The Holy See
back up
Search
riga

Lalàm-panorenana Apôstôlika

Tahirim-pinoana (Fidei depositum)
ho amin’ny famoahana
ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika
nalahatra an-tsoratra taorian’ny
Kônsily ekiomenika faharoa
tao Vatikana

 

JOANY PAOLY, EVEKA
Mpanompon’ny Mpanompon’Andriamanitra
ho tsangambato tsy tontan’ny ela

 

1.Tari-dresaka

NY MIAMBINA NY TAHIRIM-PINOANA : izany no fanirahana nankinin’ny Tompo tamin’ny Fiangonany sy tanterahin’ny Fiangonana amin’ny fotoana rehetra. Ny Kônsily ekiomenika faharoa tao Vatikana, nosokafana telopolo taona lasa izay, izay notarihin’i Joany XXIII, papa nodimbiasako, tsaroana amim-panajana izy, dia nanana hetaheta sy faniriana hametraka mazava ny fanirahana apôstôlika sy pastôralin’ny Fiangonana, sy hitarika ny olona rehetra, amin’ny alalan’ny famirapiratam-pahamarinan’ny Vaovao Mahafaly, hikatsaka sy handray ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra (jer. Efez 3,19).

Tamin’ireny fihaonana ireny, nataon’ny Papa Joany XXIII ho vaindohan-draharaha ny hitanana tsaratsara kokoa sy hanazavana misimisy kokoa ny tahiry sarobidin’ny fitambaram-pampianarana kristianina, mba hanamora ny fahazoan’ ny mpinon’i Kristy izany sy ny olona rehetra tsara sitrapo. Mba hahatanteraka izany, ny Kônsily aloha tsy tokony hanameloka ny hadisoana tamin’ny vanim-potoana efa lasa, fa alohan’ny zavatra rehetra, tsy maintsy milofo izy mampiseho amim-pitoniana ny hery sy ny hatsaran’ny fitambaram-pampianaram-pinoana. “Ny fahazavan’ity Kônsily ity - hoy izy - dia ho loharanon-karem-panahy ho an’ny Fiangonana […]. Rahefa avy nanovo hery vaovao tao aminy ny Fiangonana, dia  hiatrika tsy amin-tahotra ny ho avy. […] Isika tsy maintsy mirotsaka an-kafaliana, tsy misy tahotra, amin’ny asa takìn’ny vaninandro iainantsika, eo am-panohizana ny lalana nizoran’ny Fiangonana hatramin’ny roa arivo taona no ho mankaty[1].”

Noho ny fanampian’Andriamanitra, ireo Ray am-panahy nivory tao amin’ny kônsily, dia afaka namolavola, nandritra ny efatra taona niasana, antontan’asa lehibe momba ny famelabelarana ny fitambaram-pampianaram-pinoana sy ny torolalana pastôraly atolotra ho an’ny Fiangonana manontolo. Na ny mpitondra na ny mpino entina dia samy mahita ao ny sori-dalana ho an’izany “fihavaozana amin’ny fisainana, amin’ny asa, amin’ny fomba amam-panao, amin’ny herin-tsaina, amin’ny hafaliana sy ny fanantenana izay kendren’ny Kônsily rahateo izany”[2].

Hatramin’izay nifaranan’ny Kônsily izay, tsy nitsahatra nitondra ainga vao ho amin’ny fiainam-piangonana izy. Tamin’ny taona 1985, dia efa afaka nanambara aho hoe : “Ho ahy – izay nahazo fahasoavana manokana handray anjara tao sy hiara-miasa tamim-pahavitrihana nandritra ny fizotran’ny fihaonana -  hatramin’izay, ary tamin’ny fomba manokana, hatramin’ny taona maromaro naha-papa ahy, ny Kônsily faharoa tao Vatikana no nanompanako ny asako manontolo maha-mpiandry ondry ahy, tao anatin’ny ezaka tsy miroa fo hamadika ny torolalany ho fampiharana azo tsapain-tanana sy mifanaraka tsara amin’izany, eo anivon’ny Fiangonana tsirairay sy ny Fiangonana manontolo. Tokony hiverimberenana tsy an-kijanona io tahirin-kevitry ny Kônsily io”[3].

