The Holy See
back up
Search
riga

SAMPANA FAHAROA

Ny vavaky ny Tompo :
“Rainay!”

 

2759. “Indray andro, tao amin’ny toerana iray, nivavaka i Jesoa. Rahefa nitsahatra Izy, dia hoy ny iray tamin’ireo mpianany nangataka Taminy : "Tompo ˘, ampianaro mivavaka izahay, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany"” (Lk 11,1). Ho valin’izany fangatahana izany no nanankinan’ny Tompo tamin’ny mpianany sy tamin’ny Fiangonany ny vavaka fototra kristianina. Lahatsoratra fohy (misy fangatahana dimy[1]) no atolotr’i Md Lioka ny amin’izany, ary i Md Matio kosa dia manolotra fomba filaza voavelabelatra kokoa (misy fangatahana fito[2]). Ny lahatsoratr’i Md Matio no notanan’ny lovam-pampianarana ho fanao amin’ny litorzian’ny Fiangonana (Mt 6,9-13).

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny haninay isan’andro,
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
ary aza avela ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny Ratsy.
 

2760.  Vetivety ihany ny fanao ara-litorzia dia namarana ny Vavaky ny Tompo tamin’ny tenim-boninahitra. Toy izao ny ao amin’ny DidachÚ : “Fa Anao ny hery sy ny voninahitra mandrakizay”[3]. Ny lalÓm-panorenana ap˘st˘lika dia nanampy eo am-panombohana hoe : “ny fanjakana”[4], ary izany no rijan-teny notanana amin’izao androntsika izao amin’ny fivavahana momba ny firaisam-pinoana. Ny lovam-panahy bizantinina dia nanampy, aorian’ny hoe voninahitra, hoe “Ray, Zanaka sy Fanahy Masina”. Ny bokin-damesa r˘manina dia mamelabelatra ny fangatahana farany[5] eo am-piandrasana ny hasambarana nampanantenaina[6], sy ny Fiavian’i Jesoa-Kristy Tompontsika, vao manaraka ny fihobian’ny mpiangona na ny famerenana ny tenim-boninahitra avy amin’ny lalÓm-panorenana ap˘st˘lika.

 

 

ANDALANA 1

“Famintinana ny Evanjely manontolo”

2761.“Famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ny Fivavahan’ny Tompontsika”[7]. “Tamin’ny nampitan’ny Tompo ho antsika io rijan-tenim-pivavahana io, dia nampiany hoe : “Mangataha, dia hahazo ianareo” (Jo 16,24). Ny tsirairay Óry dia samy afaka manondrotra vavaka samihafa any an-danitra araka ny ilainy, nefa ny anombohana lalandava izany dia ny Vavaky ny Tompo, izay mitoetra ho vavaka fototra”[8].

 

I. Foiben’ny Soratra Masina rehetra

2762. Taorian’ny nampisehoana hoe : ahoana no maha-sakafo fototry ny fivavahana kristianina ny Salamo ? sy ny maha-fihaonana izany ao amin’ny fangatahana amin’ny Rainay ? dia hoy i Md Augustin mamarana hoe :

“Tetezo daholo ny vavaka rehetra izay ao amin’ny Soratra Masina, fa tsy mino aho hoe mety hahita zavatra izay tsy ao anatin’ny Fivavahan’ny Tompontsika ianareo[9].

2763. Ny Soratra Masina rehetra (ny LalÓna, ny Mpaminany ary ny Salamo), dia tanteraka ao amin’i Kristy[10].  Ny Evanjely io “Vaovao Mahafaly” io. Ny fanambarÓna izany voalohany dia nofintinin’i Md Matio ao amin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra[11]. Nefa ny fivavahana amin’ny Rainay no foiben’io fanambarÓna io. Ao anatin’izany tontolon-kevitra izany no mihamazava ny fangatahana tsirairay ao amin’ny fivavahana nampitain’ny Tompo :  
Ny Fivavahan’ny Tompontsika no lavorary indrindra amin’ny vavaka rehetra (...). Tsy izay rehetra azontsika irýna amim-pahitsiana ihany no angatahintsika ao aminy, fa koa araka ny laharam-pahamehana izay mahamety no aniriana izany. Hany ka tsy mampianatra antsika hangataka fotsiny ity vavaka ity, fa manabe koa ny fihetseham-pontsika manontolo[12].
2764. Fitambaram-pampianaram-piainana ny toriteny teo an-Tendrombohitra, vavaka ny Fivavahan’ny Tompontsika, nefa samy anomezan’ny Fanahin’ny Tompo endrika vaovao ny faniriantsika, ireo hetsika ao anaty ireo izay mamelona ny fiainantsika. Nampianatra antsika tamin’ny teniny izany fiainam-baovao izany i Jesoa, sy nampianatra antsika hangataka izany tamin’ny vavaka. Avy amin’ny fahitsian’ny fivavahantsika no hiankinan’ny an’ny fiainantsika ao Aminy.
 

II. “Vavaky ny Tompo” 

2765. Ny fiteny mahazatra hoe : “Fivavahan’ny Tompo”, dia midika fa ny fivavahana amin’ny Raintsika dia nampianarina sy nomena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Tompo. Io vavaka izay azontsika avy tamin’i Jesoa io dia tena tokana aman-tany tokoa : “avy amin’ny Tompo” izany. Satria, etsy an-daniny, amin’ny alalan’ireo tenin’io vavaka io no anomezan’ny Zanaka Lahitokana antsika ireo teny izay nomen’ny Ray Azy[13] : Izy no Tompon’ny fivavahantsika. Etsy an-kilany, noho Izy Teny tonga nofo, fantany ao am-pony maha-olombelona ny filan’ny olombelona rahalahiny sy anabaviny, ary nambarany tamintsika izany : Izy no M˘dely amin’ny fivavahantsika.

2766. Kanefa tsy rijan-tenim-bavaka averimberina fotsiny no navelan’i Jesoa ho antsika[14]. Toy ny vavaka tononina rehetra, amin’ny alalan’ny Tenin’ Andriamanitra no ampianaran’ny Fanahy Masina an’ireo zanak’ Andriamanitra hivavaka amin’ny Rain’izy ireo. Tsy ireo teny amin’ny fivavahana maha-zanaka antsika fotsiny no omen’i Jesoa antsika, fa omeny antsika miaraka amin’ireo koa ny Fanahy izay amin’ny alalany ireo no manjary “fanahy sy fiainana” (Jo 6,64) ao amintsika. Fa indrindra : ny porofo sy ny fahazoa-manao ny fivavahana maha-zanaka antsika dia ny Ray “izay naniraka ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany ka miantso hoe : "Aba, Ray!"” (Gal 4,6). Noho ny fivavahantsika manazava ny faniriantsika ho eo akaikin’Andriamanitra, dia mbola “Ilay izay mikaroka ny fo”, ny Ray, no “mahalala ny fanirian’ny Fanahy, izay mifanentana amin’ny hevitr’ Andriamanitra ny fitalahoany ho an’ny olomasina” (R˘m 8,27). Ny fivavahana amin’ny Rainay dia tafiditra ao anatin’ny fanirahana mifono misterin’ny Zanaka sy ny Fanahy.


 

III. Vavaky ny Fiangonana

2767.Io vavaka io, izay fanomezana avy amin’ireo tenin’ny Tompo tsy azo sarahina amin’ny Fanahy Masina mamelona izany ao am-pon’ny mpino no noraisin’ny Fiangonana sy nivelomany hatrany am-piandohana. Ireo ankohonam-piangonana voalohany dia nanao ny Vavaky ny Tompo “intelo isan’andro”[15] ho solon’ireo “Vavaka fisaorana valo ambin’ny folo” fanao amin’ny asa fitiavam-bavaka jody.

2768. Araka ny Lovam-pampianarana avy amin’ny ap˘st˘ly, ny Vavaky ny Tompo dia miorim-paka indrindra amin’ny vavaka litorzika.

Mampianatra antsika hanao ny fivavahantsika miaraka ho an’ny mpiray tam-po rehetra amintsika amin’ny finoana ny Tompo. Satria Izy tsy niteny hoe : “Raiko” izay any an-danitra, fa “Rainay”, mba hahatonga ny fivavahantsika, amin’ny fanahy iray ihany, ho an’ny Tenan’ny Fiangonana manontolo[16].
Ao amin’ny lovam-panahy rehetra ara-litorzia, ampahany tsy azo esorina amin’ireo ora lehibe amin’ny Fankalazana an’Andriamanitra isan’andro, ny Vavaky ny Tompo. Kanefa amin’ireo sakramenta telo firosoana ho kristianina indrindra no miseho miharihary ny toetra maha-Fiangonana azy :

2769. Amin’ny Batemy sy ny Fankaherezana, ny fanolorana (traditio) ny Vavaky ny Tompo no mampahafantatra ny fahateraham-baovao amin’ny ain’Andriamanitra. Satria ny fivavahana kristianina dia ny miresaka amin’ Andriamanitra amin’ny Teny avy amin’Izy Andriamanitra ihany, ka ireo izay “nateraka indray tamin’ny Tenin’Andriamanitra velona” (1 Pi 1,23), dia mianatra miantso ny Rain’izy ireo amin’ilay hany Teny izay henoiny lalandava. Ary azon’izy ireo atao izany hatramin’izao, satria ny Fitomboka nanosoran’ny Fanahy Masina dia voapetaka, tsy maty vonoina, ao am-pon’izy ireo, ao an-tsofin’izy ireo, ao am-bavan’izy ireo, amin’ny maha-zanaka manontolo azy ireo. Koa noho izany ny ankamaroan’ny fivoasan-tenin’ny Aban’ny Fiangonana momba ny Rainay dia avantana amin’ireo katekomena sy ireo zazavao amin’ny finoana. Rahefa manao ny Vavaky ny Tompo ny Fiangonana, dia mandrakariva ny vahoaka vao “tera-bao” no mivavaka sy mahazo famindram-po[17].

2770.Amin’ny litorzian’ny Eokaristia ny Vavaky ny Tompo no hita fa vavaky ny Fiangonana manontolo. Eo no miharihary ny heviny feno sy ny fandairany. Noho ny Vavaky ny Tompo napetraka eo anelanelan’ny Vavaka fisaorana sy ny litorzian’ny k˘monio, etsy an-daniny, izy no mamondrona ny fangatahana sy ny fitalahoana rehetra voambara ao amin’ny vavaka epikilezy, ary etsy an-kilany, izy no mandom-baravaran’ny Fihinanam-be any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, izay hohanina mialoha amin’ny k˘monio ara-tsakramenta.

2771.Amin’ny Eokaristia, ny Vavaky ny Tompo no maneho koa ny toetra any am-parany any ny fangatahany. Ny vavaky ny Tompo no vavaka manokana momba ny “fotoana farany”, momba ny fotoam-pamonjena izay nanomboka tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina ary ho tontosa amin’ny Fiverenan’ny Tompo. Ny fangatahana amin’ny Raintsika, tsy mitovy amin’ ny vavaka ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia miankina amin’ny misterim-pamonjena efa tanteraka, indray mandeha ihany dia ampy, tao amin’i Kristy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana sy nitsangan-ko velona.

2772.Avy amin’izany finoana tsy voahozongozona izany no ipoiran’ny fanantenana, izay manainga ny tsirairay amin’ireo fangatahana fito. Manambara ny fitarainana amin’ny vanim-potoana ankehitriny ireo, izao fotoam-paharetana sy fiandrasana izao, izay mandritra izany dia “mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika” (1 Jo 3,2)[18]. Ny Eokaristia sy ny Rainay dia mitodika any amin’ny fiavian’ny Tompo, “mandra-pahatongany” (1 K˘r 11,26).

