The Holy See
back up
Search
riga

TOKO FAHAROA

Izaho mino an’i Jesoa-Kristy,
Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

 

Ny Vaovao Mahafaly : naniraka ny Zanany Andriamanitra 

422. “Fa nony feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna, mba hanafaka izay teo ambanin’ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka” (Gal 4,4-5). Indro ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa-Kristy, Zanak’Andriamanitra[1] : Namangy ny vahoakany Andriamanitra[2] ; notanterahiny ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama sy ny taranany[3], ary nataony mihoatra noho izay andrasana rehetra : nirahiny ny “Zanany malalany” (Mk 1,11).

423. Mino sy miaiky isika fa i Jesoa avy any Nazareta, Jody nateraky ny tovovavy taranak’i Israely, tao Betilehema, tamin’ny andron’i Herôda Lehibe mpanjaka sy ny amperora Sezara Aogosta I, mpandrafitra ny asany, maty nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana tao Jerosalema, faha-Pôntsy Pilaty masoivohom-panjakana, nandritra ny fanjakan’ny amperora Tibery, no ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra tonga olombelona, izay “Andriamanitra no niaviany” (Jo 13,3), “nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13; 6,33), “tonga nofo” (1 Jo 4,2), satria “tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika Izy, ary nahita ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana (…) Eny, avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika fahasoavana miampy fahasoavana” (Jo 1,14.16).

424. Entanin’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina sy taomin’ny Ray isika, ka mino sy miaiky ny amin’i Jesoa hoe : “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Mt 16,16). Eo ambonin’ny vatolampin’izany finoana nambaran’i Md Piera ampahibemaso izany, no nanorenan’i Kristy ny Fiangonany[4]

“Mitory ny haren’i Kristy tsy taka-polopolorina” (Efez 3,8)

425. Ny fampitana ny finoana kristianina, dia ny fitoriana an’i Jesoa-Kristy aloha, mba hitondra ho amin’ny finoana Azy. Hatrany am-piandohana no efa maimain’ny faniriana hitory an’i Kristy ny mpianatra voalohany : “Fa raha izahay, dia tsy azonay atao akory ny tsy hilaza izay efa hitanay sy renay” (Asa 4,20). Ary nitaona ny olona tamin’ny fotoana rehetra nifandimby izy ireo hiditra amin’ny hafaliam-piombonan’izy ireo miaraka amin’i Kristy :

Izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nobanjininay, izay notsapain’ny tananay, dia ny Tenin’ny fiainana ; - fa efa naseho ny fiainana : nahita azy izahay, ary vavolombelon’izany, ka manambara  aminareo an’io Fiainana mandrakizay io, izay teo anilan’ny Ray sy naseho taminay  - izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hanananareo fiombonana aminay koa ; ary ny fiombonanay, dia ny miaraka amin’ny Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany. Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo (1 Jo 1,1-4).

 

Ny votoatin’ny katesezy : i Kristy 

426. “Zava-dehibe tsy azo avela amin’ny votoatin’ny katesezy ny ahitantsika Olona iray, dia i Jesoa avy any Nazareta, Zanaka Lahitokan’ny Ray (…), izay nijaly sy maty ho antsika, ary nitsangan-ko velona izao, ka miara-miaina amintsika mandrakizay (…). Ny hoe mampianatra katesizy (…) dia : ny mampibaribary ao amin’ny Tenan’i Kristy ny fandaharana rehetra mandrakizay tao amin’Andriamanitra, ny mikatsaka hahazo ny hevitra ambaran’ireo fihetsika sy tenin’i Kristy ary ireo famantarana nataony”[5]. Ny tarigetran’ny katesezy dia ny “mampiombona amin’i Jesoa-Kristy : Izy irery no afaka mitondra amin’ny fitiavan’ny Ray ao amin’ny Fanahy sy mampandray anjara antsika amin’ny fiainan’ny Trinite Masina”[6]

427. “I Kristy Teny tonga nofo sy Zanak’Andriamanitra, no ianarana amin’ny katesezy – miankina amin’ny fifandraisana Aminy ny sisa rehetra ; ary i Kristy irery ihany no mampianatra, fa ny hafa rehetra dia manao izany amin’ny maha-mpitondra ny teniny, ahazoan’i Kristy mampianatra amin’ny alalan’ny vavan’ilay mitondra teny (…). Ny Katesista rehetra dia tokony ho afaka mampihatra amin’ny tenany ny teny mifono mistery nolazain’i Jesoa hoe : “Tsy avy amiko ny fampianarako, fa avy amin’Ilay izay naniraka Ahy” (Jo 7,16)”[7].

428. Noho izany, izay voantso “hampianatra ny amin’i Kristy” dia tsy maintsy “io tombon-tsoa ambony dia ambony io, izay tsy inona fa ny fahalalana an’i Kristy”, no kendreny aloha ; tsy maintsy “manaiky ho maty antoka amin’ny zavatra rehetra (…) mba hahazo an’i Kristy sy mba ho hita ao Aminy”, ary mba “hahalala Azy, dia Izy, miaraka amin’ny herin’ny fitsanganany ho velona sy ny fiombonana amin’ny fijaliany, ka tonga tahaka Azy amin’ny fahafatesana, mba hahatratra ny fitsanganana amin’ny maty, raha azo atao” (Filip 3,8-11).

429. Avy amin’izany fahalalana amim-pitiavana an’i Kristy izany no ipoiran’ny faniriana hanambara Azy, sy “hitory ny evanjely”, ary hitarika ny hafa hanao “eny’” amin’ny finoana an’i Jesoa-Kristy. Nefa atao tsapa koa amin’izany fotoana izany ny filana hahalala tsaratsara kokoa lalandava io finoana io. Mba hahatrarana izany zava-kinendry izany, araka ny filaharan’ny Sembolin’ny finoana, dia haseho aloha ny lohateny lehibe momba an’i Jesoa: Kristy, Zanak’Andriamanitra, Tompo (andalana faha-2). Manaraka izany ny Semboly, izay manambara ny mistery lehibe ny amin’ny fiainan’i Kristy: misterin’ny Fahatongavana ho nofo (andalana faha-3), misterin’ny Pakany (andalana faha-4 sy faha-5), farany, ny misterin’ny fanomezam-boninahitra Azy (andalana faha-6 sy faha-7).

 

ANDALANA 2

Mino an’i Jesoa-Kristy, Zanany tokana,Tompontsika

I. Jesoa 

430. “Andriamanitra mamonjy” no dikan’ny hoe Jesoa, amin’ny teny hebrio. Tamin’ny andron’ny Filazana, ny Anjely Gabriely no nanome azy ho anaran-tsamirery ny anarana hoe Jesoa, izay sady milaza ny maha-izy Azy manokana no milaza ny fanirahana Azy[8]. Satria “Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ny fahotana” (Mk 2,7), dia Izy, izay ao amin’i Jesoa Zanany mandrakizay tonga olombelona no “hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo” (Mt 1,21). Ao amin’i Jesoa-Kristy no amondronan’ Andriamanitra ny tantaram-pamonjena manontolo ho tombon-tsoan’ny olombelona. 

431. Andriamanitra, ao amin’ny tantaram-pamonjena, dia tsy afa-po fotsiny tamin’ny nanafahany an’i Israely “tao an-toeram-panandevozana” (Det 5,6) izay namoahany azy avy tao Ejipta, fa mbola namonjy azy koa tamin’ny fahotan’izy ireo. Satria fanalam-baraka lalandava an’Andriamanitra, ny fahotana[9], ka Izy irery ihany no afaka mamela izany[10]. Izany no antony tsy nahafahan’i Israely nitady famonjena afa-tsy tamin’ny fitalahoana ny anaran’Andriamanitra Mpanavotra[11], teo am-pahatsapana fa mitombo hatrany hatrany ny fihanaky ny fahotana manerana ny tontolon’ny zavatra rehetra. 

432. Ny anarana hoe Jesoa dia midika fa ny anaran’Andriamanitra ihany no ao amin’ny tenan’ny Zanany[12] tonga olombelona, ho fanavotana an’izao tontolo izao amin’ny fahotana, sady ho fanavotana mandrakizay. Jesoa no anaran’ Andriamanitra izay hany mitondra famonjena[13], ka nanomboka tamin’izay dia azon’ny rehetra antsoina Izy, satria miombom-piainana amin’ny olombelona rehetra tamin’ny Fahatongavana ho nofo[14], hany ka “tsy misy eto ambanin’ny lanitra anaran-kafa nomena ny olona, hahazoantsika famonjena” (Asa 4,12)[15]

433. Nantsoin’ny mpisorombe indray mandeha isan-taona ny anaran’ Andriamanitra Mpamonjy, mba ho fanonerana ny fahotan’i Israely, rahefa namafy ny ràn-tsorona teo amin’ny saron’ny Fiaran’ny fanekena ao amin’ny Masin’ny Masina izy[16]. Ny saron’ny Fiaran’ny fanekena no toerana maneho ny maha-eo an’Andriamanitra[17]. Koa raha niteny ny amin’i Jesoa i Md Paoly, hoe : “Izy no natsangan’Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-panonerana amin’ny rany” (Rôm 3,25), dia mampahafantatra izy, fa ao amin’ny maha-olombelona an’i Jesoa, dia “Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Kristy” (2 Kôr 5,19). 

434.Manome voninahitra ny anaran’Andriamanitra Mpamonjy[18] ny Fitsanganan’ i Jesoa ho velona, satria nanomboka tamin’izay, dia ny anaran’i Jesoa no maneho ny hafenoan’ny hery ambony indrindra amin’ “ny anarana mihoatra noho ny anarana rehetra” (Filip 2,9). Atahoran’ny fanahy ratsy ny anarany[19] ary amin’ny anarany no anaovan’ny mpianatr’i Jesoa zava-mahagaga[20], satria izay rehetra angatahin’izy ireo amin’ny Ray amin’ny anarany, dia homen’ny Ray azy ireo izany[21]

435. Ny anaran’i Jesoa no ao amin’ny votoatin’ny fivavahana kristianina. Ny vavaka litorzika rehetra dia miafara amin’ny rijan-teny hoe “amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Tomponay”. Ao amin’ny hoe “ary nosoavina i Jesoa nateraky ny kibonao” no tonga amin’ny fara tampony indrindra ny fivavahana hoe “Arahaba, ry Maria”. Ny vavaky ny fo any amin’ny Fiangonana tatsinanana antsoina hoe “vavaka amin’i Jesoa”, dia milaza izao: “Jesoa-Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Tompo, mamindrà fo amiko mpanota.” Ny teny tokana hoe “Jesoa” no tsy afaka teo am-bavan’ireo kristianina maro be niala aina, tahaka an’i Mb Jeanne d’Arc[22].

II. Kristy 

436. Ny teny hoe Kristy, dia avy teny grika nandikàna ny teny hebrio hoe “Mesia”, ka “voahosotra” no dikany. Tsy tonga anaran-tsamirerin’i Jesoa io, raha tsy tontosany an-tsakany sy an-davany ny irak’Andriamanitra, izay ambaran’io anarany io rahateo. Satria, tany Israely, dia nohosorana tamin’ny anaran’Andriamanitra ireo izay  natokana ho amin’ny iraka avy Aminy. Izany no fahita teo amin’ny mpanjaka[23], teo amin’ny mpisorona[24], ary indraindray tadiavina, teo amin’ny mpaminany[25]. Ny ho ambony indrindra amin’izany dia ny zavatra manokana momba ny Mesia izay nirahin’Andriamanitra mba hanorina tanteraka ny Fanjakany[26]. Tsy maintsy ho ny Fanahin’ny Tompo[27] no hanosotra indray miaraka ny Mesia ho mpanjaka sy ho mpisorona[28] ary koa ho mpaminany[29]. I Jesoa no nanatanteraka ny fampanantenana momba ny Mesia nandrasan’i Israely amin’ny anjara raharahany telo loha dia ny maha-mpisorona, ny maha-mpaminany ary ny maha-mpanjaka. 

437. Tahaka ny ahaterahan’ilay Mesia nampanantenaina an’i Israely no nilazan’ ny Anjely tamin’ireo mpiandry ondry ny fahaterahan’i Jesoa : “Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo” (Lk 2,11). Hatrany am-piandohana Izy no “Ilay izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny teto amin’izao tontolo izao” (Jo 10,36), torontoronina ho masina[30] tao an-kibo virjin’i Maria. Nantsoin’Andriamanitra i Josefa “hampakatra an’i Maria ho vadiny”, izay “nitoe-jaza tamin’ny Fanahy Masina” (Mt 1,20), mba i Jesoa “ilay antsoina hoe Kristy” izay hateraky ny vadin’i Josefa, no ilay Mesia taranak’i Davida (Mt 1,16)[31]

438. Ny fanokanana an’i Jesoa ho Mesia no maneho ny fanirahan’ Andriamanitra  Azy. “Ny fanampin’izany dia izay tondroin’io anarany io rahateo ihany, satria ao amin’ny anaran’i Kristy dia tsy ambara amin’ny fomba mivantana Ilay izay manosotra, Ilay izay hosorana, ary ny fanosorana izay anosorana Azy rahateo ihany : Ilay izay manosotra dia ny Ray, Ilay izay hosorana dia ny Zanaka, ary ao amin’ny Fanahy izay fanosorana no anosorana Azy”[32]. Ny fanokanana Azy ho Mesia mandrakizay dia nambara tamin’ny androm-piainany teto an-tany, fony i Joany nanao batemy Azy, rahefa “nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery Izy” (Asa 10,38) “mba hampisehoany Azy amin’i Israely” (Jo 1,31) ho Mesiany. Ny tsanganasany sy ny teniny no hampahafantatra Azy ho ilay masin’ Andriamanitra[33].  

439. Betsaka ny Jody sy ny sasantsasany tamin’ny jentily, izay nizara ny fanantenan’izy ireo, no nahafantatra tao amin’i Jesoa ny toetra fototra an’ilay Mesia “zanak’i Davida”, nampanantenain’Andriamanitra an’i Israely[34]. Neken’i Jesoa izany anaram-boninahitra hoe Mesia izany, izay ananany zo rahateo[35], saingy nasiany fepetra ihany, satria mesia araka ny fisainana maha-olombelona loatra[36], sady ara-pôlitika tokoa[37] no niheveran’ireo olona sasantsasany niara-belona Taminy, ny maha-mesia Azy. 

440. Noraisin’i Jesoa ny fiekem-pinoan’i Piera izay nahafantatra Azy ho Mesia, tamin’ny nilazany ny fijaliana tsy ho ela hanjo ny Zanak’olona[38]. Naborany ny tena votoatin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka ny Mesia, izay sady ao amin’ ny maha-Zanak’Olona Azy ambony tsy taka-polopolorina “izay nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13)[39], no ao amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy isehoany ho Mpanompo mijaly : “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt 20,28)[40]. Noho izany, ny tena hevitra fonosin’ny fiandrianana maha-Mpanjaka Azy, dia tsy niseho raha tsy teo amin’ny Hazofijaliana[41]. Koa aorian’ny Fitsanganany ho velona ihany vao ho afaka ambaran’i Piera eo anatrehan’ny Vahoakan’Andriamanitra ny fiandrianana maha-Mesia Mpanjaka Azy : “Aoka ho fantatry ny taranak’i Israely rehetra marimarina fa iny Jesoa nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana iny, no nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy” (Asa 2,36).

III. Zanaka Lahitokan’Andriamanitra

441. Ny hoe Zanak’Andriamanitra, ao amin’ny Testamenta Taloha, dia anaram-boninahitra nomena ny anjely[42], ny vahoaka Voafidy[43], ny zanak’i Israely[44] ary ny mpanjakan’izy ireo[45]. Midika izany fa zanaka atsangana, izay miorina amin’ny fifandraisana ao anatin’ny fisakaizana lalina manokana eo amin’ Andriamanitra sy ny zavaboariny. Koa rahefa tenenina hoe “zanak’ Andriamanitra”[46], ilay Mpanjaka-Mesia nampanantenaina, dia tsy voatery hidika fa mety mihoatra noho ny olombelona, araka ny hevitra ara-bakitenin’ io teny io. Ireo izay niteny an’i Jesoa toy izany araka ny maha-Mesian’i Israely[47] Azy, dia mety tsy te hilaza Azy ho olona ambony tokoa[48].

442.  Tsy mitovy amin’izany ny an’i Piera raha niaiky izy fa i Jesoa no “Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Mt 16,16), satria novalian’i Jesoa tamin’ny fomba manetriketrika hoe : “Tsy avy amin’ny nofo aman-dra no nahatonga izany fanambaràna izany tao aminao, fa avy amin’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 16,17). Raha ampitoviana, izao no holazain’i Paoly ny amin’ny fibebahany teny an-dalana ho any Damasa : “Nony sitrak’Andriamanitra Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ao anatiko ny Zanany, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily…” (Gal 1,15-16). “Teo no eo ihany dia nankao amin’ny sinagôga izy nitory an’i Jesoa, tamin’ny fanaovana antso avo fa Izy no Zanak’Andriamanitra” (Asa 9,20). Hatrany am-piandohana[49], izany no ho votoatin’ny finoana apôstôlika[50] ambaran’i Piera ampahibemaso aloha, ho fototra iorenan’ny Fiangonana[51].

443. Matoa i Piera afaka nahalala ny toetra mihoatra ny tsapa sy ny hita maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa Mesia, dia i Jesoa no namela azy hahazo an-tsaina izany amin’ny fomba mazava. Teo anatrehan’ny Sanedrina, tamin’ny fanontaniana napetrak’ireo mpiampanga Azy hoe : “Zanak’Andriamanitra izany Ianao ?”, dia novalian’i Jesoa hoe : “Voalazanareo tsara, Izaho no Izy” (Lk 22,70)[52]. Efa taloha lavitra izany no nilaza ny Tenany ho “ilay Zanaka” izay mahalala ny Ray Izy[53], izay miavaka amin’ny “mpanompo” nirahin’ Andriamanitra fahiny ho eo amin’ny vahoakany[54], ambony noho ny anjely amin’ny maha-anjely ny anjely[55]. Navahany tamin’ny maha-zanaka ny mpianany ny maha-Zanaka Azy ka tsy niteny na oviana na oviana Izy hoe “Raintsika”[56], fa fony Izy nanome baiko azy ireo nanao hoe : “Mivavaha toy izao ianareo : Rainay” (Mt 6,9) ; ary dia nantitranteriny io fiavahana io : “Ny Raiko sy ny Rainareo” (Jo 20,17).

444. Taterin’ny Evanjely amin’ny fotoana roa manetriketrika, dia ny Batemy sy ny Fiovàn-tarehin’i Kristy, ny feon’ny Ray izay manondro Azy ho ilay “Zanany malalany”[57]. Ny Tenany ihany no tondroin’i Jesoa ho “ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra” (Jo 3,16) ary hamafisiny amin’ny alalan’izany anaram-boninahitra izany ny fisiany mialoha hatramin’ny mandrakizay[58]. Nitaky ny finoana “amin’ny anaran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra tokana” (Jo 3,18) Izy. Izany fiekena kristianina izany dia efa niseho tao amin’ny hiakam-pahatairana nataon’ilay kapiteny nitsangana nanandrify an’i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana : “Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io!” (Mk 15,39). Ao amin’ny misterin’ny Paka ihany ny mpino no afaka hanome ny hevitra fara tampony amin’ny anaram-boninahitra hoe “Zanak’ Andriamanitra”. 

445. Taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona no niseho tao anatin’ny hery maha-Olombelona nomem-boninahitra Azy, ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy : “Araka ny Fanahin’ny fahamasinana, dia naharihary tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra Izy, tamin’ny Fitsanganany ho velona avy amin’ny maty” (Rôm 1,4)[59]. Ho afaka hiaiky ny apôstôly hoe : “Nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra izay ananany avy amin’ny Ray amin’ny maha-Zanaka Lahitokana Azy, izay sady feno fahasoavana sy fahamarinana” (Jo 1,14).

IV. Tompo 

446.Ao amin’ny dikan-teny grikan’ny bokin’ny Testamenta Taloha, ny Anarana tsy hay ambara hoe YHWH, izay nanambaràn’Andriamanitra ny Tenany tamin’i Môizy[60], dia nadika hoe Kyrios (“Tompo”). Noho izany, ny hoe Tompo dia nanjary Anarana mahazatra indrindra mba hanondroana ny maha-Andriamanitra ny Andriamanitr’i Israely. Ny Testamenta Vaovao dia mampiasa ny hevi-baventy momba ny Anarana hoe “Tompo” sady ho an’ny Ray, nefa koa, ary izany no zava-baovao, ho an’i Jesoa izay ekena araka izany ho Andriamanitra rahateo ihany[61]

447. I Jesoa rahateo ihany no nametaka izany Anarana izany tamin’ny Tenany amin’ny fomba somary misarontsarona rahefa miady hevitra amin’ny Farisianina momba ny hevitry ny Salamo 110 Izy[62], nefa kosa amin’ny fomba mibaribary rahefa miresaka amin’ny apôstôliny[63]. Nandritra ny fiainany manontolo ampahibemaso, ny fihetsiny maneho fahefana mandidy ny zavaboary, ny aretina maro, ny demony, ny fahafatesana ary ny fahotana, dia nampiseho ny fahefana ambony indrindra maha-Andriamanitra Azy.

448. Matetika tokoa, ao amin’ny Evanjely ao, misy olona manatona an’i Jesoa amin’ny fiantsoana Azy hoe “Tompo”. Io anaram-boninahitra io dia manaporofo ny fanajana sy ny fitokian’ireo izay manatona an’i Jesoa ary miandry vonjy sy fahasitranana avy Aminy[64]. Eo ambany fanentanan’ny Fanahy Masina, io anarana io dia maneho ny fiekena ny mistery maha-Andriamanitra an’i Jesoa[65]. Amin’ny fihaonana amin’i Jesoa nitsangan-ko velona, dia tonga fitsaohana io anarana io : “Tompoko sy Andriamanitro !” (Jo 20,28). Noho izany, io anarana io dia mifono fiitaran-kevitra hoe fitiavana sy fankamamiana, izay hanjary ho lovam-panahy manokana an’ny kristianina: “Ny Tompo io !” (Jo 21,7). 

449. Ny fiekem-pinoana voalohany an’ny Fiangonana, amin’ny fanomezana an’i Jesoa ny anaram-boninahitr’Andriamanitra hoe Tompo, dia manamafy, hatrany am-piandohana[66], fa ny fahefana, ny haja sy ny voninahitra omena an’ Andriamanitra Ray, dia omena an’i Jesoa[67] koa, satria avy amin’ny “fomban’ Andriamanitra” Izy (Filip 2,6) ary nasehon’ny Ray izany fahefana ambony indrindra an’i Jesoa izany tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty sy tamin’ny nanandratany Azy ao amin’ny voninahiny[68]

450. Ny fankatoavana ny maha-Tompon’izao tontolo izao sy ny tantara an’i Jesoa[69], hatrany am-piandohan’ny tantara kristianina, dia midika ho fanekena koa fa tsy tokony hampilefitra ny fahafahany manokana mihitsy ny olombelona, manoloana ny manam-pahefana eto an-tany na iray aza, afa-tsy amin’Andriamanitra Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Tompo ihany : tsy i Sezara akory no “Tompo”[70]. “Mino ny Fiangonana (…) fa ny fanalahidy sy ny foibe ary ny fiafaran’ny tantara rehetra momba ny olombelona dia hita ao amin’ny Tompony sady Mpampianany”[71]

451. Voamariky ny anaram-boninahitra hoe “Tompo”, ny fivavahana kristianina, na amin’ny fanaingana ny vavaka hoe : “Ho aminareo anie ny Tompo”, na amin’ny famaranana ny vavaka hoe : “Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Tomponay”, na koa amin’ny antso mafy feno fitokiana sy fanantenana hoe : “Maran atha” (“Ho avy ny Tompo !”) na “Marana tha” (“Tongava, ry Tompo !”) (1 Kôr 16,22) ; “Amen, avia, ry Jesoa Tompo !” (Apôk 22,20).

 

FAMINTINANA

452. “Andriamanitra mamonjy no dikan’ny anarana hoe Jesoa. Ny zaza naterak’i Maria Virjiny dia antsoina hoe Jesoa, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotan’izy ireo (Mt 1,21) : Tsy misy anaran-kafa eto ambanin’ny lanitra nomena ny olona, mba hahazoantsika famonjena (Asa 4,12).

453. “Voahosotra, Mesia no dikan’ny anarana hoe Kristy. I Jesoa no Kristy, satria Andriamanitra no nanosotra Azy  tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery (Asa 10,38). Izy no Ilay izay tsy maintsy ho avy (Lk 7,19),  fototry ny fanantenan’i Israely (Asa 28,20).

454. Ny anarana hoe Zanak’Andriamanitra dia mampahafantatra ny fifandraisana tsy manam-paharoa sy mandrakizay eo amin’i Jesoa-Kristy sy Andriamanitra Rainy : Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray[72] sady Andriamanitra rahateo ihany[73]. Ny mino fa i Jesoa-Kristy no Zanak’ Andriamanitra dia ilaina mba haha-kristianina[74].

455. Manambara ny fahefana ambony indrindra an’Andriamanitra ny anarana hoe Tompo. Ny miaiky na ny miantso an’i Jesoa ho Tompo, dia ny mino ny maha-Andriamanitra Azy. Tsy misy afa-milaza hoe " i Jesoa no Tompo", raha tsy amin’ny Fanahy Masina (1 Kôr 12,3).

 

ANDALANA  3

“Noforonin’ny Fanahy Masina i Jesoa-Kristy,
naterak’i Maria Virjiny”

 

Paragrafy 1. Tonga olombelona ny Zanak’Andriamanitra

 

I. Nahoana ny Teny no tonga nofo?

456. Miara-mamaly amin’ny Fiekem-pinoana tao "Nicée-Constantinople" isika, amin’ny fiekena hoe : “Ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra ; ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona”[75].

457. Tonga nofo ny Teny mba hamonjy antsika, amin’ny fampihavanana antsika amin’Andriamanitra : “Fa Andriamanitra no tia antsika sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana amin’ny fahotantsika” (1 Jo 4,10). “Naniraka ny Zanany ny Ray, ho Mpamonjin’izao tontolo izao” (1 Jo 4,14). “Fa Izy io no niseho, dia mba hanala ny fahotana” (1 Jo 3,5) : 
Marary ny tenantsika, ka mila sitranina ; lavo, ka mila harenina ; maty, ka mila hatsangana ho velona. Nariantsika ny fananana ny soa sy ny tsara, ka tsy maintsy honerantsika izany. Voahidy tao anatin’ny maizina isika, ka mila hitondrana fahazavana ; babo an’ady isika, ka miandry mpamonjy ; migadra isika, ka miandry vonjy ; andevo isika, ka miandry mpanafaka. Tsy nisy lanja ve ireo antony notanisaina ireo ? Tsy mendrika hampangoraka an’ Andriamanitra ve ireo, ka nampidina Azy ho tonga hatramin’ny toetra amam-pomba maha-olona antsika mba hamangy antsika, noho ny olombelona nihitsoka tanatin’ny toetra fadiranovana loatra sy mampahonena fatratra [76] ?
458. Tonga nofo ny Teny mba hahalalantsika amin’izany ny fitiavan’ Andriamanitra : “Izao no nisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra antsika : nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana, mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jo 4,9). “Fa notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very na iza na iza mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay” (Jo 3,16). 

459. Tonga nofo ny Teny mba ho môdelintsika amin’ny fahamasinana : “Ento ny jiogako, ary mianara amiko…” (Mt 11,29). “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona tonga amin’ny Ray afa-tsy amin’ ny alalako” (Jo 14,6). Ary ny Ray, teo an-tendrombohitry ny Fiovàn-tarehy, nandidy hoe : “Henoy Izy” (Mk 9,7)[77]. Izy izany no môdelin’ny hasambarana sy ny fitsipiky ny Lalàna vaovao : “Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jo 15,12). Mifaningotra amin’ny fanoloran-tena tokoa amin’ny fanarahan-dia Azy izany fitiavana izany[78]

460. Tonga nofo ny Teny mba hahatonga antsika ho “mpandray anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra” (2 Pi 1,4) : “Fa toy izao ny antony nahatonga olombelona ny Teny, sy nahatonga ny Zanak’Andriamanitra, ho Zanak’olona : ny mba hahatonga ny olombelona ho zanak’Andriamanitra, amin’ny fiombonana amin’ny Teny sy amin’ny fandraisana avy amin’izany ny maha-zanak’Andriamanitra”[79]. “Satria tonga olombelona ny Zanak’ Andriamanitra mba hahatonga antsika ho Andriamanitra”[80]. “Ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, mankasitraka ny handraisantsika anjara amin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetrantsika, mba hahatonga Azy ho olombelona, ka hanandratra ny olombelona ho andriamanitra,”[81].

II. Ny Fahatongavana ho nofo 

461. Nandray ny fitenin’i Md Joany (hoe : “Tonga nofo ny Teny” : Jo 1,14) ny Fiangonana, ka miantso hoe “Fahatongavana ho nofo” tamin’ny nizakan’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy ny fomba aman-toetran’olombelona, mba hanatanterahana ao amin’izany ny famonjena antsika. Ao amin’ny antsa iray nambaran’i Md Paoly no ihiran’ny Fiangonana ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo :

“Manàna eo aminareo samy ianareo izao saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa izao : na tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny. Fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona. Tamin’ny fisehoany rehetra ho olombelona, dia nilatsa-tenany ho ambany dia ambany Izy, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana !” (Filip 2,5-8)[82].

462. Miteny izany mistery izany koa ny Taratasy ho an’ny Hebrio :

Noho izany indrindra, nony niditra teto amin’izao tontolo izao i Kristy, dia nilaza hoe : Tsy nilainao ny sorona na ny fanatitra ; fa namboatra vatana ho Ahy Ianao. Tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota. Ka hoy aho hoe : Inty aho tonga (…) hanao ny sitraponao (Heb 10,5-7, mitanisa ny Sal 40,7-9, dikan-tenin’ny Fitopololahy LXX).

