Index

  Back Top Print

[DE - EN - ES - FR - IT - LA - MG - PL - PT]

 

FANITSIANA NY LAHARANA FAHA-2267

AO AMIN’NY KATESIZIN’NY FIANGONANA KATOLIKA,

MOMBA NY FANAMELOHANA HO FATY

RESCRIPTUM “EX AUDIENTIA SS.MI”

  

Ny Papa Ray Masina, tamin’ny fihaonana manokana nandraisany ny Prefe n’ny Sampana momba ny fampianaram-pinoana ny 11 mey 2018, dia nankatò ny fanitsiana natao tao amin’ny Katesizin ny Fiangonana Katolika, laharana faha-2267, izay ho azo adika amin’ny fiteny samihafa sy hampidirina ao amin’ny boky Katesizy rehetra hatota.    

Fanamelohana ho faty  

2267 : Nandritra ny fotoana maro dia nampiharin’ny fitondrana mahefa isan-karazany ny fanamelohana ho faty mba ho setrin’ny heloka be vava, sady noheverina ihany koa hoe sazy azo ekena, na dia toa tafahoatra ihany aza, mba hijerena manokana ny soa iombonana. 

Vao maika mihamafy ankehitriny ny fahatsapana fa tsy voafafan’ny heloka be vava natao velively ny maha-olona. Mivoatra rahateo ny fanadraisan’ny fanjakana tsirairay ny hevitry ny fanasaziana noho ny heloka. Mahomby kokoa ny rafitra fampidirana am-ponja amin’izao noho izy novolavolaina hiaro ny olom-pirenena, fa noho izy mijery manokana ihany koa ilay voafonja mba ho tafarina eo anivon’ny fiaraha-monina any aoriana.  

Noho izany indrindra, ny Fiangonana, eo am-panarahana ny torolalan’ny Evanjely, dia mampianatra fa “ny fanamelohana ho faty dia tsy azo ekena satria midika ho herisetra sy fandavana ny maha-olona”. 

Ny fanitsiana raiketin’ity Valinteny ity (na hoe Rescriptum) dia hivoaka amin’ny gazety L’Osservatore Romano, hanan-kery avy hatrany amin’io andro io, ary hivoaka amin’ny Acta Apostolicae Sedis.    

Luiz F. Card. Ladaria, S.I.
Prefen’ny Sampana momba ny fampianaram-pinoana  

 

 

Vatican, 1 aogositra 2018, Fahatsiarovana manokana an’i Masinandahy Alphonse Marie de Liguori.