 

FAMINTINANA

2773.Ho valin’ny fangatahan’ireo mpianany (Tompo ˘, ampianaro mivavaka izahay : Lk 11,1), no nanankinan’i Jesoa tamin’izy ireo ny vavaka fototra kristianina, dia ny Rainay izany.

2774.“Ny Vavaky ny Tompo no famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo[19], ny lavorary indrindra amin’ny vavaka rehetra[20]. Izy no foiben’ny Soratra Masina.

2775.Antsoina hoe Vavaky ny Tompo izy, satria avy amin’i Jesoa Tompo, Mpampianatra sy M˘dely amin’ny fivavahantsika no nahazoantsika azy.

2776.Ny Vavaky ny Tompo no vavaka tsara sy ambony indrindra amin’ny vavaky ny Fiangonana. Ampahany tsy azo esorina izy, amin’ny Vavaka isan’ andro Fankalazana an’Andriamanitra sy amin’ny fankalazana ny sakramenta firosoana ho kristianina, dia ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia. Noho ny vavaky ny Tompo nakambana ao amin’ny fankalazana ny Eokaristia, dia maneho ny endriky ny any am-parany any izy ny amin’ny fangatahan’ny Fiangonana, ao anatin’ny fanantenana ny Tompo, mandra-piaviny(1 K˘r 11,26).

 

 

ANDALANA 2

“Rainay any an-danitra”

 

I. “Sahia isika manatona amim-pitokiana tanteraka”

2777.Amin’ny litorzia r˘manina, asaina manao ny vavaka ny Rainay amin-kasahian-janaka ny mpiangona mankalaza ny Eokaristia ; mampiasa sy mamelabelatra amin’ny fiteny mifanahaka amin’izany koa ny litorzia tatsinanana : “Sahia matoky tanteraka”, “Ataovy mendrika izahay...”. Teo anoloan’ny Kirihitra nirehitra no nilazany tamin’i M˘izy hoe : “Aza manatona eo ianao. Esory ny kapanao” (Eks 3,5). I Jesoa irery no afaka mandingana io tokonam-pidirana amin’ny Fahamasinan’Andriamanitra io ; Izy, “tamin’ny fanatanterahana ny fanadiovana ny fahotantsika” (Heb 1,3), no mampiditra antsika hifanatri-Tava amin’ny Ray : “Indreto izahay, Izaho sy ny zanako izay nomenao ahy” (Heb 2,13) :  

Ny k˘nsiansy izay ahatsapantsika ny toetra maha-andevo antsika no hahatonga antsika handentika ao anaty tany, ny  toetra maha-tany antsika hody ho vovoka, raha tsy ny fahefan’ny Tenan’Izy Raintsika sy ny Fanahin’ny Zanany no nanosika antsika hanonona izao antso izao : “Aba, Ray!” (R˘m 8,15). (...) Rahoviana ny fahosan’ny olombelona no ho sahy hiantso an’Andriamanitra ho Rainy, raha tsy hoe velomin’ny Hery avy any ambony ny am-po lalin’ny olombelona[21] ?
2778.Izany herin’ny Fanahy izay mampiditra antsika amin’ny Vavaky ny Tompo izany no ambara ao amin’ny litorzia Tatsinanana sy ny Tandrefana amin’ny alalan’ny fomba fiteny tsara tena kristianina hoe : parrhÚsia, izay midika hoe : fahatsorana tsy misy olakolaka, fitokian-janaka, toky maha-miramirana, fahasahiana tsotra, fitokiana fa notiavina[22].

 

II. “Ray !” 

2779.Alohan’ny hahatonga ho antsika io hetsi-panahy voalohany amin’ny vavaky ny Tompo io dia ilaina ny manadio amim-panetren-tena ny fontsika momba ny fiheverana diso sasantsasany “eto amin’ity tany ity”. Ny fanetren-tena no mampahafantatra antsika, fa “tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, ary amin’izay tian’ny Zanaka hanambarÓny Azy” (Mt 11,27), izany hoe : “ny madinika” (Mt 11,25).  Ny fandiovana ny fo dia mahakasika ireo fiheverana ny maha-ray na ny maha-reny avy amin’ny tantaran’ny tenantsika sy ny kolontsaintsika, sy mitarika fiovan-kevitra momba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Mihoatra ambony dia ambony noho ny zavaboary rehetra isan-tokony Andriamanitra Raintsika. Ny mampifamadi-toerana ho ambony noho Izy na manohitra Azy dia mahatonga ny hevitsika amin’io lafiny io, hamorona sampy hivavahana na haongana. Ny mivavaka amin’ny Ray, dia ny miditra ao amin’ny mistery, araka ny maha-Izy Azy, sy araka ny nanambarÓn’ny Zanaka Azy antsika :

Ny hoe Ray Andriamanitra dia tsy nambara na oviana na oviana na tamin’iza na tamin’iza. Rahefa nangataka tamin’Andriamanitra hoe iza moa Izy, ny tenan’i M˘izy, dia anarana hafa no henony. Tamin’ny Zanaka no nambara tamintsika ny anarana hoe Ray, satria mifono ny anaram-baovao hoe Ray ny anarana hoe Zanaka[23].

2780.Afaka miantso an’Andriamanitra hoe “Ray” isika satria Izany no nambara antsika tamin’ny alalan’ny Zanany tonga olombelona ary ny Fanahiny no nampahalala Izany antsika. Izay tsy mety ho voasainan’ny olombelona na mety ho tsikaritry ny herin’ny anjely, momba ny fifandraisana manokana eo amin’ny Zanaka sy ny Ray[24], dia indro fa ny Fanahin’ny Zanaka no mampandray anjara antsika amin’izany, isika izay mino fa i Jesoa no Kristy ary isika no naterak’Andriamanitra[25].

2781.Rahefa mivavaka amin’ny Ray isika, dia miombona Aminy sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany[26]. Amin’izany no ahalalantsika Azy sy iekentsika Azy  amin’ny figagana vaovao lalandava. Ny teny voalohany amin’ny vavaky ny Tompo dia fisaorana amam-pitsaohana, izay vao zary fitalahoana. Satria ny voninahitr’Andriamanitra no iekentsika Azy ho “Ray”, Andriamanitra marina tokoa. Misaotra Azy isika, tamin’ny nanambarÓny tamintsika ny anarany, tamin’ny nanomezany antsika ny finoana an’izany, ary amin’ny onenany miaraka amintsika amin’ny maha-Eo Azy.

2782.Afaka mitsaoka ny Ray isika satria Izy no niteraka antsika indray ho amin’ny Fiainany tamin’ny nananganany antsika ho zanany ao amin’ny Zanany Lahitokana : amin’ny alalan’ny Batemy Izy no mampiray antsika ao amin’ny Vatan’i Kristiny, ary, amin’ny fanosoran’ny Fanahiny izay mampidina avy amin’ny Loha ho ao amin’ireo rantsambatana Izy no mahatonga antsika ho “kristy”.

Araka izany, Andriamanitra izay nanokana antsika tamin’ny fananganan-janaka, no nahatonga antsika hitovy amin’ny Vatana be voninahitr’i Kristy. Manomboka izao Óry, noho ianareo miombona anjara amin’i Kristy, dia ara-drariny raha antsoina hoe : “kristy”[27] ianareo.

Ny olom-baovao, izay nateraka indray sy naverina ao amin’Andriamaniny tamin’ny alalan’ny fahasoavana, dia miantso hoe “Ray!” aloha, satria manjary zanaka izy[28]

2783.Arak’izany, amin’ny alalan’ny vavaky ny Tompo, dia sady mampiseho ny maha-isika amin’ny tenantsika isika no manambara amintsika koa ny Ray[29] :

Ry olombelona ˘, tsy sahinao ny nanandratra ny tavanao hibanjina ny lanitra, fa nanondrika ny masonao hijery ny tany ; kanjo, tampoka, nahazo ny fahasoavan’i Kristy ianao : voavela ny helokao rehetra. Avy amin’ny mpanompo ratsy ianao no nanjary zanaka tsara. (...) Atrakao Óry ny masonao ho amin’ny Ray izay nanavotra anao tamin’ny alalan’ny Zanany ka antsoy hoe : Rainay Izy (...). Kanefa aza mitaky ny zo tsy anao velively. Fa ny tena maha-Ray Azy, amin’ny fomba manokana, dia noho i Jesoa Zanaka naterany ; ny amintsika kosa, Ray iombonana Izy, satria Izy no nahary antsika. Ianao koa Óry, noho ny fahasoavana, dia antsoy  hoe : Rainay Izy, mba ho mendrika ny ho zanany[30].

2784.Izany fanomezana maimaim-poana amin’ny fananganana ho zanaka izany dia mitaky amintsika ny fibebahana tsy tapaka sy ny fiainam-baovao. Ny mivavaka amin’ny Raintsika dia tokony hampivelatra toetra fototra roa ao amintsika :

Ny faniriana sy ny finiavana hanahaka Azy. Noho isika noarýny hitovy endrika Aminy, dia amin’ny fahasoavana no amerenany ao amintsika io fitoviana endrika io sy ampifanarahantsika izany amintsika.

Ilaintsika ny mahatsiahy, rahefa miantso an’Andriamanitra “ho Raintsika” isika, fa tokony hitondra tena amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika[31].

Tsy afaka miantso an’Andriamanitry ny hatsaram-po rehetra ho Rainareo ianareo raha fo masiaka sy feno habibiana ny fonareo ; satria amin’izany toe-javatra izany, tsy manana ao aminareo intsony ny mariky ny hatsaram-pon’ny Ray izay any an-danitra ianareo[32].

Tsy maintsy banjinina tsy an-kijanona ny hatsaran’ny Ray ary atao izay hamonto ny fanahintsika amin’izany[33].

2785.Fo manetry tena sy matoky no mahatonga antsika “hiverina amin’ny toetran’ny zazakely” (Mt 18,3) : satria ho an’ny “madinika” no nanambarÓn’ Andriamanitra ny Tenany (Mt 11,25) :

Izany no fandinihana an’Andriamanitra irery, afom-pitiavana lehibe. Ao amin’izany ny fanahy no miempo sy rendrika ao amin’ny fitiavana masina mamy sy madio, ary miresaka amin’Andriamanitra toy ny amin’ny Rain’ny tena mihitsy, amim-pifankazarana tokoa, ao anatin’ny fanehoam-pitiavam-bavaka manokana dia manokana[34].

Rainay : io anarana io dia miteraka ao amintsika, indray miaraka, ny fitiavana, ny fankamamiana vavaka, (...) ary koa ny fanantenana fa hahazo izay ho angatahintsika isika (...). Inona tokoa moa no handavan’Izy Ray ny fivavahan’ny zanany, raha efa nekeny mialoha ho zanany izy ireo[35] ?

 

III. Rai“nay

2786.Momba an’Andriamanitra ny hoe Rai“nay”. Io mpamaritra io, amintsika, dia tsy manambara fananana tsy akory, fa milaza fifandraisana tena vaovao amin’Andriamanitra.

