The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHATELO

Ny fiainam-bavaka

 

2697. Ny fivavahana no ain’ny fo vaovao. Afaka manentana antsika ny fivavahana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Nefa hadinontsika Ilay izay Fiainantsika sy Manontolontsika. Noho izany, ireo Ray am-panahy, ao amin’ny lovam-panahin’ny Deter˘n˘my sy ireo mpaminany, dia manamafy ny amin’ny fivavahana ho “fahatsiarovana an’ Andriamanitra”, famohazana matetitetika ny “fitadidian’ny fo” : “Ilaina ny mahatsiaro an’Andriamanitra matetitetika kokoa toy ny miaina”[1]. Kanefa tsy ho zatra hivavaka “lalandava” ny olona raha tsy mivavaka amin’ny fotoana sasantsasany, amin’ny finiavana hanao izany : ireny no fotoan-dehibe amin’ ny fivavahana kristianina, amin’ny hamafisana sy amin’ny faharetana.

2698.Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana dia manome hevitra ny mpino amin’ny fiverimberenan’ny vavaka natokana ho fanamafisana ny mivavaka lalandava. Fanao isan’andro ny sasany amin’ireny : ny vavaka maraina sy hariva, ny vavaka aloha sy aorian’ny sakafo, ny Vavaka Isan’Andro. Ny alahady, noho izy mifantoka amin’ny Eokaristia, dia hamasinina indrindra amin’ny alalan’ny vavaka. Ny fihodinan’ny taona litorzika sy ireo fety lehibe ao aminy no fiverimberenana ara-potoana lehibe indrindra eo amin’ny fiainam-bavaka kristianina.

2699.Tarihin’ny Tompo amin’ny lalana sy ny fomba izay sitraky ny Tenany ny olona tsirairay. Mamaly Azy koa ny mpino tsirairay araka ny famaritan’ny fony sy ny fanehoany manokana ny fivavahany. Ny Lovam-pampianarana kristianina anefa dia mitazona fanehoana telo lehibe ny fiainam-bavaka : ny vavaka am-bava, ny fandinihana masina, ny vavaka am-po. Ny soritra fototra iombonan’ireo dia ny fanombenan-tsaina amam-po. Izany fiambenana hitandrina ny Teny izany sy ny hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra izany no mahatonga ireo fanehoana telo ireo ho fotoan-dehibe amin’ny fiainam-bavaka.

 

ANDALANA 1

Ny fanehoam-bavaka

I. Ny vavaka am-bava

2700.Amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra no miteny amin’ny olombelona. Amin’ny alalan’ny teny izany, an-tsaina na am-bava, no iforonan’ny fivavahantsika. Kanefa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanatrehan’ny fo an’ Ilay izay iresahantsika amin’ny vavaka. “Miankina amin’ny hafanam-pon’ny tenantsika, fa tsy amin’ny hamaroan’ny teny, no ihainoana ny vavaka ataontsika”[2]

2701.Foto-pisainana ilaina amin’ny fiainana kristianina ny vavaka am-bava. Ireo mpianatra, voasinton’ny vavaka amim-panginana fanaon’ny Mpampianatra azy ireo, dia nampianaran’ity Mpampianatra vavaka am-bava iray : ny Rainay izany. Tsy ny fivavahana litorzika fanao tao amin’ny sinag˘ga ihany no vavaka nataon’i Jesoa, fa asehon’ireo Evanjely amintsika Izy nanandram-peo mba hanehoany ny fivavahany manokana, nanomboka tamin’Izy nientan-kafaliana nisaotra ny Ray[3] ka hatramin’ny fijaliana tao Getsemania[4].

2702.Izany filana amin’ny fanakambanana ny fandrenesana sy ny vavaka anaty izany dia mamaly izay takýn’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona antsika. Vatana sy fanahy isika, ka tsapantsika ao anaty ny filana maneho ety ivelany ny fihetseham-panahintsika. Ny tenantsika manontolo no ilaina mivavaka mba hanome ny hery rehetra azo ampiasaina amin’ny fitalahoantsika.

2703.Mamaly ny fitakian’Andriamanitra koa izany filana izany. Mitady mpivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana Andriamanitra, ka noho izany ilainy ny vavaka miakatra amin-kery avy ao anaty fanahy lalina. Ankasitrahany koa ny fanehoana ety ivelany izay manakambana ny vatana amin’ny vavaka anaty, satria io fanehoana ety ivelany io no anolorana Aminy ny mari-panajana lavorary avy amin’izay rehetra ananany fahefana.

2704.Satria hita miharihary sy tena araka ny maha-olombelona tanteraka ny vavaka am-bava, ka izany no maha-vavaka fanaon’ny vahoaka azy amin’ny fomba tsara indrindra. Sady na ny vavaka faran’izay ao anaty aza, tsy azo anamaivanana ny vavaka am-bava. Arakaraka ny fahatsiarovantsika ao an-tsaina an’Ilay “izay iresahantsika”[5] no mahatonga ny vavaka ho anaty. Amin’izay ny vavaka am-bava dia tonga endrika voalohan’ny vavaka fibanjinana.