Tamin’izany toe-tsaina izany no niantsoako fivoriana tsy ara-potoana ny Sinôdan’ny Eveka tamin’ny 25 janoary 1985, faharoapolo taonan’ny famaranana ny Kônsily. Ny tanjon’io fivoriana io dia ny hankalazana ny fahasoavana sy ny vokatra ara-panahy avy amin’ny Kônsily faharoa tao Vatikana, ny handalinana avy amin’izany ny fampianarana, mba hifikirana amin’izany mafimafy kokoa  sy mba hampandroso avy amin’izany ny fahalalana sy ny fampiharana.

Tamin’izany fotoana izany, ireo Ray am-panahy nivory tao amin’ny Sinôda no namboraka ny faniriana hoe : “aoka hanoratra boky katesizy na famintinana ny fitambaram-pampianarana katôlika manontolo, momba ny finoana sy ny môraly, izay hatao lahatsoratra fanovozan-kevitra amin’ny famoronana boky katesizy na famintinam-pampianaram-pinoana eo amin’ny firenena samihafa. Ny fanolorana ny fitambaram-pampianarana, dia tsy maintsy ho ara-baiboly sy ho ara-litorzia, sady mamelabelatra fitambaram-pampianarana azo antoka no mifandraika amin’ny fiainana ankehitriny iainan’ny kristianina”[4]. Vao nifarana ny Sinôda, dia niombon-kevitra tamin’io faniriana io ny tenako, amin’ny fiheverana “fa mamaly tanteraka ny zavatra tena ilain’ny Fiangonana manontolo sy ny Fiangonana tsirairay izany”[5].

Nahoana no tsy hisaotra ny Tompo amin’ny fo manontolo amin’izao andro izao, izay ahafahantsika manolotra amin’ny Fiangonana manontolo ity lahatsoratra fanovozan-kevitra ho an’ny katesezy nohavaozina araka ny loharano velon’ny finoana ity, izay mitondra ny anarana hoe Katesizin’ny Fiangonana Katôlika !

Taorian’ny fanavaozana ny litorzia sy ny fandravonana fehezan-dalàna vaovao momba ny Lalànan’ny Fiangonana latinina sy ny Lalànan’ny Fiangonana tatsinanana katôlika, ity Katesizy ity dia hitondra anjara biriky lehibe tokoa amin’ny asa fanavaozana ny fiainam-piangonana manontolo, irìn’ny Kônsily faharoa tao Vatikana sy ampihariny.

2. Zotra narahina sy toe-tsaina nanomanana ny boky

Vokatry ny fiaraha-miasa midadasika tokoa ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika, izay nomasahana nandritra ny enina taona tamin’ny alalan’ny asa mafy, tao anatin’ny fivelaran-tsaina sy fitandremana fatratra miaraka amin’ny hafanam-po miredareda.

Tamin’ny 1986, nankiniko tamin’ny vaomiera iray misy kardinaly roa ambin’ny folo sy Eveka, notarihin’i Andriamatoa Kardinaly Joseph Ratzinger, ny lahasa fanomanana ny vinavina ho an’ny katesizy nangatahin’ny Ray am-panahy nivory tao amin’ny Sinôda. Kômity iray mpandahatra an-tsoratra izay nisy Eveka mitondra diôsezy, fito, manam-pahaizana manokana amin’ny teôlôjia sy amin’ny katesezy, no nanampy ilay vaomiera tamin’ny asany.