2787.Rahefa miantso hoe Rai“nay” isika, dia manaiky aloha fa tanteraka ao amin’ny fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay ao amin’i Kristiny ny fampanantenam-pitiavany rehetra nolazain’ny Mpaminany : manjary Vahoaka“ny” isika ary manomboka izao dia Andriamani“tsika” Izy. Fifandraisana vaovao izany, izay fiombonana mifamaly atao maimaim-poana: fitiavana sy tsy fivadihana[36] no valy ataontsika amin’ “ny fahasoavana sy ny fahamarinana” izay omena antsika ao amin’i Jesoa-Kristy[37].

2788.Satria vavaky ny Vahoakany amin’ny “andro farany” ny Vavaky ny Tompo, koa ny hoe Rai“nay” dia maneho fa azo antoka marina ny fanantenantsika amin’ny fampanantenana farany ataon’Andriamanitra : ao amin’ilay Jerosalema vaovao, hoy Izy amin’ny mpandresy : “Izaho ho Andriamaniny ary izy ho zanako” (Ap˘k 21,7).

2789.Rahefa manao ny vavaka hoe Rai“nay”, dia amin’ny Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika no ivantanan’ny vavaka ataontsika tsirairay. Tsy manasaraka ny maha-Andriamanitra isika, satria ny Ray no “loharano sy fiandohana” amin’izany, ka amin’izany no anambarÓntsika ampahibemaso fa Izy no niteraka ny Zanaka hatramin’ny mandrakizay ary avy Aminy ny Fanahy Masina. Tsy manafangaro velively koa ireo Olona telo isika, satria ambarantsika ampahibemaso fa ny fiombonantsika dia miaraka amin’ny Ray sy i Jesoa-Kristy Zanany, ao amin’ny Fanahy Masin’Izy ireo tokana ihany. Iray fombam-pisia-maha-izy sy tsy azo sarahina ny Trinite Masina. Rahefa mivavaka amin’ny Ray isika, dia mitsaoka Azy sy manome voninahitra Azy miaraka amin’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.

2790.Ara-pitsipi-panoratana amam-pitenenana, ny hoe “anay” dia ilazana zava-misy iray iombonan’ny maro. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana ary eken’ireo izay naterany indray tamin’ny rano sy ny Fanahy[38], tamin’ny alalan’ny finoana ny Zanany Lahitokana, fa Ray Izy. Ny Fiangonana io fiombonana vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona io : noho ny Fiangonana tafaray amin’ny Zanaka Lahitokana nanjary “Lahimatoa amin’ny rahalahy maro” (R˘m 8,29), dia miombona amin’ny Ray tokana ihany, ao amin’ny Fanahy Masina tokana ihany izy[39]. Amin’ny fanaovana ny vavaka hoe Rai“nay”, mivavaka ao amin’izany fiombonana izany ny vita batemy tsirairay : “Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra” (Asa 4,32). 

2791.Noho izany, na misy aza ny fisaraham-bazana eo amin’ny kristianina, dia mijanona ho fananana iombonana sy antso maika ho an’ny vita batemy rehetra ny vavaka Rai“nay”. Noho ny fiombonam-pinoana an’i Kristy sy noho ny Batemy, dia tokony handray anjara izy ireo amin’ny vavak’i Jesoa ho an’ny firaisan’ny mpianany[40].

2792.Farany, raha tena manao tokoa ny vavaka “Rainay” isika, dia ho afaka amin’ny toe-tsain’ny samy maka ho azy, satria ny fitiavana izay raisintsika no manafaka antsika amin’izany. Ny hoe “anay” amin’ny fanombohan’ny Vavaky ny Tompo, tahaka ny hoe “anay” amin’ny fangatahana efatra farany, dia tsy manavaka na iza na iza. Mba ho voalaza marina tokoa izany[41], tsy maintsy resena ny fisaraham-bazana misy eo amintsika sy ny fifanoherantsika. 

2793.Tsy afaka hanao ny vavaka Rai“nay” ireo vita batemy raha tsy mitondra eo Aminy an’ireo rehetra nanomezany ny Zanany malalany ho azy ireo. Tsy misy fefy ny fitiavan’Andriamanitra, ka tokony ho izany koa ny fivavahantsika[42]. Ny manao ny vavaka Rai“nay” no manokatra antsika ho amin’ny halehiben’ny fitiavany naseho miharihary tao amin’i Kristy : mivavaka miaraka amin’ny olon-drehetra sy ho an’ny olon-drehetra izay tsy mbola mahalala Azy, mba ho tafangona ao anatin’ny firaisana izy ireo[43]. Izany fiahian’Andriamanitra ny olombelona rehetra sy ny voary manontolo izany no nanentana ny mpivavaka malaza rehetra :  tokony hampivelatra ny fivavahantsika eo amin’ny ambaindain’ny fitiavana izany rahefa sahy miantso hoe Rai“nay” isika.

 

IV. “Izay any an-danitra ”

2794. Io fiteny ara-baiboly io dia tsy midika toerana (“elanelan-toerana”), fa toe-pisiana ; tsy ny fahalaviran’Andriamanitra fa ny fahamboniana amam-piandrianany. “Tsy ivelan’ny toerana” ny Raintsika, fa “ambonin’izay rehetra” azontsika saintsainina ny amin’ny Fahamasinany. Satria Masina tsy manam-petra Izy, dia tena akaikin’ny fo manetry tena sy manenina tokoa :

Amin’izany antony izany ity teny hoe “Rainay any an-danitra” ity no mifanaraka amin’ny fon’ny olo-marina, izay ao Andriamanitra no monina toy ny ao an-tempoliny. Amin’izany koa no hanirin’ilay izay mivavaka hahita an’Ilay izay antsoiny hitoetra ao aminy[44].

Ireo “lanitra” dia azo heverina koa ho ireo izay mampahita ao aminy ny sarin’ny tontolon’ny lanitra, ary ao aminy Andriamanitra no monina sy mitsangantsangana[45].

2795. Ny fanehoana an’ohatra ny lanitra dia mamerina antsika amin’ny misterin’ny fanekem-pihavanana izay iainantsika rahefa mivavaka amin’ny Raintsika isika. Any an-danitra Izy, izay Fonenany, koa ny Tranon-dRay izany no “tanindrazantsika”. Avy ao amin’ny tanin’ny fanekem-pihavanana no nandroahan’ny fahotana antsika[46], ary mankany amin’ny Ray, mankany an-danitra no ampodian’ny fibebahan’ny fo antsika[47]. Nefa ao amin’i Kristy no ihavanan’ny lanitra sy ny tany[48], satria ny Zanaka “no nidina avy any an-danitra”, Izy irery ihany, ary Izy no hampiakatra antsika any miaraka Aminy, amin’ny alalan’ny Hazofijaliany, ny Fitsanganany ho velona ary ny Fiakarany any an-danitra[49].

2796. Rahefa manao ny vavaka “Rainay any an-danitra” ny Fiangonana, dia miaiky izy fa isika no Vahoakan’Andriamanitra efa mipetraka any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa[50], miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra[51], sady koa misento “ao anatin’ity tranolay ity, fa maniry mafy ny hitafy ilay tranontsika, dia ilay trano avy any an-danitra” (2 K˘r 5,2)[52] :

Mitafy nofo ny kristianina, nefa tsy mivelona araka ny nofo. Mihelina ihany ny fiainan’izy ireo ety an-tany, satria olon’ny lanitra izy ireo[53].

 

FAMINTINANA

2797.Ny fitokiana tsotra sy tsy mivadika, ny fahasahiana amim-panetren-tena sy amin-kafaliana, no toe-panahy mety ho an’izay manao ny vavaka Rainay.

2798.Afaka miantso an’Andriamanitra ho “Ray” isika, satria ny Zanak’ Andriamanitra tonga olombelona no nanambara Azy tamintsika, izay ao Aminy, amin’ny alalan’ny Batemy, no nanakambanana sy nananganana antsika ho zanak’Andriamanitra.

2799.Mampiombona antsika amin’ny Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany, ny vavaky ny Tompo. Mampiseho amin’ny tenantsika ny maha-isika antsika koa ny vavaky ny Tompo[54].

2800. Ny manao ny vavaka Rainay dia tokony hampitombo ao amintsika ny finiavana hanahaka Azy, ary koa ny fo manetry tena sy matoky.

2801.Amin’ny fiantsoana hoe “Rainay” no italahoantsika ny Fanekem-pihavanana Vaovao ao amin’i Jesoa-Kristy, ny fiombonana amin’ny Trinite Masina ary ny fitiavan’Andriamanitra izay manerana ny lafy valon’ny tany, amin’ny alalan’ny Fiangonana.

2802.Ny hoe izay any an-danitra dia tsy manondro toerana velively tsy akory, fa ilazana ny fahamboniana amam-piandrianan’Andriamanitra sy ny maha-ao am-pon’ny olo-marina Azy. Ny lanitra, ny Tranon’ny Ray, no tena tanindrazana tokoa izay any no iafarantsika, ary efa antsika sahady.

 

ANDALANA 3

Ny Fangatahana fito

2803.Rahefa avy nametraka antsika teo anatrehan’Andriamanitra Raintsika mba hitsaoka Azy, ho tia Azy ary hisaotra Azy ny Fanahy maha-zanaka, dia mampisondrotra avy ao am-pontsika ireo fangatahana fito, fisaorana fito. Ny telo voalohany, mikasika an’Andriamanitra kokoa, mitarika antsika ho amin’ny Voninahitry ny Ray ; ny efatra farany, toy ny lalana mankany Aminy, manolotra ny fahantrana amam-pahoriantsika amin’ny Fahasoavany.  “Mifampitaona ny onjan-drano” (Sal 42,8).

2804. Mitondra antsika mankany amin’ny Ray sy ho Azy ny fitambaran’ny fangatahana voalohany : ny Anaranao, ny Fanjakanao, ny Sitraponao ! Izany no toetra manokana ny fitiavana izay ieritreretana an’Ilay tiantsika aloha. Tsy ny “tenantsika” no lazaintsika amin’ny tsirairay amin’ireo fangatahana telo ireo, fa ny “faniriana miredareda”, ny “tebiteby” rahateo, ao amin’ny Zanaka malala ho Voninahitry ny Rainy, izay mambabo antsika[55] : “Hohamasinina anie (…). Ho tonga anie (…). Ho tanteraka anie (…)” : ireo fitalahoana telo ireo dia efa nekena tamin’ny Soron’i Kristy Mpamonjy, nefa ireo, hatramin’izao, ao anatin’ny fanantenana, dia atodika mankany amin’ny fahatanterahany farany, noho Andriamanitra tsy mbola zavatra rehetra amin’izy rehetra[56].  

2805. Ny fitambaran’ny fangatahana faharoa dia manaraka ny fizotran’ny vavaka epikilezy sasantsasany amin’ny Eokaristia : izy no fanatitry ny fanantenantsika sy manintona ny mason’ny Rain’ny famindram-po. Misondrotra avy ao amintsika izy sady mahakasika antsika ankehitriny, eto amin’ity tany ity: “Omeo anay (…) avelao ny fahotanay (…) aza avelanao (…) izahay, fa manafaha anay (…).” Ny fangatahana fahefatra sy fahadimy dia mahakasika ny fiainantsika, araka ny maha-izy azy, na hamelona azy, na hanasitrana azy amin’ny fahotana ; ny anankiroa farany dia mahakasika ny tolona ataontsika ho amin’ny fandresen’ny Fiainana, izay ilay tolona atao rahefa mivavaka ihany koa.

