The Holy See
back up
Search
riga

ANDALANA 10

Izaho mino ny famelana ny fahotana

 

976.Mampifamatotra ny finoana ny famelana ny fahotana amin’ny finoana ny Fanahy Masina ny Sembolin’ny ap˘st˘ly, ary koa amin’ny finoana ny Fiangonana sy amin’ny fiombonan’ny olomasina. Tamin’ny nanomezany ny Fanahy Masina ny ap˘st˘liny i Kristy tafatsangan-ko velona no nanome azy ireo ny fahefana maha-Andriamanitra ny Tenany mamela ny fahotana : “Raiso ny Fanahy Masina. Ireo izay havelanareo ny fahotany dia ho voavela amin’izany izy ireo ; ireo izay hotananareo izany, dia ho voatana amin’izany izy ireo” (Jo 20, 22-23).

(Ny fizarana faharoa amin’ny Katesizy no hamelabelatra mazava tsara ny amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Batemy, amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana ary amin’ny alalan’ny sakramenta hafa, indrindra ny Eokaristia. Ampy Óry ny mampahatsiahy fohifohy eto, ny foto-kevitra vitsivitsy iaingana).

 

I. Batemy tokana ho amin’ny famelana ny fahotana

977. Ny Tompontsika dia mampifamatotra ny famelana ny fahotana amin’ny finoana sy amin’ny Batemy : “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Vaovao Mahafaly amin’ny voary manontolo. Izay hino ka hatao batemy dia ho voavonjy” (Mk 16,15-16). Ny Batemy no voalohany sy lehibe indrindra amin’ny sakramentan’ny famelana ny fahotana, satria izy no mampiray antsika amin’i Kristy maty noho ny fahotantsika, nitsangan-ko velona ho fanamarinana antsika[1], mba “hivelomantsika ihany koa amin’ny fiainam-baovao” (R˘m 6, 4).

978. “Tamin’ny fotoana nanaovantsika ny fiekem-pinoantsika voalohany, rahefa nandray ny Batemy masina izay  nanadio antsika isika, dia feno sy manontolo tokoa ny famelana ny fahotantsika, hany ka tsy misy na inona na inona hofafana intsony ao amintsika, na ny avy amin’ny fahotana tamin’ny fototra, na ny avy amin’ny fahotana niniantsika natao, ary tsy misy sazy na iray aza hiaretana mba hanonerana izany (…). Kanefa na izany aza, tsy manafaka ny kileman’ny maha-olona ny fahasoavan’ny Batemy. Vao mainka aza isika mbola miady amin’ny fitaoman’ny fanirian-dratsy izay tsy mitsahatra mandrisika antsika ho amin’ny ratsy”[2].

979. Amin’izany adin’ny fironana amin’ny ratsy izany, iza no ampy herim-po sy fitandremana mba ho afaka amin’ny ratram-pahotana rehetra ? “Araka izany, raha ilaina ny hananan’ny Fiangonana ny fahefana hamela ny fahotana, dia tsy tokony ho ny Batemy koa ho azy no hany fitaovana ampiasaina amin’ireo fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra izay noraisiny tamin’i Jesoa-Kristy ; tokony ho afaka mamela ny fahadisoan’ireo mpibebaka rehetra izy, na dia hanota aza izy ireo hatramin’ny faran’ny androm-piainan’izy ireo”[3]

980. Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fivalozana no ahafahan’ny vita batemy mihavana indray amin’Andriamanitra sy amin’ny Fiangonana :

Marina ny an’ireo Aba miantso ny fivalozana hoe “Batemy miasa mafy”[4]. Io sakramentan’ ny Fivalozana io, ho an’ireo izay lavo indray taorian’ny Batemy, dia ilaina ho amin’ny famonjena, tahaka ny ilana ny Batemy ho amin’izany koa, ho an’ireo izay tsy mbola nateraka indray[5]

 

II. Ny fahefan’ny fanalahidy  

981. I Kristy taorian’ny nitsanganany ho velona dia naniraka ny ap˘st˘liny “hitory amin’ny firenena rehetra ny fibebahana amin’ny anarany ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). Tsy ny fanambarÓna amin’ny olombelona ny famelan’Andriamanitra mendrika ho antsika amin’ny alalan’i Kristy, sy ny fiantsoana azy ireo hibebaka sy hino, no hany nanatanterahan’ny ap˘st˘ly sy ny dimbin’izy ireo izany “andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana” (2 K˘r 5,18) izany, fa koa ny fampitana amin’izy ireo ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny Batemy sy ny fampihavanana azy ireo amin’Andriamanitra sy ny Fiangonana, noho ny fahefan’ny fanalahidy noraisina avy amin’i Kristy : 
Nandray ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra ny Fiangonana, mba ho ao aminy no hamelana ny fahotana amin’ny alalan’ny ran’i Kristy sy ny asan’ny Fanahy Masina. Ao amin’io Fiangonana io no hahaveloman’ny fanahy indray, izay matin’ny fahotana, mba ho velona miaraka amin’i Kristy, izay ny fahasoavany no nahavonjy antsika[6].
982. Tsy misy hadisoana na dia iray aza, na toy inona halehibeny, ka tsy ho azon’ny Fiangonana Masina havela. “Tsy misy olona, na dia ratsy fanahy sy meloka toy inona tokoa aza izy, izay tsy tokony hanantena intsony ny famelana azy, raha toa ka avy ao am-po tokoa ny fanenenany”[7]. Sitrak’i Kristy izay maty ho an’ny olombelona rehetra, ny hisokafan’ny varavaran’ny famelana lalandava ao amin’ny Fiangonany, ho an’izay miala amin’ny fahotana na iza na iza[8]

983. Hiezaka ny katesezy hamohafoha sy hamelona ny finoan’ireo mpino, noho ny halehiben’ny fanomezana izay nataon’i Kristy nitsangan-ko velona ho an’ny Fiangonany : ny fanirahana sy ny fahefana hamela marina tokoa ny fahotana, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny ap˘st˘ly sy ny dimbin’izy ireo :

Sitraky ny Tompo ny hananan’ny mpianany fahefana lehibe dia lehibe : sitrany raha ny mpanompony mahantra no manatanteraka amin’ny anarany izay rehetra nataony fony Izy teto an-tany[9].

Nandray ny fahefana izay tsy nomen’Andriamanitra na tamin’ny anjely na tamin’ny arkanjely ny Pretra. (…) Ataon’Andriamanitra any ambony any manan-kery izay rehetra ataon’ny Pretra eto an-tany[10].

Raha tsy nisy ny famelana ny fahotana ao amin’ny Fiangonana, tsy hisy fanantenana na kely aza, ary tsinontsinona ny fanantenana ny fiainana mandrakizay sy ny fanafahana mandrakizay. Isaorantsika Andriamanitra izay nanome ho an’ny Fiangonany ny fanomezana toy izany[11].

 

FAMINTINANA

984. Ny Izaho mino dia mampifandray ny  famelana ny fahotana sy ny fiekem-pinoana momba ny Fanahy Masina. Satria, nankinin’i Kristy nitsangan-ko velona tamin’ny ap˘st˘ly ny fahefana hamela ny fahotana tamin’ny nanomezany azy ireo ny Fanahy Masina.

985. Ny Batemy no sakramenta voalohany sady fototra amin’ny famelana ny fahotana : mampiray antsika amin’i Kristy maty sy nitsangan-ko velona izany, ary manome antsika ny Fanahy Masina.

986. Avy amin’ny sitrapon’i Kristy no ananan’ny Fiangonana ny fahefana hamela ny fahotan’ny vita batemy, ary amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretra no fomba mahazatra anatanterahany izany amin’ny sakramentan’ ny fivalozana.

987. “Ny Pretra sy ny sakramenta, amin’ny famelana ny fahotana, no fitaovana mangarangarana izay tena sitrak’i Jesoa-Kristy Tompontsika, ilay hany Tompon’antoka sy Mpizarazara ny famonjena ho antsika, ampiasaina mba hamafana ny tsy fahamarinantsika sy hanomezana antsika ny fahasoavam-panamarinana[12].

 

 

ANDALANA 11

Izaho mino ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty

 

988. Ny Izaho mino kristianina – fiekena ny finoantsika an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina, sy ny asany mahary, mamonjy ary manamasina – dia tonga amin’ny fara tampony amin’ny fanambarÓna ny fitsanganan’ny maty ho velona amin’ny farandro, ary ny fiainana mandrakizay. 

