The Holy See
back up
Search
riga

Fizarana Faharoa

Ny fankalazana ny mistery kristianina

 

Inona no anton’ny litorzia ? 

1066.Ao amin’ny Sembolin’ny finoana no anambàran’ny Fiangonana ampahibemaso ny misterin’ny Trinite Masina sy ny “fandaharana lalin’ny safidim-pony” (Efez 1,9) amin’ny voary manontolo : notanterahin’ny Ray ny “misterin’ny sitrapony” tamin’ny nanomezany ny Zanany Malalany sy ny Fanahiny Masina ho famonjena an’izao tontolo izao sy ho voninahitry ny anarany. Izany no misterin’i Kristy[1], nambara sy notanterahina teo amin’ny tantara araka ny drafitra, ny “fandaharana” voalamina tamim-pahendrena izay antsoin’i Md Paoly hoe “filaharan’ilay hevitra lalina miafina hatrizay hatrizay” (Efez 3,9), ary hantsoin’ny lovam-pampianaran’ ny Aba hoe “fitantanan’ny Teny tonga nofo”, na hoe “fitantanam-pamonjena”. 

1067.“Izany tsanganasam-panavotana ny olombelona sy ny fanomezam-boninahitra lavorary an’Andriamanitra izany, izay nosantarina mialoha tamin’ireo tsanganasa lehibe nataon’Andriamanitra teo amin’ny vahoakan’ ny Testamenta Taloha, dia i Kristy Tompo no nanatanteraka indrindra izany tamin’ny misterin’ny Pakan’ny fijaliany mahasambatra, ny fitsanganany ho velona avy tao amin’ny toeran’ny maty ary ny fiakarany amim-boninahitra any an-danitra ; misterin’ny Paka izay tamin’izany no "nandravany ny fahafatesantsika tamin’ny nahafatesany, sy nanavaozany ny fiainana tamin’ ny nitsanganany ho velona". Satria tao amin’ny lanivoan’i Kristy maty teo amin’ny Hazofijaliana no teraka "ny sakramenta mahatalanjon’ny Fiangonana manontolo"[2].” Izany no mahatonga ny Fiangonana mankalaza mialoha, amin’ny litorzia, ny misterin’ny Paka izay amin’ny alalany no anatanterahan’i Kristy ny tsanganasam-pamonjena antsika.

1068.Koa io misterin’i Kristy io no ambaran’ny Fiangonana sy ankalazainy amin’ny litorziany, mba hivelona amin’izany ny mpino sy hijoro ho vavolombelon’izany eo amin’izao tontolo izao :

Satria, ny litorzia, izay aminy, indrindra amin’ny sorona masin’ny Eokaristia, no “iasan’ny tsanganasa fanavotana antsika”, dia manampy amin’ny fomba ambony indrindra amin’izay asehon’ny mpino sy aharihariny amin’ny hafa, amin’ny alalan’ny fiainan’izy ireo, ny misterin’i Kristy sy ny fomba aman-toetra tena izy ny Fiangonana marina tokoa[3].

 

Inona no dikan’ny teny hoe litorzia ?

1069.“Tsanganasam-bahoaka”, “asa fanompoan’ny vahoaka / ho tombon-tsoam-bahoaka” no dikan’ny teny hoe “litorzia” tany am-piandohana.  Amin’ny lovam-pampianarana kristianina kosa, dia ny fandraisan’ny Vahoakan’ Andriamanitra anjara amin’ny “tsanganasan’Andriamanitra”[4], no tiana hampahafantarina amin’io teny io. Amin’ny alalan’ny litorzia, i Kristy Mpamonjintsika sy Mpisorombe no manohy ao amin’ny Fiangonany, miaraka aminy sy amin’ny alalany, ny tsanganasam-panavotana antsika : 

1070.Ny teny hoe “litorzia” ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ampiasaina tsy hoe hanondroana fotsiny ny fankalazana amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra[5], fa koa ny fitoriana ny Evanjely[6]sy ny fifankatiavana arahin’asa[7]. Ny fototr’ireo toe-draharaha rehetra ireo, dia ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny olombelona. Amin’ny fankalazana litorzika, ny Fiangonana dia mpanompo, amin’ny endriky ny Tompony, ilay “Mpilitorzia”[8]tsy manam-paharoa, amin’ny fandraisany anjara ny maha-mpisorona Azy (asam-panompoana an’Andriamanitra), maha-mpaminany Azy (asam-pitoriana), ary maha-mpanjaka Azy (asam-pitiavana ny hafa) :

Noho izany, ara-drariny raha heverina fa ny litorzia dia fampiasana ny anjara raharaha  maha-mpisorona an’i Jesoa-Kristy, fampiasana izay amin’izany ny fanamasinana ny olombelona no ampahafantarina amin’ny alalan’ireo famantarana ren’ny fandrenesana sy tanterahina amin’ny fomba sahaza ny tsirairay avy amin’izy ireo, izay amin’izany ny fanompoam-pivavahan’ny vahoaka manontolo no ampiasain’ny Vatana mistikan’i Jesoa-Kristy, izany hoe amin’ny alalan’ny Filoha sy amin’ny alalan’ny rantsambatany. Koa noho izany, ny fankalazana litorzika rehetra, amin’ny maha-tsanganasan’i Kristy mpisorona sy ny Vatany, izay ny Fiangonany, dia asa masina ambony indrindra ka tsy misy asa hafa na dia iray aza ataon’ny Fiangonana mety hahatratra ny vokatra mitovy fiamboniana sy mitovy ambaratonga aminy[9].