2806. Amin’ny fangatahana telo voalohany no amafisina amin’ny finoana isika, feno fanantenana, mirehi-pitiavana. Amin’ny maha-zavaboary sy mbola maha-mpanota antsika, tsy maintsy mangataka ho antsika isika, io “isika” arakaraka ny tontolo sy ny tantara io, no atolotsika amin’ny fitiavana tsy misy fetra itiavana an’Andriamanitsika. Satria amin’ny anaran’i Kristy Zanany sy ny Fanjakan’ny Fanahiny Masina no anatanterahan’ny Raintsika ny fandaharam-pamonjeny, ho antsika sy ho an’izao tontolo rehetra izao.

 

I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”  

2807.Ny teny hoe “manamasina” dia ilaina ho fantatra eto, voalohany indrindra tsy amin’ny heviny hiharana (Andriamanitra irery no manamasina, mahamasina) fa indrindra amin’ny heviny fanomezan-danja : manaiky fa masina, mandray amin’ny fomba masina. Araka izany, amin’ny vavaka fitsaohana, ity fitalahoana ity indraindray dia tafiditra ho vavaka fiderana sy fisaorana[57]. Kanefa ity fangatahana ity dia nampianarin’i Jesoa antsika ho firariana : fangatahana, faniriana ary fiandrasana izay ifamatoran’ Andriamanitra sy ny olombelona. Vao ao amin’ny fangatahana voalohany amin’ny Rainay, dia efa tafiditra ao anatin’ny mistery lalin’ny maha-Andriamanitra Azy isika sy ao anatin’ny fitaintainana amin’ny famonjena ny maha-olombelona antsika. Ny mangataka Aminy hoe hohamasinina anie ny Anarany, dia mitarika antsika ao amin’ny “fandaharana feno fitiavana izay novolavolaina mialoha” (Efez 1,9) mba “ho masina sy ho madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehany, ao amin'ny fitiavana, isika” (Efez 1,4).

2808. Tamin’ny fotoana raikitra amin’ny fitantanam-pamonjeny Andriamanitra no nanambara ny Anarany, nefa niaraka tamin’ny fanatanterahany ny tsanganasany no nanambarÓny izany. Ary tsy ho tontosa ho antsika sy ao anatintsika io tsanganasa io, raha tsy hamasinin’ny tenantsika sy ao amintsika ny anarany.  

2809. Ny Fahamasinan’Andriamanitra no foibe saro-takarin’ny saina amin’ny misteriny mandrakizay. Izay nampiharihariana izany tamin’ny fahariana sy ny tantara, no antsoin’ny Soratra Masina hoe : Voninahitra, famirapiratan’ny Fiandrianany[58]. Tamin’ny nanaovany ny olombelona “mitovy endrika Aminy sy mifanahaka Aminy” (Jen 1,26), no nosatrohan’Andriamanitra voninahitra izy[59], nefa tamin’ny nanotan’ny olombelona dia voaesotra tao aminy ny Voninahitr’Andriamanitra[60]. Koa noho izany, asehon’Andriamanitra ny Fahamasinany amin’ny fanambarÓny sy amin’ny fanomezany ny anarany, mba hanavaozana ny olombelona “amin’ny endrik’ilay Mpahary azy” (K˘l 3,10).

2810.Tamin’ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama, sy ny fianianana izay nampiarahina tamin’izany[61], ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nirotsaka an-tsehatra, saingy tsy nambarany ny anarany. Tamin’i M˘izy Izy no nanomboka nanambara ny anarany[62], ary naneho izany teo imason’ny vahoaka manontolo tamin’ny namonjeny azy ireo teo an-tanan’ny Ejipsianina: “Naneho ny voninahiny Izy” (Eks 15,1). Io vahoaka io, nanomboka tamin’ny fanekem-pihavanana teo Sinaia, dia “Azy” ary tsy maintsy ho “firenena masina” (na voatokana, teny iray ihany izany amin’ny teny hebrio[63]) satria monina ao aminy ny Anaran’Andriamanitra. 

2811.Ary, na teo aza ny LalÓna masina izay nomena azy sy naverin’ilay Andriamanitra Masina taminy[64], ary na naharitra aza ny Tompo, “noho ny Anarany” dia niodina tamin’ilay Masin’i Israely ny vahoaka ary nanevateva ny anarany teo amin’ireo firenena[65]. Izany indrindra no nahatonga ireo olo-marin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, ireo mahantra tafaverina avy tany an-tsesitany ary ireo mpaminany, hirehim-pitiavana ny anarany.

2812.Farany, ao amin’i Jesoa ny anaran’Andriamanitra Masina no nambara sy nomena antsika, tao amin’ny nofo, ho Mpamonjy[66] : nambara satria Izy no Izy, tamin’ny alalan’ny Teniny sy tamin’ny alalan’ny Sorona natolony[67]. Izany no votoatin’ny vavaka maha-mpisorona Azy : “Ray Masina ˘! (...) manamasina ny Tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy ireo (Jo 17,19). Satria ny Tenan’Izy Ray ihany no “manamasina” ny anarany[68], fa i Jesoa kosa no “maneho” amintsika ny anaran’ny Ray[69]. Tamin’ny fiafaran’ny Pakany, nomen’ny Ray Azy Óry ny anarana izay mihoatra ny anarana rehetra : i Jesoa dia Tompo ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray[70].

2813.Tamin’ny ranon’ny Batemy isika no “nosasana, nohamasinina, nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra” (1 K˘r 6,11). Eo amin’ny fiainantsika manontolo ny Raintsika no miantso antsika ho “amin’ny fahamasinana” (1 Tes 4,7), ary satria “avy Aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa antsika, izay tonga ho fanamasinana antsika” (1 K˘r 1,30), dia izao no voninahiny sy ny fi-ainantsika :  mba hohamasinina ao amintsika sy amin’ny alalantsika anie ny anarany. Izany no maika amin’ny fangatahantsika voalohany.

Iza no afaka hanamasina an’Andriamanitra, satria ny Tenany ihany no manamasina Azy ? Kanefa noho ity teny ity hoe : “Aoka ho masina ianareo satria masina Aho” (Lev 11,44), miteraka aingam-panahy ao amintsika, dia mangataka isika, nohamasinina tamin’ny Batemy, mba hitozoantsika ao amin’izay nanombohantsika ho misy. Ary isan’andro isika no mangataka izany, satria isan’andro isika no manaiky angolena, ary tokony hanadio ny fahotantsika amin’ny alalan’ny fanamasinana mitohy tsy an-kijanona (...). Mangata-pitahiana amin’ny alalan’ny vavaka Óry isika mba honina ao amintsika izany fahamasinana izany[71]

2814.Miankina tsy azo sarahina amin’ny fiainantsika sy ny fivavahantsika izany ny tokony hanamasinana ny anarany eo anivon’ireo firenena :

Mangataka amin’Andriamanitra isika hanamasinana ny anarany, satria amin’ny alalan’ny fahamasinana Izy no mamonjy sy manamasina ny zavaboary manontolo (...). Izany dia ny anarana izay manome ny famonjena an’izao tontolo izao very, nefa mangataka isika mba hohamasinina ao anatintsika amin’ny alalan’ny fiainantsika izany anaran’Andriamanitra izany. Satria raha miaina ny tsara isika, dia voahasina ny anaran’Andriamanitra ; fa raha miaina ny ratsy isika dia voatevateva izany, araka ny tenin’ny ap˘st˘ly hoe : “Noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentily” (R˘m 2,24)[72]. Mangataha Óry isika mba ho mendrika hananan’ny fanahintsika fahamasinana mitovy amin’ny fahamasinan’ny anara-masin’ny Andriamanitsika[73].

Rahefa miteny isika hoe : “Hohamasinina anie ny anaranao”, dia mangataka isika mba hohamasinina ao amintsika izy, izay mitambatra ao aminy, nefa koa ao amin’ny hafa izay mbola iandrasan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, mba hampifanaraka antsika amin’ny didy izay manery antsika hivavaka ho an’ny rehetra, na dia ho an’ny fahavalontsika aza. Izany no antony tsy ilazantsika mazava hoe : Hohamasinina anie ny anaranao “ao amintsika”, satria mangataka isika mba ho izany tokoa ny ao amin’ny olona rehetra[74].

2815.Io fangatahana io, izay mirakitra ny fangatahana rehetra, dia ekena amin’ny alalan’ny vavak’i Kristy, tahaka ny fangatahana enina hafa izay manaraka. Ny vavaka amin’ny Raintsika no fivavahantsika raha angatahina “amin’ny anaran’i” Jesoa izany[75]. Nangatahin’i Jesoa tamin’ny vavaka maha-mpisorona Azy, ny hoe : “Ray Masina ˘, arovy amin’ny anaranao ireo izay nomenao Ahy” (Jo 17,11).

 

II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao” 

2816.Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny voambolana iray hoe Basileia dia mety midika hoe “fanjakana” (anarana ilazana ny fiandrianan’ny mpanjaka), “fanjakana” (anarana ilazana ny toerana anjakan’ny mpanjaka) “fanjakana” (anarana ilazana ny fotoana anjakan’ny mpanjaka sy ny fahefana maha-mpanjaka). Efa talohan’ny fisiantsika ny Fanjakan’Andriamanitra, fa nanatona tao amin’ny Teny tonga nofo izy, notorýna tao amin’ny Evanjely manontolo, ary tonga tao amin’ny fahafatesan’i Kristy sy ny Fitsanganany ho velona. Nanomboka tamin’ny Sakafo masina farany no tonga ny fanjakan’Andriamanitra ary eo anivontsika izy ao amin’ny Eokaristia. Ho avy amim-boninahitra ny Fanjakan’Andriamanitra rahefa averin’i Kristy amin’ny Rainy izany :

Azo heverina fa midika ho ny tenan’i Kristy ihany ny fanjakan’ Andriamanitra, Izy izay antsointsika amin’ny firariantsika isan’andro sy irintsika ho haingana ny fahatongavany amin’ny alalan’ny fiandrasantsika. Tena Fananganana antsika ho velona tokoa Izy, satria ao Aminy no ananganana antsika ho velona, ary azo lazaina koa hoe Fanjakan’ Andriamanitra Izy, satria ao Aminy isika no hanjaka[76].

2817.Io fangatahana io  no ilay “Marana tha”, ilay hiakan’ny Fanahy sy ny Ampakarina : “Avia, ry Jesoa Tompo” :

Na dia io vavaka io aza, tsy hampanao antsika adidy hangataka ny fahatongavan’io Fanjakana io, fa ny tenantsika ihany no manosika hanao io hiaka io, amin’ny hanafainganana antsika handeha hamihina ny fanante-nantsika. Ny fanahin’ny martiry, eo ambany ˘tely, no miantso ny Tompo amin’ny feo mahery hoe : “Hatramin’ny rahoviana, ry Tompo, vao hitsara sy hanadina ny ranay amin’ny mponina eny ambonin’ny tany Ianao?” (Ap˘k 6,10). Satria tsy maintsy mahazo ny rariny izy ireo amin’ny farandro. Tompo ˘, afaingano Óry ny fahatongavan’ny fanjakanao[77] !

2818.Amin’ny vavaky ny Tompo, ny fahatongavana faran’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fiverenan’i Kristy no foto-dresaka[78]. Kanefa izany faniriana izany tsy manala ny Fiangonana amin’ny fanirahana azy eto amin’ ity tany ity, raha ny marina aza dia io faniriana io no mampiditra izany ao. Satria nanomboka tamin’ny Pantek÷ty, ny fahatongavan’ny Fanjakan’ Andriamanitra dia tsanganasan’ny Fanahin’ny Tompo, “izay manohy ny tsanganasany eo amin’izao tontolo izao sy manatanteraka ny fanamasinana rehetra”[79].