989. Mino mafy isika, ary manantena amin’izany, fa tahaka an’i Kristy nitsangan-ko velona marina tokoa avy amin’ny maty, ary velona mandrakizay, dia tahaka izany, ireo olo-marina aorian’ny fahafatesan’izy ireo dia ho velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy nitsangan-ko velona ary Izy hanangana azy ireo ho velona amin’ny farandro[13]. Tahaka ny Azy, ny fitsanganantsika ho velona dia ho tsanganasan’ny Trinite Masina Indrindra :

Ary raha ny Fanahin’Ilay izay nanangana an’i Jesoa avy amin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Ilay izay nanangana an’i Kristy Jesoa avy amin’ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin’ny alalan’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo” (R˘m 8,11)[14].

990. Ny teny hoe “nofo” dia enti-milaza ny olombelona amin’ny toetra maha-osa sy mahamety maty azy[15]. Ny “fitsanganan’ny nofo ho velona”, dia midika fa, aorian’ny fahafatesana, tsy ny ain’ny fanahy tsy mety maty ihany no hisy, fa koa ny “vatantsika mety maty” (R˘m 8,11) dia ho velona indray.

991. Ny mino ny fitsanganan’ny maty ho velona dia singafototra iray tsy azo avela amin’ny finoana kristianina hatrany am-piandohany. “Finoam-pahamarinana kristianina ny fitsanganan’ny maty ho velona ; izany finoana izany no mamelona antsika”[16] :

Ahoana ity ilazan’ny sasany aminareo hoe tsy misy ny fitsanganan’ny maty ho velona ? Raha tsy misy ny fitsanganan’ny maty ho velona, tsy nitsangan-ko velona tokoa i Kristy. Kanefa raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana izany ny toriteninay, foana koa ny finoanareo (…). Tsy izany anefa, fa efa nitsangana-ko velona avy amin’ny maty i Kristy, ary Izy no santatr’ireo izay nodimandry (1 K˘r 15,12-14.20).

 

I. Ny Fitsanganan’i Kristy ho velona sy ny antsika

 

FanambarÓna miandalana ny Fitsanganan-ko velona 

992. Ny fitsanganan’ny maty ho velona dia nambaran’Andriamanitra miandalana tamin’ny Vahoakany. Ny fanantenana ny amin’ny fitsanganan’ ny vatan’ny maty ho velona, dia mampanaiky ho vokatry ny finoana avy ao anaty an’ilay Andriamanitra mpahary ny olombelona manontolo, fanahy sy vatana. Ilay mpahary ny lanitra sy ny tany no Ilay izay mitana marina ny fanekem-pihavanany tamin’i Abrahama sy ny taranany koa. Avy amin’izany fijery anankiroa izany no hanomboka hazava ny finoana ny amin’ny fitsanganan-ko velona. Tao anatin’ny fitsapan-toetra azy ireo, ry Makabeo martiry no nanambara ampahibemaso fa :

Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao dia hanangana anay ho amin’ny fiainana mandrakizay, izahay izay maty amin’ny lalÓnany (2 Mak 7,9). Sambatra izay matin’ny tanan’olombelona amin’ny fifikirana ny fanantenana avy amin’Andriamanitra fa ho hatsangany amin’ny maty ! ( 2 Mak 7,14)[17]

993.Ny Farisianina[18] sy ny olona betsaka niara-niaina tamin’ny Tompo[19] dia nanantena ny fitsanganan-ko velona. Nampianatra izany tamin’ny fomba hentitra i Jesoa. Izao no navaliny an’ireo Sadoseanina izay nandÓ izany : “Tsy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra, ka diso hevitra ianareo” (Mk 12,24). Ny finoana ny fitsanganan-ko velona dia miompana amin’ny finoana an’Andriamanitra izay “tsy Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona” (Mk 12,27).

994. Fa fanampin’izany : Ampiraisin’i Jesoa amin’ny Tenany mihitsy ny finoana ny fitsanganan-ko velona : “Izaho no Fananganan-ko velona sy fiainana” (Jo 11,25). Ny Tenan’i  Jesoa ihany no hanangana ho velona amin’ny farandro an’ireo izay hino Azy[20] sy izay hihinana ny nofony sy hisotro ny rany[21]. Nanomboka hatreo, nanome famantarana sy antoka amin’izany Izy tamin’ny famelomana ny maty sasantsasany[22], ilazana avy amin’izany ny Fitsanganan’ ny tenany ho velona izay ho amin’ny fomba hafa anefa. Ho amin’io zava-niseho tokana aman-tany io, no nitenenany ny famantarana ny amin’i J˘nasa[23], ny famantarana ny amin’ny Tempoly[24] : Manambara ny Fitsanganany ho velona amin’ny andro fahatelo, aorian’ny famonoana Azy ho faty Izy[25]

995. Ny hoe vavolombelon’i Kristy, dia “vavolombelon’ny Fitsanganany ho velona” (Asa 1,22)[26], “nihinana sy nisotro niaraka Taminy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty” (Asa 10,41). Ny fanantenana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia voamarika indrindra tamin’ireo fihaonana tamin’i Kristy nitsangan-ko velona. Hitsangan-ko velona toa Azy, miaraka Aminy, amin’ny Alalany, isika.

996. Hatrany am-piandohana, ny finoana kristianina ny amin’ny fitsanganan-ko velona dia tojon’ny tsy fahatakarana an-tsaina sy fanoherana[27]. “Tsy misy na iray aza eo amin’ny lafiny finoana kristianina tojon’ny fanoheran-kevitra afa-tsy ny amin’ny fitsanganan’ny nofo ho velona”[28]. Ekena tokoa amin’ny ankapobeny fa aorian’ny fahafatesana, ny fiainan’ny olombelona dia mitohy amin’ny endrika ara-panahy. Kanefa ahoana no inoana fa ity vatana miharihary fa mety maty ity dia ho afaka hitsangan-ko velona ho amin’ny fiainana mandrakizay ?

 

Ahoana no hitsanganan’ny maty ho velona indray ?

997.Inona ny hoe “mitsangan-ko velona” ? Amin’ny fahafatesana, fisarahan’ny fanahy sy ny vatana, ny vatan’ny olombelona no tratran’ny fahalovana, fa ny fanahiny dia lasa mihaona amin’Andriamanitra, eo am-piandrasana ny iraisany indray amin’ny vatany nomem-boninahitra. Andriamanitra amin’ny maha-Mahefa ny zavatra rehetra Azy dia hamerina tanteraka ny aina tsy mety lo amin’ny vatantsika amin’ny fampiraisana azy amin’ny fanahintsika, noho ny herin’ny Fitsanganan’i Jesoa ho velona. 

998. Iza no hitsangan-ko velona ? Ny olombelona rehetra izay maty : “Ireo izay nanao soa dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fiainana, fa ireo izay nanao ratsy dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fahaverezana mandrakizay” (Jo 5,29)[29].

999.Amin’ny fomba ahoana ? I Kristy dia nitsangan-ko velona niaraka tamin’ny vatany mihitsy : “Zahao ny tanako sy ny tongotro : Izaho mihitsy ity” (Lk 24,39) ; kanefa tsy niverina tamin’ny fiainana teto an-tany Izy. Torak’izany koa, ao Aminy “ny olona rehetra no hatsangan-ko velona miaraka amin’ny vatan’izy ireo, izay ananan’izy ireo ankehitriny”[30], kanefa izany vatana izany dia hiova endrika ho vatana be voninahitra[31], “ho vatana mitoe-panahy” (1 K˘r 15,44) :  
“Fa hisy hanao hoe : fomba ahoana no hitsanganan’ny maty ho velona ? Amin’ny vatana toy inona no hiverenany ? Ry adala ! Izay afafinao, tsy ho velona, raha tsy maty. Ary izay afafinao, tsy ny tenan’izay ho avy, fa ny voa ihany (…). Mety lo izy no afafy, fa tsy mety lo no atsangana ; (…) ny maty dia ho hatsangana amin’ny tsy fahalovana (…). Noho izany, ity mety lo ity hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity hitafy ny tsy fahafatesana” (1 K˘r 15,35-37. 42.52-53). 
1000. Io amin’ny “fomba ahoana” io dia mihoatra ny eritreritsika sy ny saintsika ; tsy mety ho azo afa-tsy amin’ny finoana izany. Kanefa ny fandraisantsika anjara amin’ny Eokaristia no isantarantsika sahady ny fanovÓna endrika ny vatantsika amin’ny alalan’i Kristy : 
Toy ny mofo izay avy amin’ny tany, rahefa avy nandray ny valim-pitalahoana avy amin’Andriamanitra, dia tsy mofo tsotra intsony, fa Eokaristia, izay itambaran-javatra roa : ny iray avy amin’ny tany ary ny iray avy amin’ny lanitra, dia toy izany koa ny vatantsika izay mandray anjara amin’ny Eokaristia, tsy mety lo intsony, satria manana ny fanantenana ny fitsanganan-ko velona[32].
1001. Rahoviana ? Tsy miova intsony fa “amin’ny farandro” (Jo 6,39-40.44.55 ; 11,24) ; “amin’ny faran’izao tontolo izao”[33]. Noho izany, ny fitsanganan’ny maty ho velona dia mifamatotra lalina amin’ny Fahatongavan’i Kristy indray :

Satria ny Tenan’Izy Tompo ihany, amin’ny baiko homena amin’ny alalan’ny feon’arkanjely sy ny feon-tr˘mpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra, ka izay maty tao amin’i Kristy no hatsangana aloha (I Tes 4,16).