463. Ny finoana ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo marina tokoa no famantarana mampiavaka ny finoana kristianina : “Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra : Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa-Kristy dia avy amin’Andriamanitra” (1 Jo 4,2). Toy izao ny hafaliam-pieken’ny Fiangonana hatrany am-piandohany, rahefa mihira “ny mistery lehibe momba ny fitiavam-bavaka” izy : “Niseho tao amin’ny nofo Izy” (1 Tim 3,16).

III. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa 

464. Ny fisehoan-javatra tokana aman-tany sy miavaka tanteraka amin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo dia tsy midika fa i Jesoa-Kristy dia nisy ampahany Andriamanitra sy ampahany olombelona, na vokatry ny fifangaroana mifanjevon’ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona. Sady tonga olombelona marina tokoa Izy no mijanona ho Andriamanitra marina tokoa. I Jesoa-Kristy dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa. Tsy maintsy narovan’ny Fiangonana izany fahamarinam-pinoana izany, ary nazavainy nandritra ireo taonjato voalohany, teo anatrehan’ny fampianaran-diso nampivaona azy.

465. Tsy dia ny maha-Andriamanitra an’i Kristy loatra no tena nolavin’ireo fampianaran-diso voalohany, fa ny maha-olombelona Azy tokoa (docétisme gnostique). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny finoana kristianina no nanantitrantitra ny tena Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo tokoa hoe :  “tonga tao amin’ny nofo”[83]. Kanefa tany amin’ny taonjato faha-3, voatery nanamafy ny Fiangonana hanoherana an’i Paul de Samosate, tamin’ny Kônsily novorina tao Antiokia, fa i Jesoa-Kristy dia Zanak’ Andriamanitra amin’ny fomba aman-toetra maha-Izy Azy fa tsy amin’ny fananganan-janaka tsy akory. Ny Kônsily ekiomenika voalohany tao Nicée, tamin’ny taona 325, dia nanambara ampahibemaso tao amin’ny Fiekem-pinoany fa ny Zanak’Andriamanitra dia “nateraka, fa tsy natao, iray fisia-maha-izy (homousios)[84] amin’ny Ray”, ary nanameloka an’i Arius izay nilaza ho marina fa “nivoaka avy amin’ny tsy misy, ny Zanak’Andriamanitra”[85], ary “tamin’ny fisia-maha-izy hafa noho ny Ray”[86].

466. Ny fampianaran-dison’i Nestorius dia nilaza fa olombelona iray no nikambana amin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Teo anatrehan’izany, nanambara ampahibemaso i Md Cyrille d’Alexandrie sy ny Kônsily ekiomenika fahatelo novorìna tao Efezy tamin’ ny taona 431, fa “ny maha-olona ny Teny, miray amin’ny nofo velomin’ny fanahy manan-tsaina hendry, dia tonga olombelona”[87]. Ny maha-olombelona an’i Kristy dia tsy manana fototra hafa afa-tsy ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra, izay nozakainy tao Aminy sy nanjary Azy hatramin’ny niforonany tao am-bohoka. Araka izany, nanambara ny Kônsily tao Efezy tamin’ny taona 431 fa i Maria dia nanjary Renin’Andriamanitra marina tokoa tamin’ny nahatorontoronina ho olombelona ny Zanak’ Andriamanitra tao an-kibony : “Renin’Andriamanitra izy, saingy tsy amin’ny hoe ny Tenin’Andriamanitra no nisintona avy taminy ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra Azy, fa amin’ny hoe avy amin’i Maria no nahazoan’ny Tenin’Andriamanitra ny vatana masina nasiana fanahy manan-tsaina hendry, tafaray ao amin’ny maha-olona azy, ka izany no ilazana hoe : teraka araka ny nofo ny Teny”[88].

467. Ny "monophysites" dia nanamarina fa levona tamin’ny nizakany tao amin’ ny maha-Olona-Andriamanitra amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, ny fomba aman-toetra maha-olombelona tao amin’i Kristy. Izao no nambaran’ny Kônsily ekiomenika fahefatra tao Chalcédoine tamin’ny taona 451, teo anatrehan’izany fampianaran-diso izany :

Eo am-panarahana an’ireo Ray masina, dia mampianatra amim-piombonan-kevitra izahay hanambara ampahibemaso ny Zanaka tokana sy Izy dia Izy ihany, i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray fahalavorariana amin’ny maha-Andriamanitra sy fahalavorariana amin’ny maha-olombelona, ilay sady Andriamanitra marina tokoa no olombelona marina tokoa iray ihany, mitambatra ho fanahy manan-tsaina hendry sy vatana, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray araka ny maha-Andriamanitra, iray fombam-pisia-maha-izy amintsika araka ny maha-olombelona, “mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana”[89] ; teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra araka ny maha-Andriamanitra, ary amin’izao andro farany izao, ho antsika sy ny famonjena antsika, naterak’i Maria Virjiny, Renin’ Andriamanitra, araka ny maha-olombelona.

Kristy tokana sy tsy miova, Tompo, Zanaka Lahitokana, no tsy maintsy ekentsika amin’ny fomba aman-toetra roa, tsy misy fifangaroana, tsy misy fiovàna, tsy misy fizarazarana, tsy misy fisaratsarahana. Tsy manafoana velively ny firaisan’izy ireo, ny faha-samy hafa ny fomba aman-toetra, fa vao mainka aza voaro sy voatambatra ho ao amin’ny olona tokana ihany sy ny fisia-maha-olona tokana ihany ny toetra manokana an’ny tsirairay[90].

468. Taorian’ny Kônsilin’i Chalcédoine, ny olona sasantsasany dia nihevitra ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy ho karazana foto-javatra momba ny olona manokana fotsiny. Ny Kônsily ekiomenika fahadimy tao Constantinople, tamin’ny taona 553, no nanambara ampahibemaso ho fanoherana azy ireo, hoe : “Tsy misy afa-tsy fisia-maha-olona tokana ihany [na olona] izany, izay i Jesoa-Kristy Tompontsika, iray amin’ny Trinite[91]. Koa ny rehetra ao amin’ny maha-olombelona an’i Kristy àry dia tokony hampifandraisina amin’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy ho amin’ny foto-javatra momba Azy manokana[92], ka tsy ny zava-mahagaga ihany fa ny fijaliana koa[93] sy ny fahafatesana; izany hoe : “i Jesoa-Kristy Tompontsika, Ilay nofantsihana tao amin’ny nofo, dia Andriamanitra marina tokoa, Tompon’ny Voninahitra, ary Iray amin’ny Trinite Masina”[94].

469. Miaiky tahaka izany koa ny Fiangonana fa i Jesoa dia tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa tsy azo sarahina. Izy marina tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra izay tonga olombelona, ka rahalahintsika, ary tsy mampitsahatra ny maha-Andriamanitra Azy izany, izay Tompontsika :

“Maharitra amin’izay fomba aman-toetra efa tao Aminy Izy, sy mizaka ao Aminy izay fomba aman-toetra tsy tao Aminy”, hoy ny hiran’ny litorzia rômanina[95]. Ary ny litorzian’i Md Jean Chrysostome dia manambara sy mihira hoe: “Ry Zanaka tokana sy Tenin’Andriamanitra, ilay maharitra mandrakizay,  nanaiky Ianao,  noho ny famonjena anay, ho tonga nofo tao amin’i Maria, Reny masin’Andriamanitra sy Virjiny mandrakizay, Ianao izay tsy misy fiovaovàna, nefa tonga olombelona, sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana, ry Kristy Andriamanitra, Ianao izay nandrava ny fahafatesana tamin’ny nahafatesanao, Ianao izay Iray amin’ny Trinite Masina, omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, vonjeo izahay[96] !”

IV. Ahoana no maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra ? 

470. Satria ao amin’ny firaisana misterin’ny Fahatongavana ho nofo, “ny fomba aman-toetra maha-olombelona dia nozakaina, fa tsy nolevonina”[97], ka nahatarika ny Fiangonana, nandritra ny taonjato nifandimby, hanambara ampahibemaso ny fisiana feno ny fanahy maha-olombelona, miaraka amin’ ny fiasan’ny sainy sy ny sitrapony, ary ny vatana maha-olombelona ao amin’i Kristy. Kanefa mitovy amin’izany koa, mampahatsiaro hatrany hatrany ny Fiangonana fa ny fomba aman-toetra maha-olombelona an’i Kristy dia azy manokana amin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra izay nizaka izany tao Aminy. Avy amin’ny maha-anisan’ny “Iray amin’ny Trinite” Azy izay rehetra maha-Izy Azy sy izay ataony ao amin’ny maha-olombelona Azy. Koa ny Zanak’Andriamanitra àry no mampita amin’ny maha-olombelona Azy ny fomba fisiany manokana ao amin’ny Trinite. Araka izany, na ao amin’ny fanahiny na ao amin’ny vatany, dia anehoan’i Kristy amin’ny fomban’olombelona, ny fomba amam-piainan’Andriamanitra Trinite[98] :
Ny Zanak’Andriamanitra dia niasa tamin’ny tanan’olombelona, nihevitra tamin’ny sain’olombelona, nihetsika tamin’ny sitrapon’olombelona, nitia tamin’ny fon’olombelona. Noho Izy naterak’i Maria Virjiny, dia tena tonga anisantsika tokoa, mitovy amintsika amin’ny zavatra rehetra, afa-tsy amin’ny fahotana [99].

Ny fanahy sy ny fahalalana maha-olombelona tao amin’i Kristy 

471. Nohamafisin’i Apollinaire de Laodicée fa ny Teny no nisolo ny fanahy na ny saina tao amin’i Kristy. Ho fanoherana io hevi-diso io, dia nanambara ampahibemaso ny Fiangonana fa ny Zanaka mandrakizay dia nizaka tao Aminy koa ny fanahy manan-tsainan’olombelona[100].

472. Manana ny tena fahalalana maha-olombelona tokoa, io fanahy maha-olombelona izay nozakain’ny Zanak’Andriamanitra tao Aminy io. Amin’ izany maha-izy azy izany, dia voafetra ihany araka ny toetra maha-olombelona, io fahalalana maha-olombelona io : niseho izany teo amin’ny zotram-piainany ara-tantara namakivaky ny elanelana sy ny fotoana. Araka izany, afaka nanaiky ny “hitombo fahendrena sy tena ary fahasoavana” (Lk 2,52) ilay Zanak’Andriamanitra, tamin’ny fahatongavany ho olombelona, ary koa ny hanana saina tia manadihady amin’ny fomban’olombelona, izay tsy maintsy ianarana amin’ny alalan’ny andram-piainana ahazoam-pahalalana[101]. Nifanaraka tamin’ny fisian’ny fanetren-tenany an-tsitrapo tamin’ny “fomban’ ny mpanompo” (Filip 2,7), izany.

473. Io fahalalana maha-olombelona tokoa ny Zanak’Andriamanitra io koa anefa, dia naneho ny fiainana maha-Andriamanitra ny Tenany[102]. “Ny fomba aman-toetra maha-olombelona ny Zanak’Andriamanitra, tsy noho ilay fomba aman-toetra, fa noho ilay firaisany amin’ny Teny, dia nahalala sy naneho tao aminy izay rehetra sahaza an’Andriamanitra”[103]. Loha laharana amin’izany ny lafiny fahalalana lalina indrindra sy mivantana eo no eo izay ananan’ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona, momba ny Rainy[104]. Nasehon’ny Zanak’Andriamanitra koa teo amin’ny fahalalana maha-olombelona Azy ny halalin-tsain’Andriamanitra nananany ka nahafahany mamantatra ny hevi-miafina ao am-pon’ny olombelona[105].

474. Avy amin’ny firaisan’ny fahalalana maha-olombelona ananan’i Kristy  amin’ny Fahendren’Andriamanitra ao amin’ny Tenan’ny Teny tonga nofo, no nananany tanteraka tao Aminy ny fahalalana amam-pahaizana ny fandaharan’ Andriamanitra mandrakizay, izay ny hanambara izany no nahatongavany[106]. Izay nekeny fa tsy fantany tamin’izany[107], dia nolazainy fa tsy anjarany ny hanambara izany amin’ny iraka nampanaovina Azy[108].

Ny sitrapo maha-olombelona an’i Kristy 

475. Toy izany koa, nanambara ampahibemaso ny Fiangonana, tao amin’ny Kônsily ekiomenika fahenina, fa manana sitrapo anankiroa sy fiasa anankiroa araka fombany avy i Kristy, dia ny an’ny maha-Andriamanitra sy ny an’ny maha-olombelona, izay tsy mifanohitra fa mifarimbona, hany ka sitrak’ilay Teny tonga Nofo tamin’ny sitrapo maha-olombelona Azy amin’ny fanekena an-dRainy, izay rehetra fanapahan-kevitry ny maha-Andriamanitra Azy miaraka amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina, ny amin’ny famonjena antsika[109]. Ny sitrapo maha-olombelona ananan’i Kristy dia “manaraka ny sitrapony maha-Andriamanitra, tsy manohitra izany na manakana izany amin’izay ataony, fa vao mainka aza miankina indrindra amin’izany sitrapo mahefa izany”[110].

Vatan’olombelona tokoa, ny vatan’i Kristy

476. Satria tena nofon’olombelona tokoa no tao amin’ny Teny tonga nofo, ka voafetra ihany ny vatan’i Kristy[111]. Noho izany antony izany, azo atao ny manoritra ny endrika maha-olombelona an’i Jesoa[112]. Tamin’ny Kônsily ekiomenika fahafito[113] ny Fiangonana no nanaiky fa ara-dalàna raha aseho amin’ny sary masina izany endrika maha-olombelona an’i Jesoa izany.

477. Nanaiky lalandava ny Fiangonana, tamin’izany fotoana izany, fa manjary hitan’ny masontsika ao amin’ny Vatan’i Jesoa, “ilay Andriamanitra izay tsy hita maso araka ny fomba aman-toetrany”[114]. Satria, maneho ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra, ny toetra manokana an’ny vatan’i Kristy. Voaray ao amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy ny bika aman’ endriky ny vatany amin’ny maha-olombelona Azy, hany ka raha aseho an-tsary masina izany, dia azo atao tsara ny manaja azy ireny satria ny mpino izay manaja ny sariny, dia “manaja ao amin’izany sary izany ny olona izay voasoritra ao”[115].

Ny Fon’ny Teny tonga nofo

478. Nahalala sy nitia antsika rehetra sy ny isam-batan’olona i Jesoa nandritra ny fiainany sy ny fiadiany aina ary ny fijaliany, sy nanolo-tena ho antsika tsirairay : “Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ary nanolo-tena ho ahy” (Gal 2, 20). Tia antsika rehetra tamin’ny fon’olombelona Izy. Noho izany, ny Fo masin’i Jesoa notrobahin’ny fahotantsika sy ho famonjena antsika[116], “dia heverina fa famantarana sy fanehoana an’ohatra ambony tokoa … an’izany fitiavana izany, izay asehon’ilay Andriamanitra Mpanavotra lalandava amin’ ny Ray mandrakizay sy amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka”[117].

 

FAMINTINANA

479. Tamin’ny fotoana voalahatr’Andriamanitra, ny Zanaka Lahitokan’ny Ray, ny Teny mandrakizay, izany hoe ny Teny sy ny Endrika maneho ara-pisia-maha-Izy ny Ray, dia tonga Nofo : tsy nahavery ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra Azy ny nizaka tao Aminy ny fomba aman-toetra maha-olombelona.

480. Tena Andriamanitra tokoa sady tena olombelona tokoa i Jesoa-Kristy, ao amin’ny firaisan’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy : noho izany, Izy no hany Mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona.

481. Manana fomba aman-toetra roa i Jesoa-Kristy, dia ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona, tsy mifangaro, fa miray ao amin’ ny maha-Olona tokan’ny Zanak’Andriamanitra.

482. I Kristy izay sady tena Andriamanitra tokoa no tena olombelona tokoa, dia manana saina aman-tsitrapon’olombelona, mifanaraka amim-pomba lavorary sy manaiky ny saina aman-tsitrapony maha-Andriamanitra Azy, izay ananany amin’ny firaisany amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina.

483. Noho izany, ny Fahatongavana ho nofo no misterin’ny firaisana amin’ ny fomba mampitolagaga ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra maha-olombelona ao amin’ny Olona tokan’ny Teny.

 

Paragrafy 2. “… Noforonin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virjiny

 

I. Noforonin’ny Fanahy Masina … 

484. Ny Filazana tamin’i Maria no misantatra ny “hafenoan’ny fotoana” (Gal 4, 4), izany hoe ny fahatanterahan’ny fampanantenana sy ny fanomanana. Voasa i Maria hitondra vohoka an’Ilay izay hitoeran’ny “hafenoan’ny maha-Andriamanitra ao amin’ny maha-olombelona” (Kôl 2,9). Ny valin-Tenin’ Andriamanitra tamin’ny fanontaniany hoe : “Ahoana no hahatongavan’ izany, fa tsy mahalala lahy aho ?” (Lk 1,34), dia nomena tamin’ny herin’ny Fanahy : “Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao” (Lk 1,35). 

485. Mifandray sy mifandrindra lalandava amin’ny fanirahana Zanaka, ny fanirahana ny Fanahy Masina[118]. Nirahina ny Fanahy Masina, Izy izay “Tompo loharanon’Aina”, mba hanamasina ny kibon’i Maria Virjiny sy hampitoe-jaza azy amin’ny fomba lavorary, ka hitondrany am-bohoka ny Zanaka mandrakizain’ny Ray, araka ny maha-olombelona nalaina avy amin’ny maha-olombelona an’i Maria.

486. Ny Zanaka Lahitokan’ny Ray izay noforonina ho olombelona tao an-kibon’i Maria Virjiny no “Kristy”, izany hoe voahosotry ny Fanahy Masina[119], nanomboka hatramin’ny fisian’ny maha-olombelona Azy, na dia miandalana aza ny fampisehoany izany : tamin’ireo mpiandry ondry[120], tamin’ireo majy[121], tamin’i Joany-Batista[122], tamin’ireo mpianatra[123]. Koa ny fiainan’i Jesoa-Kristy manontolo no hampiseho hoe “ahoana ny fomba nanosoran’Andriamanitra Azy tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ?” (Asa 10,38).

II. … naterak’i Maria Virjiny

487. Izay inoan’ny finoana katôlika momba an’i Maria, dia miorina eo ambonin’izay inoany momba an’i Kristy, nefa izay ampianariny ny amin’i Maria, dia manazava kosa indray avy  eo ny finoany an’i Kristy.

Ny  tendry mialoha ho an’i Maria

488. “Nirahin’Andriamanitra ny Zanany” (Gal 4,4), nefa mba “hamboarana vatana”[124] ho Azy, dia nila fiaraha-miasa amin-kalalahana tamin’ny zavaboary iray Izy. Noho izany, hatramin’ny mandrakizay, Andriamanitra nifidy, ho Renin’ny Zanany, zanakavavin’i Israely, tovovavy jody avy tao Nazareta any Galilea, “virjiny anankiray fofombadin’ny lehilahy atao hoe Josefa, avy amin’ny taranak’i Davida, ary ny anaran’ilay virjiny dia Maria” (Lk 1,27) :

Sitraky ny Rain’ny famindram-po hialoha ny Fahatongavana ho nofo ny faneken’ity Reny voatendry mialoha, satria vehivavy iray no nandray anjara tamin’ny tsanganasam-pahafatesana, ka vehivavy iray torak’izany koa, no nandray anjara tamin’ny fiainana[125].

489. Tamin’ny alalan’izay nataon’ireo vehivavy masina, ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha manontolo, no nanomanana ny ho ataon’i Maria. I Eva no tany am-piandohana : na teo aza ny tsy fanekeny, dia nahazo fampanantenana taranaka izay ho mpandresy an’ilay Mpisompatra izy[126], sy fampanantenana mba ho renin’ny velona rehetra[127]. Noho ny hasin’izany fampanantenana izany, dia nitoe-jaza i Sara na efa be taona aza[128]. Tsy araka ny fanampoizan’ny olona, ny nifidianan’Andriamanitra an’izay noheverina ho tsy manan-kery sy osa[129], mba hampisehoana ny tsy fivadihany amin’ny fampanantenany : i Ana, renin’i Samoela[130], i Debôrà, i Rota, i Jodita sy i Estera, ary vehivavy maro hafa. I Maria no “nitana toerana voalohany tamin’ireo manetry tena sy ireo mahantran’ny Tompo izay nanantena sy nandray ny famonjena avy Aminy tamim-pitokiana. Miaraka aminy, dia izy ilay zanakavavin’i Siôna ambony indrindra, no nahataperan’ny fetr’andro sy niorenan’ny fitantanam-pamonjena vaovao, taorian’ny fiandrasana ela ny fampanantenana”[131].

Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka

490. I Maria, mba ho Renin’ny Mpamonjy, dia “nofenoin’Andriamanitra ny fanomezana mifanaraka amin’izany asa lehibe tokoa izany”[132]. Ny Anjely Gabriely, tamin’ny fotoanan’ny Filazana, dia niarahaba azy ho ilay “feno hasoavana”[133]. Satria, mba hahafahana manome fankatoavana an-kalalahana amin’ny finoany, tamin’ny filazana ny fiantsoana azy, dia tsy maintsy nanaiky tanteraka ho tarihin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy. 

491.Nandritra ny taonjato maro ny Fiangonana no nahatsapa tao an-tsainy, fa i Maria “tototra soa” avy amin’Andriamanitra[134], dia voavotra nanomboka hatramin’ny nahatorontoronina azy. Izany no nanambaràna ampahibemaso ny teny finoana momba ilay Notorontoronina tsy azon-keloka, nataon’ny Papa Pie IX antso avo tamin’ny taona 1854 hoe :

I Maria Virjiny sambatra, hatramin’ny fotoana voalohany nahatorontoronina azy, noho ny fahasoavana sy ny tombon-tsoa manokana avy amin’ Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra, tsinjo amin’ny soa hataon’i Jesoa-Kristy Mpamonjy ho an’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, dia narovana hatrany am-boalohany tsy ho voan’ny loto rehetra avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra[135].

492. Avy amin’i Kristy daholo izany “fahamasinana mamirapiratra tokana aman-tany”, izay “nampanankarem-pahasoavana azy hatramin’ny fotoana voalohany nahatorontoronina azy”[136] izany : “tamin’ny fomba ambony dia ambony no nanavotana azy, ho fitsinjovana ny soa hataon’ny Zanany”[137]. “Notsofin’ny Ray rano, amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra, ao amin’i Kristy” (Efez 1,3) izy, mihoatra noho ny olombelona hafa rehetra nateraka. “Nofidin’ny Ray tao amin’i Kristy, talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany, ao anatin’ny fitiavana” (Efez 1,4) izy.

493. “Ilay Masina Tanteraka” (Panaghian) no fiantsoan’ny Aba amin’ny lovam-pampianarana tatsinanana, an’i Maria Renin’Andriamanitra ; ilay “tsy voan’ ny lotom-pahotana na kely aza, noforonin’ny Fanahy Masina, novolavolaina ho zavaboary vaovao”[138], no ankalazain’izy ireo azy. Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia naharitra nadio tsy voapentim-pahotana i Maria, teo amin’ ny fiainany manontolo.

“Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao …” 

494. I Maria, tamin’ny filazana fa Izy no hiteraka “ny Zanaky ny Avo indrindra” tsy amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina[139], dia namaly tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rôm 1,5) hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo ; aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1,37-38), satria tsy nisalasala izy fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao”. Noho izany fankatoavany ny Tenin’Andriamanitra izany, dia nanjary Renin’i Jesoa i Maria, ary noho izy nanaraka tamin’ny fony manontolo, tsy voakasi-pahotana, ny sitrapon’Andriamanitra  momba ny famonjena, dia nanolotra ny tenany manontolo tamin’ny Zanany sy ny tsanganasany, ka hanompo Azy sy hiankina Aminy ary hiaraka Aminy, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hanatanteraka ny misterin’ny Fanavotana[140] :

Araka ny voalazan’i Md Irénée, “noho ny faneken’i Maria, dia nanjary antony nahazoana famonjena izy, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranak’olombelona rehetra”[141]. Tahaka izany, betsaka amin’ny Aban’ny Fiangonana tany aloha tany  no niombon-kevitra taminy, nilaza hoe : “Ny olana vokatry ny tsy faneken’i Eva, dia voavaha tamin’ny faneken’i Maria ; izay namatotra an’i Eva virjiny tamin’ny tsy finoany, dia novahan’i Maria Virjiny tamin’ny finoany”[142] ; amin’ny fampitahana an’i Maria sy i Eva, dia antsoin’izy ireo hoe “ilay Renin’ny velona” i Maria, ary ambarany matetika hoe : “Avy amin’i Eva ny fahafatesana, fa avy amin’i Maria ny fiainana”[143].

Ny maha-renin’Andriamanitra an’i Maria

495. I Maria, izay antsoina hoe “Renin’i Jesoa” (Jo 2,1; 19,25)[144], ao amin’ny Evanjely, dia nohobiana ho “Renin’ny Tompoko” (Lk 1,43), teo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina, talohan’ny nahaterahan’ny zanany. Araka izany, Ilay noforonina tao am-bohoka ho olombelona tamin’ny alalan’ ny Fanahy Masina ka tonga Zanany marina tokoa araka ny nofo, dia tsy iza fa ny Zanaka mandrakizain’ny Ray, ilay Olona faharoa amin’ny Trinite Masina. Manambara ampahibemaso ny Fiangonana fa tena Renin’Andriamanitra tokoa (Theotokos) i Maria[145].

Ny maha-virjiny an’i Maria

496. Nanomboka hatramin’ny fandrafetana an-tsoratra voalohany ny teny finoana[146]  ny  Fiangonana no niaiky fa i Jesoa dia noforonina tamin’ny herin’ ny Fanahy Masina irery ihany, tao an-kibon’i Maria Virjiny, amin’ny fanamafisana koa ny endrika ara-batana tamin’io fisehoan-javatra io : I Jesoa dia noforonin’ny “Fanahy Masina tsy nisy tsirinain-dehilahy”[147]. Ny Aban’ny Fiangonana dia mahita famantarana ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, fa ilay Zanak’Andriamanitra tokoa no tonga olombelona tahaka antsika :

Araka izany, hoy i Md Ignace d’Antioche (fiandohan’ny taonjato faha-2) : “Miaiky tanteraka ianareo ny amin’ny Tompontsika, izay taranak’i Davida tokoa araka ny nofo[148], fa Zanak’Andriamanitra araka ny sitrapo sy ny herin’Andriamanitra[149], nateraky ny virjiny tokoa, (…) Tena nofantsihana tokoa tao amin’ny nofony Izy, ho antsika, tamin’ny andron’i Pôntsy Pilaty (…) Tena nijaly tokoa Izy ary koa tena nitsangan-ko velona tokoa”[150].

497.Ny tantara ao amin’ny Evanjely[151] dia nahazo an-tsaina, ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, ho tsanganasan’Andriamanitra, mihoatra izay rehetra takatry ny saina sy izay rehetra azon’ny olombelona atao[152] : “Fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina”, hoy ny Anjely tamin’i Josefa, momba an’i Maria fofombadiny (Mt 1,20). Hitan’ny Fiangonana ao amin’ izany ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra nolazainy tamin’ ny alalan’i Izaia mpaminany hoe : “Indro ny Virjiny hitoe-jaza, ka hiteraka zazalahy” (Iz 7,14), araka ny dikan-teny grikan’i Mt 1,23. 

498. Mahalasa eritreritra ihany indraindray ny tsy nitenenan’ny Evanjelin’i Md Marka sy ireo Taratasin’ny Testamenta Vaovao ny amin’ny maha-virjiny nitoe-jaza an’i Maria. Mety koa mampanontany tena hoe : izy ity ve eto tsy angano ihany na fanamboamboarana ara-teôlôjia tsy marim-pototra ara-tantara. Amin’ny inona no tokony havaly izany : ny finoana ny amin’ny niterahan’i virjiny an’i Jesoa dia nahatonga fifanoherana mahery vaika, fanesoana na tsy fifankahazoana avy amin’ny tsy mpino, jody ary jentily[153] : tsy avy amin’ny anganon’ny mpanompo sampy na avy amin’ny fanamboamboarana sasany amin’ny vinavinan-kevitra tamin’izany fotoana izany manko no anton’izy io. Ny hevitra fonosin’io zava-niseho io dia tsy ho azo afa-tsy amin’ny finoana izay mahita izany ao amin’ilay  “fifamatorana manakambana ny mistery amin’ny samy mistery”[154], ao amin’ny fitambaran’ny misterin’i Kristy manomboka amin’ny Fahatongavany ho nofo ka hatramin’ny Pakany.  Efa nanambara io fifamatorana io i Md Ignace d’Antioche hoe : “Ny mpanapaka an’izao tontolo izao no tsy nahalala ny maha-virjiny  nitoe-jaza an’i Maria, toy izany koa ny fahafatesan’ny Tompo : mistery telo manakoako, izay tanteraka tao amin’ny fanginan’Andriamanitra”[155].

I Maria - virjiny mandrakizay

499 Ny fandalinan’ny Fiangonana ny finoany ny amin’ny maha-reny virjiny no nitarika azy hanambara ampahibemaso ny tena maha-virjiny tokoa sady mandrakizay an’i Maria[156], na dia tamin’izy nïteraka ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona aza[157]. Satria “tsy nampihena, fa vao mainka nanamasina ny tena maha-virjiny tsy misy tomika tokoa” an-dreniny[158], ny nahaterahan’i Kristy. Ilay Aeiparthenos, “virjiny mandrakizay[159] no ankalazan’ny litorzian’ ny Fiangonana, an’i Maria.