2819.”Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana, fiadanana sy fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (R˘m 14,17). Ny fotoana farany izay misy antsika no fotoanan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Nanomboka hatramin’izay no raikitra ny ady tsy an-kitsitsy eo amin’ny “nofo” sy ny Fanahy[80] :

Ny fo madio irery ihany no afaka hilaza amim-pitokiana hoe : “Ho tonga anie ny Fanjakanao”. Ilaina ny eo ambany fampianaran’i Paoly mba hahafahana milaza hoe : “Aoka Óry ny fahotana tsy hanjaka intsony ao amin’ny tenantsika mety maty” (R˘m 6,12). Izay miaro tena hadio amin’izay ataony, amin’ny eritreriny ary amin’ny teniny, no afaka hilaza amin’Andriamanitra hoe : “Ho tonga anie ny Fanjakanao !”[81]
2820.Ireo kristianina, amin’ny fandanjalanjana araka ny Fanahy, dia tsy maintsy manavaka ny fitomboan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fandrosoan’ny kolontsaina mbamin’ny fiaraha-monina izay irotsahan’izy ireo. Tsy fanasarahana tsy akory izany fanavahana izany. Ny fiantsoan’Andriamanitra ny olombelona ho amin’ny fiainana mandrakizay dia tsy manafoana fa manamafy ny adidiny hanatanteraka an’asa ny hery sy ny fitaovana noraisina avy amin’ny Mpahary mba hampiasana ny fahamarinana sy ny fiadanana eto amin’ity tany ity[82].

2821. Izany fangatahana izany dia entina sy ekena ao amin’ny vavak’i Jesoa[83], eo sy mandaitra amin’ny Eokaristia ; mitera-boka-tsoa ao amin’ny fiainam-baovao araka ny hasambarana izy[84].

 

III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” 

2822. Ny Sitrapon’ny Raintsika dia “ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,3-4). “Miandry amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza” (2 Pi 3,9)[85]. Ny didiny, izay mamintina ny didy hafa rehetra, sy manambara amintsika ny sitrapony manontolo, dia ny hifankatiavantsika, tahaka ny itiavany antsika[86].

2823. “Nampahafantatra antsika ny misterin’ny Sitrapony Izy, ilay fandaharana be fitiavana novolavolainy mialoha (...) hamerenana ny zavatra rehetra eo ambany Filoha tokana, dia i Kristy izany (...). Ao Aminy no nanokanana antsika, araka ny drafitra voasoritra mialoha an’Ilay izay mitondra ny zavatra rehetra araka ny Sitrapony” (Efez 1,9-11). Mangataka amim-piangaviana isika mba hahatanteraka tsy misy tomika io fandaharana be fitiavana io, ety an-tany tahaka ny efa mahatanteraka izany any an-danitra. 

2824. Ao amin’i Kristy, sy amin’ny alalan’ny sitrapo maha-olombelona Azy, no tanteraka an-tsakany sy an-davany, ary indray mandeha ihany, ny Sitrapon’ ny Ray. Hoy i Jesoa teo am-pidirana teto amin’izao tontolo izao : “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ˘!” (Heb 10,7)[87]. I Jesoa irery ihany no afaka milaza hoe : “Manao izay sitrany mandrakariva Aho” (Jo 8,29). Ao amin’ny  vavaka nandritra ny fiadiany aina, nanaiky tanteraka izany Sitrapo izany Izy : “Aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny Anao!” (Lk 22,42)[88]. Izany no nahatonga an’i Jesoa “ho nanolo-tena noho ny fahotantsika araka ny sitrapon’Andriamanitra” (Gal 1,4). “Araka izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny fanolorana ny Vatan’i Jesoa-Kristy” (Heb 10,10).

2825. I Jesoa, “na Zanaka tokoa aza, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fijaliana niaretany” (Heb 5,8). Vao mainka isika, zavaboary sy mpanota, nanjary zanaka natsangana ao Aminy. Mangataka amin’ny Raintsika isika hanakambana ny sitrapontsika amin’ny an’ny Zanany mba hanatanterahana ny Sitrapony, ny fandaharam-pamonjeny ho fiainan’izao tontolo izao. Tsy manan-kery tanteraka amin’izany isika, nefa raha miray amin’i Jesoa sy amin’ny herin’ny Fanahiny Masina, dia afaka mametraka Aminy indray ny sitrapontsika isika ary manapa-kevitra ny hisafidy izay nofidin’ny Zanany lalandava : manao izay sitraky ny Ray[89] :

Amin’ny firaiketana amin’i Kristy  no afaka hanjary ho fanahy iray ihany Aminy isika, ary amin’izany no hahatontosa ny sitrapony ; amin’ny fomba toy izany no ho tanteraka ny sitrapony ety an-tany tahaka ny any an-danitra[90].

Mba hevero kely ange ny fomba ampianaran’i Jesoa antsika hanetry tena, amin’ny fampahafantarana antsika fa ny hatsaram-panahintsika dia tsy miankina amin’ny asantsika fotsiny, fa miankina amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra. Mandidy ny mpino tsirairay izay mivavaka Izy eto, ny hanaovana izany ho an’ny daholobe manerana ny tany. Satria Izy tsy milaza hoe : “Ho tanteraka anie ny sitraponao” ato Amiko na ao aminareo, fa “eto an-tany tontolo” : mba ho voailika amin’izany ny fahadisoan-kevitra, mba hanjaka ao ny fahamarinana, mba ho rava ao ny haratsiam-panahy, mba hiroborobo ao ny hatsaram-panahy, ary ny tany mba tsy ho samy hafa intsony amin’ny lanitra[91].

2826. Amin’ny alalan’ny vavaka izany no ahafahantsika “manavaka hoe : inona no sitrapon’Andriamanitra ?” (R˘m 12,2)[92], sy mahazo “ny faharetana mba hanatanterahana izany”[93]. Ampianarin’i Jesoa antsika fa ny idiran’ny olona any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, dia tsy amin’ny teny, fa “amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 7,21).

2827. “Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona, dia izy io no ankatoavin’Andriamanitra amin’izany” (Jo 9,31)[94]. Toy izany ny herin’ny vavaky ny Fiangonana amin’ny anaran’ny Tompony, indrindra amin’ny Eokaristia ; izany no fiombonam-panalalana miaraka amin’ny Reny Masin’ Andriamanitra Indrindra[95] sy ny olomasina rehetra izay “nahazo sitraka” tamin’ny Tompo noho izy ireo tsy nanaiky afa-tsy ny sitrapon’ Andriamanitra :
Mbola azontsika adika toy izao ireo teny ireo, nefa tsy manohintohina ny marina : “Ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” amin’ny alalan’ireto : ao amin’ny Fiangonana tahaka ny ao amin’i Jesoa-Kristy Tompontsika ; ao amin’ny Ampakarina izay nofofoiny ho Azy tahaka ny ao amin’ny Mpampakatra izay nanatanteraka ny sitrapon’ny Ray[96].

 

IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” 

2828. “Omeo anay” : tsara ery ny fitokian’ny zanaka izay miandry ny zava-drehetra avy amin’ny Rain’izy ireo. “Mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy Izy, sy mandatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina” (Mt 5,45) ary manome ho an’ny mananaina rehetra “ny hanin’izy ireo amin’ny fotoany” (Sal 104,27). Mampianatra antsika ity fangatahana ity i Jesoa : manome voninahitra ny Raintsika marina tokoa ny fangatahana satria manaiky fa toy ny inona ny Fahatsarany mihoatra noho ny hatsaram-panahy rehetra. 

2829.Ny hoe “omeo anay” dia fiteny ilazana koa ny fanekem-pihavanana : Azy isika ary Izy antsika, ho antsika. Kanefa io “isika” io dia miaiky Azy koa ho Rain’ny olombelona rehetra ary mangataka Aminy ho azy rehetra isika, ho firaisan-kina amin’izay ilain’izy ireo sy amin’ny fijalian’izy ireo.

2830. “Ny haninay.” Ny Ray, izay manome antsika ny aina, dia tsy afaka ny tsy hanome antsika ny hanina ilaina amin’ny fiainana, ny soa rehetra “sahaza”, na ara-batana na ara-panahy. Nantitranterin’i Jesoa tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny amin’ity fitokian-janaka ity, izay mifarimbona amin’ny Fitahian’ny Raintsika[97]. Tsy mampanantena antsika Izy hiandry fotsiny tsy manao na inona na inona[98], nefa te-hanafaka antsika amin’ny ahiahy rehetra amin’ny fivelomana sy amin’ny zava-manahirana rehetra. Toy izao ny  fitokiana maha-zanaka ny zanak’Andriamanitra :

Amin’ireo izay mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia mampanantena Izy hanome ny zavatra rehetra ho fanampiny. Satria an’Andriamanitra ny zavatra rehetra : amin’izay manana an’Andriamanitra, tsy ory na inona na inona izy, raha toa ka tsy mandao an’Andriamanitra ny tenany[99].

2831. Nefa ny fisian’ireo izay noana noho ny tsy fahampian-tsakafo, dia manambara lafiny lalina hafa an’io fangatahana io. Ny antambon’ny hanoanana eto amin’izao tontolo izao dia miantso ny kristianina izay mivavaka amin’ny fahamarinana, handray andraikitra azo tsapain-tanana amin’ireo rahalahiny ireo, na amin’ny fihetsika amam-pitondran-tenan’izy ireo manokana na amin’ny fifanampian’izy ireo amin’ny fianakavian’ny olombelona. Ity fangatahana amin’ny Vavaky ny Tompo ity, dia tsy azo sarahina amin’ireo fanoharana mikasika an’i Lazara mahantra[100] sy ny FitsarÓna farany[101]

2832. Ny zava-baovao momba ny Fanjakan’Andriamanitra, toy ny lalivay ao anatin’ny koba, dia tokony hamonto ny tany amin’ny alalan’ny Fanahin’i Kristy[102]. Tokony hiseho izany amin’ny alalan’ny fanorenana ny fahamarinana eo amin’ny fifandraisan’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, ny ara-piharian-karena sy ny iraisam-pirenena, amin’ny tsy fanadinoana na oviana na oviana fa tsy misy rafitra ara-drariny raha tsy ny olona no miezaka ho marina.

2833. Ny amin’ny hoe “haninay”, dia “iray” ho an’ny “maro”. Ny fahantrana araka ny hasambarana dia ny herim-panahy fifampizarÓna : miantso izy mba hifampita sy hifampizara ny soa aman-karena ara-batana sy ara-panahy, tsy an-tery anefa fa amim-pitiavana, mba hitsaboana ny tsy fahampian’ny sasany amin’ny amby ampin’ny hafa[103].

2834. “Mivavaha sy miasÓ”[104]. “Mivavaha ianao tahaka ny hoe miankina amin’ Andriamanitra ny zavatra rehetra,  ary miasÓ ianao tahaka ny hoe miankina aminao ny zavatra rehetra”[105]. Manao ny asantsika isika, fa ny sakafo azo avy amin’izany dia fanomezana avy amin’ny Raintsika ; koa rariny ny hangatahana izany Aminy sy hisaorana Azy noho izany. Izany no dikan’ny vavaka aloha sy aorian’ny sakafo ao amin’ny fianakaviana kristianina.

