Sal 24,9-10) sy fanginana feno fanajana eo anatrehan’Andriamanitra “lehibe lalandava”[108]. Ny fitsaohana an’Andriamanitra masina indrindra sy mahatehotia fatratra tokoa dia mahatonga fanetren-tena sy mampahazo antoka ny fitalahoantsika.

II. Ny vavaka fangatahana

2629.Betsaka ny fahasamy hafa kely ny voambolana momba ny fitalahoana, ao amin’ny Testamenta Vaovao : mangataka, mitalaho, manao lemozy, miantso, mikiaka, mitaraina, ary mitolona mihitsy amin’ny vavaka[109]. Kanefa ny endriny mahazatra indrindra, satria mipoitra ho azy tokoa avy ao am-po, dia ny fangatahana. Amin’ny alalan’ny vavaka fangatahana no ampisehoantsika ny kônsiansin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra : amin’ny maha-zavaboary, tsy isika no niandohantsika, na tompon’ny fahoriana, na tanjom-piafarantsika, nefa koa, amin’ny maha-mpanota, fantantsika, noho isika kristianina, fa mihodina amin’ny Ray isika. Efa fiverenana Aminy ny fangatahana.

2630.Tsy dia betsaka vavaka fitarainana mafy ao amin’ny Testamenta Vaovao, kanefa hita matetika kosa ao amin’ny Testamenta Taloha. Manomboka ao amin’i Kristy nitsangan-ko velona ny fangatahan’ny Fiangonana no entin’ny fanantenana, na mbola eo am-piandrasana aza isika, mba hahazoantsika isan’andro ny tokony hibebahantsika. Avy any amin’ny halalina hafa izany no ipoiran’ny fangatahana kristianina, ilay antsoin’i Md Paoly hoe : fitarainana : toy ny “mihetsi-jaza” (Rôm 8,22) ny an’ny zavaboary, ary toy izany koa ny antsika “eo ampiandrasana ny fanavotana ny tenantsika, satria ny famonjena antsika no fototry ny fanantenana” (Rôm 8,23-24), ary farany, “ny fitarainana tsy hay lazaina” avy amin’ny Fanahy Masina ihany koa no “hanohana ny fahalementsika, satria na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26).

2631.Ny fangataham-pamelana no fihetsika voalohany amin’ny vavaka fangatahana (jereo ilay poblikanina : “Mamindrà fo amiko fa mpanota aho”, Lk 18,13). Izy no mialoha amin’ny vavaka marina sy madio tsy misy fahony. Ny fanetren-tena ombam-pitokiana no mamerina antsika ao amin’ny fahazavan’ny fiombonana amin’ny Ray sy i Jesoa-Kristy Zanany, ary amintsika samy isika[110] : koa, “na inona na inona angatahintsika Aminy dia ho azontsika avy Aminy izany” (1 Jo 3,22). Ny fangataham-pamelana no atao voalohany amin’ny litorzia eokaristika, ho toy ny vavaka irery. 

2632.Ny fangatahana kristianina dia miompana amin’ny faniriana sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra izay ho tonga, araka ny fampianaran’i Jesoa[111]. Misy ambaratonga amin’ireo fangatahana : voalohany, ny Fanjakan’Andriamanitra, manaraka izany, izay ilaina mba handraisana azy sy mba hiarahana miasa amin’ny fahatongavany. Izany fiaraha-miasa amin’ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina izany, izay fanirahana ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, no fototry ny fivavahan’ny fiombonam-piangonana apôstôlika[112]. Ny vavak’i Paoly, ilay apôstôly ambony dia ambony, no mampiseho amintsika ny fomba tokony hanentanan’ny fiahian’Andriamanitra ny Fiangonana manontolo ny fivavahana kristianina[113] Ny vita batemy rehetra, amin’ny alalan’ny fivavahana, dia miasa avokoa ho amin’ny Fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. 

2633.Rahefa mandray anjara toy izany amin’ny fitiavana mahavonjy avy amin’ Andriamanitra, dia mahazo an-tsaina fa ny filana rehetra dia mety hanjary fototry ny fangatahana. I Kristy izay nizaka tao Aminy ny zavatra rehetra mba hanavotana ny zavatra rehetra no omem-boninahitra amin’ny alalan’ny fangatahana izay atolotsika ny Ray amin’ny Anarany[114]. Amin’izany fahazoan-toky izany no amporisihan’i Jakôba[115] sy Paoly antsika hivavaka amin’ny fotoana rehetra[116].