500. Indraindray toherin’ny olona izany, noho ny Soratra Masina milaza an’ireo rahalahy sy anabavin’i Jesoa[160]. Mahazo an-tsaina lalandava ny Fiangonana, fa ireo tsongan-dahatsoratra ireo dia tsy manondro zanaka hafa naterak’i Maria Virjiny : satria, i Jakôba sy i Josefa,  “rahalahin’i Jesoa” ( Mt 13,55), dia zanak’i Maria anankiray mpianatr’i Kristy[161], izay notondroina amin’ny filazana mazava hoe : “Maria anankiray”( Mt 28,1). Ny lazaina amin’izany, dia havana akaikin’i Jesoa, araka ny fomba fiteny fantatra ao amin’ny Testamenta Taloha[162]

501. I Jesoa no Zanaka Lahitokan’i Maria. Kanefa ny maha-reny ara-panahy an’i Maria[163] dia ho an’ny olombelona rehetra, izay hamonjy azy ireo no nahatongavan’i Jesoa : “Hiteraka ny Zanany izy, izay ataon’Andriamanitra ho “Lahimatoa maro zandry” (Rôm 8,29 ), izany hoe ireo mpino, ka amin’ny fiterahana sy ny fanabeazana azy ireo izy no mitondra ny fiaraha-miasa amin’ny fitiavana maha-reny azy”[164].

Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra. 

502.Ny fijery ara-pinoana no afaka mahita ao amin’ny fifandraisana miaraka amin’ny fitambaran’ny Fanambaràna, ny antony mifono mistery izay ho amin’izany no sitrak’Andriamanitra, araka ny fandaharam-pamonjeny, hiterahan’ny virjiny ny Zanany. Ireny antony ireny dia sady mahakasika ny tenan’i Kristy sy ny maha-iraka mpanavotra Azy, no mahakasika ny fandraisan’i Maria io fanirahana io ho an’ny olombelona rehetra.

503.Ny maha-virjiny an’i Maria no mampiseho ny fanombohana tsy miankina na amin’inona na amin’inona ataon’Andriamanitra amin’ny Fahatongavana ho nofo. Tsy manana ho Ray afa-tsy Andriamanitra i Jesoa[165]. “Ny fomba aman-toetra maha-olombelona izay noraisiny dia tsy nampanalavitra Azy na oviana na oviana tamin’ny Ray (…) ; mazava ho azy fa Zanaky ny Rainy Izy amin’ny maha-Andriamanitra Azy, ary mazava ho azy fa zanaky ny reniny amin’ny maha-olombelona Azy, nefa Zanak’Andriamanitra tokoa ao amin’ireo fomba aman-toetrany roa ireo”[166].

504. Noforonin’ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria Virjiny i Jesoa, satria Izy no Ilay Adama Vaovao[167] izay misantatra ny fahariana vaovao : “Ny olombelona voalohany, avy amin’nytany, ka tany ; ny olombelona faharoa kosa, avy amin’ny lanitra” (1 Kôr 15,47). Feno ny Fanahy Masina, hatramin’ny nahatorontoronina Azy,  ny maha-olombelona an’i Kristy, satria “nanome Azy ny Fanahy tsy misy fetra” (Jo 3,34) Andriamanitra. Avy amin’ny “hafenoany”, Izy izay filohan’ny olombelona voavotra[168], no “andraisantsika fahasoavana miampy fahasoavana” (Jo 1,16).

505. I Jesoa, ilay Adama Vaovao, no nisantatra tamin’ny fiterahan’i virjiny Azy ny fahateraham-baovaon’ireo zanaka atsangana ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoana.“Ahoana no hahatongavan’izany ?” ( Lk 1,34)[169]. Ny fiombonana anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra dia tsy avy amin’ny “ra, na ny sitrapon’ny nofo, na ny sitrapon’olombelona, fa avy amin’Andriamanitra” ( Jo l,13 ). Ny fandraisana io aina io dia avy amin’ny virjiny tsy voakasim-pahotana, satria aina omena manontolo ho an’ny olombelona amin’ny alalan’ny Fanahy. Ny hevitra ara-panambadiana raketin’ny fiantsoan’Andriamanitra ny olombelona ho vadiny[170], dia tanteraka an-tsakany sy an-davany ao amin’ny maha-reny virjiny an’i Maria.

506. Virjiny i Maria satria ny maha-virjiny azy no famantarana ny fînoany “tsy simban’ny fisalasalana na dia kely aza”[171] sy ny fanoloran-tenany iray manontolo amin’ny sitrapon’Andriamanitra[172]. Ny finoany no nahatonga azy ho renin’ny Mpamonjy : “Sambatra i Maria, ary vao mainka sambatra, satria sady nandray ny finoan’i Kristy izy, no niforonan’ny nofon’i Kristy”[173]

507. Sady virjiny no reny i Maria, satria izy no endrika sy lavorary indrindra amin’ny fahatanterahan’ny Fiangonana[174]. “Manjary Reny koa ny Fiangonana, noho ny Tenin’Andriamanitra izay raisiny amim-pinoana : satria, amin’ny alalan’ny fitorian-teny, ary amin’ny alalan’ny Batemy no iterahany, amin’ny fiainana vaovao sy maharitra mandrakizay, an’ireo zanaka noforonin’ny Fanahy Masina sy aterak’ Andriamanitra. Virjiny koa ny Fiangonana, amin’ny nanomezany ho an’ilay Vadiny ny finoany marina sy madio tsy misy pentina, izay notahiriziny”[175].

 

FAMINTINANA

508. Tamin’ny taranak’i Eva Andriamanitra no nifidy an’i Maria Virjiny ho Renin’ny Zanany. Noho izy  feno hasoavana, dia izy no ilay vokatra tsara dia tsara indrindra avy amin’ny Fanavotana[176] : hatramin’ny fotoana voalohany namoronana azy tao am-bohoka, dia narovana tanteraka mialoha tsy ho voan’ny lotom-pahotana tamin’ny fototra izy, ary maharitra ho madio tsy misy pentin’ny fahotana rehetra an’ny isam-batan’olona, amin’ny fiainany manontolo.

509. Tena Renin’Andriamanitra tokoa i Maria Virjiny, satria izy no Renin’ ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra tonga olombelona sady Andriamanitra rahateo koa.

510. I Maria dia naharitra ho virjiny tamin’ny niforonan’ny Zanany tao am-bohoka, virjiny tamin’ny niterahany Azy, virjiny tamin’ny nitrotroany Azy, virjiny tamin’ny nampinonoany Azy, Virjiny mandrakizay[177] : amin’ny fisian-tenany manontolo no maha-mpanompovavin’ny Tompo azy (Lk 1,38).

511. Ny finoany sy ny fanekeny an-kalalahana no nentin’i Maria Virjiny nifarimbona tamin’ny famonjena ny olombelona[178]. Tamin’ny anaran’ny olombelona rehetra no nanononany ny eniny[179]. Noho ny fanekeny no nahatonga azy ho Eva vaovao, renin’ny velona.

 

Paragrafy 3. Ny misterin’ny fiainan’i Kristy

 

512. Ireto ihany no lazain’ny Sembolin’ny finoana, raha ny momba ny fiainan’i Kristy : ny misterin’ny Fahatongavana ho nofo (niforonana tao am-bohoka sy nahaterahana) sy ny Paka (fijaliana, famantsihana tamin’ny hazofijaliana, fahafatesana, fandevenana, fidinana tany ambanin’ny tany, fitsanganan-ko velona, fiakarana any an-danitra). Tsy milaza na inona na inona, amin’ny fomba tena mazava, ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa  sy ny fiainany ampahibemaso ny sembolin’ny finoana, fa ny andalan-tenim-pinoana momba ny Fahatongavan’i Jesoa ho nofo sy ny Pakany dia efa manazava ny fiainan’i Kristy manontolo teto an-tany. “Izay rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny, hatramin’ny fanombohana ka hatramin’ny andro izay (…) nampakarana Azy any an-danitra” (Asa 1,1-2) dia tsara tarafina amin’ny fahazavan’ny misterin’ ny Noely sy ny Paka. 

513. Hovelabelarin’ny katesezy, araka ny toe-javatra niseho, ny harena rehetra amin’ny misterin’i Jesoa. Koa ampy aloha ny milaza eto ireo singafototra sasany iombonana amin’ny mistery manontolon’ny fiainan’i Kristy (I), mba hanoritsoritana araka izany ireo zava-dehibe amin’ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa (II) sy ny fiainany ampahibemaso (III).

I. Mistery avokoa ny fiainan’i Kristy

514. Betsaka ny zavatra izay mahafinaritra ny fahalianan’ny olombelona momba an’i Jesoa no tsy hita ao amin’ny Evanjely. Saika tsy misy voalaza ny momba ny fiainany tao Nazareta, ary na ny ampahany betsaka amin’ny fiainany ampahibemaso aza dia tsy notantaraina akory[180]. Ireo izay voasoratra ao amin’ ny Evanjely, dia natao “mba hinoanareo fa i Jesoa no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny anarany, amin’ny finoana Azy” (Jo 20,31). 

515. Ny Evanjely dia nosoratan’ireo olona izay anisan’ny voalohany nanam-pinoana[181], ka te hizara izany amin’ny hafa. Nahalala tamin’ny finoana izy ireo hoe iza moa i Jesoa, ka afaka nahita sy nampahita ny mariky ny misteriny nandritra ny fiainany manontolo teto an-tany. Famantarana ny misterin’i Jesoa avokoa ny lamban-jaza namonosana Azy tamin’ny nahaterahany[182] ka hatramin’ny vinaingitra natohoka teo am-bavany fony Izy nampijaliana[183], sy ny lambamena namonosana Azy, nivalona, nony nitsangan-ko velona Izy[184], ary ny zavatra rehetra teo amin’ny fiainany. Tamin’ny fihetsiny sy ny zava-mahagaga nataony ary ny teniny, no manambara fa “ao Aminy araka ny maha-olombelona Azy, no mitoetra tanteraka ny hafenoan’ny maha-Andriamanitra” (Kôl 2,9).  Araka izany, tsapa ho “sakramenta” ny maha-olombelona Azy, izany hoe famantarana amam-pitaovan’ny maha-Andriamanitra Azy sy ny famonjena atolony : izay hita maso tamin’ny fiainany teto an-tany dia mitarika ho amin’ny mistery tsy hita maso amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy sy amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy.

Ny soritra iombonan’ny misterin’i Jesoa 

516.Fanambaràna ny Ray ny fiainan’i Kristy manontolo : ny teniny sy ny asany, ny fanginany sy ny fijaliany, ny fomba amam-pihetsiny sy ny fiteniny. Afaka milaza i Jesoa hoe : “Izay mahita Ahy, mahita ny Ray”[185], ary ny Ray afaka miteny hoe : “Inty no Zanako malalako, henoy Izy” (Lk 9,35). Noho ny Tompontsika tonga olombelona mba hanatanteraka ny sitrapon’ny Ray[186], dia maneho amintsika “ny fitiavan’Andriamanitra antsika” (1 Jo 4,9), ny soritry ny misteriny faran’izay kely indrindra. 

517. Misterin’ny Fanavotana ny fiainan’i Kristy manontolo. Avy amin’ny ra nalatsany fony Izy nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana aloha, no nahazoantsika ny Fanavotana[187], kanefa, miasa ao amin’ny fiainan’i Kristy manontolo io mistery io : efa tamin’ny Fahatongavany ho Nofo, izay tamin’ izany no nanjary mahantra Izy, mba hampanankarena antsika amin’ny fahantrany[188] ; tamin’ny fiainany miafina, izay nanonerany ny tsy fankatoavantsika, tamin’ny fankatoavany[189] ; tamin’ny teniny izay manadio ny mpihaino Azy[190] ; tamin’ny fanasitranany sy ny fandroahany demony, izay “nakàny ny rofintsika sy nitondrany ny aretintsika” (Mt 8,17)[191]; tamin’ny Fitsanganany ho velona, izay nanamarinany antsika[192]

518. Misterin’ny Famondronana ny zavatra rehetra ao amin’ny Filoha tokana, ny fiainan’i Kristy manontolo. Izay rehetra nataon’i Jesoa, nolazainy sy niaretany fijaliana, dia nanana tarigetra mba hanarenana ny olombelona lavo, ho amin’ny fiantsoana azy tany am-boalohany :

Rahefa tonga Nofo sy tonga olombelona Izy, dia navondrony ao amin’ny Tenany ihany ny tantara lava nolalovan’ny olombelona, ary nampahazo antsika ny famonjena Izy, raha fintinina, hany ka izay verintsika tao amin’i Adama, izany hoe ny maha-endrik’Andriamanitra sy ny fifanahafana Aminy, dia tafaverina ao amin’i Kristy Jesoa[193]. Izany indrindra no antony nandalovan’i Kristy tamin’ny ambaratongan’ny taona rehetra teo amin’ny fiainana, mamerina indray avy amin’izany amin’ny olombelona rehetra ny fiombonana amin’Andriamanitra[194].

Ny fiombonantsika amin’ny misterin’i Jesoa 

519. “Natokana ho an’ny olombelona rehetra ary anisan’ny soa ho an’ny tsirairay”[195]ny haren’i Kristy manontolo. Tsy nivelona ny fiainany ho an’ny Tenany ihany i Kristy, fa ho antsika, nanomboka tamin’ny Fahatongavany ho Nofo “ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika”[196] ka hatramin’ny fahafatesany “noho ny fahotantsika” (1 Kôr 15,3) sy ny Fitsanganany ho velona “ho fanamarinana antsika” (Rôm 4,25). Amin’izao fotoana izao koa, Izy no “mpisolovava antsika eo amin’ny Ray” (1 Jo 2,1), “satria velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika” (Heb 7,25). Miaraka amin’izay rehetra niainany sy nijaliany ho antsika indray mandeha ihany, ny maha-eo mandrakizay Azy, “mba hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ankehitriny” (Heb 9,24).  

520. Tamin’ny fiainany manontolo i Jesoa no nisehoany fa môdelintsika[197] : Izy no “olombelona lavorary”[198] izay mandrisika antsika mba ho tonga mpianany sy hanaraka Azy : nanome ohatra halaintsika tahaka Izy tamin’ny fanetren-tenany[199] ; nitaona antsika ho amin’ny fivavahana Izy tamin’ny vavaka nataony[200]; niantso antsika hanaiky amin-kalalahana ny fihafiana sy ny fanenjehana Izy tamin’ny fahantrany[201]

521. Izay rehetra niainan’i Kristy, dia nataony mba hahafahantsika miaina izany ao Aminy sy mba hiainany izany ao amintsika. “Noho ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, dia ny Tenany mihitsy no toa mikambana amin’ny olombelona manontolo”[202]. Voantso isika tsy hanao afa-tsy ny ho iray miaraka Aminy ; izay niainany tao amin’ny nofony ho antsika sy ho môdelintsika, no ampiraisany antsika ao amin’izany, ho rantsambatan’ny Vatany :

Tsy maintsy manohy sy manatanteraka ao amintsika ny toetra mbamin’ny misterin’i Jesoa isika, sy mitalaho Aminy matetika, mba hampiasany sy hanatanterahany izany ao amintsika sy ao amin’ny Fiangonany manontolo (…). Satria manana fandaharana hametraka fampandraisana anjara, sy hanao fanitarana amam-panohizana ny misteriny ao amintsika sy ao amin’ny Fiangonany manontolo, ny Zanak’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fahasoavana izay tiany hampitaina amintsika, sy amin’ny alalan’ny vokatra izay tiany hatao ao amintsika amin’ny alalan’ireo mistery ireo. Ary avy amin’izany fomba izany no tiany hanatanterahana an’ireo ao amintsika[203].

II Ny misterin’ny fahazazana sy ny fiainana miafin’i Jesoa

Ny fanomanana

522. Ny fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra tety ambonin’ny tany dia zava-niseho lehibe dia lehibe tokoa izay sitrak’Andriamanitra ny nanomana izany nandritra ny taonjato maro. Nataony manatona sy miafara avokoa ao amin’i Kristy na ny fombam-pivavahana sy sorona, na ny tandindona sy fanehoana an’ohatra ny fanekem-pihavanana Voalohany[204] ; nolazainy tamin’ny vavan’ny mpaminany izay nifandimby teo amin’i Israely izany. Ankoatra izany, nofohaziny tao am-pon’ny jentily koa ny fiandrasana manjavozavo an’io fahatongavana io. 

523. I Md Joany Batista no mpialoha lalana[205] mivantana ny Tompo, nirahina hamboatra lalana ho Azy[206]. “Izy no mpaminanin’ny Avo Indrindra” (Lk 1,76), mihoatra ny mpaminany rehetra[207], farany amin’izany[208], nisantatra ny Vaovao mahafaly[209] ; vao tao an-kibon-dreniny izy[210], dia niarahaba ny fahatongavan’i Kristy, ary nentanin’ny hafaliany ho “sakaizan’ny mpampakatra” (Jo 3,29) izay notondroiny ho “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1,29). Tamin’ny nialohavany lalana an’i Jesoa “tamin’ny fanahy sy ny herin’i Elia”(Lk 1,17) no nijoro ho vavolombelony izy, tamin’ny toriteniny, tamin’ny Batemim-pibebahana nataony ary farany tamin’ny nahafatesany martiry[211].

524. Amin’ny fankalazana isan-taona ny litorzian’ny Fahatongavan’ny Tompo ny Fiangonana dia mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny izany fiandrasana ny Mesia izany : amin’ny firaisam-po amam-panahy tamin’ny fanomanana nandritra ny fotoana lava ny voalohany nahatongavan’ny Mpamonjy, no anavaozan’ny mpino ny faniriana miredareda amin’ny Fahatongavany fanindroany[212]. Amin’ny fankalazana ny nahaterahan’ilay Mpialoha lalana sy ny nahafatesany martiry, no iombonan’ny Fiangonana amin’ny faniriany manao hoe : ”Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena” (Jo 3,30).

Ny misterin’ny Noely 

525. Tamin’ny fanetren-tena tao an-tranonomby, teo anivon’ny fianakaviana mahantra[213], no nahaterahan’i Jesoa ; mpiandry ondry tsotra no vavolombelona voalohany nahita maso ny zava-niseho. Tao anatin’izany fahantrana izany no niseho ny voninahitry ny lanitra[214]. Tsy sasatra ny Fiangonana, mihira ny voninahitr’ilay alina amin’ny hoe :

Nateraky ny Virjiny androany ilay Mandrakizay
Ary ny tany nanome lava-bato ho an’ilay Tsihaitakarina.
Ny anjely sy ny mpiandry ondry nidera Azy
Ary ny majy notarihin’ny kintana, nitsaoka Azy
Fa teraka ho anay Ianao,
Ry ilay Zazakely, Andriamanitra mandrakizay[215] !

526. “Tonga zazakely” amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra no toetra hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra[216] ; araka izany, tsy maintsy manetry tena[217], tonga madinika ; fa indrindra : tsy maintsy “ateraka avy any ambony” (Jo 3,7), aterak’Andriamanitra[218] mba “ho tonga zanak’Andriamanitra” ( Jo 1, 12). Tanteraka ao amintsika ny misterin’ny Noely rahefa “voasokitra” ao anatintsika ny endrik’i Kristy[219]. Ny Noely no misterin’izany “fifanakalozana mampitolagaga” izany :

Ry fifanakalozana mampitolagaga ! Ilay mpahary ny olombelona manontolo,  naka vatana sy fanahy ho an’ny Tenany, dia nanaiky hateraky ny virjiny, ary tamin’ny fahatongavany ho olombelona tsy natera-dehilahy,  no nanomezany antsika ny maha-Andriamanitra Azy [220].

Ny misterin’ny fahazazan’i Jesoa 

527. Ny famoràna an’i Jesoa, havaloana taorian’ny nahaterahany[221], dia famantarana ny fampidirana Azy amin’ny taranak’i Abrahama, amin’ny vahoakan’ny fanekem-pihavanana, amin’ny fankatoavany ny Lalàna[222], sy amin’ny fanirahana Azy amin’ny fanompoam-pivavahan’i Israely, izay handraisany anjara mandritra ny fiainany manontolo. Io famantarana io no manambara mialoha ny “famoràn’i Kristy”, dia ny Batemy izany[223].  

528. Ny Epifania no fisehoan’i Jesoa ho Mesian’i Israely, Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao. Miaraka amin’ny Batemin’i Jesoa teo Jordany sy ny fampakaram-bady tao Kanà[224], no ankalazana amin’ny epifania ny fitsaohan’ireo “majy” avy any Atsinanana an’i Jesoa[225]. Tao amin’ireo “majy” ireo, izay solontenan’ny fivavahan’ny jentily teo amin’ny tany manodidina, no ahitan’ny Evanjely ny santatry ny firenena maro izay mandray ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Fahatongavana ho nofo. Ny fahatongavan’ireo majy tao Jerosalema, mba hitsaoka ny mpanjakan’ny Jody[226], dia mampiseho fa notadiavin’izy ireo tao amin’i Israely, tamin’ny fahazavan’ny Mesia nasehon’ny kintan’i Davida[227], Ilay izay ho mpanjakan’ny firenena rehetra[228]. Ny fahatongavan’izy ireo no midika fa ny mpanompo sampy dia tsy afaka hahita an’i Jesoa sy hitsaoka Azy ho Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao raha tsy  mitodika any amin’ny Jody[229], sy mandray avy amin’izy ireo ny fampanantenana Mesia ho azy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha[230]. Ny Epifania no mampiseho fa ny “hafenoan’ny jentily dia ny miditra ao amin’ny fianakavian’ny patriarka”[231] sy ny fahazoany ny tombon-tsoa natokana ho an’i Israely (Israelitica dignitas)[232].

529. Ny fanolorana an’i Jesoa tao an-Tempoly[233], no mampiseho Azy ho ilay Voalohan-Teraka ho an’ny Tompo[234]. Niaraka tamin’i Simeôna sy i Ana, ny fiandrasana rehetra tao amin’i Israely no tonga nihaona tamin’ny Mpamonjy azy (izany no iantsoan’ny lovam-pampianarana bizantinina an’ity zava-niseho ity). I Jesoa dia fantatra ho ilay Mesia nandrasana fatratra, “ fahazavan’ny firenena” sy “voninahitr’i Israely”, ary koa “famantarana hotoherina”. Ny sabatry ny fahoriana nolazaina mialoha tamin’i Maria dia manambara an’ilay fanoloran-tena hafa, lavorary sy tokana, eo amin’ny Hazofijaliana, izay hanome ny famonjena “nomanin’Andriamanitra teo imason’ny firenena rehetra”. 

530. Ny fandosirana tany Ejipta sy ny famonoana ny zazakely tsy manan-tsiny[235] no mampiseho ny fanoheran’ny maizina ny mazava : “Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy” (Jo 1,11). Ny fiainan’i Kristy manontolo, dia ho eo ambany famantarana mampiseho fanenjehana. Miombona anjara Aminy amin’izany ny mpanara-dia Azy[236]. Ny fiakarany avy tany Ejipta[237] dia mampahatsiahy ny Fialana (Eksaody) tany[238] sy mampiseho an’i Jesoa ho ilay mpanafaka tanteraka.

Ny misterin’ny fiainana miafin’i Jesoa 

531. Fomba fiainana niainan’ny ankamaroan’ny olombelona, no niombonan’i Jesoa nandritra ny ampahany be indrindra tamin’ny fiainany  : fiainana andavanandro tsy hita nisongadina, fivelomana tamin’ny asa tanana, fiainam-pivavahana jody teo ambany Lalànan’Andriamanitra[239], fiainana tao anatin’ny ankohonana. Tao anatin’izany fotoana rehetra izany no nampisehoana tamintsika fa “nanaiky” an’ireo ray aman-dreniny i Jesoa[240] sady “nitombo fahendrena sy vatana, ary nandroso nahatehotia teo anatrehan’Andriamanitra sy teo anatrehan’ny olombelona” (Lk 2,51-52).

532. Ny fankatoavan’i Jesoa ny reniny mbamin’ny ray nanangana sy mpitaiza azy, no nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny didy fahefatra. Izany no endriky ny faneken-janaka tao Aminy, teto an-tany, amin’ny Rainy any an-danitra. Ny fankatoavan’i Jesoa an’i Josefa sy i Maria isan’andro isan’andro, no nilaza sy nampiseho mialoha ny fanekeny ny Alakamisy Masina : “Tsy ny sitrapoko anie…” (Lk 22,42). Ny faneken’i Kristy isan’andro tamin’ny fiainany miafina no nisantatra sahady ny tsanganasam-panarenana izay nopotehin’ny tsy faneken’i Adama[241].

533. Ny fiainana miafina tao Nazareta no ahafahan’ny olona rehetra miray fo sy miombon-tsaina amin’i Jesoa amin’ny alalan’ireo fomba fiainana mahazatra andavanandro  tsotra indrindra : 

I Nazareta no sekoly izay anombohan’ny olona hahatakatra an-tsaina ny fiainan’i Jesoa : sekolin’ny Vaovao Mahafaly (…). Fianarana ho amin’ny fanginana aloha. Hitsiry ao amintsika anie ny fitiavana ny fanginana, izay toetra mampitolagaga sy ilaina amin’ny toetran’ny fanahy (…). Fianarana ho amin’ny fiainam-pianakaviana. I Nazareta anie no hampianatra antsika ny atao hoe fianakaviana, ny fiombonam-pitiavany, ny hasoany be fihafiana sy feno fahatsorana, ny toetrany masina sy tsy azo zimbazimbaina (…). Fianarana momba ny asa. Ry Nazareta, tranon’ny “Zanaka Mpandrafitra ô !”, eto no tianay hahatakarana an-tsaina sy hankalazana ny lalàna hentitra sy mpanavotra amin’ny asa mafy ataon’ny olombelona (…) ; farany, eto koa no tianay hiarahabana an’ireo mpiasa rehetra manerana ny tany ary hanehoana amin’izy ireo ny môdely lehibe, dia ny rahalahin’izy ireo izay Andriamanitra [242].
534. Ny fahitana indray an’i Jesoa tao an-Tempoly[243] no zava-niseho tokana izay nampijanona ny fanginan’ny Evanjely ny amin’ny fiainana miafin’i Jesoa tao anatin’ny taona maro. Avelan’i Jesoa ho tsikaritra ao amin’izany ny misterin’ ny fanokanana Azy manontolo ho amin’ny fanirahana maha-Zanak’ Andriamanitra Azy: “Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy manao ny raharahan’ ny Raiko Aho ? ”. “Tsy azon’ny sain’ ” i Maria sy Josefa izany teny izany, nefa noraisin’izy ireo tamim-pinoana, ary i Maria “nitahiry araka ny tena izy izany fahatsiarovana rehetra izany tao am-pony” nandritra ny taona maro nifandimby, izay nijanonan’i Jesoa tao anatin’ny fanginan’ny fahatsoram-piainana.

III. Ny misterin’ny fiainan’i Jesoa ampahibemaso

Ny Batemin’i Jesoa  

535. Ny fiantombohan’ny[244] fiainan’i Jesoa ampahibemaso, dia ny nanaovan’i Joany batemy Azy tao Jordany[245]. Nitory “batemim-pibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 3,3) i Joany. Mpanota sesehena, poblikanina sy miaramila[246], Farisianina sy Sadôseanina[247] ary mpivaro-tena[248], no tonga hataony batemy. “Tamin’izay, niseho i Jesoa.” Ilay Mpanao batemy moa niahotra, i Jesoa kosa nikiry : nandray ny Batemy Izy. Tamin’izay ny Fanahy Masina, niendri-batana toa voromahailala, nidina nankeo ambonin’i Jesoa, ary nisy feo avy an-danitra nanambara hoe : “Izy ity no Zanako malalako” (Mt 3,13-17). Izany no fisehoan’i (“Epifania”) Jesoa ho Mesian’i Israely sy Zanak’Andria-manitra.

536. Ny Batemin’i Jesoa, ho Azy, no fanekena sy fisantarana ny iraka maha-Mpanompo mijaly Azy. Nanaiky ho anisan’ny mpanota Izy[249] ; efa “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” Izy (Jo 1,29) ; nataony mialoha sahady ny “batemin’ny” fahafatesany handatsahany ny rany[250]. Tonga sahady Izy “hanatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Mt 3,15), izany hoe hankato  manontolo ny sitrapon’ny Rainy : nekeny amim-pitiavana io batemim-pahafatesana io ho famelana ny fahotantsika[251].  Tamin’io fanekena io no namalian’ny feon’ny Ray izay nankasitraka manontolo ny Zanany[252]. Ny Fanahy, izay ananan’i Jesoa tanteraka hatramin’ny niforonany tao am-bohoka, no tonga “nitoetra” teo amboniny[253]. Izy no ho loharanon’izany ho an’ny olombelona rehetra. Tamin’ ny Bateminy no “nisokatra ny lanitra” (Mt 3,16) izay nohidian’ny fahotan’i Adama ; ary nohamasinin’ny fidinan’i Jesoa sy ny Fanahy ny rano, izay fambara ny fahariana vaovao.

537. Tamin’ny alalan’ny sakramentan’ny Batemy ny kristianina no mitovy amin’i Jesoa izay nampihatra mialoha ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona, tamin’ny alalan’ny Bateminy ; tsy maintsy miditra ao amin’io misterin’ny fanetrena tena ambany dia ambany sy ny fibebahana io izy, tsy maintsy midina ao anaty rano miaraka amin’i Jesoa, mba hiakatra miaraka Aminy avy ao,  ka ateraky ny rano sy ny Fanahy mba ho tonga zanaka malalan’ny Ray sy “hiaina ny fiainam-baovao” (Rôm 6,4), ao amin’ny Zanaka :
Milevena isika miaraka amin’i Kristy amin’ny Batemy, mba hitsangan-ko velona miaraka Aminy ; midîna isika miaraka Aminy, mba hasandratra miaraka Aminy ; miakara isika miaraka Aminy, mba homem-boninahitra ao Aminy [254].

Izay rehetra niseho tao amin’i Kristy dia mampahafantatra antsika fa aorian’ny fandroana amin’ny rano, midina eo ambonintsika ny Fanahy Masina avy any an-tampon’ny lanitra ary voatsangana ho zanaka amin’ny Feon’ny Ray isika, ka tonga zanak’Andriamanitra[255].

Ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa 

538. Milaza ny fotoana naha-irery an’i Jesoa tany an’efitra teo no eo avy hatrany ny Evanjely, taorian’ny nanaovan’i Joany batemy Azy : “Nasesiky ny Fanahy hankany an’efitra” i Jesoa, ka nitoetra tany efapolo andro, tsy nihinan-kanina; niara-niaina tamin’ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ny anjely[256]. Tamin’ny faran’io fotoana io dia nalain’i Satana fanahy intelo Izy amin’ny fihantsiana mba hitsapana ny toe-pihetsika asehony amin’ny maha-Zanaka Azy manoloana an’Andriamanitra. Notoherin’i Jesoa ireny famelezana ireny, izay nanambatra ny fakam-panahin’i Adama tao am-Paradisa sy i Israely tany an’efitra, ka nandao Azy ny devoly “mandra-piavin’ny fotoana indray” (Lk 4,13).