2835. Ity fangatahana ity sy ny andraikitra takýny, dia mbola mahakasika koa ny hanoanana hafa izay mandreraka ny olombelona : “Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Mt 4,4)[106], izany hoe ny Teniny sy ny Fofon’Ainy. Ny kristianina dia tokony hamondrona ny herin’izy rehetra mba “hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo”. Misy hanoanana iray eto an-tany, “tsy hanoanana amin’ny hanina na hetaheta amin’ny rano, fa ny handre ny Tenin’Andriamanitra” (Am 8,11). Koa noho izany, ny hevitra kristianina manokana amin’ity fangatahana fahefatra ity dia mikasika ny Mofon’ny Fiainana : ny Tenin’Andriamanitra raisina amin’ny finoana, ny Vatan’i Kristy raisina amin’ny Eokaristia[107]

2836. Ny hoe “anio” dia fiteny koa maneho fitokiana. Mampianatra antsika an’izany ny Tompo[108] ; tsy afaka namorona izany ny fieboebontsika. Satria mikasika indrindra ny Teniny sy ny Tenan’ny Zanany ny foto-dresaka, ka ity hoe “anio” ity dia tsy izay mikasika ny androntsika miserana ihany fa mikasika ny “Anio an’Andriamanitra” :

Raha mandray mofo isan’andro ianao, ny isan’andro ho anao dia ny anio. Raha anao i Kristy amin’ny andro anio, dia manangan-ko velona anao isan’andro Izy. Ahoana izany ? “Zanako Ianao, Izao no niteraka Anao Aho androany” (Sal 2,7). Anio, izany hoe : rahefa manangan-ko velona i Kristy[109].

2837. “Isan’andro”. Ity teny ity, Úpiousios, dia tsy ampiasaina afa-tsy eto,  ao amin’ny Testamenta Vaovao. Raha raisina amin’ny hevitra momba ny fotoana izy, dia famerenana ara-pampianarana ny “anio”[110] mba hanamafisana amintsika amin’ny fitokiana “manontolo”. Raha raisina amin’ny hevitra momba ny toetran-javatra izy, dia midika ny ilaina amin’ny fiainana, ary amin’ny hevitra malalaka kokoa dia ny zava-tsoa rehetra sahaza ho an’ny fivelomana[111]. Raha raisina ara-bakiteny (Úpiousios : “mihoatra an’izay ilaina”), dia ilazana mivantana ny Mofon’ny Fiainana, ny Vatan’i Kristy, “fanafodin’ny tsy fahafatesana”[112] izay raha tsy misy azy dia tsy manana ny Fiainana ao amintsika isika[113]. Farany, raha ampifandraisina amin’ny teo aloha, dia mazava ny dikany araka an’Andriamanitra : “ny isan’Andro” dia ny an’ny Tompo, ny an’ny Fanasam-be any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, atao mialoha ao amin’ny Eokaristia izay efa fisantarana ny Fanjakan’ny lanitra izay ho avy. Koa noho izany, mety ny ankalazana ny litorzian’ny Eokaristia “isan’andro”.

Ny Eokaristia no hanintsika isan’andro. Ny hery manokana amin’ity hanina masina ity dia ny herim-piraisana : mampiray antsika amin’ny Vatan’ny Mpamonjy izy sy mampahatonga antsika ho rantsambatany mba hanjary ho ilay raisintsika isika (…). Ity hanina isan’andro ity koa dia ao amin’ireo vakiteny izay henoinareo isan’andro ao am-Piangonana, ao amin’ny antsa izay hiraina sy izay hirainareo. Ilaina amin’ny fivahiniantsika izany rehetra izany[114].

Amporisihan’ny Ray any an-danitra isika hangataka toy ireo zanaky ny lanitra, ny Mofon’ny lanitra[115]. I Kristy “Tenany mihitsy no Ilay mofo, izay nafafy tao amin’ilay Virjiny, nampitomboina tao amin’ny nofo, nopotsi-potsehina tamin’ny fijaliana, nandrahoina tao amin’ny lafaoran’ny fasana, notahirizina tao amin’ny Fiangonana, nentina eo amin’ny ˘tely, omena isan’andro ny mpino ho hanina avy any an-danitra”[116].

 

V. “Avelao ny fahotanay, tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay” 

2838.Mampitolagaga io fangatahana io. Raha tsy misy afa-tsy ireo rantsana amin’ny fehezan-teny voalohany izany – “Avelao ny fahotanay” - dia mety ho tafatsofoka, tsy voalaza mivantana, ao amin’ireo fangatahana telo voalohany amin’ny Vavaky ny Tompo, satria natao “ho famelana ny fahotana” ny Soron’i Kristy. Kanefa, araka ireo rantsana amin’ny fehezan-teny faharoa, dia tsy ho ekena ny fangatahantsika raha tsy efa valiana aloha ny zavatra takýna. Mitodika mankamin’ny ho avy ny fangatahantsika, fa ny valiny ataontsika no tsy maintsy mialoha azy ; ny teny mampifandray an’ ireo dia ny hoe : “tahaka”.
 

“Avelao ny fahotanay” ...

2839. Ao anatin’ny fitokiana amin-kasahiana no anombohantsika ny vavaka Rainay. Amin’ny fitalahoana Aminy mba hohamasinina anie ny Anarany, dia mangataka Aminy isika mba hohamasinina bebe kokoa lalandava ny tenantsika. Kanefa, na dia mitafy ny akanjon’ny maha-vita batemy aza isika, dia tsy mitsahatra manota, tsy mitsahatra mihodina amin’Andriamanitra. Ankehitriny, amin’ity fangatahana vaovao ity, miverina Aminy isika, toy ilay zaza mpandany[117], sy miaiky fa mpanota, eo anatrehany, toy ilay poblikana[118]. Ny fangatahantsika dia manomboka amin’ny “fibabohana” izay sady iekentsika ny fahantrana amam-pijaliantsika no iekentsika ny Famindram-pony. Mafy tsy voahozongozona ny fanantenantsika, satria ao amin’ny Zanany no “ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika” (K˘l 1,14)[119]. Ny famantarana mandaitra sy tsy mampisalasala amin’ny famelany, dia hitantsika ao amin’ireo sakramentan’ny Fiangonany[120].

2840.Fa ny mampatahotra, io habetsahan’ny famindram-po io dia tsy afaka haninteraka ny fontsika raha toa ka tsy namela ny helok’ireo izay nanao ratsy tamintsika isika. Ny fitiavana, toy ny Vatan’i Kristy, dia tsy azo saratsarahina: Tsy afaka ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitantsika isika, raha tsy tia ny rahalahy, ny anadahy, ny rahavavy, ny anabavy, izay hitantsika[121]. Amin’ny fandavana hamela ny rahalahintsika, ny anadahintsika, ny rahavavintsika ary ny anabavintsika, mihidy ny fontsika, ny hamafiny no mahatonga azy tsy andairan’ny fitiavana be famindram-pon’ny Ray ; amin’ ny fiekena ny fahotantsika, misokatra ho amin’ny fahasoavany ny fontsika.

2841.Tena manan-danja io fangatahana io, fa izy irery no naverin’ny Tompo sy novelabelariny tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra[122]. Izany fitakiana lehibe dia lehibe momba ny misterin’ny fanekem-pihavanana izany dia tsy mety ho vitan’olombelona. Kanefa “vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra” (Mt 19,26).

 

... “tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay” 

2842.Io “tahaka” io dia tsy tokana ao amin’ny fampianaran’i Jesoa : “Aoka ho lavorary ianareo "tahaka" ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra” (Mt 5,48) ; “Aoka ho mpamindra fo ianareo "tahaka" ny Rainareo mpamindra fo” (Lk 6,36) ; “Didy vaovao no omeko anareo : mifankatiava ianareo "tahaka" ny itiavako anareo” (Jo 13,34). Ny mitandrina ny didin’ny Tompo dia tsy mety ho vita raha maka tahaka fotsiny ety ivelany ny m˘dely avy amin’Andriamanitra. Fandraisana anjara tsy azo avela sy avy “amin’ny aty fo lalina”, amin’ny Fahamasinana, amin’ny Famindram-po, amin’ny Fitiavan’ ny Andriamanitsika izany. Ny Fanahy irery, izay “Fiainantsika” (Gal 5,25) no mety hahatonga “ho antsika” koa ny fihetseham-po izay tao amin’i Jesoa-Kristy[123]. Amin’izany ny maha-tokana ny famelana dia manjary azo tanterahina “amin’ny fifamelantsika heloka “tahaka” ny namelan’ Andriamanitra antsika tao amin’i Kristy” (Efez 4,32).

2843. Tahaka izany no mampanjary fiainana ny Tenin’ny Tompo momba ny famelan-keloka, ilay fitiavana izay tia hatramin’ny fara fitiavana[124]. Ny fanoharana momba ny mpanompo tsy mifaditrovana, izay mandravaka ny fampianaran’ny Tompo momba ny fiombonan’ny Fiangonana[125], dia mifarana amin’ity teny ity hoe : “Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny mpiray tam-po ara-pinoana amin’ny fonareo avy ianareo.” Ao amin’io, araka izany, “ao amin’ny aty fo” no iraiketan’ny zavatra rehetra sy iafarany. Tsy azontsika atao ny tsy hahatsiaro intsony sy hanadino ny fahotana ; fa ny fo izay manaiky ny Fanahy Masina no mamadika ny ratra ho fangorahana sy manadio ny fitadidiana amin’ny fanovÓna ny fahotana ho fifonana.  

2844.Tonga hatrany amin’ny famelan-keloka ny fahavalo[126] ny fivavahana kristianina. Manova endrika ny mpianatra izany amin’ny fanahafana ny Mpampianany. Ny famelan-keloka no tampon’ny vavaka kristianina ; tsy mety ho voaray ny fanomezam-pahasoavana momba ny fivavahana, raha tsy manana fo mangoraka tahaka ny fon’Andriamanitra. Ny famelan-keloka koa no mampiseho, fa eo amin’ny tontolontsika, ny fitiavana no mahery kokoa noho ny fahotana. Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa amin’izany ny martiry na ny fahiny na ny ankehitriny. Ny famelan-keloka no fepetra fototry ny Fampihavanana[127] ny zanak’Andriamanitra amin’ny Rain’izy ireo, ary ny olombelona amin’ny samy olombelona[128].

2845. Tsy misy fetra na fatra izany famelan-keloka araka ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy izany[129]. Raha momba ny fahotana (“heloka” araka an’i Lk 11,4 na “trosa” araka an’i Mt 6,12), dia izany tokoa satria mpitrosa lalandava isika : “Aoka tsy hananan’olona trosa ianareo, afa-tsy ny momba ny fifankatiavana” (R˘m 13,8). Ny fiombonan’ny Trinite Masina no loharano sy marim-pitsarÓn’ny fahamarinan’ny fifandraisana rehetra[130]. Ao amin’ny fivavahana, indrindra ao amin’ny Eokaristia, no iainana izany[131] :

Tsy eken’Andriamanitra ny soron’ny mpamporisika ho amin’ny fisaraham-bazana, averiny avy eny amin’ny ˘tely izy ireo mba hihavana amin’ny rahalahiny aloha : Andriamanitra dia te-hampihavana amin’ny vavaka atao amin’ny fifanarahan-tsaina. Ny didy tsara indrindra ho an’Andriamanitra dia ny fiadanantsika, ny fihavanantsika, ny firaisan’ny vahoaka mpino rehetra ao amin’ny Ray, ny Zanaka sy ny Fanahy Masina[132].