 

Loharanon’aina ny litorzia 

1071.Ny litorzia, noho izy tsanganasan’i Kristy, dia asan’ny Fiangonany koa. Izy no manatanteraka sy mampiseho ny Fiangonana ho famantarana hita maso amin’ny fiombonan’Andriamanitra sy ny olombelona amin’ny alalan’ i Kristy. Izy no mampirotsaka ny mpino ao amin’ny Fiainam-baovao ny ankohonam-piangonana. Izy no mampisy ny fandraisana anjaran’ny rehetra “amim-pahatsiarovan-tena, amim-pahavitrihana ary amim-pahavokarana”[10].

1072.“Tsy mahatapitra ny asa rehetra sahanin’ny Fiangonana akory ny litorzia”[11]: tokony hialohavan’ny fitoriana ny Evanjely, ny finoana ary ny fibebahana izy ; koa noho izany, afaka mitondra ny vokany ao amin’ny fiainan’ny mpino izy : ny Fiainam-baovao araka ny Fanahy, ny firotsahana eo amin’ ny fanirahana ny Fiangonana ary ny fanompoana ho amin’ny Firaisany.

 

Vavaka sy litorzia 

1073. Fandraisana anjara koa amin’ny vavak’i Kristy ny litorzia, avantana amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina. Ao aminy no ahitan’ny vavaka kristianina manontolo ny fiandohany sy ny fiafarany. Amin’ny alalan’ny litorzia, ny olona anaty no mamahatra sy miorina[12] amin’ny “fitiavana lehibe izay itiavan’ny Ray antsika” (Efez 2,4) ao amin’ny Zanany Malalany. Izany dia iray ihany amin’ny “zava-mahagaga ataon’ Andriamanitra” izay iainana sy ampidirina ao anaty amin’ny alalan’ny vavaka rehetra “atao lalandava, ao amin’ny Fanahy” (Efez 6,18).

 

Katesezy sy litorzia

1074.“Ny litorzia no fara tampony amin’izay kendrena amin’ny asan’ny Fiangonana, sady koa loharano ipoiran’ny heriny manontolo”[13]. Izy izany no toerana fanovozan-tsoa manokana amin’ny katesezin’ny Vahoakan’ Andriamanitra. “Mifamatotra anaty amin’ny asa rehetra ara-litorzia sy ara-tsakramenta ny katesezy, satria amin’ny sakramenta, fa indrindra amin’ny Eokaristia i Jesoa-Kristy no manao asa feno fatra ho amin’ny fanovàna ny olombelona”[14].

1075.Ny katesezy litorzika dia mikendry ny hampiditra ao amin’ny misterin’i Kristy (“mystagogie" no iantsoana izany), avy amin’ny hita maso no mankamin’ny tsy hita maso, avy amin’izay manambara mankamin’izay ambara, avy amin’ny “sakramenta” mankamin’ny “mistery”. Ny katesezy toy izany no andraikitry ny katesizy eo an-toerana sy amin’ny faritany. Ity Katesizy ity, izay te-hanampy ny Fiangonana manontolo, ao anatin’ny faha-samy hafa ny fombam-pivavahany sy ny kolontsainy[15], no hanolotra izay fototra sy iombonan’ny Fiangonana manontolo mikasika ny litorzia amin’ny maha-mistery sy maha-fankalazana azy (sampana voalohany) manaraka izany ny sakramenta fito sy ny sakramentaly (sampana faharoa).

 

SAMPANA VOALOHANY

Ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta

 

1076.Ny andron’ny Pantekôty, tamin’ny fandrotsahana ny Fanahy Masina, no naseho tamin’izao tontolo izao ny Fiangonana[16]. Ny fanomezana ny Fanahy no nisantatra ny vanim-potoana vaovao tamin’ny “fizarazarana ny mistery”: ny vanim-potoanan’ny Fiangonana, izay mandritra izany i Kristy no maneho, tonga eo ary mampita ny tsanganasam-pamonjeny amin’ny alalan’ ny litorzian’ny Fiangonany, “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26). Mandritra izany vanim-potoanan’ny Fiangonana izany, dia miaina sy miasa ao amin’ ny Fiangonany i Kristy hatramin’izao ary miaraka aminy amin’ny fomba vaovao, sahaza izany vanim-potoana vaovao izany. Miasa amin’ny alalan’ ny sakramenta Izy; izany no iantsoan’ny Lovam-pampianarana iombonan’ ny Tatsinanana sy ny Tandrefana hoe : “fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta”; ny maha-izy azy ity dia ny fampitana (na “fizarazarana”) ny vokatry ny misterin’ny Pakan’i Kristy amin’ny fankalazana ny litorzia “ara-tsakramentan’ ” ny Fiangonana.

Noho izany, zava-dehibe ny manazava mialoha io “fizarazarana ny sakramenta” io (toko voalohany). Amin’izany no hahitana mazava tsara kokoa ny toetra sy ny tena endriky ny fankalazana litorzika (toko faharoa).

 
 
[1] . jer. Efez 3,4.
[2]. L 5.
[3] L 2.
[4] jer. Jo 17,4.
[5] jer. Asa 13,2 ; Lk 1,23.
[6] jer. Rôm 15,16 ; Filip 2,14-17 sy Filip 2,30.
[7] jer. Rôm 15,27 ; 2 Kôr  9,12 ; Filip 2,25.
[8] jer. Heb 8,2 sy 6.
[9] L 7.
[10] L 11.
[11] L 9.
[12] jer. Efez 3,16-17.
[13]L.10.
[14]Joany Paoly II, CT 23.
[15] jer. L 3-4.
[16] jer. L 6 ; FF 2.
 

 

top