II. Ny fandinihana masina

2705.Ny fikatsahana indrindra no tena fandinihana masina. Katsahin’ny saina ny hahafantatra antony sy ny fomba fiainana kristianina, mba hiraiketana sy hamaliana amin’izay angatahin’ny Tompo. Ilaina amin’izany ny fifantohan-tsaina mafy amin’ny fifehezan-tena. Fomba mahazatra ny mampiasa boky, ary maro ny kristianina manana izany : ny Soratra Masina, indrindra ny Evanjely, ny sarimasina, ny vakiten’ny litorzian’ny andro na ny vaninandro, ny asa soratr’ireo Ray am-panahy, ny boky momba ny fiainam-panahy, ny boky lehibe momba ny fahariana sy ny an’ny tantara, ny pejin’ny “Anio”an’Andriamanitra.

2706.Ny mandinika an-tsaina izay vakýna dia mahatonga haka izany ho an’ny tena amin’ny fampifanatrehana izany amin’ny tena ihany. Eto, boky hafa no mivelatra, dia ny bokin’ny fiainana. Mihelina ao an-tsaina ary mankany amin’ny zava-misy izany. Arakaraka ny fanetren-tena sy ny finoana, no ahitana ao amin’izany ny hetsika izay manaitra ny fo sy ahafahana mandanjalanja izany. Tokony hanao ny marina mba ho tonga amin’ny Fahazavana : “Tompo ˘, inona no tianao hataoko?”. 

2707.Maro samihafa toy ireo mpanabe ara-panahy ny fomba fanaovana fandinihana masina. Manana adidy hanao fandinihana masina araka ny fotoana voalamina ny kristianina iray, raha tsy izany dia hitovy amin’ireo tany telo voalohany amin’ny fanoharana momba ny mpamafy izy[6]. Mpitarika ihany anefa ny fomba ; ny zava-dehibe dia ny mandroso miaraka amin’ny Fanahy Masina, eo amin’ny lalana tokan’ny fivavahana, dia i Kristy Jesoa. 

2708. Ny fandinihana masina dia mampiasa ny fisainana, ny fiheverana, ny fiontanam-po ary ny faniriana. Ilaina io fampiasana io mba handalinana ny fankatoavana ny finoana, mba hahatonga ny fibebahan’ny fo ary mba hampahery ny sitrapo hanarahana an’i Kristy. Ny fivavahana kristianina dia mifantoka kokoa amin’ny fandinihana “ny misterin’i Kristy”, toy ny  famakiana ny Tenin’Andriamanitra (lectio divina) na ny Raozery. Manan-danja tokoa izany endri-pandinihana mampivavaka izany, kanefa tokony handroso amin’ny lalindalina kokoa hatrany ny fivavahana kristianina : ny fahalalana ombam-pitiavana an’i Jesoa Tompo sy ny fiombonana Aminy.

III. Ny vavaka am-po

2709.Inona no atao hoe vavaka am-po ? Izao no avalin’i Mb Terezy : “Ny vavaka am-po avy ao an-tsaina, dia tsy inona, araka ny hevitro, fa fifaneraserana lalina amim-pifankatiavana izay hiresahan’ny olona irery  matetika amin’ilay Andriamanitra fantany fa tiany”[7].

Ny vavaka am-po no mitady Ilay “malalan’ny foko” (Ton 1,7)[8]. Dia i Jesoa izany, ary ao Aminy, ny Ray. Tadiavina Izy, satria ny maniry Azy no mandrakariva fanombohan’ny fitiavana, ary tadiavina amin’ny finoana madio tsy misy fahony Izy, ilay finoana izay mahatonga antsika ho teraka avy Aminy sy miaina ao Aminy. Mbola azo atao koa ny mandinika ao an-tsaina ny vavaka am-po, kanefa afantoka amin’ny Tompo ny fijery.

2710.Ny fifidianana ny fotoana sy ny faharetan’ny vavaka am-po dia miankina amin’ny sitrapo tsy mihambahamba, afaka manambara ny tsiambaratelon’ny fo. Tsy hoe manao vavaka am-po rahefa manam-potoana : maka fotoana ho an’ny Tompo, omban’ny fanapahan-kevitra hentitra fa tsy hiala Aminy amin’izay fotoana izay eny an-dalana, na inona na inona fitsapan-toetra sy fahamainan’ny fihaonana. Mety tsy ho afaka hanao fandinihana masina matetika ny olona, fa afaka manao vavaka am-po lalandava kosa izy, izay tsy miankina amin’ny toe-pahasalamana, amin’ny asa na amin’ny fihetseham-po. Ny fo no toeram-pikatsahana sy toeram-pihaonana, ao anatin’ny fahantrana sy ny finoana. 

2711.Ny firosoana amin’ny vavaka am-po dia mifanahaka amin’ny an’ny litorzian’ny Eokaristia : “akambana” ny fo, vononina ny tenantsika manontolo ho eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, itoerana ny fonenan’ ny Tompo, dia ny tenantsika izany, velomina ny finoana mba hidirana Eo anatrehan’Ilay izay miandry antsika, ariana ny saron-tavantsika ary averina ny fontsika ho any amin’ny Tompo izay tia antsika mba hanolotra ny tenantsika Aminy ho fanatitra hodiovina sy hovÓna.