539. Manoro ny hevi-pamonjena amin’izany zava-niseho mifono mistery izany, ny mpanoratra ny Evanjely. I Jesoa no Adama vaovao, naharitra tsy nivadika, fa tsy tahaka an’ilay Adama voalohany, izay resin’ny fakam-panahy. Nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fiantsoana an’i Israely i Jesoa : ny fanoherana an’ireo izay nihantsy an’Andriamanitra fahiny nandritra ny efapolo taona tany an’efitra[257], no nanehoan’i Kristy ny Tenany ho ilay Mpanompon’Andriamanitra manaiky tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Amin’izany i Jesoa no ilay mpandresy ny devoly : “Nafatony ilay mahery” mba handrobàny ny ao an-tranony[258]. Ny fandresen’i Jesoa an’ilay mpaka fanahy tany an’efitra no misantatra ny fandresena ny fijaliana, fanekena fara tampon’ny fitiavany ny Ray amin’ny maha-Zanaka Azy. 

540.Mampiseho ny fomban’ny Zanak’Andriamanitra amin’ny maha-Mesia Azy ny fakam-panahy nosetrain’i Jesoa, mifanohitra amin’ny an’izay atolotr’i Satana Azy sy irìn’ny olombelona[259] hiheverana Azy. Izany no antony nandresen’i Kristy ny Mpaka fanahy antsika : “Satria tsy mpisorombe tsy mahay mangoraka ny fahalementsika no antsika ; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy, fa tsy nanota” (Heb 4,15). Isan-taona ny Fiangonana dia miombona amin’ny misterin’i Jesoa tany an’efitra nandritra ny efapolo andro, amin’ny Karemy Lehibe.

Efa akaiky tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra” 

541. “Nankany Galilea i Jesoa, taorian’ny nampidirana an-tranomaizina an’i Joany. Izao no antso avo nataony tany momba ny Vaovao Mahafaly avy amin’Andriamanitra : "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky tokoa ny Fanjakan’ Andriamanitra : mibebaha ianareo ary minoa ny Vaovao Mahafaly"” (Mk 1,14-15). “Mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Ray, dia nosantarin’i Kristy teto an-tany ny Fanjakan’ny lanitra”[260]. Ary izao no sitrapon’ny Ray : ny “hanandratra ny olombelona hiombona amin’ny ain’ Andriamanitra”[261]. Tamin’ny namondronany ny olombelona manodidina an’i Jesoa-Kristy Zanany, no nanaovan’ny Ray izany. Ny Fiangonana, izay “tsiry sy fanombohan’ny Fanjakan’Andriamanitra”[262] eto an-tany, io famondronana io.

542. I Kristy no foiben’io famondronana ny olombelona io ao anatin’ny “fianakavian’Andriamanitra”. Antsoiny hanodidina Azy izy ireo, amin’ny alalan’ny teniny sy ny famantarana nataony izay maneho ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fanirahana ny mpianany. Ny hanatanterahany ny fahatongavan’ny Fanjakany dia amin’ny alalan’ny mistery lehibe momba ny Pakany indrindra : ny fahafatesany teo amin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganany ho velona. “Ary izaho, rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32).  Ho amin’izany firaisana amin’i Kristy izany no iantsoana ny olombelona rehetra[263].

Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra

543. Ny olona rehetra no antsoina hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakan’ny Mesia io, izay notorìna tamin’ny zanak’i Israely aloha[264], dia natao handraisana ny olombelona avy amin’ny firenen-drehetra[265]. Tsy maintsy raisina ny tenin’i Jesoa, mba hidirana ao :

Oharina indrindra amin’ny voa afafy izay mamoa ao an-tanimboly ny tenin’ny Tompo : mandray ny fanjakan’i Kristy mihitsy, ireo izay mihaino izany amim-pinoana sy miray amin’ny andian’ondry keliny ; manaraka izany, mitombo mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana, ny voa mamoa, noho ny herin’ny tenany ihany[266].

544. An’ny mahantra sy ny madinika ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe an’ireo izay nandray izany tamin’ny fo manetry tena. Nirahina i Jesoa mba “hampita ny Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra” (Lk 4,18)[267]. Nambarany hoe sambatra izy ireo satria “azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 5,3) ; tamin’ireo “madinika” no sitraky ny Ray hanambaràna an’izay nijanona ho zava-miafina amin’ny hendry sy ny kinga saina[268]. Niombom-piainana tamin’ ny mahantra i Jesoa, nanomboka tao an-tranonomby ka hatrany amin’ny Hazofijaliana ; fantany ny hanoanana[269], ny hetaheta[270] sy ny fihafiana mbamin’ ny tsy fananana na inona na inona[271]. Fa indrindra : naka ny endriky ny mahantra isan-karazany Izy ary nanao ny fitiavana arahina asa izay atao amin’izy ireny ho fepetra hidirana ao amin’ny Fanjakany[272]

545. Manasa ny mpanota ho eo amin’ny latabatry ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa : “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota” (Mk 2,17)[273]. Taominy ho amin’ny fibebahana izy ireo, raha tsy izany tsy ho afaka miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa asehony azy ireo amin’ny teny sy amin’ny asa ny famindram-po tsy misy fetran’ny Rainy ho azy ireo[274]sy ny “hafaliam-be any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka” (Lk 15,7). Ny porofo fara tampony mampiseho izany fitiavana izany, dia ny hanaovany sorona ny ainy mihitsy “ho famelana ny fahotana” (Mt 26,28).

546. Miantso ny olona hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, amin’ny alalan’ny fanoharana, izay fomba fanehoan-kevitra miavaka amin’ ny fampianarany[275]. Amin’ny alalan’ireny Izy no manasa ny olona ho amin’ny fanasam-ben’ny Fanjakan’ny lanitra[276], nefa mitaky safidy hentitra koa : mba hahazoana ny Fanjakan’ny lanitra, tsy maintsy mahafoy ny zavatra rehetra[277] ; tsy ampy ny teny fotsiny, fa tsy maintsy arahina asa[278]. Toy ny fitaratra ho an’ny olona ny fanoharana : tahaka ny tany mafy sa sahala amin’ny tany tsara no andraisany ny teny[279] ? Inona no ataony ny amin’ny talenta noraisiny[280] ? I Jesoa sy ny fisian’ny Fanjakan’ny lanitra eto amin’ity izao tontolo izao ity, dia miafina eo anivon’ireny fanoharana ireny. Tsy maintsy miditra ao amin’ ny Fanjakan’ny lanitra, izany hoe tsy maintsy tonga mpianatr’i Kristy, mba “hahalala ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 13,11). Mijanona ho saro-pantarina ny zava-drehetra[281], ho an’ireo izay mitoetra “any ivelany” (Mk 4, 11).

Ireo famantarana ny Fanjakan’Andriamanitra 

547. Ny tenin’i Jesoa dia arahiny “zava-mahagaga, zava-mahatalanjona ary famantarana” (Asa 2,22) maro be, izay mampiseho fa eo Aminy ny Fanjakan’ Andriamanitra. Manamarina izy ireny fa i Jesoa no ilay Mesia nambara[282]

548. Porofoin’ireo famantarana notontosain’i Jesoa, fa ny Ray no naniraka Azy[283]. Mitaona hino Azy ireny[284]. Ho an’ireo izay manatona Azy amim-pinoana, omeny izay zavatra angatahin’izy ireo[285]. Amin’izany ireo zava-mahagaga no mampahery ny finoana an’Ilay izay manao ny tsanganasan’ny Rainy : manaporofo ireny fa Izy no Zanak’Andriamanitra[286]. Kanefa mety koa ho tonga zava-manafintohina ireny[287]. Tsy hoe hanome fahafaham-po ny fahalianana sy ny faniriana mahazendana tsy akory ireny. Na marina tsy takona afenina aza ny zava-mahagaga nataon’i Jesoa, dia nolavin’ny olona sasany Izy[288] ; ampangaina aza Izy hoe manao asa amam-pihetsika amin’ny alalan’ny demony[289].  

549. Tamin’ny nanafahana ny olona sasany tamin’ny ratsy misy eto an-tany, toy ny hanoanana[290], ny tsy fahamarinana[291], ny aretina ary ny fahafatesana[292], dia nametraka ny famantarana maha-Mesia Azy i Jesoa ; na izany aza, tsy tonga mba hanafoana ny ratsy rehetra eto an-tany Izy[293], fa mba hanafaka ny olona amin’ny fanandevozana faran’izay mahatsiravina, dia ny an’ny fahotana izany[294], izay manampontsampona amin’ny fiantsoana azy ireo ho zanak’ Andriamanitra sy mahatonga ny fanandevozana rehetra maha-olombelona ny olombelona.

550. Ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra no faharesen’ny fanjakan’i Satana[295] : “Raha amin’ny Fanahin’Andriamanitra no androahako ny demony, dia efa tonga ho anareo tokoa ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mt 12,28). Ny fandroahan’i Jesoa ny demony no manafaka ny olona amin’ny fahefan’ny demony[296]. Ireny no misantatra mialoha ny fandresena miezinezin’i Jesoa  amin’ilay “mpanapaka an’izao tontolo izao” (Jo 12,31). Amin’ny alalan’ny Hazofijalian’i Kristy ny Fanjakan’Andriamanitra no miorina mandrakizay : “Avy eo ambonin’ny hazofijaliana no nanjaka Andriamanitra”[297].

Ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra

551. Vao nanomboka ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso i Jesoa, dia nifidy lehilahy roa ambin’ny folo mba hiaraka Aminy sy mba handray anjara amin’ny  fanirahana Azy[298]. Nomeny anjara amin’ny fahefany izy ireo “ary nirahany hitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary” (Lk 9,2). Mijanona ho mpikambana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’i Kristy izy ireo satria amin’ny alalan’i Kristy no hitondran’izy ireo ny Fiangonana :

Izaho hanamboatra Fanjakana ho anareo, tahaka ny nanamboaran’ny Raiko Fanjakana ho Ahy ; mba hihinananareo sy hisotroanareo eo amin’ny latabatra any amin’ny Fanjakako, ary hipetrahanareo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folon’i Israely (Lk 22,29-30).

552. Amin’ny fiombonam-piadidian’ny Roa ambin’ny folo, i Simôna Piera no mitana ny toerana voalohany[299]. Nanankinan’i Jesoa andraikitra tsy manam-paharoa izy. Noho ny fanambaràna avy amin’ny Ray no nahatonga an’i Piera niaiky hoe : “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”[300]. Tamin’izay, hoy ny nambaran’ny Tompontsika taminy : “Ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako, ary ny Vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy” (Mt 16,18). I Kristy, “Vato velona” (1 Pi 2,4), no miantoka ho an’ny Fiangonany miorina eo ambonin’i Piera, amin’ny fandresena ny hery amam-pahefan’ny fahafatesana. I Piera, noho ny finoana nekeny ampahibemaso, dia haharitra ho vatolampin’ny Fiangonana tsy voahozongozona. Hanana andraikitra hitahiry izany finoana izany tsy ho lefy izy sy hanamafy ny finoan’ireo rahalahiny[301]

553. Nanankinan’i Jesoa fahefana manokana i Piera : “Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra : na inona na inona hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy any an-danitra, ary na inona na inona hovahanao ety an-tany dia ho voavaha any an-danitra” (Mt 16,19). Ilazana ny fanomezam-pahefana hitondra ny tranon’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny Fiangonana, ny hoe : “fahefan’ny fanalahidy”. Nanamafy izany fiadidiana izany i Jesoa, “ilay Mpiandry ondry Tsara” (Jo 10,11), taorian’ny Fitsanganany ho velona : “Fahano ny ondriko” (Jo 21,15-17). Ny fahazoam-pahefana “hamehy sy hamaha” dia midika fahefana hamela ny fahotana, hamoaka hevitra voalanjalanja amin’ny fitambaram-pampianarana momba ny finoana sy ny lalàna ary handray fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana. Nankinin’i Jesoa amin’ny Fiangonana io fahefana io, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny apôstôly[302], ary indrindra ny an’i Piera manokana, ilay izay hany nanankinany miharihary ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Santa-pahasambarana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra : ny Fiovàn-tarehy  

554.Hatramin’ny andro nieken’i Piera fa i Jesoa no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona, no “nanomboka namboraka tamin’ireto mpianany ilay Mpampianatra fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hijaly any (…) hovonoina, fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo” (Mt 16,21) : nandà izany filazana izany i Piera[303], tsy nahazo loatra an’izany kosa ireo hafa[304]. Tao anatin’izany toe-javatra izany no nametrahana ny sombin-tantara mifono mistery momba ny Fiovàn-tarehin’i Jesoa[305], tany an-tendrombohitra avo iray, teo anatrehan’ireo vavolombelona anankitelo nofidiny : i Piera, i Jakôba ary i Joany. Ny tarehin’i Jesoa  sy ny fitafiany nanjary nanjelanjelatry ny fahazavana, i Môizy sy i Elia niseho, sy “nilaza ny hialan’i Jesoa eto an-tany izay tsy maintsy hotanteraka any Jerosalema” (Lk 9,31). Nisy rahona nanarona azy ireo sy feo avy any an-danitra nanambara hoe : “Ity no Zanako, ilay Nofidiko ; henoy Izy” (Lk 9,35).

555. Nasehon’i Jesoa tao anatin’ny fotoana fohy ny voninahitra maha-Andriamanitra Azy, izay nankaherezany ny fiekem-pinoan’i Piera. Nasehony koa fa mba “hidirana amin’ny voninahiny” (Lk 24,26), dia tsy maintsy mandalo amin’ny Hazofijaliana any Jerosalema Izy. Nahita maso ny Voninahitr’Andriamanitra teo an-Tendrombohitra, i Môizy sy i Elia ; nanambara ny fijalian’ny Mesia ny Lalàna sy ny Mpaminany[306]. Sitrapon’ny Ray tokoa ny fijalian’i Jesoa : nanao ny asan’ny Mpanompon’Andriamanitra ny Zanaka[307]. Manondro ny fisian’ny Fanahy Masina teo, ny rahona : “Niseho tamin’izany ny Trinite manontolo : ny Ray tamin’ny feo, ny Zanaka tamin’ny maha-Olombelona Azy, ny Fanahy Masina tamin’ny rahona mazava”[308] :

Ry Kristy Andriamanitra, niova tarehy teo an-tendrombohitra Ianao, ary nibanjina ny Voninahitrao araka izay azony natao ny mpianatrao, mba hahazoan’izy ireo an-tsaina, rahefa hahita Anao hofantsihana amin’ny Hazofijaliana, fa an-tsitrapo no nijalianao, ary mba hitorian’izy ireo amin’izao tontolo izao fa Ianao marina no famirapiratan’ny Ray[309].

556.Ny Batemy no fiandohan’ny fiainana ampahibemaso; ny Fiovàn-tarehy kosa no fiandohan’ny Paka. Tamin’ny Batemin’i Jesoa “no naseho ny misterin’ny fanavaozana voalohany antsika” : ny Batemintsika ; ny Fiovàn-tarehy “no sakramentan’ny fanavaozana faharoa” : ny fananganana ny vatantsika ho velona[310]. Manomboka izao isika no mandray anjara amin’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay miasa ao amin’ny sakramentan’ny Vatan’i Kristy. Ny Fiovàn-tarehy no manome antsika ny santatry ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra “izay hanova ny vatantsika tsinontsinona mba hampitovy endrika izany amin’ny Vatany be voninahitra” (Filip 3,21). Kanefa mampahatsiaro antsika koa izany fa “amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy idirantsika ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Asa 14,21) :

Tsy mbola fantatr’i Piera izany raha naniry hiara-mitoetra amin’i Kristy teo an-tendrombohitra izy[311]. Notahiriziny ho anao izany, ry Piera, ho amin’ny aorian’ny fahafatesana. Fa ankehitriny ny tenany ihany no milaza hoe : Midîna mba hiaritra fijaliana mafy eto an-tany, mba hanompo eto an-tany, mba hoesoina, hofantsihana amin’ny hazofijaliana eto an-tany. Nidina ilay Fiainana mba hovonoina ; nidina ilay Mofo mba ho noana ; nidina ilay Lalana mba ho sasatry ny dia ; nidina ilay Loharano mba hangetaheta ; ka ianao ve handà tsy hijaly[312] ?

Ny fiakaran’i Jesoa any Jerosalema

557. “Ary nony antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa amin’izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy” (Lk 9,51)[313]. Nampahafantariny tamin’izany fanapahan-kevitra izany fa niakatra tany Jerosalema Izy, ary vonona ho faty tany. Intelo miantoana Izy no nanambara ny fijaliany sy ny Fitsanganany ho velona[314]. Teny am-pizorana ho any Jerosalema, dia hoy Izy : “Tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema” (Lk 13,33).

558. Mahatsiaro ny mpaminany natao martiry izay novonoina tao Jerosalema i Jesoa[315]. Kanefa, nikiry niantso an’i Jerosalema Izy mba hiangona manodidina Azy : “Impiry no nitadiavako hanangona ny zanakao tahaka ny anangonan’ ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany (…) fa tsy nety ianao !” (Mt 23,37b). Rahefa nahita an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy[316], ary mbola naneho indray mandeha ny fanirian’ny fony nanao hoe : “Endre! raha izay ianao no mba nahalala izay hafatra hampiadana anao, na dia amin’ity andro nomena anao ity ihany aza ! Saingy indrisy! takona ny masonao izany ankehitriny” (Lk 19,42).

Ny fidirana maha-Mesia an’i Jesoa tao Jerosalema

559. Fomba ahoana no andraisan’i Jerosalema ny Mesiany ? Nodifian’i Jesoa hatrany aloha ny fitadiavan’ny vahoaka hanao Azy ho mpanjaka[317], fa nifidy ny fotoana Izy ary nanomana tamin’ny an-tsipiriany ny fidirany amin’ny maha-Mesia Azy tao an-tanànan’i “Davida rainy” (Lk 1,32)[318]. Nohobìna ho zanak’i Davida Izy, ilay mitondra ny famonjena (Hosanna dia midika hoe : “vonjeo re !”, “omeo ny famonjena !”). Ary niditra tao an-Tanànany ilay “Mpanjakan’ny Voninahitra” (Sal 24,7-10), “nitaingina zanak’ampondra” (Zak 9,9) : Tsy tamin’ny hafetsena na herisetra no nandreseny ny Zanakavavin’i Siôna, sary an’ohatra ny Fiangonany, fa tamin’ny fanetren-tena izay mampiseho ny Marina[319]. Izany no nahatonga ny ankizy[320] sy ny “mahantran’Andriamanitra” tamin’izany andro izany, ho fototra iorenan’ny Fanjakany, izay nihoby Azy toy ny nanambaràn’ny anjely Azy tamin’ny mpiandry ondry[321]. Ny fihobian’izy ireo hoe : “Hosoavina anie ilay avy amin’ ny anaran’ny Tompo” (Sal 118,26), dia averin’ny Fiangonana amin’ny “Masina! Masina! Masina!” (Sanctus) amin’ny litorzian’ny Eokaristia, ho fanorenana ny tsangambato fahatsiarovana ny Pakan’ny Tompo.

560. Ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema dia mampiseho ny Fahatongavan’ny Fanjakan’ny lanitra izay hotanterahin’ilay Mesia-Mpanjaka amin’ny Pakan’ ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona. Ny fankalazany izany amin’ ny alahadin’ny Sampan-kazo, no anombohan’ny litorzian’ny Fiangonana ny Herinandro Masina lehibe.

 

FAMINTINANA

561. “Fampianarana mitohy lalandava ny fiainan’i Kristy manontolo : ny fanginany, ny zava-mahagaga nataony, ny fihetsiny, ny fivavahany, ny fitiavany ny olombelona, ny tombom-pitiavany ny madinika sy ny mahantra, ny fanekeny ho sorona manontolo teo amin’ny Hazofijaliana ho fanavotana an’izao tontolo izao, ny Fitsanganany ho velona, dia fampiharana ny  teniny sy fanatanterahana ny Fanambaràna[322].

562. Tsy maintsy maka tahaka an’i Kristy ny mpianany, mandra-pahary an’i Kristy ao anatin’izy ireo[323]. Noho izany, voakambana ao amin’ny misterin’ ny fiainany isika, mitovy endrika Aminy, tafaray amin’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’izany  any amin’ny Fanjakany[324].

563. Tsy afaka hahatratra an’Andriamanitra eto an-tany, na Mpiandry ondry na Majy, raha tsy mandohalika eo anoloan’ny tranonombin’i Betilehema ary mitsaoka Azy voafina ao amin’ny halemen-jazakely.

564.Tamin’ny fankatoavany an’i Maria sy Josefa, ary koa tamin’ny asany tsotra dia tsotra nandritra ny taona maro tao Nazareta no anomezan’i Jesoa antsika oha-pahamasinana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny fianakaviana sy ny asa.

565. Hatramin’ny fanombohan’ny fiainany ampahibemaso, tamin’ny Bateminy, i Jesoa no ilay "Mpanompo" manokan-tena tanteraka amin’ny tsanganasam-panavotana izay ho tanteraka amin’ny batemim-pijaliany.

566. Ny fakam-panahy tany an’efitra dia mampiseho an’i Jesoa, Mesia manetry tena izay mandresy an’i Satana, noho ny firaiketany manontolo amin’ny fandaharam-pamonjena sitraky ny Ray.

567. Teto an-tany no nisantarin’i Kristy ny Fanjakan’ny lanitra. Amin’ny alalan’ny teniny sy ny asany ary ny maha-eo Azy, no amirapiratan’io Fanjakana io eo imason’ny olombelona[325]. Ny Fiangonana no tsiry sy santatr’io Fanjakana io. Nankinina tamin’i Piera ny fanalahidiny.

568. Ny hampahery ny finoan’ireo apôstôly ho amin’ny fijaliana no kendren’ ny Fiovàn-tarehin’i Kristy : ny fiakarana tany an-"tendrombohitra avo" no manomana ny fiakarana any an-tampon’i Kalvery. Asehon’i Kristy, Lohan’ny Fiangonana, izay raketin’ny Vatany sy mamirapiratra ao amin’ ny sakramenta : "ny fanantenana ny Voninahitra" (Kôl 1,27)[326] .

569. Niakatra an-tsitrapo tany Jerosalema i Jesoa, na efa fantany tokoa aza fa ho faty amin’ny herisetra any Izy, noho ny fanoheran’ny mpanota Azy[327].

570. Mampiseho ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fidiran’i Jesoa tao Jerosalema, ka ilay Mesia-Mpanjaka raisin’ny ankizy madinika sy ny manetry tena ao am-po, ao an-tanànany, no hanatanteraka izany amin’ny alalan’ny Pakan’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona.

 

 

ANDALANA  4

“Nijaly i Jesoa faha-Pôntsy Pilaty, nofantsihana teo
amin’ny Hazofijaliana, maty dia nalevina”

 

571.Ny misterin’ny Paka namantsihana an’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana sy ny Fitsanganany ho velona no votoatin’ny Vaovao Mahafaly, ka ireo apôstôly sy ny Fiangonana manara-dia azy ireo, no tsy maintsy mitory izany amin’izao tontolo izao. Tamin’ny alalan’ny fahafatesam-panavotan’i Jesoa-Kristy Zanany no nahatanteraka “indray mandeha dia ampy” (Heb 9,26) ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra.

572. Matoky lalandava ny Fiangonana, amin’ny “fanazavana ny Soratra Masina manontolo” nomen’ny Tenan’i Jesoa mihitsy, na taloha na taorian’ny Pakany[328]: “Moa tsy tokony ho niaritra ireny fijaliana ireny va ny Mesia mba hidirany amin’ny voninahiny ?” (Lk 24,26). Niverina toy ilay tena nitranga ireo fijalian’i Jesoa notantaraina, rahefa tamin’ny filazana ny “nanosehan’ny loholona sy ny lohandohan’ny mpisorona ary ny mpahay lalàna” (Mk 8,31) Azy, izay “nanolotra Azy tamin’ny jentily mba hoesoina, hokapohina ary hofantsihana amin’ny Hazofijaliana” (Mt 20,19).

573. Koa, azon’ny finoana atao ny miezaka manadihady ireo toe-javatra niseho momba ny nahafatesan’i Jesoa, ampitain’ny Evanjely araka ny tena izy[329] ary hazavain’ny loharanon-tantara hafa, mba hahazoan’ny saina tsaratsara kokoa ny hevitra raketin’ny Fanavotana.

Paragrafy 1.  Jesoa sy Israely 

574. Vao nanomboka ny raharaham-pamonjena ampahibemaso i Jesoa, dia efa niray tsikombakomba amin’izay hahavoazana Azy ny Farisianina sy ny mpomba an’i Herôda, niaraka tamin’ny mpisorona sy ny mpahay lalàna[330]. Tamin’ireo asa sasantsasany nataony (fandroahana demony[331], famelana ny fahotana[332], fanasitranana amin’ny andro sabata[333], fanazavana hafahafa momba ireo fitsipiky ny fahadiovana voalazan’ny Lalàna[334] ; fifankahazoana amin’ny poblikanina sy ny mpanota fanta-poko fanta-pirenena[335]), dia noheverin’ny sasany ratsy eritreritra, fa misy demony i Jesoa[336]. Fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra[337] sy faminaniana sandoka[338] no niampangana Azy, izay heloka bevava ara-pivavahana, ka fanamelohana ho faty amin’ny fitoraham-bato no sazy ahatran’ny Lalàna amin’izany[339].

575. Betsaka tokoa izany ny asa sy ny tenin’i Jesoa  no “famantarana hotoherina”[340], ho an’ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema, izay antsoin’ny Evanjelin’i Md Joany matetika hoe “ny Jody”[341], ary vao mainka ho an’ny fiombonamben’ny Vahoakan’Andriamanitra[342]. Marina fa  ny fifandraisany tamin’ny Farisianina tsy dia hoe fifandiran-kevitra fotsiny akory. Fa Farisianina no nampandre Azy rahefa nisy loza nananontanona[343]. Derain’i Jesoa ny sasany tamin’izy ireo, toy ilay mpahay lalàna voalazan’i Mk 12,34, ary imbetsaka nisakafo tany amin’ny Farisianina Izy[344]. Namarinin’i Jesoa ny tena hevitry ny fitambaram-pampianarana niombonan’ireo sangan’olona ara-pivavahana teo amin’ny Vahoakan’Andriamanitra : ny fitsanganan’ ny maty ho velona[345], ny endriky ny fitiavana aseho an’asa (fiantrana, fifadian-kanina ary fivavahana)[346] sy ny fahazarana miteny amin’Andriamanitra ho toy ny Ray, ny votoaty mampiavaka ny didim-pitiavana an’Andriamanitra sy ny namana[347].

576. I Jesoa, teo imason’ny maro tao Israely, dia toa manao asa amam-pihetsika  manohitra ny fototry iorenan’ny Vahoaka voafidy :
- ny fankatoavana ny Lalàna mirakitra manontolo ireny didiny voasoratra ireny, ary ho an’ny Farisianina dia ny fankatoavana ny fanazavana ny lovantsofina nampitaina am-bava;
- ny maha-ivon-toerana ny Tempolin’i Jerosalema, noho izy toerana masina izay onenan’Andriamanitra amin’ny fomba manokana;
- ny finoana an’Andriamanitra tokana izay tsy misy na iza na iza mitovy voninahitra Aminy.

I.  I Jesoa sy ny Lalàna

577. Fampitandremana ampahibemaso no nataon’i Jesoa tamin’ny fanombohana ny Toriteny teo an-Tendrombohitra, izay teo Izy no nanolotra ny Lalàna nomen’Andriamanitra teo Sinaia tamin’ny Fanekem-pihavanana Voalohany, teo ambany fitsilovan’ny fahasoavan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao :

“Aza ataonareo fa tonga Aho hanafoana ny Lalàna na ny Mpaminany ; tsy tonga hanafoana Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko marina aminareo, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy foana akory ny amin’ny Lalàna na dia i iray na tendro amin’ny i iray akory aza, raha tsy tanteraka izy rehetra. Koa amin’izany, ilay izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, dia ho kely indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra; fa ilay izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra” (Mt 5,17-19).
578.I Jesoa, ilay Mesian’i Israely, ilay lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra àry, dia tsy maintsy nanatanteraka ny Lalàna manontolo hatramin’ny didy madinika indrindra, araka ny teny naloakan’ny vavany ihany. Izy mihitsy aza no hany afaka nanao izany tamin’ny fomba lavorary[348]. Niaiky marimarina moa ny Jody, fa tsy vitan’izy ireo na oviana na oviana izany hanatanteraka ny Lalàna manontolo izany ka hoe tsy handika na dia ny didy faran’izay madinika aza[349]. Izany no mahatonga ny zanak’i Israely isan-taona, amin’ny fetin’ny Fanonerana, hangata-pamelana amin’Andriamanitra noho ny fandikan’izy ireo ny Lalàna. Satria, iray tsy mivaky ny Lalàna, araka ny fampahatsiahivan’i Md Jakôba izany, fa “na zovy na zovy mitandrina ny Lalàna manontolo, nefa diso amin’ny anankiray monja, dia meloka amin’izy rehetra” (Jak 2,10)[350].