 

VI. “Aza avela ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay” 

2846. Ity fangatahana ity dia mahatratra ny fototry ny fangatahana teo aloha, satria ny fahotantsika no vokatry ny fanekena ny fakam-panahy. Mangataka amin’ny Raintsika isika, mba tsy “hanaiky izany”. Ny mandika ho amin’ny teny tokana ny fiteny grika dia sarotra : ny dikany dia hoe “aza mamela hiditra ao”[133], “aza mamela anay ho resin’ny fakam-panahy”. “Andriamanitra tsy mba mety halaim-panahy hanao ratsy, sady tsy maka fanahy olona Izy” (Jak 1,13), ny tiany kosa dia ny hanafaka antsika amin’izany. Mangataka Aminy isika mba tsy hamelany antsika handeha amin’ny lalana izay mitondra amin’ny fahotana. Tafarotsaka ao amin’ny ady “ifanaovan’ny nofo sy ny Fanahy” isika. Ity fangatahana ity no mitalaho ny Fanahin’ny fandanjalanjana sy ny faherezana.

2847. Ny Fanahy Masina no mahatonga antsika handanjalanja eo amin’ny fitsapan-toetra, ilaina ho amin’ny fitombon’ny olona anaty[134] ho amin’ny “hatsaram-panahy voazaha toetra” (R˘m 5,3-5), sy eo amin’ny fakam-panahy, izay mitondra amin’ny fahotana sy amin’ny fahafatesana[135]. Tsy maintsy mandanjalanja koa isika eo amin’ny hoe “alaim-panahy” sy ny hoe “manaiky” ny fakam-panahy. Farany, ny fandanjalanjana no manala sarona ny laingan’ny fakam-panahy : araka ny hita, ny antony dia “tsara, maha te hijery sy mendrika hoirýna” (Jen 3,6), nefa raha ny tena izy, ny vokany dia fahafatesana.

Tsy te hanery hanao ny tsara Andriamanitra, fa olona afaka no sitrany (...). Mety ilaina ny fakam-panahy, amin’ny zavatra sasany. Tsy mahalala izay noraisin’ny fanahintsika tamin’Andriamanitra ny rehetra, na dia ny tenantsika aza, afa-tsy Andriamanitra. Kanefa ny fakam-panahy no mampiseho ny tsara, mba hampianatra antsika hahalala tena, ary avy amin’izany, mba hampiharihary amintsika ny fahoriantsika, ary mba hanery antsika hisaotra noho ny tsara izay nasehon’ny fakam-panahy tamintsika[136].

2848. “Ny tsy miditra ao anatin’ny fakam-panahy” dia mitarika ny fanapahan-kevitry ny fo : “Fa izay itoeran’ny harenao no hitoeran’ny fonao (...). Tsy misy afaka manompo tompo roa” (Mt 6,21.24). “Satria ny Fanahy no fiainantsika, dia aoka ny Fanahy no hampiasa antsika koa” (Gal 5,25). Amin’io “fanekena” ny Fanahy Masina io ny Ray no manome ny hery ho antsika. “Tsy misy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany. Mahatoky Andriamanitra ; tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo Izy. Isaky ny fakam-panahy, dia hanome anareo ny fomba ivoahana amin’izany sy ny hery izakana izany Izy” (1 K˘r 10,13). 

2849. Ary ny ady tahaka izany sy ny fandresena tahaka izany dia tsy mety ho vita raha tsy amin’ny vavaka. Tamin’ny alalan’ny fivavahany no nahatonga an’i Jesoa ho Mpandresy ny Mpaka fanahy, hatrany am-boalohany[137] ka hatramin’ny ady faran’ny fiadiany aina[138]. Tamin’ny ady nataony sy tamin’ny fiadiany aina no nampiraisan’i Kristy antsika amin’ity fangatahana ity tamin’ny Raintsika. Ny fiambenan’ny fo dia voatsiahy tamim-pomba hentitra[139] hiombona amin’ny Azy. Ny fiambenana no “aron’ny fo” ary i Jesoa no mangataka amin’ny Ray mba hiaro antsika amin’ny Anarany[140]. Ny Fanahy Masina dia mikatsaka ny hanetsika antsika tsy an-kijanona amin’izany fiambenana izany[141]. Io fangatahana io dia mandray ny dikany manontolo mampitaintaina raha oharina amin’ny fakam-panahy faran’ny adintsika eto an-tany ; mitaky fitozoana hatramin’ny farany izany. “Indro avy toy ny mpangalatra Aho : sambatra izay miambina!” (Ap˘k 16,15).
 

VII. “Fa manafaha anay amin’ny Ratsy”

2850. Entina koa amin’ny vavak’i Jesoa ny fangatahana farany amin’ny Rainay: “Tsy ny hanesoranao azy ireo amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy ireo amin’ilay Ratsy” (Jo 17,15). Mahakasika antsika izany, ny isam-batan’olona, kanefa dia “isika” hatrany no mivavaka, ho amin’ny fiombonan’ny Fiangonana manontolo sy ho amin’ny fanafahana ny fianakavian’ny olombelona manontolo. Tsy mitsahatra manokatra ho antsika amin’ny fivelaran’ny fitantanam-pamonjena ny Vavaky ny Tompo. Ka amin’izay, ny fifampiankinantsika amin’ny antambon’ny fahotana sy ny fahafatesana, dia  hivadika ho firaisan-kina ao amin’ny Vatan’i Kristy, ho “fiombonan’ny olomasina”[142].

2851. Amin’io fangatahana io, tsy hevi-dravina ny hoe ny Ratsy, fa manondro olona, i SatÓna, ilay Ratsy, ny anjely izay manohitra an’Andriamanitra. Ny “devoly” (dia-bolos) dia ilay izay “mitsivalam-pandry” amin’ny fandaharan’ Andriamanitra sy amin’ny “tsanganasam-pamonjeny” tanteraka ao amin’i Kristy.

2852. “Mpamono olona hatramin’ny voalohany, mpandainga sy rain’ny lainga” (Jo 8,44), “i SatÓna, ilay mpanangoly an’izao tontolo izao” (Ap˘k 12,9), fa tamin’ny alalany no nidiran’ny fahotana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao ary amin’ny fahareseny tanteraka no “ho afaka amin’ny fahotana sy ny fahafatesana”[143] ny voary manontolo. “Fantatsika fa na iza na iza naterak’Andriamanitra dia tsy manota, fa miaro tena izy Naterak’ Andriamanitra, ka tsy mahazo azy ilay Ratsy. Fantatsika fa avy amin’ Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka daholo ao amin’ ilay Ratsy” (1 Jo 5,18-19) :

Ny Tompo izay nanala ny fahotanareo sy namela ny hadisoanareo dia afaka miaro anareo sy miambina anareo koa amin’ny hafetsen’ny Devoly izay miady aminareo, mba tsy hanampoka anareo ny fahavalo, izay manam-pahazarana mamorona fahadisoana. Izay matoky an’ Andriamanitra, tsy matahotra ny Demony. “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ?” (R˘m 8,31)[144].

2853. Ny fandresena ny “mpanapaka an’izao tontolo izao” (Jo 14,30) dia azo, indray mandeha ihany, tamin’ny Ora izay nanoloran’i Jesoa tena tamin-kalalahana ho faty mba hanomezany antsika ny Ainy. Ny fitsarÓna an’izao tontolo izao sy ny mpanapaka an’izao tontolo izao no narodana[145]. “Nanenjika ilay Vehivavy izy”[146], nefa tsy nahazo sy tsy nahatana azy : i Eva vaovao, “feno fahasoavan’ ” ny Fanahy Masina, dia voaro tamin’ny fahotana sy ny fahalovan’ny fahafatesana (Fahatorontoronina tsy azon-keloka sy Fampakarana any an-danitra an’ilay Reny masin’Andriamanitra, i Maria, virjiny mandrakizay). “Tamin’izay, nisafoaka noho ny fahasorenana tamin-dRavehivavy izy, ka lasa niady tamin’ny zanany sisa” (Ap˘k 12,17). Izany indrindra no ivavahan’ny Fanahy sy ny Fiangonana hoe : “Avia, ry Jesoa Tompo!” (Ap˘k 22,17.20) satria ny Fahatongavany no hanafaka antsika amin’ilay Ratsy.

2854. Rahefa mangataka mba hafahana amin’ilay Ratsy isika, dia mitalaho koa mba hafahana amin’ny faharatsiana amam-pahoriana rehetra, ankehitriny, lasa ary hoavy, izay ataon’ilay Ratsy na amporisihany. Amin’ity fangatahana farany ity no itondran’ny Fiangonana eo anatrehan’ny Ray ny fahoriana rehetra mianjady amin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny  fanafahana amin’ ny ratsy izay mitambesatra amin’ny olombelona no italahoan’ny Fiangonana ny fanomezan-tsarobidin’ny fiadanana sy ny fahasoavana amin’ny fiandrasana maharitra ny fiverenan’i Kristy. Amin’ny fivavahana toy izany, no anaovan’ny Fiangonana mialoha ao anatin’ny fanetren-tena amim-pinoana ny famondronana ny olona rehetra sy ny zavatra rehetra ao amin’ Ilay izay “mihazona ny fanalahidin’ny Fahafatesana sy ny Afobe” (Ap˘k 1,18), “Ilay Tompon’ny zavatra rehetra, Ilay ankehitriny sy taloha ary hoavy” (Ap˘k 1,8)[147] : 

Eny, manafaha anay amin’ny ratsy rehetra, ry Tompo, ary mba fenoy ny fiadananao ny andro iainanay : enga anie homban’ny indrafonao izahay, ka sady ho afaka mandrakariva amin’ny fahotana no hilamina tsy ho azon-tebiteby na toy inona na toy inona, eto am-piandrasana ny hasambarana nampanantenainao sy ny fiavian’i Jesoa-Kristy Mpamonjy anay[148].

 

Tenim-boninahitra farany 

2855. Ny tenim-boninahitra farany hoe : “Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra”, dia mamerina, amin’ny fampidirana, ny fangatahana telo voalohany amin’ny Rainay : ny fanomezam-boninahitra ny Anarany, ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ny herin’ny Sitrapony mahavonjy. Kanefa izany famerenana izany amin’izay dia miseho amin’ny endrika fitsaohana sy fisaorana, toy ny amin’ny litorzian’ny lanitra[149]. Ny mpanapaka an’izao tontolo izao, dia nihambo tamin’ny fomba mamitaka ho tompon’ireo anaram-boninahitra telo ireo, dia ny fanjakana, ny hery ary ny voninahitra[150] ; i Kristy, Tompo, dia mamerina an’ireo amin’ny Rainy sy Raintsika, mandra-panomeny Azy ny Fanjakana rahefa tomombona tsy an-kifody ny misterim-pamonjena ary ho zavatra rehetra ao amin’izy rehetra Andriamanitra[151].

2856. “Ary rahefa vita ny vavaka, hoy Ianao hoe : Amen, amin’ny fanaovana sonia fanamarinana ny sonia vita rahateo amin’ny alalan’io Amen io, izay midika hoe : “Ho tanteraka tokoa anie izany”[152] izay raketin’ny vavaka nampianarin’Andriamanitra antsika”[153].

 

FAMINTINANA

2857.Ao amin’ny “Rainay”, ny votoatin’ny fangatahana telo voalohany dia ny Voninahitry ny Ray : ny fankamasinana ny Anarany, ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny efatra hafa dia maneho Aminy ny faniriantsika : mahakasika ny fiainantsika mba hamelomana azy na mba hanasitranana azy amin’ny fahotana ireo fangatahana ireo, ary mifandray amin’ny ady ataontsika ho amin’ny fandresen’ny Tsara ny Ratsy.