 

Mitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy

1002. Raha marina fa i Kristy no hanangana antsika ho velona “amin’ny farandro”, dia marina koa, amin’ny endrika iray, fa efa natsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy isika. Satria, noho ny Fanahy Masina, ny fiainana kristianina, amin’izao mbola eto an-tany izao, dia fandraisana anjara amin’ny fahafatesana sy amin’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona :

Fa niara-nalevina tamin’i Kristy ianareo tamin’ny Batemy, ary niara-nitsangana taminy koa, satria nino ny herin’Andriamanitra izay nanangan-ko velona Azy avy amin’ny maty ianareo (…). Koa raha niara-natsangan-ko velona tamin’i Kristy Óry ianareo, ny zavatra any ambony any amin’ izay misy an’i Kristy, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, no katsaho (K˘l 2,12 ; 3,1).

1003. Ny mpino, nampiraisina tamin’i Kristy tamin’ny Batemy, dia efa mandray anjara marina amin’ny fiainana any an-danitra misy an’i Kristy nitsangan-ko velona[34], kanefa io fiainana io dia mijanona ho “miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’ Andriamanitra” (K˘l 3,3). “Miaraka Aminy, natsangany ho velona sy napetrany any an-danitra, ao amin’i Kristy Jesoa, isika” (Efez 2,6). Mivelona amin’ny Vatany amin’ny Eokaristia isika, ka efa anisan’ny ao amin’ny Vatan’i Kristy sahady. Rahefa hatsangan-ko velona isika amin’ny farandro dia “haseho miaraka Aminy henim- boninahitra” koa (K˘l 3,4). 

1004. Eo am-piandrasana izany andro izany, ny vatana sy ny fanahin’ny mpino dia efa mandray anjara sahady amin’ny fahamendrehana ho “an’i Kristy” ; koa avy amin’izany no ilana ny fanajana ny vatan-tenantsika, ary koa ny an’ny hafa, indrindra raha mijaly izy :

Ny vatana ho an’ny Tompo, ary ny Tompo ho an’ny vatana. Ary Andriamanitra, izay nanangana ny Tompo ho velona, hanangana antsika koa, amin’ny heriny. Tsy fantatrareo va fa rantsambatan’i Kristy ny vatanareo ? (…) Tsy anareo ny vatanareo (…). Andriamanitra Óry no omeo voninahitra ao amin’ny vatanareo (1 K˘r 6,13-15.19-20).

 

II. Maty ao amin’i Kristy Jesoa  

1005. Mba hitsangan-ko velona miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy maty miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy “miala amin’ity vatana ity, mba handeha hitoetra eo akaikin’ny Tompo” (2 K˘r 5,8). Ao amin’io fialana[35] io, izay tsy inona fa ny fahafatesana, dia misaraka amin’ny vatana ny fanahy. Hakambana indray amin’ny vatany izy amin’ny andron’ny fitsanganan’ny maty ho velona[36].

 

Ny fahafatesana 

1006. “Eo anoloan’ny fahafatesana no tonga amin’ny fara tampony ny zavatra saro-pantarina momba ny toe-piainan’olombelona”[37]. Amin’ny lafiny iray, dia ara-pomban’ny zavaboary ny fahafatesan’ny vatana, nefa ho an’ny finoana dia “tambin’ny ota” izany (R˘m 6,23)[38], raha ny tena marina. Fa ho an’ireo izay maty ao amin’ny fahasoavan’i Kristy, dia fandraisana anjara amin’ny fahafatesan’ny Tompo izany, mba hahafahana mandray anjara koa amin’ny Fitsanganany ho velona[39].

1007. Fiafaran’ny fiainana eto an-tany ny fahafatesana. Voarefin’ny fotoana ny fiainantsika, ary mandritra izany dia miova isika, mihaantitra, ary toy ny ao amin’ireo zavamananaina rehetra eto an-tany no itrangan’ny fahafatesana ho toy ny fiafaran’ny fiainana tsotra izao fotsiny. Io endriky ny fahafatesana io dia mampiseho fahamehana amin’ny fiainantsika : ny fieritreretana ny fahafatesantsika dia manampy koa hampahatsiaro antsika fa tsy manana afa-tsy fotoana voafetra ihany isika mba hanatanterahana ny fiainantsika :

Tsarovy ny Mpahary anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, (…) dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fofon’aina kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy (Mpitor 12,1.7).

1008. Vokatry ny fahotana ny fahafatesana. Amin’ny maha-mpivaofy marina ny voalazan’ny Soratra Masina[40] sy ny Lovam-pampianarana ny Toniam-pampianaran’ ny Fiangonana, dia mampianatra izy fa tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny fahafatesana noho ny fahotan’ny olombelona[41]. Na dia manana toetra mety maty aza ny olombelona, Andriamanitra kosa nandahatra azy tsy ho faty. Koa noho izany, ny fahafatesana dia mifanohitra amin’ny fandaharan’Andriamanitra Mpahary, fa noho izy vokatry ny fahotana no nidirany teto amin’izao tontolo izao[42]. “Ny fahafatesan’ny vatana, izay tsy tokony nihatra tamin’ny olombelona raha tsy nanota izy”[43], araka izany, no “fahavalo faran’ ” ny olombelona tsy maintsy resena (1 K˘r 15,26). 

1009. NovÓn’i Kristy ny fahafatesana. I Jesoa, ilay Zanak’Andriamanitra, dia niaritra koa ny fahafatesana, izay tandra vadin-koditry ny toe-piainan’olombelona. Kanefa, na teo aza ny horohoro aman-tahotra nanjo Azy nanoloana izany[44], dia nozakainy tao anatin’ny asa fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’ny Rainy izany. Ny faneken’i Jesoa no nanova ny ozon’ny fahafatesana ho tsodrano[45].

 

Ny dikan’ny fahafatesana kristianina  

1010. Noho i Kristy, misy dikany marina ny fahafatesana kristianina. “Raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako ary ny fahafatesana no ahazoako tombony” (Filip 1,21). “ Teny mahatoky tokoa izao : raha miara-maty Aminy isika, hiara-belona Aminy koa” (2 Tim 2,11). Eo amin’izany ny zava-baovao ilaina amin’ny fahafatesana kristianina : amin’ny Batemy, ny kristianina dia efa “maty miaraka amin’i Kristy” ara-tsakramenta, mba hivelona amin’ny aim-baovao ; ary raha maty ao anatin’ny fahasoavan’i Kristy isika, ny fahafatesana ara-batana no manapitra io “maty miaraka amin’i Kristy” io sy mamarana, araka izany, ny fanakambanana antsika Aminy amin’ny asam-panavotany :

Tsara ho ahy ny maty ao amin’i (eis) Kristy Jesoa, mihoatra noho ny manjaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Izy no katsahiko, izay maty ho antsika. Izy no ilaiko, izay nitsangan-ko velona ho antsika. Manakaiky ny fahaterahako (…). Avelao aho handray ny fahazavana  madio  mangarangarana ; rahefa ho tonga eo aho, dia izay aho no ho olona[46].

1011. Amin’ny fahafatesana no miantso ny olombelona hankany Aminy Andriamanitra. Izany no ahafahan’ny kristianina mahatsapa, manoloana ny fahafatesana, ny faniriana mitovy amin’ny an’i Md Paoly hoe : “Iriko ny handeha ho any amin’i Kristy sy hiaraka Aminy” (Filip 1,23) ; ary afaka hanova  ny fahafatesan’ny tenany ho asam-panekena sy fitiavana ny Ray izy, amin’ny oha-piainan’i Kristy[47] :

Nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ny faniriako teto an-tany ; (…) ato amiko ato misy rano velona izay mizozozozo malefaka sy miteny ao anatiko hoe : “Andao ho any amin’ny Ray”[48].

Maniry hahita maso an’Andriamanitra aho, ary mba hahitana Azy dia tsy maintsy maty[49].