579. Io fitsipika fototra  mahakasika manontolo ny fitandremana ny Lalàna io, izay tsy ara-bakiteny ihany fa ara-panahy koa, dia sarobidy ho an’ny Farisianina. Ny fampisongadinana azy ity ho an’i Israely  no nitarihan’ny Farisianina ireo Jody maro, tamin’ny andron’i Jesoa, ho an’ny zotom-pom-pivavahana mihoa-pampana[351]. Io zotom-po io, raha tsy mivadika ho fahaiza-manazava kônsiansy “feno fihatsarambelatsihy”[352], dia afaka nanomana ny vahoaka amin’ilay firotsahan’ Andriamanitra an-tsehatra amin’ny fomba mahatalanjona, izay tsy inona fa ny fanatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany ataon’Ilay hany Marina, eo amin’ny toeran’ny mpanota rehetra[353]

580. Tsy ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ny Lalàna, afa-tsy amin’ny asan’ Izy Andriamanitra Mpanao lalàna ihany, ao amin’ny Tenan’ny Zanany izay nateraka teo ambanin’ny Lalàna[354]. Ao amin’i Jesoa, tsy voasokitra intsony amin’ny takela-bato ny Lalàna, fa “ao am-po lalin’ilay” (Jer 31,33) Mpanompo, izay manjary “fanekem-pihavanana ho an’ny vahoaka” (Iz 42,6), noho Izy “hamoaka amim-pahamarinana ny lalàna” (Iz 42,3). Nanatanteraka ny Lalàna i Jesoa hatramin’ny nandraisany ho an’ny Tenany “ny ozon’ny Lalàna” (Gal 3,13) setrain’ireo izay “tsy manatanteraka ny didy rehetra raketin’ny Lalàna[355], satria “nisy ny fahafatesan’i Kristy mba hanonerana ny fandikan-dalàna tamin’ny Fanekem-pihavanana Voalohany” (Heb 9,15). 

581. Hita fa “Mpampianatra”[356]i Jesoa, teo imason’ny Jody sy ireo filohan’izy ireo ara-panahy. Matetika Izy no mampiasa porofo avy amin’ny fanazavan’ny mpampianatra ny Lalàna[357]. Miaraka amin’izany koa anefa, tsy afaka ny tsy hifandona tamin’ireo manam-pahaizana momba ny Lalàna Izy, satria tsy nianina fotsiny tamin’ny fanomezany fanazavana izay efa anisan’ny nananan’izy ireo, fa “nampianatra toy ny manana fahefana fa tsy mba tahaka ny mpahay lalàna” (Mt 7,28-29). Ao Aminy dia Tenin’Andriamanitra mitovy ihany ilay nanakoako teo Sinaia nanomezana an’i Môizy ny Lalàna voasoratra, sy  ilay natao heno indray teo an-Tendrombohitry ny hasambarana[358]. Tsy nanafoana ny Lalàna ny Tenin’Andriamanitra fa manatanteraka izany amin’ny fanomezany ny fanazavana feno tanteraka araka ny fomban’ Andriamanitra : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe (…) fa izaho kosa milaza aminareo” (Mt 5,33-34). Dia mbola io fahefan’Andriamanitra io ihany koa no entiny mitsipaka ny sasany amin’ny “fomba amam-panao nampitain’olombelona”[359] tandreman’ireo Farisianina izay manafoana ny Tenin’Andriamanitra[360]

582. Lasa lavidavitra kokoa aza i Jesoa, fa nanatanteraka ny Lalàna momba ny fahadiovana ara-tsakafo, izay tena manan-danja tokoa teo amin’ny fiainana andavanandron’ny Jody, ka tamin’ny alalan’ny fanazavan’Andriamanitra no namborahany ny hevitra “ara-panabeazana”[361] fonosiny : “Izay avy eo ivelany ka miditra ao anatin’ny olona dia tsy mahaloto azy (…) – izany no nanambaràny fa madio avokoa ny hanina rehetra. Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, izany no mahaloto azy. Satria avy ao anaty, avy ao amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy” (Mk 7,18-21). I Jesoa, amin’ny fanomezana tamin’ny fahefan’Andriamanitra ny fanazavana tanteraka ny Lalàna, dia nifandona tamin’ireo mpahay lalàna sasantsasany izay tsy nandray ny fanazavany momba ny Lalàna, nefa dia azo antoka izany noho ny fisian’ny famantarana avy amin’Andriamanitra nomba azy[362]. Ny amin’ny sabata indrindra no voakasik’izany manokana : mampahatsiahy i Jesoa, matetika tamin’ny fandresen-dahatra fanaon’ny raby[363], fa ny fitsaharana amin’ny sabata, dia tsy voakorontan’ny fanompoana an’Andriamanitra[364] na ny namana[365] izay tontosainy amin’ny fanasitranana. 

II. I Jesoa sy ny Tempoly 

583. I Jesoa, toy ireo mpaminany talohany, dia nampianatra ny amin’ny fanajana fatratra ny Tempolin’i Jerosalema. Tao no nanoloran’i Josefa sy i Maria Azy, efapolo andro taorian’ny nahaterahany[366]. Fony Izy roa ambin’ny folo taona, nanapa-kevitra Izy hijanona ao an-Tempoly mba hampahatsiahy ny ray aman-dreniny fa tsy maintsy manao ny raharahan’ny Rainy Izy[367]. Niakatra tany Izy, fara fahakeliny isan-taona, mba hamonjy ny fetin’ny Paka, nandritra ny fiainany miafina[368] ; tamin’ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso ihany koa, niverimberina nanao fivahiniana masina tao Jerosalema Izy, namonjy ireo fety lehibe fanaon’ny Jody[369]

584.Niakatra tao an-Tempoly i Jesoa, satria io  no toerana voatokana hihaonana amin’Andriamanitra. Ho Azy, ny Tempoly no fonenan’ny Rainy, trano fivavahana, ka nampisendaotra azy ny fahitana fa nanjary toeram-pivarotana ny kianja teo ivelany[370]. Matoa Izy nandroaka an’ireo mpivarotra tao an-Tempoly dia noho ny hasarotam-piarony an-dRainy : “Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko. Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe : "Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko" (Sal 69,10)” (Jo 2,16-17). Taorian’ny Fitsanganany ho velona, dia mbola notanan’ny apôstôly ny fanajana ny Tempoly amin’ny maha-trano fivavahana azy[371].

585.Teo an-katoky ny fotoana hijaliany anefa, dia nambaran’i Jesoa ny haharava io trano goavana sady marevaka io, izay tsy hisy vato havela hifanongoa eo aminy[372]. Hita eto amin’izany ny filazana ny famantarana ny andro farany izay hanomboka miaraka amin’ny Pakany manokana[373]. Kanefa izany faminaniana izany no notaterin’ny vavolombelona tsy marina tamin’ny fomba niova endrika, rahefa nofotorana tao amin’ny mpisorombe i Jesoa[374], sy antony nanevatevana Azy nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana Izy[375]

586.Tsy i Jesoa velively no nankahala ny Tempoly[376], izay tao no nanomezany ny votoatin’ny fampianarany[377], ka an-tsitrapo no nandoavany ny hetran’ny Tempoly nampiarahany tamin’ny an’i Piera[378] izay vao avy napetrany ho vato fototry ny Fiangonany mbola hoavy[379]. Fanampin’izany, nampitovy ny Tenany amin’ny Tempoly Izy, amin’ny fisehoany fa fonenan’Andriamanitra mandrakizay eo anivon’ny olombelona[380]. Izany no antony nahatonga ny namonoana ny tenany[381] ho fanambaràna ny faharavan’ny Tempoly izay hampiharihary ny fidirana ao anatin’ny vanim-potoana vaovao ny tantaram-pamonjena : “Tonga ny andro, ka  tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray” (Jo 4, 21)[382].

III. Jesoa sy ny finoan’i Israely an’Andriamanitra Tokana sady Mpamonjy

587. Raha ny Lalàna sy ny Tempolin’i Jerosalema no nahatonga ny “fanoherana”[383] nataon’i Jesoa tamin’ireo mpitondra ara-pivavahana tany Israely, dia ny anjara asan’i Jesoa ao anatin’ny fanavotana amin’ny fahotana, ambony tokoa amin’ny tsanganasan’Andriamanitra kosa, no tena vato nanafintohina azy ireo[384]

588. Nanafintohina ny Farisianina i Jesoa izay sady nihinana niaraka tamin’ny poblikanina sy ny mpanota[385], no nifankahazo koa tamin’ny tenan’izy ireo[386]. Ho fanoherany an’ireo “izay natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany” (Lk 18,9)[387] amin’ny samy izy ireo,  dia hoy i  Jesoa nanamafy : “Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka” (Lk 5,32). Mbola lasa lavidavitra kokoa noho izany Izy tamin’ny fanambaràna teo anatrehan’ny Farisianina fa  manenika an’izao tontolo izao ny fahotana[388], ka izay mihambo ho tsy mila famonjena dia minia mikimpy amin’ny tenan’izy ireo ihany[389].

589. Ny nanafintohina indrindra tamin’i Jesoa, dia satria Izy nampitovy ny fihetsiny be indrafo amin’ny mpanota, amin’ny fihetsika ataon’ny Tenan’ Andriamanitra, teo anatrehan’izy ireny[390]. Lasa hatramin’ny fampahafantarany an’izany fa ny fiarahany miray latabatra amin’ny mpanota[391] dia efa fandraisany azy ireo amin’ny fanasam-ben’ny Mesia[392].  Fa ny niavaka indrindra tamin’ireny dia ny famelan’i Jesoa ny fahotana izay tena nahavàka ny sain’ireo  mpitondra ara-pivavahana teo amin’i Israely. Tsy marina ve  raha tao anatin’ny fahasosorana no nilazan’izy ireo hoe : “Andriamanitra irery ihany no afaka mamela ny fahotana ?”   (Mk  2,7).  Amin’ny famelan’i Jesoa ny fahotana, na manevateva Izy satria olombelona tsotr’izao no milaza tena ho mitovy amin’Andriamanitra[393]na milaza ny marina Izy ka ny Tenany no mampiseho sy manambara ny anaran’Andriananitra[394]

590. Ny maha-Andriamanitra ny Tenan’i Jesoa no hany afaka manamarina ny fitakiana sady fandidiana an’ireto lazainy manaraka ireto : “Izay tsy momba Ahy, manohitra Ahy” (Mt 12,30) ; toy izany koa rahefa nilaza Izy fa “lehibe noho i Jônasa, (...) lehibe noho i Salômôna” (Mt 12,41-42),  “lehibe  noho ny Tempoly”[395] ; rahefa nampahatsiahy ny Aminy Izy tamin’ny niantsoan’i  Davida ho Tompony ny Mesia[396], rahefa nanizingizina Izy hoe : “Fony mbola tsy nisy i  Abrahama, dia efa Izaho  Aho” (Jo  8,58) ;  ary hatramin’ny hoe  : “Izaho  sy ny Ray dia  iray  ihany” (Jo  10,30). 

591. Niangavian’i Jesoa ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema mba hino Azy noho ny tsanganasan’ny Rainy izay notanterahiny[397]. Kanefa, tsy maintsy mandalo amin’ny misterin’ny fahafatesan’ny tena mihitsy, ny asam-pinoana toy izany, mba ho  amin’ny  fahateraham-baovao  avy any ambony[398] amin’ny fitarihan’ny fahasoavan’Andriamanitra[399]. Ny fitakiam-pibebahana toy izany, manoloana ny fomba mahagaga nahatanteraka ny fampanantenana[400], dia mety hahazoana an-tsaina ny loza avy amin’ny hadisoan-kevitry ny Sanedrìna izay nilaza fa mendrika ho faty i Jesoa noho Izy mpiteny ratsy an’Andriamanitra[401]. Nanao toy izany koa ireo mpikambana tao aminy, noho ny tsy fahalalana[402] sy noho ny hajambàna[403] amin’ny tsy finoana[404].

 

FAMINTINANA

592. Tsy nofoanan’i Jesoa ny Lalàna teo Sinaia, fa notanterahiny[405] tamin’ny fomba tena lavorary[406], izay nanambaràny ny hevitra fara tampon’izany[407]sy nanavotany ny fandikana izany[408].

593. Nanaja ny Tempoly i Jesoa tamin’ny fiakarany tao namonjy ny fety jody fanaovana fivahiniana masina, ary tiany sady nahasaro-piaro azy fatratra io fonenan’Andriamanitra eo anivon’ny olombelona io. Ny Tempoly no mampiseho mialoha ny misteriny. Raha nanambara ny faharavany Izy, dia ho fampisehoana ny famonoana ny Tenany ho faty sy ny fidirany amin’ny vanim-potoana vaovao ny tantaram-pamonjena, izay ny Vatany no ho Tempoly tena izy mandrakizay.

594. Nisy asa nataon’i Jesoa, toy ny famelana ny fahotana, izay nampiseho fa Izy mihitsy no ilay Andriamanitra Mpamonjy[409]. Ny Jody sasany, tsy nankato an’ilay Andriamanitra tonga Olombelona[410], izay nihevitra Azy ho olombelona manao ny Tenany ho Andriamanitra[411], dia nitsara Azy ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra.

 

Paragrafy 2.  Maty nofantsihana teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa

 

I. Ny fiampangana an’i Jesoa teo amin’ny fitsaràna

Fisarahan-tsaina teo amin’ireo mpitondra jody ny amin’i Jesoa

595. Teo anivon’ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema, dia tsy i Nikôdema ilay Farisianina[412] na i Josefa ilay loholona avy any Arimatia ihany no miafinafina amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa[413], fa efa nisy fisarahan-tsaina hatry ny ela momba Azy io[414] teo amin’izy ireo, hany ka ny andro mialoha ny fijaliany, dia azon’i Md Joany nolazaina, fa  “maro tamin’izy ireo no nino Azy”, na dia tamin’ny fomba tsy tena lavorary aza (Jo 12,42). Tsy misy tokony hahagaga izany raha dinihana fa ny ampitson’ny Pantekôty, dia “betsaka ny mpisorona nanaiky ny finoana” (Asa 6,7), ary “ny sasany tamin’ny tariky ny Farisianina dia nanjary mpino” (Asa 15,5) hany ka afaka nilaza tamin’i Md Paoly i Md Jakôba fa “an’arivony maro ny Jody nandray ny finoana, nefa mbola fatra-pitàna ny Lalàna izy rehetra” (Asa 21,20).

596. Tsy nitovy hevitra ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema ny amin’ny fihetsika tokony hatao eo anatrehan’i Jesoa[415]. Ireo Farisianina nandrahona fa horoahina hiala ao amin’ny sinagôga ireo izay manaraka Azy[416]. Tamin’ireo izay natahotra fa “hino an’i Jesoa ny olona rehetra ka ho avy ny Rômanina handrava ny Toerana Masintsika sy ny firenentsika” (Jo 11,48), no namoahan’i Kaifa mpisorombe hevitra tamin’ny faminaniana hoe : “Tsara ho anareo raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy ho rava ny firenena manontolo” (Jo 11,50). Ny Sanedrìna dia nanambara fa “mendrika ho faty” i Jesoa[417] amin’ny maha-mpiteny ratsy an’ Andriamanitra Azy, saingy noho ny tsy fananan’izy ireo fahefana hanameloka ho faty[418], dia natolotr’izy ireo ny Rômanina i Jesoa tamin’ny niampangana Azy ho mpikomy ara-pôlitika[419], mba hitovy laharana amin’i Barabasy voampanga fa “nitarika fikomiana” (Lk 23,19). Fandrahonana ara-pôlitika ihany koa no nampiasain’ireo lohandohan’ny mpisorona hanerena an’i Pilaty mba hanamelohany an’i Jesoa ho faty[420].

Tsy ny Jody rehetra miaraka no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’i Jesoa

597. Raha heverina amin’ny fifangaroana ara-tantara momba ny fiampangana an’i Jesoa izay asehon’ny tantara araka ny Evanjely, ary na inona na inona mety ho fahotan’ny tsirairay tompon’antoka tamin’ny fiampangana (Jodasy, ny Sanedrina, Pilaty), izay Andriamanitra irery no mahalala, dia tsy azo lazaina ho tompon’andraikitra tamin’izany daholo ny Jody rehetra tao Jerosalema, na teo aza ny horakoraky ny vahoaka nanaraka am-bokony[421], sy ny fanomezan-tsiny ankapobeny raketin’ny antso avo ho amin’ny fibebahana, taorian’ny Pantekôty[422]. I Jesoa rahateo ihany, tamin’Izy namela heloka teo amin’ny Hazofijaliana[423], sy i Piera, taty aoriany, dia nanambara fa tsy fahalalana[424] no nanaovan’ireo Jody tao Jerosalema an’izany, sy ny filohan’izy ireo koa. Tsy latsak’izany ny antsoantson’ny vahoaka hoe “Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny rany” (Mt 27,25), izay midika ho fomba filaza manamafy[425], dia tsy azo ilazana fa andraikitra mahakasika ireo Jody hafa amin’ny toerana sy ny fotoana rehetra izany :
Nanambara tahaka izany koa ny Fiangonana tamin’ny Kônsily faha-II tao Vatikana : “Izay rehetra natao nandritra ny fijalian’i Jesoa, dia tsy azo anomezan-tsiny ny Jody rehetra tsy an-kanavaka izay velona tamin’izany fotoana izany, na amin’izay Jody velona amin’izao androntsika izao (…). Tsy azo atao hoe narian’Andriamanitra ny Jody, na voaozony, toy ny hoe avy amin’ny Soratra Masina ery izany” [426].

Ny mpanota rehetra no tompon’antoka tamin’ny fijalian’i Kristy

598.Tsy hadinon’ny Fiangonana na oviana na oviana, ao amin’ny Toniam-pampianaram-pinoany sy amin’ny filazan’ny Olomasiny, fa “ny tenan’ny mpanota rehetra ihany no tompon’antoka sy toy ny fitaovana nahatonga ny fijaliana rehetra niaretan’ilay Andriamanitra Mpanavotra”[427]. Amin’ny fandraisana ny hevitra hoe nihatra tamin’ny Tenan’i Kristy mihitsy ny fahotantsika[428], tsy mihambahamba ny Fiangonana milaza fa ny kristianina dia manana andraikitra faran’izay lehibe indrindra amin’ny fampijaliana an’i Jesoa, andraikitra izay matetika loatra no ailika amin’ny Jody irery ihany :

Tsy maintsy heverintsika ho meloka amin’izany fahadisoana mahatsiravina izany, izay rehetra mikiribiby miverina amin’ny fahotan’izy ireo. Satria ny heloka nataontsika no nahatonga an’i Jesoa-Kristy Tompontsika hiaritra ny fampijaliana teo amin’ny Hazofijaliana, ka marina fa izay rehetra mivarilavo amin’ny filibàna sy amin’ny ratsy no “mamàntsika indray amin’ny Hazofijaliana ao am-pon’izy ireo, araka izay be ao amin’izy ireo, ny Zanak’ Andriamanitra, sy manala baraka Azy (Heb 6,6). Ary tsy maintsy ekena, fa ny fahotantsika ao amintsika araka izany toe-javatra izany, dia lehibe kokoa noho ny an’ireo Jody. Satria izy ireo, araka ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ ny apôstôly, “raha nahalala ny Mpanjakan’ny voninahitra izy ireo, dia tsy ho namàntsika Azy tamin’ny Hazofijaliana na oviana na oviana” (1 Kôr 2,8). Mifanohitra amin’izany ny antsika, satria miaiky isika fa mahalala Azy ; koa ny endrika anamparantsika Aminy ny tanantsika mpamono olona, dia izay fandavantsika Azy amin’ny ataontsika [429].

Fa na dia ny demony aza, tsy namàntsika  Azy teo amin’ny Hazofijaliana ; fa ianao niaraka tamin’izy ireo no namàntsika Azy ary mbola mamàntsika Azy amin’ny Hazofijaliana, amin’ny fankafizanao ny faharatsian-toetra sy ny fahotana[430].

II. Ny fahafatesam-panavotan’i Kristy ao amin’ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra

“Natolotra araka ny fandaharana tsy miovaova an’Andriamanitra i Jesoa”

599. Tsy vokatry ny kisendrasendra tamin’ny fifanojoana trangan-javatra ratsy ny fahafatesana mahatsiravina nanjo an’i Jesoa. Anisan’ny misterin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, araka ny nanazavan’i Piera azy tamin’ireo Jody tao Jerosalema, tamin’ny fitoriana voalohany nataony ny andron’ny Pantekôty : “Natolotra araka ny fandaharana tsy miovaova sy ny fahalalan’ Andriamanitra mialoha Izy” (Asa 2,23). Tsy midika anefa izany fiteny ara-baiboly izany, fa izay rehetra nanolotra an’i Jesoa[431] dia mpanatanteraka tsy araka ny nahim-pony, ny tantara nosoritan’Andriamanitra mialoha.

600. Amin’Andriamanitra, ny fotoana rehetra amin’ny andro dia miseho amin’ ny ankehitrinin’izy ireny avokoa. Naoriny àry ny fandaharany mandrakizay momba ny “tendry mialoha”, amin’ny fampidirana ao amin’izany ny valin-teny an-kalalahana ny olona tsirairay araka ny sitrany : “Eny tokoa, efa nikaon-doha marina teto amin’ity tanàna ity i Herôda sy i Pôntsy Pilaty ary ny jentily mbamin’ny vahoaka Israely[432], hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina voahosotrao, ka tamin’izany no nanatanterahan’izy ireo izay efa notendrenao mialoha rahateo, tamin’ny herinao sy ny fahendrenao” (Asa 4,27-28). Navelan’Andriamanitra ny asa avy amin’ny fahajamban’izy ireo[433], mba hahatontosa ny fandaharam-pamonjeny[434].

“Maty noho fahotantsika, araka ny Soratra Masina”

601. Izany fandaharam-pamonjen’Andriamanitra tamin’ny famelana ho faty ny Mpanompo, ilay Marina izany[435], dia nambara mialoha ao amin’ny Soratra Masina ho misterin’ny fanavotana manenika an’izao tontolo izao, izany hoe fanavotana izay manafaka ny olombelona amin’ny fanandevozan’ny fahotana[436]. Nambaran’i Md Paoly tamin’ny fiekem-pinoana, nolazainy ho noraisiny[437], fa “maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina” (1 Kôr 15,3)[438]. Ny fahafatesam-panavotan’i Jesoa dia nanatanteraka manokana ny faminaniana an’ilay Mpanompo nijaly[439]. Ny Tenan’i Jesoa rahateo ihany no nanome ny dikan’ny fiainany sy ny fahafatesany araka an’ilay Mpanompo nijaly[440]. Taorian’ny Fitsanganany ho velona, nomeny an’ireo mpianatra nankany Emaosy izany fanazavan-kevitry ny Soratra Masina izany[441], avy eo tamin’ny tenan’ireo apôstôly mihitsy koa[442].

“Nataon’Andriamanitra ho otantsika Izy”

602. Vokatr’izany, afaka nandrafitra tamin’ny rijan-teny izao finoana apôstôlika momba ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra izao i Piera : “Navotana ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana ianareo, tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, efa voatendry talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao, sy naseho tamin’izao andro farany izao, noho ny aminareo” (1 Pi 1,18-20). Ny tambin’ny fahotana nataon’ny olombelona, avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra, dia ny fahafatesana[443]. Tamin’ny nanirahany ny Zanany naka ny fomban’ny mpanompo[444], dia ny an’ny olombelona voaongana sy voatokana ho faty noho ny fahotana[445], no “nanaovan’Andriamanitra Azy ho otantsika, Ilay tsy nahalala ota, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy isika” (2 Kôr 5,21).

603. Tsy nahalala ny fanomezan-tsiny i Jesoa noho ny Tenany mihitsy natao ota[446]. Kanefa tao anatin’ny fitiavam-panavotana izay nampiray Azy lalandava tamin’ny Ray[447], no nizakany antsika tao Aminy tamin’ny faniasiavana noho ny fahotantsika tamin’Andriamanitra ka nahatonga Azy afaka niteny tamin’ny anarantsika teo amin’ny Hazofijaliana hoe : “Ry Andriamanitro ô ! Ry Andriamanitro ô ! nahoana no dia nilaozanao Aho ?” (Mk 15,34)[448]. Toy izany koa, noho Izy tonga miombona amintsika mpanota, dia “tsy nandala ny Zanany Andriamanitra, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra” (Rôm 8,32) mba “ho tafahavana Aminy noho ny nahafatesan’ny Zanany isika” (Rôm 5,10).

Andriamanitra no naneho voalohany ny fitiavam-panavotany ny daholobe  

604. Tamin’ny nanolorany ny Zanany noho ny fahotantsika no nampisehoan’ Andriamanitra, fa ny fandaharany momba antsika dia fandaharam-pitiavana izay mialoha ny fahamendrehana rehetra ahazoantsika valisoa: “Toy izao izany fitiavana izany : tsy isika no tia an’Andriamanitra  rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika noho ny fahotantsika” (1 Jo 4,10)[449]. “Ny porofo fa tia antsika Andriamanitra, dia i Kristy maty ho antsika, fony mbola mpanota isika” (Rôm 5,8). 

605. Tsy manavakavaka io fitiavana io ; nampahatsiahivin’i Jesoa izany raha namarana ny fanoharana momba ilay ondry very  Izy hoe  :  “Toy izany koa,   tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza” (Mt 18,14).  Hizingizininy ny hoe “mahafoy ny ainy Izy, ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt  20,28) ;  tsy misy famerana io  teny farany io : ny fitambaran’ny olombelona no ampifanoheriny amin’ny singan’olona Mpanavotra izay nanolotra ny tenany hamonjena azy ireo[450]. Ny Fiangonana, eo am-panarahan-dia ny apôstôly[451],  dia mampianatra fa maty ho an’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka i Kristy. “Tsy nisy, tsy misy ary tsy hisy olona na dia iray aza, izay tsy nijalian’i Kristy mba hanavotana azy”[452].

III. Nanolotra ny Tenany tamin-dRainy i Kristy noho ny fahotantsika

Fanatitra ho an’ny Ray ny fiainan’i Kristy manontolo 

606.Ilay Zanak’Andriamanitra, nidina avy tany an-danitra tsy hanao ny sitrapony fa ny an’ny Rainy izay naniraka Azy[453],  “tamin’ny nidirany teto amin’izao tontolo izao, dia nilaza hoe : (...) Inty aho tonga (...) hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô. (...) Noho ny herin’io sitrapo io no nanamasina antsika tamin’ny fanolorana ny Tenan’i Jesoa-Kristy, indray mandeha monja” (Heb 10,5-10). Hatramin’ny fotoana voalohany Nahatongavany ho nofo, no niandany tamin’ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy ny Zanaka : “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy, sy ny manatanteraka ny tsanganasany” (Jo 4,34). Ny soron’i  Jesoa “noho ny fahotan’izao tontolo izao” (l Jo 2,2)  no fanehoana ny fiombonam-pitiavany amin’ny Ray : “Tia Ahy ny Ray satria mahafoy ny aiko Aho” (Jo 10,17). “Mba ho fantatr’izao  tontolo  izao  fa tiako ny Ray ka araka izay nandidian’ny Ray Ahy no ataoko”(Jo 14,31).  

607.Izany faniriana hiandany amin’ny fandaharan’ny Rainy ombam-pitiavana hanavotra izany no manentana ny fiainan’i Jesoa manontolo[454], satria ny fijaliam-panavotany no anton’ny Fahatongavany ho nofo : “Raiko  ô, vonjeo  Aho ho afaka amin’ity ora ity ! Nefa izao indrindra no nahatongavako ho  amin’izao ora izao” (Jo 12,27). “Tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy ?” (Jo 18,11). Ary koa teo amin’ny Hazofijaliana, talohan’ny “hahatanteraka ny zavatra rehetra” (Jo 19,30),  dia hoy Izy : “Mangetaheta Aho” (Jo 19,28).

“Ilay Zanak’Ondry izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” 

608.Rahefa avy nanaiky hanao Batemy an’i Jesoa taorian’ireo mpanota i  Joany-Batista[455], dia nahafantatra sy nanondro Azy ho Zanak’Ondrin’Andriamanitra, izay manala ny fahotan’izao tontolo izao[456]. Nabaribariny tamin’izany fa i Jesoa dia sady ilay Mpanompo mijaly, tsy miloa-bava, manaiky hoentina amin’ny toeram-pamonoana[457] ary mivesatra ny fahotan’ny be sy ny maro[458], no  ilay zanak’ondrin’ny Paka fanehoana an’ohatra ny fanavotana an’i Israely tamin’ny Paka voalohany[459]. Ny fiainan’i Kristy manontolo dia manambara ny iraka nampanaovina Azy : hanompo sy hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro[460].

Miandany an-kalalahana amin’ny fitiavam-panavotan’ny Ray i Jesoa

609. Tamin’ny fiandanian’i Jesoa tao am-pony maha-olombelona Azy ny fitiavan’ny Ray ny olombelona, no “nitiavany azy ireo hatramin’ny  farany” (Jo 13,1) “satria tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ireo izay tiany” (Jo 15,13). Araka izany, tamin’ny fijaliana sy tamin’ny fahafatesana, ny maha-olombelona Azy dia nanjary fitaovana tsy voafatopatotra sy lavorary amin’ny fitiavana maha-Andriamanitra Azy izay mankasitraka ny famonjena ny olombelona[461]. Satria, nanaiky tamin-kalalahana hijaly sy ho faty Izy noho ny fitiavana ny Rainy sy ny olombelona izay sitraky ny Rainy hovonjena : “Tsy misy maka ny aiko Amiko, fa ny Tenako  ihany no mahafoy azy” (Jo 10,18). Avy amin’izany ny fahafahana ambony indrindra ny Zanak’Andriamanitra raha nandroso ho amin’ny fahafatesana ny Tenany[462].

Tamin’ny Sakafo farany i Jesoa no nanolotra mialoha tamin-kalalahana ny ainy 

610.Nasehon’i Jesoa ny fara tampon’ny fanolorany an-kalalahana ny Tenany, teo am-pisakafoana niaraka tamin’ny apôstôly roa ambin’ny folo[463], “tamin’ ilay alina nanolorana Azy” (1 Kôr 11,23). Ny andro mialoha ny fijaliany, mbola afaka Izy tamin’izay, no nanaovan’i Jesoa tamin’io Sakafo farany niaraka tamin’ny apôstôliny io ny tsangambato fahatsiarovana ny fanoloran-tenany an-tsitrapo amin’ny Ray[464] ho famonjena ny olombelona  : “Ity no Vatako atolotra ho anareo” (Lk 22,19).  “Ity no Rako, dia ny ran’ny fanekem-pihavanana, izay halatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana” (Mt  26,28).