2712.Ny vavaka am-po dia vavaky ny zanak’Andriamanitra sy ny mpanota voavela heloka izay manaiky handray ny fitiavana nitiavana azy sy maniry hamaly izany amin’ny fitiavana bebe kokoa hatrany[9]. Kanefa fantany fa ny valin’ny fitiavany dia ilay izay arotsaky ny Fanahy ao am-pony, satria fahasoavana avy amin’Andriamanitra avokoa ny zava-drehetra. Ny vavaka am-po no fanomezana tsotra sy mahantra amin’ny sitrapo be fitiavan’ny Ray miombona lalindalina kokoa hatrany hatrany amin’ny Zanany malalany. 

2713. Ny vavaka am-po araka izany no fanehoana tsotra indrindra ny misterin’ ny fivavahana.  Fanomezana sy fahasoavana ny vavaka am-po ; tsy azo raisina izy raha tsy ao anatin’ny fanetren-tena sy ny fahantrana. Fifandraisam-panekem-pihavanana naorin’Andriamanitra ao anatintsika lalina ao ny vavaka am-po[10]. Fiombonana ny vavaka am-po : amin’izany ny Trinite Masina no mampitovy ny olombelona, endrik’Andriamanitra, “amin’ny fifanahafana Aminy”.

2714. Ny vavaka am-po koa no fotoan-dehibe amin’ny fomba tsara dia tsara amin’ny fivavahana. Amin’ny vavaka am-po, ny Ray no mampitao hery antsika amin’ny alalan’ny Fanahiny, mba hatanjaka ao amintsika ny olona anaty, mba honina ao am-pontsika i Kristy amin’ny alalan’ny finoana, ary mba handatsa-paka sy hiorim-paka amin’ny fitiavana isika[11].

2715.Ny fibanjinana dia fijerena amim-pinoana, mifantoka amin’i Jesoa. “Mahatazana Azy aho ary Izy mahatazana ahy”, hoy ilay tantsaha tao “Ars” nivavaka teo anoloan’ny Tabernakla, tamin’ny fotoan’andron’ilay Pretrany masina mpiandraikitra voalohany ny paroasy[12]. Izany fiheverana an’i Jesoa izany no fandavana ny “maha-izaho ahy”. Manadio ny fo ny fijeriny. Manazava ny mason’ny fontsika ny fahazavam-pijerin’i Jesoa ; mampianatra antsika hahita ny zavatra rehetra ao amin’ny fahazavan’ny fahamarinany sy ny fangorahany ho an’ny olombelona rehetra izany. Mitondra koa ny fijeriny mikasika ny misterin’ny fiainan’i Kristy ny fibanjinana. Ny fibanjinana, araka izany, no mampianatra “ny fahalalana anaty momba ny Tompo” mba hitiavana Azy sy hanarahana azy bebe kokoa[13].

2716.Ny vavaka am-po dia fihainoana ny Tenin’Andriamanitra. Tsy fihainoana fe fihainoana fotsiny izany, fa koa fanekena ny finoana, fandraisana amim-pankatoavana tanteraka ny maha-mpanompo ary firaiketam-pitiavana ny maha-zanaka. Fihainoana andraisana anjara amin’ny “Eny” nataon’ny Zanaka tonga Mpanompo izany, sy amin’ny “Aoka anie ho tanteraka amiko” nataon’ny mpanompovaviny tsinontsinona. 

2717.Ny vavaka am-po dia fanginana, ilay “fanehoana an’ohatra an’izao tontolo izao hoavy”[14] na “fitiavana amim-panginana”[15]. Tsy toy ny kabary ny teny amin’ny vavaka am-po, fa toy ny tapa-drantsankazo izay mampirehitra ny afom-pitiavana. Amin’izany fanginana izany, izay tsy zakan’ny olona “ivelany fotsiny”, no ilazan’ny Ray amintsika ny Teniny tonga nofo, nijaly, maty ary nitsangan-ko velona, sy ampandraisan’ny Fanahy maha-zanaka anjara antsika amin’ny vavak’i Jesoa.

2718. Ny vavaka am-po dia firaisana amin’ny vavak’i Kristy, izay hampandraisany anjara amin’ny misterin’i Kristy. Ankalazain’ny Fiangonana amin’ny Eokaristia ny misterin’i Kristy, ary ataon’ny Fanahy Masina maharitra amin’ny vavaka am-po, mba hiseho amin’ny alalan’ny fitiavana arahin’asa io misterin’i Kristy io. 

2719.  Ny vavaka am-po dia fiombonam-pitiavana mitondra Aina ho an’ny be sy ny maro, arakaraka ny maha-fanekena azy hitoetra ao anatin’ny alin’ny finoana. Ny Alin’ny Pakan’ny Fitsanganan-ko velona dia mandalo amin’ny an’ny fiadian’aina sy ny an’ny fasana. Ireo fotoan-dehibe telon’ny Oran’i Jesoa ireo izany no nampiaina ny Fanahiny (fa tsy ny “nofo osa”) tamin’ny vavaka am-po. Ilaina ny manaiky “hiari-tory ora iray miaraka Aminy”[16].
 

FAMINTINANA

2720.Mamporisika ny mpino ny Fiangonana, hanao ireo vavaka nalaminy ara-potoana : vavaka samihafa fanao andavanandro, Vavaka Isan’Andro, Sorona Masin’ny Alahady ary ireo fety samihafa amin’ny taona litorzika.