Tsy maty aho akory, miditra any amin’ny fiainana aho[50].

1012. Ny fahitan’ny kristianina ny fahafatesana[51] dia voambara amin’ny fomba manan-tombo sy manokana ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana :

Ho an’ireo izay mino Anao ry Tompo, miofo ny aina fa tsy levona ; ary rahefa tapitra ny fonenan’izy ireo eto an-tany, dia efa manana fonenana mandrakizay any an-danitra sahady izy ireo[52].

1013. Ny fahafatesana no fiafaran’ny fivahinian’ny olombelona eto an-tany, fiafaran’ny fotoanan’ny fahasoavana sy ny famindram-po izay natolotr’Andriamanitra azy mba hanatontosany ny fiainany teto an-tany araka ny fandaharan’Andriamanitra sy mba hanapahany hevitra ny amin’ny anjarany farany. Rahefa nifarana “ilay hany zotram-piainantsika teto an-tany”[53], tsy hiverina intsony amin’ny fiainana hafa eto an-tany isika. “Tsy maty afa-tsy indray mandeha ihany ny olombelona”(Heb 9,27). Tsy misy “fiverenan-ko nofo indray” aorian’ny fahafatesana. 

1014. Mamporisika antsika ny Fiangonana mba hiomanantsika amin’ny andron’ny fahafatesantsika (“Afaho izahay, ry Tompo, amin’ny fahafatesana tampoka sy tsy ampoizina” : Litania tranain’ny olomasina), hangataka amin’ny Renin’ Andriamanitra hitalaho ho antsika “amin’ny fotoana hahafatesantsika” (Vavaka Arahaba, ry Maria), ary mba hanankinantsika izany amin’i masindahy Josefa, mpiaro ny tsara fahafatesana :

Amin’ny asanao amam-pihetsikao rehetra, amin’ny eritreritrao rehetra, tokony hahay hitondra tena ianao sahala amin’ny hoe tsy maintsy ho faty anio ihany ianao. Raha tsara toetra ny k˘nsiansinao, tsy hatahotra loatra ny fahafatesana ianao. Tsaratsara kokoa ny mitandrin-tena tsy hanota noho ny mandositra ny fahafatesana. Raha anio ianao tsy vonona, ahoana moa no hahavonona anao rahampitso[54] ?

Ho deraina anie Ianao ry Tompoko, noho ranabavy fahafatesanay ara-batana, izay tsy azon’ny olo-miaina na iza na iza andosirana. Loza ho an’ireo izay ho faty ao anatin’ny fahotana mahafaty, fa sambatra sy tretrika kosa ireo izay ho hitan-drafahafatesana ao anatin’ny sitrapony masina indrindra, satria tsy hanisy ratsy azy ireo ny fahafatesana faharoa[55].

 

FAMINTINANA

1015. “Ny nofo no iompanan’ny famonjena[56]. Mino an’Andriamanitra izay mpahary ny nofo isika; mino ny Teny tonga nofo mba hanavotra ny nofo isika ; mino ny fitsanganan’ny nofo ho velona, fahavitan’ny fahariana sy ny fanavotana ny nofo isika.

1016. Amin’ny fahafatesana no misaraka amin’ny vatana ny fanahy, fa amin’ny fitsanganan-ko velona Andriamanitra no hamerina ny aina tsy mety levona ao amin’ny vatantsika voaova amin’ny fampiraisana azy amin’ny fanahintsika. Tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona sy mahavelona Azy mandrakizay, no hananganana antsika rehetra koa amin’ny farandro.

1017. “Mino ny tena fitsanganan-ko velon’ity nofo ananantsika ankehitriny ity tokoa isika[57]. Kanefa, vatana mety lo no asitrika ao am-pasana, ary vatana tsy mety lo[58], vatana mitoe-panahy, no atsangana avy ao (1 K˘r 15,44).

1018. Vokatry ny fahotana tamin’ny fototra, tsy maintsy iharan’ny fahafatesam-batana ny olombelona, izay tsy ho nihatra taminy izany raha tsy nanota izy [59].

1019.I Jesoa, Zanak’Andriamanitra, dia niaritra an-tsitrapo ny fahafatesana ho antsika, tao anatin’ny fankatoavana tanteraka sy an-kalalahana ny sitrapon’Andriamanitra, Rainy. Tamin’ny fahafatesany no nandreseny ny fahafatesana, ka amin’izany no anokafany ho  an’ny olombelona rehetra ny fahazoam-pamonjena.

 

ANDALANA  12

“Izaho mino ny fiainana mandrakizay”

 

1020. Ny kristianina izay mampiray ny fahafatesan’ny tenany amin’ny an’i Jesoa dia mahita ny fahafatesana ho fandehanana ho any Aminy sy fidirana any amin’ny fiainana mandrakizay. Ny Fiangonana, rahefa avy nilaza farany ny teny famelana sy famotsoran’i Kristy ny heloka tamin’ilay kristianina niala aina, nanosotra azy farany tamin’ny fanosorana mampatanjaka ary nanome azy an’i Kristy amin’ny sakramentan’ny Eokaristia ho vatsin-dalana, dia miteny aminy amim-pitokiana mahavelom-bolo hoe :

Ilaozy izao tontolo izao, ry fanahy kristianina, amin’ny anaran’ny Ray Mahefa ny zavatra rehetra izay nahary anao, amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy, Zanak’Andriamanitra velona, izay nijaly ho anao, amin’ny anaran’ny Fanahy Masina izay narotsaka tao aminao. Ankehitriny, raiso ny toeranao ao anatin’ny fiadanana, ary araiketo ny fonenanao miaraka amin’Andriamanitra ao Si˘na masina, miaraka amin’i Maria Virjiny, Renin’Andriamanitra, miaraka amin’ny masindahy Josefa, ny anjely sy ny olomasina rehetra an’Andriamanitra (…). Miverena eo anilan’ny Mpahary anao izay namorona anao tamin’ny vovoky ny tany. Amin’ny ora izay hivoahan’ny fanahinao avy ao amin’ny vatanao, hidodododo hitsena anao anie i Maria, ny anjely sy ny olomasina rehetra (…). Enga anie hahita ny Mpanavotra anao mifanatri-tava aminao ianao[60]….

 

I. Ny fitsarÓna ny tsirairay manokana 

1021. Ny fahafatesana no mamarana ny fiainan’ny olombelona izay ho fanomboham-potoana andraisana na andavana ny fahasoavan’ Andriamanitra naseho tao amin’i Kristy[61].  Ny tena resahin’ny Testamenta Vaovao indrindra dia ny fitsarÓna amin’ny endriky ny fihaonana farany amin’i Kristy amin’ny fiverenany fanindroany, nefa manantitrantitra imbetsaka koa izy ny amin’ny valin’ny natao omena eo no eo avy hatrany aorian’ny fahafatesan’ny tsirairay, arakaraka ny tsanganasany sy ny finoany. Ny fanoharana momba an’i Lazara mahantra[62] sy ny tenin’i Kristy teo amin’ny Hazofijaliana tamin’ilay jiolahy nivalo[63], toy izany koa ny lahatsoratra maro hafa ao amin’ny Testamenta Vaovao[64], dia miteny ny amin’ny anjara farany ho an’ny fanahy[65], izay mety tsy hitovy amin’ny an’ny sasany ny an’ny hafa. 

1022. Ny olombelona tsirairay, raha vantany vao maty izy, dia mandray ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, ny valy mandrakizay amin’ny nataony, manoloana ny fitsarÓna manokana izay hijerena ny fiainany araka an’i Kristy, na amin’ny alalan’ny fandiovana[66], na hiditra eo no eo avy hatrany any amin’ny fahasambaran’ny lanitra[67], na mamery ny tenany eo no eo avy hatrany any amin’ny fahoriana mandrakizay[68]

Amin’ny faran’ny fiainantsika, ny fitiavana no hitsarÓna antsika[69].
 