611.Ny Eokaristia izay naoriny tamin’io fotoana io no ho tsangambato fahatsiarovana[465] ny nanolorany ny Tenany ho sorona. Natsofok’i Jesoa tao anatin’ny fanoloran-tenany ny apôstôly ary nangatahiny izy ireo mba hanohy hatrany izay nataony[466]. Taminizany i Jesoa no nanangana ny apôstôliny ho mpisoron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao : “Manamasina ny tenako ho  azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy ireo” (Jo  17,19)[467]

Ny fiadian’aina tao  Getsemania

612.Ny kalisin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay natolotr’i Jesoa mialoha tamin’ny Sakafo farany, nanolorany ny Tenany[468], dia noraisiny teo an-tanan’ny Ray, avy eo, tao Getsemania niadiany aina[469], ho “fanekeny hatramin’ ny fahafatesana” (Filip  2,8)[470].  Nivavaka i  Jesoa nanao hoe : “Raiko ô, raha azo atao, aoka hesorina amiko ity kapaoka ity...” (Mt 26,39). Izany no nanehoany ny fomba aman-toetra maha-olombelona Azy, nahatahotra ny fahafatesana. Satria, ny fomba aman-toetra maha-olombelona Azy, toy ny antsika, dia natao ho amin’ny fiainana mandrakizay ; fanampin’izany, ny tsy itoviany amin’ny antsika, dia ny Azy lavorary tsy manam-pahotana[471], dia ny fahotana mahatonga ny fahafatesana[472] ; fa indrindra, nozakainy tao amin’ny maha-Olona-Andriamanitry ny “Tompon’ny Aina” (Asa 3,15), "Ilay Velona" (Apôk 1,17)[473], ny toetra amam-pomba maha-olombelona Azy. Ny fanekeny tamin-tsitrapo maha-olombelona Azy, mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray[474], no nanekeny ny fahafatesany amin’ny maha-mpanavotra azy, mba “hitondrany ny fahotantsika ao amin’ny Vatany teo amin’ny hazo” (1 Pi 2, 24).

Ny fahafatesan’i Kristy no sorona tokana sady farany 

613.Ny fahafatesan’i Kristy dia sady soron’ny Paka, nahatanteraka ny fanavotana ny olombelona indray mandeha ihany dia ampy[475], tamin’ny alalan’ ilay Zanak’Ondry izay nizaka ny fahotan’izao tontolo izao[476], no soron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao[477], mampiombona indray ny olombelona amin’ Andriamanitra[478], izay tafahavana Taminy, noho ilay ra nalatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana[479].

614.Tsy manam-paharoa io soron’i Kristy io, ary manatanteraka sy mihoatra ny sorona rehetra[480]. Fanomezan’Andriamanitra Ray rahateo ihany io sorona io : ny Ray no manolotra ny Zanany mba hampihavana antsika Aminy indray[481]. Fanatitr’ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona ihany koa anefa, io sorona io, izay nanolorany ny ainy[482] an-kalalahana sy am-pitiavana[483] tamin-dRainy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina[484], mba hanonerana ny tsy  fanekentsika.

Soloan’i Jesoa amin’ny  fanekeny ny tsy fanekentsika 

615.”Tahaka ny nahatongavan’ny be sy ny maro ho mpanota noho ny tsy faneken’ny olona iray, no hahatongavan’ny be sy ny maro ho marina kosa noho ny faneken’ny olona iray” (Rôm 5,19). Ny fanekeny hatramin’ny fahafatesana no nanatanterahan’i Jesoa ny fisoloana an’ilay Mpanompo mijaly, izay “nanolotra ny ainy ho sorom-panonerana”, tamin’ny nizakàny ny fahotan’ny be sy ny maro izay namarininy tamin’ny nivesaran’ny Tenany ny fahadisoan’izy ireo[485]. I  Jesoa no nanonitra ny fahotantsika ary nampitony ny Ray noho ny fahotantsika[486].

Teo amin’ny Hazofijaliana no  tanterak’i Jesoa  ny soron’ny Tenany 

616.”Ny fitiavana hatramin’ny farany”[487] no manome ny hasin’ny fanavotana sy ny fanoneram-panarenana, ny fanoneram-pandiovana sy ny fanoneram-pihavanana amin’ny soron’i Kristy. Nahalala antsika rehetra Izy ary nitia tao anatin’ny fanolorany ny ainy[488]. “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria fantatray fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka maty avokoa izany izy rehetra” (2 Kôr 5,14). Tsy misy olombelona na iray aza, na izy aza no masina indrindra, nahavita nizaka tao aminy ny fahotan’ny olombelona rehetra sy nanolo-tena hatao sorona ho azy rehetra. Ny fisian’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanaka ao amin’i Kristy, izay sady mihoatra no manambatra ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, ary koa sady mahatonga Azy ho Lohan’ny olombelona rehetra, no mahatonga ny soron’ny Tenany ho mpanavotra ny rehetra.

617.“Tamin’ny fijaliany masina, teo amin’ny hazon’ny Lakroà, no nanaovany antsika ho mendrika ny fanamarinana”, izany no ampianarin’ny Kônsily tao Trente[489], amin’ny fanoritana ny toetra tsy manam-paharoa ny soron’i Kristy ho “foto-pamonjena mandrakizay”[490]. Koa, manaja ny Lakroà ny Fiangonana amin’ny fihiràny hoe : “Arahaba, ry Hazofijaliana, ry hany fanantenanay ! ”[491] 

Ny  fandraisantsika  anjara  amin’ny soron’i  Kristy

618 . Ny Hazofijaliana no sorona tokan’i Kristy “hany mpanelanelana amin’ Andriamanitra sy ny olombelona”[492]. Fa satria, ao amin’ny maha-Olona-Andriamanitra tonga Nofo Azy, dia “mova tsy mikambana amin’ny olona rehetra ny Tenany”[493], ary “nomeny ny olombelona rehetra, amin’ny fomba izay fantatr’Andriamanitra, ny fahazoana mikambana amin’ny misterin’ny Paka”[494]. Miantso ireo mpianany Izy hitondra ny Hazofijalian’izy ireo sy hanaraka Azy[495], satria nijaly ho antsika Izy, nanoritra ny lalan-kizorantsika, mba hanarahantsika ny diany[496]. Araka izany, tiany hiombona amin’ny sorom-panavotany, ireo izay voalohany mahazo tombon-tsoa amin’izany[497]. Tanteraka tamin’ny fara tampony tokoa izany tamin’ny tenan’ny Reniny, izay nandray anjara akaiky dia akaiky mihoatra noho ny hafa rehetra, tamin’ny misterin’ny fijaliam-panavotany[498].

Ivelan’ny Hazofijaliana, tsy misy tohatra hafa izay hiakarana any an-danitra[499].

 

FAMINTINANA

619. “Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina(1 Kôr 15,3).

620. Avy amin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika mialoha, ny famonjena antsika, satria Izy no tia antsika mialoha sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika noho ny fahotantsika(1 Jo 4,10). Fa Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao Aminy indray ao amin’i Kristy (2 Kôr 5,19).

621. Nanolotra ny Tenany tamin-kalalahana ho famonjena antsika i Jesoa. Nampahafantariny sy notanterahiny mialoha tamin’ny sakafo farany io tolotra io : Vatako ity izay hatolotra ho anareo (Lk 22,19).

622. Toy izao ny fanavotan’i Kristy : Tonga Izy hahafoy ny ainy ho fanavotana ny be sy ny maro (Mt 20,28), izany hoe tia ny azy hatramin’ny farany (Jo 13,1), mba ho afaka amin’ny fitondran-tena tsy mahasoa nentim-paharazana izy ireo[500].

623. Tamin’ny fanekena feno fitiavana an-dRainy, hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny Hazofijaliana (Filip 2,8), no nanatontosan’i Jesoa ny iraka fanoneran’ilay Mpanompo mijaly[501], izay nanamarina ny be sy ny maro tamin’ny nivesaran’ny Tenany ny helok’izy ireo[502].

 

Paragrafy 3 . Nalevina i Jesoa-Kristy 

624.”Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia niaritra ny fahafatesana Izy mba hamonjy ny olombelona rehetra” (Heb 2,9). Tao anatin’ny fandaharam-pamonjeny Andriamanitra no nandamina fa tsy hoe “ho faty noho ny  fahotantsika” (1 Kor 15,3) ihany ny Zanany, fa “hiaritra ny fahafatesana” ihany koa, izany hoe hahalala ny toe-pahafatesana, ny toe-pisarahana eo amin’ny fanahiny sy ny vatany, nandritra ny fotoana anelanelan’ny nialany aina teo amin’ny Hazofijaliana sy ny fotoana nitsanganany ho velona. Io toetran’i Kristy maty io no misterin’ny fasana sy ny fidinana tany ambanin’ ny tany. Io no misterin’ny Sabotsy Masina, fotoana nilevenan’i Kristy tao am-pasana[503], nampiseho ny fitsaharan-dehibe nataon’Andriamanitra tamin’ny sabata[504], aorian’ny fahatanterahan’ny[505] famonjena ny olombelona, ka mampisy ny fandriampahaleman’izao tontolon’ny zava-drehetra izao[506].

Ny Vatan-tenan’i Kristy tao am-pasana

625.Ny  fitoeran’i Kristy tao am-pasana no maha-fatotra mampiray tokoa ny toetran’i Kristy nijaly talohan’ny Paka, sy ny toetrany be voninahitry ny Fitsanganan-ko velona ankehitriny. Ny tenan’Izy “Velona”  ihany no  afa-miteny hoe : “Efa maty aho, nefa indro velona mandrakizay mandrakizay” (Apôk 1,18)   :

Tsy nosakanan’Andriamanitra (Zanaka) ny fahafatesana mampisaraka ny fanahy amin’ny vatana, araka ny lahatra tsy afaka ialan’ny voary miaina,  kanefa nampiraisiny indray ireo tamin’ny Fitsanganan-ko velona, mba ho ny Vatan-tenany mihitsy amin’ny maha-Olona Azy no ho toeram-pihaonan’ny fahafatesana sy ny fiainana, tamin’ny nampitsaharany tao Aminy ny faharavan’ny toe-tenan’ny voary miaina ho lo, vokatry ny fahafatesana, sy tamin’ny nahatongavan’ny Tenany mihitsy ho foto-piraisan’ireo ampahany roa nisaraka[507].

626. Satria ilay “Tompon’ny aina” izay novonoina ho faty[508] ihany no ilay Velona tokoa izay nitsangan-ko velona[509], ka tsy maintsy tohizin’ny maha-Olona-Andriamanitra ny Zanak’Andriamanitra ny mizaka ny fanahiny sy ny vatany nosarahin’ny fahafatesana :

Noho ny nahafatesan’i Kristy dia tafasaraka tamin’ny nofo ny fanahy, nefa tsy nizara ho olona roa tsy akory ilay olona tokana ; satria ny vatana sy ny fanahin’i Kristy dia fototra iray ihany no nisiany hatrany am-piandohana tao amin’ny tenan’ilay Teny ; ary tamin’ny fahafatesana, na dia nisaraka aza izy roa, samy nijanona tao amin’ny tenan’io Teny io ihany sy tokana izy ireo[510].

“Tsy havelanao ho tratran’ny fahalòvana ny masinao” 

627.Tena fahafatesana tokoa ny fahafatesan’i Kristy noho io namarana ny fisiana maha-olombelona Azy teto an-tany.  Kanefa noho ny firaisana izay voatanan’ ny maha-olona ny Zanaka amin’ny Vatany, dia tsy lasan-ko razana toy ny hafa rehetra Izy, satria “tsy azo atao ny nitanan’ny fahefan’[ny fahafatesana] izany Azy (Asa 2,24). Izany no antony “niarovan’ny herin’Andriamanitra ny Vatan’i Kristy tsy ho tratran’ny fahalòvana”[511]. Izao avy no azo lazaina ny amin’i Kristy : “Nofongorana teo  amin’ny tanin’ny velona Izy” (Iz 53,8) ; sy hoe : “Ny nofoko hiorina amin’ny fanantenana fa tsy hanary ny fanahiko ao amin’ny fonenan’ny maty Ianao ary tsy havelanao ho tratran’ny fahalòvana ny Masinao” (Asa 2,26-27)[512].  Ny Fitsanganan’i  Jesoa ho velona “tamin’ny andro fahatelo” (l Kôr 15,4 ; Lk 24,46)[513] no famantarana an’izany, ary izany koa satria ny fahalòvana dia noheverina fa miseho manomboka amin’ny andro fahefatra[514].

“Niara-nalevina tamin’i Kristy ...” 

628.Ny Batemy, izay ny fanatsobohana no famantarana hatrany am-piandohana sy feno, dia midika amin’ny fomba manan-kery ny fidinan’ny kristianina izay maty amin’ny fahotana, ao am-pasana, miaraka amin’i Kristy, mba ho amin’ ny fiainam-baovao : “Niara-nalevina tamin’i Kristy tamin’ny Batemy amin’ ny fahafatesana isika mba ho tahaka an’i Kristy izay natsangana tamin’ny maty tamin’ny alalan’ny Voninahitry ny Ray, no ivelomantsika koa ao amin’ ny fiainam-baovao” (Rôm 6,4)[515].

 

FAMINTINANA

629. Niaritra ny fahafatesana i Jesoa mba hamonjy ny olombelona rehetra[516].  Koa tena ilay Zanak'Andriamanitra tonga Olombelona tokoa no maty sy nalevina.

630. Nandritra ny nipetrahan’i Kristy tao am-pasana, ny maha-Olona- Andriamanitra Azy dia nanohy mizaka ny fanahiny sy ny vatany na dia nosarahin’ny fahafatesana aza ireo. Izany no tsy nahatratran’ny fahalòvana  ny vatan’i Kristy maty (Asa 13,37).

 

 

ANDALANA  5

“ Nidina tany ambanin’ny tany i Jesoa-Kristy, ary
nitsangana tamin’ny maty, tamin’ny andro fahatelo

 

631.“Nidina tany amin’ny faritra ambanin’ny tany i Jesoa. Izy ilay nidina ihany no Ilay niakatra”. (Efez 4,9-10). Ny Sembolin’ny apôstôly dia manambara ampahibemaso amin’andalan-tenim-pinoana iray ihany ny fidinan’i Kristy tany ambanin’ny tany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, satria tamin’ny Pakany, dia avy ao amin’ny fanambanin’ny fahafatesana no nataony miboiboika ny fiainana.

I Kristy, Zanakao,  rahefa tafakatra avy tao amin’ny Fonenan’ny maty, no nanapariaka tamin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ny hazavany tony, ary velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen[517].

Paragrafy 1. Nidina tany ambanin’ny tany i Kristy

632. Ireo filazana marina miverimberimberina ao amin’ny Testamenta Vaovao izay anehoana fa “nitsangana tamin’ny maty” i Jesoa (1 Kôr 15,20)[518], dia azo heverina marina  fa nitoetra tao amin’ny fonenan’ny maty Izy, talohan’ny fitsanganany ho velona[519]. Izany no hevi-teny voalohany nomen’ny toritenin’ ny apôstôly, momba ny fidinan’i Jesoa tany ambanin’ny tany : Nahalala ny fahafatesana toy ny olombelona rehetra i Jesoa, ary tamin’ny fanahiny no nihaonany tamin’ireo tao amin’ny fonenan’ny maty. Kanefa amin’ny maha-Mpamonjy Azy no nidinany tany, nitory ny Evanjely tamin’ireo fanahy voatana tao[520].

633. Ny fonenan’ny maty izay nidinan’i Kristy maty, dia antsoin’ny Soratra Masina hoe : ambanin’ny tany, Seoly na Hadesy[521], satria izay rehetra mitoetra ao dia tsy afaka mahita an’Andriamanitra[522]. Toy izany, eo am-piandrasana ny Mpanavotra, no toe-javatra misy amin’ireo maty rehetra, na olon-dratsy na olo-marina[523], izay tsy midika fa mitovy anjara izy ireo, araka ny nasehon’i Jesoa tamin’ny fanoharana momba an’i Lazara mahantra noraisina teo “an-tratran’i Abrahama”[524]. “Soritana mazava izany, fa ireo nanana toe-panahy masina, izay niandry, teo an-tratran’i Abrahama, ny Mpanafaka azy ireo, no nahafahan’i Jesoa-Kristy, fony Izy nidina tany ambanin’ny tany”[525]. Tsy nidina tany ambanin’ny tany tsy akory i Jesoa, mba hanafaka ao an’ireo olom-bery[526], na handrava ny afoben’ny fahaverezana mandrakizay[527], fa mba hanafaka ny olo-marina izay nialoha Azy[528]

634. “Notorìna tamin’ny maty koa ny Vaovao Mahafaly…” (1 Pi 4,6). Ny fidinana tany ambanin’ny tany no fanatanterahana, hatramin’ny hafenoany, ny fitoriana momba ny evanjelim-pamonjena. Izany no ambaratonga farany amin’ny iraka maha-Mesia an’i Jesoa, ambaratonga voafintina amin’ny fotoana kanefa midadasika tokoa amin’ny tena dikany marina eo amin’ny fiitaran’ny tsanganasam-panavotana ny olombelona rehetra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra, satria izay rehetra voavonjy dia natao hiombona anjara amin’ny Fanavotana.

635. Nidina tany amin’ny hantsan’ny fahafatesana àry i Kristy[529], mba “handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka ireo izay handre izany dia ho velona” (Jo 5,25). I Jesoa “ilay Tompon’ny aina” (Asa 3,15), dia “nahatonga ho tsy manan-kery tamin’ny fahafatesany, ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly, sy nanafaka an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana, nandritra ny andro rehetra niainany, noho ny tahotra ny fahafatesana” (Heb 2,14-15). Nanomboka tamin’izay, i Kristy nitsangan-ko velona “no mitana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy” (Apôk 1,18) ary “handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, ny any an-danitra, ny ety an-tany, ary ny any ambanin’ny tany” (Filip 2,10).

Fahanginana lehibe no manjaka eto an-tany anio, fahanginana lehibe sy toera-mangina lehibe. Fahanginana lehibe satria matory ny Mpanjaka. Nihorohoro ny tany ary nitony satria matory ao amin’ny nofo Andriamanitra sy nandeha namoha an’ireo izay natory hatramin’ny taonjato maro (…) Lasa nitady an’i Adama Izy, ilay voalohany Raintsika, ilay ondry very. Tiany ny handeha hamangy an’ireo izay nipetraka tao anatin’ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana. Lasa Izy mba hanafaka ny fahorian’i Adama amin’ny fatorana, sy ny fahorian’i Eva, babo miaraka aminy. Izy Ilay sady Andriamanitr’izy ireo no Zanak’izy ireo (…) “Izaho no Andriamanitrao, ary noho ianao, dia tonga Zanakao Aho. Mifohaza ianao, ianao izay natory, satria Izaho tsy nahary anao mba hitoeranao voafatotra aty amin’ny afobe. Mitsangàna amin’ny maty ianao, fa Izaho no Fiainan’ireo maty”[530].

 

FAMINTINANA

636. Amin’ny fiteny hoe nidina tany ambanin’ny tany i Jesoa, no anambaran’ny semboly fa tena maty tokoa i Jesoa, ka ny fahafatesany ho antsika no nandreseny ny fahafatesana sy ny devoly, ilay manana ny herin’ny fahafatesana (Heb 2,14).

637. I Kristy, maty, amin’ny fanahiny miray amin’ny maha-Olona-Andriamanitra Azy, dia nidina tany amin’ny fonenan’ny maty. Namoha ny varavaran’ny lanitra Izy, ho an’ireo olo-marina izay nialoha lalana Azy.

Paragrafy 2. Nitsangana tamin’ny maty Izy, tamin’ny andro fahatelo

638. “Mitory aminareo ny Vaovao Mahafaly izahay : notanterahin’ Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo ny fampanantenana nataony tamin’ny razantsika : nanangana an’i Jesoa ho velona Izy” (Asa 13,32-33). Ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona no tampon’ny fahamarinam-pinoantsika ao amin’i Kristy, ninoan’ny ankohonam-piangonana kristianina voalohany sy nivelomany ho fahamarinana ivon’ny finoana, nampitaina tamin’ny Lovam-pampianarana ho fototry ny fahamarinam-pinoana, naraikitra tamin’ireo tahirin-kevitry ny Testamenta Vaovao, notorìna ho anisan’ny votoatin’ny misterin’ny Paka miaraka amin’ny Hazofijaliana :

Nitsangana tamin’ny maty i Kristy.
Tamin’ny nahafatesany no nandreseny ny fahafatesana.
Tamin’ireo maty no nanomezany ny fiainana[531].

 

I. Ny zava-niseho ara-tantara mihoatra ny tsapa sy ny hita

639. Ny misterin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona, dia zava-niseho tokoa izay voamarina ara-tantara ny fisehoany, araka ny fanaporofoan’ny Testamenta Vaovao izany. Efa afaka nanoratra toy izao ho an’ireo Kôrintianina i Md Paoly, sahabo ho tamin’ny taona 56 : “Izao no zavatra ampitaiko aminareo, araka ny nandraisako izany koa : maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina, dia nalevina Izy, sy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina, niseho tamin’i Sefasy Izy, vao tamin’ny Roa ambin’ny folo” (1 Kôr 15,3-4). Eto i Paoly, dia miteny ny lovam-pampianarana velona momba ny Fitsanganan-ko velona izay noraisiny taorian’ny fibebahany teo ambavahadin’i Damasa[532].

Ny fasana foana

640. “Nahoana no aty amin’ny maty no itadiavanareo ny Velona ? Tsy eto intsony Izy fa efa nitsangan-ko velona” (Lk 24,5-6). Ao anatin’ny zava-miseho manodidina ny Paka, ny singafototra voalohany tojo dia ny fasana foana. Tsy azo heverina ho porofo mivantana anefa izany, raha amin’izany fotsiny. Ny tsy naha-tao am-pasana ny vatan’i Kristy dia azo hazavaina amin’ny fomba hafa[533]. Na izany aza, ny fasana foana, ho an’ny rehetra, dia famantarana ilaina. Ny fahitan’ireo mpianatra an’izany no dingana voalohany mankamin’ny fanekena ny zava-niseho ny amin’ny Fitsanganan-ko velona. Izany no toe-javatra hitan’ireo vehivavy masina aloha[534], avy eo i Piera[535]. “Ilay mpianatra tian’i Jesoa” (Jo 20,2) dia nilaza marina fa tamin’ny nidirany tao am-pasana foana sy tamin’ny nahitana ny “lambam-paty nipetraka tamin’ny tany” (Jo 20,6) dia “nahita izy ary nino” (Jo 20,8). Tsapa amin’izany, araka ny toetran’ny fasana foana[536], fa ny tsy naha-tao ny vatan’i Jesoa dia tsy mety ho tsanganasan’olombelona, ary i Jesoa tsy hoe niverina fotsiny tamin’ny fahavelomana teto an-tany toy ny an’i Lazara[537].

Ny fisehoan’ilay Nitsangan-ko velona

641. I Maria Madelenina sy ireo vehivavy masina, izay tonga hamita ny fanosorana zava-manitra ny vatan’i Jesoa[538] nalevina maimaika noho ny fahatongavan’ny Sabata ny harivan’ny Zomà Masina[539], no voalohany nihaona tamin’ilay Nitsangan-ko velona[540]. Araka izany, ny vehivavy no voalohany mpampita ny hafatry ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ho an’ny tenan’ireo apôstôly[541]. Nanaraka izany, niseho tamin’izy ireo i Jesoa, ka i Piera aloha, avy eo ny Roa ambin’ny folo lahy[542]. I Piera, voantso hanamafy ny finoan’ny rahalahiny[543] àry, no nahita talohan’izy ireo an’ilay Nitsangan-ko velona, ary tamin’ny fijoroany vavolombelona no nahatonga ny ankohonan’ny mpianatra niantsoantso hoe : “Efa nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy” (Lk 24,34). 

642. Izay rehetra niseho tamin’ny tontolo andron’ny Paka, dia mampiditra ny tsirairay amin’ny apôstôly – singanina manokana i Piera - amin’ny fanorenana ny fotoam-baovao izay nanomboka ny marainan’ny Paka. Noho izy ireo vavolombelon’ilay Nitsangan-ko velona, dia nitoetra ho vato fototra iorenan’ny Fiangonany izy ireo. Ny finoan’ireo ankohonam-piangonan’ny mpino voalohany dia miorina amin’ny filazan’ireo olona vavolombelona nahita maso, fantatry ny kristianina, ary ny ankamaroany dia mbola velona teo anivon’izy ireo. Amin’ireo “vavolombelon’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ireo”[544] , i Piera no voalohany, ary ireo Roa ambin’ny folo lahy, kanefa tsy izy ireo ihany : i Paoly dia niteny mazava fa olona mihoatra ny dimanjato no indray nisehoan’i Jesoa, ankoatra an’i Jakôba sy ny apôstôly rehetra[545].

643. Manoloana an’ireo filazan’ny vavolombelona ireo, dia tsy mety ho vita ny manazava ny Fitsanganan’i Kristy ho velona ivelan’ny zavatra ara-batana, sy ny tsy manaiky izany ho zava-niseho marina ara-tantara. Izany antony izany no nahatonga ny finoan’ireo mpianatra  ho nandalo fitsapan-toetra mahery vaika tamin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’ny mpampianatr’izy ireo teo amin’ny Hazofijaliana voalazan’Izy io mialoha[546]. Ny fikorontanan-tsaina avy amin’ny fijaliana izay mafy loatra no nahatonga an’ireo mpianatra (na fara faha keliny ny sasantsasany tamin’izy ireo) ho tsy nino avy hatrany ny vaovao momba ny Fitsanganan-ko velona. Ny Evanjely dia tsy mampiseho amintsika velively ankohonana mpianatra entanim-piderana ho miray amin’Andriamanitra, fa ny haneho amintsika ny mpianatra kivy (“endrika maloka” : Lk 24,17) sy raiki-tahotra[547]. Izany no antony tsy ninoan’izy ireo an’ireo vehivavy masina niverina avy tany amin’ny fasana sy “niheveran’izy ireo ho arirarira foana ny tenin’iretsy” (Lk 24,11)[548]. Rahefa nisehoan’i Jesoa izy iraika ambin’ny folo lahy ny harivan’ny Paka, “dia nomeny tsiny noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny hamafin’ny fon’izy ireo satria tsy nety nino an’ireo izay nahita maso Azy nitsangan-ko velona” (Mk 16,14).

644.Na teo anatrehan’ny fisiana tena izy an’i Jesoa nitsangan-ko velona aza, dia mbola azon’ny fisalasalana ihany ireo mpianatra[549], satria ny zavatra toy izany ho azy ireo dia toa tsy mety ho tanteraka : noheverin’izy ireo fa matoatoa no hitany[550]. “Tao anatin’ny hafaliany izy ireo dia mbola tsy nino ihany, fa talanjona fotsiny” (Lk 24,41) I Tomà dia hahafantatra an’izany fitsapam-pisalasalana izany koa[551], ary tamin’ny fisehoana farany tany Galilea tantarain’i Matio, “ny sasany mbola nisalasala ihany” (Mt 28,17). Izany no nahatonga ny vinavinan-kevitra hoe ny Fitsanganan-ko velona izay “vokatry” ny finoan’ (na ny finoanoan’) ny apôstôly dia tsy marim-pototra. Tsy izany mihitsy anefa, fa ny finoan’izy ireo ny Fitsanganan-ko velona dia teraka  - teo ambany asan’ny fahasoavan’Andriamanitra - avy amin’ny fahalalana azo tamim-pahazarana mivantana ny tena fisian’i Jesoa nitsangan-ko velona tokoa.

Ny toetran’ny maha-olombelona nitsangan-ko velona an’i Kristy 

645. Nampiseho fifandraisana mivantana tamin’ireo mpianany, tamin’ny alalan’ ny fitsapana amin’ny tanana[552] sy ny fiaraha-misakafo[553] i Jesoa nitsangan-ko velona. Tamin’izany no nanasany azy ireo mba hiaiky fa tsy matoatoa Izy[554], fa indrindra hanamarina fa ny vatana tafatsangan-ko velona izay miaraka amin’izany no isehoany amin’izy ireo dia tsy hafa fa ilay vatana nampijaliana sy nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ihany, satria mbola mitondra ny mariky ny fijaliany Izy[555]. Amin’izany koa anefa io vatana tena izy sy marina io dia manana ny toetra vaovao ny vatana be voninahitra : tsy voafetran’ny elanelana sy ny fotoana intsony Izy, fa afaka miseho na aiza na aiza araka ny nahim-pony sy na rahoviana na rahoviana araka izay tiany[556], satria ny maha-olombelona Azy tsy voasakan’ny eto an-tany intsony fa efa anisan’ny any amin’ny fonenan’Andriamanitra Ray[557]. Noho izany antony izany koa, i Jesoa nitsangan-ko velona, dia malalaka tokoa miseho araka izay tiany : maka endriky ny mpiandry saha[558] na “amin’ny endrika hafa” (Mk 16,12) izay nahazatra ny mpianatra, mba hamelombelona indrindra ny finoan’izy ireo[559]

646.Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia tsy hoe fiverenana indray amin’ny fiainana eto an-tany, tahaka an’ireo fananganan-ko velona notanterahiny talohan’ny Paka : ny zanakavavin’i Zaïra, ilay zatovolahy tao Naïma, i Lazara. Ireo zava-nisy ireo dia zava-niseho mahatalanjona, nefa ireo olona nanaovana zava-mahagaga ireo, dia nahita indray, tamin’ny fahefan’i Jesoa, ny fiainana “mahazatra” eto an-tany. Any andro any volana, mbola ho faty indray izy ireo. Hafa dia hafa noho izany ny Fitsanganan’i Kristy ho velona. Ao amin’ny vatany nitsangan-ko velona, dia mandalo amin’ny toe-pahafatesana ho any amin’ny fiainana hafa any ankoatra ny fotoana sy ny elanelana Izy. Ny vatan’i Jesoa, ao anatin’ny Fitsanganan-ko velona, dia feno ny herin’ny Fanahy Masina ; mandray anjara amin’ny fiainan’Andriamanitra ao amin’ny toetran’ny voninahiny Izy, ka nafahan’i Md Paoly milaza ny amin’i Kristy fa Izy no “olon’ny lanitra”[560].