2721.Telo ny fomba lehibe fanehoana ny fiainam-pivavahana eo amin’ny lovam-pampianarana kristianina : ny vavaka am-bava, ny fandinihana masina ary ny vavaka am-po. Ny fanombenan-tsaina amam-po no iombonan’ireo.

2722.Ny vavaka am-bava, miorina amin’ny firaisan’ny vatana sy ny fanahy amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona, dia mampikambana ny tenany amin’ny vavaka anatin’ny fo, toy ny nataon’i Kristy nivavaka tamin’ ny Rainy sy nampianatra ny Mpianany ny RAINAY.

2723.Ny fandinihana masina dia fikarohana mampivavaka izay ampiasana ny fisainana, ny fiheverana, ny fiontanam-po, ny faniriana. Ny kendren’ny fandinihana masina, dia ny fakana ho an’ny tena amim-pinoana, izay foto-javatra nodinihina sy nampitahana tamin’ny zava-misy eo amin’ny fiainantsika.

2724.Ny vavaka am-po avy amin’ny saina no fanehoana tsotra ny misterin’ny fivavahana. Ny vavaka am-po dia fijerena amim-pinoana mifantoka amin’i Jesoa, fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, fitiavana amim-panginana. Ny vavaka am-po no manatanteraka ny fiombonam-bavaka amin’i Kristy, arakaraka ny ampandraisany anjara antsika amin’ny misteriny.

 

ANDALANA 2

Ny tolom-bavaka

 

2725. Sady fanomezam-pahasoavana ny fivavahana no valin-teny raikitra avy amintsika. Mila ezaka lalandava ny mivavaka. Ireo mpivavaka malaza ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha teo alohan’i Kristy, ary koa i Maria Renin’Andriamanitra sy ireo olomasina miaraka Aminy, dia mampianatra antsika fa tolona ny vavaka. Tolona amin’iza ? Tolona amin’ny tenantsika ihany sy tolona amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy izay manao izao rehetra izao hampivily lalana ny olona tsy ho amin’ny fivavahana, tsy ho amin’ny firaisana amin’Andriamaniny. Tahaka ny miaina ny mivavaka, satria tahaka ny mivavaka ny miaina. Raha tsy tian’ny olona ny hanao izany matetika araka ny Fanahin’i Kristy, dia tsy ho afaka velively koa izy hivavaka amim-pahazarana amin’ny anarany. Tsy azo sarahina amin’ny tolom-bavaka ny “adim-panahy” amin’ny fiainam-baovao ny kristianina.

I. Ireo hevitra manohitra fivavahana 

2726. Amin’ny tolom-bavaka isika no manohitra, ao amin’ny tenantsika ihany sy amin’ny manodidina antsika, an’ireo fihevitra diso momba ny fivavahana. Ny sasany dia mihevitra ny fivavahana ho asa ara-pisik˘l˘zia tsotra ihany, ny hafa kosa dia mihevitra izany ho ezaka famoriana herin-tsaina mba ho foana tsy misy na inona na inona ao an-tsaina. Ny sasany indray mandravona izany ho fehezan-dalÓna eo amin’ny fihetsika aseho sy fiteny ara-pomba fotsiny. Amin’ny tsy fahatsiarovan-tsainan’ny maro amin’ny kristianina, ny mivavaka dia raharaha tsy afa-miaraka amin’izay rehetra tokony hataon’izy ireo, ka tsy manam-potoana hono izy ireo. Ireo izay mitady an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka dia malaky kivy satria tsy fantatr’izy ireo fa ny fivavahana dia avy amin’ny Fanahy Masina koa fa tsy avy amin’izy ireo ihany. 

2727. Isika koa tokony hanohitra ireo toe-tsain’ “ny olon’ity tany ity”; tafiditra ao amintsika ireny raha tsy malina isika ; ohatra : izay voamarin’ny saina sy ny siansa ihany no marina (nefa anie ny mivavaka dia mistery mihoatra ny k˘nsiansintsika sy ny tsy fahalalantsika e !) ; ny habetsahan’ny famokarana sy ny vokatra azo (tsy mamokatra ny fivavahana, noho izany, tsy ilaina) ; ny tsapan’ny fandrenesana sy ny fiadanam-piainana ihany no mari-pitsarÓna ny marina, ny soa sy ny tsara (nefa anie ny fivavahana, “fitiavana ny Tsara” [fil˘kalia], dia firaiketam-pitiavana ny Voninahitr’Andriamanitra velona sy marina e!) ; ny fanoherana ny fitiava-miasa tafahoatra no indro hisehoan’ny fivavahana ho fandosirana an’izao tontolo izao (nefa anie ny fivavahana kristianina dia tsy fialana amin’ny tantara na fisarahana amin’ny fiainana e!).

2728. Farany, ny tolona ataontsika dia tsy maintsy hanoherana an’izay tsapantsika ho tsy fahombiazantsika amin’ny fivavahana : fahakiviana manoloana ny fahamainan’ny fo, alahelo amin’ny tsy fahafoizana manontolo ho an’ny Tompo, satria “manankarem-be”[17] isika, fahadisoam-panantenana noho isika tsy ankatoavim-bavaka araka ny sitrapontsika manokana, ratra avy amin’ny avonavontsika izay mihamafy eo amin’ny faharatsian-toetra maha-mpanota antsika, tsy fahazakana ny maha-marim-pototra ny fivavahana, sns. Mitovy hatrany ny fehin-kevitra : inona no soa azo amin’ny mivavaka ? Mba handresena ireny vato misakana ireny, tsy maintsy miady ho amin’ny fanetren-tena, ny fitokiana ary ny fitozoana.