 

II. Ny lanitra

1023. Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, ary voadio tanteraka, no velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy. Mifanahaka mandrakizay amin’Andriamanitra izy ireo, satria mahita Azy “araka ny tena maha-Izy Azy” (1 Jo 3,2), “mifanatri-tava Aminy” (1 K˘r 13,12)[70] : 

Avy amin’ny fahefana ap˘st˘lika anananay no amariparitanay fa, araka ny fandaminan’Andriamanitra  ankapobeny, ny fanahin’ny olomasina rehetra (…) sy ny mpino hafa rehetra maty taorian’ny nandraisany ny Batemy masin’i Kristy, ka tsy nisy na inona na inona hodiovina intsony ao aminy nony maty izy ireo, (…) na koa, raha nisy na misy zavatra sasany mila hodiovina, rahefa nofaranan’izy ireo ny fanaovana izany taorian’ny fahafatesany, (…) na dia mialoha ny fananganana ny vatan’izy ireo ho velona sy ny FitsarÓna mitamba-be aza, ary izany dia nanomboka hatramin’ny Fiakaran’ny Tompo sady Jesoa-Kristy Mpamonjy any an-danitra, dia efa tany an-danitra, any an-danitra ary ho any an-danitra, any amin’ny Fanjakan’ny lanitra sy any amin’ny Paradisan’ny lanitra miaraka amin’i Kristy, voaray ao amin’ny fikambanan’ny anjely masina izy ireo. Nanomboka hatramin’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa-Kristy Tompontsika, dia nahita ary mahita ny foto-pisian’Andriamanitra izy ireo, amin’ny fomba fahitana tonga fotsiny amin’izao sy mifanatrika mivantana mihitsy, tsy mila ny fanelanelanan’ny zavaboary na dia iray aza[71].

1024. Izany fiainana lavorary miaraka amin’ny Trinite Masina Indrindra izany, izany fiombonan’aina amam-pitiavana Aminy, miaraka amin’i Maria Virjiny sy ny anjely ary ny olon-tsambatra rehetra izany, no antsoina hoe “lanitra”. Ny lanitra no tanjom-piafarÓna sady fahatanterahan’ny faniriana lalina indrindra ao am-pon’ny olombelona, toe-pahasambarana fara tampony sady mandrakizay.

1025. Ny hoe miaina any an-danitra dia ny “mitoetra miaraka amin’i Kristy”[72]. Mivelona “ao Aminy” ny olom-pinidy, fa ao izy ireo no mitahiry sy mahita tsara tokoa ny tena maha-izy Azy, sy ny anarany manokana avy[73] :

Satria ny fiainana dia ny mitoetra miaraka amin’i Kristy : izay misy an’i Kristy, misy ny fiainana, misy ny fanjakan’ny lanitra[74].

1026. Tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa-Kristy  no “nanokatra” ny lanitra ho antsika. Ny fiainan’ny olon-tsambatra dia mifototra amin’ny fananana ny hafenoan’ny vokatry ny fanavotana notontosain’i Kristy izay manakambana an’ireo izay nino Azy sy izay tsy nivadika mihitsy tamin’ny sitrapony, amin’ny fanomezam-boninahitra Azy any an-danitra. Ny lanitra no fiombonam-pahasambaran’izay rehetra voakambana tanteraka Aminy. 

1027. Izany misterin’ny fiombonam-pahasambarana miaraka amin’ Andriamanitra sy miaraka amin’izay rehetra ao amin’i Kristy izany, dia mihoatra noho izay rehetra azo heverina sy izay rehetra azo aseho. Sary an’ohatra maro no itenenan’ny Soratra an’izany amintsika : fiainana, fahazavana, fiadanana, fanasam-be amin’ny fampakaram-bady, divain’ny fanjakan’Andriamanitra, tranon’ny Ray, Jerosalema any an-danitra, paradisa : “Zavatra tsy mbola hitan’ny maso, tsy mbola ren’ny sofina, tsy mbola tafiditra ao am-pon’ny olona velively, no namboarin’Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy”(1 K˘r 2,9).

1028. Noho ny fahamboniana tsy taka-polopolorina an’Andriamanitra, dia tsy mety ho hitan’ny maso amin’ny tena maha-Izy Azy Izy, raha tsy ny Tenany mihitsy no manokatra ny misteriny amin’ny fibanjinan’ny olombelona eo no eo mivantana, ary Izy no manome azy ny herim-pahazoana manao izany. Io fibanjinana an’Andriamanitra ao amin’ny voninahiny any an-danitra io no antsoin’ny Fiangonana hoe : “fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra” :

Hanao ahoana re izany voninahitrao sy hasambaranao ! : rahefa voaray ho anisan’ny mahita maso an’Andriamanitra, manana ny haja amam-boninahitra handray anjara amin’ny hafaliam-pamonjena sy ny fahazavana mandrakizay amin’ny fiarahana amin’i Kristy ilay Tompo Andriamanitrao, (…) miadam-pinaritra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra amin’ny fiarahana amin’ny olo-marina sy ny sakaizan’Andriamanitra, amin’ny hafaliam-pananana ny tsy fahafatesana[75].

1029.Ao amin’ny voninahitry ny lanitra, manohy manatanteraka amin-kafaliana ny sitrapon’Andriamanitra ny olon-tsambatra, raha ampitahaina amin’ny olombelona hafa sy amin’ny zavaboary manontolo. Efa manjaka miaraka amin’i Kristy izy ireo ; miaraka Aminy, “hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo” (Ap˘k 22,5)[76].

 

III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana

1030.  Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana aorian’ny fahafatesany izy ireo, mba hahazoana ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’ny lanitra.

1031. Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe. Nandrafitra tamin’ny rijan-teny ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba ny Afofandiovana ny Fiangonana, indrindra tamin’ny K˘nsily tao Florence[77] sy tao Trente[78]. Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, izay manovo hevitra avy amin’ny lahatsoratra sasany ao amin’ ny Soratra Masina[79], dia miteny afo mpandio :

Noho ny fisian’ny fahadisoana kely sasantsasany, tsy maintsy mino fa misy afo mpandio alohan’ny fitsarÓna, araka ny nolazain’Ilay Fahamarinana, amin’ny fitenenana fa ny olona izay hanao teny faniratsirana ny Fanahy Masina, dia tsy hahazo famelan-keloka, na  amin’ity  fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy (Mt 12,32). Ao amin’ izany tenim-pitsarÓna izany no ahafahantsika mahafantatra fa  ny fahadisoana sasantsasany dia mety ho voavela eto amin’ity fiainana ity, fa ny hafa sasantsasany dia any amin’ny fiainana ho avy[80]

1032. Miankina koa amin’ny fanaovana vavaka ho an’ireo nodimandry izay efa nolazain’ny Soratra Masina, izany fampianarana izany : “Izany no nanaovany (i Jodasa Makabeo) an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo” (2  Mak 12,46). Hatrany am-boalohany ny Fiangonana no nanaja ny fahatsiarovana ireo nodimandry sy nanolotra vavaka ho azy ireo, indrindra ny soron’ny Eokaristia[81], mba ho afaka ho tonga amin’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, rahefa voadio. Ny Fiangonana dia manafatrafatra koa amin’ny fiantrana, ny endolzansy ary ny tsanganasa fivalozana ho an’ireo nodimandry : 

MitondrÓ isika vonjy ho azy ireo ary manaova isika fahatsiarovana azy ireo mandritra ny fivavahana. Raha ny zanak’i J˘ba aza voadion’ny sorona nataon-drainy[82], koa aza misalasala isika fa ny fanatitsika ho an’ireo nodimandry dia mitondra fiononana ho azy ireo ? Aza mihambahamba isika mitondra vonjy ho an’ireo izay nialoha lalana sy manolotra ny fivavahantsika ho azy ireo[83].

 

 IV. Ny afobe 

1033. Tsy afaka ho tafaray amin’Andriamanitra isika raha tsy misafidy amin-kalalahana ny ho tia Azy. Kanefa tsy afaka ho tia an’Andriamanitra isika raha manao fahotana lehibe Aminy, amin’ny namantsika na amin’ny tenantsika : “Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ny fahafatesana. Na iza na iza mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona ; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny” (1 Jo 3,14-15). Mampitandrina antsika ny Tompontsika fa ho tafasaraka Aminy isika raha tsy miraharaha hanampy amin’ny zavatra lehibe ilain’ny mahantra sy ny madinika izay rahalahiny[84]. Ny maty amin’ny fahotana mahafaty tsy nanenina tamin’izany sy tsy nandray ny fitiavana feno famindram-pon’ Andriamanitra, dia midika fa mijanona ho tafasaraka Aminy mandrakizay noho ny safidy malalaka nataon’ny tenantsika. Ary izany toetra fanesoran-tena raikitra ho any ivelan’ny fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’ireo olon-tsambatra izany, no lazaina amin’ny teny hoe “afobe”.

1034. Miteny matetika momba ny “gehen’afo tsy mety maty” i Jesoa[85], natokana ho an’ireo izay mandÓ hatramin’ny fara fiainan’izy ireo tsy hino sy tsy hibebaka, ary izay no mety hahavery ny fanahy sy ny vatana miaraka[86]. Tamin’ny teny henjana no nambaran’i Jesoa fa “haniraka ny anjeliny Izy, izay hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra (…), sy hanipy azy ireo ao amin’ny memy mirehitra” (Mt 13,41-42), ary hamoaka ny teny fanamelohany Izy hoe : “MialÓ Amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay ! “(Mt 25,41).