Ny vaomiera izay nomena andraikitra hanome ny torolalana sy hanara-maso ny fizotran’ny asa, dia nanaraka an-tsakany sy an-davany ny dingana rehetra tamin’ny fandrafetana an-tsoratra, navadibadika sy namboarina intsivy miantoana. Ny kômity mpandahatra an-tsoratra, etsy an-kilany, niantsoroka ny andraikitra tamin’ny fanoratana ny lahatsoratra, nampiditra tao ny fanovàna nangatahin’ny vaomiera ary nandinika ny fanamarihana nataon’ireo teôlôjianina, ireo mpahay Soratra Masina, ireo katesety ary indrindra ireo Eveka maneran-tany, mba hanatsarana ny lahatsoratra. Nanjary seha-pifanakalozana namokatra sy nampanankarena tamin’ny fiantohana ny maha-iray sy ny maha-ranoray ny lahatsoratra ilay kômity.

Ny volavolan’asa dia nahatonga fakana hevitra malalaka tamin’ireo Eveka katôlika rehetra, tamin’ny Fivondronamben’izy ireo na tamin’ny Sinôdan’izy ireo, tamin’ireo toeram-pampianarana ambony momba ny teôlôjia sy ny katesezy. Tamin’ny ankapobeny, nahazo fankasitrahana tokoa avy amin’ny Fivondronan’ny Eveka ilay volavolan’asa. Koa azo lazaina tsy amim-pihambahambana fa ity Katesizy ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fivondronan’ny Eveka manontolo ao amin’ny Fiangonana katôlika izay nandray tamin-kalalaham-po ny fanasako hitondra ny anjara andraikiny teo amin’ny famosahan-kevitra izay mahakasika akaiky ny fiainam-piangonana. Niteraka hafaliana lalina tato amiko izany famaliana antso izany, satria ny fiaraha-miasan’ny feo maro be dia manambara marina tokoa “fampiaraham-peon’” ny finoana, raha azo lazaina ho izany. Ny fahatanterahan’ity Katesizy ity dia mitaratra, araka izany, ny toetra maha-fiombonam-piadidian’ny maha-eveka ; izany no manamarina ny maha-katôlika ny Fiangonana.

 

3. Fitsinjarana ny foto-kevitra

Ny katesizy dia tsy maintsy manolotra araka ny tena izy sy amin’ny fomba mirindra ny fampianaran’ny Soratra Masina, ny Lovam-pampianarana velona ao amin’ny Fiangonana ary ny Toniam-pampianarana marina, tahaka izany koa ny lovam-panahy avy amin’ny Aban’ny Fiangonana, ny olomasina lehilahy sy vehivavy ao amin’ny Fiangonana, mba hahafahana mahalala tsaratsara kokoa ny mistery kristianina ary mba hamelombelona ny finoan’ny vahoakan’ Andriamanitra. Ny katesizy dia tsy maintsy mandray ny hevitra avy amin’ny fanazavana miharihary ny fitambaram-pampianaram-pinoana izay natoron’ny Fanahy Masina ny Fiangonana teny am-pamakivakiana ny taonjato nifandimby. Ilaina koa ny hitondran’ny katesizy ny fahazavan’ny finoana amin’ny toe-javatra vaovao sy ny olana izay tsy mbola nisy akory tamin’ny andro teo aloha.

Ny Katesizy àry no hirakitra zava-baovao sy tranainy (jer. Mt 13,52), fa ny finoana kosa mitoetra lalandava amin’ny maha-finoana azy ihany, sy loharanom-pahazavana vaovao lalandava.

Mba hamaliana ireo fitakiana roa loha ireo, ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika, etsy an-daniny, dia namerina ny filaharana “tranainy”, nampitain’ny lovam-pampianarana sy efa narahin’ny Katesizin’i Md Pie V, izay nampifandray ny votoaty ho fizarana efatra : ny Izaho mino ; ny litorzia masina, miaraka amin’ ny sakramenta indrindra indrindra ; ny asa amam-pitondran-tena kristianina, velabelarina miainga avy amin’ny didy ; ary farany ny fivavahana kristianina. Miaraka amin’izany koa anefa, ny zava-boarakitra dia matetika ambara amin’ny fomba “vaovao”, mba hoenti-mamaly ny fanontaniana mipetraka amin’izao vanim-potoana iainantsika izao.