III. Ny vavaka fitalahoana

2634.Ny fitalahoana dia vavaka fangatahana izay mahatonga ny fivavahantsika hitovy akaiky amin’ny vavak’i Jesoa. Izy no Mpanalalana tokana eo akaikin’ ny Ray mba ho an’ny olombelona rehetra, singanina manokana ny mpanota[117]. Izy no afaka “mahavonjy tanteraka an’ireo izay manatona an’Andriamanitra amin’ny Alalany, satria velona lalandava hanao fifonana ho azy ireo” (Heb 7,25). Ny Fanahy Masina ihany koa dia “mangataka ho antsika (...) ary mifanaraka amin’ny hevitr’Andriamanitra ny fitalahoany ho an’ny olomasina” (Rôm 8,26-27).

2635. Ny mitalaho, ny mangataka ho an’ny hafa, nanomboka tamin’i Abrahama, dia toetran’ny fo manokana mifanaraka amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra. Ao anatin’ny fotoanan’ny Fiangonana, ny fitalahoana kristianina dia mandray anjara amin’ny an’i Kristy : fitalahoana maneho ny fiombonan’ny olomasina. Amin’ny fitalahoana, ilay izay mivavaka dia “tsy mitady ny tombon-tsoa manokana ho an’ny tenany, fa mihevitra kokoa ny an’ny hafa” (Filip 2,4), hatramin’ny mivavaka ho an’ireo izay manisy ratsy azy[118].

2636. Niaina fatratra izany endrika fifampizàrana izany ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany[119]. Nampandray anjara azy ireo toy izany i Paoly apôstôly tamin’ny andraiki-panompoany ny Evanjely[120], nefa mitalaho koa ho azy ireo izy[121]. Ny fitalahoana kristianina dia tsy misy fetrany manasaraka : “ho an’ny olombelona rehetra, ho an’izay rehetra nametrahana fahefana” (1 Tim 2,1), ho an’ireo manenjika[122], ho famonjena ireo izay manohitra ny Evanjely[123].

IV. Ny vavaka fisaorana

2637.Ny fisaorana no mamaritra mazava ny vavaky ny Fiangonana, izay mampiseho sy mahatonga bebe kokoa ny maha-izy azy, amin’ny fankalazana ny Eokaristia. Satria, i Kristy, amin’ny tsanganasam-pamonjena, no manafaka ny zavaboary amin’ny fahotana sy amin’ny fahafatesana, ka sady manamasina no mamerina izany indray amin’ny Ray, mba ho Voninahiny. Ny fisaoran’ny rantsambatan’ny Vatana dia mandray anjara amin’ny an’ny Filohan’izy ireo.

2638.Toy ny amin’ny vavaka fangatahana, mety hanjary fanati-pisaorana avokoa ny zava-miseho rehetra sy ny filana rehetra. Manomboka sy mifarana matetika amin’ny fisaorana ny taratasin’i Md Paoly, ary ao amin’izany lalandava i Jesoa Tompo. “Amin’ny zavatra rehetra, aoka ianareo hisaotra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra hataonareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa” (1 Tes 5,18). “Aoka ianareo hazoto amin’ny fivavahana ; aoka ho hataonareo amim-piambenana ao anatin’ny fisaorana izany” (Kôl 4,2).

V. Ny vavaka fiderana

2639.Ny fiderana no endri-bavaka izay manaiky eo no eo mivantana fa Andriamanitra no Andriamanitra. Mihira Azy ho an’ny Tenany ihany ny fiderana, manome voninahitra Azy, any ambadik’izay ataon’Izy Andria-manitra, satria IZY NO IZY. Ny fiderana no mandray anjara amin’ny hasambaran’ny fo madio izay tia Azy amin’ny finoana, alohan’ny mahita Azy amin’ny Voninahitra. Amin’ny alalan’izany, mikambana amin’ny fanahintsika ny Fanahy mba haneho fa zanak’Andriamanitra isika[124], izy no manambara ny Zanaka Lahitokana, izay ao Aminy isika no atsangana ho zanaka, ary amin’ny alalany isika no manome voninahitra ny Ray. Ny fiderana no mampiditra manontolo ny endri-bavaka hafa rehetra sy mitondra azy ireny any amin’Ilay izay fototra iandohana sy fiafarana amin’izany : “Iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary natao ho Azy isika” (1 Kôr 8,6).