1035. Ny fampianaran’ny Fiangonana dia manantitrantitra ny fisian’ny afobe sy ny maha-mandrakizay izany. Ny fanahin’ireo izay maty ao amin’ny toe-pahotana mahafaty dia midina eo no eo avy hatrany any amin’ny afobe aorian’ny fahafatesana, izay ao izy no mijaly amin’ny sazýn’ny afobe, “ilay afo mandrakizay”[87]. Ny sazy lehibe indrindra ao amin’ny afobe dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra, satria ao amin’Andriamanitra irery ny olombelona no afaka mahazo ny fiainana sy ny fahasambarana izay ho amin’izany no nahariana azy ary izany rahateo no iriny.

1036. Ny fanantitranteran’ny Soratra Masina sy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny afobe, dia antso ho amin’ny adidy aman’andraikitra izay tsy maintsy ampiasan’ny olombelona ny fahafahany eo am-piatrehana ny anjara fiainany mandrakizay. Anisan’ny antso maika ho amin’ny fibebahana koa izany : “Midira amin’ny vavahady ety. Fa lehibe ary malalaka ny lÓlana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mizotra any ; fa tery ny vavahady ary ety ny lÓlana mankany amin’ny Fiainana, ka vitsy no mahita izany”(Mt 7, 13-14) :

Noho ny tsy fahalalana ny andro sy ny ora, araka ny fampitandreman’ny Tompo, dia tsy maintsy miambina lalandava isika, mba ho mendrika, rahefa hifarana ity fiainantsika tokana eto an-tany ity, ho voaray miaraka Aminy ao amin’ny fampakaram-bady sy horaisina ho anisan’ireo nosoavin’ Andriamanitra, fa tsy ho mpanompo ratsy sy kamo, nodidýn’Andriamanitra hihataka any amin’ny afo mandrakizay, any amin’ireo maizina any ivelany izay any izy ireo no hitomany sy hikitro-nify[88].

1037. Andriamanitra tsy nandahatra mialoha na iza na iza ho any amin’ny afobe[89] ; ny fankahalana an’Andriamanitra iniana atao (fahotana mahafaty), sy ny mikiry tsy hiala amin’izany hatramin’ny farany no mahatonga izany. Ny Fiangonana, amin’ny litorzian’ny Eokaristia sy amin’ny vavaka isan’ andro ataon’ny mpinony, dia mitalaho ny famindram-pon’Andriamanitra, izay tsy tia “ny hahavery na iza na iza, fa ny hahatonga ny olona rehetra hibebaka daholo” (2 Pi 3, 9) :

Indro atolotray Aminao ry Tompo ny fanatitra avy aminay mpanomponao sy ny fianakavianao manontolo , ka mba raiso amin’ny fo antra. Aoreno ao amin’ny fiadananao ny andro iainanay rehetra, afaho amin’ny fanamelohana mandrakizay izahay, ary raiso ho anisan’ny olom-pinidinao[90].

 

V. Ny FitsarÓna farany

1038. Ny fananganan-ko velona ny maty rehetra, “ny marina sy ny mpanota” (Asa 24,15), no hialoha ny FitsarÓna farany. Amin’izany no ho “fotoana handrenesan’izay rehetra ao am-pasana ny feon’ny Zanak’olona, ka hivoaka tao izy ireo ; ireo izay nanao soa dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fiainana, fa ireo izay nanao ratsy dia hatsangan-ko velona ho amin’ny fahaverezana mandrakizay” (Jo 5,28-29). Amin’izay i Kristy “ho avy amim-boninahitra, hotronin’ny anjely rehetra (…). Ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka ny olona tsirairay avy sahala amin’ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ny ondry moa hapetrany eo an-kavanany, ary ny osy kosa eo an-kaviany (…). Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireto, fa ny marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay” (Mt 25,31-33.46). 

1039. Eo anatrehan’i Kristy Fahamarinana no hibaribary tanteraka ny marina momba ny fifandraisan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra[91]. Ny FitsarÓna farany no hampiseho, hatrany amin’ny vokany farany indrindra, amin’izay tsara nataon’ny tsirairay na tsy noraharahainy ny nanao izany nandritra ny fiainany tety an-tany :

Voarakitra an-tsoratra daholo ny ratsy rehetra nataon’ny ratsy fanahy – ary tsy fantatr’izy ireo izany. Amin’ny Andro izay “tsy hanginan’ Andriamanitra” (Sal 50,3) (…) hitodika amin’ireo olon-dratsy Izy hiteny hoe : “Ho anareo no nametrahako ny mahantra keliko teny an-tany. Izaho, filohan’izy ireo, nisonanina tany an-danitra teo an-kavanan’ny Raiko – nefa tety an-tany kosa ny rantsambatako noana. Raha mba nanome ho an’ireny rantsambatako ireny ianareo, dia ho nipaka hatrany amin’ny Loha izay nomenareo. Raha nametraka tety ambonin’ny tany ireny mahantra keliko ireny Aho, dia izy ireny no notendreko ho irakirakareo hitondra ny asa soa vitanareo ho ao amin’ny vatan-drakitro : tsy nametraka na inona inona teo an-tanan’izy ireo ianareo, izany no antony tsy anananareo na inona na inona eto anilako”[92].

1040. Amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra no hiseho ny FitsarÓna farany. Ny Ray ihany no mahalala ny ora sy ny andron’izany, Izy irery ihany no manapa-kevitra ny amin’ny fahatongavany. Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanany no hanononany amin’izay ny teniny farany momba ny tantara manontolo. Ho fantatsika ny hevitra farany raketin’ny tsanganasam-pahariana manontolo sy ny fitantanam-pamonjena manontolo, ary ho azontsika an-tsaina ny lalana mahagaga izay hitarihan’ny Fitahian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ho amin’ny tanjom-piafarÓny. Ny FitsarÓna farany no hampiseho fa ny fahamarinan’Andriamanitra no mandresy ny tsy fahamarinana rehetra nataon’ny zavaboariny ary ny fitiavany no mahery kokoa noho ny fahafatesana[93].  

1041. Miantso ho amin’ny fibebahana, ny hafatry ny FitsarÓna farany, dieny mbola omen’Andriamanitra ny olombelona “ny fotoana tsara, ny androm-pamonjena” (2 K˘r 6,2). Izany no miteraka tahotra masina an’Andriamanitra, sy mandrisika hanao ny fahamarinan’ny Fanjakany, ary manambara ny “fanantenana mahavelom-bolo” (Tito 2,13) amin’ny fiverenan’ny Tompo, izay “ho tonga mba homem-boninahitra ao amin’ireo olomasiny, sy higagana ao amin’izay rehetra hino” (2 Tes 1,10).

 

VI. Ny fanantenana ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao

1042. Amin’ny farandro, ho tonga amin’ny hafenoany ny Fanjakan’ Andriamanitra. Aorian’ny fitsarÓna ny daholobe, hanjaka mandrakizay miaraka amin’i Kristy ny olo-marina, hohenim-boninahitra amin’ny vatana sy amin’ny fanahy, ary izao tontolon’ny zava-drehetra izao mihitsy koa hohavaozina : 
Amin’izany ny Fiangonana no “ho fanaperana ao anatin’ny voninahitry ny lanitra, rahefa hahita ny fahalavorariany tanteraka ao amin’i Kristy izy, miaraka amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, izao tontolon’ny zava-drehetra izao mihitsy, tafaray lalina amin’ny olombelona ary mahatratra amin’ny alalany ny anjara fiainany”[94].
1043. Izany fanavaozana amin’ny fomba mistery izany, izay hanova ny olombelona sy izao tontolo izao, no antsoin’ny Soratra Masina hoe “lanitra vaovao sy tany vaovao” (2 Pi 3,13)[95]. Izany no ho fanatontosana raikitra ny fandaharan’Andriamanitra “hamerenana ny zavatra rehetra ho eo ambany Filoha tokana, i Kristy, na ny any an-danitra na ny ety an-tany” (Efez 1,10).

1044. Ao amin’io “tontolon’ny zava-drehetra vaovao” (Ap˘k 21,5), ilay Jerosalema any an-danitra io, dia hanana ny fonenany eo anivon’ny olombelona rehetra Andriamanitra. “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo ; ny fahafatesana, tsy hisy intsony izany ; ny tomany, ny kiakiaka sy ny fahoriana, tsy hisy intsony izany, satria efa lasa izao tontolo izao tranainy” (Ap˘k 21,4)[96].