Mifandray amin’izy samy izy ny fizarana efatra : ny mistery kristianina no fototry ny finoana (fizarana voalohany) ; io mistery io no ankalazaina sy ampitaina amin’ny asa litorzika (fizarana faharoa) ; eo io mistery io mba hanazava sy hanohana ny zanak’Andriamanitra amin’ny asa amam-pitondran-tenan’izy ireo (fizarana fahatelo) ; io mistery io no manamarim-pototra ny fivavahantsika izay ny “Rainay” no fanehoana izany manokana, ary mbola io mistery io no fototry ny fangatahantsika, ny fiderantsika, ary ny fitalahoantsika (fizarana fahefatra).

Ny litorzia moa efa vavaka rahateo : ao amin’ny fankalazana ara-pivavahana no ahitan’ny fiekem-pinoana ny toerana sahaza azy. Ny fahasoavana, vokatry ny sakramenta, no antoka tsy azo soloina amin’ny asa amam-pitondran-tena kristianina, tahaka izany koa, mitaky finoana ny fandraisana anjara amin’ny litorzian’ny Fiangonana. Raha tsy aseho an’asa ny finoana, dia maty (jer. Jak 2,14-26) ary tsy afaka mamokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Eo am-pamakiana ny Katesizin’ny Fiangonana katôlika, dia mety hahatsapana ny firaisana mampitolagaga amin’ny misterin’Andriamanitra, amin’ ny fandaharam-pamonjeny, tahaka izany koa ny ivon-toerana misy an’i Jesoa-Kristy, Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, nirahin’ny Ray, tonga olombelona tao an-kibon’i Maria Virjiny Masina Indrindra, noho ny herin’ny Fanahy Masina, mba ho Mpamonjy antsika. Maty sy nitsangan-ko velona, nefa eo amin’ny Fiangonany lalandava Izy, indrindra ao amin’ny sakramenta ; Izy no loharanon’ny finoana, môdelin’ny asa amam-pitondran-tena kristianina, ary Mpampianatra ny vavaka ataontsika.

 

4. Lanjan-kevitra ara-pitambaram-pampianarana raketin’ny lahatsoratra

Ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika izay nankatoaviko ny faha-25 jona lasa teo, ary didìko avoaka ankehitriny noho ny fahefana apôstôlika ananako, dia famelabelarana ny finoan’ny Fiangonana sy ny fitambaram-pampianarana katôlika, hamarinina na hazavain’ny Soratra Masina, ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly ary ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana. Ankatoaviko ny maha-fitaovana marim-pototra sy nahazo  alalana an’ity katesizy ity hoenti-manompo ny firaisan’ny Fiangonana sy ho fitsipika azo antoka ho an’ny fampianaram-pinoana. Enga anie izy ity hanampy antsika amin’ny fanavaozana izay iantsoan’ny Fanahy Masina tsy an-kijanona ny Fiangonan’Andriamanitra, Vatan’i Kristy, mizotra mankamin’ny fahazavana tsy misy haizina ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra !

Ny fankatoavana sy ny famoahana ny Katesizin’ny Fiangonana katôlika no mba fanompoana azon’ny dimbin’i Piera natao ho an’ny Fiangonana Masina katôlika, amin’ny Fiangonana rehetra isanisany mifanara-tsaina sy miombona amin’ny Foibem-pitondrana apôstôlika ao Rôma : izy izay manohana sy manamafy ny finoan’ny mpianatra rehetra an’i Jesoa Tompo (jer. Lk 22,32), manamafy tahaka izany koa, ny rohim-pihavanana ao anaty finoana apôstôlika iray ihany.