2640. Nolazain’i Md Lioka matetika ao amin’ny Evanjeliny ny figagana sy ny fiderana manoloana ny zava-mahagaga nataon’i Kristy, ary nomarihiny koa  ao amin’ny Asan’ny apôstôly fa asan’ny Fanahy Masina ireny : ny ankohonam-piangonana tao Jerosalema[125], ilay lehilahy malemy  tongotra nositranin’i Piera sy Joany[126], ny vahoaka be dia be izay nanome voninahitra an’Andriamanitra ny amin’izany[127], ny jentily tao Pisidia izay, “faly aok’izany, nankalaza ny Tenin’ny Tompo” (Asa 13,48).

2641. “Salamo sy hira aman-tonon-kira masina no ifampiresaho ; ihirao sy ankalazao amin’ny fonareo manontolo ny Tompo” (Efez 5,19)[128]. Tahaka ireo mpanoratry ny Testamenta Vaovao notsilovin’Andriamanitra, mamerina mamaky ny bokin-tSalamo ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany, amin’ny fihirana ao amin’izany ny misterin’i Kristy. Izy ireo dia namorona koa, tamin’ny zava-baovao nentin’ny Fanahy, antsa aman-tonon-kira miainga avy amin’ny Zava-miseho mahatalanjona izay notanterahin’Andriamanitra tao amin-Janany : ny Fahatongavany ho nofo, ny fahafatesany nandresy ny fahafatesana, ny Fitsanganany ho velona sy ny Fiakarany any an-danitra eo an-kavanan’ny Ray[129]. Avy amin’izany “zava-mahagagan’ ”ny fitantanam-pamonjena manontolo izany no isondrotan’ny tenim-boninahitra, ny fiderana an’Andriamanitra[130]

2642. Ny Fanambaràna “avy amin’izay tsy maintsy ho tonga ato ho ato”, ny Apôkalipsa, dia aseho amin’ny tonon-kiran’ny litorzian’ny lanitra[131], nefa koa amin’ny alalan’ny fitalahoan’ireo “vavolombelona” (martiry)[132]. Ny mpaminany sy ny olomasina, ireo rehetra izay novonoina tety an-tany noho ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa[133], vahoaka maro be, avy amin’ny fijaliana lehibe, izay nialoha antsika any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no mihira fiderana ny voninahitr’Ilay izay mipetraka eo amin’ny Seza fiandrianana sy ny Zanak’Ondry[134]. Amin’ny fiombonana amin’izy ireo, ny Fiangonana ety an-tany no mihira koa ireo tonon-kira ireo ao anatin’ny finoana sy ao anatin’ny fitsapan-toetra. Ny finoana, ao anatin’ny fangatahana sy ny fitalahoana, dia manantena ny tsy azo antenaina rehetra, sy misaotra ny Rain’ny fahazavana izay avy Aminy no irotsahan’ny fanomezana tsara rehetra[135]. Araka izany, fiderana madio tsy misy fahony ny finoana.

2643.Ny Eokaristia no mirakitra sy maneho ny endrika rehetra amin’ny vavaka : izy no “fanatitra madio tsy misy fahony ” ny Vatan’i Kristy manontolo ho voninahitry ny anarany[136] ;  izy no “ilay sorom-piderana”, araka ny lovam-pampianarana Tatsinanana sy Tandrefana.

 

FAMINTINANA

2644.Ny Fanahy Masina, izay mampianatra ny Fiangonana sy mampahatsiahy azy izay rehetra nolazain’i Jesoa, dia manabe azy koa amin’ny fiainam-bavaka, amin’ny famoahana fomba fiteny izay mihavao eo anivon’ny fomba fanao maharitra : tsodrano, fangatahana, fitalahoana, fisaorana ary fiderana.

2645.Satria Andriamanitra no mitsodrano ny fon’ny olombelona, dia afaka misaotra Azy izay loharanon’ny tsodrano rehetra koa ny fon’ny olombelona.

2646.Ny fototry ny vavaka fangatahana dia ny famelan-keloka sy ny fikatsahana ny Fanjakan’Andriamanitra, tahaka izany koa izay rehetra tena ilaina.

2647.Ny vavaka fitalahoana dia miompana amin’ny fangatahana ny soa ho an’ny hafa. Tsy misy fetrany manasaraka izany ary mipaka hatrany amin’ireo fahavalo.