1045. Ho an’ny olombelona, izany fanaperana izany no ho fanatontosana farany ny firaisan’ny taranak’olombelona rehetra, sitrak’Andriamanitra hatramin’ ny fahariana, ka ny Fiangonana mivahiny no “toy ny sakramentan’izany”[97]. Ireo izay tafaray amin’i Kristy no hamorona ny fiombonamben’ny olona voavotra, ilay TanÓna Masin’Andriamanitra (Ap˘k 21,2), “ilay Vadin’ny Zanak’ Ondry” (Ap˘k 21,9). Izy io dia tsy ho voaratra intsony amin’ny fahotana, ny loto[98], ny fihamboana, izay mandrava na mandratra ny fiombonan’ny olombelona ety an-tany. Ny fahitana mivantana an’ Andriamanitra any an-danitra, izay amin’izany Izy no hiharihary amim-pomba tsy manam-petra amin’ny olom-pinidy, no ho loharano tsy mety ritra amin’ny fahasambarana, ny fiadanana ary ny fiombonana ifanomezana.

1046.Raha ny amin’izao tontolo izao voarindra, dia milaza marina ny FanambarÓna fa misy fiombonana lalina eo amin’ny anjara fiainan’ny tontolon’ny manam-batana sy ny an’ny olombelona :

Fa indrakindrafana be ihany ny zavaboary maniry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra (…) miaraka amin’ny fanantenana fa ho ahafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana koa izy. (…) Satria, fantatsika izany fa ny zavaboary manontolo hatramin’izao andro izao dia mitaraina toy ny mihetsi-jaza. Ary tsy izy irery ihany, fa ny tenantsika koa izay manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy, dia mitaraina ao anaty amin’ny fiandrasana ny fanavotana ny vatantsika (R˘m 8,19-23).

1047. Ny tontolon’ny zava-drehetra hita maso izany dia natokana hiova endrika ihany koa, “mba izao tontolo izao mihitsy, naverina amin’ny toetrany tany am-boalohany, no ho ampiasain’ireo olo-marina, tsy misy zava-misakana intsony na iray aza”, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanomezam-boninahitra azy ireo ao amin’i Jesoa-Kristy nitsangan-ko velona[99]

1048. “Tsy haintsika ny fotoana hahataperan’ny tany sy ny olombelona rehetra, tsy fantatsika ny fomba fanovÓna ny endrik’izao tontolo izao voarindra. Marina fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao, nosimban’ny fahotana ; kanefa nampahafantarina antsika, fa Andriamanitra dia manomana ho antsika fonenana vaovao sy tany vaovao izay hanjakan’ny fahamarinana, ary ny fahasambarana no hameno sy hahasafononoka ny hetahetam-piadanana rehetra izay mipololotra avy ao am-pon’ny olombelona”[100].

1049. “Kanefa ny fiandrasana ny tany vaovao, tsy tokony hahaketraka antsika velively ny amin’ny fiahiana hanajary ity tany ity, fa vao mainka aza tokony hanaitaitra izany : ao no itomboan’ny vondrom-pianakavian’olombelona vaovao, izay manolotra sahady ny soritsoritra sasantsasany ny taonjato ho avy. Noho izany, raha tsy maintsy havahana amim-pitandremana ny fandrosoam-pitomboan’ny fanjakan’i Kristy eto an-tany, dia manan-danja lehibe ho an’ny fanjakan’Andriamanitra io fandrosoana io, raha toa izany ka afaka hanampy amin’ny fandrindrana tsaratsara kokoa ny fianakaviamben’ ny olombelona”[101]

1050.  “Satria ny vokatra  tsara rehetra avy amin’ny voarintsika sy ny orinasantska, izay aelintsika eran-tany araka ny baikon’ny Tompo sy ao amin’ny Fanahiny, dia ho hitantsika indray ireny any aoriana any, saingy voadio amin’ny loto rehetra, voazava, voaova endrika, rahefa hatolotr’i Kristy amin’ny Rainy ny fanjakana mandrakizay sy manenika an’izao tontolon’ny zavatra rehetra izao”[102]. Amin’izay Andriamanitra dia “ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 K˘r 15,28) ao amin’ny fiainana mandrakizay :

Ny Ray no fiainana maharitra sy tena izy, ka amin’ny alalan’ny Zanaka sy ao amin’ny Fanahy Masina no androtsahany ny fanomezan’ny lanitra amin’ny rehetra tsy misy avahana. Isika olombelona koa,noho ny famindram-pony, dia nandray ny fampanantenana maharitra lalandava hahazo ny fiainana mandrakizay[103].

 

FAMINTINANA

1051. Raha vao maty ny olombelona tsirairay, dia mandray ny valy mandrakizay amin’ny nataony, ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, amin’ ny fitsarÓna ny tsirairay manokana ataon’i Kristy, Mpitsara ny velona sy ny maty.

1052. “Mino isika fa ny fanahin’izay rehetra maty ao amin’ny fahasoavan’i Kristy (…), no ilay Vahoakan’Andriamanitra any ankoatra ny fahafatesana, izay ho resy tanteraka amin’ny andron’ny fananganan-ko velona ka amin’izany ireo fanahy ireo no hakambana indray amin’ny vatan’izy ireo[104].

1053.“Mino isika fa ny vahoaka maro be avy amin’ireo izay tafangona manodidina an’i Jesoa sy  i  Maria any am-Paradisa, no mamorona ny Fiangonan’ny lanitra, izay ao anatin’ny hasambarana mandrakizay no ahitan’izy ireo an’Andriamanitra araka ny tena maha-Izy Azy, ary ao amin’izany koa izy ireo, amin’ny ambaratonga samihafa, no voakambana amin’ny anjely masina ao amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra iandraiketan’i Kristy ao amin’ny voninahitra, amin’ny fanelanelanana ho antsika sy amin’ny fanampiana ny fahalementsika amin’ny alalan’ny fiahiana maha-mpiray tam-po azy ireo amin’ny finoana[105].

1054. Ireo izay maty anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana izy ireo aorian’ny fahafatesany, mba hahazo ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’Andriamanitra.

1055. Noho ny fiombonan’ny olomasina, ankinin’ny Fiangonana amin’ny famindram-pon’Andriamanitra ireo nodimandry ary anolorany vavaka ho azy ireo, indrindra ny sorona masin’ny Eokaristia.

1056. Amin’ny fanarahana ny oha-piainan’i Kristy ny Fiangonana no mampitandrina ny mpino ny amin’ny fisian’ny fahafatesana mandrakizay[106] izay sady mampalahelo no mampahonena, antsoina koa hoe afobe.

1057. Ny fahoriana voalohany indrindra any amin’ny afobe dia ny fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra izay ao Aminy irery no afahan’ny olombelona manana ny fiainana sy ny fahasambarana, ary ho amin’izany no  nahariana azy sy iriny.

1058. Mivavaka ny Fiangonana mba tsy hisy olombelona ho very : Tompo ˘, aza avela ho tafasaraka Aminao na oviana na oviana aho[107]. Raha marina fa tsy afaka mahavonjy tena amin’ny herin’ny tenany ihany ny olombelona, dia marina koa fa tian’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra (1 Tim 2,4) ary ho Azy  vitany avokoa ny zavatra rehetra (Mt 19,26).

1059. “Ny Fiangonana r˘manina Masina Indrindra dia mino sy miaiky marina, fa amin’ny andron’ny FitsarÓna, hiseho vatana eo anoloan’ny tribonalin’i Kristy ny olombelona rehetra mba hanao tatitra ny asa rehetra nataony avy[108].

1060. Amin’ny farandro, ho tonga amin’ny hafenoany ny Fanjakan’ Andriamanitra. Amin’izay ny olo-marina hanjaka miaraka amin’i Kristy mandrakizay, henim-boninahitra vatana sy fanahy, ary ny tontolon’ny zava-drehetra manam-batana koa hovÓna endrika. Amin’izay Andriamanitra ho zavatra rehetra amin’izy rehetra( 1 K˘r 15,28)  ao amin’ny fiainana mandrakizay.

 

AMEN 

1061. Ny Izaho mino, tahaka ny boky faran’ny Soratra Masina[109] koa, dia miafara amin’ny teny hebrio hoe Amen. Ahitana izany matetika amin’ny faran’ireo vavaka ao amin’ny Testamenta Vaovao. Toy izany koa, faranan’ny Fiangonana amin’ny “Amen” ny fivavahany rehetra.

1062. Amin’ny fiteny hebrio, ny hoe Amen dia mifandray amin’ny fototeny iray ihany izay niavian’ny teny hoe “mino”. Io fototeny io dia manambara ny fahamafisana, ny fahazoana antoka, ny tsy fivadihana. Araka izany, fantatra ny antony mahatonga ny “Amen” ho azo ilazana ny tsy fivadihan’ Andriamanitra amintsika sy ny fitokiantsika Aminy. 