Mangataka amin’ny mpiandry ondrin’ny Fiangonana sy ny mpino àry aho, handray ity Katesizy ity, ao anatin’ny toe-tsaina mandala fiombonana, ary hampiasa izany amim-pahazotoana amin’ny fanatanterahana ny iraka ampanaovina azy ireo hitory ny finoana sy hiantso ho amin’ny fiainana araka ny Vaovao Mahafaly. Nomena azy ireo ity Katesizy ity mba hampiasaina ho fanovozan-kevitra azo antoka sy marina ho an’ny fampianarana ny fitambaram-poto-pinoana katôlika, ary indrindra indrindra ho an’ny fandrafetana katesizy eo an-toerana. Natolotra koa izy ity ho an’ny mpino rehetra izay maniry hahalala tsaratsara kokoa ny harena tovozin-tsy ritra amin’ny famonjena (jer. Jo 8,32). Sitrak’ity katesizy ity ny mitondra fanohanana ho amin’ny ezaka momba ny firaisam-pinoana entanin’ny faniriana masin’ny firaisan’ny kristianina rehetra, amin’ny fampisehoana amim-pahamarinana ny votoaty sy ny firaisana mirindra amin’ny finoana katôlika. Farany, ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika dia atolotra ho an’ny olona rehetra mangataka amintsika ny anton’ny fanantenana ao amintsika (jer. 1 Pi 3,15) ary te hahafantatra izay inoan’ny Fiangonana katôlika.

Ity Katesizy ity dia tsy natao hisolo ny katesizy eo an-toerana izay nankatoavin’ny manam-pahefana ao amin’ny Fiangonana, ny Eveka mitondra diôsezy sy ny Fivondronan’ny Eveka, indrindra rahefa nahazo ny fankatoavan’ ny Foibem-pitondrana apôstôlika, fa natao hamporisihana sy hanampiana amin’ ny fandrafetana katesizy vaovao eo an-toerana, izay mandray hevitra avy amin’ ny toe-javatra sy kolontsaina samihafa, nefa mitahiry amim-pitandremana ny maha-tokana ny finoana sy ny tsy fivadihana amin’ny fitambaram-pampianarana katôlika.

 

Famaranana

Ho famaranana an’ity tahirin-kevitra fanolorana ny Katesizin’ny Fiangonana katôlika ity, italahoako i Maria Virjiny Masina Indrindra, Renin’ny Teny tonga Nofo ary Renin’ny Fiangonana, mba hanohana amin’ny herin’ny fanelanelanany ny asa momba ny katesezin’ny Fiangonana manontolo amin’ny ambaratonga rehetra, amin’izao fotoana iantsoana ny Fiangonana amin’ny ezaka vaovao fitoriana ny Evanjely izao. Enga anie ny fahazavan’ny finoana marina hanafaka ny olombelona amin’ny tsy fahalalana sy ny fanandevozan’ny fahotana, mba hitondra azy any amin’ny fahafahana tokana mendrika izany anarana izany (jer. Jo 8,32), dia ny fiainana ao amin’i Jesoa-Kristy eo ambany fitantanan’ny Fanahy Masina, eto an-tany sy any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, ao anatin’ny hafenoan’ ny hasambarana amin’ny fahitana an’Andriamanitra mifanatrika (jer. 1 Kôr 13,12 ; 2 Kôr 5,6-8) !

Nomena ny faha-11 ôktôbra 1992, fahatelopolo taonan’ny fanokafana ny Kônsily faharoa tao Vatikana, sy fahefatra ambin’ny folo taona naha-papa ahy.

 

* * * * * * * * * *


 
[1] Joany XXIII, Lahateny fanokafana ny Kônsily ekiomenika faharoa tao Vatikana, 11 ôktôbra 1962 : AAS 54 (1962), p. 788.
[2] Paoly VI, Lahateny famaranana ny Kônsily ekiomenika faharoa tao Vatikana, 8 desambra 1965: AAS 58 (1966), p.7-8.
[3] Joany Paoly II, Lahateny tamin’ny 25 Janoary 1985 : L’ Osservatore Romano, 27 Janoary 1985.
[4] Tatitra farany tamin’ny Sinôda  tsy ara-potoana, 7 desambra 1985, II, B, a, n°4 : Enchiridion Vaticanum, boky faha-9, p. 1758, n° 1797.
[5] Lahateny famaranana ny Sinôda tsy ara-potoana, 7 desambra 1985, n°6 : ASS 78 (1986), p. 435.

 

top