II. Fo miambina amim-panetren-tena

Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana

2729. Ny fahasarotana mahazatra amin’ny fivavahantsika dia ny fihakahakan-kevitra. Mety ho mifantoka amin’ny teny sy ny dikany izany, amin’ny vavaka am-bava ; mety hifantoka lalindalina kokoa amin’Ilay izay ivavahantsika izany, amin’ny vavaka am-bava (ara-litorzia na irery), amin’ ny fandinihana masina sy amin’ny vavaka am-po. Ny mieritreritra handositra ny fihakahakan-kevitra dia mety ho latsaka ao anatin’ny fandrik’izy ireny, nefa ampy ny miverina ao am-pontsika : ny fihakahakan-kevitra no maneho amintsika ny amin’izay iraiketantsika ary izany fahatongavan-tsaina manetry tena eo anatrehan’ny Tompo izany no tokony hamoha ny fitiavantsika Azy manokana, amin’ny fanapahan-kevitra hanolotra ny fontsika Aminy mba hanadiovany azy. Eo amin’izany no mipetraka ny tolona, ny fifidianana ny Tompo ho tompoina[18].

2730. Ny tena marina, ny tolona anoherana ny tenantsika mangeja sy mpanjakazaka, dia ny fiambenana sy ny fahatsoran’ny fo. Rahefa manantitrantitra momba ny fiambenana i Jesoa, dia mifandray lalandava Aminy izany, amin’ny Fahatongavany, amin’ny farandro sy isan’andro : “anio”. Ho tonga amin’ny sasak’alina ny Mpampakatra ; ny fahazavana izay tsy tokony ho faty, dia ny fahazavan’ny finoana : “Izao no lazain’ny foko Aminao : "Tadiavo ny Tavany" ” (Sal 27,8).

2731. Ny fahasarotana hafa, indrindra ho an’ireo izay te-hivavaka amim-pahatsorana, dia ny fahamainan’ny fo. Tafiditra amin’ny vavaka am-po izany izay ny fo no voasakana, tsy mahazo tsirony amin’ny fieritreretana, amin’ny fahatsiarovana sy amin’ny fihetseham-po, ary na amin’ny ara-panahy aza. Izany no fotoana ilana ny finoana madio tsy misy fahony izay ifikirana amim-pitokiana amin’i Jesoa niady aina sy tao am-pasana. “Raha maty ny voam-bary no mahavokatra be” (Jo 12,24). Raha avy amin’ny tsy fahampian’ny faka ny fahamainana, dia satria nilatsaka teo ambony vato ny Teny, miankina amin’ny fibebahana ny tolona[19].

Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana 

2732. Ny fakam-panahy matetika indrindra, miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika. Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’ny tsy finoana raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro fa asa na ahiahy maro tsy tambo isaina, heverina ho maika, no miseho ho laharam-pahamehana ; avy eo indray, ny fisehon’ny fahamarinan’ny fo sy ny fitiavany ny zavatra nosafidiana. Mbetika isika mitodika any amin’ny Tompo ho fangataham-bonjy farany : nefa inoana ho izany marina ve ? Mbetika isika mandray ny Tompo ho namana, nefa ny fo mbola ao anatin’ny hambo. Amin’ny toe-java-miseho rehetra anefa, ny tsy fahampian’ny finoantsika no manambara fa tsy mbola manana toe-po manetry tena isika : “Raha tsy Izaho, tsy mahefa na inona na inona ianareo” (Jo 15,5). 

2733.Fakam-panahy hafa koa, izay anokafan’ny fihamboana ny varavarana mankao, dia ny fahalainana. Ny tian’ny Ray am-panahy ho lazaina amin’ izany dia ny endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fahaketrahan’ny famolahan-tena, ny fihenan’ny fiambenana, ny an-tsirambin’ny fo. “Marisika ny fanahy, fa ny nofo no osa” (Mt 26,41). Arakaraka ny ianjerana avy any ambony no andrenesana maharary kokoa. Ny fahakiviana, mangirifiry no ao am-badiky ny fihamboana. Tsy ho gaga ny amin’ny fijaliany izay manetri-tena, fa izany no mitarika azy hanana fitokiana bebe kokoa hifikitra mafy ao anatin’ny faharetana.

III. Ny fitokiana maha-zanaka 

2734.Voasedra ny fitokiana maha-zanaka – voaporofo izany – ao anatin’ny fahoriana amam-pijaliana[20]. Ny manahirana indrindra dia ny mikasika ny vavaka fangatahana, na ho an’ny tena na ho an’ny hafa eo amin’ny fitalahoana. Mijanona tsy mivavaka mihitsy aza ny sasany satria heverin’izy ireo fa tsy nekena ny fangatahany. Fanontaniana roa no mipetraka eto : Nahoana isika no mihevitra fa tsy ekena ny fangatahantsika ? Ahoana no anekena ny vavaka ataontsika sy “andairany” ?

Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ?