Zava-niseho mihoatra ny tsapa sy ny hita, ny Fitsanganan-ko velona 

647. “Ô Ry alina !, hoy ny Hira fihobiana (“Exultet”) ny Paka, ianao irery no afaka mahalala ny fotoana izay nivoahan’i Kristy velona avy tao amin’ny fonenan’ny maty”[561]. Satria, tsy nisy na iray aza vavolombelona nanatri-maso ny zava-niseho tamin’ny Fitsanganan-ko velona ary tsy nisy na iray aza mpanoratra Evanjely nilazalaza momba izany. Tsy misy olona afaka milaza hoe : Ahoana no nahatonga izany ara-batana ? Vao mainka koa tsy ho tsapan’ny fandrenesana samihafa ny foto-pisiana lalina indrindra ao aminy, dia ny fandalovana mankamin’ny fiainan-kafa izany. Ny Fitsanganan-ko velona, amin’ny maha-zava-niseho ara-tantara azo tsapain-tanana avy amin’ ny famantarana ny fasana foana sy ny zava-misy ny amin’ny fihaonan’ireo apôstôly tamin’i Kristy nitsangan-ko velona, dia tsy nijanona amin’izany fotsiny, fa amin’izany no ihoarany ambony dia ambony sy isongonany ny tantara, eo anivon’ny misterin’ny finoana. Izany no antony nahatonga an’i Kristy nitsangan-ko velona ho tsy niseho tamin’izao tontolo izao[562] fa tamin’ireo mpianany, “tamin’izy ireo niara-niakatra Taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema, ny tenan’izy ireo ihany izay vavolombelony amin’ny vahoaka ankehitriny”(Asa 13,31).

II. Ny Fitsanganan-ko velona – tsanganasan’ny Trinite Masina 

648.Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia votoatim-pinoana noho izy fidiran’ ny Tenan’Izy Andriamanitra amin’ny fomba mihoatra ny tsapa sy ny hita eo amin’ny fahariana sy eo amin’ny tantara. Ao amin’izany, ireo Olona telo- Andriamanitra dia sady miasa miaraka no maneho ny maha-Izy Azy avy. Tanteraka ny Fitsanganan-ko velona noho ny herin’ny Ray izay “nanangana ho velona” (Asa 2,24) an’i Kristy, Zanany, ary amin’io endrika io no ampidirany amin’ny fomba lavorary ny maha-olombelona Azy – miaraka amin’ny vatany – ao amin’ny Trinite. I Jesoa dia niseho tanteraka ho “Zanak’Andriamanitra omban-kery araka ny Fanahy, tamin’ny Fitsanganany ho velona avy amin’ny maty” (Rôm 1,4). Antitranterin’i Md Paoly ny fisehoan’ny herin’Andriamanitra[563] amin’ny tsanganasan’ny Fanahy izay namelona ny maha-olombelona maty an’i Jesoa sy nanendry izany ho amin’ ny toetra be voninahitry ny Tompo.

649.Raha ny amin’ny Zanaka, Izy ihany no nanatanteraka ny Fitsanganany ho velona noho ny herin’Andriamanitra ananany. Nilaza i Jesoa fa ny Zanak’ olona dia tsy maintsy hijaly mafy, hovonoina ho faty, fa hitsangan-ko velona indray (araka ny hevi-teny manao ny asa[564]). Any an-kafa, nilaza marina mazava Izy : “Mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. (…) Manam-pahefana hahafoy azy Aho ary manam-pahefana handray azy indray” (Jo 10,17-18). “Mino isika (…) fa i Jesoa dia maty, avy eo nitsangan-ko velona” (1 Tes 4,14).  

650.Ny Aban’ny Fiangonana dia mibanjina ny Fitsanganan-ko velona miainga avy amin’ny maha-Olona-Andriamanitra an’i Kristy izay mbola mijanona miray amin’ny fanahiny sy amin’ny vatany nosarahin’ny fahafatesana : “Amin’ny firaisan’ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra izay maharitra misy ao amin’ny fanahy amam-batana maha-olombelona, ireo no mikambana indray. Araka izany, ny fahafatesana dia miseho amin’ny alalan’ny fisarahan’ ny vatana sy ny fanahy maha-olombelona, ary ny Fitsanganan-ko velona dia avy amin’ny firaisan’ireo zavatra roa tafasaraka ireo”[565].

III. Hevitra sy herim-pamonjen’ny Fitsanganan-ko velona  

651.“Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo” (1 Kôr 15,14). Ny Fitsanganan-ko velona, alohan’ny zavatra rehetra, no anisan’ny fanamarinana izay rehetra nataon’ny Tenan’Izy Kristy sy nampianariny. Ny marina rehetra, na dia izay tsy takatry ny sain’ olombelona aza, dia voaporofo tanteraka ny fahamarinany tamin’ny nitsanganan’i Kristy ho velona, araka ny nampanantenainy, ary voaporofo tamin’izany koa ny maha-fahefan’Andriamanitra ny fahefany. 

652.Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia  fahatanterahan’ny fampanantenana ao amin’ny Testamenta Taloha[566] sy avy amin’i Jesoa rahateo ihany nandritra ny fiainany teto an-tany[567]. Ny fomba fiteny hoe  “araka ny Soratra Masina”[568] dia ilazana fa ny Fitsanganan’i Kristy ho velona no manatanteraka an’ireny faminaniana ireny. 

653.Ny fahamarinan’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa no hamafisin’ny Fitsanganany ho velona. Hoy Izy : “Rahefa voasandratrareo ny Zanak’olona vao ho fantatrareo fa Izaho Ilay Misy” (Jo 8,28). Ny Fitsanganan-ko velon’ ilay Nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana dia nampiharihary fa Izy tokoa no “Izaho ilay Misy”, ilay Zanak’Andriamanitra ary Andriamanitra rahateo ihany. Afaka nanambara tamin’ny Jody i Md Paoly hoe : “Ny fampanante-nana natao tamin’ny razantsika, dia notanterahin’Andriamanitra tamintsika (…) ; natsangany tamin’ny maty i Jesoa, araka izay voasoratra ao amin’ny salamo faharoa hoe : Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany” (Asa 13,32-33)[569]. Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona dia mifamatotra mafy amin’ny misterin’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Ao amin’izany no fahatanterahana araka ny fandaharana mandrakizain’Andriamanitra.

654.Misy endrika roa sosona ny misterin’ny Pakan’i Jesoa : tamin’ny alalan’ny fahafatesany Izy no manafaka antsika amin’ny fahotana, ary tamin’ny alalan’ny Fitsanganany ho velona Izy no manokatra ho antsika ny fidirana ho amin’ny fiainam-baovao. Io fitsanganan-ko velona io aloha no  fanamarinana izay mamerina antsika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra[570] “mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty, no hahavelomantsika amin’ny fiainam-baovao koa” (Rôm 6,4). Io no fototry ny fandresena ny fahafatesana vokatry ny fahotana sy amin’ny fandraisana anjara indray amin’ny fahasoavana[571]. Io no manatanteraka ny fananganan-janaka, satria manjary rahalahin’i Kristy ny olombelona rehetra, araka ny iantsoan’ny Tenan’Izy Jesoa ny mpianany taorian’ny Fitsanganany ho velona hoe : “Mandehana milaza amin’ny rahalahiko” (Mt 28,10)[572]. Rahalahy tsy hoe noho ny maha-mpiray kibo tsy akory, fa noho ny fanomezam-pahasoavana, satria izany fananganan-janaka izany no mahatonga ny fandraisana anjara marina amin’ ny fiainan’ny Zanaka Lahitokana, izay voaseho miharihary manontolo tamin’ ny Fitsanganany ho velona.

655.Farany, ny Fitsanganan’i Kristy ho velona – sy i Kristy nitsangan-ko velona mihitsy – no fototra sy loharanon’ny fananganana antsika ho velona rahatrizay : “ Nitsangan-ko velona avy amin’ny maty tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nodimandry (…), ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra koa ao amin’i Kristy”  (1 Kôr 15,20-22). Eo am-piandrasana an’izany fahatanterahana izany, dia monina ao am-pon’ny mpinony i Kristy nitsangan-ko velona. Ao Aminy ny kristianina no “manandrana ny hamamin’ny asa mahagaga any amin’ny fiainan-ko avy” (Heb 6,5) ary ny fiainan’izy ireo dia tarihin’i Kristy ho eo anivon’ny fiainan’Andriamanitra[573] “mba tsy ho velona ho an’ny tenany fotsiny intsony izay velona, fa ho an’Ilay izay maty sy nitsangan-ko velona ho azy ireo” (2  Kôr 5,15).

 

FAMINTINANA

656. Ny finoana ny Fitsanganan-ko velona dia mifototra amin’ny zava-niseho izay sady ara-tantara nohamarinin’ny mpianatra noho izy ireo tena nihaona tokoa tamin’ilay Nitsangan-ko velona, no mifono mistery mihoatra ny tsapa sy ny hita, noho ny fidiran’ny maha-Olombelona an’i Kristy ao amin’ny Voninahitr’Andriamanitra.

657. Nampahafantarin’ny fasana foana sy ny lamba nipetraka teo, fa afaka tamin’ny fatoran’ny fahafatesana sy ny fahalòvana ny vatan’i Kristy, noho ny herin’Andriamanitra. Ireo no nanomana ny mpianatra amin’ny fihaonana amin’ilay Nitsangan-ko velona.

658. I Kristy, voalohan-teraka tamin’ny maty (Kôl 1,18), no fototra iorenan’ny fitsanganantsika ho velona, manomboka izao, amin’ny fanamarinana ny fanahintsika[574], ary any aoriana any, amin’ny famelomana ny vatantsika[575].

 

ANDALANA  6

Niakatra  any an-danitra i Jesoa, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra,
Ray Mahefa ny zavatra rehetra”

 

659. “Ary rahefa avy niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina  any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavananAndriamanitra”  (Mk 16,19). Efa nomem-boninahitra avy hatrany ny Vatan’i Kristy, tamin’ny fotoanan’ny Fitsanganany ho velona, ary porofoin’ny toetra manokana vaovao sy mihoatra ny natoraly izay zakain’ny Tenany maharitra tsy tapaka izany, manomboka hatreo[576]. Kanefa nandritra ny efapolo andro izay niarahany nihinana sy nisotro tamin’ny mpianany tamin’ny fomba mahazatra[577], ary nampianarany azy ireo ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra[578], dia mbola mijanona ho takon’ny toetran’olombelona tsotra ny voninahiny[579]. Ny fisehoan’i Jesoa farany dia nifarana tamin’ny nahatafidiranny maha-olombelona Azy tsy mitampody, ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra, naseho an-tsary amin’ny rahona[580] sy lanitra[581] izay ao Izy no mipetraka eo an-kavananAndriamanitra[582] manomboka hatreo. Amin’ny fomba miavaka tokoa, sady tokana aman-tany no hisehoany amin’i Paoly “izay toy ny tsy tonga volana” (1 Kôr 15,8) amin’ny fisehoana farany izay anendrena azy ho  apôstôly[583].

660. Ny voninahitr’ilay Nitsangan-ko velona mbola takona nandritra io fotoana io, dia taratra tamin’ny teniny mifono mistery tamin’i Maria-Madelenina hoe: “Mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho. Fa mandehàna mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao izy ireo hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy ny Andriamanitrareo” (Jo 20, 17). Izany dia milaza fanehoana tsy mitovy eo amin’ny voninahitr’i Kristy nitsangan-ko velona sy ny an’i Kristy tafasandratra eo an-kavanan’ny Ray. Ny zava-miseho sady ara-tantara no mihoatra ny tsapa sy ny hita momba ny Fiakarana any an-danitra dia manamarika ny fifindrana avy amin’ilay voalohany mankany amin’ilay faharoa. 

661. Mifamatotra lalina amin’ilay voalohany ity dingana farany ity, izany hoe tamin’ilay fidinana avy any an-danitra tanteraka tamin’ny Fahatongavana ho nofo. Ilay izay “avy ao amin’ny Ray” irery no afaka “miverina mankany amin’ny Ray”, dia i Kristy izany[584]. “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ny Zanak’olona izay nidina avy tany an-danitra” (Jo 3,13)[585]. Ny olombelona, raha amin’ny herin’ny tenany fotsiny, dia tsy ho tafiditra ao an-Tranon’ny Ray[586], sy tsy hahazo ny fiainana mbamin’ny hasambaran’Andriamanitra. I Kristy irery ihany no afaka mamoha izany fidirana izany ho an’ny olombelona, “mba hampatoky antsika, rantsambatany, fa hanaraka Azy Lohantsika sy Fiandohantsika any amin’izay efa niakarany hialoha lalana antsika isika”[587]

662. “Ary Izaho rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany, dia hitarika ny olombelona rehetra hanatona Ahy” (Jo 12,32). Ny fanandratana teo amin’ny Hazofijaliana dia midika sy milaza ny fanandratana amin’ny Fiakarana any an-danitra, izay izany no fanombohany. I Jesoa-Kristy, Mpisorona tokan’ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay, dia tsy “niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanan’olombelona (…), fa any an-danitra, mba hiseho ankehitriny eo anatrehan’Andriamanitra ho antsika ” (Heb 9,24). Any an-danitra i Kristy no mampiasa maharitra tsy tapaka ny maha-Mpisorona Azy, “noho Izy velona mandrakizay mba hanao fifonana ho an’ireo izay manatona an’Andriamanitra amin’ny Alalany” (Heb 7,25). Araka ny maha-“Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy” Azy (Heb 9,11), dia Izy no foibe sy mpanao voalohany ny litorzia izay anomezan-kaja ny Ray any an-danitra[588].

663.I Kristy, nanomboka hatreo, dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray : “Ny hoe an-kavanan’ny Ray dia ny voninahitra sy ny haja maha-Andriamanitra, ka ilay Zanak’Andriamanitra izay nisy talohan’ny taonjato rehetra amin’ny maha-Andriamanitra sady iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray Azy, dia ny vatan-tenany mihitsy no mipetraka eo, taorian’ny nahatongavany ho nofo sy ny nanomezam-boninahitra ny nofony”[589].

664.Ny fipetrahana eo an-kavanan’ny Ray dia midika fitokanana ny fanjakan’ny Mesia, fahatanterahan’ny fahitan’i Daniela mpaminany ny amin’ilay Zanak’ olona : “Nomena Azy ny fanapahana, ny voninahitra amam-panjakana, ary manompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samy hafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary tsy ho rava na oviana na oviana ny fanjakany” (Dan 7,14). Nanomboka tamin’io fotoana io, nanjary vavolombelon’ny “Fanjakana tsy hanam-pahataperana” ny apôstôly[590].

 

FAMINTINANA

665. Ny fiakaran’i Kristy any an-danitra no milaza ny fidirana tanteraka ny maha-Olombelona an’i Jesoa ao amin’ny fonenan’Andriamanitra any an-danitra, ary avy any Izy mbola ho avy indray[591], saingy mandra-pahatongan’izany, tsy hitan’ny mason’olombelona Izy[592].

666. I Jesoa-Kristy, Lohan’ny Fiangonana, dia mialoha antsika ao amin’ny Fanjakana be voninahitry ny Ray, mba hiainantsika rantsambatan’ny Vatany amin’ny fanantenana fa indray andro any, hiaraka Aminy mandrakizay.

667. I Jesoa-Kristy, nony tafiditra io indray mandeha io ihany ao amin’ny toerana masina any an-danitra, dia manalalana tsy an-kijanona ho antsika amin’ny maha-Mpanelanelana Azy izay miantoka tsy tapaka ny fandrotsahana ny Fanahy Masina ho antsika.

 

ANDALANA  7

Avy any Izy mbola ho avy hitsara ny velona sy ny maty

 

I. Hiverina amim-boninahitra Izy

Efa manjaka sahady i Kristy amin’ny alalan’ny Fiangonana … 

668.“Maty i Kristy ary velona indray, mba haha-Tompon’ny maty sy ny velona Azy” (Rôm 14,9). Ny Fiakaran’i Kristy any an-danitra dia ilazana ny fandraisan’ny maha-olombelona Azy anjara amin’ny hery sy amin’ny fahefan’Andriamanitra amin’ny maha-Andriamanitra Azy rahateo. I Jesoa-Kristy no Tompo : manana ny fahefana manontolo any an-danitra sy ety an-tany Izy. “Ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fanapahana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra” Izy, satria “napetraky ny Ray eo an-tongony ny zavatra rehetra” (Efez 1,20-22). I Kristy no Tompon’ izao tontolo izao voarindra[593] sy ny tantara. Ao Aminy, ny tantaran’ny olombelona, toy izany koa ny zavaboary rehetra, no voavondrona ho iray[594], no voatomombana mihoatra ny tsapa sy ny hita.  

669.Amin’ny maha-Tompo an’i Kristy, mbola Izy koa no Lohan’ny Fiangonana izay Vatany[595]. Nakarina any an-danitra sy nomem-boninahitra Izy, ka araka izany, nahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa nanirahana Azy, nefa mitoetra eto an-tany ao amin’ny Fiangonany. Ny Fanavotana no loharanon’ ny fahefana izay iasan’i Kristy ao amin’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina[596]. “Ny fanjakan’i Kristy dia efa eo amin’ny Fiangonana amin’ny fomba mistery”[597], “tsiry sy fanombohan’io Fanjakana io ety an-tany”[598]

670. Tafiditra amin’ny fahatontosany ny fandaharan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny Fiakarana any an-danitra. Efa ao amin’ny “ora farany” isika (1 Jo 2,18)[599]. “Efa tonga ho antsika àry izany ny fotoana farany. Efa azo tsy mimpody intsony ny fanavaozana an’izao tontolo izao, ary ny tena marina dia efa atao mialoha sahady ankehitriny : satria, efa eto an-tany ny Fiangonana no miravaka fahamasinana tsy mbola lavorary, nefa tena izy”[600]. Ny Fanjakan’i Kristy dia efa mampiseho sahady ny fisiany eto an-tany amin’ny alalan’ireo famantarana mampitolagaga[601] izay manampy ny fanambaràn’ny Fiangonana momba izany[602].

… eo am-piandrasana ny haneken’ny zavatra rehetra Azy 

671. Efa tonga ao amin’ny Fiangonany ny Fanjakan’i Kristy, nefa tsy mbola tontosa “amim-pahefana sy amim-boninahitra lehibe” (Lk 21,27)[603] amin’ny fahatongavan’ny Mpanjaka eto ambonin’ny tany. Mbola tafihan’ireo hery amam-pahefan’ny ratsy io Fanjakana io[604], na dia efa resy hatrany am-potony tamin’ny Pakan’i Kristy aza izy ireny. Mandra-pahatongan’ny zavatra rehetra hanaiky Azy[605], “mandra-pahatongan’ny fotoana izay hahatanterahan’ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao anjakan’ny fahamarinana, ny Fiangonana eo am-pivahiniana dia mitondra ao amin’ireo sakramentany sy ny rafi-pandaminany, izay ao anatin’izao fotoana izao, ny endriky ny fotoana rehetra izay mihelina ihany ; ny Fiangonana dia miaina rahateo eo anivon’ny zavaboary izay mbola mitoreo mandraka ankehitriny anatin’ny hirifirin’ny fiterahana ary miandry ny fampisehoana an’ireo zanak’Andriamanitra”[606]. Noho izany antony izany dia mivavaka ny kristianina, indrindra amin’ny fankalazana ny Eokaristia[607], mba hanafaingana ny fiverenan’i Kristy[608] indray amin’ny fiantsoana Azy hoe : “ Avia, ry Tompo” (Apôk 22,20)[609]

672. I Kristy, talohan’ny Fiakarany any an-danitra, dia nilaza marina fa tsy mbola izao no fotoanan’ny fananganana amim-boninahitra ny Fanjakan’ny Mesia nandrasan’i Israely[610], izay tsy maintsy hitondrana ho an’ny olombelona rehetra, araka ny voalazan’ny mpaminany[611], ny filaminana mandrakizay ao anatin’ny fahamarinana sy ny fitiavana ary ny fiadanana. Ny fotoana anio, araka ny Tompo, no fotoanan’ny Fanahy sy ny fijoroana vavolombelona[612], kanefa koa fotoana mbola isehoan’ny “fahasahiranana” (1 Kôr 7,26) sy ny fitsapan’ny ratsy[613] izay tsy mitsitsy ny Fiangonana[614] ary misantatra an’ireo ady atrehina amin’ny andro faramparany[615]. Koa fotoana fiandrasana sy fiaretan-tory izany[616].

Fanantenan’i Israely, ny fahatongavan’ny Tompo amim-boninahitra  

673. Nanomboka tamin’ny Fiakarana any an-danitra, dia antomotra[617] ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra, na dia “tsy antsika aza ny mahalala ny andro sy ny fotoana izay nalahatry ny Ray amin’ny fahefany irery” (Asa 1,7)[618]. Io fahatongavana any am-parany any io dia mety ho tanteraka na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona[619] na “voasakana” aza izy, dia izy sy ny fitsapan-toetra farany izay hialoha azy[620].

674. Mijanona eo amin’ny fotoana rehetra amin’ny tantara ny fahatongavan’ny Mesia enim-boninahitra[621], ho amin’ny fankatoavan’i Israely manontolo izany[622], izay “ny sasany manamafy ny fony”[623] amin’ny “tsy finoana” (Rôm 11,20) an’i Jesoa. Izao no tenin’i Md Piera tamin’ireo Jody tao Jerosalema taorian’ny Pantekôty : “Mivaloza sy mibebaha ianareo mba ho voafafa ny fahotanareo ary amin’izany no hampiavian’ny Tompo ny fotoam-pialan-tsasatra. Amin’izay, haniraka an’i Kristy voatendry ho anareo Izy, dia i Jesoa, ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha, mandra-pahatongan’ny andro fanavaozana manenika an’izao tontolo izao izay notenenin’Andriamanitra tamin’ny vavan’ireo mpaminaniny masina” (Asa 3,19-21). Ary hoy i Md Paoly mamerina ny voalazany : “Raha ny fanariana azy ireo àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana ny fandraisana azy ireo, tsy fiainana avy tao amin’ny fahafatesana va ?” (Rôm 11,15). Ny fidiran’ny hafenoan’ny Jody[624] ao amin’ny famonjen’ny Mesia, arahin’ny hafenoan’ny jentily[625] no hahatonga ny Vahoakan’Andriamanitra “hahatanteraka ny hafenoan’i Kristy” (Efez 4,13) ka ao amin’izany “Andriamanitra dia ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28).

Ny Fitsapan-toetra faran’ny Fiangonana 

675. Alohan’ny fahatongavan’i Kristy, dia tsy maintsy mandalo fitsapan-toetra farany, izay hanozongozona ny finoan’ny mpino maro be, ny Fiangonana[626]. Ny fanenjehana izay manjohy ny fivahiniany eto ambonin’ny tany[627], no hampiharihary ny “misterim-paharatsiana” amin’ny endriky ny famitahana ara-pivavahana mitondra vahaolana hita maso ho an’ny olona amin’ny olam-piainan’izy ireo, noho ny fivadiham-pinoana amin’ny marina Ny famitahana ara-pivavahana tampony dia ny an’ny Antikristy, izany hoe ny an’ny fampanantenana mesia sandoka izay ny olona ihany no manome voninahitra ny tenany eo amin’ny toeran’Andriamanitra sy ny Mesiany tonga nofo[628]

676.Izany famitahan’ny antikristy izany dia misoritra sahady eto amin’izao tontolo izao, isaky ny misy mihambo hanatanteraka amin’ny tantara ny fanantenana mesia izay tsy mety ho tontosa raha tsy any ankoatra ny tantara amin’ny alalan’ny fitsaràna any am-parany any : na amin’ny endriny efa somary nalefahana aza, dia tsipahin’ny Fiangonana io fisandohana ny Fanjakana ho avy io, izay mitondra anarana hoe  fanjakana arivo taona[629], indrindra amin’ny endrika pôlitikan’ny fampanantenana mesia tsy ara-pivavahana “mirakitra fahavetavetana ao anaty”[630]

677. Tsy hiditra ao amin’ny voninahitry ny Fanjakan’Andriamanitra ny Fiangonana, raha tsy amin’ilay Paka tampony izay hanarahany ny Tompony ao amin’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona[631]. Tsy amin’ny fandresena ara-tantara eo amin’ny Fiangonana araka ny fandrosoana miakatra izany no hahatanterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra[632], fa amin’ny fandresen’ Andriamanitra ny fitroatra faran’ny ratsy[633] izay hampidina avy any an-danitra ny Vadiny[634]. Ny fandresen-dehiben’Andriamanitra ny amin’ny fikomian’ny ratsy dia haka endriky ny Fitsaràna farany[635], aorian’ny fihovitrovitry ny  maha-izao tontolo izao voarindra an’ity tany mandalo ity[636].

II. Mba hitsara ny velona sy ny maty 

678.Taorian’ireo mpaminany[637] sy i Joany-Batista[638], no nanambaràn’i Jesoa tamin’ ny toriteniny, ny Fitsaràna amin’ny Farandro. Amin’izay no hiharihary ny fitondran-tenan’ny tsirairay[639] sy ny tsiambaratelon’ny fo maro[640]. Amin’izay no hanamelohana ny tsy finoana mahameloka izay nanao tsinontsinona ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra[641]. Ny fihetsika natao tamin’ny namana no hampiharihary ny fandraisana na ny fandavana ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra[642]. Hilaza i Jesoa amin’ny farandro hoe : “Izay rehetra nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto, dia Izaho no nanaovanareo an’izany” (Mt 25,40).

679. Tompon’ny fiainana mandrakizay i Kristy. Ny zo feno hitsara tanteraka ny tsanganasa sy ny fon’ny olombelona dia anjarany, amin’ny maha-Mpanavotra an’izao tontolo izao Azy. “Azony” tamin’ny Hazofijaliany io zo io. Ny Ray koa moa “nanome ny Zanaka ny fitsaràna manontolo” (Jo 5,22)[643]. Kanefa, tsy tonga mba hitsara ny Zanaka, fa mba hamonjy[644] sy mba hanome ny fiainana izay ao Aminy[645]. Amin’ny fandavana ny fahasoavana ao amin’izany fiainana izany no mitsara tena sahady ny tsirairay[646], raisiny araka ny tsanganasany[647] ary mety hamery mandrakizay ny tenany aza amin’ny fandavana ny Fanahin’ ny fitiavana[648].

 

FAMINTINANA

680. Efa manjaka sahady amin’ny alalan’ny Fiangonana, i Kristy Tompo, kanefa tsy mbola eo ambany fahefany avokoa ny zava-drehetra amin’izao tontolo izao. Tsy ho tonga ny fandresen-dehibe ny Fanjakan’i Kristy raha tsy misy aloha famelezana mahery vaika faramparany ataon’ny hery amam-pahefan’ny ratsy.

681. Amin’ny Andro Fitsaràna, amin’ny faran’izao tontolo izao, no ho avy amim-boninahitra i Kristy, mba hanatontosa ny tena fandresen’ny tsara ny ratsy izay hiara-mitombo tahaka ny voa tsara sy ny ahi-dratsy, mamakivaky ny tantara.

682. Amin’ny hahatongavany amin’ny farandro hitsara ny velona sy ny maty i Kristy be voninahitra, dia hanambara ny ao am-po tsy miloaka, ary hamaly ny isam-batan’olona araka ny tsanganasany avy, sy araka izay nandraisany na nandavany ny fahasoavana.