2648.Ny hafaliana rehetra mbamin’ny fijaliana rehetra, ny zava-miseho rehetra mbamin’ny zavatra rehetra ilaina, dia azo anaovana fisaorana avokoa izay tokony hanenika ny fiainana manontolo, amin’ny fandraisana anjara amin’ ny fisaoran’i Kristy. Amin’ny zavatra rehetra, aoka ianareo hisaotra (1 Tes 5,18).

2649.Ny vavaka fiderana, tsy ikendrena tombon-tsoa ho an’ny tena avokoa, fa miantefa amin’Andriamanitra ; ihiràna Azy izany mba ho Azy, anomezana voninahitra Azy izany, mihoatra noho izay ataony, satria IZY NO IZY.

 
 
[1]. Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, ms. autob. C 25r.
[2]. Md Jean Damascène, f.o. 3,24.
[3]. jer. Lk 18,9-14.
[4]. jer. Md Augustin, serm. 56,6,9.
[5]Md Grégoire de Naz., or.25, SC 358,261.
[6]. jer. Md Augustin, quaest.64,4.
[7]. jer. Jo 7,37-39 ; Iz 12,3 ; 51,1.
[8]. jer. Jo 19,28 ; Zak 12,10 ; 13,1.
[9]. Md Grégoire de Naz., or. 16,9.
[10]. jer. Rôm 6,5.
[11]. jer. Efez 3,18-21.
[12]. jer. Sal 8,6.
[13]. jer. Sal 8,2.
[14]. jer. Asa 17,27.
[15]. jer. Heb 10,5-7.
[16]. jer. Jen 4,4.
[17]. jer. Jen 4,26.
[18]. jer. Jen 5,24.
[19]. jer. Jen 8,20-9,17.
[20]. jer. Jen 9,8-16.
[21]. jer. Jen 15,2-3.
[22]. jer. Jen 15,6.
[23]. jer. Jen 17,1-2.
[24]. jer. Jen 18,1-15 ; Lk 1,26-38.
[25]. jer. Jen 18,16-33.
[26]. jer. Rôm 8,32.
[27]. jer. Rôm 4,16-21.
[28]. jer. Jen 28,10-22.
[29]. jer. Jen 32,25-31; Lk 18,1-8.
[30]. jer. Eks 3,1-10.
[31]. jer. Eks 34,6.
[32]. jer. Eks 17,8-13.
[33]. jer. Fan 12,13-14.
[34]. jer. Eks 32,1-34,9.
[35]. jer. 1 Sam 1,9-18.
[36]. jer. 2 Sam 7,18-29.
[37]. jer. 1 Mpanj 8,10-61.
[38]. jer. Sal 24,6.
[39]. jer. 1 Mpanj 18,39.
[40]. jer. Jak 5,16-18.
[41]. jer. 1 Mpanj 17,7-24.
[42]. jer. 1 Mpanj 18,20-39.
[43]. jer. 1 Mpanj 19,1-14 ; Eks 33,19-23.
[44]. jer. Lk 9,30-35.
[45]. jer. 2 Kôr 4,6.
[46]. jer. Am 7,2.5 ; Iz 6,5.8.11 ; Jer 1,6 ; 15,15-18 ; 20,7-18.
[47]. jer. Esd 9,6-15 ; Neh 1,4-11 ; Jôn 2,3-10 ; Tob 3,11-16 ; Jod 9,2-14.
[48]. jer. IGLH 100-109.
[49]. FA 2.
[50]. Md Ambroise, Psal 1,9.
[51]. Md Jean Damascène, f.o.3.24.
[52]. jer. Lk 1,49 ; 2,19 ; 2,51.
[53]. jer. Lk 3,21.
[54]. jer. Lk 9,28.
[55]. jer. Lk 22,41-44.
[56]. jer. Lk 6,12.
[57]. jer. Lk 9,18-20.
[58]. jer. Lk 22,32.
[59]. jer. Mk 1,35 ; 6,46 ; Lk 5,16.
[60]. jer. Heb 2,12.
[61]. jer. Heb 2,15 ; 4,15.
[62]. jer. Mt 11,25-27 sy Lk 10,21-22.