2735.Ny fanamarinana aloha no tokony hahagaga antsika. Rahefa midera an’Andriamanitra isika na misaotra Azy noho ny soa ankapobeny avy Aminy, tsy dia miahiahy loatra isika ny hahalala raha ankasitrahan’ Andriamanitra ny fivavahantsika. Ho setriny, mitaky hahita ny vokatry ny fangatahantsika isika. Endrik’Andriamanitra manahoana Óry no heverintsika amin’ny fivavahantsika : fitaovana ampiasaina ve sa ny Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika ?

2736.Miaiky ve isika fa “na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (R˘m 8,26). Moa ve “ny zavatra tena mahasoa” no angatahintsika amin’Andriamanitra ? Fantatry ny Raintsika tokoa izay ilaintsika, na tsy mbola mangataka Aminy akory aza isika[21], nefa miandry ny fangatahantsika Izy, satria ny fahamendrehan’ny zanany dia ao anatin’ny fahafahan’izy ireo. Noho izany, ilaina ny mivavaka miaraka amin’ny Fanahiny maha-olona afaka, mba hahazoana mahalala marina ny faniriany[22].

2737. “Ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo. Mangataka ianareo, fa tsy mahazo, satria ratsy fangataka ianareo, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo” (Jak 4,2-3)[23]. Raha amin’ny fo voazarazara sy “mijangajanga” no angatahantsika[24], dia tsy afaka hankato ny fivavahantsika Andriamanitra, satria ny soa ho antsika sy ho an’ny fiainantsika no sitrany. “Heverinareo ve fa miteniteny foana ny Soratra Masina milaza hoe : Maniry anareo ao anatin’ny fahasarotam-piaro ny Fanahy Masina izay nampitoeriny ao aminareo ?” (Jak 4,5). “Saro-piaro” antsika ny Andriamanitsika, ary izany no famantarana ny fahamarinan’ny fitiavany. Midira isika ao anatin’ny fanirian’ny Fanahiny, dia hankatoavim-bavaka isika :

Aza malahelo ianao, raha tsy mandray eo no eo avy hatrany amin’ Andriamanitra izay angatahinao Aminy ; ny sitrany dia ny mbola hanao soa betsaka ho anao ao anatin’ny fitozoanao miara-mitoetra Aminy amin’ny vavaka[25]. Tiany raha sedraina amin’ny vavaka ny faniriantsika. Noho izany, mandrisika antsika handray izay efa nomaniny homena antsika Izy[26].

Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? 

2738.Ny fanambarÓna momba ny fivavahana ao amin’ny fitantanam-pamonjena no mampianatra antsika fa miankina amin’ny asan’Andriamanitra ao amin’ny tantara ny finoana. Ny fitokiana maha-zanaka dia avy amin’ny asany tsara indrindra : ny fijaliana sy ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona. Ny vavaka kristianina no fiaraha-miasa amin’ny Fitahian’Andriamanitra sy amin’ny fandaharam-pitiavany ho an’ny olombelona rehetra. 

2739.Ao amin’i Md Paoly, tena fahasahiana tokoa izany fitokiana izany[27], miorina amin’ny vavaky ny Fanahy ao amintsika sy amin’ny fitiavan’ny Ray tsy mivadika izay nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana[28]. Ny fanovÓna ny fo izay mivavaka no valy voalohany amin’ny fangatahantsika.

2740.Ny vavak’i Jesoa no mahatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Izy no m˘delintsika amin’izany, Izy no mivavaka ao amintsika sy miaraka amintsika. Satria ny fon’ny Zanaka tsy mikatsaka afa-tsy izay mahafaly ny Ray, ka ahoana ny fon’ny zanaka natsangana no hiraikitra amin’ny fanomezana fa tsy amin’ny Mpanome ?

2741.Mivavaka ho antsika koa i Jesoa, eo amin’ny toerantsika sy ho amin’ny tombon-tsoantsika. Voaravona indray maka tamin’ny Antsony mahery teo amin’ny Hazofijaliana sy neken’ny Ray tamin’ny Fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra, ka noho izany tsy mitsahatra ny mitalaho ho antsika amin’ny Ray Izy[29]. Raha miray tanteraka amin’ny an’i Jesoa ny fivavahantsika, ao anatin’ny fitokiana sy ny fahasahiana maha-zanaka, dia ho azontsika izay rehetra angatahintsika amin’ny Anarany, mihoatra lavitra noho ity na itsy : ny Tenan’Izy Fanahy Masina izay manana ny fanomezana rehetra.

IV. Mitozoa amin’ny fitiavana 

2742. “Mivavaha lalandava” (1 Tes 5,17), “amin’ny fotoana rehetra sy isa-minitra, misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompontsika” (Efez 5,20), “mahareta ianareo amin’ny fivavahana sy ny fitalahoana ; mivavaha lalandava ianareo ao amin’ny Fanahy, aza mety ho sasatra miambina ho amin’izany ary mangataha ho an’ny olomasina rehetra” (Efez 6,18). “Izy tsy nandidy antsika hiasa, hiari-tory na hifady hanina mandrakariva, fa ny didy ho antsika dia ny mivavaka lalandava”[30]. Tsy mety ho azo izany hafanam-po tsy mahalala sasatra izany, raha tsy avy amin’ny fitiavana. Ny tolom-bavaka izay tolom-pitiavana manetry tena, matoky sy mitozo, no enti-manohitra ny fahadontoantsika sy ny fahalainantsika. Izany fitiavana izany no manokatra ny fontsika ho amin’ny fahamarinana telo amin’ny finoana, mazava sy mamelombelon’aina :

2743.Azo atao lalandava ny mivavaka : ny fotoanan’ny kristianina dia ny an’i Kristy nitsangan-ko velona izay “miaraka amintsika, isan’andro” (Mt 28,20), na manao ahoana na manao ahoana ny fitsokan’ny tafiodrivotra[31]. Eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fotoanantsika :

Azo atao ny mivavaka matetika sy feno hafanam-po, na dia eny an-tsena aza, na eny am-pitsangatsanganana irery. Azo atao koa, na dia mipetraka ao an-trano fivarotanao aza, na eo am-pividianana na eo am-pivarotana, na koa eo am-pahandroana sakafo aza[32].