2858.Amin’ny fangatahana hoe : Hohamasinina anie ny Anaranao, dia miditra ao amin’ny fandaharan’Andriamanitra isika, amin’ny fankamasinana ny Anarany – nambara tamin’i M˘izy, avy eo tao amin’i Jesoa – amin’ny alalantsika sy ao amintsika, ary koa eo amin’ny firenena rehetra sy ao amin’ny olona tsirairay.

2859.Amin’ny fangatahana faharoa, ny Fiangonana dia mitsinjo indrindra ny fiverenan’i Kristy sy ny fahatongavana faran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mivavaka koa ny Fiangonana ho an’ny fitomboan’ny Fanjakan’ Andriamanitra eo amin’ny anio ny fiainantsika.

2860.Amin’ny fangatahana fahatelo, mangataka amin’ny Raintsika isika hampiray ny sitrapontsika amin’ny an’ny Zanany mba hanatanteraka ny fandaharam-pamonjeny eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao.

2861.Amin’ny fangatahana fahefatra, amin’ny filazana hoe Omeo anay, no anehoantsika, amin’ny fiombonana amin’ny mpiray tam-po amintsika amin’ny finoana, ny fitokian-janaka amin’ny Raintsika any an-danitra. Ny hoe haninay dia milaza ny sakafo eto an-tany ilaina amin’ny fivelomantsika olombelona rehetra sy manambara koa ny Mofon’ny Fiainana: ny Tenin’Andriamanitra sy ny Vatan’i Kristy. Raisina amin’ny Anioan’Andriamanitra izany, ho sakafo tena ilaina, (manana amby ampy) ilaina amin’ny Fanasam-ben’ny Fanjakan’ny lanitra, izay efa atao mialoha amin’ny Eokaristia.

2862.Ny fangatahana fahadimy no mitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra noho ny fahotantsika, izay tsy ho afaka haninteraka ao am-pontsika raha tsy mahay mamela ny fahavalontsika isika, amin’ny oha-piainana sy miaraka amin’ny fanampian’i Kristy.

2863.Amin’ny filazana hoe Aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, dia mangataka amin’Andriamanitra isika mba tsy hamelany antsika hizotra amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fahotana. Io fangatahana io no mitalaho ny Fanahin’ny fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy mbamin’ny faherezana ; io no miambezo ny fahasoavana hananana fiambenana sy fitozoana hatramin’ny farany.

2864.Amin’ny fangatahana farany hoe : Fa manafaha anay amin’ny Ratsy, ny kristianina dia mivavaka amin’Andriamanitra miaraka amin’ny Fiangonana, mba hampiharihary ny fandresena, efa azon’i Kristy, an’ilay Mpanapaka izao tontolo izao, i Satana, ilay anjely mitsangan-kanohitra an’Andriamanitra sy ny fandaharam-pamonjeny.

2865.Amin’ny Amen farany, no anambarÓntsika ny Fanekentsika mikasika ny fangatahana fito : Ho tanteraka tokoa anie izany ...

 

* * * * * * * * * *

 


 
[1]. jer. Lk 11,2-4.
[2]. jer. Mt 6,9-13.
[3]. DidachÚ 8,2.
[4]. Const. Ap. 7,24,1.
[5]. jer. Embolisme.
[6]. jer. Tito 2,13.
[7]. Tertullien or. 1,6.
[8]. Tertullien or. 10.
[9]. Md Augustin in Ep. 130,12,22.
[10]. jer. Lk 24,44.
[11]. jer. Mt 5-7.
[12]. Md Thomas d'A., s. th. 2-2,83,9.
[13]. jer. Jo 17,7.
[14]. jer. Mt 6,7 ; 1 Mpanj 18, 26-29.
[15]. DidachÚ  8,3.
[16]. Md Jean Chrysostome, hom. in Mt. 19,4.
[17]. jer. 1 Pi 2,1-10.
[18]. jer. K˘l 3,4.
[19]. Tertullien, or.1,6.
[20]. Md Thomas d’A., s. th.  2-2, 83, 9.
[21]. Md Pierre Chrysologue, serm.71,3.
[22]. jer. Efez 3,12 ; Heb 3,6 ; 4,16 ; 10,19 ; 1 Jo 2,28 ; 3,21 ; 5,14.
[23]. Tertullien, or.3,1.
[24]. jer. Jo 1,1.
[25]. jer. 1 Jo 5,1.
[26]. jer. 1 Jo 1,3.
[27]. Md Cyrille de JÚrusalem, catech. myst. 3,1.
[28]. Md Cyprien, Dom. orat.9.
[29]. jer. FAA 22,ž1.
[30]. Md Ambroise, sacr.5,19.
[31]. Md Cyprien, Dom. orat.11.
[32]. Md Jean Chrysostome, orationem dominicam 3.
[33]. Md GrÚgoire de Nysse, or. Dom.2.
[34]. Md Jean Cassien, coll. 9,18.
[35]. Md Augustin, serm. dom.2,4,16.
[36]. jer. ďs 2,21-22 ; 6,1-6.
[37]. jer. Jo 1,17.
[38]. jer. 1 Jo 5,1 ; Jo 3,5.
[39]. jer. Efez 4,4-6.
[40]. jer. EK 8 ; 22.
[41]. jer. Mt 5,23-24 ; 6,14-15.
[42]. jer. FFTK 5.
[43]. jer. Jo 11,52.
[44].Md Augustin , serm. dom. 2,5,18.
[45].Md Cyrille any Jerosalema, catech. myst. 5,11.
[46]. jer. Jen 3.
[47]. jer. Jer 3,19-4,1a ; Lk 15,18.21.
[48]. jer.  Iz 45,8 ; Sal 85,12.
[49]. jer. Jo 12,32 ; 14,2-3 ; 16,28 ; 20,17 ; Ef ez 4,9-10 ; Heb 1,3 ; 2,13.
[50]. jer. Efez 2,6.
[51]. jer. K˘l 3,3.
[52]. jer. Filip 3,20 ; Heb 13,14.
[53].Taratasy ho an'i DiognŔte 5,8-9.
[54]. jer. FAA 22, ž1.
[55]. jer. Lk 22,15 ; 12,50.
[56]. jer. 1 K˘r 15,28.
[57]. jer. Sal 111,9 ; Lk 1,49.
[58]. jer. Iz 6,3.
[59]. jer Sal 8,6.
[60]. jer. R˘m 3,23.
[61]. jer. Heb 6,13.
[62]. jer. Eks 3,14.
[63]. jer. Eks 19,5-6.
[64]. jer. Lev 19,2 : "Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Andriamanitrareo".
[65]. jer. Ezek 20 ; 36.
[66]. jer. Mt 1,21 ; Lk 1,31.
[67]. jer. Jo 8,28 ; 17,8 ; 17,17-19.
[68]. jer. Ezek 20,39 ; 36,20-21.
[69]. jer. Jo 17,6.
[70]. jer. Filip 2,9-11.
[71]. Md Cyprien , Dom.orat.12.
[72]. jer. Ezek 36,20-22.
[73]. Md Pierre Chrysologue, serm. 71.
[74].Tertullien, or.3.
[75]. jer. Jo 14,13 ; 15,16 ; 16,24.26.
[76]. Md Cyprien, Dom. orat. 13.
[77]. Tertullien, or.5.
[78]. jer. Tito 2,13.
[79]. MR, vavaka fisaorana IV.
[80]. jer. Gal 5,16-25.
[81]. Md Cyrille de JÚrusalem, catÚch. myst. 5,13.
[82]. jer. FAA 22 ; 32 ; 39 ; 45 ; EN 31.
[83]. jer. Jo 17,17-20.
[84]. jer. Mt 5,13-16 ; 6,24 ; 7,12-13.
[85]. jer. Mt 18,14.
[86]. jer. Jo 13,34. ; 1 Jo 3 ; 4 ; Lk 10,25-37.
[87]. jer. Sal 40,8-9.
[88]. jer. Jo 4,34 ; 5,30 ; 6,38.
[89]. jer. Jo 8,29.
[90]. OrigŔne, or.26.
[91]. Md Jean Chrysostome, hom. in Mt 19,5.
[92]. jer. R˘m 12,2 ; Efez 5,17.
[93]. jer. Heb 10,36.
[94]. jer. 1 Jo 5,14.
[95]. jer. Lk 1,38.49.
[96]. Md Augustin, serm. dom. 2,6,24.
[97]. jer. Mt 6,25-34.
[98]. jer. 2 Tes 3,6-13.
[99]. Md Cyprien , Dom. orat. 21.
[100]. jer. Lk 16,19-31.
[101]. jer. Mt 25,31-46.
[102]. jer. APL 5.
[103]. jer. 2 K˘r 8,1-15.
[104]. jer. Md Benoţt, reg 20 ; 48.
[105]. Natao ho an’i Md Ignace de Loyola ; jer. Pierre de Ribadeneyra, Tractatus de modo gubernandi Santi Ignatii, 6,14.
[106]. jer. Det 8,3.
[107]. jer. Jo 6,26-58.
[108]. jer. Mt 6,34 ; Eks 16,19.
[109]. Md Ambroise, sacr 5,26.
[110]. jer.  Eks 16,19-21.
[111]. jer. 1 Tm 6,8.
[112]. Md Ignace d'Antioche.
[113]. jer. Jo 6,54-57.
[114]. Md Augustin, serm. 57,7,7.
[115]. jer. Jo 6,51.
[116]. Md Pierre Chrysologue, serm. 67,7.
[117]. jer. Lk 15,11-32.
[118]. jer. Lk 18,13.
[119]. jer. Efez 1,7.
[120]. jer. Mt 26,28 ; Jo 20,23.
[121]. jer. 1 Jo 4,20.
[122]. jer. Mt 5,23-24. ; 6,14-15 ; Mk 11,25.
[123]. jer. Filip 2,1.5.
[124]. jer. Jo 13,1.
[125]. jer. Mt 18,23-35.
[126]. jer. Mt 5,43-44.
[127]. jer. 2 K˘r 5,18-21.
[128]. jer. Joany Paoly II, DM 14.
[129]. jer. Mt 18,21-22 ; Lk 17,3-4.
[130]. jer. 1 Jo 3,19-24.
[131]. jer. Mt 5,23-24.
[132]. Md Cyprien, Dom. orat. 23.
[133]. jer. Mt 26,41.
[134]. jer. Lk 8,13-15 ; Asa 14,22 ; 2 Tim 3,12.
[135]. jer. Jak 1,14-15.
[136]. OrigŔne, or.29.
[137]. jer. Mt 4,1-11.
[138]. jer. Mt 26,36-44.
[139]. jer. Mk 13,9.23.33-37 ; 14,38 ; Lk 12,35-40.
[140]. jer. Jo 17,11.
[141]. jer. 1 K˘r 16,13 ; K˘l 4,2 ; 1 Tes 5,6 ; 1 Pi 5,8.
[142]. jer. RP 16.
[143]. MR, vavaka fisaorana IV.
[144]. Md Ambroise, sacr. 5,30.
[145]. jer. Jo 12,31 ; Ap˘k 12,10.
[146]. jer. Ap˘k 12,13-16.
[147]. jer. Ap˘k 1,4.
[148]. MR, Embolisme.
[149]. jer Ap˘k 1,6 ; 4,11 ; 5,13.
[150]. jer. Lk 4,5-6.
[151]. jer. 1 K˘r 15,24-28.
[152]. jer. Lk 1,38.
[153]. Md Cyrille de JÚrusalem, catech. myst. 5,18.
 

 

top