[63]. jer. Efez 1,9.
[64]. jer. Jo 11,41-42.
[65]. jer. Mt 6,21.33.
[66]. jer. Jo 17.
[67]. jer. Sal 22,2.
[68]. jer. Mk 15,37 ; Jo 19,30.
[69]. jer. Asa 13,33.
[70]. jer. Mt 5,23-24.
[71]. jer. Mt 5,44-45.
[72]. jer. Mt 6,7.
[73]. jer. Mt 6,14-15.
[74]. jer. Mt 6,21.25.33.
[75]. jer. Mt 7,7-11.13-14.
[76]. jer. Mt 21,21.
[77]. jer. Mt 8,26.
[78]. jer. Mt 8,10.
[79]. jer. Mt 15,28.
[80]. jer. Mt 7,21.
[81]. jer. Mt 9,38 ; Lk 10,2 ; Jo 4,34.
[82]. jer. Mk 13 ; Lk 21,34-36.
[83]. jer. Lk 22,40.46.
[84]. jer. Lk 11,5-13.
[85]. jer. Lk 18,1-8.
[86]. jer. Lk 18,9-14.
[87]. jer. Jo 14,13.
[88]. jer. Jo 14,13-14.
[89]. jer. Jo 14,23-26; 15,7.16; 16,13-15.23-27.
[90]. jer. Mk 1,40-41.
[91]. jer. Mk 5,36.
[92]. jer. Mk 7,29.
[93]. jer. Lk 23,39-43.
[94]. jer. Mk 2,5.
[95]. jer. Mk 5,28.
[96]. jer. Lk 7,37-38.
[97]. Md Augustin in Sal 85,1 ; jer. IGLH 7.
[98]. jer. Lk 1,38.
[99]. jer. Asa 1,14.
[100]. jer. Jo 2,1-12
[101]. jer. Jo 19,25-27.
[102]. jer. Lk 1,46-55.
[103]. jer. Jo 14,26.
[104]. jer. Lk 24,27.44.
[105]. jer. Efez 1,3-14 ; 2 Kôr 1,3-7 ; 1 Pi 1,3-9.
[106]. jer. 2 Kôr 13,13 ; Rôm 15,5-6.13 ; Efez 6,23-24.
[107]. jer. Sal 95,1-6.
[108]. Md Augustin, Psal.62,16.
[109]. jer. Rôm 15,30 ; Kôl 4,12.
[110]. jer. 1 Jo 1,7-2,2.
[111]. jer. Mt 6,10.33 ; Lk 11,2.13.
[112]. jer. Asa 6,6 ; 13,3.
[113]. jer. Rôm 10,1 ; Efez 1,16-23 ; Filip 1,9-11 ; Kôl 1,3-6 ; 4,3-4.12.
[114]. jer. Jo 14,13.
[115]. jer. Jak 1,5-8.
[116]. jer. Efez 5,20 ; Filip 4,6-7 ; Kôl 3,16-17 ; 1 Tes 5,17-18.
[117]. jer. Rôm 8,34 ; 1 Jo 2,1 ; 1 Tim 2,5-8.
[118]. jer. Md Etiena teo am-pivavahana ho an’ireo izay manomo azy,tahaka an’i Jesoa : jer. Asa 7,60 ; Lk 23,28.34.
[119]. jer. Asa 12,5 ; 20,36 ; 21,5 ; 2 Kôr 9,14.
[120]. jer. Efez 6,18-20 ; Kôl 4,3-4 ; 1 Tes 5,25.
[121]. jer. 2 Tes 1,11 ; Kôl 1,3 ; Filip 1,3-4.
[122].jer. Rôm 12,14.
[123]. jer. Rôm 10,1.
[124]. jer. Rôm 8,16.
[125]. jer. Asa 2,47.
[126]. jer. Asa 3,9.
[127]. jer. Asa 4,21.
[128]. jer. Kôl 3,16.
[129]. jer. Filip 2,6-11 ; Kôl 1,15-20 ; Efez 5,14 ; 1 Tim 3,16 ; 6,15-16 ; 2 Tim 2,11-13.
[130]. jer. Efez 1,3-14 ; Rôm 16,25-27 ; Efez 3,20-21 ; Joda 24-25.
[131]. jer. Apôk 4,8-11; 5,9-14; 7,10-12.
[132]. jer. Apôk 6,10.
[133]. jer. Apôk 18,24.
[134]. jer. Apôk 19,1-8.
[135]. jer. Jak 1,17.
[136]. jer. Mal 1,11.
 

 

top