2744.Filana eo amin’ny fiainana ny mivavaka. Tsy ampy haharesy lahatra ny porofo mifanohitra amin’izany : raha tsy mety hotarihin’ny Fanahy isika, dia miverina  eo ambany fanandevozan’ny fahotana[33]. Ahoana moa no hahatonga ny Fanahy Masina ho “Fiainantsika” raha lavitra Azy ny fontsika ?

Tsy misy mahasoa noho ny fivavahana : izy no mahatonga izay tsy azo tanterahina ho azo tanterahina, izay sarotra ho mora. Koa tsy azo atao ny hoe olona mivavaka no hanota[34].

Azo antoka fa mamonjy tena izay mivavaka ; tsy isalasalana fa mamery tena izay tsy mivavaka[35].

2745.Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina satria iray ihany ny fitiavana momba izany ary iray ihany ny fandavan-tena vokatr’io fitiavana io. Iray ihany ny fitoviana maha-zanaka sy feno fitiavana amin’ny fandaharam-pitiavan’ny Ray. Iray ihany ny fampiraisa-manova ao amin’ny Fanahy Masina izay mampitovy antsika bebe kokoa hatrany amin’i Kristy Jesoa. Iray ihany ny fitiavana itiavana ny olona rehetra, dia ny fitiavana izay itiavan’i Jesoa antsika. “Izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako, dia homeny anareo izany. Ny andidiako anareo, dia ny mba hifankatiavanareo” (Jo 15,16-17).

Ilay izay manakambana ny fivavahana amin’ny asa sy manakambana ny asa amin’ny fivavahana, no mivavaka lalandava. Amin’izany ihany no ahafahantsika mihevitra fa azo tanterahina ny fitsipika fototra momba ny mivavaka lalandava[36].

 

Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa

2746.Nony tonga ny Oran’i Jesoa, dia nivavaka tamin’ny Ray Izy[37]. Ny fivavahany, izay lava indrindra nampitain’ny Evanjely, dia mahafaoka ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena, toy ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. Maharitra lalandava ho vavak’i Jesoa ny vavaka tamin’ny Orany, toy ny Pakany izay tonga “indray mandeha monja”, nefa maharitra lalandava ao amin’ny litorzian’ny Fiangonany.

2747.Ara-drariny no iantsoan’ny lovam-panahy kristianina ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa hoe vavaka maha-“mpisorona” Azy. An’ny Mpisorombentsika izany, tsy azo sarahina amin’ny fanoloran-tenany ho Sorona, amin’ny “fandalovany mamakivavaky” (Paka) mankany amin’ny Ray izay tamin’ izany no “nanokanany tena” manontolo amin’ny Ray[38]

2748.Ao amin’io vavaka Paka sy ara-tSorona io, no “namondronana” ny zava-drehetra ao amin’i Jesoa[39] : Andriamanitra sy izao tontolo izao, ny Teny sy ny nofo, ny fiainana mandrakizay sy ny fotoana, ny fitiavana izay anoloran-tena sy ny fahotana izay mamadika izany, ny mpianatra nanatrika teo sy ireo izay hino Azy amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo, ny fietrena sy ny voninahitra. Io no vavaka Mahairay. 

2749. Nahatontosa manontolo ny tsanganasan’ny Ray i Jesoa, hany ka mahahenika hatramin’ny fahataperan’ny fotoana ny fivavahany, tahaka ny Fanoloran-tenany ho sorona. Nameno ireo fotoana farany ny vavaka tamin’ny Ora ary nitondra ireo mankamin’ny fahataperan’izy ireo. I Jesoa, ilay Zanaka izay nomen’ny Ray ny zavatra rehetra, dia voatolotra manontolo amin’ny Ray, ary, miaraka amin’izany koa, miteny amin-kalalahana tsy refesi-mandidy Izy[40], avy amin’ny fahefana nomen’ny Ray Azy eo amin’ny nofo rehetra. Ny Zanaka, izay tonga Mpanompo, no Tompo, ilay Tompo Mpandidy ny zavatra rehetra. Ny Mpisorombentsika izay mivavaka ho antsika koa no Ilay izay mivavaka ao amintsika sy ilay Andriamanitra izay mankato antsika.

2750.Raha miditra amin’ny Anara-masin’i Jesoa Tompo isika no afaka mandray, avy ao anaty, ny vavaka nampianariny antsika hoe : “Rainay !” Ny vavaka maha-mpisorona Azy no nahazoana hevitra, avy ao anaty, an’ireo fangatahana lehibe amin’ny Rainay : ny fiahiana ny anaran’ny Ray[41], ny firehetam-po amin’ny Fanjakany (ny voninahitra[42]), ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, ny fandaharam-pamonjeny[43] ary ny fanafahana amin’ny ratsy[44].