 
 
[1] jer. Mk 1,1.
[2] jer. Lk 1,68.
[3] jer. Lk 1,55.
[4] jer. Mt 16,18;  Md Léon le Grand, serm. 4,3; 51,1; 62,2; 83,3.
[5] CT 5.
[6] Ibid.5
[7] Ibid., 6.
[8] jer. Lk 1,31.
[9] jer. Sal 51,6.
[10] jer. Sal 51,11.
[11] jer. Sal 79,9.
[12] jer. Asa 5,41; 3 Jo 7.
[13] jer. Jo 3,18; Asa 2,21.
[14] jer. Rôm 10,6-13.
[15] jer. Asa 9,14;  Jak 2,7.
[16] jer. Lev 16,15-16; Ekl 50,22; Heb 9,7.
[17] jer. Eks 25,22; Lev 16,2; Fan 7,89; Heb 9,5.
[18] jer. Jo 12,28.
[19] jer. Asa 16,16-18; 19,13-16.
[20] jer. Mk 16,17.
[21] jer. Jo 15,16.
[22] P. Doncoeur sy Y. Lanhers, La réhabilitation de Jeanne la Pucelle, p.39, 45, 56.
[23] jer. 1 Sam 9,16; 10,1; 16,1.12-13; 1 Mpanj 1,39.
[24] jer. Eks 29,7; Lev 8,12.
[25] jer. 1 Mpanj 19,16.
[26] jer. Sal 2,2;  Asa 4,26-27.
[27] jer. Iz 11,2.
[28] jer. Zak 4,14; 6,13.
[29] jer. Iz  61,1; Lk 4,16-21.
[30] jer. Lk 1,35.
[31] jer. Rôm 1,3; 2 Tim 2,8; Apôk 22,16.
[32] Md Irénée, haer. 3,18, 3.
[33] jer. Mk 1,24; Jo 6,70; Asa 3,14.
[34] jer. Mt 2,2; 9,27; 12,23; 15,22; 20,30; 21,9.15.
[35] jer. Jo 4,25-26; 11,27.
[36] jer. Mt 22,41-46.
[37] jer. Jo 6,15; Lk 24,21.
[38] jer. Mt 16,16-23.
[39] jer. Jo 6,63;  Dan 7,13.
[40] jer. Iz 53,10-12.
[41] jer. Jo 19,19-22;  Lk 23,39-43.
[42] jer. Det  (LXX) 32,8;  Jôba 1,6.
[43] jer. Eks 4,22; Ôs 11,1; Jer 3,19; Ekl 36,14; Fah 18,13.
[44] jer. Det 14,1; Ôs 2,1.
[45] jer. 2 Sam 7,14; Sal 82,6.
[46] jer. 1 Tan 17,13; Sal 2,7.
[47] jer. Mt 27,54.
[48] jer. Lk 23,47.
[49] jer. 1 Tes 1,10.
[50] jer. Jo 20,31.
[51] jer. Mt 16,18.
[52] jer. Mt 26,64; Mk 14,62.
[53] jer. Mt 11,27; 21,37-38.
[54] jer. Mt 21,34-36.
[55] jer. Mt 24,36.
[56] jer. Mt 5,48; 6,8; 7,21; Lk 11,13.
[57] jer. Mt 3,17; 17,5.
[58] jer. Jo 10,36.
[59] jer. Asa 13,33.
[60] jer. Eks 3,14.
[61] jer. 1 Kôr 2,8.
[62] jer. Mt 22,41-46 ; jer. koa Asa 2,34-36;  Heb 1,13.
[63] jer. Jo 13,13.
[64] jer. Mt 8,2; 14,30; 15,22; sns
[65] jer. Lk 1,43; 2,11.
[66] jer. Asa 2,34-36.
[67] jer. Rôm 9,5; Tito 2,13; Apôk 5,13.
[68] jer. Rôm 10,9; 1 Kôr 12,3; Filip 2,9-11.
[69] jer. Apôk 11,15.
[70]jer. Mk 12,17;  Asa 5,29.
[71] FAA 10, § 2;  jer. koa 45, § 2.
[72] jer. Jo 1,14.18; 3,16.18.
[73] jer. Jo 1,1.
[74] jer. Asa 8,37; 1 Jo 2,23.
[75] DS 150.
[76] Md Grégoire de Nysse, or. Catech. 15.
[77] jer. Det 6,4-5.
[78] jer. Mk 8,34.
[79] Md Irénée, haer. 3, 19, 1.
[80] Md Athanase, inc. 54, 3.
[81] Md Thomas d’A., opusc. 57 in  festo Corp. Chr. 1.
[82] jer. LH, tonon-kira amin’ny Vavaka harivan’ny  alahady.
[83] jer. 1 Jo 4,2-3;  2 Jo 7.
[84] DS 125.
[85] DS 130.
[86] DS 126.
[87] DS 250.
[88] DS 251.
[89] jer. Heb 4,15.
[90] DS 301-302.
[91] DS 424.
[92] jer. efa tamin’ny Kôns. Ephèse : DS 255.
[93] jer. DS 423.
[94] DS 432.
[95] In Solemnitate Sanctae Dei Genetricis Mariae ;  jer. Md Léon le Grand, serm. 21,2.
[96] Tononkalom-pivavahana : « O monoghenis ».
[97] FAA 22, §2.
[98] jer. Jo 14,9-10.
[99] FAA 22, §2.
[100] jer. DS 149.
[101] jer. Mk 6,38;  Mk 8,27;  Jo 11,34;  sns.
[102] jer. Md Grégoire le Grand, ep. 10,39 : DS 475.
[103] Md Maxime le Confesseur, qu. dub. 1,67.
[104] jer. Mk 14,36;  Mt 11,27;  Jo 1,18;  8,55; sns.
[105] jer. Mk 2,8;  Jo 2,25;  6,61;  sns.
[106] jer. Mk 8,31; 9,30; 10,33-34; 14,18-20.26-30.
[107] jer. Mk 13,32.
[108] jer. Asa 1,7.
[109] jer. Kôns. Constantinople III, taona 681 : DS 556-559.
[110] DS 556.
[111] jer. Kôns. Latran, taona 649 : DS 504.
[112]  jer. Gal 3,1.
[113] jer. Kôns. Nicée II, taona 787 : DS 600-603.
[114] Vavaka Prefasy amin’ny Noely.
[115] Kôns. Nicée II : DS 601.
[116] jer. Jo 19,34.
[117] Pie XII, Enc. « Haurietis aquas » : DS 3924;  jer. DS 3812.
[118] jer. Jo 16,14-15.
[119] jer. Mt 1,20;  Lk 1,35.
[120] jer. Lk 2,8-20.
[121] jer. Mt 2,1-12.
[122] jer. Jo 1,31-34.
[123] jer. Jo 2,11.
[124] jer. Heb 10,5.
[125] FF 56;  jer. koa 61.
[126] jer. Jen 3,15.
[127] jer. Jen 3,20.
[128] jer. Jen 18,10-14; 21,1-2.
[129] jer. 1 Kôr 1,27.
[130] jer. 1 Sam 1.
[131] FF 55.
[132] FF 56.
[133] Lk 1,28.
[134] jer. Lk 1,28.
[135] DS 2803.
[136] FF 56.
[137] FF 53.
[138] FF 56.
[139] jer. Lk 1,28-37.
[140] jer. FF 56.
[141] Haer. 3, 22, 4.
[142] jer. ibid.
[143] FF 56.
[144] jer. Mt 13,55.
[145] jer. DS 251.
[146] jer. DS 10-64.
[147] Kôns. Latran, taona 649 : DS 503.
[148] jer. Rôm 1,3.
[149] jer. Jo 1,13.
[150] Smyrn. 1-2.
[151] jer. Mt 1,18-25;  Lk 1,26-38.
[152] jer. Lk 1,34.
[153] jer. Md Justin, dial. 66-67;  Origène, Cels. 1,32;   ibid., 1, 69; snm.
[154] DS 3016.
[155] Md Ignace d’Antioche, Eph. 19,1;  jer. koa 1 Kôr 2,8.
[156] jer. DS 427.
[157] jer. DS 291; 294; 442; 503; 571; 1880.
[158] FF 57.
[159] jer. FF 52.
[160] jer. Mk 3,31-35; 6,3; 1 Kôr 9,5; Gal 1,19.
[161] jer. Mt 27,56.
[162] jer. Jen 13,8;  14,16;  29,15; sns.
[163] jer. Jo 19,26-27;  Apôk 12,17.
[164] FF 63.
[165] jer. Lk 2,48-49.
[166] Kôns. Frioul, taona 796 : DS 619.
[167] jer. 1 Kôr 15,45.
[168] jer. Kôl  1,18.
[169] jer. Jo 3,9.
[170] jer. 2 Kôr 11,2.
[171] FF 63.
[172] jer. 1 Kôr 7,34-35.
[173] Md Augustin, virg. 3.
[174] jer. FF 63.
[175] FF 64.
[176] L. 103.
[177] Md Augustin, serm. 186,1.
[178] FF 56.
[179] Md Thomas d’A., s. th. 3, 30, 1.
[180] jer. Jo 20,30.
[181] jer. Mk 1,1;  Jo 21,24.
[182] jer. Lk 2,7.
[183] jer. Mt 27,48.
[184] jer. Jo 20,7.
[185] jer. Jo 14,9.
[186] jer. Heb 10,5-7.
[187] jer. Efez 1,7;  Kôl  1,13-14 (Volg.);  1 Pi 1,18-19.
[188] jer. 2 Kôr  8,9.
[189] jer. Lk 2,51.
[190] jer. Jo 15,3.
[191] jer. Iz 53,4.
[192] jer. Rôm 4,25.
[193] Md Irénée, haer. 3, 18, 1.
[194] Ibid. 3, 18, 7;  jer. koa 2, 22, 4.
[195] RH 11.
[196] Sembolin’i  Nicée-Constantinople, DS 150.
[197] jer. Rôm 15,5;  Filip 2,5.
[198] FAA 38.
[199] jer. Jo 13,15.
[200] jer. Lk 11,1.
[201] jer. Mt 5,11-12.
[202] FAA 22, § 2.
[203] Md Jean Eudes, regn.
[204]  jer. Heb 9,15.
[205] jer. Asa 13,24.
[206] jer. Mt 3,3.
[207] jer. Lk 7,26.
[208] jer. Mt 11,13.
[209] jer. Asa 1,22;  Lk 16,16.
[210] jer. Lk  1,41.
[211] jer. Mk  6,17-29.
[212] jer. Apôk 22,17.
[213] jer. Lk 2,6-7.
[214] jer. Lk 2,8-20.
[215] Kontakion de Romanos le Mélode.
[216] jer. Mt 18,3-4.
[217] jer. Mt 23,12.
[218]jer. Jo 1,13.
[219] jer. Gal 4,19.
[220] LH, sasin-kira amin’ny herinandro aorian’ny Noely.
[221] jer. Lk 2,21.
[222] jer. Gal 4,4.
[223] jer. Kôl 2,11-13.
[224] jer. LH, sasin-kiran’ny Tonon-kiran’i Maria, Vavaka hariva faharoa amin’ny Epifania.
[225] jer. Mt 2,1.
[226] jer. Mt 2,2.
[227] jer. Fan 24,17;  Apôk 22,16.
[228] jer. Fan 24,17-19.
[229] jer. Jo 4,22.
[230] jer. Mt 2, 4-6.
[231] Md Léon le Grand, serm. 33, 3.
[232] MR, Vigile Pascale 26 : vavaka aorian’ny vakiteny fahatelo.
[233] jer. Lk 2,22-39.
[234] jer. Eks 13,12-13.
[235] jer. Mt 2,13-18.
[236] jer. Jo 15,20.
[237] jer. Mt 2,15.
[238] jer. Ôs 11,1.
[239] jer. Gal 4,4.
[240] jer. Lk 2,51.
[241] jer. Rôm 5,19.
[242] Paoly VI, lahateny tamin’ny faha-5 janoary 1964 tao Nazareta.
[243] jer. Lk 2,41-52.
[244] jer. Lk 3,23.
[245] jer. Asa 1,22.
[246] jer. Lk 3,10-14.
[247] jer. Mt 3,7.
[248] jer. Mt 21,32.
[249] jer. Iz 53,12.
[250] jer. Mk 10,38 ; Lk 12,50.
[251] jer. Mt 26,39.
[252] jer. Lk 3,22 ; Iz 42,1.
[253] jer. Jo 1,32-33 ; Iz 11,2.
[254] Md Grégoire de Naz., or.40,9.
[255] Md Hilaire, Mt. 2,6.
[256] jer. Mk 1,13.
[257] jer. Sal 95,10.
[258] jer. Mk 3,27.
[259] jer. Mt 16,21-23.
[260] FF 3.
[261] FF 2.
[262] FF 5.
[263] jer. FF 3.
[264] jer. Mt 10,5-7.
[265] jer. Mt 8,11; 28,19.
[266] FF 5.
[267] jer. Lk 7,22.
[268] jer. Mt 11,25.
[269] jer. Mk 2,23-26 ; Mt 21,18.
[270] jer. Jo 4,6-7 ; 19,28.
[271] jer. Lk 9,58.
[272] jer. Mt 25,31-46.
[273] jer. 1 Tim 1,15.
[274] jer. Lk 15,11-32
[275] jer. Mk 4,33-34.
[276] jer. Mt 22,1-14.
[277] jer. Mt 13,44-45.
[278] jer. Mt 21,28-32.
[279] jer. Mt 13,3-9.
[280] jer. Mt 25,14-30.
[281] jer. Mt 13,10-15.
[282] jer. Lk 7,18-23.
[283] jer. Jo 5,36 ; 10,25.
[284] jer. Jo 10,38.
[285] jer. Mk 5,25-34 ; 10,52 ; sns.
[286] jer. Jo 10,31-38.
[287] jer. Mt 11,6.
[288] jer. Jo 11,47-48.
[289] jer. Mk 3,22.
[290] jer. Jo 6,5-15.
[291] jer. Lk 19,8.
[292] jer. Mt 11,5.
[293] jer. Lk 12,13-14 ; Jo 18,36.
[294] jer. Jo 8,34-36.
[295] jer. Mt 12,26.
[296] jer. Lk 8,26-39.
[297] Antsa « Vexilla Regis ».
[298] jer. Mk 3,13-19.
[299] jer. Mk 3,16 ; 9,2 ; Lk 24,34 ; 1 Kôr 15,5.
[300] jer. Mt 16,16.
[301] jer. Lk 22,32.
[302] jer. Mt 18,18.
[303] jer. Mt 16,22-23.
[304] jer. Mt 17,23 ; Lk 9,45.
[305] jer. Mt 17,1-8 // ; 2 Pi 1,16-18.
[306] jer. Lk 24,27.
[307] jer. Iz  42,1.
[308] Md Thomas d’A., s.th. 3,45, 4,ad 2.
[309] Litorzia bizantinina, « Kontakion »’ny fetin’ny Fiovan-tarehy.
[310] Md Thomas d’A. s.th. 3,45,4,ad 2.
[311] jer. Lk 9,33.
[312] Md Augustin, serm. 78,6.
[313] jer. Jo 13,1.
[314] jer. Mk 8,31-33 ; 9,31-32 ; 10,32-34.
[315] jer. Mt 23,37a.
[316] jer. Lk 19,41.
[317] jer. Jo 6,15.
[318] jer. Mt 21,1-11.
[319] jer. Jo 18,37.
[320] jer. Mt 21,15-16 ; Sal 8,3.
[321] jer. Lk 19,38 ; 2,14.
[322] CT 9.
[323] jer.Gal 4,19.
[324] FF 7.
[325] FF 5.
[326] Md Léon le Grand, serm. 51,3.
[327] jer. Heb 12,3.
[328] jer. Lk 24,27.44-45.
[329] jer. FA 19.
[330] jer. Mk 3,6.
[331] jer. Mt 12,24.
[332] jer. Mk 2,7.
[333] jer. Mk 3,1-6.
[334] jer. Mk 7,14-23.
[335] jer. Mk 2,14-17.
[336] jer. Mk 3,22 ; Jo 8,48 ; 10,20.
[337] jer. Mk 2,7 ; Jo 5,18 ; 10,33.
[338] jer. Jo 7,12 ; 7,52.
[339] jer. Jo 8,59 ; 10,31.
[340] jer. Lk 2,34.
[341] jer. Jo 1,19 ; 2,18 ; 5,10 ; 7,13 ; 9,22 ; 18,12 ; 19,38 ; 20,19.
[342] jer. Jo 7,48-49.
[343] jer. Lk 13,31.
[344] jer. Lk 7,36 ; 14,1.
[345] jer. Mt 22,23-34 ; Lk 20,39.
[346] jer. Mt 6,2-18.
[347] jer. Mk 12,28-34.
[348] jer. Jo 8,46.
[349] jer. Jo 7,19 ; Asa 13,38-41 ; 15,10.
[350] jer. Gal 3,10 ; 5,3.
[351] jer. Rôm 10,2.
[352] jer. Mt 15,3-7 ; Lk 11,39-54.
[353] jer. Iz 53,11 ; Heb 9,15.
[354] jer. Gal 4,4.
[355] jer. Gal 3,10.
[356] jer. Jo 11,28 ; 3,2 ; Mt 22,23-24.34-36.
[357] jer. Mt 12,5 ; 9,12 ; Mk 2,23-37 ; Lk 6,6-9 ; Jo 7,22-23.
[358] jer. Mt 5,1.
[359] jer. Mk 7,8.
[360] jer. Mk 7,13.
[361] jer. Gal 3,24.
[362] jer. Jo 5,36 ; 10,25.37-38 ; 12,37.
[363] jer. Mk 2,25-27 ; Jo 7,22-24.
[364] jer. Mt 12,5 ; Fan 28,9.
[365] jer. Lk 13,15-16 ; 14,3-4.
[366] jer. Lk 2,22-39.
[367] jer. Lk 2,46-49.
[368] jer. Lk 2,41.
[369] jer. Jo 2,13-14 ; 5,1.14 ; 7,1.10.14 ; 8,2 ; 10,22-23.
[370] jer. Mt 21,13.
[371] jer. Asa 2,46 ; 3,1 ; 5,20.21 ; sns.
[372] jer. Mt 24,1-2.
[373] jer. Mt 24,3 ; Lk 13,35.
[374] jer. Mk 14,57-58.
[375] jer. Mt 27,39-40.
[376] jer. Mt 8,4 ; 23,21 ; Lk 17,14 ; Jo 4,22.
[377] jer. Jo 18,20.
[378] jer. Mt 17,24-27.
[379] jer. Mt 16,18.
[380] jer. Jo 2,21 ; Mt 12,6.
[381] jer. Jo 2,18-22.
[382] jer. Jo 4,23-24 ; Mt 27,51 ; Heb 9,11 ; Apôk 21,22.
[383] jer. Lk 2,34.
[384] jer. Lk 20,17-18 ; Sal 118,22.
[385] jer. Lk 5,30.
[386] jer. Lk 7,36 ; 11,37 ; 14,1.
[387] jer. Jo 7,49 ; 9,34.
[388] jer. Jo 8,33-36.
[389] jer. Jo 9,40-41.
[390] jer. Mt 9,13 ; Ôs 6,6.
[391] jer. Lk 15,1-2.
[392] jer. Lk 15,23-32.
[393] jer. Jo 5,18 ; 10,33.
[394] jer. Jo 17,6.26.
[395] jer. Mt 12,6.
[396] jer. Mt 12,36-37.
[397] jer. Jo 10,36-38.
[398] jer. Jo 3,7.
[399] jer. Jo 6,44.
[400] jer. Iz 53,1.
[401] jer. Mk 3,6 ; Mt 26,64-66.
[402] jer. Lk 23,34 ; Asa 3,17-18.
[403] jer. Mk 3,5 ; Rôm 11,25.
[404] jer. Rôm 11,20.
[405] jer. Mt 5,17-19.
[406]  jer. Jo 8,46.
[407]  jer. Mt 5,33.
[408]  jer. Heb 9,15.
[409]  jer. Jo 5,16-18.
[410] jer. Jo 1,14.
[411] jer. Jo 10,33.
[412] jer. Jo 7,50.
[413] jer. Jo 19,38-39.
[414] jer. Jo 9,16-17 ; 10,19-21.
[415] jer. Jo 9,16 ; 10,19.
[416] jer. Jo 9,22.
[417] jer.Mt 26,66.
[418] jer. Jo 18,31.
[419] jer. Lk 23,2.
[420] jer. Jo 19,12.15.21.
[421] jer. Mk 15,11.
[422] jer. Asa 2,23.36 ; 3,13-14 ; 4,10 ; 5,30 ; 7,52 ; 10,39 ; 13,27-28 ; 1 Tes 2,14-15.
[423] jer. Lk 23,34.
[424] jer. Asa 3,17.
[425] jer. Asa 5,28 ; 18,6.
[426] FFTK 4.
[427] Kat. R. 1,5,11 ; jer. koa Heb 12,3.
[428]jer. Mt  25,45 ; Asa 9,4-5.
[429] Kat. R. 1,5,11.
[430] Md François d’Assise, admon. 5,3.
[431] jer. Asa 3,13.
[432] jer. Sal 2,1-2.
[433] jer. Mt 26,54 ; Jo 18,36 ; 19,11.
[434] jer. Asa 3,17-18.
[435] jer. Iz 53,11 ; Asa 3,14.
[436] jer. Iz 53,11-12 ; Jo 8,34-36.
[437] jer. 1 Kôr 15,3.
[438] jer. koa Asa 3,18 ; 7,52 ; 13,29 ; 26,22-23.
[439] jer. Iz 53,7-8 sy Asa 8,32-35.
[440] jer. Mt 20,28.
[441] jer. Lk 24,25-27.
[442] jer. Lk 24,44-45.
[443] jer. Rôm 5,12 ; 1 Kôr 15,56.
[444] jer. Filip 2,7.
[445] jer. Rôm 8,3.
[446] jer. Jo 8,46.
[447] jer. Jo 8,29.
[448] jer. Sal 22,1.
[449] jer. Jo 4,19.
[450] jer. Rôm 5,18-19.
[451] jer. 2 Kôr 5,15 ; 1 Jo 2,2.
[452] Kôns. Quiercy tamin’ny 853 : DS 624.
[453] jer. Jo 6,38.
[454] jer. Lk 12,50 ; 22,15 ; Mt 16,21-23.
[455] jer. Lk 3,21 ; Mt 3,14-15.
[456] jer. Jo 1,29.36.
[457] jer. Iz 53,7 ; Jer 11,19.
[458] jer. Iz 53,12.
[459] jer. Eks 12,3-14 ; Jo 19,36 ; 1 Kôr 5,7
[460] jer. Mk 10,45.
[461] jer. Heb 2,10.17-18 ; 4,15 ; 5,7-9.
[462] jer. Jo 18,4-6 ; Mt 26,53.
[463] jer. Mt 26,20.
[464] jer. 1 Kôr 5,7.
[465] jer. 1 Kôr 11,25.
[466] jer. Lk 22,19.
[467] jer. Kôns. Trente : DS 1752 ; 1764.
[468] jer. Lk 22,20.
[469] jer. Mt 26,42.
[470] jer. Heb 5,7-8.
[471] jer. Ibid. 4,15.
[472] jer. Rôm 5,12.
[473] jer. Jo 1,4 ; 5,26.
[474] jer. Mt 26,42.
[475] jer. 1 Kôr 5,7 ; Jo 8,34-36.
[476] jer. Jo 1,29 ; 1 Pi 1,19.
[477] jer. 1 Kôr 11,25.
[478] jer. Eks 24,8.
[479] jer. Mt 26,28 ; Lev 16,15-16.
[480] jer. Heb 10,10.
[481] jer. 1 Jo 4,10.
[482] jer. Jo 10,17-18.
[483] jer. Jo 15,13.
[484] jer. Heb 9,14.
[485] jer. Iz 53,10-12.
[486] jer. Kôns Trente : DS 1529.
[487] jer. Jo 13,1.
[488] jer. Gal 2,20 ; Efez 5,2.25.
[489] DS 1529.
[490] jer. Heb 5,9.
[491] Antsa « Vexilla Regis ».
[492] jer. 1 Tim 2,5.
[493] FAA 22, §2.
[494] FAA 22, §5.
[495] jer. Mt 16,24.
[496] jer. 1 Pi 2,21.
[497] jer. Mk 10,39 ; Jo 21,18-19 ; Kôl 1,24.
[498] jer. Lk 2,35.
[499] Mb Rose de Lima, vita.
[500] jer. 1 Pi 1,18.
[501] jer. Iz 53,10.
[502] jer. Iz 53,11 ; Rôm 5,19.
[503] jer. Jo 19,42.
[504] jer. Heb 4,4-9.
[505] jer. Jo 19,30.
[506] jer. Kôl 1,18-20.
[507] Md Grégoire de Nysse, or. Catech. 16.
[508] jer. Asa 3,15.
[509] jer. Lk 24,5-6.
[510] Md Jean Damascène, f.o. 3,27.
[511] Md Thomas d’A.,s.th. 3,51,3.
[512] jer. Sal 16,9-10.
[513] jer. Mt 12,40 ; Jo 2,1 ; Ôs 6,2.
[514] jer. Jo 11,39.
[515] jer. Kôl 2,12 ; Efez 5,26.
[516] jer. Heb 2,9.
[517] MR, Vigile Pascale 18 : Exsultet.
[518] jer. Asa 3,15 ; Rôm 8,11.
[519] jer. Heb 13,20.
[520] jer. 1 Pi 3,18-19.
[521] jer. Filip 2,10 ; Asa 2,24 ; Apôk 1,18 ; Efez 4,9.
[522] jer. Sal 6,6 ; 88,11-13.
[523] jer. Sal 89,49 ; 1 Sam 28,19 ; Ezek 32,17-32.
[524] jer. Lk 16,22-26.
[525] Kat. R. 1,6,3.
[526] jer. Kôns. Rôma tamin’ny 745 : DS 587.
[527] jer. DS 1011 ; 1077.
[528] jer. Kôns. Tolède IV tamin’ny 633 : DS 485 ; Mt 27,52-53.
[529] jer. Mt 12,40 ; Rôm 10,7 ; Efez 4,9.
[530] Toriteny fahiny fanao tamin’ny Sabotsy Masina.
[531] Litorzia bizantinina, Tononkalom-pivavahana amin’ny Paka.
[532] jer. Asa 9,3-18.
[533] jer. Jo 20,13 ; Mt 28,11-15.
[534] jer. Lk 24,3.22-23.
[535] jer. Lk 24,12.
[536] jer. Jo 20,5-7.
[537] jer. Jo 11,44.
[538] jer. Mk 16,1 ; Lk 24,1.
[539] jer. Jo 19,31.42.
[540] jer. Mt 28,9-10 ; Jo 20,11-18.
[541] jer. Lk 24,9-10.
[542] jer. 1 Kôr 15,5.
[543] jer. Lk 22,31-32.
[544] jer. Asa 1,22.
[545] jer. 1 Kôr 15,4-8.
[546] jer. Lk 22,31-32.
[547] jer. Jo 20,19.
[548] jer. Mk 16,11.13.
[549] jer. Lk 24,38.
[550] jer. Lk 24,39.
[551] jer. Jo 20,24-27.
[552] jer. Lk 24,39 ; Jo 20,27.
[553] jer. Lk 24,30.41-43 ; Jo 21,9.13-15.
[554] jer. Lk 24,39.
[555] jer. Lk 24,40 ; Jo 20,20.27.
[556] jer. Mt 28,9.16-17 ;  Lk 24,15.36 ; Jo 20,14.19.26 ; 21,4.
[557] jer. Jo 20,17.
[558] jer. Jo 20,14-15.
[559] jer. Jo 20,14.16 ; 21,4.7.
[560] jer. 1 Kôr 15,35-50.
[561] Vigilia Paschalis, Praeconium Paschale (« Exsultet »).
[562] jer. Jo 14,22.
[563] jer. Rôm 6,4 ; 2 Kôr 13,4 ; Filip 3,10 ; Efez 1,19-22 ; Heb 7,16.
[564] jer. Mk 8,31 ; 9,9.31 ; 10,34.
[565] Md Grégoire de Nysse, res.1 ; jer. koa DS 325 ; 359 ; 369 ; 539.
[566] jer. Lk 24,26-27.44-48.
[567] jer. Mt 28,6 ; Mk 16,7 ; Lk 24,6-7.
[568] jer. 1 Kôr 15,3-4 sy ny Sembolin’i Nicée-Constantinople, DS 150.
[569] jer. Sal 2,7.
[570] jer. Rôm 4,25.
[571] jer. Efez 2,4-5 ; 1 Pi 1,3.
[572] jer. Jo 20,17.
[573] jer. Kôl 3,1-3.
[574] jer. Rôm 6,4.
[575] jer. Rôm 8,11.
[576] jer. Lk 24,31 ; Jo 20,19.26.
[577] jer. Asa 10,41.
[578] jer. Asa 1,3.
[579] jer. Mk 16,12 ; Lk 24,15 ; Jo 20,14-15 ; 21,4.
[580] Jer Asa 1,9 ; jer. koa Lk 9,34-35 ; Eks 13,22.
[581] jer. Lk 24,51.
[582] jer. Mk 16,19 ; Asa 2,33 ; 7,56 ; jer. koa Sal 110,1.
[583] jer. 1 Kôr 9,1 ; Gal 1,16.
[584] jer. Jo 16,28.
[585] jer. Efez 4,8-10.
[586] jer. Jo 14,2.
[587] MR, Prefasin’ny Fiakarana any an-danitra.
[588] jer. Apôk 4,6-11.
[589] Md Jean Damascène, f.o. 4,2.
[590] Sembolin’i Nicée-Constantinople.
[591] jer. Asa 1,11.
[592] jer. Kôl 3,3.
[593] jer. Efez 4,10 ; 1 Kôr 15,24.27-28.
[594] jer. Efez 1,10.
[595] jer. Efez 1,22.
[596] jer. Efez 4,11-13.
[597] FF 3.
[598] FF 5.
[599] jer. 1 Pi 4,7.
[600] FF 48.
[601] jer. Mk 16,17-18.
[602] jer. Mk 16,20.
[603] jer. Mt 25,31.
[604] jer. 2 Tes 2,7.
[605] jer. 1 Kôr 15,28.
[606] FF 48.
[607] jer. 1 Kôr 11,26.
[608] jer. 2 Pi 3,11-12.
[609] jer. 1 Kôr 16,22 ; Apôk 22,17.
[610] jer. Asa 1,6-7.
[611] jer. Iz 11,1-9.
[612] jer. Asa 1,8.
[613] jer. Efez 5,16.
[614] jer. 1 Pi 4,17.
[615] jer. 1 Jo 2,18 ; 4,3 ; 1 Tim 4,1.
[616] jer. Mt 25,1-13 ; Mk 13,33-37.
[617] jer. Apôk 22,20.
[618] jer. Mk 13,32.
[619] jer. Mt 24,44 ; 1 Tes 5,2.
[620] jer. 2 Tes 2,3-12.
[621] jer. Rôm 11,31.
[622] jer. Rôm 11,26 ; Mt 23,39.
[623] jer. Rôm 11,25.
[624] jer. Rôm 11,12.
[625] jer. Rôm 11,25 ; Lk 21,24.
[626] jer. Lk 18,8; Mt 24,12.
[627] jer. Lk 21,12 ; Jo 15,19-20.
[628] jer. 2 Tes 2,4-12 ; 1 Tes 5,2-3 ; 2 Jo 7 ; 1 Jo 2,18.22.
[629] jer. DS 3839.
[630] jer. Pie XI, ansikl. « Divini Redemptoris » nanameloka ny «faux mysticisme » an’io « hala-tahaka ny amin’ny fanavotana ny manetry tena sy ny mahantra » io ; FAA 20-21. 
[631] jer. Apôk 19,1-9.
[632] jer. Apôk 13,8.
[633] jer. Apôk 20,7-10.
[634] jer. Apôk 21,2-4.
[635] jer. Apôk 20,12.
[636] jer. 2 Pi 3,12-13.
[637] jer. Dan 7,10 ; Joely 3-4 ; Mal 3,19.
[638] jer. Mt 3,7-12.
[639] jer. Mk 12,38-40.
[640] jer. Lk 12,1-3 ; Jo 3,20-21 ; Rôm 2,16 ; 1 Kôr 4,5.
[641] jer. Mt 11,20-24 ; 12,41-42.
[642] jer. Mt 5,22 ; 7,1-5.
[643] jer. 5,27 ; Mt 25,31 ; Asa 10,42 ; 17,31 ; 2 Tim 4,1.
[644] jer. Jo 3,17.
[645] jer. Jo 5,26.
[646] jer. Jo 3,18 ; 12,48.
[647] jer. 1 Kôr 3,12-15.
[648] jer. Mt 12,32 ; Heb 6,4-6 ; 10,26-31.
 

 

top