1063. Ao amin’i Izaia mpaminany dia ahitana ny fomba fiteny hoe “Andriamanitry ny fahamarinana”, ara-bakiteny dia hoe “Andriamanitry ny Amen”, izany hoe Andriamanitra tsy mivadika amin’ny fampanantenany : “Na iza na iza te hotahýna eto an-tany, dia te hotahýn’ny Andriamanitry ny Amen” (Iz 65,16). Mampiasa matetika ny teny hoe “Amen”[110] ny Tompontsika, indraindray amin’ny endrika averina indroa[111], mba hanamafisana ny maha-azo antoka ny fampianarany, ny Fahefany miorina amin’ny Fahamarinan’Andriamanitra. 

1064. Ny “Amen” famaranana ny Izaho mino izany dia mamerina sy manamafy ireo teniny anankiroa voalohany hoe : “Izaho mino”. Ny mino, dia ny milaza hoe “Amen” amin’ny teny, amin’ny fampanantenana, amin’ny didin’ Andriamanitra, dia ny matoky tanteraka an’Ilay izay “Amen’ ” ny fitiavana tsy manam-petra sy tsy fivadihana tanteraka. Ny fiainana kristianina isan’ andro izany dia ho “Amen” amin’ny “Izaho minon’ny” Fiekem-pinoana tamin’ny Batemintsika :

Aoka ny Sembolinao ho toy ny fitaratra ho anao. Jereo ao aminy ny tenanao : mba hahitana raha inoanao izay rehetra ambaranao fa inoana. Ary mifalia ianao isan’andro amin’ny finoanao[112].

1065. Ny Tenan’i Jesoa-Kristy mihitsy no “ilay Amen” (Ap˘k 3,14). Izy no “Amen” tsy miovan’ny fitiavan’ny Ray antsika ; Izy no mizaka ao Aminy sy manatomombana ny “Amen’ ” antsika amin’ny Ray :  “Ny fampanantenana rehetra avy amin’Andriamanitra, araka izany, dia ny "eny" azy ireo tao Aminy ; ka moa tsy amin’ny Alalany rahateo no ilazantsika ny "Amen" antsika amin’ny Voninahitr’Andriamanitra !” (2 K˘r 1,20) :

Amin’ny alalany sy miaraka Aminy ary ao Aminy,
ry Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra,
dia Anao avokoa, ao amin’ny Fanahy Masina,
ny haja amam-boninahitra,
amin’ny taona rehetra mandrakizay.
AMEN[113].

 

* * * * * * * * * *

 


 
[1] jer. R˘m 4,25.
[2] Catech. R. 1,11,3.
[3] Catech. R. 1,11,4.
[4] Md GrÚgoire de Naz., or. 39,17.
[5] K˘ns. Trente : DS 1672.
[6] Md Augustin, serm. 214,11.
[7] Catech. R. 1,11, 5.
[8] jer. Mt 18,21-22.
[9] Md Ambroise, poenit. 1,8,34.
[10] Md Jean Chrysostome, sac. 3,5.
[11] Md Augustin, serm. 213,8.
[12] Catech. R. 1,11,6.
[13] jer. Jo 6,39-40.
[14] jer. 1 Tes 4,14 ; 1 K˘r 6,14 ; 2 K˘r 4,14 ; Filip 3,10-11.
[15] jer. Jen 6,3 ; Sal 56,5 ; Iz 40,6.
[16] Tertullien res. 1,1.
[17] jer. 2 Mak 7,29 ; Dan 12,1-13.
[18] jer. Asa 23,6.
[19] jer. Jo 11,24.
[20] jer. Jo 5,24-25 ; 6,40.
[21] jer. Jo 6,54.
[22] jer. Mk 5,21-43 ; Lk 7,11-17 ; Jo 11.
[23] jer. Mt 12,39.
[24] jer. Jo 2,19-22.
[25] jer. Mk 10,34.
[26] jer. 4,33.
[27] jer. Asa 17,32 ; 1 K˘r 15,12-13.
[28] Md Augustin, Psal. 88,2,5.
[29] jer. Dan 12,2.
[30] K˘ns. Latran IV : DS 801.
[31] jer. Filip 3,21.
[32] Md IrÚnÚe, haer. 4,18,5.
[33] FF 48.
[34] jer. Filip 3,20.
[35] jer. Filip 1,23.
[36] jer. SPF 28.
[37] FAA 18.
[38] jer. Jen 2,17.
[39] jer. R˘m 6,3-9 ; Filip 3,10-11.
[40] jer. Jen 2,17 ; 3,3 ; 3,19 ; Fah 1,13 ; R˘m 5,12 ; 6,23.
[41] jer. DS 1511.
[42] jer. Fah 2,23-24.
[43] FAA 18.
[44] jer. Mk 14,33-34 ; Heb 5,7-8.
[45] jer. R˘m 5,19-21.
[46] Md Ignace d’Antioche, Rom. 6,1-2.
[47] jer. Lk 23,46.
[48] Md Ignace d’Antioche, Rom. 7,2.
[49] Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, poe 7.
[50] Mb Terezin’i Jesoa Zazakely, lettre.
[51] jer. 1 Tes 4,13-14.
[52] MR, Prefasy ho an’ny nodimandry.
[53] FF 48.
[54] Imitation du Christ, 1,23,5-8.
[55] Md Franšois d’Assise, cant.
[56] Tertullien, res. 8,2.
[57] DS 854.
[58] jer. 1 K˘r 15,42.
[59] FAA18.
[60] OEx ź Commendatio animae ╗.
[61] jer. 2 Tim 1,9-10.
[62] jer. Lk 16,22.
[63] jer. Lk 23,43.
[64] jer. 2 K˘r 5,8 ; Filip 1,23 ; Heb 9,27 ; 12,23.
[65] jer. Mt 16,26.
[66] jer. K˘ns. Lyon : DS 856 ; K˘ns. Florence : DS 1304 ; K˘ns. Trente : DS 1820.
[67] jer. K˘ns. Lyon : DS 857 ; Jean XXII : DS 991 ; Benoţt XII : DS 1000-1001 ; K˘ns. Florence : DS 1305.
[68] jer. K˘ns. Lyon : DS 858 ; Benoţt XII : DS 1002 ; K˘ns. Florence : DS 1306.
[69] Md Jean de la Croix, avisos 57.
[70] jer. Ap˘k 22,4.
[71] Benoţt XII : DS 1000 ; jer. koa FF 49.
[72] jer. Jo 14,3 ; Filip 1,23 ; 1 Tes 4,17.
[73] jer. Ap˘k 2,17.
[74] Md Ambroise, Luc 10,121.
[75] Md Cyprien, ep. 58,10.
[76] jer. Mt 25,21.23.
[77] jer. DS 1304.
[78] jer. DS 1820 ; 1580.
[79] Ohatra 1 K˘r 3,15 ; 1 Pi 1,7.
[80] Md GrÚgoire le Grand, dial. 4,41,3.
[81] jer. DS 856.
[82] jer. J˘ba 1,5.
[83] Md Jean Chrysostome, in 1 Cor, hom.  41,5.
[84] jer. Mt 25,31-46.
[85] jer. Mt 5,22.29 ; 13,42.50 ; Mk 9,43-48.
[86] jer. Mt 10,28.
[87] jer. DS 76 ; 409 ; 411 ; 801 ; 858 ; 1002 ; 1351 ; 1575 ; SPF 12.
[88] FF 48.
[89] jer. DS 397 ; 1567.
[90] MR, Canon Romain 88.
[91] jer. Jo 12,48.
[92] Md Augustin, serm. 18,4,4.
[93] jer. Ton 8,6.
[94] FF 48.
[95] jer. Ap˘k 21,1.
[96] jer. Ap˘k 21,27.
[97] FF 1.
[98] jer. Ap˘k 21,27.
[99] Md IrÚnÚe, haer. 5,32,1.
[100] FAA 39, ž 1.
[101] FAA 39, ž 2.
[102] FAA 39, ž 3 ; jer. koa FF 2.
[103] Md Cyrille de JÚrusalem, catech. ill. 18,29.
[104] SPF 28.
[105] SPF 29.
[106] DCG 69.
[107] Oratio ante communionem, 132.
[108] DS 859 ; jer. koa DS 1549.
[109] jer. Ap˘k 22,21.
[110] jer. Mt 6,2.5.16.
[111] jer. Jo 5,19.
[112] Md Augustin, serm. 58, 11,13.
[113] Doxologio post precem eucharisticam.
 

 

top