2751.Farany, amin’io vavaka io no anambarÓn’i Jesoa amintsika sy anomezany antsika ny “fahalalana” tsy azo sarahina momba ny Ray sy ny Zanaka[45] izay misterin’ny Fiainam-bavaka rahateo koa.

 

FAMINTINANA

2752.Mitaky ezaka sy tolona amin’ny tenantsika ihany sy amin’ny hafetsen’ny Mpaka fanahy ny vavaka. Ny tolom-bavaka dia tsy azo sarahina amin’ny adim-panahy ilaina hoenti-miasa andavanandro araka ny Fanahin’i Kristy: tahaka ny miaina ny mivavaka, satria tahaka ny mivavaka ny miaina.

2753.Amin’ny tolom-bavaka, ny tsy maintsy toherintsika dia ny fihevitra diso, ny toe-tsaina mahazatra samihafa, ny fahatsapana ny tsy fahombiazantsika. Ny tsara anoherana ireo fakam-panahy mampisy fisalasalana ny amin’ny ilÓna na ny amin’ny fahafahana mivavaka ireo, dia ny fanetren-tena, ny fitokiana ary ny fitozoana.

2754.Ny fahasarotana misongadina indrindra amin’ny fampiasam-bavaka, dia ny fihakahakahan-kevitra sy ny hamainan’ny fo. Amin’ny finoana, amin’ny fibebahan’ny fo sy amin’ny fiambenany no misy ny fanafodin’izany.

2755.Fakam-panahy roa mpitranga matetika no mandrahona ny fivavahana : ny tsy fahampian’ny finoana sy ny fahalainana izay endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fihenan’ny famolahan-tena na fiketrahan’ny sitrapo, ka mitondra ho amin’ny fahakiviana.

2756. Ny fitokiana maha-zanaka no mandalo fitsapan-toetra rahefa heverintsika sy tsapantsika fa tsy hoe hoekena lalandava akory ny fivavahantsika. Mitaona antsika hanontany tena ny Evanjely ny amin’ny fifanarahan’ny fivavahantsika amin’ny fanirian’ny Fanahy.

2757. Mivavaha lalandava (1 Tes 5,17). Azo atao lalandava ny mivavaka. Filana eo amin’ny fiainana mihitsy izany. Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina.

2758.Ny vavaka tamin’ny Oran’i Jesoa, antsoina indrindra koa hoe vavaka maha-mpisorona[46], no mamondrona ny fitantanana manontolo ny fahariana sy ny famonjena. Avy amin’io vavaka maha-mpisorona io no nipoiran’ny tsirin-kevitra amin’ireo fangatahana lehibe ao amin’ny Rainay.

 
 
[1]. Md GrÚgoire de Naz., oratio 27 (thÚol. 1) 4.
[2]. Md Jean Chrysostome, De Anna 2,2.
[3]. jer. Mt 11,25-26.
[4]. jer. Mk 14,36.
[5]. Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, cam.26.
[6]. jer. Mk 4,4-7.15-19.
[7]. Mb ThÚrŔse in Vida 8.
[8]. jer. Ton 3,1-4.
[9]. jer. Lk 7,36-50 ; 19,1-10.
[10]. jer. Jer 31,33.
[11]. jer. Efez 3,16-17.
[12]. jer. F. Trochu, Le CurÚ d’Ars Saint Jean-Marie Vianney, pp.223-224.
[13]. jer. Md Ignace, ex. spir. 104.
[14]. Md Isaac de Ninive, tract. myst. 66.
[15]. Md Jean de la Croix, carta 6.
[16]. jer. Mt 26,40-41.
[17]. jer. Mt 10,22.
[18]. jer. Mt 6,21.24.
[19]. jer. Lk 8,6.13.
[20]. jer. R˘m 5,3-5.
[21]. jer. Mt 6,8.
[22]. jer. R˘m 8,27.
[23]. jer. ny hevitra manodidina ny Jak 4,1-10 ; 1,5-8 ; 5,16.
[24]. jer. Jak 4,4.
[25]. Evagre, or. 34.
[26]. Md Augustin, ep. 130,8,17.
[27]. jer. R˘m 10,12-13.
[28]. jer. R˘m 8,26-39.
[29]. jer. Heb 5,7 ; 7,25 ; 9,24.
[30]. Evagre, cap. pract. 49.
[31]. jer. Lk 8,24.
[32]. Md Jean Chrysostome, De Anna, sermo 4,6.
[33]. jer. Gal 5,16-25.
[34]. Md Jean Chrysostome, De Anna 4,5.
[35]. Md Alphonse de Ligouri, mez.
[36]. OrigŔne, or.12.
[37]. jer. Jo 17.
[38]. jer. Jo 17,11.13.19.
[39]. jer. Efez 1,10.
[40]. jer. Jo 17,11.13.19.24.
[41]. jer. Jo 17,6.11.12.26.
[42]. jer. Jo 17,1.5.10.22.23-26.
[43]. jer. Jo 17,2.4.6.9.11.12.24.
[44]. jer. Jo 17,15.
[45]. jer. Jo 17,3.6-10.25.
[46]. jer. Jo 17.
 

 

top